Fa naninona I Jeannot Ramambazafy?

2007-10-27 @ 16:34 in Kolontsaina

Hatramin’ny fahakely aho no mpamaky gazety ary naleoko aza tsy nihinankanina toy izay tsy namaky gazety na tsy nahavita boky ihany koa. Vao nanomboka nivoaka ny Madagascar Tribune dia mpamaky tsy tapaka azy aho no sady mpividy rahateo isaky ny Asabotsy satria izay no zakan’ny tsena. Ny zavatra iray tena nifidianako ny Madagascar Tribune dia izy irery tamin’izany no nahasahy tsy namoaka izany horoscope izany. Ny Horosfika hany mba famakiko taloha dia ny tao amin’ny akon’ny Aro (avy amin’ny trano fiantohana Aro mazava loatra). Ny antony dia tena fanalana azy ranofotsiny ny horosfikan’ny mpamaky tsirairay izany hoe natao hihomehezana fotsiny ilay izy fa tsy natao hinoana toy ny fanaon’ny tena mpamaky ireny horosfika ireny. Samy manana ny finoany sy ny tsy finoany rahateo ny rehetra. Ary tsaroako tsara fa tena famakiko ny lahatsoratry Jeannot Ramambazafy na dia misy aza ny fotoana mahalankalana ihany ny fotoana anoratany. Toy ny nanitikitika ahy ny zavatra nosoratany tamin’izany fotoana izany ary tsoriko fa ankoatra an’I Aimé Razafy mpamoaka sariitatra dia ny anarany ihany no hany tadidiko tamin’ny mpanao gazety tao amin’io famoahana io.

 Lahatsoratra iray hafa ihany koa no tena nanintona ahy tamin’izay nosoratan’I Jeannot Ramambazafy tamin’ity taona ity dia ny nanoratany ilay anton’ny toe-tsaina malagasy ankehitriny nolovana tamin’ny fanjanahan-tany izay nametrahany fa ny atao hoe mahay eo amin’ny Malagasy dia izay mahafehy ny teny frantsay. Tsy maninona na tsy mahafehy zavatra hafa ankoatra izay aza izy fa rehefa mahay ny teny frantsay izy dia avotra eo amin’ny fiainana izay satria io no masontsivana voalohany takian’ny orinasa mandraka ity androany. Ary dia hitako tokoa fa raha hainao ny mipetsopetsona an’io teny dia avo be avy hatrany ny lentanao eo anatrehan’ny mpampiasanao na Vazaha izy na Malagasy. Fahoriana ho ahy tokoa ny nianatra teny Frantsay tany am-pianarana nefa tsy mbola nisy naotiko ambanin’ny antonony loatra azoko tamin’io taranja io afa-tsy indray mandeha na indroa isan-taona angaha raha be. Nampianarin’ny raiko manokana mihitsy aho teo amin’ny faha-12n’ny taonako teo ary nitohy ny famakiana ny teny frantsay rehefa niditra ho mpamaky boky ao amin’ny Foibe Frantsay momba ny kolontsaina Albert Camus eo Analakely Antananarivo. Toy ny afa-patorana aho raha vao afa-mampiasa ny teny Malagasy amin’izay sehatra azo idirana ka mahatonga ahy hanoratra eto amin’ny bilaogiko amin’ny tenindreniko. Entiko milaza fotsiny izany fa tena misy ny zavatra mahafinaritra ahy amin’izay nosoratan’Atoa Jeannot Ramambazafy na dia teny frantsay aza no mahavantana azy rehefa manoratra izy.



 Gaga aho raha nahita ny lahatsorany tao amin’ny madagate ary nisy nandefa tao amin’ny serasera yahoogroupes omaly zoma 26 oktobra 2007 milaza ny momba ny filoha Ravalomanana, ny Tim ary ny Tiko. Fantatro ihany fa lasa mpanohitra izy saingy tsy noheveriko ho lasa hatrany amin’ny fankahalana (satria lasa fitifirana olona ny ankapoben’ny lahatsoratra) ny resany. Io koa moa no tena lesoky ny fanaovana politika eto Madagasikara manoloana olona politika iray, entanin’ny fo ka raha tsy tia dia mankahala nefa ny politika amiko dia fahaiza-mandanjalanja amin’ny saina no tokony hibaiko voalohany. Olona mahay na manantsaina no fahafantarako an’I Jeannot Ramambazafy hatramin’izay ka izany indrindra no nahatery ahy hanoratra ity lahatsoratra ity. Nataoko ampahibemaso izay nosoratako satria efa ampahibemaso (amin’ny aterineto) ny lahatsorany. Tsy hoe tena diso ranoiray izay nosoratany fa tahaka ny izy indray no tsy mahara-baovao raha jerena amin’ny lafiny hoe mpanao gazety ralehilahy. Misy ihany tsinona izay azo lazaina ho marina sy manaraka ny lojika amin’izay soratany.



 Marihina voalohany fa ny tena antony nanoratany ny lahatsoratra dia ny fahitany fa mirona ho amin’ny fanjakazakan’ny (mariho dieny eto fa manambara ny ho avy aho eto) lalam-pisainana tokana ny eto Madagasikara nefa heverina fa miaina ao anatin’ny demokrasia isika Malagasy. Izay rahateo moa no nanoratany fa manararaotra faraparany izy mandra-pahatampina ny lalam-pitenenana rehetra. Mety ho marina izay fombam-pitenenana izay raha toa ka vetivety ny lahatsoratra navoakany (amin’ny aterineto indrindra indrindra) dia voasakana tsy hitan’ny mpamaky intsony tahaka izay mitranga any amin’ny firenena hafa. Saingy eo amin’ny lafiny toetsaina “ho lany ihany ny paiso ao an-kady” dia vao maika manimba ny endriky ny fahalalaham-pitenenana manosika ny mpitondra handray fanapahan-kevitra ahiana nefa toa iriana any ambadika (Au final, la famille Ravalomanana et son premier cercle sera aussi riche que celle de Ferdinand Marcos des Philippines. Nous savons ce que ce dernier est devenu et ses richesses avec. Au rythme où vont les choses, nous allons directement droit vers la censure au nom du Tim, du Map et du cadenas. J’en profite donc tant qu’il est temps. Monsieur le président[…]) ny toa fanirian-doza sahady ho an’ny filoha.



 Eken’ingahy mpanao gazety fa tena nahay niditra sy tafavoaka tamin’izay nataony ny filoha tamin’ny lalana nodiaviny tamin’ny sehatry ny fihariana. Marina ny fitenenana fa miroborobo tokoa ny fananan’ny filoha Ravalomanana amin’izao fotoana izao saingy diso kosa ny fampironana ny sain’ny olona fa tamin’ny tsy rariny no nahazoany ireo hareny ireo. Isika Malagasy no mbola vonton’ny fisainana fa ratsy ny mahazo harena betsaka ary matetika raha misy ny tranga toy izany dia heverin-dRamalagasy fa halatra izay no nahazoana ny harena. Mbola vao oviana moa no nasisika tao an-tsaintsika fa heverina ho toy ny olon-dratsy ny kapitalista ary niheverana fa raha kapitalista ny olona iray dia mpanambaka aloha izy voalohany indrindra ary mpanandevo olona amin’ny alalan’y as betsaka nefa ny karama kely izy faharoa ? Ny ambiny moa saiky tsy tadidy intsony toy ny teny hoe fahavalom-pirenena izay efa tsinjo ao anatin’ny lahatsoratry Jeannot Ramambazafy ihany. Isika rehetra anefa mahalala fa kapitalista hiringiriny ny filoha Ravalomanana. Raha jerana ny lalam-piharian’ny filoha Ravalomanana dia efa nivelatra sahady ny fitantanany na dia tsy mbola nandray ny fahefana faratampony aza izy. Ohatra: tamin’ny taona 2001 no tena nivelaran’ny haino aman-jery naoriny nefa herintaona taty aoriana izy vao lasa filoha. Ny haino aman-jery anefa no fanoitra lehibe indrindra hitazonana ny hery sy ny fahefana. Raha potika na tsy misy manaraka intsony ireo haino aman-jery ireo vao mety ho azo heverina ny hoe mitsontsorika mankaiza ny fiafarany… tsy miresaka momba ny zanany kosa aho eto satria tsy mbola nisedra ny atao hoe fitantanana ireo amiko aloha. Mazava loatra fa toy ny mamboly hazo fihinam-boa io, dimy taona na mihoatra taorian’ny nanatsatohana azy tamin’ny tany sy nikolokoloana azy vao tena mitango ny vokatra. Amin’ny voalohany ihany no mety hisy fahasahiranana fa midoroboka io rehefa mahay azy. 



Ny amin’ny resaka bileta tokana moa dia vao tsy ela akory izay no nanoratako lavalava ihany ny hevitro momba iny ka tsy mila ivalaparana intsony. Toy izany ihany koa ny amin’ny fianarana nataon’ny filoha izay efa nosoratako ihany koa fa mbola hoavy ny bokin’Atoa Gilbert Raharizatovo raha tsy misy ny sampona nanambara fa tsy hoe nampiana-tena akory io filohantsika io fa nianatra tany ivelan’I Madagasikara mihitsy (araka ny fomban’ny mpanankarena) ary tany amin’ny tany mpiteny anglisy sy Eoropeana tavaratra no tena nilofosany fa tsy tany Frantsa fandehanan’ny mana-pahaizana Malagasy amin’ny ankapobeny kosa. 



Manaraka indray ny amin’ny Madagasikara Am-Perinasa (MAP) izay nolazainy fa hala-tahaka sy tefitefy manta avy amin’ny tanjon’ny taonarivo natrehiny tany Johannesbourg tamin’ny taona 2002. Raha ny filazan’ny mpanao gazety azy dia toy ny nosandosandohana fotsiny ny boky. Tsia, afaka jerena tsara ny vohikala ahitana ny MAP fa niainga avy amin’io tanjon’ny taonarivo mihitsy ny nandrafetana azy. Amiko dia toa fianiavana handiso ny fisainan’ny mpamaky ny fomba filaza fa “izy” Jeannot no nahatsikaritra izay “voalohany” raha toa efa nivoitra mihitsy ny tanjon’ny taonarivo ao amin’ny MAP tenany. Mpanao gazety ny tenany koa ataoko fa nivoaka avy tamin’ny faritry ny “fampahalalam-baovao” (information) ny tenany ary tafiditra amin’ny “fandisoam-baovao” (désinformation). Tsy voatery ho fanahy iniana izany fa mety noho ny tsy fahampiam-baovao eo am-pelatanana intsony. Fenitra napetraka ho an’ny firenena maro rahateo ny tanjon’ny taonarivo fa tsy ho an’I Madagasikara irery tsy akory.



 Zavatra iray tsy zakan’ny mpanoratra ihany koa ny amin’ny fandoavana ny rano eny amin’ny paompy. Izaho manokana, nataoko hoe manokana satria ho be ny hanohitra ahy, dia mitaky ny fandoavam-bolan’ny tsirairay aho satria tsy maintsy misy vola lany amin’ny fikarakarana iny rano iny ho madio (sy ho azo sotroina eto Madagasikara) ka raha tsy izy maka ny rano no mandoa azy dia ny hafa mpandoa hetra sy mpandoa ny rano ampiasainy ao an-tokantranony ihany no ho mangana. Raha efa nanaraka fivoriana iraisam-pirenena izy dia tokony ho efa naheno ihany koa, indrindra fa amin’ny maha-mpanao gazety azy mila maharaka ny vaovao iraisam-pirenena indrindra ny momba ireny fifanarahan’ny firenena maro ireny. Resaka rano aloha no eto: efa ifanarahana fa noho ny fihenan’ny rano maneran-tany dia tsy azo omena maimai-poana intsony io rano io fa tsy maintsy misy sandany. Tsy ho antsika eto Madagasikara ihany izany resaka izany fa maneran-tany. Ny tena olana apetraky ny tsy manaiky izany fandoavam-bola izany dia ny filazana hoe ny hanina izay tadiaviny aza mila tsy ho hitany koa ny rano avy ve no ampandoavina ihany koa? Tokony amin’ny tenany aloha no anontaniana raha toa tsy dia nanahirana loatra ny fahazoambolany ka tokony hanana rano ao an-tokatrano izy sa tsia? Tsarovy fa ny jiro amin’ny herinaratra anie aloha hatramin’izao no mora kokoa noho ny labozia raha ny vitany no lazaina ka te-hiteny aho hoe izay mahihitra ihany no ho lany be. Araka ny tsy andoavany vola no tsy itsitsiany izay lany nefa ny hafa indray no ho voasazy handoa ny elanelana. Mety ho misy tsy rariny ao anatin’izany teniko izany nefa aiza ho aiza moa izany ny rariny? Odian-tsy heno ve ny filazana fa mba manana ny fatiantoka ihany koa anie ny jirama e! io moa dia taonga amin’ilay fitenenana manao hoe araka ny tsy andoavam-bola ny zavatra iray no tsy iraharahian’ny olona ny tena sandany. Rehefa mandoa vola izy mahalala tsara ny sandan’ilay rano verivery foana teo aloha.



 Alohan’ny farany dia tahaka ny heloka eo anatrehan’ny mpanoratra ny mahita fa ambenan’ny miaramila ny orinasan’Atoa filoham-pirenena. Toy ny hoe mihoa-pahefana izy amin’izay fotoana izay. Anisan’ny efa nampitabataba ny maro io raha nisy ny rotaka fandrobana tany Toliary. Ny magro no tsara ambina voalohany tany ka tsy voakitika mihitsy. Nandeha moa ny hevitra tamin’izany hoe fa angaha ny tiko no fanjakana no ny tiko indray no ataon’ny miaramila tsara ambina voalohany? Ny lalampanorenana mihitsy anefa no miantoka izay fiarovana ny ain’ny filoha sy ny fananany izay. Ka orinasany ve tsy ho fananany? Toy ny miaro ny fiandrianam-pirenena mihitsy eo anatrehan’ny miaramila ny miaro ny fananan’ny filoha ka raha io no vaky tamin’izany fotoana izany dia ny tompon’andraikitra voalohany sy ambony eo amin’ny fiarovana mihitsy no “tapa-doha” araka ny fiteny fa tsy ara-bakiteny.


 
Ary farany fa efa lava dia lava izay voasoratro izay dia hiverina amin’ny fihariana indray aho. Kianin’ny mpanoratra fa mitady ho be loatra ny sehatra idiran’ny filoha Ravalomanana nefa izay sehatra idirany tsy sahin’ny mpandraharaha hafa idirana intsony. Sarotra tsinona ny hifaninana aminy sady toy ny hifandrafy amin’ny filoha raha hifaninana amin’ny sehatra efa iasan’ny fianakavian’ny filoha. Nahoana indray moa ny mpanao gazety no mbola hiantso ny filoha hiditra amin’ny sehatra hafa toy ny orinasa fanodinana angovon-drivotra na masoandro sy ny fanambarana ny rindrambaingan’ny solosaina indray? Moa tsy manohitra ny sorany ihany izy amin’izay fotoana izay? Lava tokoa ny teny ka tsy maintsy misy diso na ny ahy na ny azy kanefa ny fiaraha-midinika sy fahasahiana miteny izay tsy mety amim-panajana no mampandroso indrindra. Mino aho fa hitanao izay mety hahitsy amin’ny lahatsoratra na ny ahy na ny an’I Jeannot Ramambazafy ka izay tia tena no aoka tsy hanambara izay heviny fa aleo manoratra manohitra anay mirahalahy mianaka mivantana aza.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox