Nanana ny lazany teto amin'ny firenena izany teny hoe "Alefa Barea" izany. Anaram-pikambanana nanohana mavitrika ny ekipam-pirenena malagasy, saingy lasa teny tarigetra nampihorohoro sy nahasanganehana ireo firenen-kafa nifanehatra taminy tao amin'ny CAN (TotalAfCon 2019) notontosaina tany Ejipta. Sambany tokoa i Madagasikara no mba tafiditra dingana famaranana tamin'izany lalao CAN izany.
Nanana ny akony lehibe tamin'ny vahoaka malagasy ny nahatafakatra ny ekipam-pirenena hatramin'ny ampahaefa-dalana. Horakoraka tany amin'ny faritra vitsivitsy an-tanandehibe raha nandresy tamin'ny lalao faharoa, mbola vao ny ila-tongotra ihany anefa no tafiditra any amin'ny ampahavalon-dalana tamin'io fotoana io. Niitatra faritra maro kokoa izany teo am-piravana lalao fahatelo sady nandresena ny ekipam-pirenena nizeriana (tabataba nanerana an'Antananarivo, nankarenin-tsofina ny kapokapoka sarom-bilany). Somary nangingina ihany anefa taty aminay ambanivohitra, tsy sahy nihorakoraka samirery sao dia lazain'ny olona ho miantso vonjeo eo. Mino anefa aho fa nisy nifaly naningatsingana ihany tany ho any. Tsy nety nahita tory noho ny hafaliana ka ny tao amin'ny tambajotran-tserasera no nanamparana ny horakoraka sy ny fanalana azy.
Horakoraka nanerana ny firenena amin'izay tamin'ny fandresena ampahavalon-dalana nifanatrehana tamin'ny RDC. Nivoaka ny trano avokoa ny olona rehetra. Nahamora izany koa ny fametrahana karazana "fan zone" tany amin'ny faritra maro, nisy ihany koa ireo nanomana araka ny herin'ny tenany, toy ny teto Isahafa misy anay, izany karazana "fan zone" izany, tsy nakana vola fa maimaimpoana na dia tsy miankina aza. Maro tamin'ireo nanana fiara no nandeha nitety ny faritra manodidina. Nanao toy izany ihany koa izahay, saiky hiakatra hatrany SabNam, tanàna lehibe indrindra eto amin'ny manodidina anay, saingy nihitsoka tanteraka ny fifamoivoizana raha vao tafakatra an'Antsofinondry fotsiny izahay. Faly avokoa ny olona rehetra, na ny fetim-pirenena vao nankalazaina tsy ampy iray volana akory aza izay tsy mbola nahavoriana olona nihorakoraka tahaka izao indrindra fa taty ambanivohitra. Saika nampiato ny asany avokoa ny mpanendaka sy ny mpamaky trano, tsy maintsy nisy ihany anefa ny namalan-kira. Semban-drahona ihany izany hafaliana izany satria maromaro ny olona maty noho ny fitsahatry ny fony, nalaza ihany koa fa nisy maty noho ny fahatapahan'ny lalan-dra noho ny faharesena tany RDC tany.
Tonitony eo ho eo ihany tamin'ny ampahaefa-dalana satria resin'i Tonizia tamin'io fotoana io. Raha nampiresaka olona maromaro aho talohan'ny lalao dia betsaka ireo olona efa nionona sahady fa efa zava-dehibe ny vitan'ny ekipam-pirenena, ary marina izany. Na izaho aza somary niteny sompirana tamin'ny teo akaikiko ihany raha nisy fiara nanao fanentanana hiaraka hijery baolina tao Anosimiarinimerina tao fa "tsy maintsy mandresy" isika. Sao dia mahafaty olona amin'izany isika, hoy aho tamin'izany, lalao io ka tsy mbola fantatra izay handresy sy resy. Tsoriko kosa anefa, fijeriko manokana, fa niandry hovonoina fotsiny isika tamin'io lalao fahatelo io, rehefa lasa nandany andro nanao vodilaharana avokoa ny lohalaharana sy izay rehetra tokony hamono baolina. Mety hoe nanantena tsindrotsindrona farany toy ny lalao teo aloha angamba, moa nitaky ihany koa ny havizanana, tsy dia nisy loatra ireo afa-nifanolosolo nefa tena ilaina izany amin'ny lalao tahaka itony.
Ny fitsenana 13 jolay ny ekipa no tena fety be da fety be araka ny fomba fiteny ankehitriny. Tsy nisy hafaliana toy izany teo amin'ireo mpitsena. Nanomboka teo Ivato ka hatrany Mahamasina. Nosembanin'ny fikarakarana tsy lavorary ihany ity fitsenana ity na dia nahafinaritra aza ny lanonana ary niafara tamin'ny afomanga izany.
Taorian'ilay tsy fahafahan'i Neymar milalao dia toy ny misaona sahady ry zareo Breziliana, izay angamba no antony nangatahan'ny Federasiona Breziliana ny hanesorana ny sazy nampiharina tamin'i Thiago Silva hahafahany milalao ka hifanandrinany amin'i Alemaina.
Lahatsoratra iray vao nivoaka vao haingana ao amin'ny SBS "Brazil reaped what it had sown" no misy adikako ho anareo. Britanika ilay ranamana fa monina any Brezila indrindra hatramin'ny taona 1994 ary milaza fa mahafantatra tsara ny baolina fandaka Amerikana Tatsimo. Tim Vickery (jereo ao amin'ny faramparany ny rohy ivelany dia midira ao amin'ny "Tim Vickery's The World Game blog") no anaran'ny mpanoratra ary sombintsombiny nanaitra ahy ihany no misy adikako ho an'ny mpamaky. Tsara raha mamaky ny lahatsoratra nadika fa ho an'izay tsy manam-pahafahana hanao izany no hanoratako sombiny ho anareo.
Lasa fahavalo laharana voalohany eo amin'ny mpijery ilay Kolombiana Camillo Zuniga ary mangataka ny federasiona breziliana ny hanasazy azy henjana (tsy fahazoa-milalao maharitraritra). Ankehitriny moa rehefa hita etsy sy eroa (any an-toerana) ny afisin'ilay ranamana tsy afa-mihetsika dia mivoaka eny am-bavaravarakely ny zavamisy, rehefa mijery malalaka kokoa.
Somary mahavariana ihany, hoy ny gazety miresaka fanatanjahantena iray malaza any Brezila fa i Brezila no imbetsaka namely kokoa noho i Kolombia (31 sy 23), tarehimarika io fa rehefa tena jerena dia efa ao anatin'ny paikady tokoa, io no "paikam-pamelezana": Paika mba tsy hampisosasosan'ny mpifanandrina aminy ny baolina sy ny fitazonana azy ka simbaina amin'ny alalan'ny famelezana hatrany ny lalao. Mitaraina ny mpanazatra Luiz Felipe Scolari fa atao hazalambo i Neymar nefa avy amin'ny ekipany ihany no iandohan'ny hazalambo.
Raha nisy ny mpilalao nohazaina tamin'iny lalao iray iny dia i James Rodrigez avy ao Kolombia izay asian'ny mpilalao afovoan'i Brezila Fernandinho hatrany mba hanindriana azy, ary tsy manao na inona na inona ny mpitsara amin'izany fotoana izany... Tahaka ny misy torolalana avy amin'ny FIFA arahin'ny mpitsara. Mampidi-doza tena mampidi-doza eo amin'ny lalao anefa izany trangan-javatra izany rehefa samy Amerikana Tatsimo no milalao, raha nisy namely ny ekipa iray ka tsy natao na inona na inona dia hamaly koa ny anankiray ary fantatra avy hatrany hoe iza no ho lasibatra amin'izany.
Raha lazaina amin'ny fomba hafa izany dia nahazo fampitandremana i Brezila (tamin'ny nilalao tamin'i Chile) - aza mihaza mba tsy hohazaina. Tsy noraharahiany anefa izany fampitandremana izany. Niezaka izy ny namely an'i James Rodriguez tsy ho afa-milalao, ary ny vokany dia i Neymar no tafavoaka tsy hilalao ny Mondial intsony amin'ity andiany ity.
Mampalahelo ilay izy ho azy, ho an'ny ekipany ary ho an'ny fifaninanana. Fa ny mampalahelo sady marina tsy azo idifiana dia nijinja izay nafafiny i Brezila. Voatery nosoratana, hoy ny mpanoratra namarana.
Mba hoe mandray anjara amin'ilay lalao nokarakarain'ny televizionam-pirenena amin'izao lalao famaranana ny Can 2012 izao [ #afcon2012 sy #Can2012 ny tenifototra be mpampiasa] . Na dia fanontaniana "sampotsampona" aza no re, amin'ny maha-lalao azy dia ny heverina ho tsy ampoizina tokoa ny fanontaniana indrindra fa mba misy loka lazaina fa zaraina.
Atao amin'ny alalan'ny antso finday ny lalao ka mba nihevitra hilalao ny tena. Tsorina aloha fa efa nivonona tamin'izay mety ho fanontaniana rehetra izahay satria nihevitra fa niaraka taminay i Akinator. Diso hevitra ary diso hevitra tanteraka!!! Akinator no miara-dalana aminay ary efa vonona hatramin'ny fikarohana tahirin-kevitra fa ilay olona mandray ny antso kosa, na dia efa tafiditra izao aza! indroa aho ary in-telo ny vadiko ka ny iray aza dia efa nanontany tsara ny vadiko hoe TVM ve izao mandray izay dia eny hoy izy. Avelao ary aho hiditra mivantana fa hamaly ny fanontaniana, andraso vetivety, hoy ilay ranamana somary miroky, fa mbola sahirana. Naharitra telo minitra any ho any mihitsy io resaka io, noho ny fahamehana hamaly angamba fa notapahiny maina fotsiny avy eo. Tena sosotra tanteraka ny vadiko saingy mba nahatsindry ihany.
Izaho koa torak'izany ihany. Nojereko ny fahana lany fa 12 ariary isan-tsegondra ny vola lany... efa tsy latsaka ny in-50 no tratran'ny "messagerie vocale" ary in-droa tafiditra [finday sy fiantso samihafa], tsy voaisa ny nahazo "tonalité libre" fa tsy noraisina, ary tonga dia tapaka avy eo miaraka amin'ny hafatra tamin'ny teny frantsay fa mbola tsy afaka mandray ahy ny olona nantsoiko. Ratsy dia ratsy avy hatrany ny saiko teo anatrehan'izany. Fa maninona no odiana fanina tsotra izao? Dia niara-nieritreritra izahay mivady tamin'ny fandrenesana ireo olona tafiditra ho saika avy any ivelan'Antananarivo hoe tsy natao ho an'ny mponina eto Antananarivo angamba ity lalao ity fa natao ho an'ireo lavitra azy ihany. Fa rehefa izany maninona no tsy nolazaina mialoha?
Ny tsikaritro dia rehefa misy lazaina ho mahazo loka (Antsirabe) na diso aza ny valiny nomeny vao misy Antananarivo ampidirina (tsy tiana hahazo ny loka goavana angamba) ary fanontaniana maromaro no omena azy. Dia lasa koa ny eritreritro hoe mba te-hahazo vola betsaka kokoa ihany koa angamba ny orange madagascar dia atao tratran'ny "messagerie vocale" avokoa ny rehetra, nefa tombatombana izany fa tsy voatery ho marina. Amin'ireny antso fandre amin'ny haino aman-jery ireny dia henonao hatrany fa misy ny olona tafiditra miantso sy miresaka fa ianao tsy tafiditra miantso ohatra fa ny tamin'ity fotoam-pamaranana ity koa malalaka dia malalaka sahala ireny tsy misy miantso ireny ny fotoana ka na izahay saiky tsy hihevitra ny hiantso izany aza lasa niantso fandrao...hay fitaka bevava ilay izy araka ny fijerinay.
Hita ihany koa fa tsy hay loatra izay tena anaran'ny baolina nolalaovina nandritra ity CAN 2012 ity fa raha nanonona ilay olona efa nolazaina hoe tratra aoriana tamin'ny valiny hoe Comoequa no anarany dia namaly ny mpanentana hoe diso raha vao misy Q, dia nihomehy tsiravina ny tena. Hay izany na tafiditra aza dia mety nodisoin-dry zareo ihany. Diso daholo izany ny nosoratan'ireo haino aman-jery an-tserasera tazan'ny maso rehetra. Dia resy lahatra ho azy ny tena fa "tsy milamina kosa ity lalao ampanaovina ny manaraka ny televiziona hijery ny famaranana baolina fandaka ity".
O ry zareo ao amin'ny televiziona malagasy ô! tsy ianareo irery no afaka mampita vaovao fa misy koa ny olon-tsotra afaka mampita izay tsapany sy tsikariny amin'ny alalan'ny fitaovana an-tserasera eo ampelatanany. Teneno rehefa tsy tiana ho azon'Antananarivo ny loka fa manao izay handaniana ny volanay fotsiny ianareo. Soa ihany fa nampientanentana sy nahafinaritra ny lalao famaranana ary nandresy ilay ekipa notohanako ka faly ihany ny tena ary efa saiky najanona ity soratra ity. Saingy, noheverina ho adidin'ny tena ny miampanga ny zavatra tsy mazavazava sy miteny izany. Ajanony ny lalao raha tsy voafehy ny zavatra atao, na ny ratsiratsy kokoa izay ahiahianay, avakavahana ny olona avela ho tafiditra miresaka amin'ny mpanentana sy ho henon'ny besinimaro fa manala baraka ny orinasanareo ianareo.
Dia izay fa nandresy aloha ny ekipa nofidianay e! ooooeeeeeeeeee!!!!!!!
Jentilisa 13 febroary 03:11
Nisy ny namana nalahelo mihitsy fa lasa tsy niresaka baolina fandaka intsony ny tena, rehefa nisy ity krizy mbola haharitra an-taonany ity (miala tsiny aho raha mahatezitra anao fa moa tsy mizotra ho amin'izany moa isika izao?). Mpankafy io taranja iray io ny tena ary vitsy (raha tsy hoe izaho irery) ny malagasy mamaham-bolongana resaka baolina fandaka izany nialoha ny taona 2009. Tsorina kosa aloha fa tena tsy any mihitsy ny saina amin'izao fotoana izao, ary zavatra hafa mihitsy koa moa no laharam-pahamehana androany izay. Saingy mba hiserana kely aho amin'ity indray mitoraka ity.
Raha hilaza aho hoe hiserana kely dia aleo mitsotra dieny ety amboalohany fa tsy nijery baolina aho... na dia nisinisy ihany aza ny dokambarotra sy ny fanentanana, ary mety ho eo ihany koa ny fanantenana amin'ireo mpitia fanatanjahantena hoe raha niova ny mpitondra dia hiova ihany koa ny filalaon'ny ekipa malagasy ka handresy ho tafakatra dingana avoavo vao mety ho raraka. Ho diso fanantenana avy hatrany aloha raha izay no ao an-tsaina fa tokony hoe hanala azy amin'ny antonony (am-pahamendrehana) na hiala voly ao anatin'ity fiainana gidragidra ity. Betsabetsaka ny olona nanatrika ireo lalao famerenana dingana savaranonando eo amin'ny sehatra afrikana (izany hoe tsy dingana voalohany akory) teny amin'ny kianjan'i Mahamasina fa tsy anisany aloha ny mpanoratra. Fa matoa nanoratra dia noho ny savorovoro teny amin'ny kianjan'i Mahamasina nandritra ny lalao ny alahady 28 febroary 2010.
Ny resaka eto izany dia miainga avy amin'ny hita na nasehon'ny MaTV nandritra ny vaovaom-panatanjahantena. Nanantena fandresena ny mpijery kanjo ny vahiny indray no nahatafiditra ny baolina voalohany, 8 mn monja taorian'ny fanombohan'ny lalao tamin'ny alalan'ny daka anjoro izay lesoka lehibe ho an'ny Malagasy mandrakariva. Niakatra ny maripana teo amin'ny mpijery ka nampisy gidragidra madinidinika teo amin'ny mpijery vitsivitsy sy ny mpitandro ny filaminana teny amin'ny gradins. Rehefa resy moa amin'ny ankapobeny ny olona tsy mety miaiky fa misy tsy fahaizan'ny mpilalaony na hoe misy lesoka avy aminy fa ailiny amin'ny hafa mandrakariva ny fahadisoana. Dia hitan'ny mpijery tamin'ity mpitsara anjorony Sheisheloà (izany hoe avy amina firenena mpikambana aoamin'ny SADC raha tsy diso aho) izany rihitra izany. Io no nitoratorahan'ny mpijery tavoahangy ka nampiatoana ny lalao mihitsy aloha ka nidiran'ny mpilalao roa tonta tany amin'ny efitra fisoloana akanjo. Ny nampihomehy dia niala teo amin'ny "rihana" voalohany avokoa ny mpijery fa niakatra teny amin'ny "rihana" faharoa. Miala ilay toraka tavoahany io. Rehefa misy ny toraka tavoahangy tahaka ireny raha etsy Mahamasina dia misy amany izay ao anatiny.
Rehefa tonitony vetivety ny mpijery dia niverina teny ambony kianja indray ny ekipa roa tonta sy ny mpitsara. Vao nitsoka ny kiririoka fanombohana indray ny mpitsara dia velona indray ny toraka tavoahangy andiany faharoa. Manala ny fony eo ny mpijery raha ny fieritreretana izany satria resy daholo na hoe raraka daholo izany ny solontena anankiroan'ny Malagasy eo amin'ny sehatra Afrikana. Niato atsasak'adiny mihitsy indray aloha ny lalao vao novitaina hatramin'ny farany. Mazava loatra fa efa maro ny mpijery no nody teo anelanelan'izany fotoana izany. Nifarana tamin'ny isa iray noho ny telo izay faharesen'ny tompontany moa ny lalao. Koa aiza indray no tiako ahatongavana sy nahatonga ny lohateny?
Voalohany: tsy hoe eto amintsika ny lalao no atao ka hoe manana ny fiandrianam-pirenentsika isika sady masi-mandidy eto amin'ny tanintsika. Tsia, rehefa lalàna iraisam-pirenena dia lalàna iraisam-pirenena. Io lalàna iraisam-pirenena io no hajaina rehefa iraisam-pirenena ny lalao. Rehefa resy angaha na tsy mbola tonga amin'ny fetra aza ny lalao dia hoe ravao any io? Lalàna na fifanarahana mitoetra eo amin'ny mpifidy ny ny nofidiana ny fe-potoana voasoratra. Tsy hoe tsy tianao ny nataon'ny mpitondra dia avy koa ianao hoe ravao any io na hoe ataovy izay haharava io? Rehefa naharava ilay lalao tsy tamin'ny fotoana ianao dia efa manampoiza sazy mifandraika amin'izany. Tsy maintsy fantarina ianao nandrava lalao io ary samborina sy saziana rehefa avy eo.
Faharoa: satria manko atao litania mandrakariva amin'ny haino aman-jery ny hoe aleo voasazy, aleo voasazy toy izay hiverina amin'ny efa nifanarahana tsy an-tery, dia hain'ny mpijery tokoa ny mampihatra izany eo amin'ny sehatry ny fanatanjahantena, fa tsy eo amin'ny sehatry ny politika irery ihany. Fantatra izao fa mahavoasazy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny mandika lalàna ka manakorontana ny fizotry ny lalao dia mbola natao ihany izany ho fanalana ny fo feno fahatezerana. Tsy mampiova na inona na inona anefa izany natao izany fa mbola fanampiana ny fanorisorenana ny tena ihany... indrindra raha tsy mankasitraka ny gidragidra tahaka ireny izay nanatrika teny. Dia manampoiza ary ho voasazy fa aza ny hafa no endrikendrehana ho anton'izany sazy izany avy eo fa kitoatoa nataonao ihany no niaviany.
Farany: Eo amin'ny resaka sazy dia lasa lavitra avy hatrany ny saina. Hakatona ve izany ny kianjan'i Mahamasina? Sa ny ekipa no handoa onitra noho ny tsy mety nataon'ny mpijeriny? Dia niitatra ny eritreritra hoe sao dia nisy nanozona kosa tahaka ny ozona nataon'i Kristy tamin'ilay aviavin'i Betania maina vetivety teo hoe :"Rehefa akatonao amin'ny hetsiky mpitondra fivavahana io kianjan'i Mahamasina io dia aleo hikatona mihitsy (mandritra ny taona maro!)". Dia ho inona izany no hampiasana azy sisa? Fa aleo tsorina ny resaka: misy dia misy ny maniry ny hikatonan'ny kianjan'i Mahamasina tsy ho azo anaovana na inona na inona... sady tsy tokony hanaovana matso amin'ny 26 jona ihany noho ny didim-pitondrana izay navoaka... sa ho "exceptionnel" amin'io fotoana io? Izay tiany atao ihany io ka!!!
jentilisa, 28 febroary 2010 , Antananarivo 21:12
Nanana ny akony nahatonga ny filoha Frantsay handray fanapahan-kevitra hanajanona avy hatrany ny lalao ny fisiahana ny La Marseillaise hiram-pirenena Frantsay mandritra ny lalao iraisam-pirenena iray ilalaovan'ny ekipam-pirenena Frantsay amin'izay mifanandrina aminy (any amin'ny taniny).Izany dia tohin'ilay toe-javatra nitranga tao amin'ny Stade de France nihaonan'ny ekipam-pirenena Frantsay tamin'ny ekipam-pirenena Toniziana izay nozanahin'ny Frantsay taloha tamin'ny talata 14 oktobra 2008 lasa teo.
Ny tena tsy levon'ny vavonin'ny Filoha Frantsay sy ireo antoko lehibe UMP sy PS tamin'ity fisiahana ny hiram-pirenena Frantsay ity manko dia ny karazana famadihana ataon'olona mizaka ny zom-pirenena Frantsay ihany. Miharihary eo imason'ny rehetra manko fa ireo mpijery Arabo nanatrika ity lalao ity dia mizaka ny zom-pirenena Frantsay ny ankamaroany. Tena manafintohina tokoa raha ianao izay nitady ny zom-pirenena Frantsay ka nahazo izany no misiaka ny hiram-pirenena Frantsay mandritra ny fihaonana ara-panatanjahan-tena iray. Eritrereto anie ka ny Tanindrazanay Malala no anaovan'ny Malagasy toetra toy izany e!
Ny teto Madagasikara moa dia tsy nahita ity lalao ity, sy ny Champion's league ihany koa, satria toa misy tsy fifankahazoana lalina eo amin'ny CFI sy ny TVM, na eo amin'ny mpitondra Frantsay sy ny mpitondra Malagasy ihany koa saingy tsy mivandravandra loatra izany; fa na izany aza dia tonga taty ny akony noho ny vaovaon'ny TF1 alefan'ny televiziona sasantsasany eto an-toerana. Raikitra ihany koa ny adi-hevitra eo amin'ny mpinamana na mpihavana ny amin'ny mahamety na tsia ny fihetsika nataon'ny Arabo nisiaka ny hiram-pirenena Frantsay ity. Eken'ny rehetra manko fa mafana ra ny Arabo. Etsy andanin'izany, raha misy ekipa Malagasy tonga any amin'ireny tany vaventy ireny dia hotohanan'ny Malagasy monina any ireny, eny fa na dia mizaka ny zom-pirenen'io firenena io aza izy. Hafa manko ny akaikin'ny fony raha mbola teto Madagasikara ihany koa no nahalehibe azy. Hafa mihitsy indray ny sain'ny ankizy raha tsy mba nohalehibiazina teto Madagasikara izy. Fa eo amin'ilay fisiahana ny hiram-pirenena mihitsy no mampisara-kevitra ny maro.
Fa olona efa retirety kosa no nilaza, izaho tsinona tsy nahita, fa efa nosiahan'ny Malagasy ihany koa ny Hiram-pirenena Frantsay raha sambany mba nisy ekipa avy any Lafrantsa mihitsy fa tsy avy ao La Réunion nandingana ny kianjan'ny Mahamasina tamin'ny taona 80 tany ho any. Mbola nisy tavela izany ny fankahalana Frantsay nandritra io fotoana io na dia efa tanaty fahasahiranana aza ny Malagasy. Vao nanomboka hoy izy ny La Marseillaise dia nisy olona maromaro nisiotsioka ilay hiram-pirenena. Nifampijerijery, hoy izy, ireo niaina tsara izany Fanjanahantany izany. Voakapokapoka karavasy sy mety higadra mihitsy izay mbola tratra mihetsiketsika mandritra ny La Marseillaise, na izay lehilahy tsy manala satroka ihany koa. Tsy azo natao ny miresaka fa manaja tsara ilay hira ihany no zava-dehibe. Ankehitriny (tamin'io fotoana io) dia toa tsapa tokoa fa tsy voafehin'ny Frantsay hay ny Malagasy ka azo natao na dia ny nanompa ny hiram-pireneny La Marseillaise aza.
Fandalovana ihany anefa ilay vanim-potoana satria nandritra ny Lalaon'ny Frankôfônia notontosaina teto Madagasikara ka nanao ny famaranana tamin'ny basket ny Frantsay sy ny Senegaly dia naka Frantsay avokoa ny 98%n'ny mpijery Malagasy. Tsotra ny antony, Ny senegaly manko no nandresy ny Malagasy tany amin'ny dingana talohaloha tany. Izaho kosa no tao anatin'ilay 2% nanohana ny Senegaly satria fiaraha-mientana Tatsimo sy Afrikana ary samy nozanahin'ny Frantsay no tao an-dohako. Izaho izany ilay nihoraka mafy rehefa nandrombaka ny amboara ny Senegaly fa toy ny nivoaham-paty kosa ny ankamaroan'ny Malagasy. Na ireo namako niara-nijery ny lalao tamiko aza lasa nisy niavona tamiko rehefa nody, nefa aho amin'io mbola nanadrohadro ihany.
Ny tena nahavariana ahy dia ny tamin'ny lalaon'ny nosy notanterahina tamin'ny herintaona teo (Aogositra 2007). Tena tsy menatra ny manohana La Reunion mihitsy ireo vehivavy Malagasy manambady Frantsay na dia Malagasy izao aza no ifanandrinany. Tena babon'ny Frantsay tokoa, hoy aho, ny fo amam-panahiny ka tsy nanafina mihitsy ny fankamamiany Frantsay ry zareo. Dia hoy aho namarana hoe, tena hafa mihitsy ny Malagasy mizaka zom-pirenena Frantsay raha ny tahaka azy ireo. Miala tsiny aminareo vehivavy manambady vazaha aloha fa tsikaritra sy nivandravandra mihitsy io tamin'ny lalaon'ny Nosy ranomasim-be Indiana farany teo, ka tsy vitsy ny bandy no letra sy nanompa azy ireny mihitsy aza saingy safidy io ka tsy ifanerena no tena marina.