Antananarivo mibilaogy 3.0

2007-01-06 @ 17:43 in Ankapobeny

Efa nanoratra teto aho ny amin’ny fihaonan’ny mpitoraka blaogy nirian’I JoGanY ary notontosaina teto Antananarivo. Efa rentsika fa tao amin’ny Karibotel Papangoo tamin’ny Zoma 06 janoary 2007 io fihaonana io. Nisy ny olona tonga ary na ny tsy nampoizina aza dia tonga tao ihany koa.
Olona folo toy ny tamin’ny fihaonana tao amin’ny Kudeta ihany izahay no tao ( fa ny olona no samihafa). Tamin’ity indray mitoraka ity dia ny vehivavy no vitsy an’isa (telo) ary lehilahy ny ambiny. Roa no vazaha ary lahy avokoa. Ny iray dia miaraka amin’ny vadiny malagasy ary ny iray nandeha irery fa manambady malagasy ihany koa, ny mahasadaikatra ahy dia hoe tokony holazaina amin’ny anarany ve izy sa tsia ary ity ve ny blaoginy sa ity? ( Ary tsy izaho irery no manao ity tia roa ity an! ary ny loza dia adinoko ny nanontany ny anarany) Ilay iray miaraka amin’ny vadiny malagasy kosa dia toy ny manaraka fotsiny satria ny vadiny no mpitoraka blaogy eto (Mia Casa). Na dia izany aza dia mandray anjara tao anatin’ny resaka mihitsy rangahy.

 

Ny vehivavy faharoa kosa indray dia efa fantatrareo satria izy no nanasa ny teto an-tanàna (JoGanY). Izany hoe rehefa ny any ivelan’I Dago izany no manasa dia tonga ny eto an-toerana e! Ny vehivavy fahatelo kosa indray dia tsy mpitoraka blaogy fa andeha atao hoe nasaina manokana…

 

Eto indray dia hilaza ireo efa tonga tamin’ny fihaonana farany teo ka mbola nilaza ny fahavelomany tamin’ity indray mitoraka ity dia I Barijaona sy I Aiky Fandresena ary jentilisa ( tsy mila tsindriana ny soratra jentilisa fa tsy nisy hitako ny nalehan’ny blaoginy anankiroa).

 

Ireo ambiny kosa dia mpitoraka blaogy ihany tamin’ny voalohany (raepr) fa rehefa voatsikera be loatra tamin’ny fitantarana nataony izay lazainy fa fitantarana tsotra ny zavatra hitany dia nihakamokamo nitoraka blaogy. Nandalo eto Antananarivo izy fa any amin'ny faritany any no mipetraka. Asa na hazoto amin’izay ny lehilahy na tsia amin’ity taona ity? Ary ny farany fa tsy atao hoe kely indrindra dia mpanoratra any amin’ny sehatra hafa anaty aterineto any fa tsy mbola nanangana blaogy. Izy kosa mieritreritra fa mety ho avy tokoa ny fotoana hananganany ny blaoginy.

 

Ireo izahay tonga tao. Ny fandehan’ny resaka kosa indray no nanao ahoana? Azo lazaina avy hatrany fa nahafinaritra na dia voasembasemban’ny hira kaloin’I Rakoto Frah Junior aza ka tsy ahenoana tsara ny zavatra lazaina indraindray. Nafana teo anoloan’ny jus sy ny labiera izany resaka izany ary ahenoana tokelaka ombieny ombieny. Eo ampivoriana dia mitovy avokoa fa tsy misy ambony sy ambany na gasy sy vazaha akory aza. Izaho moa noho ny tsy fahaizako miteny vazaha loatra dia ataoko teny malagasy ny resako fa tsy ivakiako loha loatra.

 

Nanomboka tamin’ny enina ora mahery minitra vitsy foana tokoa ny fotoana ary tamin’ny sivy ora no nandao ny maro fa mbola nisy kosa ireo nijanona fa izaho aloha dia nandeha tamin’ny sivy ora alina e! Teo manko no nilaza handeha I JoGany no nahatonga ny maro kokoa handeha…fa nafana ny resaka an! Sao dia lava loatra ny lahatsoratro fa aleo anjaran’ny sasany indray no milaza izay fomba fijeriny iny fihaonana iny.

(Hatramin'izao aho mbola misalasala hoe mety ve izany fanisako izany sa tsia?)

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox