Sary iray tantara telo

2007-12-04 @ 16:44 in Andavanandro

 

Ny fitantarana voalohany dia mikasika ny toerana aloha. Eny Alarobia Amboniloha mankany amin’ny kianja fanaovana hazakazaka sy filalaovam-baolina ity lalana ity. Talohan’ny Lalaon’ny nosy fahafito dia lalambovoka no natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Ankehitriny io fa misy rarivato manavaka ny ho an’ny mpandeha an-tongotra sy ny araben’ny fiarakodia. Efa mba misy fivoarana aloha ny amin’iny satria ho an’ny sarambambem-bahoaka aloha ny zavatra vita.


Ny fitantarana faharoa indray dia momba ireo vaviantitra telo mirahavavy mianaka eo amin’ny ankavanan’ny sary ireo. Ny akanjo nanaovan’izy ireo moa dia tee shirt misy ny sarin’i Andry TGV (mitafy lamba avokoa izy ireo fa tsy hitan'ny sary intsony). Atao hoe miavaka ihany izy ireo satria dia tafarafaraka an-dalana hatreny Antsonjobe hatramin’io toerana io. Tsy nivonona ny handray fiara mihitsy ry zareo hatramin’ny nahatafasaraka anay hatreo amin’ny trano fitaratra maitso lehibe mifanakaiky ny Tour Zital misy ny radio television analamanga rta ankehitriny (firy isan-jaton’ny olona eto tokoa moa izao no mahatadidy fa izay no fanalavana io anarana malaza eto amin’ny tanàna io ?). Lalandavitra izany no nodiavin’izy ireo mba hanatrehana ny famoriambahoakan’ny kandidà tohanany. Hatraiza amin’izany ny nataon’ny olona hafa rehetra mbola matanjaka sy atao hoe tanora ? Ny hafa maro manko toa ny mpanampy an-trano (hitako izany matoa aho manoratra etoana) sy ny ankizy ao an-trano no asaina mitondra ny afisy misy ny kandidà tohanana nefa tsy dia lavitra loatra akory no misy azy ireo. Izay tokoa angaha no atao hoe mbola hiasa rahampitso ? 


Manaraka izany fiara firy moa no nitanjozotra (manao caravane) tamin’iny lalana iny no miravaka ireo afisin’ny kandidà tohanany fantatra fa hitety tanàna hanao fanentanana  ihany koa malalaka ao anatiny nefa tsy nanana tao an’eritreritra mba hoe aterina hatreny amin’ny lalana mety hisarahana akory sa samy mandeha samy mitady ary samy mifidy Andry Rajoelina ? Manaitra dia manaitra ny hafa, tahaka ahy sy ilay mpanohana mavitrika, nanajanona ny fiara nitondra azy ka niangavy azy ireo mba haka sary. Heveriko fa raha antonona azy telo mirahavavy ny fiara dia nentiny na dia hatreny Antanimena fotsiny aza ireo olona ireo. Tena fitiavana mahatsapa ny antony hamorian’ny kandidà ho tena fampisehoan-kery amin’ny mpifaninana ny azy ireo matoa mahavatra mandeha an-tongotra fa tsy manana sara na dia handehanana fiara fitaterana aza. 


Aiza ho aiza amin’izany ireo « tanora hafa » mitaraina ho tsy afaka nankeny satria feno avokoa ny fiara mankany amin’iny toerana iny. Dia dradradradraina amin’ny karajia fa manao fanahy iniana ny fiara fitaterana mba tsy hahatonga ny olona ho vory maro eny. Fantatr’ireo be fitarainana ve fa tsy ho ampy velively ireo izay te-ho any Antsonjobe izay fiara fitaterana mankeny amin’iny faritra iny dia ny Kaominina indray no endrikendrehana fa nibaiko ireo kaoperativam-pitaterana tsy hiasa amin’io andro io ? Faharoa manaraka izany tsy dia betsaka loatra ireo mpanana fiara no tsy nankeny an-toerana  fa ho an’ny sarambambem-bahoaka ihany angamba any. Nitarainan’ny maro manko ny fikatonan’ny toeram-pidiovana teo Analamahitsy. Tolona sy ady anie ny fifidianana aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana.


Ny fitantarana farany indray dia izy mirahavavy eo ankavian’ny sary indray. Olona nifanena tamiko izy mirahavavy ireo. Mizotra tsimoramora amin’iny lalana iny. Samy tokony ho 14 – 16 taona eo ho eo raha ny fanombana azy. Akaikin’ny fiakarana iny anefa dia niverin-dalana izy mirahavavy. Eo ampiomanana haka sary manko aho no nandalo ireo fiaran’ny mpanohana TGV voaravaka ny sariny efa voalazako teo ambony. Nandrasako aloha ho lasa ireny fiara ireny. Vantany vao lasa ny fiara dia lasa nankeny afovoan’ny arabe aho haka io sary eo ambony io. Rehefa avy nanapika ny sary aho dia nanofahofa tanana izy mirahavavy. Dia niandry tokoa aho. Rehefa somary akaiky kokoa dia niantso ny iray hoe « alaivo sary izahay » saingy notohinin’ny namany izy. « Andraso aloha » hoy ilay nanohina. Rehefa tena teo akaiky dia nanontany amin’izay ny iray hoe « izahay ve no nalainao sary ? » Nohazavaiko ilay fitantarana voalohany ary nasehoko azy mirahavavy ny sary vao nopihako teo. Hay ve ! noheverinay fa nalainao sary mihitsy izahay amin’izao paozinay izao.An ! an ! kosa hoy aho nandà…dia lasa indray aho naka sarina takelabin’ny tiko mbola tsy nananako fa sary hafa noho izay efa ananako ary efa nasehoko anareo ireny.


Hay teo indrindra no nisy ilay fiara (tsara tarehy) nijanona tery ampitan’ny kihon-dalana ka nivoahan’ny iray naka sary azy telo mirahavavy teo amin’ny fitantarana faharoa. Olona hafa kosa no mpamily ary gaga be aho fa nifanao baiko moana tamin’izy mirahavavy izy io. Eo dia mifanondro (moana) hoe iza aminay mirahavavy no antsoinao ? Fa ilay mpamily kosa nanao baiko moana hoe andraso (eo aho fa hiverina eo ?). Nivanaka tanteraka aho lasa an’eritreritra hoe…tssss vao nandia ilay andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny VIH SIDA koa angamba ka lasa lavitra loatra ny saina. Ao anaty fiara moa efa misy tovovavy heverina ho naman’ilay naka sary. Izy mirahavavy anefa efa saiky hiampita hankeny amin’ny fiara mihitsy. Tssss…

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox