Handeha hanao raharaha miaramila ny tenako

2009-12-17 @ 00:43 in Ankapobeny

Oadray! fa inona ity nahazo? Fa tsy ianao ihany ve no niteny fa manana andraikitra lehibe amin'ny toerana misy an'i Madagasikara ankehitriny ny miaramila ka inona indray no idikidirana any? Valiny: Fa inona indray moa no isintonako ny masonareo hamaky ny lahatsoratro raha tsy mba miavaka kely ny filazako azy? mazava loatra fa tsy hiditra ho miaramila velively aho fa hira nipololotra am-bavako tampoka tamiko izy io ary entina hilaza aminao fa resaka miaramila indray no resaka atao eto. Marina aloha mazava loatra fa toa resadresahina amina bolongana sy vohikala malagasy maromaro  ity lohahevitra miaramila ity amin'izao fotoana izao, indrindra taorian'ireny fanambarana nataona manamboninahitra vitsivitsy ireny indray. Dia tsy aritro fa hiresaka ny momba azy ity indray aho, na dia saropady aza ny fanaovana izany.


Efa nanao fanompoam-pirenena fa ivelan'ny tafika

Voalohany, anisan'ny tanora afaka baccalauréat (oadray leaza! hay moa tsy nogasiana ity anarana diplaoma ity fa dia vitan'ny hoe baka fotsiny? nefa ilay baka anie ka toa sampan-kazo kely e!) nanao fanompoana ivelan'ny tafika farany indrindra ny tenako (1990). Na dia mbola tao anatin'ny nanana safidy ny hanohy ny fianarana any amin'ny anjerimanontolo avy hatrany aza aho, noho ny mbola fahakelezan-taona tamin'izany fotoana izany, dia nisafidy hiditra SN satria iray amin'ny asa tiako natao mihitsy ny ho zandary fahakely (fa tsy nankafiziko mihitsy ny ho miaramila). Mazava loatra fa efa nikitika izany hoe basy aho, ary tany amin'ny tifitra aza dia bala iray (lasa tsinahy! izay no mahasaropady ny kalachnikov!) ihany no very tsy tafiditra tanaty lasibatra tamin'ny bala valo nomena (hausse 100). Ny bala telo tamin'ireo aza dia tafiditra tanatin'ny boribory afovoany indrindra avokoa. 


Etsy andaniny, azo marihina avy amin'io fa maro tamin'ny tanora nandranto fianarana somary mba avoavo taty aoriana no tsy nanao fanompoana miaramila fa mety ho vitan'ny fitsarana miaramila fotsiny dia nangataka fanemorana fanompoana avy eo raha afaka tamin'izany. Dia heveriko fa tsy niaina loatra izany fiainana miaramila izany ny tanora nandrato fianarana, araka ny fijeriko, afa-tsy ireo izay nanana fironana hanao io raharaha io. Dia tsy mahalala ny revy sy ny fihafiana tanatin'izany ihany koa. Ireo tambanivohitra sy ireo nijanona tamin'ny fianarany tany antenantenany ambany any ary ireo sarangan'ny mpitrongy no tsy manana antony hialana amin'ny raharaha ka dia tafiditra soa amantsara amin'io raharaha io. Mahamafy toto kokoa an-dry zareo izany hiatrika zava-tsarotra. Izay ny mety mahatonga ny ankamaroan'ny olona fa fanadontoana (fa tsy fandotoana velively no tiako ambara) saina fotsiny ny fanaovana ireny miaramila ireny... satria tsy natao hisaina loatra fa natao hanoa baiko kosa. Fitsaratsarana ivelany kosa izany amiko. Fomba fijery mety ho diso no nambarako hatreo ary azon'ny hafa tsikeraina.


Tetikady miaramila

Fa ireny teny fampidirana lavabe ireny no resahina te-hiditra amin'ny tetikady miaramila tsinjoko amin'izao fotoana izao aho. Raha miresaka politika tokony hanana izay tetikady izay mba tsy handaniana hery sy fotoana amin'ny tsy antony ary hita rahateo fa tsy azo hamaivanina velively ity resaka tetikady ity (na tetipanorona raha tiana hadio kokoa ny fitenenana azy) amin'ny toe-java-misy amin'izao fotoana izao. Rehefa tsy manana izany ihany koa dia tsy hisy fanantenana hivoahana ho amin'ny fandresena velively. Misy vitsivitsy somary milahadahatra izy ireo ka anjaranao ny manampy na manitsy na maka tsoa-kevitra amin'izay ambarako araka ny lafin-kevitra misy anao.


Tetikady voalohany ny nanambatambazana ny mpitandro ny filaminana tamin'ny fanondrotana ny karamany (50%) sy ny fahazoany tambin-karama (15%n'ny karama) nolazaina fa hampiharina nanomboka ity volana desambra ity. Zavatra iray nahavariana ahy tao ho ao dia ilay tambin-karama 15%n'ny karama hatrany no naverimberina fa tsy nolazaina mihitsy kosa ilay karama nakarina 50%. Izaho ve no diso fihaino sa ny mpilaza no diso fanonona fa niniana tsy noresahina mihitsy io fisondrotana io amin'izao fotoana izao? Efa taitaitra ihany na dia izany aza mpiasam-panjakana hafa amin'izao fiangarana izao. Raha nisy tao amin'ny tafika indray tafaresaka amin'ny tena dia nanitrikitrika ranamana fa resabe fotsiny izany fanondrotana sy tambin-karama izany fa an'ny sasany angamba hoy ny tenany. Hatramin'izao anefa aho dia tsy mety mino izany fandavany fa tsy mihatra izany fanondrotana izany. Nivoatra dia nivoatra ny toe-draharaha ka tsy fantatra intsony na ho lany andro na ho diso adiresy ny zavatra soratana aloha.


Efa voasoratro ihany moa ny momba io tetikady voalohany io, tokony ho nahomby sy tsara kendry ilay tetikady saingy nivandravandra kosa. Efa maro angamba no mahita fa noho ny fananan'izy ireo basy aman-tafondro no antony ikarakarana azy ireo manokana. Ao anatin'izany aloha ny aroriakan'ny fihoaram-pefy mety hataon'ny olona tsy voafehy ka noho ny nandraisan'ny mpitandro ny filaminana saosy ambonimbony dia kendrena ny hanao ny asany araka ny tadiavina izy ireo. Ao ambadik'izay ihany koa anefa dia misy tahotra ny tafika mihitsy ao anatiny ao. Fantany tsara fa rehefa voafehiny tsara ny mpitandro ny filaminana dia mandry fehizay ny tanàna sy ny seza. Fantany ihany koa fa raha tsy milamina ny tafika dia mihozongozona ihany koa ny sezany na dia tsy mihetsika aza ny vahoaka tsotra. Vao niainana tamin'ity taona ity izany ka tsy ho adino vetivety. Fanangolena mivantana no natao, hany ka nitroatra ny sasany raha mbola nisy ihany manamboninahitra nihoam-pefy nanao fanambarana.


Ny fanaitairana isan-karazany

Efa nosoratako fa manana kinendry ny mpitondra raha nanangoly ny miaramila. Nisy ary ireo nilazana hamita iraka fa toa mihaodihaody ny fahavalo. Ny olana amin'izy ity, ny fahavalon'ny mpitondra no nihaodihaody na saiky hiditra ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Morondava sa seranan'i Nosy Be, sa ny fahavalon'i Madagasikara? Efa lasa zava-dratsy koa moa ilay ambara ho fahavalom-pirenena fa rehefa tsy mitovy hevitra amin'ny mpitana fitaovam-piadiana dia tafiditra ho fahavalo izay. Tetika fanomanan-tsaina fotsiny anefa ireo fanaitairana ireo noho ny fikasana hametraka miaramila tao amin'ny governemanta. Ireo "zandry" no tena iantefan'ny fanomanan-tsaina haneken'izy ireo ny hidiran'ny miaramila anaty governemanta na dia efa nifanarahana aza fa tsy tokony idirana intsony ny amin'izany politika izany. Ambarako indray fa mbola fomba fijery ihany koa io.


Tetsy andanin'izay ihany koa dia nanome fitaovana tamin'ny BANI (Base AeroNavale Ivato) ny Frantsay noho ny fiaraha-miasa, tamin'ity herinandro ity. Ny tiana aseho dia hoe tsara ny fifandraisana eo amin'ny roa tonta. Ilay tsy mijery afa-tsy tetikady ao ambadika kosa dia mijery azy ho fanambatambazana mba tsy hikofokofoka amin'ny tsy antony raha sanatria misy ny sanatria. Toby akaikin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena io ka aleo karakaraina. Heveriko ho nahafantampantatra zavatra ny Frantsay raha nanao io fihetsika io sy ny asam-pitsikilovana matanjaka ary izay no hambarako manaraka eo.


Raha hita ho tafiditra tsara tanatin'ny vovon'ny fanambatambazana ary ny "zandry" dia indreo indray mbola nisy "zoky" tsy afa-po ihany dia tsy nahatam-bava fa nilaza ny heviny izay misy idirana politika ihany koa. Ireo manamboninahitra nanao fanambarana tamin'ny 15 desambra tao amin'ny Carlton no tondroiko eto. Efa nisy ny vitsivitsy teo aloha nanao fanambarana tsy niera no voasazy koa nahoana moa no mbola misy an'itony indray nivoaka hanao fanambarana? Dia mitady sazy fotsiny ve izy ireo sa dia manana tetikady ao ambadika ao? Manamboninahitra ambony ireo ka tsy hanaotao foana. Ny zavatra kendreny no manjavozavo amin'ny sarambambem-bahoaka. Ny singa iray manavaka azy ireo dia izao: Ireo manamboninahitra ambony vao nahazo ny galonan'ny Jeneraly dia andiany faha-11 tao amin'ny Akademia miaramila Antsirabe ny ankamaroany. Ireto nanao fanambarana mbola nijanona ho Kolonely ireto kosa anefa, araka ny nambaran'izy ireo dia andiany faha-8 sy faha-9 ary faha-10, izany hoe talohan'ireo vao nahazo ny galonan'ny Jeneraly. Filazana ankolaka izany fa tsy nandeha amin'ny tokony ho ambaratongany ny fampakarana grady.


Resaka fialonana, sa resaka fironana politika sa resaka fiampangana ankolaka ny tsy rariny ao amin'ny tafika ary ve no tena tanjon'ireo manamboninahitra nanao fanambarana tsy niera ireo? Ny fiheveran'ny olona dia fanambarana mikendry ny hisian'ny fikomiana no natao, na fanasaritahana tsotra izao ny fiainana andavanandron'ny mponina amin'izao ankatoky ny fety izao. Dia nihevitra ny olona fa raha hiditra amin'ny lojikan'ny fanasaziana azy ireo ny mpifehy ny tafika dia ahiana hisy ny fikomiana ataona vondro-tafika. Ity vaovao ity aloha dia nifanakaiky tamin'ilay fanomezana fitaovana ny BANI ka mampihevitra fa tian-kangina ity vondro-tafika ity, ary dia niaraha-nahita moa fa iray monja no nanao fanambarana avy amin'ny tafika an-dranomasina sy an'habakabaka. Dia nieritreritra ny tena fa raha manamboninahitra zato monja no miara-manao fanambarana (fa tsy voatery hikomy hifehy toby) na tsy mitondra basy dia afaka mangovitra tsara ny mpitondra sivily sy ny mpitondra miaramila. Saingy tsy any ny kinendrin'izy ireo araka ny fahitako azy.

  
Ny ambadiky ny fanambarana 15 desambra Carlton

Voafafa noho ny antony tsy fantatro loatra ny lavabe efa voasoratro teto ka dia ezahina averina araka izay tadidy sisa na dia mety hiova indray aza ny voasoratra. Efa mahafantatra ny sazy mety hihatra amin'izy ireo ireto nanao fanambarana tsy niera ireto nefa dia nahoana loatra no mbola minia miditra amin'izany fidiran-tsazy izany ihany? Nandray vola tany ho any tokoa ve raha jerena ny toerana nanaovana ny fanambarana? Sa ilazana ampahibemaso fa na inona na inona lazaina dia misy fivakisana tokoa ny tafika? Ny olona dia miandry zava-tsarotra hafahafa kokoa mety hitranga indray ato ho ato. Misy ny fanahiana fa raha voasazy ireto olona ireto dia hisy ny hafa hitroatra tsy hanaiky intsony ka dia hisy ny toby hitsangana iarahan'ireo tsy hanaiky lembenana intsony. Tsy hahombiazana tamin'ilay fandambolamboana ny tafika noho izany ny mpitondra. Manantena zavatra be loatra izany raha izay no andrasana, na dia antoka hitondrana ankolafy tokana ny tetezamita aza ny tafika. Mety tsy hisy idiran'ny politika ny resaka ary tsy te-hiditra amin'izany mihitsy.


Mety ho lasa ihany ny saina mahita ilay fanambarana fampodiana ny ankolafy telo sy fitakiana hanohizana ny fifampidinihana eo amin'ny samy mpanao politika mba hisian'ny vahaolana haingana sy maharitra ary eken'ny rehetra. Io votoaty io dia mamaritra tsara hoe avelao ho an'ny mpanao politika ny politika fa tsy misy tokony itsabahana na hanendrena miaramila manamboninahitra ao anatin'izany. Napetrany mazava tsara fa manaja ny soatoavina miaramila ry zareo manao ilay fanambarana, izany hoe tsy fidirana amin'ny resaka politika sy tsy fidiran'ny resaka politika eo amin'ny sehatra ara-miaramila. Mihamanakaiky ny marina isika rehefa mahita ilay fiantsoana ny foloalindahy hitandro ny tsy fombàna amin'ny atsy na ny aroa. Ny zava-nisy tao anatin'ny volana maromaro manko izay dia nodradradradraina hatrany fa tsy handray fahefana ny miaramila, nefa ankehitriny milaza ho vonona ho amin'izany indray ny sasany. Mety ho eo no tena kinendrin'ny fanambarana.


Tao ho ao dia nalaza tokoa ny fifampiresahina tamina manamboninahitra ambony amin'ny fitadiavana izay ho praiminisitra hasolo izay efa vita fifanarahana. Izay nantsoina toa mandà, ary izay vonona Merina indray. Efa nolazain'izy ireo tamin'ny fotoanan'ny fitadiavam-pifanarahana ireny fa tsy mety raha sady Merina ny filoham-pirenena (filohan'ny tetezamita eto) ka mbola ho Merina indray ny Praiminisitra. Lalampanorenana tsy voasoratra moa io ka manahirana ny miresaka ilay izy... Firenena ve no resahina dia mbola resaka foko no sehatra iresahana azy? Tao anatin'izany ketriketrika hametraka praiminisitra miaramila ,milaza fanekena ho amina ankolafy iray izay no nipoiran'ireto manamboninahitra nanao fanambarana tampoka ireto. Vokany: hatramin'izao aloha tsy mbola voatendry izay ho praimnisitra izay kendrena ho miaramila. Raha tokony ho filoha Miaramila no tsara mitantana ny fitondrana rehefa tsy hifanaraka tsy manaiky izany kosa ingahikely fa tsy maintsy azy ihany ny laharam-boinahitra voalohany. Raha izay fanakanana ny fanendrena praiminisitra miaramila izay ihany no notadiavin'ireo manambonihitra ireo dia nahombiazana izy ireo na dia nandraisana sazy aza izany. Ny ankoatra izay kosa dia sarotra aloha ny hahatanteraka azy ny fijeriko azy hatreto mandra-pisian'ny fivoarana manaraka.


Torohevitra hafa tsara ampitaina amin'ny mpitolona rehetra

Torohevitra ho an'ny mpandala ny ara-dalàna no apetrako aloha, koa hadalany raha tsy mba mihevitra kely amin'izay tokony hatao izy farafaharatsiny rehefa tsy handray ny hevitro ihany. Fero ho isaky ny Asabotsy sy Alarobia ny fotoam-pivoriana eny amin'ny kianjan'ny ara-dalàna fa manasatra ny mpitolona foana. Rehefa misy ny fitokonana faobe ataon'ny mpiasa isan-tsokajiny vao tokony ampitomboina isan'andro ilay tolona. Lasa tsy misy hajany intsony manko ilay hetsika raha reraka ny mpitolona. Ny vavaka atao ihany koa dia tsy tokony hisy fanaratsiana olona fahatany na ankahalainao aza iny olona iny, satria tokony ho ao an-tsainao raha tena mpivavaka tokoa ianao fa tsy henoin'Andriamanitra velively ny vavaka misy fanambaniana olona. Ho tahaka ny vavak'ilay Fariseo (Farisianina hoy ny Katolika Romana) miseho ho masina izany raha miolotra amin'ny vavaky ny mpamory hetra (na Poblikana) niompana tamin'ny fanetre-tenany kosa ny vavaka nataony.


Eo amin'ny fihetsehana an-dalambe kosa indray, raha manam-pikasana ny hidina an-dalambe na hivoaka amina faritra misy fefy ny ankolafy telo amin'ny fihetsehana kasaina hatao dia tsy mazoto loatra ny amin'io aho. Fikasana hanosoram-potaka hatrany ankolafy iray manko ny fotoana tahaka izany ary tokony ho leson'izany ny tamin'ny 11 septambra 2009 teo. Aleo samy manao ny azy ihany rehefa tsy misy sehatra voafefy ho fiarovana amin'ny fihoaram-pefy. Tsarovy fa ho fanararaotan'ny mpangaro-paosy sy ny mpanendaka hatrany ny fidinana an-dalambe ka tsy mahasoroka mialoha izay mety hitranga. Tsy maintsy hisy ny fanendahana an-dalambe hataon'ireo ankolafy manokana ireo raha mbola misy ny fikirizana hanao izany nefa tsy maka fepetra hanohitra mivantana an-dry zalahy mpanendaka ireo. Odian'ny manampahefana tsy fantatra ny ataon'ireny olona ireny fa ianao mpitarika hatrany no hiangonan'ny rihitra avy eo.


Farany :  Aza manantena hiresaka izay noresahin'ny sasany sy nankalazaina fatratra mialoha ny valandresaka avy amina mpanao gazety roa loatra aho fa inona moa no idirako lalina hiresahina ny amin'izay tsy ankatoaviko akory? Tsy mankatò azy aho, noho izany tsy nanaraka mivantana izay nolazainy aho ary tsy miraharaha izay fanapahan-keviny ankoatra ny fiandrasana ny teny hoe "Miala aho" fa izy ve andrasanao hiteny izany? Manonofy angaha?



Jentilisa, 17 marsa 2009 amin'ny 02:48

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Martsa 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox