Voakarama hanendaka? sa hanakorontana?

2010-09-01 @ 22:24 in Andavanandro

Efa somary lavalava ihany ny lahatsoratra nosaratako saika havoaka no najanona satria nisy tranga be ifandraisana aminy nefa tsy mety atsofoka eny an-tsefatsefany eny intsony. Lahatsoratra vaovao noho izany no natao satria miova ny fomba hamoahana ny hevitra na lohahevitra mitovy ihany aza no lazaina. 


Dia nisy, hono satria olona no niteny tamiko, haino amanjery iray sa vitsivitsy, nahenoana fa misy amin'izao fotoana izao bandin'i Manjakaray, 67ha (Ankasina), Andavamamba ary faritra hafa karamaina hanendaka sy hangalatra ary handroba, mba entina hanaporofoana fa tsy milamina ny tany... na tsy lazaina aza dia fantatra ny tian-ko lazaina ho manakarama satria isan'andro isan'andro ny fanasoketana ny anarany amin'ny haino aman-jery ary ny gazety mpivoaka eto Madagasikara, ary izaho naheno ilay vaovao indray manana anarana radio ao an-tsaina avy hatrany raha vaovao tahaka izany no mivoaka, saingy tsy afa-mitompo teny aho satria tsy naheno ilay vaovao mivantana... nefa kosa ambara fa tsy olona iray na roa no nilaza io "vaovao" io tamiko. Nihomehy anaty ihany aho satria karazam-baovao fampihorohoroana toy izany hatrany no nitaizana ny vahoaka efa nihoatra ny taonjato iray sahady izay. Ny talohan'izany moa tsy fantatra loatra fa ilàna mpandalina tantara manokana angaha.


Nalaza nandritra ny fotoana nahatongavan'ny vazaha maro teto Imerina, nialoha kely sy teo ampiandohan'ny vanim-potoanan'ny Fanjanahantany ny resaka mpaka fo. Heverina ho ny vazaha no tena maro amin'ireo mpaka fo ireo ary nisy koa ny fikambanana framasao no voasoketa amin'io tsaho io. Nisy fiantraikany tamin'ireo sarambaben'ny olona any ambanivohitra rehetra any tokoa ny lazan'io mpaka fo io ka raha mahita vazaha ny ankizy sy ny badobado dia mandositra avy hatrany. Ilay fomba fiteny ankolaka fa manao izay hanintonana ny fon'ny olona no nivadika ho zavatra mivantana ho mpaka fo hohanin'ny vazaha ohatra. Dia tsy nisy intsony ny olona sahy nivoaboaka tamin'ny alina satria ankoatra ny mety hifanenana amin'ny mpamosavy dia misy koa ny mpakafo izay mety hangalarany ny fon'ny olona mifanena aminy. Vokany, nandry fehizay ny tany rehefa amin'ny alina satria tsy re loatra ny fisiana halatra. Ny toy io angamba no iray amin'ny antony nampalaza ny taloha ho tsy nahenoana loatra izany hoe hala-botry izany... Mifanindran-dalana amin'izany tsaho toa tsy nampiraika ny vazaha mihitsy ny hanitsy azy izany dia napetraka ny lalàna fa tsy misy olona mahazo mipetra-drery any ankodahoda any fa tsy maintsy any an-tanàna avokoa no manorin-trano, fomba tsotra entina hanaraha-maso sy hifehezana ny olona moa io lalàna io. Marihina fa na amin'izao fotoana izao aza dia mbola malaza io resaka mpaka fo io any amin'ny sarambaben'ny olona sasany any miampy ny lazan'ny mpangalatra taova malaza manerantany ihany koa moa izy io na dia tsy henon'ny saranga antonony sy sarangan'ny mpanankarena an-tanandehibe loatra intsony aza.


Nandritra ny faramparan'ny fanjanahantany sy ny repoblika voalohany indray, tsy dia mahafantatra izay mety ho zava-nalaza ho nampatahotra ny olona loatra aho, na izaho no tsy manam-baovao loatra momba izay tsaho natahoran'ny olona. Ambarako mazava tsara aloha izay. Fa tsikaritro kosa, nisy gazety amin'ny teny malagasy sasantsasany, ary tsy miankina amin'antoko na amin'ny fiangonana, tia mamoaka ireo misitery isan-karazany ka tia manasongadina resaka matoatoa sy angatra mivezivezy manerana ny tanànan'Antananarivo amin'ny alina ary nambara ihany koa na tsy tadidiko loatra intsony tamin'ny namaky azy ireny ny ora fivoahan-dry zareo. Mamaky izany kosa aloha ny ankizy tena koditra mihitsy, raha ny fiantraikany amin'ny olon-dehibe indray tsy dia nandrenesana akony loatra ary anisan'ny manahirana ny mamantatra azy amin'ity Malagasy tsy tia namoaka loatra ny heviny ity. Fa mbola nanana ny lazany ihany fa tsy nisy nangalatra tamin'izany fotoana izany, raha ny an-tanan-dehibe no resahina, izany lamba nahahy teny an-davarangana izany. Izany hoe raha nitodika indray aho dia karazam-baovao entina hampipirina ny olona any an-tranony ihany koa ny karazan-gazety tahaka itony ary manahy aza aho fa ny fanjakana mihitsy no nanakarama azy ireny hampilamina hatrany ny tany sy ny firenena. Na nangina aza ny tanàna dia tsy natahorana loatra izany hoe mpanendaka izany, ary tsy nandrenesana loatra ny momba izany raha an-tanan-dehibe. Tsy fantatro kosa anefa raha efa fiteny tamin'izany fotoana izany na tsia ny hoe mpanakan-dalana.


Niova kosa ny toe-draharaha rehefa niditra ny Repoblika faharoa. Noho ny karazana korontana naharitra nandritra ny tetezamita nitondran-dRamanantsoa Gabriel kosa dia simba tsikelikely nanaraka izany ny soatoavina nampanjakan'ny Malagasy izany hoe fandriampahalemana sy fihavanana. Nalaza ny resaka madinika ary izay tsy manaja ny madinika dia mpanoha-riana sy kapitalista. Nanomboka nanao izay tiany atao amin'izay ny madinika. Nisy ny olona navondrona ho ao amin'izany Tary Tonga Saina izany hampivoarana ireo avy amin'ny sarangam-bahoaka mahantra saingy nisy nanodina ny sain'ireo Tary Tonga Saina ireo ho lasa fitaovam-pamoretana sy fiarovana ny sezan'ny mpitondra ka noadinoina tsikelikely ny manjò ny vahoaka. Ireo no fitaovana nentina nampihorohoroana sy nampanafihana ireo mpanankarena mety ho nanelingelina fitazonana ny fitondrana. Ireo no nalaza tamin'ny fanendahana sy ny fanafihana mitam-basy, ary tsy adinoina ihany koa fa naka tovovavy ankeriny ihany koa izy ireo ary nosafidiany mihitsy ireo vehivavy nalainy an-keriny sy niterahany ireo ho kazaran'ny valin'asany tamin'ny fitondrana tamin'izany fotoana izany. Niova tanteraka ny zava-nitranga satria tsy nanana tahotra intsony ny mpangalatra fa ny olo-tsotra kosa niaina tao anaty tahotra. Mazava loatra fa fady izany mandeha alina izay tsy dia nahazatra ny olona loatra eto an-drenivohitra moa (marihina fa tsy miresaka ny any amorontsiraka mihitsy aho eto). Nisinisy ny toerana malaza ho misy mpanendaka izay fady ny mandeha aminy amin'ny andro alina. Fa tsy nanana henatra ihany koa ireo jiolahy ireo na dia amin'ny andro atoandro aza, mivondrona ary manana paika entina hanakiviana ny olona izay tsy mety miray hina ihany koa moa raha eny an-dalana no misy tratran'ny fanendahana.


Ankehitriny, mbola tsy mahazatra ny olona mihitsy izany mandehandeha na mihaona na manao zavatra amin'ny alina an-drenivohitra izany ankoatra ny zoma mahafinaritra eny Analakely sy ny Cabaret angaha saingy ho an'ny olona manana fiara moa izany no tena marina. Misy ihany ny fiarakaretsaka saingy noho ny antony dia tsy hivoaka na handeha any amin'ny toerana somary sisintsisin'ny tanàna mihitsy izy ireny, marihina anefa fa tsy mifankaiza loatra amin'ny saran-dalana amin'ny atoandro izany saran-dalan'ny fiarakaretsaka amin'ny alina izany. Mirongatra dia mirongatra tokoa ny mpangalatra sy ny mpanafika any an-trano ary fitaovam-piadian'ny mpitandro ny filaminana ihany no ampiasain'ireny jiolahy ireny. Malaza moa fa ampanofaina ireny fitaovam-piadiana ireny, noho izany tsy zavatra kelikely no halain'ny mpangalatra fa tsy maintsy maka tombony amin'ny zavatra ataony izy. Vokany, tsy vitan'ny hoe eny an-dalana ihany no mety anamparan'ny jiolahy ny heriny fa na dia any an-trano aza dia tafihiny, ary na dia toerana misy zandary aza dia tsy mampihemotra an-dry zalahy. Very fanahy mbola velona ny vahoaka izay tsy manana fitaovam-piadiana raitra tahaka ny jiolahy. Vokany, mipirina rehefa misy toe-javatra manahirana ka mionona rehefa tsy ny tena aloha no tafihina. Noho izay toe-javatra tsy voafehy izay intsony angamba no mahatonga ny sasany hanasoketa olona fa manakarama bandy avy any amin'ny faritra mafana eto an-drenivohitra hanendaka sy handroba, fa mila karamaina ve ny mpangalatra (?), entina ilazana fa tsy milamina ny tany ary tsy mahafehy ny filaminana ny tompon'andraikitra. izaho kosa moa mieritreritra fa matoa tafahoatra tahaka izao ny fanafihana mitam-piadiana dia ao amin'ny mpiandraikitra ny famongorana ireny asa ratsy ireny mihitsy no fositra voalohany.


Rehefa namaky ilay lahatsoratra indray aho dia tsy afa-po tamin'izay voasoratra satria tsy izay nokasaiko hosoratana indray no voasoratra nefa efa vita ihany ilay izy dia navoaka ho anareo ihany aloha. Amin'ny manaraka angamba aho mamoaka izay tena tiako ahatongavana. 



Antananarivo 2 septambra 2010 amin'ny 00:22 (02/11/2010 @ 00:22)


Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox