Ny lalan'ny fandriampahalemana

2009-11-06 @ 23:57 in Politika

Noraiketina tamin'ny fotoana farany ihany fa dia iaraha-mitantana araka ny filaza azy tokoa ny tetezamita amin'izao fotoana izao raha ny ho fivoakan'ny tovana amin'ny fifanarahan'ny Maputo voalohany no tarafina. Rehefa nodinihina dia ny lalan'ny fandriampahalemana no noraisina, izany hoe nidifiana lavitra ny mety hisisan'ny gidragidra eto amin'ny tanàna. Raha nandre ny momba azy ity voalohany indrindra aho dia kivy tanteraka satria ny mpampita vaovaon'ny mpanohana ny mpanongam-panjakana no nihazakazaka nahavoaka voalohany ny resaka, nefa dia manana ny fomba fialzany izy... tena talentany tokoa ny nampita ny vaovao.

Nitamberina ao an-tsaina ny foto-kevitra tsy hanekena na oviana na oviana ny mpanongam-panjakana hitantana na dia ny tetezamita fotsiny ihany aza. Ny Malagasy anefa amin'ny ankapobeny dia mpijery ny zavamisy (réaliste), ary manana ilay fomba fitenenana manao hoe: "ny heloka ibabohana mody rariny, ary ny rariny itompoana mody heloka." Raha azavaina amin'ny fiteny ankehitriny izany dia manao hoe ny heloka rehefa ekenao fa nataonao tokoa ary nanenina tamin'izany ianao, dia mamindra fo aminao ny olona (olon'ny fo manko ny malagasy) ka lasa miandany aminao... miezaka ny olona ny hanampy anao hiarina amin'izay fotoana izay. Misolo vava anao amin'izay nanaovana hadisoana ihany koa ny olona mba hieritreretan'ilay nanaovana hadisoana tsara amin'ny sazy hampiharina anao.

Ny rariny, tsy tiana hozogozonina kosa na ihenjanana eo amin'ny Malagasy araka ny nolazaiko ihany, dia manjary ataon'ny olona ho helokao indray... eo ny olana, tsy nijery ny mahaolona mety diso ianao araka ny fijeriny fa manao ilay akaikin'ny fiteny hoe ny tendrom-po tsy mba namana. Mpandala ny fihavanana ny Malagasy, araka ny fiteny manao hoe aleo very tsikalakalam-bola (fahefana raha ny eto) toy izay very tsikalakalam- pihavanana (miala amin'ny ady an-trano eto), dia milefitra amin'ny sazy tokony ampiharina ka manao hoe: rano raraka tsy azo raofina iny ka ny manaraka no tsy atao intsony. Tsy dia manampahaizana loatra ny momba ny teny malagasy, itarafana ny toe-tsaina malagasy amin'ny ankapobeny, aho fa izay araka ny fahazoako azy ihany no ampitaiko etoana sady itarafana ny zavamisy ankehitriny. Fa inona ity nahazo ahy toa tahaka ireny mahay mikabary ireny?

Etsy ankilan'izay foto-kevitra iray tokony ho rariny izay, tsy fola-mandefitra fa maka toerana, ny mpanongam-panjakana no manana ny hery sy ny fitaovam-piadiana. Tsy mba tahaka ny mpanongam-panjakana hafa any amin'ny kaontinanta hafa loatra ny mpanongam-panjakana teto Madagasikara fa afaka nivezivezy tany amin'izay toerana rehetra tiany aleha. Ny hafa manko voasazy tsy mahazo mandeha any amin'ny firenena maro any avaratra indrindra indrindra. Ny teto amintsika indray efa samy tongany na Etazonia na Eoropa ka manome vahana ilay ahiahy fa ilay firenena nanjanaka ny Malagasy teo aloha ihany no mitady hangeja azy indray amin'izao fotoana izao...hiarovany ny tombotsoany fotsiny. Ny Ngeza (firenena io) anefa tsy mifampihinana loatra fa mifanaja. Koa na inona na inona mety ho hatezerana nihalohalo tao anaty tao, ny saina mandinika kosa mahatsapa fa tsy misy lalan-kafa afa-tsy izay fantatra ankehitriny amin'ny fiaraha-mitondra isian'ny filoha telo no vahaolana tsara indrindra.

Mihomehy ihany ny tena, mieritreritra ity firenena malalantsika ity, tahaka ny dia tena hafa mihitsy anie ry Rainisoazanatasy (tsaroanareo ve ny fomba fiteny tamin'ny gazety Lakroan'i Madagasikara fahiny?) mianakavy. Avy nandalovany tamin'ity taona ity izany Praiminisitra telo (na efatra), izay manjary lasa idirana ny filoha anankitelo. Nisy izany Praiminisitra Monja Roindefo izany, izay miandry ny trano ao mahazoarivo ao, nefa efa notendrena sahady izany Praiminisitra Mangalaza, nanjary nialokaloka tany Frantsa vetivety aloha, ary dia natao Praiminisitra vonjy tavan'andro Rtoa Manorohanta Cécile. Ankehitriny, tanteraka ny nofinofin'i Andry Nirina Rajoelina sy Lafrantsa antsoina hoe filohan'ny tetezamita iraisana, saingy iraisana amin'olona antsoina hoe Rakoto Fetisoa Andrianirina (Misy Nirina roa mitondra eto Madagasikara!) sy Emmanuel Rakotovahiny ilay fiantso. Tiana ankalazaina ery izany hidradradradrana fandresena angaha, nefa sonia telo no tsy maintsy andrasana amina fanapahan-kevitra somary lehibebe. Enga anie mba tsy ho mpiray tsikombakomba amin'ny ratsy izay voatendry fa hifanaramaso kosa ka tsy hisy ny hanao tandrevaka na hanao gaboraraka ny fitantanana ity firenena ity. Rediredy ihany noho izany ny ilazana ny iray ho président fa ny hafa kosa ho antsoina hoe co-président. Tsy havanana amin'ny teny frantsay ny tena, saingy ny sary ahantona eny amin'ny biraom-panjakana kosa angamba no tsy mety fa dia an'ny Président ihany e!

Faly ihany ny tena, rehefa nisaina kely, satria tsy nisy ny resy ary tsy nisy koa ny nandresy tamin'ny fifanarahana vita. Ataoko fa samy nahazo ny anjarany avy ihany ny ankolafy tsirairay. Ny olana hany sisa hitako dia ny momba ny miaramila. Misy manko ny mihevitra amin'ireo mpitondra miaramila fa ry zareo ihany no mandidy amin'izay mipetraka ho minisitra sy ho lehiben'ny etamazaoro. Anjaran'ny tsirairay ny mamakafaka sy ny mieritreritra ny tokony atao amin-dry zalahy ireo. Samy afaka ny hitabataba fa nandresy, nefa samy hahatsapa fa misy fifampiandrasana hatrany eo. Io fifanarahana io aloha no vahaolana tsara indrindra amin'izao fotoana izao fa ny ampitso no hamaritra tsara izay tena hendry sy eken'ny maro ny fihetsika nataony nandritra ny fihaonana. Ny mpino an'Andrimanitra moa dia tokony hisaotra Azy indrindra fa manomboka miaha ihany ny olana mianjady amin'i Madagasikara ary indrindra indrindra...na dia mihevi-tena ho mpitondra aza ny sasany dia misy olona roa manara-maso ny zavatra ataony nefa tsy tokony azony ataony na inona na inona. Hotohizana ny lalana!


jentilisa, Antananarivo 7 novambra 2009 amin'ny roa maraina.


Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox