Fanakorontanana avy ao ivelany sy anatin'ny tolona hamerenana ny ara-dalàna

2009-04-14 @ 23:02 in Politika

Tsy atao ho olana mihitsy na dia mety ho tsy fantatry ny haino aman-jery ary gazety avy any ivelany rehetra any ity tolona am-pilaminana ity, na dia mety ho lesoka lehibe aza izany. Izaho kosa hitantara mandrakariva ho an'ny Malagasy sy ny mahay teny malagasy manerantany ny tsikaritra sy ny fantina amin'ity tolona ity na misy ny mankasitraka na tsy misy. Satria manko tsy manao fandrobana tsy mitarika gidragidra ny mpitolona ka milamina loatra dia tsy hitan'ny gazety vahiny loatra izay lazaina momba azy. Azo heverina izany raha ampitahaina ny tolona indroa misesy nefa mifanohitra teto Madagasikara tamin'ity taona 2009 ity fa tena tao anatin'ny paik'adin'ny tolon'ny laoranjy mihitsy ny nisian'ny korontana sy ny dorotrano ary fandrobana isan-karazany mba hitodihan'ny mason'izao tontolo izao ho aty Madagasikara. Tena talentany tokoa ilay serasera!


Fa inona moa ny fiantraikan'ny tolon'ny laoranjy mivantana eo amin'ny fiainana andavanandro amin'izao fotoana izao?

Raha miresaka tolon'ny laoranjy aho eto dia samy ao daholo na ny tolon'ny mpanendaka na ny tolon'ny miaramila. Izany tsy manakana velively ny fisian'olo-tsotra nitolona tamin'ny fony na/sy nitolona ho amin'ny tombotsoany tao anatin'ity tolon'ny laoranjy ity saingy takon'iretsy sarangan'olona hafa iretsy ny tolony mitaky fanovana mpitondra teto Madagasikara. Eo amin'ny mpanendaka aloha, tena manjakazaka tokoa ry zalahy manerana an'Ambodifilao, Soarano, Behoririka iny. Fotoan-dehibe nifankafantaran-dry zalahy sy nahafahany nivondrona manko ny tolona natao nandritra ny telovolana voalohany iny. Mora kokoa noho izany ny asany satria eo ny fifanampian'ny samy olon-dratsy. Matahotra ny hijanona ela amin'ny fiantsonana natokana ho azy avokoa noho izany ny fiara fitaterana manan-jo ho amin'izany ary misy ny matahotra na dia ny handalo eny fotsiny aza.  Tsy ny anaty fiara ihany no lasibatra fa na dia ny mpandeha an-tongotra tsotra ihany koa aza. Isika izay efa nandalo teto Antananarivo dia mahafantatra tsara fa ireo toerana voalazako ireo no toerana afovoan-tanàna be olona mpandalo indrindra. Tranga iray amotehana tanteraka an'Antananarivo ho mahalao monina izany tranga lazaiko izany indrindra fa toa mikimpy eo anoloan'ny tsy rariny mahazo ny mponina izany ny mpitandro ny filaminana.  

Mifanindran-dalana amin'izany, gaboraraka tanteraka ny fifamoivoizana sy ny tsena eto Antananarivo (tsy afaka ny hilaza ny manerana an'i Madagasikara na oviana na oviana kosa aho). Efa anaty lalana tanteraka ny mpivarotra teo ho eo, ary dia maro ny arabe tokony ho lalan-droa no zara raha mahatafiditra laharam-piara tokana mikisaka tsimoramora fandrao mahadona fiara na olona hafa. Raha tratra aorian'ny sarety na posy dia manaraka ny halakin'ireny sarety sy posy ireny fa tsy misy fahafaha-misongona na oviana na oviana; ny eny Ambodin'isotry sy Behoririka miala an'i Soarano aza moa dia efa tsy azo ifanenana intsony ny arabe malalaka tokony hahatafiditra lahara-manjohy telo. Mazava loatra fa mampirongatra lonilony anatin'ny olona maika na mamonjy fotoana, na tsy nanampo izay miandry azy eny an-dalana izany tranga izany. Ny sisin-dalana tokony handehanan'ny mpandeha an-tongotra anefa efa feno ny entan'ny mpivarotra avokoa. Tsy sahy mandray andraikitra amin'izao toe-javatra izao mihitsy ny tompon'andraikitry ny Kaominina noho ny tahotra fandrao mivadika manampy isa ny eny Ambohijatovo ihany koa ireo olona ireo. Ny tahotra tahaka izany indrindra no fahadisoana nataon'ny PDS Hery Rafalimanana nialoha ny fifidianana ho Ben'ny tanàna tamin'ny 2007, vao maika maharesy lahatra ny tsy tia gaboraraka hanohy ny tolona moa ny tranga tahaka izao.

Fa dia manao ny tsy rariny ihany koa ny mpitandro filaminana sasany, tsy voafehy, amin'ny fampihorohoroana olona tiana handositra sy hiala eto Madagasikara. Aza mba fantatra hoe havan'ny mpitondra na manana fifandraisana amin'ny mpitondra fa dia anaovany sotasota mihitsy. Misy ny manamboninahitra tsy voafehy fa malaza amin'ny "herimpo mahavalalanina" ny maro tahaka ny fisavana ny fiaran'ny tiko efa voasoratra tany aloha tany, ny fitsidihana ny tranon'ny Lehiben'ny Etamazaoro teo aloha, ny fitsidihana ny rafozan'ny filoham-pirenena sy ny hafa tsy voatanisa sy tsy fantatra intsony. Efa nanana laza ratsy manerantany ohatra ny fisavana nataon'ny miaramila (fa tsy ny polisy na zandary tompoko) ny orinasa QMM hampihemotra izay mety ho mpandraharaha manerantany saiky liana amin'ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Na izany aza dia misy ihany koa ny tranga tsy nahazatra, teto an-tanàna tamin'iny herinandro lasa iny dia tonga vao maraina dia maraina (tamin'ny 5 ora tany ho any) ireto polisy milaza hisambotra olona efa manana ny lazany ihany, ary tsy "Ra-Bidon" intsony no notadiavina fa ... Misy afera mafana izany nataon'ity mpanentana mafana fo TGV teto amin'ity tanàna ity . Mpitandro ny filaminana nameno fiara mazda (rehefa teny hoe mazda eto amin'ny tanàna dia ireo manana endrika buxi no tiana lazaina amin'izany fa tsy ny fiaran'olo-tsotra tsy akory) iray sy pick up double cabine (fiara malaza fitondran'ny mpitandro ny filaminana ankehitriny tsy hay hoe tamin'ny fomba ahoana no nahazoan'izy ireo ireny) no tonga teo, izany hoe tokony ho 20 isa tany ho any, nefa dia olona iray no saiky hosamborina. Nofefeny tsy hivoha avokoa ny tranon'ny olona manodidina rehetra, indrindra fa ny mpivarotra, nandondona fotsiny no nataony sy niantsoantso dia lasa rehefa tokony ho tamin'ny enina ora latsaka fahefany tany ho any. Rehefa lasa anefa izy ireo dia nivoaka tao an-tranony ilay rangahy notadiavina. Tsy azon'ny olona intsony ny fandehan-javatra avy eo hoe inona no nanakotabana olona vao maraina sa miala sirika amin'ny lehibe naniraka fotsiny?


Manao ahoana kosa ny fandehan'ny tolona hamerenana ny ara-dalàna sy hitsipahana ny fanjakana nalaina an-keriny?

Mazava loatra fa misy avy hatrany ny tsy mankasitraka ny fihoaram-pefy sahady ataon'ny milaza ny tenany ho mpitondra ankehitriny. Ny fomba nanatanterahana ny fametrahana ny "PHAT" tahaka ny filoha voafidim-bahoaka tetsy Mahamasina tamin'ny 21 marsa 2009 dia efa fihoaram-pefy sahady; notoherina avy hatrany tamin'iny fotoana iny. Fa toa niara-niditra taminy tamin'iny fotoana iny ihany koa ny gaboraraka rehetra, araka ny vao nosoratana. Tsy lavorary velively ny zavanisy vao niainana volana maromaro lasa izay saingy efa tsy azo leferina mihitsy kosa ny fampihorohoroana lasa andavanandrom-piainan'ny olona. Mitaky amin'ny fomba milamina sy tsy manao herisetra noho izany ny mpitolona andiany faharoa, mifanohitra kosa amin'iretsy mpitolon'ny laoranjy. Noho izany indrindra no mahatonga ny tolona ho tsy mahaliana ny vaovaon'ny any ivelan'i Madagasikara. Ny mpiasa tsy miankina ohatra dia lasa manokana fotoana hankanesana eny Ambohijatovo, ka amin'ny atoandro ihany no ahafahany manatanteraka izany, sarotra manko ny hitokona fa tsy ny lehiben'ny tena ao ampiasana tsinona no toherina. Mazava loatra fa tsy manana fotoana hankanesana eny isan'andro ny olona tahaka izany. Raha mba afaka nankeny aho tao ho ao dia nahatsikaritra fa vitsy amin'ny olona mpankeny Ambohijatovo no mpankeny isan'andro. Ny mahavariana ahy kosa dia ny fahamaroan'ny fiara miantsona eo Ambohijatovo vao afaka ny lozoka Ambanidia (tunnel). Feno avokoa rehefa toerana azo ametrahana fiara rehetra nefa tsy manelingelina ny fifamoioizan'ny fiara. Efa azo itarafana ny sokajin'olona mitolona ihany koa izany, fa ny sokajy hatrany ambany ka hatrany ambony eo amin'ny fiaraha-monina mihitsy no mitolona avokoa ary izany no tsy mahamendrika loatra ny fanivaivana sarangan'olona ataon'ny mpiara-mitolona sasany. Tsara kosa angamba ny mifanitsy amin'iny toe-javatra lasa mahamenatra iny ary efa malaza any amin'ny dinika samihafa any moa.

Rehefa nivadibadika ny fotoana ka nitolona (fa tsy mbola tafiditra amin'ny fitokonana aloha) hatrany ny olona, dia lasa fampitam-baovao mivantana ny tranga tsy mba tantarain'ny gazety loatra ny tao Ambohijatovo. Ny an'ny gazety mety noho ny tahotra satria ireo zavatra isan-karazany tsy mety  ataon'ny milaza ny tenany ho mpitondra no mivoraboraka ao avokoa. Na tiandry zareo na tsy tian-dry zareo, tokony horaisiny ho aro-fanina hialana amin'ny laza ratsy ny fihainoana ny kabary eny Ambohijatovo... saingy noho ny tsy fahafaha-manao eo amin'ny vola indrindra indrindra, mba hamalifaliana ny olona, dia voatery mandika lalàna mandrakariva ry zareo. Tsy mahagaga raha mitady ny fomba rehetra hampanginana ny mpitabataba eo Ambohijatovo ry zareo. Voalohany tamin'izany ny fanomezana alalana ny "gadra politika" hisolo toerana ny mpitolona... efa notantaraina teto ny amin'iny fa tsy nahomby satria nanjary ny kianjan'ny 13 mey no notadiavin'ny mpitolona, fantatra ihany fa mampatahotra ny fitondram-panjakana mifandimby rehetra (tsy anavahana) izany fihetsikatsehana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey izany. Manginy fotsiny ny fisotasotana nataon'ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin'ny andian'olona mpanao barofo tamin'ny mpitolona nidina avy eny Ambohijatovo mandalo ny kianjan'ny 13 mey. Karazany nahomby indray moa iny tsy fampandalovana ny olona ny kianjan'ny 13 mey iny satria dia efa nohalavirina toy ny fasambao mihitsy ny mandalo eny amin'izao fotoana izao.


Nandia fotoan-tsarotra ny tolona ho amin'ny ara-dalàna

Efa notantaraiko teto ny fisamatsamahana nisy teo amin'ny mpitarika ny tolona tamin'ny fiandohan'ity volana aprily ity. Efa nisy nitatitra ny fifamaliana mivantana an-kabary teny an-tsehatra tamin'ny zoma 10 aprily 2009 lasa teo. Variana mihitsy ny mpandinika fa tena nisy ny fifanoherana mivantana teo amin'ny mpandaha-teny samihafa ka nahatonga ny eritreritra hoe mba nisy fifandaminana sy fiaraha-midinika ihany ve ry zareo ireto sa dia samy miteny izay tiany tenenina fotsiny? Mba azo novonjena ihany aloha izay voavonjy saingy nisy ny nahay nanararaotra iny toe-javatra iny. Noheveriko ihany fa paik'ady hahafantarana izay tian'ny mpitolona no natao ny nampisy ny fifanoheran-kevitra nefa mety hampihemotra ny olona izany, ary eto no tena ahatarafana ny fahaizan'ny mpitarika ny tolon'ny laoranjy nandamina ny tolona nataony na dia nisy iray farafaharatsiny aza nahalala fa hiafara amin'ny fidiran'ny miaramila an-tsehatra ihany ny tolony. Ny teto voatery nanontaniana tsara mihitsy ny praograma manaraka hoe asiana fivoriana ve ny sabotsy dia mamaly amin'ny alalan'ny fihetsika ny mpanatrika, nekena aloha iny. Nanontaniana indray raha hivory ny alahady, nisy ny nanaiky... naverina ny fanontaniana sady nampiana hoe raha manaiky tokony ho tonga mihitsy fa dia betsaka kokoa ny nandà, ary sahala amin'izany ihany koa ny alatsinainy. Nanomboka teto dia tsy nandray fitenenana intsony Atoa Raharinaivo Andrianatoandro satria toy ny mitamatama rehefa miteny. Izay tena mahay miteny sy miantsanantsana sisa no mandray fitenenana faramparany.

Tahaka ny ahoana ilay fahaizana nanararaotra tanatin'ny tolona? hita ihany fa manara-maso akaiky ity tolona ity ny ao amin'ny tetezamita ankehitriny ary miasa mafy ny handrodana araka izay azo atao. Niely manodidina ny vavahady fidirana mankao Ambohijatovo ny biletà MFM toy ny ilazana ny hampitodika ny olona ho any amin'ity antoko ity, sy hiomana sahady ny hifidy MFM amin'ny fifidianana ho filohan'ny repoblika manaraka. Novakian'ny mpanentana malaza eo an-kianja avy amin'ny MFM (Constant Raveloson) bantsilana ity tetika hanakorontanana ny tolona mbola iarahana ity ary notondroiny mivantana fa ny ao amin'ny fiadidiana ny tanàna no manao azy. Dia nisy koa ny trakitra mamelively an-dRaharinaivo Andrianatoandro araka ny nolazain'ny mpikabary saingy tsy hitako moa ny amin'izany. Dia iny niarahan'ny rehetra nahita iny ihany koa ny fanasamatsamahana ny ao amin'ny MFM ihany izay mitaky amin'ny alalan'ny haino aman-jery ny hanalana an'i Manandafy Rakotonirina ho tsy filohan'ity antoko ity intsony. Anisan'ny hery lehibe amin'ity tolona ity manko ny fanentanana ataon'ny solontenan'ny MFM hatramin'ny sabotsy 21 marsa 2009 niandohan'ity tolona na dia tsy fantatr'olona aza ny niteny tamin'ny anaran'ny MFM tamin'iny fotoana iny. Tanjona nokendrena noho izany ny hampiparitaka ny tolona saingy "vita vakisiny karazany hafa indray isika teto androany" hoy ny mpanentana.


Mpanao bodongerona ve ny mpitolona ho amin'ny ara-dalàna?

Tsy maintsy resahina ity toe-javatra iray ity. Samy nahafantatra avokoa ny rehetra fa hatramin'ny alakamisy masina ihany ny fahazoan-dalana azon'ny mpandala ny ara-dalàna mampiasa ny kianjan'ny demaokrasia. Dia niandry avokoa ny rehetra hoe ho sahy hanohy ny tolona tsy nahazo alalana ve ny mpitolona, ary dia naseho mihitsy moa fa dia hotohizana eo an-kianja ihany izany. Tsy fantatra sady tsy noraharahiana izay hikarakara ny fotoana manaraka satria fitadiavana antony no ataon'ny ao amin'ny fiadidiana ny tanàna mba tsy hitohizan'ny tolona intsony. Hay moa ka dia nolazaina fa ny sembana hoe no saiky hampiasa ny kianja. Ny mpandinika anefa dia mahatsapa tsara fa tsy azon'olon-kafa idikidirana mihitsy aloha izao ny kainjan'ny  demaokrasia raha tsy te-hiharan'ny fahatezeran'olona maro dia maro efa mahatratra an'arivony. Ny hafa izay mieritreritra ny ho eo ve dia tsy hahatsapa avy hatrany fa toy ny fanembatsembanana no ataon'izay fikambanana hafa milaza fa mila ihany koa io kianja io amin'izao vanim-potoana izao? Efa mivandravandra koa ankehitriny ny paik'adin'ny eo amin'ny fiadidiana ny tanàna amin'izao fotoana izao.

Mampiharihary ny fikoropahana ataon'izay milaza ny tenany ho mpitondra ankehitriny ny fandraisana fanapahan-kevitra hafa indray hitadiavana hampitsahatra ny tolona. Nolazaina indray manko fa ho fandaminana dia hatao hikarakarana sy hanadiovana ny kianja ny andron'ny alatsinany sy ny talata ka tsy tokony idiran'i na iza na iza. Ny alarobia alakamisy ary zoma kosa no hatao andro fanehoan-kevitra, ary ny sabotsy sy ny alahady kosa no hatokana hanatontosana ny resaka zavakanto sy kolontsaina manokana ary ireo rehetra ireo dia tsy maintsy mahazo alalana avy amin'ny fiadidiana ny tanàna hatrany. Tahotra no dikan'izany ary nivoitra izany raha tsy ny Ben'ny tanàna notendrena no nanasonia ity fanapahan-kevitra ity fa ny tale misahana ny zavakanto sy ny tanora ao amin'ny kaominina. Efa raiki-tapisaka eo amin'ny Malagasy eto Antananarivo aloha ny fanaovana ny tolona ho isan'andro afa-tsy ny alahady sy ny andro fety, koa mazava loatra fa toy ny fanapahan-kevitra tsy misy dikany fa entina hilazana fanaovana bodongerona fotsiny eo imason'ny hafa ny zavatra sahala amin'izao rehefa tsy voafaritra mialoha tsy misy fanovana antenantenany ny fepetra rehetra hanatontosana ny fanehoan-kevitra. Vao maika manome vahana ny hetsika ny fametrahana karazana hisatra atao tahaka itony. Mbola fahadisoan'izay nametraka azy indray.

Etsy ankilan'izany, velona ny menomenona any amin'ireo nitolona tsy nahazo anjara seza na aiza na aiza. Eo ohatra ny vondron'olona tsy fantatro loatra; fa asa na fantatr'ireo mpiara-mitolona aminy na tsia aloha. Mampiantso mpanao gazety mihitsy hilaza ny alahelony. Ny fitakiana nohenoina aloha dia ny fampiatoana ny asan'ny Ben'ny faritra rehetra nefa tsy misy voatendry aloha ny solony amin'izao fotoana izao fa vonjimaika ny lefitry ny teo aloha ihany no mandray ny andraikitr'izy ireo. Dia mihabetsaka mandrakariva noho izany ny fahabangan-toerana amin'izao fotoana izao. Dia nisy ihany koa ny filazana ho fampihavanana ny ambany tanàna rehetra, araka ny voalaza, ka mba hivondrona ry zareo fa tsy hanaiky hatao fitaovana politika hatrany. Teny amin'ny fiangonana katolika Antohomadinika (ND de Rosaire) ny toerana nolazaina hanaovana ny fampihavanana ary natao teo ambany fiarovan-dRtoa Nadine Ramaroson izany. Mitaky toerana ihany koa izy ireto noho ny fahatsapany fa ry zareo no vato nifaharan'ny tolona teo aloha. Azo noheverina moa fa nandamoka ihany ity fampihavanana ity satria tsy nanaiky izany velively ireo nanana havana maty na naratra. Ny nahatsikaiky ihany dia ny filazan-dry zareo solontena niteny tamin'ny haino aman-jery fa vitandry zareo ny mandrodana ary raha ilaina dia mbola vitany ihany koa ny manongana.


Fa aiza ho aiza ny fivoarana hita teo amin'ny tolona?

Efa re na novakian'ny mpiserasera ihany angamba fa efa mandeha izao ny telemada manampy isa ny radiomada. Ity radio ity moa dia olona iray ihany no mba re miteny ao aminy fa tsindraindray ihany no mba misy feombavy iray miteny. Tsy midika velively izany fa vitsy ry zareo no mamelona ny radio na tele mada fa ireo ihany no asaina miteny. Misy dia misy moa ny manakiana hoe maninona raha mba asiana fampidirana antso an-tsofindavitra ho fifanentanan'ny mpihaino saingy rehefa jerena akaiky dia tsy mety loatra ny manao izany. Azo ikarohana ny foibem-pandefasana ny onjam-peo sy sary manko ny antso an-tsofindavitra ka aleo ihany mitandrina ny amin'izany. Seha-pifaneraserana hafa no azo atao fa tsy tsara loatra aloha ny antso an-tsofindavitra amin'izao fotoana izao. Efa hita rahateo ny fivoaran'ny radio mada satria raha "mono" ny feon'ny radio hatramin'izay telo herinandro iverenany izany dia nivoatra ho "stereo" kosa izy nanomboka omaly talata 14 avrily 2009. Mazava loatra fa tsy misy dokambarotra ankoatra ny fanentanana ho eny an-kianja ho an'ireo haino aman-jery voatonona ireo.

Fivoarana hita ihany koa ny fielezan'ny karazan-gazety eny an-kianja fitolomana. Misy dia misy ny maka endrika gazety saingy hita ny ao anatiny fa fampielezan-kevitra amin'ny alalan'ny soratra sy sary ihany no ao anatiny, ny gazety "vaovao" no hita ho nivoaka tamina mpanonta matihanina, raha ny endriny no jerena (tsy nahazo aho fa tara lava), fa ny hafa maro kosa dia trakitra takelaka roa, anoloana sy ambadika amin'ny refin-taratasy A4 ihany sady mba mitady ny hanaovana dika mitovy aminy ho an'izay manana fahafahana manao izany sady manaparitaka azy ihany koa. Tahaka izany ny hitako fa tsy ahy tahaka ny "gazety" :"gazetin'i dada". Ireo rehetra ireo dia tsy misy andoavam-bola fa maimai-poana avokoa. Ity "gazety" nolazaiko farany ity dia nahasahy niseho an-tsary (tahaka ahy amin'ity bolongana ity) ny "tonia" ary ny mahavariana dia fantatro endrika tsara ranamana io nefa dia tsy mbola nifanena an-kainja mihitsy aloha izahay.

Ankoatra izay dia ady mafy ny handresen-dahatra mandrakariva ny fiaraha-monina iraisampirenena soloan'ny masoivoho tena mba tsy hanaiky velively ity fitondrana tetezamita ity. Miditra sehatra hafa mihitsy ny tolona satria iangaviana mba tsy hanome vola "noho ny lafiny mahaolona sy famonjena aina" mihitsy ihany koa ry zareo satria fantatra fa izay no paika ataon'ny Frantsay sy ny tetezamita amin'izao fotoana izao hanampiana ny fanjakana nalaina tamin-kery. Amanarivoarivo dôlara na Eorô hatrany manko ny vola azo amin'ireny nefa azo heverina fa tsy ho tonga any amin'izay kendrena hampiasana ny vola araka ny nangatahana azy akory ireny fanampiana ireny fa hampiodinana ny fandehan-draharaha sy hanomezana karama ny mpitondra fotsiny. Mijere tokoa isika fa toa nitombo vetivety teo ny fangataham-panampiana ho an'i Madagasikara ary mitady hahomby amin'ity paik'ady ity ny Frantsay indrindra indrindra, ry zareo manko no tena mikofoka mafy any amin'ny fikambanana iraisam-pirenena any. Mody sarotsaronana amin'ny fandalana ny mahaolona nefa hita fa hanampiana tosika ny mpanongam-panjakana fotsiny.

Dia ahoana ity hoe hiverina amin'ny Asabotsy ity i "dada" ity? tsy hitako loatra izay antony nitabatabana iny ankoatra ny famelombelomana indray ny tolona tsy hita mitombo tsy hita mihena io angaha. Mba nahateny aza ilay nikabary izany tamin'ity fotoana ity hoe: "raha sitrapon'Andriamanitra" saingy sarona tao anatin'ny horaka moa io fiteny io. Raha izaho manokana naleo napetraka tamin'ny fitenenana hoe "ho avy tsy ho ela" ihany ny teny satria karazana fanimbana tolona ihany ny fitenenana zavatra sahala amin'ireny izay lasa kobaka am-bava rehefa tsy tontosa. Ny tena manahirana manko, ary karazany nahatsapa tena ihany ny lehilahy nilaza mialoha hoe "aleo ho an'ny namana mpanao politika ny kabary fa izaho tsy havanana loatra amin'ireny", dia izy no ahiahiana indrindra ho mpanimba ny tolona hatrao anatiny. Ny fanentanana hafa tena ampirisihana ny mpitolona moa dia ny hoe ho avy ny solontenan'ny SADC hijery indray ny zavamisy aty ka aleo isika mifanentana hahitan'izy ireo maso antsika.

Dia aleo hatreo indray fa averiko indray: raha hametraka hevitra ianao dia soraty anaty vakiraoka (brouillon, bloc-notes na notepad) aloha tsy ho very ny zavatra tianao hosoratana; vita izay vao ankotrihinao (actualiser na reload current page) ny takelaka vao mandika (copy and paste) ny nosoratanao eo amin'ny fanehoan-kevitra ianao. Dia apetrakao ihany koa ny solon'anaranao ary averinao eo anila ny marikisa voasoratra eo amin'ny farany dia alefanao amin'izay ny hevitrao. Lava loatra manko ny lahatsoratra ka mety tsy ho tafapetraka tsara ny hevitrao na lasa mahazo ilay soratra hoe: "tsy mahazo alalana hijery" mahasosotra antsika rehetra iny "ianao".




jentilisa 15 avrily 2009 amin'ny 01:03

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox