Saritaka hiasa fety?

2015-12-23 @ 10:11 in Ankapobeny

Misaritadritaka ny ato am-piasananay amin'izao fotoana izao. Ny hafa rehetra miomankomana sy somebiseby avokoa amin'ny fikarakarana ny fetin'ny faran'ny taona fa ny ato aminay kosa mikorontandrotana sy feno tebiteby amin'ny hoe hiasa ve krismasy ary hiasa ve taombaovao. Efa mahazatra ny orinasanay ihany ny mampiasa anay rehefa andro fety, indrindra fa ny ao amin'ny departemanta misy anay miasa paska sy alatsinainin'ny paska, pentekôsitra sy alatsinainin'ny pentekôsitra, fetin'ny mpiasa, fiakaran'ny Masina Maria... izany hoe izay andro fety tsy iasana rehetra ho an'ny daholobe nefa andraisan-karama. Ho anay kosa dia toy ny andavanandro ireny fotoana rehetra ireny.

Ny departemanta hafa, maro an'isa tsy miasa ny alahady fa ny anay kosa misokatra tsy misy fitsaharany ny toera-pivarotana sy ny masoivohom-barotra rehetra manerana an'i Madagasikara. Izahay no tsy maintsy mifandamina ka indray mandeha isam-bolana no mahazo alahady fa ny andro hafa kosa no ahazoana solon'alahady iray isan-kerinandro tsy nahazoana fialan-tsasatra alahady. Ny anay manokana dia tsy maintsy mihoatra hatrany, tsy ahazoana tambiny na ariary aza ny 173,33 ora isam-bolana, ka rehefa mitaraina amin'ny fihoaran'ny ora dia mahazo valinteny hoe manaova fônksiônera [mpiasam-panjakana] fa any no misy an'izany. Tsy fantatra intsony hoe ho an'iza tokoa ilay lalàna sosialy fa toa tsy mihatra aminay velively izany. Ary amin'izay ny andro alahady no mafy sy betsaka indrindra ny asa (mariho fa toy ny andro tsotra io aminay "birao" ka tsy ahazoana tambiny na ariary aza satria izay no voalazan'ny fifanarahan'asa).

Hatramin'izay nitsanganan'ny departemantanay izay misokatra isan'andro io dia ny andron'ny krismasy sy ny taombaovao irery ihany no mikatona ny toeram-pivarotana, efa folo taona mahery izao. Taona vitsivitsy ihany koa izao ny departemanta hafa no tsy niasa intsony koa amin'ireo andro ireo. Tamin'ny nitsanganany voalohany tokoa dia niasa tamin'ireo andro ireo rehefa mitontona andro fiasana ny andro fety, nefa ny andro niasana tamin'izany fotoana izany dia ny alakamisy sy ny asabotsy ihany, niampy talata afaka volana vitsivitsy dia niampy zoma taona vitsy taoriana ary alarobia nanaraka avy eo.

Nivadika tampoka ny toe-draharaha tamin'ity taona ity, voatery nofoanana tamin'ny ora farany ny saika hisokafana tamin'ny fetim-pirenena sy tamin'ny andron'ny fifidianana ben'ny tanàna. Taloha tsy nisy fisokafana andro fifidianana mihitsy fa vao kinasa tsy tanteraka kosa tamin'ity taona ity. Ny tato amin'ny orinasanay no fantatro voalohany indrindra nanery ny mpiasa tsy maintsy miasa amin'ny andro fandalovan'ny rivodoza na dia vehivavy aza no maro an'isa tany alohaloha tany. Ary mety ho nahatsikaritra izay monina teto Antananarivo fa tamin'ny fandalovan'ny rivodoza farany teto Antananarivo tamin'ity taona ity dia maromaro ihany koa ny orinasa hafa nanaradia anay tamin'ny fampiasana ny mpiasa hiasa tamin'ireny andro ireny. Tamin'ny fotoana nandalovan'ny rivodoza, izay mpiasa tsy nanaiky ny hamonjy ny toera-piasany nefa mbola mpisolo toerana dia voaroaka tsy misy hatakandro, nahazo sazy kosa ireo efa mpiasa raikitra nandà tsy hiasa.

Ireo andro roa, fetim-pirenena sy fifidianana ben'ny tanàna, ireo no nolazaina ho antony nampiasana ny mpiasa krismasy sy taombaovao tamin'ity indray mitoraka ity. Io fanapahan-kevitra nivoaka ofisialy valo andro alohan'ny krismasy io no niteraka ny saritaka tato am-piasana. Tsy nitombina tamin'izay fety sy fikarakarana azy intsony ny saina fa lany tamin'ny fahakiviana sy ny lonilony. Hany andro saika hiarahana mifaly sy misakafo am-pilaminana miaraka amin'ny ankohonana na/sy ny fianakaviana. Maty tanteraka ny programa. Maro no tsy ho afaka akory hamonjy ny fotoana fiderana maraina any am-piangonana ary efa hariva (amin'ny telo ora) vao ho afaka hisakafo ao an-trano amin'ny olona efa tapi-nihinana, ho an'ny miasa maraina. Ny departemantanay indray, afaka mitondra ny ankohonana any am-piangonana ihany izay tsy voatendry hiandry birao maraina fa tsy maintsy efa mahalany ny sakafo rehetra kosa alohan'ny hiaingana hiasa amin'ny iray folakandro. Efa nolazaina tokoa manko fa tsy maintsy misy olona avokoa ny birao rehetra amin'ireo andro roa efa voalaza ireo.

Setrin'izany dia misy ihany ny valy bontana malemy dia malemy. Misy ireo mitabataba fa tena efa tsy rariny intsony kosa izao toe-javatra izao, tsy manana andro ifaliana intsony ny mpiasa. Efa rava sy simba tanteraka aloha izany fety izany na dia mety hisy aza ny fiovan-javatra amin'ny ora farany. Efa nisy aza ny fitakiana hihaona amin'ny tompon'andraikitra voalohany tompon'ity fanapahan-kevitra ity. Sambany koa tsy nisy resaka mihitsy ny "prime" faran'ny taona hatramin'ny ora anoratana ka mbola mitambesatra manampy trotraka amin'ny tsy faharisihana hiasa mihitsy koa izany. Maro dia maro kosa anefa ny mikombom-bava tanteraka satria ato ihany no fidiram-bola ary aleo miaritra fa rehefa tsy mahatanty mipitika. Ary hitanareo ihany fa sarotra dia sarotra ny toe-javamisy eto Madagasikara, ary hitanareo ihany fa mbola raiki-tapisaka ilay foto-pisainana malagasy manao hoe: "aleo mahazo kely toy izay mandry fotsy, ary aleo maty rahampitso toy izay maty anio."

Efa nisy ihany anefa ireo fitadiavam-pifanarahana toy ny fampitambazana hoe hoheverina ny isian'ny prime rehefa avy miasa krismasy sy taombaovao soa aman-tsara. Nisy ihany anefa ireo niteny hoe tsy fantatra akory izay mety ho sandan'ny prime mety ho azo fa aleonay tsy miasa mihitsy dia tsy mahazo prime toy izay miasa mety ho tsara fitapitaka tamin'ny zavatra tsy voasoratra an-taratasy. Dia nisy ary ny fitsapan-kevitra natao tamin'ny departemanta be mpiasa indrindra sy be indrindra no mahasahy manohitra ity fanapahan-kevitra nialohavana tsahotsaho ity saingy tsy mazava mihitsy ny fandehan'ilay fitsapa-kevitra.


Tantara hafa mihitsy ity fitsapan-kevitra ity satria samy manana ny filazany ny mpiasa nanontaniana na samy manana ny nanontaniana azy. Misy ny milaza fa nanontaniana izy raha afaka miasa na tsia amin'ireo andro ireo. Raha matahotahotra ny ho voaroaka na ho tratran'ny antsojay any aoriana any dia mamaly tsy satry fa mety ho afaka miasa ihany, ireo izay tonga dia mahasahy miteny fa tsy afaka miasa kosa dia mila na omena permission izy amin'io fotoana io... permission andro fety. Misy indray ireo nanontaniana hoe raha afaka miasa dia mitondra ny fitaovana alaina any amin'ny foibe sy ny lakilen'ny kiôska ve? Izany hoe niampy kely indray ilay asa fa mamonjy maka fitaovana any amin'ny foibe aloha vao mamonjy ny toerana iasana raha tonga dia mamonjy ny toerana iasana kosa amin'ny andavanandro.

Hamaranana dia tsy fantatra intsony izay ho tohin'ity resaka ity fa mety ho mazavazava aminao kokoa amin'izay ny dikan'ilay lahatsoratra teo aloha manao hoe "Mivavaha ho anay!" Azoko natao tsara ny nindrana olon-kafa handefa ity lahatsoratra ity saingy aleoko izaho ihany no namoaka azy sao lazaina ho mandainga na tsy mino ilay ampindramina ka tsy ho avoakany ity lahatsoratra lava dia lava loatra ity. Tsy haiko intsony na tokony hirary fety sambatra ho anareo aho na tsia, raha eo amin'ny toerako na toeranay ianareo, fa ny fety tsy maintsy mandalo fa izahay no mety ho malok'endrika. Tsy ho tia tena akory sanatria fa omena anareo ihany ny firariantsoa hifalianareo fa mangataka hatrany izahay manao hoe : "Mivavaha ho anay!"




Jentilisa 23 desambra 2015



Amboarina ny lalana Isoavimasoandro-Ivato

2015-08-28 @ 07:44 in Ankapobeny

Efa namaky na nandre izany filazana izany angamba isika. Efa misy io lalana io ary efa nizorako na dia efa ela aza fa raha ny marina dia fanatsarana sy fanalehibeazana azy no sisa. Diso tanteraka noho izany ny finiavana hilaza azy ho fanokafana na famakiana lalana. Efa misy ihany koa ny lalana Ivato-Sabotsy Namehana na Ivato-Isahafa-Lazaina ary Isoavimasoandro-Ankadikely Ilafy saingy mbola lalatany avokoa ireo.

Fampanantenana nipoapoaka tamin'ny fifampiarahabana voalohan'ny taona 2013 nataon'i Andry Rajoelina, Filohan'ny FAT, tsy nanokafana tetibola manokana nolanian'ny Parlemanta, ny fanamboarana io lalana io saingy nangoronan'i Rajabali, Karana iray malaza ho mpanankarena, ny tany rehetra tamin'iny manodidina an'Isoavimasoandro iny. Kisendrasendra sy fifanandrifian-javatra ve sa nisy firaisana tsikombakomba tao ambadika?

Niara-nandre ny kabary ny maro fa nisoko mangina kosa ny fampiantsoan'i Rajabali izay manantany rehetra tamin'ny manodidina io Isoavimasoandro io tao amin'ny sekoly FJKM Paul Minault hividianany ny tany araka izay anombanan'ny milaza ho tompony azy tsy misy adivarotra fa ny ividianany ny tany ihany no fantany. Moa mba fantatry ny besinimaro izany zavamisy izany? Anontanio ny mponina eny fa nalaza teny izany. Fantatsika ny tohiny fa fampanantenana poakaty no nitranga ary lasan'ny Karana avokoa ny tany ka Malagasy maro dia maro no nivarotra ny tanindrazany tamin'izany nefa dia efa nodradradradraina ho tena ratsy indrindra izany mivarotra tanindrazana izany.

Tonga ny Repoblika fahaefatra fa dia mbola niverina indray ilay fampanantenana ary dia mbola tsy tanteraka ihany fa Rajabali indray no malaza ho nanamboamboatra ny lalana izoran'ny kamiao mitatitra tany hanotofana izao ao Mahatony izao. Fa tsy mahatezitra ny maro akory hay ilay mivarotra tany amin'ny vahiny fa mba mody tabatabaina eo. Lasa nanombatombana no niafarako hoe mety ho lasa lalana an'olona manokana no iafaran'io lalana efa nisy hatramin'ny Repoblika voalohany io fa mody fanina fotsiny ireto mpitondra mifandimby ireto.

Raha tena hanao dia ataovy fa aza mivarotra amin'olona ny lalana efa nisy hatramin'izay. Aza gaga raha lazaina ho Autoroute andoavambola ny fandehanana aminy rehefa kelikely nefa tsy fanjakana no tompony fa Rajabali raha izao fihetsika ataon'ny mpitondra izao no mitohy.

 

Jentilisa 27 aogositra 2015

Fialonana sy Tahotra vs Fahafahana sy Tohitra

2015-07-25 @ 23:38 in Ankapobeny

Raha ny tontolo eto Madagasikara, eto Antananarivo indrindra indrindra, dia tokony ho niresaka politika mafana vay aho. Tsy nanao izany mihitsy anefa ny tena ary niniako natao iny tsy hiteny na inona na inona. Efa fantatry ny mpamaky ny fironana politika misy ahy ary tsy mbola miova amin'izany aho. Aoka kosa anefa hotsorina fa mila mitandrina fatratra izay te-handresy amin'ny fomba madio araka izay tratra amin'io fifidianana io fa tsy ao amin'ny biraom-pifidianana ihany no ilaina ny fanaraha-maso amin'io fotoana io fa eny amin'ny zato metatra na mihoatra manodidina ny biraom-pifidianana... ary tsy izay ihany, fa efa nisy lahatsoratra iray manontolo nataoko momba io raharaham-pangalaram-bato io. Fividianana olona no mety hanjaka eo raha mbola tsy misy fiovana avy amin'ny tsikaritra nolazaiko tamin'io lahatsoratra io.

Efa sehatra nasionaly ny politika noresahina teo ambony fa misy ihany koa ny politika tena mihatra amin'ny tsirairay manokana ary tsy voatery ho nasionaly fa maningatsingana any amin'ny toerana lazaina fa efa olondehibe mahalala ny tokony ataony daholo no ao. Anisan'ny lohahevitra eo amin'ny resaka politika ny fahafahana sy ny sivana ary ny fanampenam-bava, fa tsy voatery ho avy amin'ny governemanta na avy amin'ny mpitondra ara-politika ihany no misy ny fanampenam-bava fa mety ho avy amin'ny sehatry ny asa ihany koa, ary niharan'izany indrindra ny tena.

Ela tokoa ny ela fa dia tonga tamin'ny tena koa ireo zava-mitranga any amin'ny firenen-kafa amin'ny fanakanana tranonkala sasantsasany izay nadika tao amin'ny Global Voices Online. Ilay Global Voices Online iray manontolo mihitsy no nosakanana tao amin'ilay toerana ary rehefa notsapatsapaina avokoa ny tranonkala hafa dia toa izy irery hatreto no niharan'izany fanakanana izany. Raha mitohy anefa izao ataoko izao dia mety hanara-dia ihany koa ity blaogy.com ity. Nefa tsy hay aloha izay ho tohiny. Raha ny lahatsoratra be mpamaky ao amin'ny GVO teny malagasy dia resaka manodidina ny vetaveta no tena mahasintona ny mpamaky sasantsasany, ka izay ve no mety antony? Jerena anefa hoe misy tranonkalam-betaveta voasakana ve? toa tsy misy...

Nosakanana ve ny media sosialy toy ny Facebook na Youtube izay fandanian'andro mahakely ny asa vita sy ny vokatra azo? Tsia... Efa nilaza am-bava ny lehibe tale jeneraly teo aloha, fony fahavelony, tao amin'ity toera-piasana ity fa tsy ankasitrahany mihitsy ny idiran'ny mpiasa miserasera amin'ny Facebook fa tsy nisy mihitsy ny fanakanana tsy ahazoana miditra aminy ara-teknika... dia rehefa tsy tratra eo am-piseraserana moa izany ny mpiasa dia tahaka ny hoe tsy niditra Facebook. Tsy nanakana ny fisian'ny mpitsikilo manokana ireo mpiasa midikiditra amin'io sehatra io any amin'ny misy azy any amin'ny fotoana fiasana izany tsy fisian'ny fanakanana ka raha tsy mahay manidy ny fikarajiana (Chat) dia mety ho voateny. Fa ity nanjò ity kosa toa fikendrena manokana, fa manana ny lazany tahaka ny ahoana ilay Global Voices Online ary inona no nataon'ilay GVO tamin'ilay toera-piasana? Na izaho aza tsy mahavaly ilay fanontaniana.

Raha ireo sehatra mampandany fotoana tsy iasana no notenenina sady nosakanana toy izao ka tsy misy afa-miditra daholo ny rehetra mba hafahafa ihany satria andeha atao hoe azoko ekena hoe manan-jò ny hanakana ireo tranonkala mampandany hery sy ora tsy iasana ny toeram-piasana. Raha tranonkalam-baovao mety tsy hampandany anao atsasakadiny mihitsy na hoe folo minitra akory aza dia mivandravandra fa resaka fanakanana tsy mitombina velively. Raha misy ny manana andraikitra hanakana tranonkalam-baovao dia tokony avy amin'ny governemanta, tsy mahazaka demaokrasia sy fahalalaham-pitenenana, mihitsy izany fa tsy avy amin'ny toera-piasana iray loatra. Tsotra ihany ny zavatra ambarako, enga anie izao mihatra izao tsy ho fihoaram-pefy na fanararaotam-pahefana!

Rehefa fakafakaina marivo sy lalina ny toe-draharaha dia tokana ihany no antony: Fialonana sy Tahotra (F&T). Tsy hitako loatra anefa izay antony mampialona fa efa ananany avokoa izay ananako ary manana betsaka mihoatra noho izaho aza izy ary tsy hitako izay hampatahotra satria olona ratsy naoty indrindra eo amin'ny lehibe tale jeneraly amin'izao fotoana izao aho satria efa niteny taminy ny tokony hanajana ny zon'ny mpiasa eto Madagasikara ary efa tsy tsara naoty tamin'ny lehibe ambony nodimbiasin'ity farany ity ihany koa ka tsy hisy fahafahako hiakatra ambaratonga fa fanetrena aza no mety hihatra kokoa. Tamin'ny teo alohan'ireo olona roa ireo ihany aho no tsaratsara naoty fa efa tsy ao intsony ihany koa moa izy amin'izao fotoana izao. Tsy ho afaka ny haka ny toerany na oviana na oviana aho, noho izany, ary tsy afaka ny hitovy laharana aminy mihitsy.

Ho setrin'izany F&T izany anefa anefa dia lasa mitady ny F&T ahy koa aho: ny "Fahafahako" miditra hatrany ao amin'ilay sehatra ho "Tohitr'ilay" fanakanana atao mangingina satria tsy misy ny filazana ofisialy fa tsy azo idirana ny tranonkalan'ny Global Voices Online. Fa raha mbola apetraka ny hidim-baravarana dia apetraho naoty amin'ny fomba ofisialy izany ho hitan'ny rehetra dia tsy hiditra aho rehefa any am-piasana fa raha ny hanakana hoe tsy mahazo mandray anjara amin'ny GVO intsony ianao dia tsy azonao sakanana amin'izay ataoko aty an-trano aho.



Jentilisa 26 jolay 2015


Atao inona harendrina?

2015-06-25 @ 22:01 in Ankapobeny

Voalohany indrindra dia tsy maintsy mampahatsiahy ny rehetra hoe harendrina no fanoratra azy fa diso ny fanoratra ny hoe arendrina, na dia maro aza ny haino amanjery manoratra tahaka ity farany ity. Manaraka izany, azo lazaina ihany koa hoe fanilo ny anarany. Fahatelo dia hiditra amin'ny resaka manafintohina ny mamaky azy nefa efa maro an'isa no efa manana eritreritra tahaka izany ao anatiny ao fa tsy mamoaka ampahibemaso ny heviny fotsiny izy ireo: tsy misy ilaina azy intsony ny harendrina, indrindra fa raha eto Antananarivo renivohitra no jerena. Aza tezitra na misendaotra fa mamakia anie hatramin'ny farany dia ho hitanao fa ny zavatra nataonao ihany no nanafintohina anao fa tsy ny nanambarako izany taminao.

Eto Antananarivo renivohitra no lazaiko fa tsy mbola miresaka tanàna hafa aho. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay dia tsy misy intsony ny toerana ifamontoanan'ny ankizy iray fokontany na atao tsotra fotsiny hoe mpiray tanàna. Mety hoe ny mpiara-mianatra any an-tsekoly indray no tena mpinamana amin'ny ankizy ka lasa tsy dia misy ny fifandraisana eo amin'ny mpiray tanàna, nefa tombatombana ihany ity farany ity fa tsy voatery ho marina any amin'ireo faritra betsaka olona mahantra. Ny olondehibe ihany koa tahaka ny tsy marisika ny hifampitaritarika amin'ny zanany na tsy te-hifampihosinkosina amin'ny mpifanolobodirindrina ve? Raha izany no izy dia potika tanteraka ny fiainam-piarahamonina araka ny dikany amin'io teny malagasy io hoe miara-monina. Toa zary mifampiolonolona fa tsy miara-mionona. Mifampijerijery eny an-dalana raha mijerijery fa amin'ny ankapobeny toa samy mody fanina. Efa niova tokoa ve ny fiainana an-drenivohitra?

Rehefa tsy marisika loatra ny hifampitaritarika ary dia lasa toerana iray no ihazakazahana sy ifanontofana itondrana ny ankizy, fa ny zaza raha kely loatra lasa tahotra indray no manjaka ao aminy noho ny fipoapoaky ny afomanga. Mivoaka mialoha eny an-tanàna hamonjy ny toerana ambonimbony hahatazanana ny farihin'Anosy, toerana iaingan'ny afomanga, na amin'ny toerana manodidina ahatazanana azy akaiky indray no lamaodin'ny ray aman-dreny fa tsy mahalala na inona  na inona ankoatra izay raha resaka lanonana ankalazana ny fetim-pirenena no heverina. Fandrik'izany toe-javatra izany anefa dia mihamihena ny fandraisana anjaran'ny olom-pirenena fa  ny hijery fampisehoana indray no mahaliana. Mijery fa tsy mandray anjara. Tsy mahagaga raha sarotra ny mandafo ny harendrina taratasy fa mora kosa ny mandafo ireo haingo mipendrapendrana amin'ny alina fitondra amin'ny alina vitan'ny shinoa.

Fahadisoan'ny mpitondra fanjakana tanteraka anefa no nahatonga izany fiovam-pihetsika teo amin'ny olom-pirenena zary tsy mpandray anjara fa mpitazana izany. Raha raisina pratika dia miharihary ny finiavan'ny mpitondra fanjakana hampanao ny olom-pirenena ho mpitazana fa tsy mpandray anjara eo amin'ny fiainam-pirenena tahaka ny hita amin'ny fetin'ny fahaleovantena izay atrehintsika amin'izao fotoana izao. Maika HIJERY afomanga fa haingon'entana ny Haingo sy Ravaka mipendrapendrana shinoa. Tavela eo izay ankizy tsy misy mitondra hijery afomanga raha mbola mankany amin'ny fivelomany ny ray aman-dreny. Raha mividy harendrina taratasy indray dia ny kelikely mahamay ny tanana satria akaikin'ny afon-dabozia loatra, raha lehibe loatra indray tsy maharaka ny haben'ny ankizy mitazona azy ka mitongilangilana ny fitondra azy.

Zavatra iray mahavariana ihany koa dia manify loatra ny labozia ka vetivety dia lany. Ny fitoeran-dabozia ao anatiny ihany koa dia kely loatra sa efa fantatry ny mpivarotra ve fa ny haben'ny labozia tafiditra eo ihany no zakan'ny fahefa-mividin'ny Malagasy? Rehefa mitondra azy mivoaka sy mirehitra amin'izay moa dia fianakaviana iray na roa na telo, fito raha be indrindra no miarakaraka sy mihirahira eny, hoan'ny eto Antananarivo renivohitra no ambarako eto, dia vita. Raha izaho manokana dia tsy misy "feeling" azoko amin'ny toe-javatra tahaka izany ary tsy mahatsapa tena mihitsy aho fa mankalaza ny fetim-pirenena.

Inona ary ny andraikitry ny mpitondra fanjakana na mpitondra eto Antananarivo ao anatin'io famotehana ny fiaraha-mifaly amin'ny fanaovan-javatra tahaka ny milahatra manao harendrina fa tsy faly ny ho mpitazana fotsiny io? Eto no manana ny anjara toerany indray ny fokontany sy ny mpitondra eo aminy. Tsy misy ve ny baiko midina rehefa tsy mahatsapa mandray andraikitra amin'ny tokony anentanan'ny isam-pokontany sy ikarakarany ny fampilaharana ny ankizy hanao harendrina avy amin'ireo filoha na [hay moa toa tsy misy intsony izany komitin'ny fokontany izany]? Izay tokontany filalaovana somary nalaladalaka taloha koa moa izao lasa misy mamariparitra fa efa lasany ny tany na dia tokony natokana ho toeram-pilalaovana izao aza ilay toerana. Tokony natao ny fanentanana mialoha isan-trano fa amin'ny 25 jona dia misy toerana vitsivitsy iaingan'ny ankizy milahatra manao harendrina ka hifamotoana amin'ny toerana voatokana na toerana malaladalaka iray eo amin'ny fokontany eo dia mba mifaninana manao fampisehoana eo ny isaky ny zana-paritra ohatra.

Efa nisy ny zavatra sy fiomanana tahaka izany teto Antananarivo tamin'ny fahakely (1980, 1985,...) ary ny tanora teo amin'ny fokontany no nitarika ny ankizy na nampianatra ny ankizy amin'izay hatao amin'ny takarivan'ny 25 jona. Karazana afondasy no atao fa tsy mila lampihazo na podium, ny podium amin'ny fijeriko manokana dia sehatra nataon'ny mpitondra fanjakana ireharehana hoe mahavita mindrana mpanakanto andoavam-bola fotsiny, izay mety midika any ambadika any hoe vola mihodina ka mety misy ny vola diso lalana hanatevenana ny fananan'ny tena manokana. Samy finaritra ao anatin'ny lanonana isaky ny fokontany izany na ny ankizy mandray anjara fety vetivety, na ny tanora nampianatra ireo ankizy ka faly fa misy zavatra nataon'ny tena hahatsiarovan'ireo zandry ireo anao, na ny ray amandreny mahita ny zanany manao amin'ny fony madio ny fandraisany anjara amin'ny fetim-pirenena. Ataoko fa mbola tsy lavitra an'izany ireo tanàna maro hafa eto Madagasikara raha tsy fantatra intsony kosa izany eto Antananarivo Renivohitra.

Mifanindran-dalana amin'izany kosa dia foanana ny afomanga fa fandoram-bola fotsiny na raha tsy maintsy atao ihany dia afindra toerana hotontosaina ny alin'ny 26 jona fa tsy amin'ny alin'ny 25 jona intsony satria manimba tanteraka ny ambiansin'ny fety. Any vao miara-mitazana ny rehetra, efa vita ny fanaovana ny fety eo amin'ny ambaratongan'ny fokontany, feno ny fandraisana anjaran'ny rehetra isam-pianakaviana tamin'ny sakafo tao an-trano, niara-nihinana sy nisotro tany amin'ny lapam-panjakana ireo olo-manankaja isan-karazany vao amboaram-pamaranana ny fety ny afomanga. Efa misy fifankafantarana na dia tarehy fotsiny aza farafaharatsiny eo amin'ny mpiara-monina sahirana amin'ny fitadiavana isan'andro na isam-bolana, maresaka ny ankizy vao mijery ny fialamboly atolotry ny fanjakana ireharehany. Fehiny: tsy tokony natao hamonoana ny fanaovana harendrina mihitsy ny afomanga fanatao hanampy azy amin'ny farany fotsiny. Natao ho ambin'ny harendrina ny afomanga fa tsy lasa mivadika toy ny hita ankehitriny ka lasa ambin'ny afomanga indray ny harendrina ka mahatonga azy ho anaran-tsy very araka ny hita amin'izao fotoana. Dia miarahaba anareo rehetra amin'izay nahatratra ny Asaramanitra ka trafonkena ome-mahery izay nolazaiko toe ka am-bava homana am-po mieritra

Jentilisa 25 jona 2015 amin'ny 23:47

 

 

 

Fivoahana Ofisialin'ny Zarateny : Blaogy iombonana miresaka sosialy sy politika eto Madagasikara

2015-05-20 @ 19:51 in Ankapobeny

Navoaka tamin'ny fomba ofisialy androany 20 mey 2015 ny blaogy iraisana Malagasy iray izay nokendrena hamoaka votoaty amin'ny teny frantsay na amin'ny teny malagasy. Raha ny tambajotra sosialy no ironan'ny besinimaro ary toa efa mihalefy tsikelikely ny blaogy amin'ny ankapobeny, dia fanamby lehibe kosa no atrehin'ny Zarateny amin'ny famoahana izao bilaogy iraisana izao. Hahatonga ny olona ho liana amin'ny blaogy indray ve ny fandraisana anjaran-dry zareo?

Amin'ny ankapobeny dia mikendry famoahana lahatsoratra na/sy votoaty dimy isan-kerinandro ity sehatra iray ity. Mety hisy ny mpandray anjara mavitrika fa ny tena andrasana sy tsara homarihina dia ny fahafahan'ny hafa mandray anjara amin'ny famoahana ny fanadihadiany ka isafidianana ho ao anatin'ny dimy hivoaka isan-kerinandro. Tsy tora-po intsony no andrasana hivoaka raha ny fahazoan'ny mpanoratra azy fa tena fitsakotsakoana sy vokatry ny fandinihana no heverina hivoaka.

Tsy izay votoaty rehetra tiana havoaka anefa no ho hita ao amin'ity bilaogy iraisana ity fa misahana manokana ny politika sy ny sosialy eto Madagasikara. Afa-mandray anjara avokoa na vahiny na Malagasy monina eto an-tanindrazana na ampitan-dranomasina rehefa miompana amin'io lohahevitra io ny votoaty ary mivoaka amin'ny teny frantsay na malagasy ilay izy.

Ny famoahana amin'ny fomba ofisialy no androany fa efa namoaka ny votoaty dimy voalohany izy tamin'ity herinandro ity. Ary tamin'izao voalohany izao dia tamin'ny teny frantsay avokoa ny lahatsoratra. Fepetra takiana raha hamoaka lahatsoratra ao aminy ny tsy maintsy ahafantarana hoe iza no mpanoratra, sy ny filazana fohifohy ny momba azy. Mazava loatra fa te-hametraka fahamatorana ny mpikarakara sy mpikirakira ity blaogy iraisana ity ary tsy hilefitra manoloana ny kitoatoan-kevitra sy fihantsiana bontolo. Hatreto dia tokana ny ahafahana mifandray amin'ireo mpandini-dahatsoratra sy manolotra lahatsoratra na votoaty dia amin'ny alalan'ny mailaka admin@zarateny.org

Na izany na tsy izany dia misy ny tsikera manokana avy amin'ny mpanoratra. Ekena tokoa fa tsara ny vokatry ny fandinihana lalina fa tsy maintsy lazaina ihany koa fa kamo ny mpamaky rehefa tsy mahatakatra izay tian'ireo mpanoratra holazaina, ary atahorana tsy hiverina hamaky intsony izy ireo rehefa be loatra ny zavatra tsy takatry ny besinimaro. Hatreto dia aleo tsorina fa somary very ihany ny mpanoratra amin'ireo votoaty nivoaka. Misy tokoa ny mahaliana ka maha-te-hamaky hatramin'ny farany fa misy ihany koa ny ahiako ho lasa misavoan-danitra loatra ka tsy tody hatrany amin'ny farany ny mpamaky avy eo satria tsy ao anatin'ny kapoakany loatra ilay zavatra avoaka. Tsy maninona, azo lazaina hoe tora-po ny fanamarihako, saingy raiso ho tsikera manatsara zavatra dieny ety am-piandohana. Misy manko ny lahatsoratra mety ho vitan'ny rohy tany amin'ny loharano nakana azy, indrindra raha hita an-tserasera izany loharano izany, no toa lasa ao anatin'ny lahatsoratra tanteraka. Azo atao anefa ny manazava azy tsikelikely ka mamoaka ny rohy, dia any ireo liana no manohy ny famakiana sy mijery ny antsipirihan'izay mety hahaliana, fa ny mpanoratra kosa hanasongadina izay tena tiany avoitra sy hanazava azy ho takatry ny besinimaro.

Trafon-kena ome-mahery izao resaka izao, ka am-bava homana am-po mieritra.


Jentilisa 20 mey 2015 amin'ny 21:52

 

 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aprily 2017 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox