Lalao sy Tojo Ravalomanana: Ilay fanakanana - fandrarana naharitra ora vitsy!

2014-10-18 @ 09:00 in Ankapobeny

 

Amin'ny fotoana anoratako ity lahatsoratra ity dia mbola tsy nahita izany gazety izany aho. Na voalaza an-gazety na tsia dia tsy maintsy tahirizina ihany ny raharaha na dia manjavozavo tanteraka aza tamin'ny fotoana nanoratana. Tonga teto an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nanao valandresaka tamin'ny mpanao gazety izy ary nalaina an-keriny tao an-tranony noho ny filazana fa nanao teny fihantsiana izy nandritra izany valan-dresaka izany : "Tsy mahandry izany 2018 izany aho...". sns...

Navezivezy amin'izay ilay filoha teo aloha, ho fiarovana ny tenany, tsy nomena raha tsy efa ora maromaro aty aoriana ny toerana hametrahana azy. Tamin'ny voalohany dia noheverina fa natoka-monina tetsy Arivonimamo na tao Mantasoa na tany Ambatolampy ny filoha teo aloha, saingy nisy ihany ny nahatsikaritra fa nandeha niakandrefana, lalam-pirenena fahaefatra, ilay fiara nitondra azy. Avy eo nisy ny nitantara fa noraisin'ny angidimby tao Maevatanana ilay olona ary nentina tao Mahajanga, tao no nameno solika ilay angidimby ary niato kely tao Antsohihy ary niafara tao Antsiranana ny takariva. Nisy nanoratra avy eo fa natodi-doha ho any Morondava indray ny dia rehefa tonga ny ampitso maraina, toa miandry fankatoavana ny hamerenana azy any Afrika Atsimo, saingy niverina nankany Antsiranana ihany nony farany, tsy nanaiky ny hamerenana azy any Afrika Atsimo ny tany. Teo ny fianakaviana isoloan'ny vadin'ny filoha teo aloha tena sy ny zanany lahimatoa nanapa-kevitra ny hijery azy any amin'ny toerana anokana-monina azy ao amin'ny tobin'ny BANA ao Antsiranana.

Nanokana fotoana handehanana any ary izy mianaka voatonona teo, saika hiainga ny folakandro saingy voalaza fa mbola tsy ara-dalàna ilay fiaramanidina saika handehanana. Voatery ny ampitso maraina indray vao manainga. Tonga tany dia nisy ny fihaonana, voalaza fa indray mandeha ihany no mahazo mihaona. Tsy fantatra ny fahamarinan'izany fa dia izay no lazain'ny fianakaviana. Voalaza ihany koa fa efitra tokana sady ahitana fandriana no ahitana toera-pivoahana sy fisasana no nametrahana ilay filoha teo aloha ary mihidy avy any ivelany ny efitra misy azy. Nanambara izany ireo olona nandeha tany fa hanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety rehefa tody eto an-drenivohitra indray. Miteraka olana ho an'ny mpitondra izany toe-javatra izany, andro zoma mialoha ny asabotsy no anatontosana ny valan-dresaka. Na ny mpanohana na ny ao amin'ny fitondrana dia samy mahafantatra ho azy, noho ny zavanisy teo aloha fa ity andro asabotsy ity no andro saropady indrindra ho amin'ny fitohizan'ny tolona na ijerena ny laza sy ny fanarahana ilay olona nohidiana atoka-monina.

Noho ny fitandremana be loatra ve sa noho ny fanambarana amin'ny onjam-peo niantsoan-dRamatoa Ravalomanana ny vahoaka malagasy hijoro noho ny tsy fametrahana amin'ny tokony ho toerana sahaza azy ny vadiny, izay azo raisina ihany koa ho fiantsoana ny olona hidina an-dalambe, fa dia tsy navela hitody eto Antananarivo ry zareo. Mody nolazaina tamin'ny Malagasy mpanara-baovao fa ny fiaramanidina no tsy afa-mandeha nefa tsy voafitaka amin'izany i Tojo niantso mpanao gazety tany Afrika Atsimo tamin'ny finday :
"Tafahitsoka eto Antsiranana izahay. Tsy gadraina izahay fa arahin'ny miaramila maso - manao fanamian'olon-tsotra ny sasany amin'izy ireo." Tsy tian'ny fanjakana hanatontosa ilay valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nomanina ny atoandro ry zareo dia mody any amin'ny zavatra hafa no lazaina misy fahasamponana. Nilaza mivantana ny Inner City Press fa voarara tsy mahazo mody an-drenivohitra ireo ao amin'ny fianakaviana nitsidika ny filoha teo aloha.

Tranonkala iray eto an-tanindrazana indray, sady mitondra ny anaran'i Lalao Ravalomanana rahateo, nahasahy niteny fa tsy mahazo alalana  hifandray amin'ny any ivelany (amin'ny hafa?) ry zareo tamin'ny telo latsaka fahefany folakandro [zoma] rehefa nahavita ilay antso tao amin'ny radio Antsiva nandritra ny vaovao amin'ny iray latsaka fahefany ary tsy mahazo mivoaka ny tanànan'Antsiranana. Niala izany fandrarana rehetra izany rehefa tonga ny tamin'ny enina ora hariva ary afaka mandray ny zotram-piaramanidina mahazatra ry zareo. Dia izay no fitantaran'ny sasany io andro zoma 17 oktodra io.




Jentilisa 18 oktobra 2014

Sakatsakana mampihomehy!

2014-09-10 @ 19:33 in Ankapobeny

Raha nisy fotoana nalaza ny fitokonan'ny mpianatra teny Ankatso sy ny gidragidra fifampitorahana teo amin'ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana, noho ny gafigafy nataon'ny heverina ho olon-kafa voakarama hanakorontana sy eritreretina fa hamadika ilay tolon'ny mpianatra ho politika, tsy hita intsony ny lavenon'izany ankehitriny satria nisy ny vatsim-pianarana nozaraina. Nisy ny gidragidra toy izany ihany koa teo amin'ny mpianatra any amin'ny farintany fa tsy henoheno loatra ny momba izany amin'izao fotoana izao. Tsy mba toy izany kosa ny an'ny mpampianatra FRAM hatreto. Toe-draharaha mifanohitra amin'izay heverina no hita.

Amin'ny ankapobeny dia mora milefitra ny mpiasa, na ny tsy mpianatra intsony, satria efa mamelom-bady aman-janaka, mbola kely anaka, efa manana fandaniana. Rehefa mihatra hatrany amin'ny tsy fahazoana karama intsony manko ny tolona dia tsy hanana hery hanoherana intsony ny mpikarama. Raha eritreretina tsotra toy izany ny zavamisy dia hatramin'ny volana oktobra no tena ho hita ny herin'ny tolona ataon'ny mpampianatra FRAM mitokona. Efa mba nandre resak'olona ihany aho fa tsy mpampianatra FRAM eto an-drenivohitra no tena mikiribiby manohy ny tolona fa ireo an-tany lavitra ka izay lafiny izay no tsy hanaikinekeny fotsiny izao ny ho resy. Manana olom-pantatra ihany ny tena nanao io asa io fa tena fadiranovana ireo olona ireo, satria mba mampianatra taranaka Malagasy dia manana fahamenarana tsy hangataka an-dalambe fa karazany mitety ireo olona antenainy ho malala-tanana mahatsapa ny andavanandron'izy ireo. Fa tena ontsa dia ontsa ny fo rehefa mieritreritra hoe olona efa lasa "mpangataka" (tsy ankarihary) ve no mpampianatra ny zanakao? na mpampianatra ny maro an'isa amin'ny zanaky ny mpiray tanindrazana aminao?

Noho ny fahitana izany toe-javatra izany dia tsy afaka ny hieritreritra hanesoeso na hanohitra izay fitakiany ny tena. Mariho fa efa an-taonany ireo olona ireo no nitolona ka nahatonga hatrany amin'ny drafitra hampidirana ho mpiasam-panjakana ny 10.000 amin'izy ireo saingy mazava loatra fa tsy hahafa-po azy ireo izany raha miohatra amin'ny isany amin'izao fotoana izao. Hatramin'ny nanombohan'ny fialan-tsasatra ireo no nihanavitrika satria izay no fotoana tsy ampianarana sy tokony hanaovana ny tolona. Efa nisedra baomba mandatsa-dranomaso izy ireo ary efa niharan'ny fisamborana sy ny herisetra ny iray amin'ny mpitarika amin'izy ireo. Raha izay mpitarika efa nosamborina sy nampijaliana izay no mbola mifikitra amin'ny fanaovana ny tolona (araka ny nahitako azy tamin'ny fahitalavitra) dia efa vonona hatramin'ny farany izy, na manana fikendrena tokoa ny ho tafiditra ho mpiasam-panjakana mazava hoazy.

Rehefa nanao ny fitakiana teo amin'ny minisitera ary izy ireo no voatosi-bohon-tanana dia mazava loatra raha hitodika any amin'ireo olom-boafidy mivantana eto amin'ny firenena (na tena voafidy tokoa ireo na noho ny halabato no nahavoafidy azy ireo). Tsy tokony hatao mahagaga raha nisy ny fikasana hizotra ho any Tsimbazaza hizotra ho eny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-Pirenena. Misy lalan-kevitra mazava tsara ao anatin'izany, ka izay no mampihomehy amin'ny zandary teo Ankadilalana tamin'ny nanakanana ny arabe tsy hizoran'ireo olona ireo hoany. Tsy misy tokony hanakananao ny olona hiresaka amin'ny olom-boafidiny ankoatra ny hoe tsy te-handray azy ireo ihany koa ny olom-boafidy atoniny. Hanakana ny fifampiresahana eo amin'ny mpidify sy ny olom-boafidy ve ianao satria hoe mpitandro ny filaminana? Moa ve tsy izany fanakanana ny tsy ifandraisan'ny mpifidy sy ny olom-boafidy izany indray no antsoina hoe fanakorontanana tsy afaka am-bavan'ireto karazan'olona ireto? Tsy handroba ireo ary tsy hanakorontana ka diso toerana ilay fepetra henjana lazaina, fepetra jadona no anaran'izany fa tsy fepetra henjana.

Ny fivoarana hita tamin'ny nataon'ny zandary kosa dia ny tsy nampiasana ny baomba mandatsa-dranomaso tamin'ity fotoana ity fa ny kobay sy ny ampinga no tena novononina. Mazava loatra fa raha resaka fifanosehana dia tsy hitovy ny hery eo amin'ny zatra fanazaran-tena sy mpikotrana lava sy efa nahazoazo habe sy ny olona efa zatra nihafy, manifinify sy fohy ary mifanakaikikaiky ny isan'ny olona. Fa mahalasa eritreritra ny mpitazana kosa ny mahita izany habe sy halava tsy dia mitovy izany, efa fantatra tsinona fa tsy hahavita herisetra na oviana na oviana ny olona efa manambady aman-janaka sy efa tsy mijery ny hoaviny intsony fa efa any amin'ny taranaka indray ny saina. Ny tena kosa moa eto dia ny manoratra ihany no atao mba hisy ny soratra vavolombelona rahatrizay.




Jentilisa, 10 septambra 2014

Aiza ho aiza marina ilay Taombaovao Malagasy?

2014-07-28 @ 22:24 in Ankapobeny

Raha ny marina dia setrin'ny lahatsoratra iray mivoaka ao amin'ny Facebook ao ity zavatra nosoratako ity. Setriny ao amin'ny Facebook fa tiako hotehirizina sy ho mora hitan'ny rehetra ka dia adika petaka avy hatrany :

 

Manameloka ny lainga! 

Raisiko ny nosoratan'ny manonona azy ho Taombaovao Malagasy ary avy amin'ny nosoratany no entiko hanoherana azy! Mariho fa izaho izay manoratra dia momba ilay hoe ny Taombaovao Malagasy dia mifanandrify hatrany amin'ny Aid El-Fitr ankalazain'ny Silamo, ary avy amin'Andriamahazonoro sy ny namany noraisin'Andrianampoinimerina no niavian'ilay fankalazana ny Taombaovao Malagasy soratako etoana io.

Ao anatin'ny fanazavana nosoratany moa misy filazana manao hoe: "Efa nentinay ihany koa ny porofo amin'ireo taratasimpanjakana nifanaovan'ireo Governora sy ny Pm Rainilaiarivony sy ireo Governora sy ny Printsy Ramahatra teo amin'ny taona 1894 - 1895 sy 1896 fa nandritra ireo taona ireo dia mifanandrify hatrany amin'ny martsa na aprily ny volana alahamady araka ny fanisan'andro ofisialy ny fanjakan'i Madagasikara, taratasimpanjakana voatahiry ao amin'ny arsivampirenena. Tsy hiroharoa saina intsony isika ny amin'ny tokony hamerenana ny fankalazana ny taombaovao malagasy isaiky ny tsinambolana akaiky ny 21 martsa izay anaty fararano tanteraka satria efa io ny porofo mitohoka amin'ny tendany fa tamin'io vanimpotoana fararano io no miandoha ofisialy ny taona malagasy taloha nahalasa zanatany an'i Madagasikara" 

Nolazainy fa nifanandrify hatrany tamin'ny volana marsa na Aprily ny alahamady araka ny fanisan'andro ofisialin'ny fanjakan'i Madagasikara tamin'ireo taona telo notononina: Mariho ary fa ny taona 1894 dia 8 marsa no nanomboka ny volana Ramadany ary ny 7-8-9 avrily kosa no nankalazana ny Aid-El-Fitr ary amin'io daty io ihany koa no nankalazana ny taombaovao malagasy (alahamady) 

Mariho indray fa ny taona 1895 dia ny 26 febroary no nanomboka ny volana Ramadany ary ny 28-29-30 marsa kosa no nankalazana ny Aid-El-Fitr izay ankalazana ihany koa ny taombaovao malagasy "araka ny ny fanisan'andro ofisialy ny fanjakan'i Madagasikara, taratasimpanjakana voatahiry ao amin'ny arsivampirenena"

Ny taona 1896 indray dia ny 15 febroary no fanombohan'ny volana Ramadany ary ny 16-17-18 marsa koa ny Aid-El-Fitr... Ny taona 1897 indray dia ny 5 febroary no fanombohan'ny volana Ramadany ary ny 5-6-7 Marsa kosa no ankalazana ny Aid-El-Fitr. 

Noho izany, raha misy ny manoratra fa tamin'ireo taona telo notononina ireo dia manakaiky ny 21 marsa hatrany ny volana alahamady dia azo atao tsara ihany koa ny mamaly fa nifanandrify tsara tamin'ireo taona telo ireo ihany koa ny Aid-El-Fitr nampanandrifiana tamin'ny lazaintsika ho taombaovao malagasy... Am-bava homana am-po mieritra.

Ankoatra izay: Aid Mubarak hoan'ny Miozolomana rehetra!

Loharano iray hafa nakana ny datinandron'ireo taona voatonona ato

Endrikendreho Daholo Ary e!

2014-06-23 @ 22:15 in Ankapobeny

Misy ny tranga manafintohina indraindray ary ny tena koa fantatra fa mba manana hambo ihany ka manala baraka tanteraka izany hoe ho antsoina na hotadiavin'ny polisy ny tranonao hanaovana fanadihadiana anao izany. Toy izao manaraka izao ny fandehan'ny tantara : nisy fivoriana (lanonana) tsotsotra sambany mba nandehanana tamin'ny faran'ny herinandro teo satria noheverina fa mahaliana ny zavatra atao any. Misy zavatra maromaro any : tafatafa na fanoroan-kevitra, fampilalaovana sy fampandihizana ny ankizy, fifanolorana fanomezana, tsakitsaky, fanalana hetaheta... Vita izany rehetra izany dia lasa nody izahay. Izaho moa mbola nisy asa natao ka nanatitra sy naka an-dramatoa ihany no tena natao.


Vita ny sakafo atoandro dia nisy niantso, nilaza fa nisy fakantsary avolenta iray very ka mety ho tonga aty aminay ny polisy hanao fanadihadiana anay. Talanjona tanteraka tamin'ilay toe-javatra fa tena tezitra kosa satria mba sambany tonga ianao no misy toe-javatra tahaka izany no mitsena anao. Tezitra satria tsy miafina fa dia ao anatin'ny ahiahiana izany izahay matoa nandefasana izany teny izany tamin'ny antso. Nisy olona iray fantatro nanatrika tao ihany koa ka nisy fomba nahazoako niantso azy nanontany azy ny amin'ity vaovao ity. Gaga izy raha nilazako ilay izy ary namaly fa tsy naharay antso kosa hatrmin'io ora niantsoako azy io. Tsy fantatra moa izay fomba nataon'ilay tompon'ny fakantsary sady anisan'ny mpikarakara satria raha misy laharana ilay izy dia laharana faramparany ny anay, sa ny laharana farany ve no nantsoina voalohany? raha araka ny laharana izany dia tokony ho voalohandohany izahay na faramparany. Raha araka ny olona ahiahiana sy tsy ahiahiana indray dia mazava izany fa ao anatin'ny ahiahiana izahay. Ny fomba iahiahiana ny anay moa tsy mazava nefa ny hafa tsy nantsoina.


Ny zavatra mahasosotra iray faharoa dia ny fifikirany fa ao amin'ny mpikambana no naka ilay fakantsary fa tsy nisy filazana nataony mihitsy kosa hoe ary raha mba amin'ny mpiara-miasa aminy itodihana voalohany rehefa hiahiahy ihany. Mahasosotra miaraka amin'izany dia ny fomba famalin'ireo mpikambana sasany izay tsy tonga tao milaza hoe ampanantsoina daholo izay rehetra tonga tao hohadihadiana. Raiso amin'ny toeranao ary hoe tonga tao ianao dia ampanantsoina na tongavan'ny polisy any an-tranonao na tadiavina any amin'ny fokontany ny misy ny tranonao. Ny olona ve mahalala izay tena marina fa dia halaza ao amin'ny fokontany iray manontolo ianao hoe tonga ao aminao ny polisy hanao famotorana anao. Dia eritrereto sahady ny fahafaham-baraka mihatra aminao. Mariho avy hatrany fa tsy maintsy misy fihavanana simba sahady eo na nangalatra ilay olona na tsia.


Raha sanatria tonga tokoa ary ny fampiantsoana sy ny karazany, dia raha olona telopolo, ohatra, no ahiahiana sy nampanantsoina, nefa iray na roa no nangalatra. Hanao ahoana moa ny ho fihetsiky ny 29 na 28 ambiny? Misento fa afa-doza? afa-doza amin'inona anefa satria tsy nanao heloka izy? Raha izaho manokana ny ao an-tsaiko dia hoe ity ramatoa ity izany efa niahiahy na nieritreritra ahy ho nangalatra ny fakantsariny, izany hoe eritreretiny fa mpangalatra aho izany ka ny hangalatra no nidirako tamin'io fikambanana io. Tsy ho tonga amin'ny fivoriana manaraka ve aho sa tsy maintsy ho tonga nefa tsy maintsy hilaza ny alaheloko kosa hoe fanimbazimbana ahy kosa ny hieritreretanao ahy ho mpangalatra. Sa ny hametraka fitoriana ho setrim-pitoriana hoe nanao fanalam-baraka ahy? Raha ianao: Ahoana ny hevitrao?

Jentilisa, 24 jona 2014

Lakolosy sy Trondro (Ary lakile)

2014-05-07 @ 09:56 in Ankapobeny

Tsy hiresaka lakile intsony indray aloha fa efa miova zavatra hafa indray izao ny malaza eto amin'ny tanàna, niainga tamin'ny tolona famerenana ny ara-dalàna tamin'ny 2009 iny resaka iny no lasa hira milaza tantaram-pitiavana manambara fa izy no tompon-toerana. Noho ny vanim-potoana sy lazan'ny lakile anefa dia nambarany fa izy no tompon'ny lakile.



Niainga sy nifandraindraika tamin'izany ihany koa ny resaka lakolosy, nifanakaiky fihaino amin'ny voambolana lakile ihany koa ny lakolosy, fa ilazana kosa fa izy no prezidan'ny antenimiera mijoro. Ilay filohan'ny antenimiera, toa mampihevitra hatrany fa izy no tompon'ny fanaovan-dalàna... na tompon'ny lalàna. Toa miharo fanesoana ihany koa anefa ilay tompon'ny lakolosy satria vehivavy no nolaniana ho filohany, toa entina milaza fa lakolosy hafa no tokony lalaoviny fa tsy iny lakolosy maneno ao Tsimbazaza iny. Ankehitriny moa nisy iny fanonganana ny biraon'ny Antenimiera amin'ny fomba ankolaka iny ka misy ny te-handraikitra ny ezaka "lakolosy" fanairana. Ny lakolosy moa mitabataba, ary te-hitabataba amin'ny tsy rariny mahazo azy ilay artista malaza amin'ny tapolaka. Tsy mba izaho aloha no nihira ity hira satira politika manaraka ity an! Revolisionan'ny mpitabataba?

 

Fa misy revolisiona tsy re tsaika, efa nahazo tsikera tamin'ilay fitiavana hanaisotra ny sary lohan'omby eo amin'ny sary fanevan'Antananarivo, efa nahazo esoeso hoe hosoloina lakroa angaha sa hosoloina osy (ho fanesoana an-dRavalomanana sy tiana ilazàna fa raha Ravalomanana no Ben'ny tanàna dia hosoloiny osy io, toa finiavana handisoana ny tantara fa efa nandalo ny maha-Ben'ny Tanànan'Antananarivo ihany koa io olona io fa tsy nanova inona tsy akory izy!). Ny antsafa nifanaovana tamin'ny PDS Ny Hasina Andriamanjato tao amin'ny tvplus no nahafahany nilaza fa tsy sarina lohan'omby (zébu) misy trafony no nataon'ny mpanjanatany tamin'ny 1950, izany hoe telo taona taorian'ny 1947) fa lohan'omby "taureau" vazaha tsy misy trafony mitandroka an'Antananarivo. Ny endrika tandroka tamin'ny voalohany tokoa dia mitady ho efajoro fa tsy boribory tanteraka araka ny fahita amin'ny omby eto Madagasikara.

Somary nangina moa iny resaka iny fa nahasarika ny saina ihany ny nahita ireo ara-vy (zavakanto vita amin'ny vy) miendrika trondro manemitra ny dobo manatrika ny lapan'ny tanàna. Ny tsikaritra mametraka fa amin'ny lafiny avaratry ny dobo, izany hoe manelanelana azy amin'ny lapa ihany no namenoana iray ara-vy miendrika trondro ireo. Inona tokoa moa no tokony hisy ao amin'ny dobo fa tsy ny trondro, na ny hazandrano? (tsy voatery ho trondro ihany) Misoko mangina ihany ny tolon'ingahy PDS raha izay no tarafina, fa raha izaho manokana ihany koa moa dia ny "fleur de lys" (lisy moa ny anarany amin'ny teny malagasy?) no tiako esorina amin'io fanevan'Antananarivo io, raha tsy hoe raikitra indray ny adihevitra manao hoe: "inona no anaovan'ny skoto ireny "fleur de lys" amin'ny fanamiany ireny?" Manohy ny tolona ingahy PDS mametraka ireo sary trondro ireo ary tsy mbola nahare fanoherana aloha aho hatreto, tolona ara-saimbolika (sariohatra hoy ny dika ao amin'ny baiboly protestanta nahitsy farany) fa sady tokony hitoetra amin'ny dobo ny trondro no marika famantarana kristiana hafa ihany koa.



Dia miverina amin'ny lakolosy indray aho, raha jerena ihany koa manko io lakolosy, vita amin'ny metaly, io dia mitovitovy endrika ihany koa amin'ny vovo entina manihika trondro. Toa kisendrasendra hafahafa fa rehefa nametraka ara-vy trondro ny PDS dia te-hamelona ny ezaka "lakolosy" endrika ara-vin'ny vovo entina manihika trondro kosa i Rossy sy izay mety hiara-dia aminy. Eritreritra sendra mandalo, saingy tsy laitra ny tena fa manoratra rehefa mahita endrika saimbolika (sariohatra) tahaka itony. Miala tsiny raha tsy misy azonao izay lazaiko fa raiso ho rediredy fotsiny ihany fa manahirana ity fiainana ity.



7 mey 2014

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox