[vita] Hetra: ny fanjakana no ananan'ny tiko vola, sy resaka Manjakamiadana

2009-05-12 @ 09:03 in Politika

Vakio tsara ny lohateny fa tsy misy fahadisoana tsy akory ny voasoratro. Ambara ombieny ombieny manko fa ananan'ny fanjakana vola ny vondrona tiko. Nogiazana ny volan'ny tiko sy ny volan'ny filoha Ravalomanana any amin'ny banky. Natao ny fanadihadiana sy ny asamarika rehetra ary rehefa vita izany rehetra izany dia hita fa efa nihoatra lavitra noho izay nodradradradraina ho notakiana ny vola sy ny vokatra ary fitaovam-pamokarana efa nalaina an-keriny tamin'ny tiko. Vaka tamin'io raharaha io ny tale misahana ny hetra, ary sahirana ihany ny hampita io asamarika io amin'ny minisitry ny vola sy ny tetibola. Koa raha mahasahy ny mpanao gazety dia hadihadio ny amin'io raharaha io. Ny tena manko tsy mpanao gazety ka tsy afaka manadihady lalina.

Efa nambaran'ny gazety isan-karazany ihany fa nodidian'ny fitsarana hovahana ny kaontin'ny vondron'orinasa tiko sy ny kaontin'ny filoha Ravalomanana. Navadiky ny milaza ny tenany ho mpitondra fanjakana amin'izao fotoana izao anefa izany didim-pitsarana ka avoaka isan'andro isan'andro amin'ny gazety fa ny fanjakana ihany no nangataka ny famahana ny kaonty, dia rehefa nivoaka iny didim-pitsarana iny  dia averina indray ny fanagiazana ny kaonty fa hoe manana taratasy mitovy lenta amin'ny didim-pitsarana ny fanjakana. Mba mahalala menatra ihany ve? Midika izany fa manao bodongerona sisa no tena ataony ary mitohy mandrakariva ny sotasota.
--------------------

Amin'izao fotoana izao dia voizina mafy dia mafy ihany koa ny resaka Manjakamiadana sy Ambohimanga ary ny resaka masina mifandraika amin'ireo tranom-bakoka roa ireo. Ao amin'ny fampielezampeo sy ny fahitalavitra sahanin'ny fanjakana mivantana no amerimberenana sy hanaovana matoambaovao isa-maraina sy hariva ity raharaha ity. Amin'ny ankapobeny dia afangaro ihany ny resaka finoana sy ny maha-tranombakoka ireo toerana ireo. Entina ireo resaka ireo hampivonto fo ny mpihaino sy ny mpijery, nefa ny sarambambem-bahoaka ho'aho toa tsy mahalala akory na dia ny ambangovangon'ny tantaran'i Madagasikara aza? Tsy afaka mihambo ho mahalala ny tantaran'i Madagasikara aho saingy izay fantatro kosa tsy maintsy tantaraiko.
-------------------
Haka ohatra iray aho, ny tia mamaky ny boky tantaran'i Madagasikara sy tia mamaky tantara an-tsary malagasy dia tokony hahalala ny fisian'ilay boky tantara an-tsarin'i Madagasikara mitondra ny lohateny hoe "Vato Ambany riana". Efa indroa natonta izy io, samy efa novidiako sy novakiako avokoa na ny voalohany na ny faharoa. Tsy hitako manko ny nalehan'ny boky voalohany novidiako ( henjana ihany koa anie isika Malagasy raha hangalatra boky e!) no nahatery ahy hividy ny boky faharoa. Tadidiko mazava tsara tao amin'io boky io ary ny fisiana famindrana masina (fa tsy famindrana razana  aza fady indrindra). Tamin'ny voalohany dia ny Minisiteran'ny fanolokoloana sy ny zavakanto revolisionera no niantsoroka ny fikarakarana sy ny famoahana io bokin-tantara an-tsary io. Tsy mahagaga raha noezahina hatrany ny hampisaraka ny tantaran'ny firenena sy ny fiangonana na dia nisy aza ny fandraisana anjara mavitrika nosahanin'ny fiangonana teo anivon'ny firenena. Ao amin'ny takelaka faha-15 indrindra ao amin'ny boky "Vato ambany Riana" ary no misy teny fohy momba io resaka famindrana masina io.
------------------
Averina vetivety ny tantara, resy ny tafika malagasy rehefa nanangana ny saina fotsy ny teo Manjakamiadana tamin'ny 30 septambra 1895. Efa voatifitry ny Miaramila frantsay hatreny Ankatso manko ny zoro avaratra atsinanan'i Manjakamiadana ka ahiana ny hirodanan'ny trano. Efa ravan'ny daroka baomba ihany koa i Tsarafahatra toerana nisian'ny fampianarana tao androva tamin'ny andron-dRadama Rainy. Ho fitandroana ny toerana no nananganana saina fotsy. Eo anatrehan'ny toe-draharaha dia resy i Madagasikara. Tsy nanaiky izany kosa ny maro tamin'ny sarambambem-bahoaka indrindra fa ny tany ambanivohitra, teo no teraka ny Menalamba. Fantatry ny olona ihany fa nisy ary maro ny mpamadika matoa resy ny Malagasy. Ny olona noheverina ho nandray ny endrim-pandrosoana tandrefana no tena maro tamin'ireo mpamadika ireo. Tsy mahagaga raha izay nanaraka ny fivavahana kristiana rehetra dia noheverina ho mpamadika avokoa ka notadiavina ny hanilihana azy ireo. Nandritra izany fotoana izany ihany koa no tena nampiroborobo ny fitadiavana hamerenana ny hasin'ny Mpanjaka... nefa miaraka amin'ny tsy fankasitrahana ny praiminisitra nitondra maharitra loatra io. Nohindrahindraina manokana noho izany toe-javatra izany i Andrianampoinimerina. Niditra tamin'ny ady anaty akata araka ny filaza ny maro tamin'ny Malagasy.
------------------

Sahirana noho ny adim-panoherana nataon'ny Menalamba ny fitondrana frantsay ka nifantina olona notsongoin'olom-bolo roa teto amin'ny firenena izy ireo hotifirina teo Antaninarenina tamin'ny 15 oktobra 1896 ka i Rainandriamampandry 16 voninahitra sy ny andriana Ratsimamanga no notifirina ho faty. Nalahelo tokoa ny ankamaroan'ny olona noho ny zava-nisy. Hita fa mbola nanindrahindra ny Mpanjaka hatrany anefa ny mpitolona koa dia noraisin'i Gallieni mihitsy ny fanapahan-kevitra handefa an-tsesitany any ivelan'i Madagasikara an-dRamoma (Ranavalona III) tamin'ny 28 febroary 1897.

Mifandraika amin'izany, dia nodonina tamin'ny finoany koa ny mpitolona. Tanàna masina teo anatrehan'ny mpitolona manko Ambohimanga Rova (sady tadidio fa tsy azon'ny vahiny tsy malagasy idirana na oviana na oviana) satria ao ihany koa no misitrika ny masina rehetra. Inona no natao? Nafindra toerana tany Manjakamiadana avokoa ny masina tao Ambohimanga rehetra. Toerana efa tsara ambin'ny miaramila manko i Manjakamiadana ka tsy azon'ny Malagasy idikidiram-poana. Izany hoe tafasaraka "ara-batana" tamin'ny mpitolona Menalamba ny masina. Hafatr'Andrianampoinimerina fahavelony anefa fa any Ambohimanga ihany izy no asitrika fa tsy any Antananarivo velively, mba tsy hanadinoana ny tanàna nipoirana. Izany hoe Antananarivo no Renivohitra fa mijanona ho tanàna masina kosa i Ambohimanga ary tsy zava-poana ny nametrahana ny masina ao amin'ity tanàna notononina farany ity.
 
Taorian'ireo rehetra ireo, efa lefy tanteraka ny Menalamba ka nikoy i Madagasikara iray manontolo dia novaina ho toby fiofanana miaramila kely toy ny Semipi fantatsika ny rovan'i Manjakamiadana. Mazava loatra fa fitaizana miaramila Frantsay no natao tao. Nisisika ihany koa ny hevitra handrodanana tsikelikely ity toerana reharehan'Antananarivo sy Madagasikara ity. Ny paika nanaovana izany dia ny fambolena hazo manodidina ny lapa. Lava faka manko ireny ary mahagorobaka fototra, dia tsy maintsy ho avy ny fotoana hidona amin'ny fototr'i Manjakamiadana ireny faka ireny ka hanozongozona ny fanorenana sy handrava ny trano mihitsy aza. Tadidio ry mpamaky fa tsy nisy hazo niorina nanodidina io lapa io faha-mpanjaka fa ny mpanjanatany no namboly ny hazo teny handravana io rova io. Mitohy ho azy ny tantara eto!

Tonga ny fiandohan'ny repoblika fahatelo dia nisy ny nanome baiko ny hanalana ireo hazo nanakona an'i Manjakamiadana ireo. Gaga ny ankamaroan'ny olona. Raikitra teny ho eny fa misy fanimbazimbana ny hasina izao fanalana hazo izao. Nanazava ny tompon'andraikitra fa manimba ny trano ireo hazo ireo ka tsy maintsy esorina. Teo vao gaga ny maro, hay ve nisy trangan-javatra tahaka izany! Noheverina nilamina amin'izay ny raharaha fa avotra tamina loza nitatao taminy ny rova, saingy tsy fahalalana ny halalin'ny fankahalan'ny sasany izany fiheverana izany. Tonga ny daty manatantaran'ny 6 novambra 1995, nisy nandoro i Manjakamiadana!

Iniako Averina kely ny sombin'ny nosoratako tamin'ny 6 novambra 2006 izay mety ho tsy mbola hitanao :

"Lasa toby miaramila kely (mpianatra ho miaramila) ny lapan’i Manjakamiadana tamin’izany fotoana izany. Tamin’io fotoana io no nambolena ireo amontana izay lava faka ary mety maharava trano mihitsy nanodidina ny lapan’i Manjakamiadana. Fandrika napetraky ny frantsay handrodanana tsikelikely ny rovan’i Manjakamiadana ireo amontana nambolena ireo. Mariho tsara ny sary rehetra izay hitanao fa talohan’ny 1897 izay nanesorana an-dRanavalomanjaka fahatelo tsy hitondra ny firenena intsony fa nalefa sesintany izy dia tsy nisy hazo velively manodidina io rova io.Trano hazo (lapa manko e !) no teo amin’ny toeran’ireo hazo ireo fa noesorina mazava loatra ny hazo. Ny nanaisotra ireo lapa ireo indray tsy fantatro na efa talohan’ny fanjanahan-tany na tsia. Tamin’io toerana nisy ny hazo ireo manko no nisy ny lapan-dRasalimo vadin-dRadama avy tamin’ny Sakalava sy Rakotobe zanaky Rasalimo tamin-dRadama rainy.
 
Izay fandrika izay no hitan-dRazanamasy Guy Willy ka nanesorany ireo amontana ireo raha vao nitondra an’Antananarivo izy. Efa lasa endriky ny lapa manko ireo amontana ireo rehefa taty aoriana be taty. Izany hoe tamin’ny taona 1913 dia nampirehitra ny olona tamin’izany fotoana izany ny nambolena ireo hazo ireo fa noho ny tsy fahafaha-miteny dia nangina ny rehetra. Raha nanaisotra ny amontana ary ny Ben’ny tanàna tamin’ny taona 1993 tany ho any dia ho fitsinjovana tsy hikororohan’ny fakan’ny amontana ny rova intsony. Kanjo dia fantatsika rehetra fa may nodorana io lapa io tamin’ny 6 novambra 1995. Na misy endrika fanamelohana aza izao soratako izay dia mampita ny hitako fotsiny aho. Tsy mitsara avy hatrany aho hoe iza no nandoro ny rova fa izay saiky nandrava azy tamin’ny fomba tsikelikely no nolazaiko eto."
Tapitra hatreto ilay sombin-dahatsoratra notsongaina.

Na dia nisy aza io fitantarana efa nataoko io; ny noadinoina kosa dia ny fitantarana ny zava-nitranga tamin'io fotoana io. Marihina moa fa may ny marainan'io andron'ny 6 novambra 1995 io ihany koa ny birao tao amin'ny Minisiteran'ny vola sy ny fitantanam-bola. Ny tsara hotadidiana ihany koa fa vao nampidirina tao amin'ny rovan'i Manjakamiadana indrindra ny tahiry sy antontan-kevitra avy tany amin'ny British Museum, ka nampirantiana vetiety tao amin'ny arisivan'ny FJKM teo Faravohitra. Vao nitsidika ny rova indrindra aho tamin'izany fotoana izany, hijery ireo vakoka vao avy any Londres ireo. Tsikaritro fa vao nolokoina vernis mihitsy (maimbo vernis) ny ati-trano manontolo. Ny somary nanaitra ahy tamin'io fotoana io saingy tsy dia noraharahiako loatra dia ny fahitana barika maromaro toa hampidirina anaty trano. May ny Rova ao tonga saina tamin'ny fisian'ireo barika ireo aho.

Izany hoe hatreto ny tiako asongadina indray dia ny filazana fa efa may tanteraka io Rovan'i Manjakamiadana io ka tsy azo tsinontsonoavina izany trangan-javatra izany. Izany hoe: tsy hahatafaverina amin'ny antsipiriany intsony ny lapa izay manorina azy indray taty aoriana. Amiko dia fandaniam-poana ny hamerenana indray ny fananganan-trano amin'ny hazo indray dia tafiana vato izy avy eo. Isika rehetra mahalala fa ny afo no fahavalo voalohany indrindra amin'izany trano hazo izany, koa raha hanorina ihany tsy aleo ve manorina mba haharitra, hoy ny dokambarotra iray izay? Soa ihany aza fa nofonosina vato ilay Lapa manandaza mba hananganana azy amin'ny béton ka avy eo indray vao rakofana hazo. Efa nohazavaina mazava tsara izany toe-javatra izany ary nekeko (izaho manokana) soa aman-tsara ny hevitra. Notsipahiko marindrano kosa raha kasaina haverina amin'ny maha-hazo azy ny fananganana, satria ange efa dindon'ny Lapa sisa no hijoro eo fa tsy ilay tena Lapa intsony!

Raha efa azo tsidihina ny Lapan'Andafiavaratra dia jereo ny zavatra mitranga amina efitrano naverina tsy misy tomika amin'ny endriny teo aloha ilay lapa. Hahatalanjona anao ny fahitana fa efa boboka mampalahelo ny trano ary efa betsaka ny gorodona hazo mihintsakintsana. Firy taona anefa no nanamboarana azy taorian'ny nandoroana azy tamin'ny 1976 ihany koa. Koa raha efa nisy ny fahavoazana mahazo ny trano dia tsara tokoa raha misy ny fitadiavana paika hanamafisan'orina azy. Io toe-javatra hitako tamin'ny lapan'Andafiavaratra io no nitsipahako ny hoe hananganana Lapa hazo indray an'i Manjakamiadana satria hanangana trano ho mora rava ve? Sady efa tsy fantatra mazava tsara rahateo ny tekinikan'ny fanaoan-trano natao tamin'izany fotoana izany. Tsara koa angamba ny mitadidy fa efa natao ho toeram-pitsarana manokana tamin'ny raharaha 1947 ihany koa ny Lapan'Andafiavaratra.

Lasa dradradradraina ho fanimbazimbana ny mahatahirim-bakoka azy manko ny fomba fananganana ny trano amin'izao fotoana izao ka toa tadiavina ny hampitsaharana ny asa. Raha hiresaka fanimbazimbana isika dia tsoriko ny milaza fa efa voazimbazimba hatramin'ny fanjanahantany izay naharitra 65 taona io toerana io. Moa mahafantatra ve ny besinimaro fa misy vavahady roa ny miditra amin'io Lapan'i Manjakamiadana io ka ny vavahady fantatry ny rehetra dia ilay fidirana hatraty avaratra, izay raha ny tena marina dia ny lehilahy mifora ihany no mahazo miditra hatreo? (tadidio tsara fa misy sarina filahiana mifora eo ambonin'ny vavahady anilan'ny sarim-boromahery) fa ny vavahady hatrany Andrefana somary atsimo kosa no fidiran'ny vehivavy sy ny tsy mifora? Koa azo atao ve ny mandinika indray ny hamerenana io fomba io amin'izao fotoana izao? mariho tsara fa efa lasa misy lalan'ny fiara tsy mandalo ireo vavahady roa intsony miditra mankao amin'ny lapa, ka fiara mitatitra ny fitaovana hananganana indray ny lapa no mivezivezy mankao?
 

Mbola tiana iadian-kevitra hatrany ny hoe maninona raha ny fanaka avotra tamin'ny afo ihany no averina ao amin'ny lapa? Aoka hotsorina fa vitsy dia vitsy, antonona efitrano iray mirefy 3mX4m ny fanaka rehetra momba an'i Manjakamiadana avotra ka tehirizina ao amin'ny lapan'Andafiavaratra amin'izao fotoana. Koa araka ny eritreritrao ho inona sy inona avy moa no hamenoana ny trano avy eo? Manaraka izany, fitiavan-kiady hevitra amin'ny tsy misy dikany hatrany izany satria tadidiko tsara, na dia mbola kely aza aho fa nanaovana fampirantiana ny tolona nataon'ny Malagasy sy ny fijaliana nanjo ny mpitolona tia tanindrazana tamin'ny fotoanan'ny fanjanahantany ny tao amin'ny efitra ambony amin'ny Lapan'i Tranovola nefa toa tsy nisy ny nitabataba tamin'izany fotoana izany fa variana ery mijery ny sarisary rehetra tao. Ny nahavariana ahy ihany koa, ny tena nisongadina tamin'ny fanaky ny Lapa naseho tamin'ireny tranombakoka ireny dia toa ny fanomezana avy amin'olona na firenena vahiny ihany! Toa tsy nanintona loatra ny zavatra teny malagasy tao anatiny. Efa nambara tamin'ny fanorenana indray ny Lapa fa hasiana solotohatra mandeha amin'ny herinaratra (ascenseur) io Lapa io. Aleo indray manontany anareo! azo atao amina tranombakoka ve izany sa tsia? Manao ahoana ny any Eoropa sy Amerika avaratra any? Toy izany ihany koa moa ny amin'ny efitra fidiovana! Averiko indray fa tsy hahaverina intsony ilay tena endriny amin'ny antsipiriany amin'ny trano isika.

Tena nandany andro mihitsy aho nanoratra fa tsy fantatra intsony manko izay tena tanjon'ny fitondrana tetezamita: hampitsahatra ny asa ve satria tsy  mifanaraka tamin'ny endriny taloha intsony ny lapa? sa tokony hanao ala-faditra amin'ny fanaovana fombafomba indray ve? Ataovy ny fombafomba raha izay no mahasarotiny anareo fa aza menatra. Tsy haiko intsony manko fa hoe tena voazimbazimba sy voatevateva ny masina ka inona no tian'ny fitondrana hahatongavana? Averina indray eny Manjakamiadana ve ny masina sa aleo hitoetra eny amin'ny tokony itoerany ha tramin'izay eny Ambohimanga ihany?

Dia hamaly resaka indray koa aho ary hametraka izao zavatra manaraka izao. Hitodika eny Andohalo isika, nisy ny fanavaozana io zaridaina io. Ny kianjan'Andohalo dia toerana iray namorian'ny mpanjaka tamin'ny androny ny vahoakany. Misy ny toerana na sehatra nanaovany fikabariana. Ny mpahay tantara no tokony hahafantatra tsara fa araka ny fijeriko dia izay no nisian'ilay dongona lehibe nesorin'ny kaominina Antananarivo renivohitra tamin'ny 2008 iny. Nesorina tsy nasiana famantarana intsony fa nosoina lalankely iny dongona iny? Moa ve tsy finiavana hikosoka ny tantara ihany koa ny nanesorana iny dongona teo Andohalo iny? Anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra!



jentilisa, alarobia 13 mey 2009 tamin'ny 1:19 maraina vao vita!


Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox