Mpanompo sampy ve Ravalomanana?

2007-11-20 @ 17:06 in Finoana

Somary nahoraka ihany koa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny nametrahan’Atoa Ravalomanana filohampirenena Malagasy ny vato fehizoron’ny tranombakoka kasaina apetraka mifanila amin’ny  trano fiasan’ny filoham-pirenena eo Ambohitsorohitra sy amin’ny faritra manasaraka azy amin’ny trano lehibe an’ny Banky Foiben’I Madagasikara. Trano natao hanana endrika trano gasy mahazatra eto amin’ny faritr’Imerina kasaina hovitaina haingana satria mbola ho ela vao ho vita ny fanarenana tanteraka ny Rovan’i Manjakamiadana. Tsy dia ny fikasana hanangana ny trano loatra no nampahoraka azy ity fa izay natao tamin’io andro io. Fa inona avy no nataony ka hita tamin’ny haino aman-jery?



Voalohany indrindra aloha ny akanjo nanaovany, tsy niakanjo fitondra mianjaika mahazatra amin’ny palitao sy kiravato izy fa toy ny lobaka manana irony endrika somary maka tahaka ny malabary irony no nanaovany. Tsy miendrika tambanivohitra kosa na dia izany aza ny lobaka nanaovany fa toa lamba mihaja ary tsara zaitra manendrika azy ihany. Lamba misoratsoratra, na mitsoriadriaka no marina kokoa, fa ny loko mena volontany na volonkazo no somary manana vahana. Miaraka amin’izany dia asampiny amin’ny sorony ankavanana ny lamba landy miloko volonkazo matroka sy tanora mifandimby no mibahana kokoa fa ao koa ny loko fotsy tsy mangatsakatsaka. Ankoatra izay nomarihina izay dia ny satroka aroloza (tsy azonao ve?) miloko fotsy no teny andohany ary nipataloha matroka misy mitsoriadriaka fotsy mila tsy ho hita izy. Izay aloha ny amin’ny fitafiany.



Faharoa manaraka izany dia nanondraka ronono narahina tantely teo amin’ny vato fototra sy ny manodidina ihany koa ny tenany. Tsy tsikaritro loatra raha niteny izy nandritra ny fanaovany izay asa izay na nangina fotsiny satria vetivety ihany no nanaovany izay fihetsika izay. Izy ihany aloha no nalaina sary nanao io fihetsika io fa ny hafa kosa dia manatrika ihany. Marihina fa notovozina tamin’ny zinga Tsy nisy famonoana omby (na mazava loha na tsy mazava loha) naseho kosa ary tsy nisy ny resaka na tatitra ny amin’izany fomba hafa mahazatra ny Malagasy hafa izany. Ny zavatra azo marihina amin’ny tantely aloha dia tsy ilay marihitra no nararany fa mitsiranoka ilay izy ka maro no aiky hihevitra avy hatrany fa toaka ity nararaka ity. Nisy aza moa olona efa nitatatata hoe ahoana iny toaka nararaka iny fa nanitsy azy kosa ny be sy ny maro samy nahita ny raharaha.



Ireo ary ny zavatra nataony sy tsy nataony ka anjarantsika ny mieritreritra hoe mpandala ny nentin-drazana ara-pinoana ve ny filoha Ravalomanana raha nanao io fihetsika io izy sa fomba malagasy tsotra io nataony io? Marihina fa ny andron’ny 17-11-07 no nanaovana io fihetsika io, tsy voaray kosa ny ora satria mikaonty koa izany amin’ny fanandroana. Nilatsaka kosa ny orana teto Antananarivo ny takariva.



Eto amin’izay aho no maneho ny hevitro aloha, marina fa taitra ihany aho raha vao nahita ny akanjo nanaovany sy ny lamba landy nasampiny, nefa dia efa fanamarihana tsy ankiteniteny io fa hisy fomba tsy mahazatra ny tandrefana sy zatra ny fisaina tandrefana no hatao amin’io andro io. Manaraka izany dia karazana firariantsoa ihany amiko ilay fanondrahana ronono sy tantely na dia mety hanohina ny maro (amin’ny kristiana protestanta) ihany aza iny nataony iny. Tsy nafenina rahateo izay natao fa hitan’ny haino aman-jery izay tsy maintsy hitatitra ny fandehan’ny raharaha. 



Eto indray dia hitodika kely amin’ireo tsikera efa heno indray aho.Tsy tahaka ny menaka nahoso-bato ve izay nataony? hoy ny mpiantso iray. Izany hoe tiany asisika amin’ny mpihaino azy hoe moa tsy fanompoantsampy ve izao nataony izao? Tsy nanazava lava ny heviny moa ranamana fa efa nahita tokoa aho aloha fametrahana vatomamy tamina vatolampy nataon’ny olona maro (alahamady angamba io andro io fa vahoaka be tokoa no tsaroako nanao izay fihetsika izay ary faritra ivelan’ny tanàna no nahatsiarovako azy satria mbola kely aho no nisy olona nitondra anay “hitsangatsangana”. Ny ao an-trano manko tsy mpandala nentin-drazana ara-pivavahana) Ho fanampin’izany dia lazainy fa sao tsy ny vato no nomena iny fa mba tokony hisy anjara ho an’ny Malagasy sahirana amin’izao fotoana izao. Tsikera hafa ihany koa ny hoe izany trano izany ve no mahamaika amin’izao fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka izao?



Hamaly izay azoko valiana amin’ireo tsikera ireo aloha aho. Tsikera mivaivay tahaka izany ihany koa no nahazo ny Amerikana rehefa mandefa sambondanitra tany an-habakabaka any izy. Mbola fotoanan’ny ady mangatsiaka ihany koa moa tamin’izany fotoana izany. Mandeha ny filazana hoe maninona no mitady “laza” amin’ny fandaniambola tsy misy dikany ny Amerikana (nahagaga fa tsy notsikerain’Imongo vaovao ny Sovietika rehefa nandefa sambondanitra ihany koa) nefa maro ny firenena mila ho ripaky ny hanoanana sy ny tsy fahampiantsakafo. Amin’izao fotoana izao efa tsy re intsony ny tsikera toy izany rehefa mandefa sambondanitra ny firenena matanjaka ara-toe-karena satria handefa zanabolana ihany koa izy ireny amin’ny ankapobeny ary miasa dia miasa ho amin’ny fampifandraisana  an’izao tontolo izao tokoa ny zanabolana aloha. Dia toy izany amin’ny fananganana tranombakoka. 



Efa nisy olo-tsotra nanoratra tamin’ny gazety fa raha vita mandritra izao fitondran-dravalomanana izao io Rovan’i Manjakamiadana io dia hahapetraka ho amin’ny fotoana ela ny anarany eto amin’ny tantara io filoha mitondra ankehitriny io. Tsapan-dry zareo mpitondra anefa fa sarotra kokoa sy mitaky fotoana maharitra kokoa ny manarina zavatra efa nisy noho ny manangana vaovao mihitsy. Ny manarina manko tsy maintsy miezaka mamerina ny endrika efa nisy teo aloha fa ny manangana vaovao izay tena mahafinaritra anao no atao. Te-hametraka ny anarana hitoetra maharitra amin’ny tantara izy ireo ka dia izao nanapa-kevitra hanangana tranombakoka vaovao izao. Ny olona manana ny hajany sy ny hasina ary te-hitoetra amin’ny mahangeza azy dia tsy maintsy mijery sy manolokolo ary manangana zavatra lehibe ho an’ny kolontsaina ao aminy. Jereo ohatra ny Frantsay, tsy namela na inona na inona tamin’i Lafrantsa teo amin’ny sehatry ny kolontsaina ny filoha teo aloha Jacques Chirac ka vetivety dia mety ho adinon’ny olona ny momba azy. Ny filoha teo alohany kosa dia namela teo amin’ny fiainany izany hoe “Bibliotheque Nationale” izany. Trano goavana sy maro rihana ankoatra ny nikarakarany fatratra ireo tranombakoka isankarazany teo amin’ny fireneny hany ka na dia efa ela aza no nandao ny tany ny tenany dia indreo mijoro sy betsaka hita andavanandro aza ny zavatra natsangany. Dia izay ihany koa aloha no fahitako azy fa ny anao no manakory?

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox