Ny ako sy ny hevitra momba ny fankalazana ny 26 jona 2009 -fizarana voalohany-

2009-06-28 @ 22:31 in Ankapobeny

Efa nandalo sahady ny andro fahatsiarovana ny nitsingerenan'ny namerenana tamin'i Madagasikara ny fahaleovantenany. Tsorina fa tsy dia nisy loatra ny fiantraikan'izany tamiko, na dia sambany aza, taorian'ny 10 taona mahery be niasako ao amin'ny orinasa iasako ankehitriny no mba tsy niasanay io andro fety io. Ny hany tombony dia mba afaka nanaraka tsara ny zavamisy araka izay tratran'ny heriko aho, nefa dia lasa tsy nisakafo atoandro tao an-trano indray saingy misy dia misy ny antony.



Ny andro fiomanana

Mieritreritra ny hanao fety makotroka ny mpanongam-panjakana mifehy ny firenena amin'izao fotoana izao, sady talentany mihitsy io taranja iray io, ka nanapatapaka lalana vitsivitsy azo heverina fa afovoan-tanàna nanomboka ny tolakandron'ny zoma 25 jona 2009. Tratran'izany fahatapahana izany ohatra ny arabe midadasika manoloana ny fiaro Ampefiloha sy ny arabe etsy Soarano hihazo ny Gara iny. Mazava loatra fa lasa any ambadika (andrefana) ny Carlton ny lalana rehefa hihazo an'i Mahamasina sy avy any Mahamasina ary lasa lalana ifanenana ny arabe manoloana ny biraon'ny Boriborintany voalohany Ambodifilao Soarano. Raha tsentsina tanteraka noho ny tranga tahaka izao io lalan'ny fiara manoloana ny Boriborintany voalohany io ny alarobia 24 jona 2009 tolakandro noho ny fifamezivezen'ny fiara sy fahafenoan'ny mpivarotra amoron-dalana dia zara raha nisy fiara teo ny ampitso. Fay daholo angamba ny mpitondra fiara rehetra ka naleo najanona an-trano io fitaovam-pitaterana io. Nahagaga mihitsy fa lasa toy ny tolakandron'ny andro tsy fiasana ny afovoan-tanàna tetsy Analakely, Tsaralalàna ary Soarano tamin'io fotoana io. Tsy misy fiara mifamezivezy firy fa ny mpandeha an-tongotra no hany manjaka ary mahazo mandeha afovoan'arabe tsy misy ahiahy aza. Mba mihena izany setroka mpandoto tontolo iainana.

Ny lalana fotsiny anefa no nobahanana, fa araka ny fijeriko manokana dia tsy nahazo olona betsaka akory ilay fampisehoana atao eo anoloan'ny gara. Zara raha nahafeno ny fitobian'ny fiara manatrika ny tsangambaton'ny fahalalahan-gazety ireo manatrika dia izay. Efa fambara ho an'ny mpikarakara izay tranga izay. Azo heverina ihany anefa fa tsy te-hifangaroharo amina olona mampiahiahy izay mety ho liana hijery. Iza moa no tsy  mahalala fa na dia tamin'ireny tolona nataon-dry zalahy tamin'ny voalohan'ny taona teo amin'ny kianjan'ny 13 mey ireny aza dia tsy menatra mihitsy ireo mpangaro-paosy manao ny asany tanaty olona? Toa ry zalahy indray manko no nameno ny lohalaharana sy tao anaty vahoaka somary mba mifanety ao. Tsy maintsy mihatakataka somary manao tazan-davitra noho izany izay mbola te-hijery fampisehoana maimai-poana.

Nilatsaka ihany ny aizina, efa tsindrian-daona sahady ireo izay te-hijery afomanga hihazo an'Anosy toerana mahazatra ho amin'izany karazana fampisehoana izany. Betsaka ihany koa anefa mieritreritra ny hivezivezy handeha amin-toeran-kafa fa matahotra ihany fandrao misy baomba mipoaka any anaty vahoaka any. Misy anefa ny fanao hita fa mivandravandra ny fahapotehany rehefa mandeha mivezivezy teny afovoan-tanàna ianao amin'ity alina mialoha ny fetim-pirenena ity. Tsy nahita ankizy nampilaharina amin'ny arendrina taratasy intsony aho. Nahatsikaritra ihany koa ny maro fa ifampitadiavana mihitsy ny arendrina taratasy tamin'ity indray mitoraka ity. Izaho manokana dia tsy nahatsipalotra mpivarotra azy io mihitsy fa dia ny olom-pantatra ihany no mifanoro amin'izay ahitana ny mpivarotra azy. Ireny piapiaka shinoa tsy dia tiako ireny no betsaka nefa tsy dia mbola maharesy lahatra ahy aloha izy ireny. Ny arendrina manko mila ilay afo mihitsy fa tsy hoe hazavana fotsiny ihany. Ahoana moa izany?



Fa inona ny lanjan'ny arendrina?

[arendrina]
Tamin'ny andro fahagasy dia nandritra ny voalohan'ny taona (andro fandroana ihany koa no nilazana azy) no nitondrana ny arendrina manerana ny tanàna na nivezivezena. Ny afo amin'ny arendrina tamin'izany fotoana izany no endriky ny fandroahana ny fanahy ratsy mialoha ny idirana ny taombaovao indray. Fotoan-dehibe indrindra teto anivontany ny fandroana satria mankany an-tanindrazany hihaona amin'ny havana mpiray fiaviana avokoa ireo mila ravinahitra rehetra. Nisy ny fotoana manara-bolana ny andro ankalazana ny andro fandroana io, tamin'ny fotoana nanjakan'i Ranavalona fahatelo kosa dia naraikitra ho 22 novambra fitsingerenan'ny andro nahaterahany io andro fandroana io. Rehefa zanatany frantsay isika dia nafindra ho 14 jolay, fetim-pirenena frantsay, io andro fandroana io. Mazava loatra fa lasa fanao ny fitondrana arendrina rehefa tonga ny fetim-pirenena frantsay, ary nandritra ny fanjahanantany no nihafoana tsikelikely ny lazan'ny fandroana, ka lasa zavatra mifandraika amin'ny fivavahan-drazana sisa no ankalazana ny Alahamadibe na ny Taombaovao malagasy izay tsy ifanarahan'ny mpandala azy intsony ankehitriny ny andro ankalazana azy.

Tamin'ny fiandohan'ny niverenan'ny fahaleovantena malagasy dia mbola ilay arendrina fahagasy izay nentina tamin'ny alalan'ny hazo izay misy bozaka na vorodamba lemana jabora arehitra eny amin'ny lohany no nampiasaina fa noho ny loto navelany ny ampitso dia nosoloin'ny arendrina taratasy (antsoina hoe fanala) tsikelikely ny toerany. Tsy dia niteraka olana loatra ho an'ny fiaraha-monina ny nivadihan'io arendrina io ho fanala, satria hitan'ny rehetra fa tsy misy ny loto aterany nefa mahafinaritra ihany koa ny mijery azy ireny maro dia maro sy amin'ny loko isan-karazany.
Ataoko fa maro dia maro amintsika no mbola mankafy ireny fanala ireny. Ao anaty taratasy nokalian'ny mpanao asa-tanana no mandrakotra ny labozia misy afo mirehitra, entina mody an-trano dieny mbola misy afo fa ny olona misaona no tsy mitondra afo mody. Noho izay endrika sy hevitra izay no tsy itiavako loatra ny piapiaka shinoa satria hazavana fotsiny no entin'iny fa tsy taratra mihitsy ilay afo fandroahana fanahy ratsy, marina fa angovo no mamelona ny jiron'ireny piapiaka shinoa ireny fa ilay afo hita maso no ilaina. Mazava loatra fa matahotra ny tsy hahalafo ny mpanao asa-tanana matoa tsy niraika loatra tamin'ny fanamboarana fanala na arendrina taratasy. Tamin'izahay mbola kely ihany koa dia nahafinaritra anay ny nanao jiro kapoaka, izahay ihany no nanamboatra azy ka nisy aza ny fotoana ny ankizilahy no mitondra jiro kapoaka toy ireny mitondra môtô an'eritreritra ireny fa ny ankizivavy kosa no mitondra arendrina.



Fa inona no nandrava ny tarazon'ny fitondrana arendrina?

Tsy dia mandehandeha fotsiny amin'izao io faharavan'ny tarazo iray manavaka ny fetin'ny fahaleovantena io eto Antananarivo. Voalohany amin'izany aloha ny faharavana ateraky ny fiainana an-tanan-dehibe. Afaka miara-monina tsy mifandray ny mpifanolo-bodi-rindrina ka ny fifanenana an-dalana ihany sisa no ifankafantarana hoe itsy mipetraka eto akaikinay. Tsy misy intsony noho izany ny fihavanana mafy sy akaiky hany ka tsy hita loatra ny fiaraha-manatontosa zavatra iray tahaka ny miara-mandahatra ny ankizy iray tanàna. Fahabangana iray ihany koa ny tsy fisiana mpitarika na olona manantalenta amin'ny fitarihana (leadership), na olona manetry tena mamolavola fandaharam-potoana ho an'ny fokontany ohatra. Tsy nisy ihany koa na tsy naheno aho na tsy nahita fiomanana ho amin'ny fankalazana ity fetim-pirenena ity isam-pokontany. Tena samy maka ho azy ny olona... tafiditra tsara ao amin'ny fiainana an-tanandehibe samy maka ho azy ny mpiara-monina.

Faharoa manaraka izany ny fahasamihafan-kevitra miteraka fiatakatahana. Na ahoana na ahoana, monina aty amin'ny faritra ahitana ny foko rehetra manerana an'i Madagasikara ny tena dia soritra ihany ny fisarahambazana eo amin'ny mpiara-monina. Lasa manampy ny fahasamihafana foko na fiaviana sy fivavahana ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny sehatra politika. Tsy vitan'ny hoe zary miara-monina sisa izany ny iray fokontany fa misy fifampiandaniana miafina ihany koa ary sakana lehibe ho amin'ny fiaraha-manao zavatra izany toe-javatra izany. Mampibaribary ny mahalatsaka an-katerena ny fiaraha-monina mihitsy ity fety indray mitoraka ity ka tsy tokony odiana fanina velively.

Fahatelo manaraka izany indray ny fanjakan'ny toe-tsaina kamo sy tsy vonona hikaroka fa ny handray na hividy vonona fotsiny. Ao anatin'ny fiainana an-tanandehibe ihany dia ny fifanakalozambarotra no tena manjaka. Noho ny fieritreretana mandrakariva ao anaty ao fa "sarotra ny fiainana" nefa tsy te-hisahirana dia izay hita fa mora ihany no vidiana. Tsy mahagaga raha amin'ny amin'ny piapiaka shinoa kokoa no ironan'ny maro. Tsikaritro ihany anefa fa tsy ny ankizy rehetra no mitondra arendrina na piapiaka fa toa solontena ihany no mitondra azy. Tsy resaka solontena velively anefa no anaovana azy ity fa ny rehetra mihitsy no tokony hitondra. Rehefa miteny hoe ny rehetra aho dia ny lehibe ihany koa tafiditra ao anatin'izany. Noho ny tsy fahalalana ny heviny intsony angamba dia lasa ny ankizy sisa no ampitondrana arendrina na fanala. Fantaro fa misy dia misy ihany koa ny mahafinaritra ny maso tadiavina amin'itony fitondrana arendrina itony ka izay no ikarohana izay hahamaro ny mitondra azy fa tsy ny hahavitsy azy velively. Io fahakamoana io ihany koa no nandrava tsikelikely ny tarazon'ny fitondran'ny olondehibe indrindra indrindra ny arendrina. Toe-tsaina manimba ve ny fieritreretana hoe efa lehibe aho ka tsy tokony hitondra arendrina intsony, na hibaikobaiko sisa? Indrisy!

Ary ny hitako farany fa nandrava ny tarazon'ny fitondrana arendrina ihany koa dia ny fahamehana hijery afomanga rehefa amin'ny alina. Tsy ilay miara-mirona mitondra arendrina mandray anjara amin'ny fanomezana fahafinaretana intsony no mahamaika ny olona fa ny hijery fahafinaretana ataon'ny mpitondra na mpitantana. Mampidi-doza eo amin'ny tarazo izay fomba fironan'ny saina izay, ary azo itarafana ihany koa fa tsy te-handray fanapahan-kevitra na handray andrakitra ny olona fa ny hafa no andrasany, nefa be fialonana mandrava efa rehefa misondrotra ny hafa avy eo. Mihevitra aho fa ny mahatonga izany fironana izany ny fandefasana mialoha loatra ny afomanga. Lasa tsy miraika loatra ny hanao arendrina ny olona rehefa manakaiky loatra ny fotoana fandefasana afomanga fa ny hijery no mahadondona. Sosokevitro noho izany ny tokony hanemorana araka izay azo atao ny fandefasana ity afomanga ity. Maninona moa raha amin'ny sivy ora alina any mihitsy vao alefa? izany hoe mba efa tapi-mihinana ny olona amin'izany fotoana izany, mba misy ihany koa ny fotoana andehandehanana itondrana ny arendrina. Aoka kosa tsy ho fialana bala ny filazana fa ny fandrosoana no tsy tokony hanaovana arendrina intsony.



Mandritra ny alina fiomanana

Hiverina amin'ny fitantarana indray aho taorian'izay fanazavana lavalava izay. Tsy toy ny teo aloha ny mpijery afomanga tetsy Anosy tamin'ity indray mitoraka ity. Tena vitsy tsy araka ny nanampoizana azy ihany koa ny mpijery afomanga. Nalalaka ry zareo ny arabe manodidina a! azon'ny fiara nifamezivezena mihitsy raha navela handeha ny fiara. Gaga mbamin'ny avy any amin'ny toeran-kafa manararaotra hijery ny afomangan'ny renivohitra. Ry zareo aza dia loa-bava niteny hoe vitsy olona. Ny Afomanga ve moa tsy hahafinaritra mandrakariva? Fa vantany vao tapitra hoy ry zareo (izahay aloha tsy niaraka tamin'izy ireo fa tsy niraharaha izay afomanga izahay tato an-trano... na ny nijery tany amin'ny terrasse aza tsy natao) ilay afomanga dia toy ny olona mahana izany avokoa izy rehetra nanao dia maika nody. Nanjary nampatahotra tampoka ny nody, tahotra inona? karazan'olona mampatahotra ve? Sa lasa mampanahy ny fodiana fa tsy hisy ny hiara-dalana mandrapahatonga any amin'ny fonenana?

Raha tsy nahafahana nihetsika mihitsy ny arabe hodiana rehefa nisy ny afomanga tany aloha tany dia gaga izahay fa vetivety ry zareo dia efa tonga taty an-tano sahady nefa dia an-tongotra no nataon-dry zareo. Mety ho lesoka lehibe tamin'ity indray mitoraka ity, ankoatra ny tsipoapoaka hafakely ny tsy nahafahan'ny fiara nivezivezy loatra nandritra ny atoandro, tsy noho ny fitohanana fa noho ny fanapahan-kevitry ny mpitantana ny tanàna tia manao...barazy nefa tsy mahazaka akory ny barazy ataon'ny hafa. Mazava loatra fa tsy hisy hitondra fiara lavitra azy tsy misy miambina amin'ny alina ireo zatra nijery afomanga nipetraka eny ambony fiara fahiny. Eo ihany koa ny fifampiahiahiana. Fa ny tena mahonena dia ny teo Analakely. Tsy mahalala ny zavatra tsara sy nokolokoloina intsony ny olona mpankeny, tsy mahagaga raha maty hitsaka ny bozaka mba nisy endriny ihany. Ny fofona manodidina ny Lapan'ny tanàna mbola eo ampanamboarana moa dia mampahatsiahy ilay CUA antsoina hoe Commune Urinoire d'Antananarivo fa tsy Commune Urbaine d'Antananarivo. Tena tsy ampy isa mihitsy moa ny trano fidiovana? Eo ambadiky ny Lapan'ny tanàna io indrindra manko dia misy efitrano laalava fidiovana fa ilay mandoa vola mihitsy angamba aloha no tsy tian'ireto mpirevy amin'ny alina ireto. Izany anie, na aiza na aiza no misy ireto mpirevy ireto dia manjono an-tanety avokoa ny lehilahy e! (mivalandrano no tiako lazaina anareo sao tsy azonareo: mbola an-dalana hody aho nandritra ny afomanga ary izany no nahitako ny fanaon'ireo mpirevy ireo. Sarotra aloha ny tsy hiteny fa ireo HEVERINA ho sarangan'ny madinika no tena maro an'isa amin'ny olona mpivezivezy ary manahy aza aho fa tahaka ny anaovany ny any aminy tsy misy toeram-pidiovana manokana no anaovany ny tanàna rehetra 'sady efa mihevitra ny tenany ho tompon'ny tanàna ihany koa ry zareo. Raha ny resaka ankalamanjana aloha dia ry zareo tanteraka no tompon'ny fety.

Efa lava loatra tsy araka izay niheverako azy sahady ny lahatsoratra ka aleo asiana fizarany fa andro manaraka ny andron'ny Zoma! na izany aza dia efa vonona ny fandefasako vaovao tapatapany ao amin'ny twitter. Ary efa misy andian-tsary rahateo navoakako ao amin'ny tahirintsary jona09.



jentilisa 29 jona 2009, amin'ny 00:30

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox