Na raha atao lavalava kokoa ny lohateny dia izay rehetra azo notsoahina tamin'ny fihaonana natrehina tany Santiago de Chile. Raha izay ny lohateny natao tsy midika velively izany fa tsy nisy zavatra azo noraisina tany fa maro tokoa ny nahaliana tany na izany tamin'ny fivoriana na izany ilay toerana na tanàna nanaovana fivoriana mihitsy. Mampivoitra kosa aho ny tsikaritra sy ny zava-dehibe tamiko nandritra izany dia naharitra herinandro izany. Efa nihoatra ny iray volana sahady manko ilay fihaonana nefa tsy mbola azon'ny mpamaky eto akory ny voandalana avy amin'izany. Manararaotra ity tsy fahatomombanan'ny fiseraserana izao ity loatra aho vao tery hampahatsiahy izany vovonan'ny avy eo amin'ny Global Voices Online izany... Tsy maintsy misy tohiny hoe Online ny resaka eto fa zavatra hafa no mivoaka raha vao ny teny roa voalohany ihany no ikarohana rohy sy vaovao.
Santiago de Chile no anaran'ilay tanàna notsidihina. Maromaro ihany manko ny anara-tanàna antsoina hoe Santiago manerana izao tontolo izao ka dia io no anarana fanonontonon'ny mponina any. Raha tononina araka ny fanonona malagasy moa dia manao hoe Santiagô de Tsìle sady tsy moana ny "e" farany no tsy tononina mafy ihany koa, eo amin'ny "i" ny tsindrim-peo hanononana azy. Toy ny anaty koveta ihany ilay tanàna satria hodidinina tendrombohitra avo dia avo tokoa ny renivohitra. Maro dia maro tokoa ny sekoly tazana ao amin'ity tanàna ity ary misimisy ihany koa ny fiangonana (katolika) saingy vitsy dia vitsy ny mpivavaka hitanay tao amin'ny Katedraly raha nitsidika tao izahay ny alahady maraina. Maro dia maro ny mpianatra tazana rehefa mirava ry zareo, mitady hifanahatahaka ny Lisea na izay mitovy amin'ny Lisea aty amintsika sy ny Oniversite ary ny dingana mialoha ny Anjerimanontolo na Preoniversite ao amin'ity tanàna ity. Rehefa mivezivezy ny afovoan-tanàna ianao dia tahaka ny tanànan'ny mpianatra no tsinjonao hivezivezenao. Ahitana ny sehatry ny fandraharahana isan-karazany anefa ny toerana ary maromaro ihany ny banky sy ny toera-mpanakalozam-bola hitanao. Ny mponina indray amin'ny ankapobeny dia mitovy halava amin'ny malagasy amin'ny ankapobeny mihitsy na ny lahy na ny vavy nefa dia tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka erantany amin'ny baolina fandaka ry zareo.
Ao anatin'ny faritra fakana sary na azo akana sary ny toerana fivezivezenay ka nahafinaritra tokoa ny nandeha taminy. Midadasika tokoa ny arabe, nefa tsy ambakan'izany ny lalan'ny mpandeha an-tongotra. Tsy sarotiny taminay naka sary loatra ny mpitandro ny filaminana na mpiambina sivily mety ho hitanao na haka ny sarin'ny Lapan'ny filoham-pirenena ianao na halaina sary eo ihany koa, na haka sary izay rehetra hitanao any amin'ny tranom-bakoka. Ny olana taminay dia ny tahotra satria efa zatra loatra ny fandrarana maka sarina toerana na trano mahafinaritra izahay ka natahotra tamin'ny voalohany. Asa izay hahazo anao raha hoe eo anoloan'Ambohitsorohitra ianao no haka sary angamba, nefa izahay dia tsy naninona mihitsy ary tsy nisy niteny na dia teo anoloan'ny Palacio La Moneda (io ilay Lapam-panjakana iasan'ny filoha Chilena fiantso ny mponina any) aza no naka sary. Tsy nisy niteny anay ireo mpiambina ny banky samihafa raha naka sary azy ireny noho ny hankatony izahay, nefa manandrama anie ianao maka sary manakaiky banky raha tsy tabataba no ho azonao tahaka ireny hoe haka ny planin'ny banky ireny angamba ianao raha eto Madagasikara aloha. Indray maka moa teo Madagasikara dia azon'ny filazana mihitsy aho hoe fafao daholo ny sary azonao teo rah atsy tiana alaina ny fakantsarinao. Dia tsy haiko loatra aloha fa eo amin'ny tontolo frantsay sy amerikana angamba no tena be fandrarana tsy mahazo maka sary toerana izany fa tany Chile aloha izahay na miara-maka sary amin'ny mpitandro ny filaminana any aza tsy olana mihitsy.
Raha mahatsapa toy ny mafana antonony ihany aza izahay dia somary mahavariana ihany ny mahita ny mponina miaro ny tenany fatratra tsy ho azon'ny hatsiaka angamba sy ny fahamaroan'ny olona miakanjo mainty (tena niavaka mihitsy io akanjo matroka io). Raha mahita olona mpiborosy kiraro fahita any Amerika Latina ianao dia somary malotoloto kiraro kosa ny tanora any (misimisy ny manao tenisy malotoloto fa tsy rovitra). Tsy mahamenatra ny olona any ny mifampitantana sy mifanoroka ary mifampitsôda na dia eny an-dalambe aza. Nisy aza moa nilaza fa fahafinaretana ho azy ireo mihitsy izany hoe misy mijery izany ry zareo amin'iny fifanorohana lavalava iny. Gaga ny vahiny raha nahita io fihetsika io ary gaga ny Amerikana Latina raha nanao io fanamarihana io izahay, toy ny zavatra mandeha ho azy io any amin-dry zareo, nefa nisy ihany ny lasa vinany rehefa nolazainay ny langolangom-pitiavana tsy mahazatra anay vahiny indrindra fa ny Arabo, ny Aziatika ary ny Afrikana (ao anatin'ny Afrikana ny Malagasy) ka nanao hoe toa misy fanambaniana ny vehivavy tokoa ilay fihetsika.
Zavatra tsikaritra ihany koa dia ny tsy fahaizan'ny olona any teny anglisy na dia ny bitika aza fa dia teny epaniola ihany ho hainy. Raha mahay teny espaniola ianao izany dia tsy hanana olana fa izahay tsy mahay tsara afa-tsy ny teny fantsay koa aloha dia tena vahiny tanteraka tamin'ny toerana. Na eo aza anefa izany tsy fahaizana teny espaniola izany dia tokony ho tsy very mihitsy ianao raha manana sarintany ka mahay mamaky teny. Mameno ny tanàna mihitsy ny anaran'ny toerana izay diavinao indrindra moa fa eny amin'ny metro (izay tsara lavitra noho ny tany Paris hitako ny an-dry zareo no madio tokoa) ianao. Tsy misy manala na mangalatra ihany koa ny takelaby misy ny anaran-dalana sy ny laharan'ny trano ka tsy mahay anarana hotely na trano anavahana toerana toy ny ny hoe Vatobe na akondro na Mascotte na CCAC loatra ny mpanamory fiarakaretsaka raha ohariko amin'ny zavamisy eto Madagasikara ilay izy fa ny anaran-dalana sy ny laharan'ny trano ihany no miresaka any amin-dry zareo. Toy ny midika ihany izany fa mipetraka ihany fandaminana sy ny fandrafetana ny tanàna.
Hatreo aloha fa mety hisy tohiny indray angamba!
Jentilisa 09 jona 2010 amin'ny 00:23
Tsy dia hanao be resaka loatra fa mba mamoaka izay sary teny amin'ny famoaham-paty teny Andohalo tamin'ny alatsinan'ny pentekosta 24 mey 2010 fotsiny. Mirary fiononana ho an'ny fianakaviana. Ilazana fotsiny izay tsy mbola nahare fa misy fotoam-pivavahana ho an'ny tanindrazana eny amin'ny FJKM Amparibe Famonjena ny talata 25 mey 2010 ho avy izao manomboka ami'ny roa folakandro.
Nahavoriana olona ihany teny
efa eny amin'ny arabe moa izao fotoana izao
samy nifanety na ny olona na ny fiara
voaisanareo ve ny vona fito?
Maro tamin'ireo mpitandrina ireo no nibata azy
Itarafanao ny hamaroan'ny olona fotsiny
na eto
na eto
Ny trano biriky no niandrasana azy
Mba misy tia miakanjo miaramila koa izy izany
Tao anatin'ny vavaka
Tahaka ny fantatro ilay zalahy ity!
Fa naninona ny olona no ningonongonona rehefa ny mpitandrina Ramino Paul Abraham no nasaina nanao teny fampaherezana?
Mpanao politika maka sisiny ve?
Fa tsy misy sary miverina ve izy izany ry Jentilisa a?
Efa hoe i Fetison Rakoto Andrianirina io
Ny Pr Zafy Albert indray raha izao
Hanainga ireo fiara maromaro hamonjy fandevenana
Misy anaran-tshinoa izay ilay ao anaty fiara io sady mpanao politika koa izy
Misy ireo tsy afaka mandevina
Dia manotrona manaraka ny lalana
Nomena laharana ireo fiara hizotra any Ambohitrombihavana Handevina ny Pst Rivo. Noho ny asa aman-draharaha moa na dia andro tsy fiasana aza dia tsy afaka namonjy fandevenana ny tena.
Jentilisa, 25 mey 2010 amin'ny 01:00
Raha miteny isika hoe Maputo, Addis Abeba, Pretoria dia manaraka ho azy ny Santiago (Tsy niady rima loatra ny toerana raha Johannesburg no nivoriana teo!). Tsy ny mouvances anefa no handeha amin'izany renivohitry ny Firenena Chiliana any Amerika atsimo izany fa ny olo-pirenena tia mitati-baovao anareo. Telo mianaka izahay ny malagasy ho any amin'izany toerana izany miainga avy eto an-tanindrazana fa misy koa ny Malagasy miainga avy any ampitan-dranomasina (Etazonia).
Hotontosaina ny 6 - 7 mey 2010 izany Vovonana karakarain'ny Global Voices izany ary tohizana avy hatrany amin'ny fivoriana anatin'ny mpitantana, mpanoratra, mpanitsy lahatsoratra ary mpandika lahatsoratra ho amin'ny fitenim-pirenena vitsivitsy an'i Global Voices ka anatin'izany ny teny malagasy. (Ny 8 - 9 mey 2010 no hanatontosana izany ao amin'ny Tranombokin'i Santiago).
Efa rentsika fa nisy horohorontany tany amin'io firenena iray io. Tsy nampihemotra na nanovana ny toeram-pivoriana iny toe-javatra iray iny fa lasa fijerena ihany koa aza ny fanorenana indray an'i Chili aza. Mazava loatra fa miompana amin'ny ho avin'ny Media Citoyen (fampitam-baovaon'olo-tsotra) sy ny fandraisany anjara mbamin'ny lanjany eo amin'ny sehatra iray ny resaka any. Manaraka izany, mifampitohy aminy dia efa hitantsika angamba ny fiovan-tavan'ny Global Voices amin'ny teny malagasy (Sy ny teny anglisy izay hadika teny koa mazava loatra) ... Endrika iray ho amin'ny fivoarana ihany koa ireny, ka irìna hiroborobo io sehatra teny malagasy io rehefa tonga avy any izahay sy rehefa maka aina vetivety kely monja.
Mazava loatra fa miserana kely ao Paris Charles de Gaulle ny tena ny tapakandron'ny alatsinainy 03 mey 2010 ( fa tsy mihevitra ny hivoaka ny seranana) sy ny tapakandron'ny talata 11 mey 2010 izahay. Asa raha tara loatra ny fanontaniako hoe mba manao ahoana moa ny fiantraikan'ny bolongana (mbamin'ny valantserasera isan-karazany) sy ny zavatra notantarainy taminareo, raha raisina ho ohatra ny zava-misy eto Madagasikara nandritra izay roa taona mahery izay. Raha toa tsy tafavoakanao eto ny hevitrao dia azonao atao ihany koa ny manoratra aty aminay amin'ny alalan'ny Imailaka izay azonao
karohina ato.
Hiala kely ny rivotry Gasikara izany ny tena ka hody tsy hahalala ny zava-misy eto mandritra ny andro vitsivitsy fa ho mpanaraka tsotra ihany koa mandritra ny fotoana vitsy izay hanatrehana izany vovonana na fivoriana an-tampony izany.
Jentilisa, 02 mey 2010 17:13
Resaka an-tserasera no hanombohantsika ny raharaha sady anton'ny lohateny. Misy
bolongana miresaka zavamisy eto Madagasikara tafiditra famaranana amin'ny fifaninanana bolongana tsara indrindra manerantany. Fifaninanana bolongana amin'ny teny frantsay indray ity sady amin'ny sehatra manerantany mihitsy. Raha nahazo loka izy tamin'ny
BOMBS (Best Of Malagasy Blogs) koa rariny araka ny hevitro raha tohanana izy amin'ity amin'ny the BOBs ity, fifaninanana
karakarain'ny Deutsche Welle ity, sady efa tsy mpitsara ny tena eto dia afa-manohana tsara. Efa tsikaritro matetika fa rehefa miara-mivondrona ny Malagasy amin'ny fifaninanana mila ny safidin'ny mpamaky na ny mpijery izay dia mahazo ny amboara hatrany na voalohany hatrany, koa eto indray ve isika no handraraka ilo mby an-doha? Aza miraharaha izay isan-jato hitanao fa ny safidinao ihany no tadiavina, ny erikerika mahatondra-drano koa alao hery ry zareo.
Ahoana no atao hifidianantsika rehetra?
Mankanesa ato: jereo ny tafita famaranana amin'ny bolongana miteny frantsay. Rehefa izany dia tsindrio ny Reflexiums eo ankavanana, izay vao manindry ny VOTER pour ce blog isika. Dia aparitaho amin'ny namana rehetra fantatrao mba ho re laza manerantany indray i Madagasikara sy ny tolony. Na dia te-hiresaka zavatra hafa aza aho dia hatreo aloha no ataoko dia mba aparitaho ihany koa ny rohy sy ny fampianarana ny olona rehetra hifidy. Mahaiza mifidy e! raha toa moa te-hahalala izay soratan'i
Achille52 isika na @sameganegie dia vakio eto ary raha hifandrisika amin'ity lalao ity isika dia
ato indray.
Jentilisa, 16 mars 2010 amin'ny 22:22 alina
Na dia saiky tsy hiresaka momba ilay atrikasa antsoina hoe teny ifampierana izay hala-tahaka avy amin'ny loabary andasy izay tontosaina ny andron'ny alakamisy 4 sy ny zoma 5 marsa eny amin'ny Tranom-pivoriana iraisam-pirenena Ivato aza ny tena dia tsy tana fa mba hanoratra kely ihany. Zava-nahatsikaiky manko no tsipalotra ka aleo resahina kely!
Ho fanombohana ary dia tsaroana izay sariitatra vahiny tamina gazety vahiny izay, misy mpivady lehibe mijery fahitalavitra maneho endrika tsy faly. Nandeha ny fandaharana ho an'ny ankizy fa tsy miova ny endrik'izy ireo. Nandeha ny fampihomehezana fa vinitra hatrany izy mivady. Fa nandeha amin'izay ny vaovao politika fa nitsikanikany sy tapa-tsinay mihitsy izy mivady. Nihevitra ihany aho tamin'izaho namaky ilay sariitatra nojinery fahakely fa mba adala ihany ireto mpivady mikivanivany amin'ny resaka tokony ho matotra ireto. Nifindran'ny aretin'izy mivady anefa ny tena rehefa nanaraka ilay fandaharana mivantana tamin'ny fahitalavi-pirenena ny alin'ny alakamisy 4 marsa 2010. Fa nisy inona angaha nitranga?
Ny tolakandro aloha tany ampiasana, misy fahitalavitra azo jerena tsara mihitsy ny anay fa matetika no tsy mahafantoka loatra amin'izay mandeha eo noho ny asa atrehina, dia hita ihany fa hay mandeha mivantana amin'ny fahitalavitra ilay atrikasa. Tsy atao tompontrano mihono tokoa ny olona ka aleo hahita. Tsy nisy nety te-hijery azy avokoa ny tao am-piasana aloha, fantatra fa misy mifanohi-kevitra ny mpiara-miasa ka sao mahatohina angaha na hampisy disadisa. Ny alina tonga tato an-trano aho vao nanaraka, izahay manko e! na tsy mankasitraka tsotra izao io hetsika io aza da nanaraka mihitsy hijery izay fizotrany. Hay tena matiantoka ny tena tsy nanaraka azy hatramin'ny voalohany!
Aleo hofintimpintinina avy hatrany ireo tranga mampivadika aty izay hany mba hitan'ny tena (efa hirava ny lanonana amin'io). Voalohany na dia nolazaina aza fa "teny ifampierana" ny anaran'ilay atrikasa dia mbola niadiana hevitra indray ny anarany amin'ny teny frantsay. Tao ireo nanitrikitrika fa mahasolo ny "Conférence Nationale" avy hatrany io ataon-dry zareo io satria fahavorian'olona tsy misy tahaka io intsony, fahavoriana fikambanana sy antoko politika no tena tiany lazaina eo. Misy kosa ny mitsipaka izany tanteraka, dia lany kely teo ny andro. Lasa avy hatrany ny eritreritra hoe izany ve no niadiana hevitra tao nandritra ny tontolo andro?
Ifandrombahana moa ny fitenenana satria mba te-hiteny ifampierana avokoa angaha! Mananga-tanàna izay te-hiteny fa misy mandritra ny ora iray mananga-tanana foana vao mahazo ny fanamafisam-peo, fa misy ihany koa ny nananga-tanana hatrany fa tsy nahazo anjara fitenenana hatramin'ny farany... na tsy reraka aza ranamana nananga-tanana dia tsy nahazo rariny e! Asa hanao ahoana angaha ny hakiviany any am-podiana any? hita amin'ny fahitalavitra izany tantaraiko izany fa tsy hoe nanatrika tany ny tena an! Misy mifamely fantsy ankolaka mihitsy moa ireo mifandimby miteny fa dia anjarany moa izay. Nodradradradraina tamin'ny kabary fanokafana ihany anefa fa tsy misy hoe kely sy ngeza intsony ny antoko politika fa manan-jò (vato iray avy) rehefa hotontosaina ny fifidianana na fandrotsaham-bato.
Misy ihany koa ny hevitra "minisitra" iray izay namoaka karazana soso-kevitra ahiana ho lany hoe raha fidiana ny "Assemblée consituante" dia tsy asiana fitsapa-kevi-bahoaka na referendum intsony satria efa karazany mahasolo tena ny safidim-bahoaka ireo izay tafiditra ao amin'ny "Assemblée Constituante"... iny indray no hafa saingy mampanahy be ihany. Tsy haiko intsony aho na tokony hihomehy na tokony ho tezitra fa tsy nahita tahaka izany indray aho ho'aho. Hapetraka tsy misy fitsapa-kevi-bahoaka intsony ve ny lalam-panorenana? Faramparany moa efa be no lasa satria tsy manana fiara manokana hodiana, tsy ilazako hoe noho ny fahatezerana, dia nikabary nanao fanontaniana maro ny mpitarika iray ka valiana eny na tsia, ary tanatin'ny fanontaniana ny hoe : "ilaina indray ve ny manova ny governemanta?" dia tsia no nataon'ny sisa mpanatrika, mety ho avy amin'iny fanontaniana kabary novaliana am-bava iny izao no ahiako hamoahana ny fehinkevitry ny safidim-bahoaka.
Satria moa ny tena tsy nivonona ny hitadidy na handray an-tsoratra ny zava-nitranga dia noadinoina ny ankamaroan'ny zava-nisy faramparany mba tratra; na izany aza tena noana vetivety mihitsy aho noho ny fotoana naha-tapa-tsinay ahy fotoana lavalava ihany. Koa asa moa ny andron'ny Zoma na hanakory indray ny tohiny na hanakory fa tsara ihany ny mijery mivantana ny raharaha eny Ivato io tsy maka lagy fa vonona ny hihomehy, afa-tsy hoe tsy hampitaina mivantana intsony angaha ny fotoana na hoe maro no tsy hanaiky ho mpilalao mampihomehy ao anatin'ilay atrikasa. Dia aleo hihomehezana ilay politika e! fa na izany na tsy izany mba misy ihany koa ny hevitra matotra hoe raha hanangana "Assemblée Constituante" dia tsy ilaina intsony ny Fikaonandoham- pirenena izay tokony hihevitra momba ny Lalampanorenana ihany koa satria manjary mifanitsak'asa ny roa tonta.
jentilisa, 05 marsa 2010 amin'ny 00:07 maraina Antananarivo