Mifangaroharo be ihany ny hevitra mikasika ity tranga tamin'ny alatsinainy 14 septambra ity. Indreo ny sary, anjarantsika ny maminavina. Ahoana no nahamay ity fiara vaovao ity? Misy ny milaza fa fanafihan-jatovo no nisy ka nandoro ny fiara rehefa nanaparitaka ny olona nivorivory ny mpitandro ny filaminana. Ireo izay nanatri-maso rehetra niresaka tamiko kosa, sy niresaka tamin'ny mpanao gazetin'ny matv dia nanitrikitrika fa avy amin'ny baomba mpandatsa-dranomason'ny miaramila no niteraka ny afo.


Ny zavatra hita aloha dia nijanona tampoka ny fanaparitahana ny olona. Nilaza ny fisian'ny fiara may ny TVM saingy tsy nilaza izay nanao azy sy ny antony nahamay ny fiara. Nanohy nifandrangitra ireo ankolafy saingy tsy niditra tamin'ny fikasihan-tanana. Ny nahagaga ihany koa dia ireo polisy tsy nanao fanamiana maro nihaodihaody sy niara-dalana. Hamaly faty tamin'ny fanafihan'ny FIS natao azy sa inona no tena dikany?

jentilisa, 15 septambra 2009






Tsy misy maharesy ny TGV sy ny mpanohana azy ao amin'ny ankolafy Rajoelina eo raha gidragidra no tadiavina ary voafandrika ny hafa raha miditra amin'izany. Tsy misangisangy velively aho raha manoratra izany. Toa iniana adinoina indray ireo andro nanjombona nandritra ny tolona hamerenana ny ara-dalàna hatramin'izay. Raha nanantena ny fahamaroan'olona be indrindra ny tao amin'ny Magro Ankorondrano Antananarivo tamin'ny 26 jona 2009 dia ny nifanohitra tamin'izany no nitranga. Inona no antony? nanao izay hisian'ny fikorontanana eo amin'ny mpitolona ny FAT tamin'ny nisamborana mpitarika vitsivitsy ary dia nahomby tokoa tamin'izany tetika izany. Koa inona indray no mbola ijabahana amin'izany?
Izaho manokana dia miaro hatramin'ny farany ny fandalàna ny tsy fanaovana herisetra ary manohitra tanteraka ny fandranitana ho amin'ny herisetra. Tetika efa vita lamina ny tamin'ny 26 jona 2009 araka ny efa notantaraiko tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe "Ny tetika famonoana ny tolon'ny ara-dalàna -fizarana faharoa-" nivoaka tamin'ny 5 jolay 2009 lasa teo. Raha fehezina dia hoe mitady izay hisian'ny gidraka hatrany ireo mpanakorontana ahafahana mamono ny tolona. Afenina ao ambadiky ny antsoina hoe "Action" hatrany io fitadiavana gidraka io nefa efa voaomana hatrany paika atao hahavery anjavony ny fenitra rehefa mandeha amin'izay lalana izay. Izaho manokana dia mahamarika andian'olona hatrany isaky ny misedra zava-tsarotra ny mpitolona ao saingy nangina hatrany fandrao lazaina ho miampanga befahatany (ankoatra izay efa nasehoko sary).
Ankehitriny indray dia misovoka any anatin'ny mpanatrika any indray ireo mpampirisika ny "Action" izay herisetra no tena kendreny. Tsarovy fa tsy niomana amin'izany herisetra izany ny maro amin'ny mpitolona, ary hihemotra indray ny tsy tia gidragidra raha miditra amin'izay sehatra izay ny ao amin'ny Magro. Hatramin'izao aloha dia isaorana ny mpitarika tsy nanaiky befahatany ny sosokevitr'ireo olona mahay miresaka ireo nefa tsy ho tonga akory fa matahotra ny ipitihan'ny rà raha sanatria misy tokoa ny tahaka izany. Efa kolontsaina nanabeazana ny mpitolona amin'ny alalan'ny fivavahana hatrany ny fandavana herisetra, noho izany teti-pandravana haingana ny tolona ny fiheverana hanao action, eny fa na dia ny fivoahana ny vavahadin'ny Magro fotsiny ihany aza. Tompon'andraikitra amin'ny rà latsaka sy ny ratra izay miditra amin'izany amin'izao fotoana ary avelao handeha hanao ny azy any ireo mihevitra hitarika ho amin'izany.
Hampitodika ny maro amin'ny zava-nisy tao anatin'ny folo andro izay tsy dia voaresaka loatra aho nefa midika zavatra lehibe amin'izay mety hitranga atsy ho atsy. Tamin'ny faran'ny volana aogositra dia nisy gidragidra mahatsiravina tao amin'ny kianja Malacam Antanimena filalaovana baolina lavalava. Nisy manko ekipa sy mpilalao tsy nahatanty resy ka nitarika ady tao. Tamin'io andro io ihany teny Anosipatrana, nisy saofera fiarakaretsaka voadaroka satria voaendrikendrika ho nitondra baomba... rehefa resaka baomba dia fantatra hoe ankolafy inona no tena notaitairina tamin'izany hisian'ny fankahalana tanteraka tao aminy. Dia tamin'ny faran'ny herinandro teo indray nisy angaredona tany Moramanga nandritra ny fiadiana ho tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny baolina fandaka. Tsy nahatanty resy tsinona ny tompontany ka nanao ankamely, tsy nahazaka intsony ny vahiny dia namaly kanjo dia nivadika ho ady saritaka izany.
Tsotra ny anton'ireo gidragidra isan-karazany ireo, voalohany ny lonilony mipetraka any amin'ny olona any ka eo no anehoany ny sorisoriny. Manomboka amin'ny fandrisihana aloha izy ireo hampibolisatra ny raharaha, ka raha sanatria mibolisatra tokoa dia na mitsoaka avy hatrany na midaroka kely koa aloha dia mandositra avy eo sady mihomehy na mitsiky ihany avy eo... manala azy... manala ny sorisory tsinona! Efa misy rahateo ny mpampirisika saingy tsy hiditra ao akory rehefa avy eo fa faly mahita fikorontanana fotsiny. Tadidiko tsara ny nataon'ny haino aman-jery tamin'ny 28 marsa 2009, fa ny vali-bontana nataon'ny avy eny Ambohijatovo ihany no nasongadiny fa ny nataon'ireo niandohan'ny toraka tsy hitanao akory. Efa ao anaty teti-panorona ihany koa izany fomba fampitam-baovao izany hiampangana ny mpanara-dalàna ho nitarika ny gidragidra. Olona efa nokaramaina ho amin'izany gidragidra izany, sy efa zatra ady tahaka ny nitranga tamin'ny 16 febroary 2009 tamin'ny nanafihana ny toby miaramila 1RM1 Analakely ve no ifaninananao sady efa zatra hetsika mifandraika amin'ny herisetra ao anatin'ny fiainana andavanandro? Ny anao anefa raha vao misy miaramila sahisahy anao dia ny mitomany migogogogo sy mandohalika eo anatrehany no mba vitanao.
Raha misy anefa ny lonilony, tsy any amin'ny fidarohana na famonoana ny olona tsy mitovy hevitra avy aminao velively no vahaolana fa fanampin'olana aza izany. Fa aiza moa amin'izao fotoana izao no ironan'ny maro an'isa kokoa no hitady herisetra, izay antony lehibe indrindra nampihena ny tolon'ny 13 mey tamin'ny tolon'ny laoranjy indray ho harahinao? Averiko indray, tsy haharesy ny ankolafy Andry Rajoelina velively ianareo raha gidragidra no tadiavinareo sady tsy voatery ho ireo metyhifanandrina aminao velively no tompon'andraikitra voalohany amin'ny toe-java-misy ankehitriny. Ninia aho namoaka ity lahatsoratra ity mialoha ny ivoahan'ny FAT faharoa izay mety hiteraka fahasorenana sy fahatezerana hafa eo amin'ny mpamaky. Fa dia saino tsara ho'aho izay tokony hatao fa aza entin'ny fo fotsiny. Enimbolana ve vita ihany ka dia...
jentilisa, talata 8 septembra 2009 mialoha kely ny 11:00 atoandro
via simplex' blog has made a test of his personality and found out that he has personality type of a creator or a craftman. You too, test yourself.
Niforona ary mihetsika ny hery iray antsoina hoe herin'ny fanovana eto Madagasikara. Ny antony nananganana ity hery ity dia hanampy sy handrisika ankolaka raha azo atao ny hery miaramila handray ny andraikiny manoloana izao filazana ny mety hiverenan-dRavalomanana eto Madagasikara izao. Marina fa tsy voatery hoe izao dieny izao izany fodiana izany saingy tsy eken'ny sainy velively na dia ny mieritreritra izany aza. Ilaina dia ilaina ny fampihavanam-pirenena, saingy raha ny filoha teo aloha Ravalomanana kosa tena tsy zakany!
Misy tokoa ny vondron'olona, maniry dia maniry, ary nisy aza ny efa nahaloa-bava tsy nahy, ny idiran'ny miaramila an-tsehatra hanakanana an'izany fiverenan-dRavalomanana izany. Tena olana goavana manko ilay rangahy io: tsy vitan'ny hoe nanaporofo izy fa mahavita zavatra hay ity Malagasy ity rehefa hampandroso ny fireneny tokoa fa niezaka ihany koa izy ny hametraka izany antsoina hoe fifampifehezana... diso aho: jadona eto Madagasikara. Tsy mahazaka fehezina... tsia, jadona no tiako lazaina... manko ny olona amin'ny ankapobeny fa mahafinaritra ny maso ery ny mahita ireo mpivarotra amoron-dalana mirotsaka tsikelikely anaty lalana, sy ny itakian'ny hafa ny hamerenena indray ny tsena eny Analakely, sitrany ahay mivandravandra sy mihanaka hatrany Analakely ny savoritaka eny Behoririka sy Ambodifilao... Tsy izay no tiako lazaina fa mba tsy mivilivily ny mpividy fa manaraka ny arabe dia mahita izay hovidiana.
Ny olana hafa ihany koa amin'izay mety hiverenan-dRavalomanana eto Madagasikara ka mety hirotsahany hofidiana indray, dia ny fanahiana fandrao ekeny eo ny fangatahan'ny mpanohana azy hanafoanana izany miaramila izany. Tena tsy ekeny mihitsy izany satria ahoana indray moa ny fomba hanonganana raha sanatria tafaverina eo amin'ny fitondrana izy raha foanana ny miaramila? Efa hita ihany manko fa be mpanaraka ihany ity filoha teo aloha ity ary mety ho lany mihitsy aza ka aleo sakanana tsy hiditra eto Madagasikara mihitsy.
Eo ampieritreretana izany aho dia niitatra ny saiko ka lasa nirediredy : Tokony hirotsaka an-dalambe indray ny mpitolona tamin'ireny telovolana voalohany ireny hanaporofoana amin'ireo milaza ny tenan'izy ireo ho mpanaraka ny ara-dalàna fa mbola ry zareo hatrany no mitana ny maro an'isa ka mahasolo tena ny vahoaka. Fantatra anefa fa tsy homen'ireo mpanohana ny ara-dalàna ireo mihitsy ny kianjan'ny Magro hanaovana fihetsiketsehana ka dia eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo na eny amin'ny kianjan'ny 13 mey mihitsy no hanaovana izany fihetsiketsehana izany. Antsoina indray ny eny ambany tanàna hiara-dia amin'ny herin'ny fanovana tarihin'ny pasitora retirety Andriamanjato Richard ka ny tambin'ny fandraisana anjara dia araka ilay nahazatra hatrany rehefa mirava kelikely ny fivoriana. Eo ihany koa ny fanangonan-tsonia hitsipahana ity fifanarahana tany Maputo ity. Raha hita fa mitady ho tsikaritra fa vitsy sisa ny mpanaraka sivily dia hetsehina indray ny hery miaramila izay nahavita asa be voninahitra ho an'ny tanindrazana tamin'ny nanavotana an'i Madagasikara hiala teo ambany ziogan'ny fampandrosoana an'i Madagasikara...tsia, jadona... sady ny ohabolana malagasy rahateo efa nilaza fa izay basy no be, izany hoe izay manambasy no porofo fa maro an'isa eto Madagasikara. Mino aho fa tsy misy diso hevitro tao anatin'izay eritreritra sendra nandalo izay.
jentilisa, 12 aogositra 2009
Fangaron-dahatsoratra vitsivitsy indray no alefa manaraka eto. Atao ahoana moa fa izay no mahazatra ny tena na dia efa mirona kokoa amin'ny famahanam-bolongana fohy (twitter, friendfeed) aza ny tena, sady manararaotra mandrisika anao hatrany hiditra amin'ireo tontolo vao haingana ireo, dia misy ihany ny ilàna lahatsoratra lavalava tahaka izay ataoko manaraka eto. Mazava loatra fa tsikaritra sy fomba fijeriko manokana no soratana eto fa tsy midika hoe hetahetam-bahoaka na hevitry ny vahoaka izay lazaiko. Mora manko ny mandainga saingy manimba fifampitokisana izany, sady sarotra dia sarotra ny hamerina ny fifampitokisana very.
Ny soratana voalohany ary dia izay lazain'ny lohateny aloha. Raha nandehandeha naka sary aho tamin'ny alakamisy 30 jolay 2009 nisy ilay raharaha fakantsary iny dia nihazo an'Analakely araka ny efa novakianareo. Raha nivezivezy tsimoramora ireo fiaran'ny FIS dia hitako misoritra amin'ny tavan'ireo mpijorojoro sy manan-draharaha ivelan'ny sehatra mpandoa hetra ny tahotra sy ny fahavinirana. Hafa dia hafa mihitsy ny fomba fijerin'izy ireo ny fiara mandehandeha. Ny resaka re ho an'izay sahy miteny ihany koa moa dia tena miandry kendri-tohina mihitsy hamelezana ny mpitandro ny filaminana ny olona. Ataoko fa efa fantatry ny sampam-pitsikilovan'ireny mpitandro filaminana ireny mihitsy ny hatezeran'ny olona sasany ireny nefa iniany mbola tsindriana hatramin'izao na dia miandry fotoana hiborahany aza ry zareo. Dia aza lazaina intsony fa tsy nampoizina ny zava-nitranga raha misy fipoahana "hatezeram-bahoaka" tampoka rehefa tonga izay fotoana izay. Dia aza gaga intsony rehefa sahy miatrika amin'ny mpitandro ny filaminana amin'izay ny olona indray andro any... ary tsy olona voakarama ireo.
Tsikaritra tany AlaotraTany amin'ny toerana vitsivitsy tany amin'ny faritra Alaotra iny aho tamin'ny herinandro fahaefatry ny volana jolay iny. Alaotra ilay lazaina ho sompitry ny vary, faritra mamokatra iankinan'ny toe-karena malagasy ihany koa. Tsara ny lalana any amin'ny ankapobeny ankoatra an'i Moramanga mankany Vohidiala izay azo iafiana ihany. Tsara dia tsara hoe iny lalana iny, na dia lalantany aza, teo aloha teo noho ny fikojakojana ny lalana fa vao haingana (am-bolana) izy no niharatsy toa io.
Raha mivezivezy any amin'iny faritra iny ianao dia ho gaga fa misimisy ihany ny olona no miakanjo t-shirt Ravalomanana nefa zara ianao raha mahita olona misalotra, na manao sarondoha na manao fehintanana loko laoranjy, ary tena mitady mihitsy ianao amin'io fotoana io sady amin'ny ankapobeny dia ny jiolahimboto ihany no ahitanao misy loko laoranjy amin'ny fitafiany any. Notsoahiko avy amin'io tsikaritra io fa eto Antananarivo sy ny manodidina no lamaody ny loko laoranjy fa tsy any Alaotra kosa.
Raha niresaka tamin'olona aho, tsy mahafantatra izay safidy politikako akory ry zareo fa dia misy ny sahy miteny avy hatrany fa na tsy hita mitolona aza izy (no tsy hita miakanjo Ravalomanana koa) dia aleony lavitra Ravalomanana no mitondra satria hita mipaka hatrany amin'ny misy azy ireo izay karazan'ny tany lavitra andriana ny nataony fa ireto mitondra ankehitriny kosa heveriny fa mangalatra no tena tanjony, araka ny fijerin'ny ankamaroan'izy ireo. Na izany na tsy izany, tsy nahita fivezivezena miaramila na zandary loatra aho tany ankoatra ny teo Vohidiala misy ny Silo.
Nisy zava-bitan'ny fitondrana teo aloha efa nihazakazahan'ny minisitry ny fitaterana ao amin'ny FAT Atoa Ranjatoelina Rolland notokanana tamin'ny 3 jolay eo ampidirana ho ao Ambatodrazaka dia ny fiatsonan'ny fiara zotra nasonaly izany. Mahafinaritra jerena avy hatrany ny toerana ary fantatry ny olona rahateo ny nanangana azy. Na izany aza, rehefa nojerena topimaso fotsiny dia tsy hitako izay misy ny toeram-pivoahana. Izaho aloha dia manitrikitrika fa raha te-hampiroborobo izany fizahan-tany eto Madagasikara izany dia ny momba ny fidiovana io hatrany no tena takiako manokana ny fikarakarana azy. Io manko no tena mahavoretra na mahadio ny tanàna araka ny fijeriko.
Serasera: Ariary zato ny iray minitraTany aho sady tsy nahita tele, tsy naheno radio, tsy namaky gazety, tsy nahalala solosaina ankoatra ilay fandalovana kely tao Ambatondrazaka, izany hoe tsy nahara-baovao toy ny teto Antananarivo; nefa rehefa tonga teto Antananarivo aho dia toy ireny nahara-baovao sahala amin'inona ireny raha vao nanokatra ny aterineto indray mandeha. Midika izany fa tsy misy fiovany loatra ny zavamisy eto Antananarivo. Ireo manana finday anefa dia manontany vaovao amin'ny olo-pantany tsindraindray eny ihany ary toy ny maharaka ihany izy ireo. Tsy miraharaha izay lazain'ny RNM sy ny TVM ny olona fa heveriny ho mandany angovo fotsiny ny fanarahana ireny. Misimisy ihany na izany aza ny manaraka RDB izay azo any an-toerana.
Fony izaho niezaka nijerijery tanàna tao Ambatondrazaka (nandritra ny iray andro) tao dia nijery izay ahafahana mijery aterineto ihany koa aho mazava loatra. Iray ihany no hitako tao (fa toa roa ry zareo no cyber ao fa tsy hitako ilay iray sady vahiny sambany ao nahita ny tanàna rahateo ny tena). Ninia mihitsy aho niditra tao hijery ny halakin-tserasera. Nanontany ny sanda aho dia gaga nandre hoe ariary zato ny iray minitra ary Arivo ariary ny sara farany ambany aloa. Mazava loatra fa tsy misy idiran'ny sarambambem-bahoaka amin'ny aterineto aloha raha amin'ity faritra ity. Nijery ary aho fa solosaina iray no maha-cyber ilay toerana. Mba 3G+ no ampiasainy fa lazaiko anareo: 15 minitra ny fotoana lany izany hoe 3000Ar ny sandan'izany nefa dia ilay soratra ao amin'ny twitter-ko iny ihany no mba vitany; tsy nahasokatra mailaka na dia iray aza aho no tsy nahasokatra vohikala hafa mihitsy. Mihevitra aho fa mbola fijaliana sy tena rendrarendra ho an'izay manana fahafaha-miserasera any aloha izany aterineto izany raha ny nanjo ahy no heverina.

Raha izaho no mpaminany?Indray alina dia nanonofy aho tany amin'iny faritra Alaotra iny ihany. Tsy azoko loatra na nofy aloha io na fahitana ary tsy haiko izay ho fahamarinany any aoriana any fa dia ampitaiko ihany sao dia marina ilay izy ary tsy raharahako na dia diso aza satria nofy anie e! Voalohany ary dia nanonofy nijery tele aho ary nanaraka vaovao an-tsary. Tsy mbola fahitako ilay lehilahy nanolotra ny vaovao an-tsary. Nojereko ny logo ary dia gaga aho fa mbs ilay tele. Tapaka iny nofy iny fa nitohy avy hatrany tamin'ity manaraka ity.
Nijery karazana kilalaon-tsaina aho ary niezaka namaha olana. Hitako tsikelikely ny valiny tamin'ny teny frantsay saingy tsy vitako hatramin'ny farany tsara fa tahatahaka izao no hitako: Le Père Pedro (Opeka?) va être mis en vacance (ou va être révoqué?). Zavatra tsy eken'ny fisainana fotsiny izao izany valin-dalao izany saingy soratako ihany aloha. Omena safidy ve ity relijiozy katolika ity sa tena izay no izy? Azo heverina ho nisy toe-javatra henjana dia henjana nitranga aloha raha izany no "sanatria" tanteraka. Tapaka indray iny ary niditra tamin'ny nofy fahatelo avy hatrany indray.
Nijery praograman'hazakaza-tsoavaly PMU indray aho ary gaga fa nisy hazakazaka iray (mialoha ny farany) dia "écurie" iray avokoa no mpifaninana nefa maro dia maro ny soavaly nandray anjara. Araka ny fandikako ilay nofy dia hoe samy ao amin'ny hetsika TGV na ao amin'ny FAT amin'izao fotoana izao avokoa ny mpifaninana. Efa manakaiky ny 20 ny mpandray anjara nefa tsy azoko tsara fa toa tsy noraharahian'ny mpilalao (mpiloka) loatra ity hazakazaka ity fa ny hazakazaka farany no tena narahin'ny mpiloka na dia atsasa-manilan'ny mpandray anjara teo aloha aza ny mpandray anjara tamin'ity hazakazaka farany ity (toa zara raha nahatratra folo?). Ny nampiavaka ity hazakazaka ity dia ny nahatafiditra ilay jokey antsoina hoe Rahuit voalohany tamin'ny hazakazaka. Ireo tao amin'ny "écurie" voalaza teo aloha moa dia tany amin'ny faramparany no tena nifaninana. Nofy izany ry zareo ka nofy sady ririnina rahateo ny andro.
Ny kabinetran'i MadamaHiverina eto Antananarivo indray aho. Andro fahatelo androany alatsinainy 3 aogositra 2009 nivoahan'ny fanambarana avy amin'ny "Cabinet de la Premiere Dame, Présidence de la Haute Autorité de la Transition, Ambohitsirohitra" (Sirohitra amin'ny ahoana moa?). Fanambarana fa misy ny olona mampiasa ny anaran-dRamatoa Mialy Rajoelina amin'ny asa fanararaotana sy fisandohana. Amin'io asa fanararaotana io moa dia fanodikodinana entana ilaina andavanandro no tena mahatafiditra ilay anarany araka ny voasoratra. Tsy tafiditra velively amin'io resaka io izy araka ny fanambarana. Ilay fisiana kabinetra moa dia efa nahavariana ahy satria sambany no nahitako fa manana kabinetra i Madama saingy ao anatin'ny fampandehanan-draharaha angaha ny amin'izay.
Ny fisiana fanambarana aloha dia manamarika avy hatrany fa malaza dia malaza ny fisian'ilay raharaha ary mety hanamaloka ny anarany rahateo. Ny tena malaza anefa dia tsy izy loatra no miditra amin'ilay raharaha fivarotana zavatra ilaina andavanandro fa tahatahaka izao manaraka izao: Ny rahalahin'i Andry (cousin) no mandraharaha, ny zaobaviny no mpanome ny "ordre de route" ary ny Capsat kosa no miambina ny entana mandrapahatonga any amin'ny mpamongady. Marihiko fa mitatitra ny tsaho malaza aho fa tsy milaza velively aho hoe marina izany. Tamin'ny voalohany dia nalaza ilay afera ary nisy ihany ny mpamongady no niditra, fa nivadika tampoka hoe ny miaramila indray mandeha dia maro indray no nisalasala. Fa ahoana moa? Tsy maintsy aloa mialoha manko ny vola vao alefa ny entana. Tsy naterin'ny miaramila tany amin'ny nandoa ny vola hoe indray mandeha ny entana fa nentin-dry zalahy nody dia ry zalahy ihany no nivarotra azy avy eo. Tsy sahy nitaraina sy nametraka fitoriana ilay mpivarotra hoe satria afera maizina rahateo no nidirana. Na izany na tsy izany dia malaza dia malaza, eo amin'ny tsaho tsy voatery ho marina nefa tsy voatery ho diso ihany koa, ho manao aferan-dafarinina tahaka izao ihany koa ny praiminisitra tetezamita ary ny tena malaza indrindra dia izany nanaterana lafarinina be dia be tao amin'izany mpanao mofo iray ao amin'ny manodidina an'i Mahamasina ao. Saingy araka ny averimberiko eto hatrany hoe tsahotsaho izany fa anjaran'ny mpanao famotorana no manadihady.
Laza adina BEPCNanana ny lazany tokoa ilay laza adina malagasy tamin'ny BEPC farany teo iny. Nandeha nankany ambanivohitra manko aho ny Zoma faran'ny volana jolay teo iny ary nandeha fiara fitaterana izay saiky tambanivohitra avokoa no mpandeha aminy. Nihevitra ary ity namana tandrenivohitra iray fa tambanivohitra no iresahina noho izany mora ny mandresy lahatra azy ireo. Tsy maninona mihitsy iny, hoy izy, fa zavatra azo atao tsara. Ny mety ho olana kely fotsny dia tsy tokony ho tany amin'ny taranja malagasy no nnovana azy fa tany amin'ny tantara. Tamin'izahay nanala BEPC tamin'ny 1978 aza resaka boky mena no nanadinana anay. Nisy nitsatsaingoka avy hatrany, efa misy telo taona izany fa ny an'ny tetezamita anie ka telo volana e! Azo antoka ve ny valinteny amin'izany? Nanome toky ranamana fa efa fantatry ny mpanadina ny fomba fitsarana iny laza adina manontany ny fampandrosoana vitan'ny fitondrana tetezamita iny.
Nifandrimbonan'ny niara-nipetraka taminy amin'izay ranamana. Ny ahy aloha raha izaho no anontaniana dia fandrobana sy fanonganana an-dRavalomanana no hitako voalohany. Nanampy ny sasany : sady hita fa be fialonana fotsiny ry zareo no tena marina. Nangina tsy nanohy ny resaka intsony moa izy rehefa hitany fa tsy nisy nitovy hevitra aminy loatra ny iray fiarakodia. Nitsahatra tsimoramora ny resaka dia nitohy tsimoramora ihany koa ny dia...
jentilisa, 3 aogositra 2009 amin'ny 14: 41