Nandalo izany fetin'ny Noely na Krismasy izany, hono, isika! Dia nifampiarahaba, hono, ny mpifankalala amin'izao andro iray toa zato izao. Mifampirary soa, hono, mba hanana na hahazo ny fiadanana izay rehetra andefasana ny hafatra. Eo amin'ny samy kristiana te-hampiaina ny ventin-kevitra dia miorina amin'ny hoe hitondra fiadanana ho an'ny tsirairay ilay fahatongavan'ny Tompo. Saingy izao ho'aho ny olana : samy manana ny famaritany ny antsoiny hoe fiadanana ny tsirairay; samy manana izay heveriny ho fiadanany ny isam-batan'olona.
Ao ny mieritreritra fa raha mianoka ao anatin'ny harena izaitratra izy dia izay no antsoina hoe fiadanana. Ao ny misaina fa izy no manankarena indrindra vao atao hoe miadana izy. Ny marary lazohin'ny aretina ny fahasalamany ihany no katsahiny dia mety hahatratra ny fenitry ny antsoina hoe fiadanana izy. Ny mpifatotra rehetra kosa, raha tafavoaka ny fonja izy dia efa fiadanana izay aminy. Ny mpitady vady rehefa mahazo ny tandrifiny vodin-tsobikiny (sa soabika moa no filaza azy?) dia mahazo ny hoe: "He mba sambatra loatra lahy!" Ny mpivaron-drongony, ny mpivarotra toaka gasy, ny mpivarotra paraky gasy sy ireo mpivarotra tsy ara-dalàna rehetra rehefa afa-miasa malalaka amin'ny asa ataony tsy misy mpanelingelina izy, na mandalo eo aza ny mpitandro ny filaminana, toy ny any Ambositra ohatra, dia efa anjara fiadanana ho azy izay. Eo ihany koa ny hoe mba milaoka vorontsiloza amin'ity andro iray ity dia efa karazam-piadanana ihany koa izany.
Etsy ankilan'izany, tsy voatery ho faniriana ho an'ny tena ihany no mety hahazoana ny fiadanana fa amin'ny alalan'ny fifanampiana sy ny fifampitsinjovana ihany koa. Ny ray aman-dreny rehefa mahazo ny kilalao tadiaviny ny zanany sady faly amin'izany, sady mba mitovy amin'ny zanaky ny rehetra rahateo amin'izay lafiny izay dia efa mety hiteraka fiadanana aminy iny izay. Eo amin'ny lafiny fivavahana ohatra, noho ny Soratra manao hoe manao fiantrana isan-joma (ho an'ny Silamo ohatra araka ny fiheverako fotsiny fa tsy fantatro kosa aloha izay tena votoatin'ny lalànany sy ny fombany ka ialako tsiny dieny mialoha) dia manome ny mahantra izy mba hananany ilay fiadanana; ny kristiana indray raha mahatsapa ny hasoan'ny Soratra manao hoe mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray dia rafitra manantanteraka saingy moa ve ny fanaovana izany no mahasambatra sa izay mahatsiaro sambatra no tsara manao izany mba hananany fahasambarana bebe kokoa? Efa mba manana ny valiny ihany aho fa aleo izay efa nandia izay dingana izay ihany no hahatsapa azy.
Fehiny: tsy ho filozofika be loatra intsony aho fa rehefa mahazo izay irìny iny olona iny dia izay no lazainy fa fiadanany saingy toa mihelina ihany manko izany fiadanana heveriny izany, noho izy miankina kokoa amin'ny fihetseham-po, fa sarotra ny haharetany ho toy ny toetra. Sa izay no mahatonga ilay faniriana hanao hoe : Hitondra fiadanana anie ity andro ity na ny fahatongavan'ny mpamonjy? Sa noho izy mihelina vetivety tokoa no ilazana azy hoe ho krismasim-piadanana no hiainan'ny tsirairay amin'ity andro ity? Koa raha izany ihany no izy, inona ary no manavaka azy amin'ny antsoina hoe revy?
Ka nifaly ve ianareo?
Rehefa mifampirary soa sy mifanatsafa ny olona ka mandeha ny fanontaniana hoe : Ka manao ahoana ny fety? dia mitovitovy hatrany ny valiny, indrindra ho an'ny Malagasy, ka manao hoe manao izay mety eo e! Ny kely ananana no ahiratra. Ny zaza sy ny ankizy no mpamaly hoe mahafinaritra be mihitsy; fa toa voambolana tsy mipololotra loatra amin'ny samy olon-dehibe indray ny toy izany. Ny fifaliana anatin'ny fihaonana noho ny tsy fifankahitana ela eo amin'ny mpianakavy ve moa tsy hisy kosa? Saingy ny fanahiana ny ampitson'ny Malagasy kosa dia manaloka mampatahotra loatra.
Mihamaro dia mihamaro fatratra manko eo amin'ny manodidina ahy, indrindra ho an'ny ankamaroan'ny tanora latsaky ny 40 taona, ny resy lahatra fa tsy ho vita am-pilaminana intsony ity raharaha politika ity. Ny fitakiana ezahina atao am-pilaminana rehetra dia isedrana herisetra, fanagadrana ary famoretana hatrany. Tsoriko kosa aloha fa tena tsy nankasitrahako velively ny nitarihana ny olona hidina an-dalambe indray nefa tsy misy tetika mazava hampahomby izay atao. Heveriko ho tetika hampandamoka ny tadiavin'ny mpitolona eo amin'ny kianjan'ny ara-dalàna ny hitarihana azy ireny horatraina sy hogadraina ato anatin'ity fety ity hanomezana fahasahiranana ny fianakaviana. Ampangaiko ho ao anatin'ny tetika famonoana ny tolona mandrakariva ireo mpampirisika ny olona ho amin'izany fidinana an-dalambe tsy misy fiarovana ny olona mpanaraka azy akory. Misy aza moa ny mpitari-tolona etsy amin'ny ara-dalàna hatramin'izao no ahiahiako mampivily lalana matetika ny tolona imatimatesan'ireo mpandray anjara mavitrika mankeny satria avy aminy matetika ny kabary fampirisihana "hidirana amin'ny dingana sarotra kokoa".
Na ahoana na ahoana ihany koa dia tsy mbola nahitako tombony mihitsy aloha ny fiarahan'ny ankolafy Ravalomanana mitolona miaraka amin'i ankolafy hafa. Rehefa todihina ny tantara dia amin'ny vanim-potoana ilazana ho firaisan'ireo ankolafy ireo hatrany matetika no misedra ratra sy fanenjehana ny mpandala ny ara-dalàna. Ny lesoka lehibe indrindra dia ny fifandaminana. Eo hatrany no fanararaotran'ny olon-kafa miditra hatrao anatiny manao gafigafy hanasoketana ny tolona. Fotoana fanararaotran'ny mpanendaka sy ny voakarama hanapotika ny tolona ihany koa ireny hanaovany ny asa malotony. Lesoka lehibe dia lehibe noho izany ny tsy fisian'ny fifandaminana matotra sy ny fahatahorana mifampiavaka ao anatin'ny fidinana an-dalambe. Ny tena zava-doza tamin'ny tany Tsimbazaza tamin'ity herinandro ity dia tsy nisy mihitsy ny lalam-pandosirana raha misy ny tsy azo anoharana nefa efa fantatr'izay nankeny fa ilay tsy azo anoharana no hitranga kokoa.
Eo ihany koa ny fampidirana ho ao anatina fiaraha-mientana iray ny olona noenjehina sy nanenjika noho ny resaka politika (sy foko na fiaviana) tany amin'ny fotoana efa lasa tany. Na ahoana na ahoana dia miteraka fifampiahiahiana izay manalemy tanteraka ny tolona atao ity toe-javatra iray ity. Famotehana ara-toe-tsaina ny tolona ihany koa ny fahaverezan'ny fifampitokisana eo amin'ny mpiara-mitolona. Heveriko, noho izany, fa tonga amin'ny fenitra farany ny tolona am-pilaminana noezahina notandrovina nandritra izay sivy volana izay; nahavita ny adidiny ireo tsy nitandro hasasarana nizotra nankeny Ankorondrano isan'andro ka ao anatin'izany ny raiko izay sambany indray nanao toy izany taorian'ny 1972. Ny zatra mankeny Ankorondrano resy lahatra hatrany amin'ny fanaovana ny tolona tsy misy herisetra, tafasara-kevitra ny amin'izany kosa ireo izay tsy afa-mankeny intsony ka manao hoe aleo ataon'ny miaramila sy izay vonona ny ambiny ka rehefa tsy hanao ny miaramila dia samia mizaka ny fiantraikany avokoa. Ny mpahalala tantara dia lasa miaina mivantana izay fantany tamin'ny raharaha teto Madagasikara tamin'ny 1947 raha mahita izany toe-javatra izany. Indrisy, toa andalam-panatanterahina ihany ilay tetika ampiadiana ny samy Malagasy izay sarotra inoan'ny be sy ny maro hatramin'izao.
Hitako fa na mbola hisy na tsy hisy intsony ny tolona ataon'ny mbola mazoto hankeny Ankorondrano dia efa mihatra ny loza manamban'ny fipoahana ara-tsosialy ary ho zava-doza kokoa eo amin'izay tsy niomana ny finiavana hikimpy manoloana ity loza manambana ity. Hazavaiko kokoa ny resaka : tsy hoe misy ny tetika hampiadiana ny samy Malagasy fa ny toe-draharaha mihitsy no efa vonona indray amin'ny mety hisian'ny fandrobana mampihoron-koditra kokoa noho izay nitranga tamin'ny voalohan'ny taona 2009. Tsy hianona eo amin'izany fandrobana izany anefa ny resaka fa hiitatra amin'ny valifaty amin'izay ary eo no tena zava-doza. Ho an'izay manakarama mpanakorontana hiarovany ny tombotsoany moa dia mety hivadika aminy ihany ny tetika malotony. Nahamarika ihany koa aho tao am-piangonana fa toa tsy mba nolazaina tao ny hafatry ny krismasy iarahan'ny Ray Aman-Dreny lehibe ao amin'ny FFKM sa tsy nisy intsony izany? Dia tsy heno ve izany ilay fanombohan'ny hafatra Pastoraly mpanao hoe :"Ho aminareo anie ny Fiadanan'ny...Tompo"? Sa efa tsinjon'izy ireo hoe aleo tsy miteny izany fiadanana izany nefa tsy hisy akory izany?
jentilisa, 26 desambra 2009 amin'ny 00:45
Oadray! fa inona ity nahazo? Fa tsy ianao ihany ve no niteny fa manana andraikitra lehibe amin'ny toerana misy an'i Madagasikara ankehitriny ny miaramila ka inona indray no idikidirana any? Valiny: Fa inona indray moa no isintonako ny masonareo hamaky ny lahatsoratro raha tsy mba miavaka kely ny filazako azy? mazava loatra fa tsy hiditra ho miaramila velively aho fa hira nipololotra am-bavako tampoka tamiko izy io ary entina hilaza aminao fa resaka miaramila indray no resaka atao eto. Marina aloha mazava loatra fa toa resadresahina amina bolongana sy vohikala malagasy maromaro ity lohahevitra miaramila ity amin'izao fotoana izao, indrindra taorian'ireny fanambarana nataona manamboninahitra vitsivitsy ireny indray. Dia tsy aritro fa hiresaka ny momba azy ity indray aho, na dia saropady aza ny fanaovana izany.
Efa nanao fanompoam-pirenena fa ivelan'ny tafika
Voalohany, anisan'ny tanora afaka baccalauréat (oadray leaza! hay moa tsy nogasiana ity anarana diplaoma ity fa dia vitan'ny hoe baka fotsiny? nefa ilay baka anie ka toa sampan-kazo kely e!) nanao fanompoana ivelan'ny tafika farany indrindra ny tenako (1990). Na dia mbola tao anatin'ny nanana safidy ny hanohy ny fianarana any amin'ny anjerimanontolo avy hatrany aza aho, noho ny mbola fahakelezan-taona tamin'izany fotoana izany, dia nisafidy hiditra SN satria iray amin'ny asa tiako natao mihitsy ny ho zandary fahakely (fa tsy nankafiziko mihitsy ny ho miaramila). Mazava loatra fa efa nikitika izany hoe basy aho, ary tany amin'ny tifitra aza dia bala iray (lasa tsinahy! izay no mahasaropady ny kalachnikov!) ihany no very tsy tafiditra tanaty lasibatra tamin'ny bala valo nomena (hausse 100). Ny bala telo tamin'ireo aza dia tafiditra tanatin'ny boribory afovoany indrindra avokoa.
Etsy andaniny, azo marihina avy amin'io fa maro tamin'ny tanora nandranto fianarana somary mba avoavo taty aoriana no tsy nanao fanompoana miaramila fa mety ho vitan'ny fitsarana miaramila fotsiny dia nangataka fanemorana fanompoana avy eo raha afaka tamin'izany. Dia heveriko fa tsy niaina loatra izany fiainana miaramila izany ny tanora nandrato fianarana, araka ny fijeriko, afa-tsy ireo izay nanana fironana hanao io raharaha io. Dia tsy mahalala ny revy sy ny fihafiana tanatin'izany ihany koa. Ireo tambanivohitra sy ireo nijanona tamin'ny fianarany tany antenantenany ambany any ary ireo sarangan'ny mpitrongy no tsy manana antony hialana amin'ny raharaha ka dia tafiditra soa amantsara amin'io raharaha io. Mahamafy toto kokoa an-dry zareo izany hiatrika zava-tsarotra. Izay ny mety mahatonga ny ankamaroan'ny olona fa fanadontoana (fa tsy fandotoana velively no tiako ambara) saina fotsiny ny fanaovana ireny miaramila ireny... satria tsy natao hisaina loatra fa natao hanoa baiko kosa. Fitsaratsarana ivelany kosa izany amiko. Fomba fijery mety ho diso no nambarako hatreo ary azon'ny hafa tsikeraina.
Tetikady miaramila
Fa ireny teny fampidirana lavabe ireny no resahina te-hiditra amin'ny tetikady miaramila tsinjoko amin'izao fotoana izao aho. Raha miresaka politika tokony hanana izay tetikady izay mba tsy handaniana hery sy fotoana amin'ny tsy antony ary hita rahateo fa tsy azo hamaivanina velively ity resaka tetikady ity (na tetipanorona raha tiana hadio kokoa ny fitenenana azy) amin'ny toe-java-misy amin'izao fotoana izao. Rehefa tsy manana izany ihany koa dia tsy hisy fanantenana hivoahana ho amin'ny fandresena velively. Misy vitsivitsy somary milahadahatra izy ireo ka anjaranao ny manampy na manitsy na maka tsoa-kevitra amin'izay ambarako araka ny lafin-kevitra misy anao.
Tetikady voalohany ny nanambatambazana ny mpitandro ny filaminana tamin'ny fanondrotana ny karamany (50%) sy ny fahazoany tambin-karama (15%n'ny karama) nolazaina fa hampiharina nanomboka ity volana desambra ity. Zavatra iray nahavariana ahy tao ho ao dia ilay tambin-karama 15%n'ny karama hatrany no naverimberina fa tsy nolazaina mihitsy kosa ilay karama nakarina 50%. Izaho ve no diso fihaino sa ny mpilaza no diso fanonona fa niniana tsy noresahina mihitsy io fisondrotana io amin'izao fotoana izao? Efa taitaitra ihany na dia izany aza mpiasam-panjakana hafa amin'izao fiangarana izao. Raha nisy tao amin'ny tafika indray tafaresaka amin'ny tena dia nanitrikitrika ranamana fa resabe fotsiny izany fanondrotana sy tambin-karama izany fa an'ny sasany angamba hoy ny tenany. Hatramin'izao anefa aho dia tsy mety mino izany fandavany fa tsy mihatra izany fanondrotana izany. Nivoatra dia nivoatra ny toe-draharaha ka tsy fantatra intsony na ho lany andro na ho diso adiresy ny zavatra soratana aloha.
Efa voasoratro ihany moa ny momba io tetikady voalohany io, tokony ho nahomby sy tsara kendry ilay tetikady saingy nivandravandra kosa. Efa maro angamba no mahita fa noho ny fananan'izy ireo basy aman-tafondro no antony ikarakarana azy ireo manokana. Ao anatin'izany aloha ny aroriakan'ny fihoaram-pefy mety hataon'ny olona tsy voafehy ka noho ny nandraisan'ny mpitandro ny filaminana saosy ambonimbony dia kendrena ny hanao ny asany araka ny tadiavina izy ireo. Ao ambadik'izay ihany koa anefa dia misy tahotra ny tafika mihitsy ao anatiny ao. Fantany tsara fa rehefa voafehiny tsara ny mpitandro ny filaminana dia mandry fehizay ny tanàna sy ny seza. Fantany ihany koa fa raha tsy milamina ny tafika dia mihozongozona ihany koa ny sezany na dia tsy mihetsika aza ny vahoaka tsotra. Vao niainana tamin'ity taona ity izany ka tsy ho adino vetivety. Fanangolena mivantana no natao, hany ka nitroatra ny sasany raha mbola nisy ihany manamboninahitra nihoam-pefy nanao fanambarana.
Ny fanaitairana isan-karazany
Efa nosoratako fa manana kinendry ny mpitondra raha nanangoly ny miaramila. Nisy ary ireo nilazana hamita iraka fa toa mihaodihaody ny fahavalo. Ny olana amin'izy ity, ny fahavalon'ny mpitondra no nihaodihaody na saiky hiditra ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Morondava sa seranan'i Nosy Be, sa ny fahavalon'i Madagasikara? Efa lasa zava-dratsy koa moa ilay ambara ho fahavalom-pirenena fa rehefa tsy mitovy hevitra amin'ny mpitana fitaovam-piadiana dia tafiditra ho fahavalo izay. Tetika fanomanan-tsaina fotsiny anefa ireo fanaitairana ireo noho ny fikasana hametraka miaramila tao amin'ny governemanta. Ireo "zandry" no tena iantefan'ny fanomanan-tsaina haneken'izy ireo ny hidiran'ny miaramila anaty governemanta na dia efa nifanarahana aza fa tsy tokony idirana intsony ny amin'izany politika izany. Ambarako indray fa mbola fomba fijery ihany koa io.
Tetsy andanin'izay ihany koa dia nanome fitaovana tamin'ny BANI (Base AeroNavale Ivato) ny Frantsay noho ny fiaraha-miasa, tamin'ity herinandro ity. Ny tiana aseho dia hoe tsara ny fifandraisana eo amin'ny roa tonta. Ilay tsy mijery afa-tsy tetikady ao ambadika kosa dia mijery azy ho fanambatambazana mba tsy hikofokofoka amin'ny tsy antony raha sanatria misy ny sanatria. Toby akaikin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena io ka aleo karakaraina. Heveriko ho nahafantampantatra zavatra ny Frantsay raha nanao io fihetsika io sy ny asam-pitsikilovana matanjaka ary izay no hambarako manaraka eo.
Raha hita ho tafiditra tsara tanatin'ny vovon'ny fanambatambazana ary ny "zandry" dia indreo indray mbola nisy "zoky" tsy afa-po ihany dia tsy nahatam-bava fa nilaza ny heviny izay misy idirana politika ihany koa. Ireo manamboninahitra nanao fanambarana tamin'ny 15 desambra tao amin'ny Carlton no tondroiko eto. Efa nisy ny vitsivitsy teo aloha nanao fanambarana tsy niera no voasazy koa nahoana moa no mbola misy an'itony indray nivoaka hanao fanambarana? Dia mitady sazy fotsiny ve izy ireo sa dia manana tetikady ao ambadika ao? Manamboninahitra ambony ireo ka tsy hanaotao foana. Ny zavatra kendreny no manjavozavo amin'ny sarambambem-bahoaka. Ny singa iray manavaka azy ireo dia izao: Ireo manamboninahitra ambony vao nahazo ny galonan'ny Jeneraly dia andiany faha-11 tao amin'ny Akademia miaramila Antsirabe ny ankamaroany. Ireto nanao fanambarana mbola nijanona ho Kolonely ireto kosa anefa, araka ny nambaran'izy ireo dia andiany faha-8 sy faha-9 ary faha-10, izany hoe talohan'ireo vao nahazo ny galonan'ny Jeneraly. Filazana ankolaka izany fa tsy nandeha amin'ny tokony ho ambaratongany ny fampakarana grady.
Resaka fialonana, sa resaka fironana politika sa resaka fiampangana ankolaka ny tsy rariny ao amin'ny tafika ary ve no tena tanjon'ireo manamboninahitra nanao fanambarana tsy niera ireo? Ny fiheveran'ny olona dia fanambarana mikendry ny hisian'ny fikomiana no natao, na fanasaritahana tsotra izao ny fiainana andavanandron'ny mponina amin'izao ankatoky ny fety izao. Dia nihevitra ny olona fa raha hiditra amin'ny lojikan'ny fanasaziana azy ireo ny mpifehy ny tafika dia ahiana hisy ny fikomiana ataona vondro-tafika. Ity vaovao ity aloha dia nifanakaiky tamin'ilay fanomezana fitaovana ny BANI ka mampihevitra fa tian-kangina ity vondro-tafika ity, ary dia niaraha-nahita moa fa iray monja no nanao fanambarana avy amin'ny tafika an-dranomasina sy an'habakabaka. Dia nieritreritra ny tena fa raha manamboninahitra zato monja no miara-manao fanambarana (fa tsy voatery hikomy hifehy toby) na tsy mitondra basy dia afaka mangovitra tsara ny mpitondra sivily sy ny mpitondra miaramila. Saingy tsy any ny kinendrin'izy ireo araka ny fahitako azy.
Ny ambadiky ny fanambarana 15 desambra Carlton
Voafafa noho ny antony tsy fantatro loatra ny lavabe efa voasoratro teto ka dia ezahina averina araka izay tadidy sisa na dia mety hiova indray aza ny voasoratra. Efa mahafantatra ny sazy mety hihatra amin'izy ireo ireto nanao fanambarana tsy niera ireto nefa dia nahoana loatra no mbola minia miditra amin'izany fidiran-tsazy izany ihany? Nandray vola tany ho any tokoa ve raha jerena ny toerana nanaovana ny fanambarana? Sa ilazana ampahibemaso fa na inona na inona lazaina dia misy fivakisana tokoa ny tafika? Ny olona dia miandry zava-tsarotra hafahafa kokoa mety hitranga indray ato ho ato. Misy ny fanahiana fa raha voasazy ireto olona ireto dia hisy ny hafa hitroatra tsy hanaiky intsony ka dia hisy ny toby hitsangana iarahan'ireo tsy hanaiky lembenana intsony. Tsy hahombiazana tamin'ilay fandambolamboana ny tafika noho izany ny mpitondra. Manantena zavatra be loatra izany raha izay no andrasana, na dia antoka hitondrana ankolafy tokana ny tetezamita aza ny tafika. Mety tsy hisy idiran'ny politika ny resaka ary tsy te-hiditra amin'izany mihitsy.
Mety ho lasa ihany ny saina mahita ilay fanambarana fampodiana ny ankolafy telo sy fitakiana hanohizana ny fifampidinihana eo amin'ny samy mpanao politika mba hisian'ny vahaolana haingana sy maharitra ary eken'ny rehetra. Io votoaty io dia mamaritra tsara hoe avelao ho an'ny mpanao politika ny politika fa tsy misy tokony itsabahana na hanendrena miaramila manamboninahitra ao anatin'izany. Napetrany mazava tsara fa manaja ny soatoavina miaramila ry zareo manao ilay fanambarana, izany hoe tsy fidirana amin'ny resaka politika sy tsy fidiran'ny resaka politika eo amin'ny sehatra ara-miaramila. Mihamanakaiky ny marina isika rehefa mahita ilay fiantsoana ny foloalindahy hitandro ny tsy fombàna amin'ny atsy na ny aroa. Ny zava-nisy tao anatin'ny volana maromaro manko izay dia nodradradradraina hatrany fa tsy handray fahefana ny miaramila, nefa ankehitriny milaza ho vonona ho amin'izany indray ny sasany. Mety ho eo no tena kinendrin'ny fanambarana.
Tao ho ao dia nalaza tokoa ny fifampiresahina tamina manamboninahitra ambony amin'ny fitadiavana izay ho praiminisitra hasolo izay efa vita fifanarahana. Izay nantsoina toa mandà, ary izay vonona Merina indray. Efa nolazain'izy ireo tamin'ny fotoanan'ny fitadiavam-pifanarahana ireny fa tsy mety raha sady Merina ny filoham-pirenena (filohan'ny tetezamita eto) ka mbola ho Merina indray ny Praiminisitra. Lalampanorenana tsy voasoratra moa io ka manahirana ny miresaka ilay izy... Firenena ve no resahina dia mbola resaka foko no sehatra iresahana azy? Tao anatin'izany ketriketrika hametraka praiminisitra miaramila ,milaza fanekena ho amina ankolafy iray izay no nipoiran'ireto manamboninahitra nanao fanambarana tampoka ireto. Vokany: hatramin'izao aloha tsy mbola voatendry izay ho praimnisitra izay kendrena ho miaramila. Raha tokony ho filoha Miaramila no tsara mitantana ny fitondrana rehefa tsy hifanaraka tsy manaiky izany kosa ingahikely fa tsy maintsy azy ihany ny laharam-boinahitra voalohany. Raha izay fanakanana ny fanendrena praiminisitra miaramila izay ihany no notadiavin'ireo manambonihitra ireo dia nahombiazana izy ireo na dia nandraisana sazy aza izany. Ny ankoatra izay kosa dia sarotra aloha ny hahatanteraka azy ny fijeriko azy hatreto mandra-pisian'ny fivoarana manaraka.
Torohevitra hafa tsara ampitaina amin'ny mpitolona rehetra
Torohevitra ho an'ny mpandala ny ara-dalàna no apetrako aloha, koa hadalany raha tsy mba mihevitra kely amin'izay tokony hatao izy farafaharatsiny rehefa tsy handray ny hevitro ihany. Fero ho isaky ny Asabotsy sy Alarobia ny fotoam-pivoriana eny amin'ny kianjan'ny ara-dalàna fa manasatra ny mpitolona foana. Rehefa misy ny fitokonana faobe ataon'ny mpiasa isan-tsokajiny vao tokony ampitomboina isan'andro ilay tolona. Lasa tsy misy hajany intsony manko ilay hetsika raha reraka ny mpitolona. Ny vavaka atao ihany koa dia tsy tokony hisy fanaratsiana olona fahatany na ankahalainao aza iny olona iny, satria tokony ho ao an-tsainao raha tena mpivavaka tokoa ianao fa tsy henoin'Andriamanitra velively ny vavaka misy fanambaniana olona. Ho tahaka ny vavak'ilay Fariseo (Farisianina hoy ny Katolika Romana) miseho ho masina izany raha miolotra amin'ny vavaky ny mpamory hetra (na Poblikana) niompana tamin'ny fanetre-tenany kosa ny vavaka nataony.
Eo amin'ny fihetsehana an-dalambe kosa indray, raha manam-pikasana ny hidina an-dalambe na hivoaka amina faritra misy fefy ny ankolafy telo amin'ny fihetsehana kasaina hatao dia tsy mazoto loatra ny amin'io aho. Fikasana hanosoram-potaka hatrany ankolafy iray manko ny fotoana tahaka izany ary tokony ho leson'izany ny tamin'ny 11 septambra 2009 teo. Aleo samy manao ny azy ihany rehefa tsy misy sehatra voafefy ho fiarovana amin'ny fihoaram-pefy. Tsarovy fa ho fanararaotan'ny mpangaro-paosy sy ny mpanendaka hatrany ny fidinana an-dalambe ka tsy mahasoroka mialoha izay mety hitranga. Tsy maintsy hisy ny fanendahana an-dalambe hataon'ireo ankolafy manokana ireo raha mbola misy ny fikirizana hanao izany nefa tsy maka fepetra hanohitra mivantana an-dry zalahy mpanendaka ireo. Odian'ny manampahefana tsy fantatra ny ataon'ireny olona ireny fa ianao mpitarika hatrany no hiangonan'ny rihitra avy eo.
Farany : Aza manantena hiresaka izay noresahin'ny sasany sy nankalazaina fatratra mialoha ny valandresaka avy amina mpanao gazety roa loatra aho fa inona moa no idirako lalina hiresahina ny amin'izay tsy ankatoaviko akory? Tsy mankatò azy aho, noho izany tsy nanaraka mivantana izay nolazainy aho ary tsy miraharaha izay fanapahan-keviny ankoatra ny fiandrasana ny teny hoe "Miala aho" fa izy ve andrasanao hiteny izany? Manonofy angaha?
Jentilisa, 17 marsa 2009 amin'ny 02:48
Ankamantatra mampihomehy ihany aloha hanombohana indray ity resaka mahafinaritra ity. Ahoana ny fomba hampidirana olona efatra ao anaty videoconference? Valiny: Mialoha ny hanaovan'ny olona telo conférence dia manao video aloha ny iray. Ka ny fiteny mahazatra ny olona eto Dago dia hoe cinema cinema fa ny fantatry ny sarambambem-bahoaka aloha dia video no mora kokoa ny mijery aminy na dia mahatsemboka mampanara- pofona aoka izany aza ao anatiny. Olona tsy mba misaika na mandro manko matetika no tena mijery video eto amin'ny tanàna koa. Fa ny video tamin'ity indray mitoraka ity tsy naseho ny fiara sy ny diam-bala fa resahina am-bava fotsiny. Mba ahoana tokoa ary izany? Niandry ihany ny tena fa he-e-eh niandry vasoka. Misy ihany ireo nanamarika fa nandeha izany ny video resaka baomba sy fanafihana isaky ny handeha amin'izany tanàna antsoina hoe Maputo dia nivadika kely indray ho tifitra tsy henon'ny olona tany amin'ny toerana nolazaina ho nisian'ny trangan-javatra indray no tantaraina.
Fa ny mahavariana amin'ny fomba fitantarana dia ny teo anilan'ny saofera no nokendrena fa tsy ny olona tamin'ny fiara. Izany hoe, hevitro ity, tsy nisy fikendrena an'Ilaikely akory ny tifitra na dia atao hoe nisy aza io trangan-javatra io. Raha ny filoha Ravalomanana dia azo heverina tsara mihitsy ho mipetraka amin'ny seza aloha raha ao anaty fiara fa tsy mbola nahita an'Ilaikely hipetraka amin'ny seza aloha loatra aho. Mazava loatra fa nitovy tanteraka ny hevitro sy ny hevitry ny filoha Ratsiraka. Ny manahirana dia efa nahateny ny azy mialoha ny hamoahako ny hevitro tamin'ny bolongana ny filoha Ratsiraka dia manjary heviny iny, mialoha ny hevitro. Azoko heverina ihany ao anatin'izany fa mba manana fahatakarana tetipanorona tahana ny miaramila manana grady amiraly ihany hay izaho ity. Izany hoe heveriko fa paikan'izy samy ao anatin'ny ankolafy ihany io kitifitifitra na kibaombabaomba io. Aiza ka dia tonga ihany koa ny tsaho fa nisy nitifitra ihany koa ny fiaran'ingahy Jeneraly Sivily tsy menatra ny mametraka saina eo akaikiny rehefa raisim-peo sy alain'ny mpanao gazety sary izy sahala amin'ireny hoe izy indray no filoham-pirenena.
Moov : mbola mitohy ny olanaDia hilaza aminareo ny zavatra voamariko amin'ity fiseraserana amin'ny alalan'ny moov mandoa sara mialoha ity indray aho. Saiky nisy ny fiovana kely nefa dia niverina indray ny fihisatry ny fifandraisana ny Zoma io. Ankevitry ny mandany 20 minitra hatrany aho nefa tsy mahasokatra takelaka toy ny voasakoany ao anatin'ny 10 minitra taloha. Nojereko amin'izay ny adiresy IP fa raha miovaova ny IP-n'ny mpampiasa aterineto (mpanjifa na client hoy isika) dia tsy miova fa ny laharana 192.168.1.1 hatrany kosa ny adiresy IP-n'ny server manolotra tolotra ho an'ny mpampiasa moov fandoa sara mialoha. Tsy fantatro aloha hoe mahazaka mpanjifa firy io server mety ho tokana ho an'ny manerana an'i Madagasikara io, sady tsy havanana loatra amin'ny reska sahala amin'itony aho fa mba mampahafantatra ny zavatra hitako fotsiny. Aleo ny manampahaizana no hamaly na hanazava amiko fa mba mila fanazavana mihitsy aho.
Ity fehezankevitra manaraka ity dia nasisika rehefa tsy tafiditra an-tserasera aho halina na dia niaretan-tory aza izany. Mikaonty tsara ny faharetam- potoana laniko manko aho. Teo amin'ny fikaontiana ary raha mbola tokony hanana fahefakadiny aho izany hoe eo amin'ny ora efatra latsaka fahefany indrindra no laniko ary handefa ity lahatsoratra ity aho no tapaka antenantenany ny fiseraserana an'aterineto. Miezaka aho ny hiditra fa tsy tafiditra intsony. Azo heverina izany fa ankevitry ny lany izany ny fahana izay tokony mbola hananako fahefak'adiny. Ny solosainako anefa tsy mety intsony raha ilay
[email protected] no kasaina hampidirana fahana. Nisy fotoana tany amin'ny cybercafé aho no nampiditra ny fahana, ary mbola nety izany tamin'izany fa izao kosa tsy nety intsony. Nanana olana aho izany ka nitady vahaolana vonjimaika. Mihevitra aho ny hamory izay manana olana rehetra amin'ny moov mba hifandray hidinika ny atao momba ny olana mahazo antsika, aelezo fa aleo mivondrona ny hery, na tena tsy tiako aza dia soratako ihany ny laharam-pindaiko azo iantsoana ahy :
261 33 11 292 52. Raha sanatria moa ka tsy voaraiko ny antsonao dia andefaso sms ihany.[Nisy nanendaka aho ka lasa any ny findaiko sy ny fakantsariko? Tsy afaka antsoina aho izany aloha.]
Fa inona no ambaran'ny lohateny?Dia izay aho vao mitodika amin'ity natao lohateny, raha mandany fotoana kely isika (io manko no ao anatin'ny perikopa vakiana ao amin'ny fikambanan'ny mpiaramamaky ny baiboly eto Madagasikara amin'izao fotoana izao dia lasa lavitra kely ny saiko. Toa mampahatsiahy ny zavamisy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao indrindra manko ilay ao amin'ny bokin'i Isaia mpaminany toko faha-28 raisina eo amin'ny andininy faha-14 ka hatramin'ny andininy faha-18, azo tohizana hatramin'ny andininy faha-22 fa dia afoheziko kokoa ilay izy. Mazava loatra fa misy amboariko kely ny filazako azy, nefa tsy hanimba velively ny hevitra raiketin'ny perikopa aho. Raha hamaky ny tena voalaza ao amin'ny baiboly ianareo dia tsy misy tsotra ankoatra ny mandray baiboly sy ny mamaky azy. Tsy maninona raha melohinareo ho manolana ny tenin'Andriamanitra aho fa ny anton'izany dia mba hifandraika amin'ny zavamisy eto Madagasikara ny resaka ho azon'izay tsy zatra mamaky baiboly rehetra ny tiako ampitaina:
Koa mihainoa ny tenin' YHWH ianareo ry mpivanitika mpitondra ity firenena eto Antananarivo ity.
Fa niteny ianareo hoe efa nahavita fifanarahana tamin'ny FAT, ary efa nifanaiky tamin'ny lavaka (fianjerana)
Ka hanao hoe na hisy aza ny sakoroka, dia tsy tonga aty aminay izany
Fa ampinga maharo anay ny lainga, ary fika fialanay bala ny mamorona videô [fa tsy ampiana hoe conférence]
Fa dia izao no lazain'ny Tompo YHWH
Hametraka vato ao Ziona aho, vato vita fisedrana, vato tsara,
azo atao vato fototra (fehizoro) satria vato tsara orina
Ka izay mifikitra aminy dia tsy ho voahozongozina.
Ny rariny no hataoko tady fanenjanana ary ny fahamarinana ho tsindry lentam-pahefana (ny sary hitako eto dia tahaka ny fitenintsika hoe flesy)
Ho faohin'ny [balan'ny] havandra ny lainga nataonareo hiarovan-tena ary ho lasan'ny riaka ny fika fiafenana.
Hofoanana ny fifanekenareo tamin'ny FAT
Tsy hateza ny fifanarahanareo tamin'ny lavaka fianjerana fa ho potika ianareo rehefa hifofofofo fiavy ny sakoroka[hatreo ihany aloha]Araka ny efa nolazaiko dia azonareo tohizana hatramin'ny andininy faha-22 io natsahatro tamin'ny andininy faha-18 io fa sao dia lazaina ho masiaka loatra aho raha manohy ny filazana azy. Azo fehezina amin'ny fomba fiteny malagasy manao hoe: "manao azy ho tratry ny aloka, kanjo tratry ny alok'akoho" io teny nomen'i Isaia mpaminany tamin'ny mpitondra firenena tsy miraharaha izay hatahoran'ny olona.
jentilisa 05 desambra 2009 amin'ny 01:46
Voalohany, tao anatin'ny herinandro latsaka teo ho eo dia hitako nihaniadana ny halakin'ny fiseraserana amin'ny aterineto fampiasako. Moov itony fandoa sara mialoha itony no fampiasako mandra-piandry izay mety hahafa-po ahy rehefa tena miasa ny Hosina (cable na fibre optique) ka mivoatra tokoa ny tontolon'ny serasera, izany hoe sady mihamora takatry ny besinimaro ny sarany no mihahaingana ny fahazoana soratra fototra (donnée). Mazava loatra fa vokajiko tsara sy raisiko naoty avokoa ny fandaniana ataoko hamantarako ny fotoana hampidirana fahana vaovao indray. Tsikaritra tsara noho izany, fa raha nahafapo ahy, izany hoe nahafahako nanangona fotsiny ny vaovao avy amin'ny vohikalam-baovao malagasy sy bolongana mpivoy hevitra mifandraika amin'ny zavamisy eto Madagasikara ny folo minitra teo alohaloha teo dia tsy ahavitako ny toy izany intsony amin'izao fotoana izao fa sady manafosafo ny 20 minitra no sarotra vao miseho endrika ny ankamaroan'ny vohikalam-baovao mety ho tsy ampiantranoan'ny server eto Madagasikara (sady amin'ny moov koa angaha).
Tsikaritro manokana fa miandry amina minitra avokoa vao miseho tsara ny vohikala mpanome vaovao malagasy iray. Misy aza any amin'ny fito minitra any vao tafavoaka ny takelaka fidirana iray. Ny tena tratran'ireo toe-javatra ireo dia ireo atao hoe manana fahaleovan-tenany ihany amin'ny famoaham-baovao satria tsy mandoka loatra ny eo amin'ny fitondrana izy ireo. Fa ny miavaka indrindra amin'ireo rehetra ireo dia ny vohikala iray niorina am-bolana izao mpanohana ny FAT (Actumada) fa toa tsy manisa segondra aza dia tafasokatra avy hatrany. Ny tahaka ny an'io farany io angamba no fisokatry ny takelaka any amin'ny tany mandroso any, hoy ny eritreritro. Fahoriana tanteraka kosa izany hijery ny vaovaon'ireo vohikalan'ny gazety iraisam-pirenena (tandrefana) miresaka Madagasikara fa ampolony minitra no isaina vao tafasokatra azo vakiana ny soratra fa ahato kosa (stopper) izy tsy hamoaka sary sy dokambarotra fa manjary sintoniny hatrany ny fakana soratra fototra (donnée). Ilay soratra fototra moa dia araka izay fahazoako azy no lazaiko ka ahitsio aho raha misy tsy mety ny filazako azy.
Manangona vaovao fotsiny no lazaiko eto satria mpanara-baovao ny tena no ilaiko ihany koa izany horaiketina tantara amin'ny fotoany dia efa manahirana aoka izany ny mahazo azy eto Madagasikara. Tsy misy fanakanana na sivana mivantana izany fa dia lasa mandany vola kokoa aho rehefa ela kokoa ny fotoana iseraserako. Na izany aza dia manahirana ihany ny ataon'ny Mpanome Tolotra Iseraserana (fr: FAI) manao izay tiany atao amin'ny fitadiavam-bola ranofotsiny fa toa tsy miraharaha loatra ireo mpampiasa aterineto efa zatra. Ny dokambarotra fotsiny no atao mipoapoaka fa ny fikarakarana ny mpampiasa ny tolotra tsy raharahiana akory. Angamba mila fikambanana mpiaro ny zon'ny mpampiasa aterineto, hiteny ny ataon'ireto orinasa Mpanome Tolotra Iseraserana ireto fa ry zareo indray no manelingelina ny zo hahalala vaovao.
Olana iray ahy manokana aloha, tsy fantatro manko na izaho irery no tratran'ity olana ity na ahoana fa mba manontany ny hevitr'ireo mpampiasa moov mandoa sara mialoha aho, fa misy tahirin-kevitra iray mba tiako alaina izay ao amin'ny
lahatsoratr'i Achille 52 ao momba ny bolabola (bois de rose) fa tsy mety mahazo azy io mihitsy aho. Raha eo ho eo amin'ny 4.7 MB eo no lazaina fa vesatr'ilay tahirin-kevitra tiako sintonina dia eo amin'ny 1.2MB eo foana dia votsotra ny fitrohana ilay tahirin-kevitra, noho izay dia tsy mahasokatra ilay tahirin-kevitra mihitsy aho. Averiko indray fa mety ho olana ahy manokana ity noraisiko ohatra ity, nefa dia te-hanontany indrindra ny hevitry ny hafa mipetraka eto Madagasikara mampiasa Moov aho.
Mbola vao maka vaovao fotsiny no ambarako aminareo fa ny manome vaovao, indrindra fa ny mamoaka sary ihany koa dia mbola tantara hafa mihitsy. Tsy fantatro aloha ny any an-kafa any, fa tamin'ny mbola azoazo aza ny fiseraserana no namoahako ireny sariitatra maromaro ireny fa lazaiko anareo fa maherin'ny atsasakadiny (mba tsy ilazako hoe adiny iray latsaka fahefany) no namoaka azy ireny fotsiny. Izany matetika no mahatonga ny tena ho kamo hamoaka sary na dia mba mety hisy ihany aza ny azo avoaka. Dia hevero amin'izany ry mpamaky hajaina ny tolona ataonay te-hahalala vaovao sy te-hampahalala vaovao ihany koa. Saingy noho ny fitiavana manko no anaovana izany, avoaka ny marina sy ny zavamisy fa avoaka ihany koa ny hevitra.
Sao mba fitahiana ilay fikatsoana?Aza mora tezitra fa saino tsara ny zavatra soratako aloha. Mety ho gaga ny maro nefa izay mihitsy no sainiko. Tsy mety mifanaraka mihitsy ny efa-tonta amin'ny fandrafetana ny governemanta sy ny andrim-panjakana hafa. Lasa indray ny saiko manao hoe sao dia izay aloha no mety sy tsara amin'izao fotoana izao? Misy manko ny mifikitra hitantana ny zava-drehetra saingy tsy mety tontosa na tsy mety eken'ny hafa hatrany amin'ny sehatra iraisam-pirenena izany. Dia velom-panantenana ny tena fa tsy very toky. Nahoana tokoa moa no terena hiasa ny mpankahala sy ny ankahalaina, ny nandroba sy ny voaroba, ny mpanangana sy ny mpandrava? Fa eto ihany koa no mifampitady ny hery sy ny diplaomasia.
Amin'izao fotoana izao dia tadiavina mafy ny hitantanan'ny sasany samirery ny firenena ary tsy tapaka ihany koa ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa kadradradradraina mafy ho toy ny loza mihantona ho an'ny Malagasy izany fahatapahan'ny fanampiana sy ny tetibola iarahamiasa izany. Ataoko fa raha nahavita tena samirery ny tao amin'ny FAT tokony tsy nifampiraharaha tamin'ny ankolafy hafa na oviana na oviana. Toa izay no tiany aseho amin'izao fotoana izao nefa voatery nifanaraka tamin'ny hafa ihany tany Addis Abeba sy Maputo. Mbola manahy zavatra hafa mihitsy aho eto. Ny fanahiana mazava ho azy tsy voatery ho marina saingy tamin'ity taona ity moa dia zavatra nihoampampana noho ny fanahiana hatrany no nitranga, ka dia matahotra aho.
Manahy aho fa iniana atao ny mampitarazoka ny zavatra rehetra, indrindra fa ireny misy fiaraha-miasa fitrosana ireny, hanehoana fa tsy maintsy hikoropaka ihany ny firenena lehibe mihevitra ho mitana ny ankamaroan'ny vola tadiavina. Mifanenjana amin'ny Amerikana sy ny vondrona Eoropeana araka ny fanahiako ny fitondrana FAT amin'izao fotoana izao ka izay iray milefitra eto. Raha milefitra ny firenena voalazako ireo dia hibata fandresena lehibe ry zareo. Fa raha tsy mety milefitra kosa ny Amerikana sy ny Eoropeana, ka tapaka tarangana ny fanampiana, dia azony atao tsara amin'izay ny miala... nefa misy tetika goavana hatrany ao ambadik'izany. Miala izy tsy noho ny fitakian'ny olona fa miala izy rehefa potika tanteraka ny toe-karena ary maizina tanteraka ny ho avy, ka izay misolo azy io no tena iangonan'ny rihitra rehetra, izany hoe mizaka ny tsy fisiana rehetra... dia afaka hitabataba ihany koa ry zareo fa tsy mahavita na inona na inona ihany koa izay nihevi-tena hisolo azy ary mbola mieritreritra ny hibata fandresena ihany koa izy ao anatin'izany. Eo ihany koa anefa ny fiheverany fa eo ampelatanany ny hery ka tsy hisy ho afa-manao na inona na inona eo raha mbola izy koa no mitondra, no tsy hisy hafa afa-mitoondra ankoatrany eo.
Fehiny: aza heverina ho fahadalana mihitsy izay ataon'Ilaikely izao (tsy hanonona ny anarany manontolo mihitsy aho tsy hahabe fanononana ny anarany amin'ny aterineto) fa hevero fa misy fanomezatoky azony na paika henjana tsy noeritreretintsika noho ny fitabatabana mialoha ataontsika hatrany fa fahadalana sy hakelezan-doha na fifikirana amin'ny seza fotsiny no ataony amin'izao fotoana izao. Izany hoe eo hatrany ihany fomba fiteny an'ny mpanjanatany hoe "Il ne faut jamais sous-estimer l'adversaire" fa io hatrany no efa nahavoa hatramin'izay. Na iza na iza tsy mahafantatra marina izay tena ketrehiny amin'ny farany na tanjony farany ankoatra ny tenany fa raha fantatsika izany tokony ho hay ny mamaha ny olana. Matoa kosa toa tsy mety taitra amin'ny zavamisy izy amin'izao fotoana izao dia mbola hitany fa tsy fantatsika ny tena tiany ahatongavana. Mety ho fotoana fotsiny, na ora na andro no andrasany ka tsy tokony hampitoetoetra antsika foana. Mba hitanareo mikaro-bahaolana ve izy? Efa nanome sosokevitra hanohizana ny asan'ny minisitra voatendry teo aloha anie izy e! Koa samia mandinika tsara sao mbola diso paika hatrany isika amin'izao fotoana izao.
jentilisa, 01 desambra 2009, amin'ny 00:47
Tsorina aloha fa nantenain-kanirina ny tafika vao nampivandravandra. Eo am-piketrehana ny hanoratana atao hitam-bahoaka ny hafatro na fiangaviako amin'ny tafika aho no nitsahatra indray rehefa nahita tamin'ny gazety fa nisy fivoriana miafina nataon'ny manam-pahefana ambony ao amin'ny miaramila. Mahafantatra tsara aho fa ry zareo no tena manam-pahefana eto amin'ity tanàna ity fa tsy izay milaza ho mpitondra amin'izao fotoana izao. Nihevitra ihany aho fa manana fieritreretana afaka ny mamakafaka ny zavamisy amin'izao fotoana izao ireo ao amin'ny tafika ireo. Nihevitra aho fa tsapan'izy ireo ny fitarazohan'ny raharaha ka mba handray ny andraikiny amin'ny famahana araka izay haingana izao fiziriziriana misy izao. Nitsimbadika tanteraka anefa ny raharaha rehefa nanao ny fanambarany ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika Malagasy ny alarobia 25 novambra 2009. Nanipy ny baolina tamin'ny mpiandraikitra ny fitandroana ny fiambenana ao amin'ny prezidansa sy ny primatiora ry zareo, izany hoe amin'ny Lt-Kln isany Lylison René de Roland sy Charles [Martel?] Randrianasoavina no nanankinana manontolo ny fanendrena izay ho mpiambina avy ao amin'ny tafika ny olom-panjakana Malagasy.
Misy hafetsena lalina dia lalina hanomezana vahana manokana an'i Andry ao anatin'izany rehetra izany, satria manahy ny mpiambina nalaina hiambina nefa tsy nahazo alalana avy amin'ireo olona efa nanana ny lazany tamin'ity taona 2009 ity fandrao voaroaka amin'ny asany ka ny hany fahendrena dia ny mody any an-toby miaraka amin'ny fitaovany. Manana ny fomba fijeriny ny miaramila fa dia mahavariana loatra raha karazandrazan'ny manampy olana hafa indray no ataon-dry zareo fa tsy mitady vahaolana hampanekena ny rehetra tamin'izay tapaka teo amin'ny mpanao politika nifandamina hiara-mitantana ity tetezamita ity. Mety ho eo ny fanahiana fandrao ho tonga amin'ny tena ihany ny sazy noho ny fanonagam-panjakana izay natao, sady ny hita tamin'ny sary rahateo dia tena ireo nandray anajara mivantana sy lohalaharana tamin'ny fanonganam-panjakana mihitsy no tazamaso nanao ny fanambarana. Efa nanao ny safidiny aloha izany ry zalahy ireto nametraka ny "fanendrena" hiambina ny olom-panjakana amin'ny "mazandoha" amin'ny tafika. Rariny tokoa raha tokana hatrany ny fibaikoana ao amin'ny tafika nefa ny fijeriko azy dia diso lalana tanteraka ry zalahy. Nanampy tosika tamin'ny fiziriziriana sy ny tsy fatahorana handrava ny asan'olona an'hetsiny miankina amin'ny AGOA izay Amerikana mba handraana tanteraka ny toe-karena malagasy hiankin-doha tanteraka amin'i La Frantsa, indrisy...!
Satria efa ny hany mahazo manao fanambarana amin'ny alalan'ny tafika malagasy no nanambara fa i Andry no filoha faratampon'ny tafika sy namindra ny fanendrena izay hiambina ny olona ao amin'ny andrim-panjakana rehetra amin'i Charles sy Lylison dia enga anie tsy hisy fanambarana hafa hivoaka tampoka avy amin'ny olona mety ho afaka manao ny fanambarany ihany koa sady manana ny fahefana hanao izany. Enga anie izany hampiravona ny olana rehetra misy amin'izao fotoana izao fa raha tsy izany kosa no hitranga dia tokony hizaka ny vokatr'ireny fanambarana nataony ireny ny tafika malagasy. Koa dia samia mizaka avokoa fa izahay efa am-bolana no mahatanty ny zavamisy ankehitriny matoa mahasahy milaza ny hevitray hatrany ary tsy menatra amin'izany sy amin'ny tantara, ary enga anie ho tsara kokoa noho ny taloha ny fankalazana ny krismasy sy ny taombaovao amin'ity taona ity. Farany: mahay mihitsy ny mpanao tetipanorona amin-dry zalahy ireo matoa nahatafita hafatra nialoha ny hisiana fanambarana fampitandremana ireo mpitantana ny ankolafy mifampiziriziry. Fa izahay kosa mbola mino ilay tarigetra manao hoe :"Ny hery tsy mahaleo ny fanahy!"
jentilisa, 26 novambra 2009 amin'ny 00:02