Somary nivadika taranja vetivety aho eto hilaza na hitatitra izay notaterina tamiko ary tsy miresaka manokana momba an'i Madagasikara. Mahavariana ny fitantarana, tsy ilay zavatra tantaraina loatra no tena nanintona ahy fa zavatra tiako asongadina. Voalohany dia hoe hanomboka amin'ny 29 oktobra 2010 ny ady lehibe fahatelo ifanaovan'ny Tandrefana sy ny Firenena Silamo maro, tsy nilaza izay tena vokany izy fa dia ady hafa dia hafa tokoa izy io izay hifarana amin'ny 2014... Ho lao tanteraka i Eoropa manontolo noho ny ady nokleary...dia ny fivavahana ISlamo no fivavahana hanjaka tokana amin'ny firenena Eoropeana. Izaho amin'izao fotsiny dia mahita fa mety ho tontosa izany tranga izany satria mihabetsaka ny Silamo any amin'iny faritra eoropeana iny ary manana tanjaka sy mametraka ny horohorony mihitsy. Tsy mijery azy amin'ny lafiny hoe filazana ny ho avy aho eto fa mijery araka ny zavamisy amin'ny fanjakazakan'ny "tavaratra" araka ny fitantaran'izay te-hitantara azy amiko fotsiny ihany. Ho rotiky ny ady tanteraka anefa ny ila-bolantany avaratra (tahaka ny mametraka fa tsy dia iharany loatra kosa ny ila-bolantany atsimo)
Tsy dia voambara firy fa tahaka ny nahatohitra ny fanafihana ihany ny Amerikana...saingy tsy nisy filazana moa ny amin'izany, dia nihomehy irery aho namaky azy ka nanao hoe izay lehiretsy vao hidodododo hody an-tanindrazana avokoa ny Malagasy mpila ravinahitra any amin'ny ilabolantany avaratra rehetra any... Fa inona loatra no nahatonga ahy hanoratra ity lahatsoratra ity? Raha misy tohiny manahirana sy mitohy ny fifandranitana momba ny fandoroana ny boky silamo Qu'ran any Etazonia io dia mety hitranga tokoa izany ady lehibe fahatelo izany. Fa ny tohiny aloha somary mahafinaritra ho antsika ihany koa e: ny firenena nandevozina indray no hanandevo ireo nanandevo azy... Asa fa re aloha fa votsotra tsy azon'i Madagasikara ny Plateau Continental eo atsimon'ny Nosy sady mitady hitovy habe aminy, soa ihany fa tsy lasan'ny firenena hafa ihany koa aloha fa dia mbola lasa faritra iraisam-pirenena. Miandry 20 taona indray isika hiadiana ny hahazoana azy, tsy niady ho amin'io manko ny fitondrana malagasy misy ankehitriny no tena nahavotsotra azy. Dia indro ilay lahatsary nahavariana ahy, izay amin'ny teny anglisy fa mety ho mora azontsika rehetra.
Mety ho nahita momba azy ity angamba ny Mpitarika Lybiana Mouammar El Khaddaffi no mampirehaka azy hoe ho Faritra Silamo i Eoropa ary ny lohany amin'izany dia i Roma...
jentilisa, 13 septambra 2010 amin'ny 01:25
Mety hanaitra anao mpamaky izany teniko izany saingy izay no marina. Resaka bolabola na andramena na ilay antsointsika voazanaka ara-tsaina hoe "bois de rose" indrindra no resahiko ary tsy lainga izany... saingy ny olana dia tsy voafehy ilay fitrandrahana azy, izay noferana soa amantsara tany aloha tany (porofo indrindra ny fisian'ny fanondranana hatry ny ela), fa maika ny hahazo vola loatra ny sasany ka lasa nanapotika vetivety ny tontolo iainana ka izay no tsy mampanara-dalàna ilay fitrandrahana tafahoatra. Tsy te-hanoratra lava intsony aho satria somary lava ihany ilay
ato amin'ny rohy ato [
teny malagasy] saingy nahaliana dia nahaliana ka tiako zaraina aminareo. Tiako sy
faniriako indrindra
raha mamoaka ny hevitrareo ao ianareo na dia mety tsy itovizana aza ny hevitra. Ho an'izay mahay teny vahiny ka mampitaha azy amin'ny teny malagasy ato...faniriako ihany koa raha milaza
ny tokony ahitsy ianareo eo amin'ny famoahan-kevitra ao. Azamanahy raha tsy mivoaka eo noho eo ny hevitrao fa hipoitra ho azy eo ihany izy rehefa mandalo izahay mamoaka ny hevitrao. Tsy sanatria fanakanana ny hevitrao no antony fa ialàna amin'izay mety ho ompa na teny ratsy ihany.
Raha mahaliana anao ny hamaky azy amin'ny
teny frantsay dia [
jereo ato], ary raha amin'ny
teny anglisy mihitsy aza dia [
ato indray vakiana]. Ireo miloko manga ireo tsindriana raha tsy azonao ny tiako lazaina ary mirary mandrakariva raha mamoaka ny hevitrareo ianareo na karazana fankasitrahana kely fotsiny ihany aza vao maika mahafaly anay sy mandrisika anay hanome vaovao ho anareo.
Jentilisa 24 aogositra 2010 amin'ny 00:45
Ity misy lahatsary iray vao azoko dia zaraiko aminareo ihany koa! fireharehana Frantsay iray manoloana mpanao gazety Afrikana iray (Togoley). Tsy fantatr'ingahy angaha aho?... gadraiko ingahy! anisan'ny tenin'ilay cooperant Frantsay izany. Misy toy izao ny teniny ato amin'ity lahatsary ity: « Tu sais qui je suis ? Je suis le conseiller du chef d'état-major de l'armée de terre. Tu veux que j'appelle le RCGP [Régiment des commandos de la garde présidentielle, ndlr] pour foutre un peu d'ordre là-dedans ? Alors, je demande d'enlever les photos. Est-ce que c'est compliqué ? »
Ny hany faniriana dia izao; tsy hisy zavatra hitranga tahaka izao anie eto Madagasikara.
Miarahaba ny rehetra nahatratra ny fitsingerenan'ny niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara indray, ary ankoatra izay dia ny faha-50 taonany mihitsy no atrehina. Na inona na inona mitranga sy mihatra tsy maintsy mahatsiaro ny tanindrazako mandrakariva aho sy mirary soa ny mpiray tanindrazana amiko na mitovy hevitra amiko izy ireo na mifanohi-kevitra amiko. Samy tompon'ity Madagasikara ity ary samy manana andraikitra sy adidy aminy ihany koa raha mbola mahatsiaro ho olona mizaka ny zom-pirenena entiny. Ny eo amin'ny itondrana azy no mampisara-tsaina fa anjaran'ny tsirairay no mandresy lahatra ny hafa raha mbola azo atao ihany koa izany mifandresy lahatra tsy asiana herisetra izany fa mahay mifampiresaka kosa. Izay no ela fa hitodika amin'izay votoatin'ny tiako hosoratana amin'izay aho.
Tsorina aminareo mpamaky rehetra fa efa ela no nangidihidy ny tanako hanoratra ity taratasy iray ity fa noho ny saina miady dia miady dia feno fisalasalana tanteraka aho. Vokany anefa dia lasa tsy mahavita zavatra hafa mihitsy aho, ka anisan'izany ny fandikana vaovao hitanao ao amin'ny
Global Voices Online ho amin'ny
teny malagasy. Manitsy ny an'ny hafa sy mamoaka izany fotsiny hatreto no vitako. Ankoatra izay dia hitanareo fa lasa mahalana ihany koa aho tao ho ao vao mahatafavoaka lahatsoratra hovakianareo. Ny tena manakana ahy tsy te-hamoaka izay hosoratako etoana dia ny nametrahako hatramin'ny voalohany tao anatiko tao fa tsy hiresaka na inona na inona amin'ny asa fanaoko andavanandro ho hitanareo eto amin'ny bolongana mihitsy aho ary tsy te-hanohintohina velively ny orinasa izay iasako (raha misy ianareo mahalala izany orinasa iasako eto Madagasikara izany dia miangavy mba tsy hiteny izany eto na hitantara any an-kafa satria tsy te-hanala baraka azy velively no ataoko eto fa ny hilaza ny alaheloko ihany, efa nesoriko aza moa ny momba ilay asako sy ny orinasa iasako ao amin'ny facebook sao misy misavasava any ianareo tpt). Tratran'ny tsy azo anoharana aho amin'izao fotoana izao: hijanona tsy hanoratra intsony ve ho sandan'ny fahanginana sa hizaka kosa izay fiantraikan'ny soratra izay anisan'ny maha-izaho ahy sy itondrako ny anarana hoe Jentilisa? Dia indro aho hanoratra ilay saika taratasy misokatra...
Andriamatoa Tale,
Miarahaba anao amin'ny alalan'ity taratasy eto ity aho Andriamatoa tale amin'izao fetim-pirenenay izao satria raha ny marina tsy tiako ho hitanao ilay taratasy fa tiako ho ahy samirery, navoakako teto ihany anefa ilay izy hahafantaran'ny olon-kafa fa nanana adin-tsaina maro dia maro aho ka ny iray ihany no tantaraiko etoana. Nataoko amin'ny teny malagasy ihany koa ilay izy na dia fantatro aza fa tsy mahay izany tenin-drazanay izany ianao sady tsy te-hianatra izany mihitsy satria tsy tiako ho azonao izay ambarako ary faniriako ihany koa ny tsy handikan'ny hafa sy ny tsy hitateran'ny hafa izay soratako etoana ho anao anefa. Izay angamba ilay hambom-po ato amiko izay mifandraindraika amin'ny teny hoe hambom-pom-pirenena izay dradradradraina ankehitriny. Izany eo ihany fa tsy dia voafehiko loatra ny teny frantsay ka manjary lany fotoana aho hieritreritra izay rehetra tokony hosoratana rehetra.
Tsy izany manko Andriamatoa tale fa maro dia maro ny mpiara-miasa no naniry mba tsy hiasa amin'ity andron'ny 26 jona 2010 ity, ary efa nisy aza, hono, ny solontenan'ny mpiasa no nihaona taminao nanao izany fangatahana izany saingy indrisy moa nolavinao izany. Niteraka alahelo tamin'ny maro izany, tsorina aminao, satria taloha manko na niasa aza izahay andro tahaka izao dia nanana fifaliana ihany rehefa misy ny fizarana vorona na zavatra hafa ho entina any amin'ny fianakaviana. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa dia tsy nisy mihitsy na dia iray aza mari-pahatsiarovana ilay fety. Izaho manokana aloha tsoriko aminao fa faly amin'izany toe-javatra izany aho na mety hahatezitra ny mpiara-miasa aza izany filazako izany. Nahoana? teneniko fotsiny ireo mpiara-miasa ka mifampiresaka amiko hoe porofo izao fa tsy mahaleo tena izany i Madagasikara ary misy ny mpandraharaha vahiny tsy mahalala izany fiandrianan'i Madagasikara izany.
Ekeko tokoa fa efa fahazarana ato amin'ny orinasa ny miasa hatrany na dia andro fety aza saingy mba hitan'ny maro ihany fa maro ny tompon'andraikitra ambony no tsy mandia ny faritry ny orinasa amin'ireny andro tsy fiasan'ny ankamaroan'ny olona ireny. Raha mba miasa avokoa anie ny ambaratonga rehetra mety ho tsy dia maninona loatra fa raha maro ianareo any ambony any no tsy hita miasa andro fety manjary mampieritreritra anay hoe dia efa tena fanandevozana kosa raha izany. Maromaro ihany ny ato amin'ny orinasa no tsy miasa ny alahady fa ny tenako kosa dia anatin'ilay miasa na dia alahady aza... Vokany ho anay, izahay ilay tsy mba hita mihitsy rehefa misy ny fivoriam-pianakaviana na fihaonan'ny mpianakavy eny fa na dia amin'ireny fitsangatsaganana fanaon'ny besinimaro alatsinain'ny Paska na alatsinain'ny Pentekostra ireny aza. Tsy fantatry ny fianakaviana intsony izahay rehefa fety sy fotoan-dehibe. Toy ny hoe tsy misy izany ankohonana sy fianakaviana izany ho anay...
Fa dia aiza loatra ny fototry ny alahelo satria efa niasa hatrany ny andro fety ka izao vao tsy zaka izany? Moa va mba fantatrao Andriamatoa tale fa efa malaza loatra ilay tsaho hoe ampiasaina indray izahay ny krismasy sy ny taombaovao izay hany fety tsy niasanay tao anatin'ny telo taona izao raha niasana hatrany izany taloha? Raha naka toky hoe ireo solontena hoe miasa sa tsy miasa amin'ireo fotoana ireo dia nolazaina fa mbola ho ela izany fa ho hita eo ihany... vao maika nampitombina ny ahiahin'ny mpiasa hoe tena ho ampiasaina izany. Izao ka heno indray fa misy izany teny midina izany fa raha tsy misy mihitsy ny taratasy avy amin'ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny asantsika na didy hitsivolana avy amin'ny governemanta hoe tsy azo atao ny miasa na misokatra amin'ny andro voatondro dia misokatra sy miasa hatrany... Na ny Shinoa malaza ho mpanalika ny mpiasany aza toa tsy sahy manao ny mpiasany tahaka izany saingy fantatro avy hatrany ny valiny hoe mandehana miasa any amin'ny Shinoa.
Izao tokoa angaha ny tambin'ny fananana ny asa hatramin'izao, tsy anisan'ireo nesorina na nanala tena nandritra ireny krizy ireny. Na izany aza Andriamatoa tale dia manoratra ihany aho hoe mba hajao, tompoko, ny zo fototra mahaolona fa mba manana ankohonana toa anareo ihany koa ary manana zo hiara-paly amin'ny ankohonana sy ny fianakaviana ary hatramin'ny firenena ihany koa aza izahay. Tsy maninona raha lazaina fa tsy manana ilay hambom-pom-pirenena izahay ary tsy manana ilay fitiavan-tanindrazana matoa tsy mahasahy manohitra imaso anao amin'izao fampiasana anay amin'ity fankalazana ny faha-50 taona ny fiverenan'ny fahaleovantena izao satria na izahay samy izahay aza tsy mety miray hina ka misy ny sasany mitati-bolana tamin'ny dingana nataon'ny delege hafa izay voasoketa ho manala baraka ny orinasa. Tsy fantatro intsony moa na ny orinasa no manala-bara-tena amin'ny zavatra ataony na ny delege SASANY no mba te-hiaro sy hanandratra kosa ny zo sy ny hajan'ny mpiasa nefa dia ampihorohoroana indray fa na izany na tsy izany alahelo anaty fety aloha no zakaina amin'izao fotoana izao. Tsy fantatro intsony na feno izay voasoratra izay na mbola misy ny adino fa atsahatro amin'izay aloha.
Raiso, Andriamatoa tale, ny haja ambony atolotro anao.
Jentilisa, Asabotsy 26 jona 2010 amin'ny fito sy folo maraina eto Antananarivo.
Hiresaka zavatra tsy dia mahazatra ny mpandala ny ara-dalàna sy ny mpanaraka ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana loatra aho nefa dia toy ny malaza dia malaza tokoa izy ity any amin'ny fironana hafa sy any amin'ny sehatra hafa any. Amin'izao toe-java-misy eto amin'ny firenena izao manko dia hevitra milentika dia milentika tokoa ho an'ny mpomba ny fitondrana ankehitriny ny hoe manaparitaka vola araka izay tratra i dada (Marc Ravalomanana io) hanakorontanana ny firenena, tsy hampilamina azy sy tsy hahazoan'ny fitondrana fankatoavana iraisam-pirenena.
Malaza any fa voavidim-bola ireto lazaina fa mpandala ny ara-dalàna ireto, mirarakompana ny vola zaraina isan'andro eny amin'ireny fihaonan'ny mpandala ny ara-dalàna ireny matoa izy ireny mazoto dia mazoto. Ao indray ny filazana fa mandray vola na mikarama ireo mpitarika ireo fa dia manaiky hambakainy fotsiny ireo mpitolona tsotra mafana fo. Dia re koa avy eo fa nandray vola tany amin'i dada ireto mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ireto matoa manao izao zavatra ataony mitarika vahoaka "hanakorotam-panjakana" izao. Azo fehezina hoe matoa misy zavatra mitranga izay dia ny vola, ny vola ary ny vola hatrany no hery manetsika ny mpandala ny ara-dalàna, ny Hetsiky ny Mpitondra fivavahana ary izay mety ho hery rehetra manohintohina azy ireo.
Avy aiza moa no nampalaza izany resaka izany? Lalana iray na roa mifampitohy ihany no fantsona manapariaka ny filazana fa mpanaparitaka vola hanakorontanana ny firenena tsy mampitobina azy hatramin'izao i dada. Voalohany amin'izany ny fampahalalam-baovao ambava sy an-tsoratra ary an-taratasy ary ny faharoa manaraka izany izay somary an-takonana ihany dia ny fiangonana.
Misy fampahalalam-baovao vitsivitsy tsy menatra mihitsy ny mandainga sy mamorom-baovao ho fanasoketana fotsiny sy ho fanaratsiana olona mba ho toy ny tena fahavalo izay haratsian'izy ireo ary hanana fankahalana izany olona na sokajin'olona na vondron'olona izany ireo mora rebirebena ao amin'ny mpanohana azy. Ny Malagasy rahateo mora mirona amin'ny fo ka tena angadin'ireo manana talenta amin'ny fanaovan-gazety ny manararaotra hanome fo ny olona fa tsy ny hampiasa saina azy velively. Ohatra farany mety ho hitanareo ihany ny filazan'ny gazety iray fa noho ny baiko nataon'ilay mpitandrina izay any amponja fa nosamborina nandritra iny any raharahan'ny FIGN tamin'ny 20 mey iny no nitorahan'ny sasany ny biraony... henon'ny iray amin'ny mpanao gazetiny mihitsy hoe ny baiko nataony tamin'ny finday. Izany dia tena tsy misy henatra mihitsy ary mampihevitra ny mpitandrina ho jiolahim-boto mpanimba fananana. Ry zareo tokoa moa no mifehy ny fampitam-baovao ka dia izay tiany atao ihany io saingy mbola hampahatsiarovana azy ireo ihany izany amin'ny androny. Lahatsoratra eo akaiky eo indray ny fahagagany fa misy ny gazety zaraina maimai-poana nefa dia tsy misy dokambarotra ihany koa ao anatiny ao eny amin'ny fivarotam-boky eny dia misy fehezanteny tsipalotra moa milaza fa "tsy mbola lany ny volan'i dada" matoa misy izany, avy eo moa dia mandokandoka ny mpamaky azy izy izay mpamaky mpisaina sy mpandalina moa araka ny filazany ary matoky azy ireo mahasahy mividy lafo ny gazetiny. Rehefa hitako ilay gazety dia tena feno dokambarotra tokoa, ary io no tena fampidiram-bolany. Heveriko rehefa nojerena ny mombamomba azy dia an'ny vondrona Andriatsitohaina (manana ny gazety taratra sy les nouvelles) ilay gazety nolazainy ary miezaka ny tsy hitongilana mihitsy izy fa na ny an'ny mpanohana na ny an'ny mpanohitra dia ambarany soa aman-tsara, eny fa na dia mety hanohintohina ny hafa na ny tombotsoany aza. Fampironana ny olona hisaina moa ireny sorany ireny hanambarany fa tena manambola tsy lany laniana sady nangalariny tamin'ny kitapom-bolam-panjakana rahateo izao dada izao. Tsaroako anefa fa tsy nisy famoahana hoe nisy fanadihadiana ka nisy fahabangana izao volampanjakana dradraodradraina ho nagalarina izao. Ny hita moa izao dia ny halatra bolabola andramena mampalaza ratsy an'i Madagasikara maneratany izao.
Tranga iray nahitako ny hantsana lalina misy eo amin'ny fiaraha-monina saingy tsy nivandravandra izay ny tamin'ny 29 marsa 2010 lasa teo. Tsaroantsika tsara angamba fa nanao fihetsiketseham-panoherana teo anoloan'ny tsangambaton'ny mahery fo teny Ambohijatovo ny mpandala ny ara-dalàna tamin'io andro io. Mba hanatrika ny fotoana koa izy ireo hampiseho ny fisiany izay toa notsinotsinoavina. Tonga ireto mpanohana azy dia ireo mpiambina ny afovoan-tanàna ka mahazo alalana matory sy milalao eny amin'ny zaridaina nahafinaritra teo aloha fa nosimbainy tanteraka ary voatery nofefena mihitsy aza sy mahazo alalana hatory eny rehetra eny sy hangatangataka amin'ny vahiny ary manao maloto eny amin'izay tiany hanaovana azy dia hifanandrina amin'ireto hanambara ny fisiany ireto. Vao nikasintanana sy nanositosika dia namaly bontana avy hatrany ny mpandala ny ara-dalàna, raikitra ny sakoroka satria nihevitra ho nanana ny hery manko izy ireo fa tsy voakitikitika hatramin'izay, voatery nitsoa-pahana mihitsy ireo nila sotasota ka naka ny ilany atsinanan'ny kianjan'ny maritiora 1947 avy eo. Ny fahatongavan'ny mpitandro ny filaminana no nampilamina azy fa raha tsy izany dia asa fotsiny izay nitranga. Avy eo amin'izay dia takoritsika teo amin'ireo hafa tsy miaraka amin'ny mpandala ny ara-dalàna fa tonga teo hanohana ny filohany ny filazana fa misy fizaram-bola mirarakompana ao amin'ireo mpandala ny ara-dalàna ireo, sy ny voakarama izy ireo hanakorontana ny lanonana teo... Mody somary nisisika teny anefatsefan'izy ireny manko aho fa tsy dia mbola be mpahalala loatra moa no naharenesako izany resaka teo amin'ny samy tanora nanatrika teo. Entiko ilazana io tantara io fa mihalalina ny hantsana eo amin'ny fiaraha-monina ary mpifanena fotsiny ny samy Malagasy fa samy misy voam-pakahalana ihany any amin'ny tsirairay any. Dia mbola horanitina hatrany ve izany?
Ny tsikaritro mandray anjara amin'ny famafazana lainga ity ihany koa dia ny fiangonana amin'ny alalan'ny famoahany ireny fanambarana ireny. Samy manana ny fironany ny fiangonana tsirairay, zony izany ary tsy rarana amin'izany izy fa ny tsy lefitro kosa dia ny filazana zavatra tsy mitombina na tsy ananana porofo fa dia toy ny hoe ka efa fantatry ny besinimaro izany dia mba miteny koa izy, tsy mendrika amin'ny maharaiamandreny izy raha manao izany. Zony ny milaza fa nandritra izay 50 taona niverenan'ny fahaleovantena izay dia nisy tokoa ny zavabita dia tanisainy amin'izay izany ka noezahiny tsy notononina izay tena nalaza nandritra ny fito taona farany... zony izany fa tsy azo ekena kosa ny filazana ao anatin'ny fanambarana ny fa misy olona manaparitaka vola hanakorontanana na tsy hisian'ny fandriampahalemana eto amin'ny firenena. Satria ve izany no ambaran'ny gazety mpandainga dia lazaina ihany koa sa eo ampelatanana ny porofon'izany? Maninona raha mba ambara fa samy mpitandro ny filaminana izao ohatra ka samy nandrava ny "fiokoana" tetsy Andrainarivo no misy mandray vola be tokoa ary nomen'ny milaza azy ho mitondra ny firenena amin'izao fotoana izao izany, nefa dia misy tsy re mihitsy izay tambiny azony tamin'ny fandraisany anjara teo. Soa moa fa hain'ireo mpitantana ny tetezamita ireo ny nanambitamby ny hery mitam-piadiana rehetra tamin'ny nanomezana azy ireo 100 000ar tsirairay avy... noho ny fetin'ny reny angamba na tsy azoko loatra fa mpitandro ny filaminana no nilaza izany taminay (satria maromaro izahay no nilazana izany).
Noho izany, tranga miverimberina mila melohina ny famafazana lainga ataon'ny gazety isankarazany sy ny fiangonana sasantsasany ary takiana ihany koa ny hampitsaharana azy mba tsy hanampy trotraka indray ny hantsana efa lalina misy ao amin'ny fiaraha-monina.
jentilisa voalohany jiona 2010