Momba ahy
jentilisa

Mihamanahirana ny fahafaham-potoana mamaham-bolongana. Noho izany dia tery aho hanokatra kaonty twitter ahafahanao manaraka vaovao tselatra avy eto Madagasikara.

Jereo etsy amin'ny rohy etsy ambany sokajy jereo koa ny hoe Araho amin'i twitter i Jentilisa.

search
calendar
« Jolay 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Nandrovi-tsihy ny miaramila saingy tsy rava ny tolona

2009-06-22 @ 07:01 in Politika

Mbola tany am-pividianana ny carte SD ho amin'ny fakantsary vao novidiana aho ka tsy nahatratra sary ny fandrovitan-tsihy nataon'ny miaramila tamin'ny Sabotsy 21 jona lasa teo. Misy ihany anefa ny sary nampiseho fa nandalo teo amin'ny Magro Auditorium Ankorondrano ry zareo tamin'io andro io ary mbola teo ampiantsoana ny lehibeny tany ambadika tany ny mpitarika azy ireto nijery ny tombatomban'ny mpitolona tao angaha!

Misy foana ny mihevitra fa vitsy ny mpitolona ao rehefa mijery hatrety ivelany, nefa tsy ao an'eritreriny velively ny hadadasiky ny toerana misy ireto mpitolona ireto. Efa misy tsindrimandry ihany ny maro fa hisy zavatra mitranga amin'ity herinandro ity ary izay no nahamay ahy hividy fakantsary vaovao hanolo ny simba teo aloha.

Betsaka tamin'ny mpitolona tao Ankorondrano no tsy nahalala akory fa nisy ireo miaramila sy zandary ireo saiky handrava ny tolona tao amin'ny magro mihitsy. Noravan'izy ireo tsy nananany antra ny fiomanana hilahatra saiky hataon'ny tanora teo amin'ny rond-point Antanimena, nisy ny voatifitra ka naratra, ilay tapa-tanana moa dia nilaza fa teo amin'ny telo metatra niala taminy ilay miaramila iray no nitifitra azy tamin'ny bala fingotra ka nahatapaka ny tanany. Nisy ihany koa mazava ho azy ny baomba mandatsa-dranomaso.

 

Nihoam-pahefana ireto miaramila ireto ka izay nitangorongorona rehetra dia norarafany tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso avokoa. Tsy nahagaga raha nolerany ihany koa ireo olona nivorivory teo anoloan'ny biraom-pokontanin'Ankorondrano. Olona mampanao didipoitra ny zanany anefa ireo olona ireo, ka tahaka ny ahoana moa ny mahazo ireo zaza hatao hasoavana? Niala bala ry zalahy rehefa nahatsapa ny tsy nety nataony, na izay mihitsy ny tena paikany, ka io zavatra nataony io no antony saika handravany ny teo amin'ny magro. Na dia noravany aza anefa ireo tanora teny Antanimena ka maro tamin'ireo tanora ireo no tsy tody intsony teny amin'ny Magro dia aseho anareo ihany ireo sisa teny Ankorondrano saingy tsy sahin'ny miaramila tampoka ny nandrava azy. Marihina fa andro faharoa saiky handravana ny tolona io andron'ny sabotsy io fa ny zoma ry zareo no efa saiky handrava, saingy noho ny fifamoivoizana nihitsoka dia tsy sahy ry zareo sao mihitsoka ihany koa ny fiara mitondra azy ireo. Maro tamin'ny vatan-dehilahy tao amin'ny magro rahateo no efa vonona dia vonona raha nanao tsy tsy mety teo ireo miaramila ireo.

 

Ny manahirana dia misy ny fanapahan-dalana eo anoloan'ny gara noho ny fety nefa toa tsy nahasarika olona araka ny nanampoizana azy loatra ilay fety nandritra ny roa andro aloha izay. Asa hanao ahoana tokoa ny tohin'ireo rehetra ireo amin'ity herinandro ity.


jentilisa, 22 jona 2009

Nahoana aho no terena hisafidy amin'i Babylona sy i Egypta?

2009-06-13 @ 01:31 in Politika

Fa inona ity resaka fivavahana tampoka ity? Tsy voatery ho fivavahana fotsiny fa misy resaka tanindrazana ihany koa ao anatiny. Na Egypta na Babylona dia samy anarana firenena, ary firenena lehibe sy nanana ny lazany tamin'ny androny. Mbola tsy firenena Isiraely no efa nanana ny lazany i Egypta. Nitondra ho babo ny mpanjaka, ny lehibe amin'ny firenena ary ny manam-pahaizana tao amin'Isiraely kosa i Babylona rehefa resiny ny firenen'Isiraely.

Olona iray no namidy ho andevo tany Egypta kanjo lasa praiminisitra iny olona iray namidy ho andevo iny taona maromaro taoriana; ka nampanantsoiny ny fiankavian-drainy (Jakoba na Isiraely) iray manontolo hitoetra akaikiny kokoa ary nomena faritra malalaka iray antsoina hoe Goshena. Ny voalohany namidy ho andevo tamin'io fianakaviana io ihany no tonga tany tsy tamin'ny sitrapony fa ny 70 ambiny kosa nonina tany noho ny  nahim-pony sy ny fandosirana kere tany amin'ny faritra nihaviany. Ela ny ela, an-jatony taona taty aoriana, niova ny mpitondra tany amin'io firenena io. Hitan'ilay mpanjaka fa nitombo ireo mponina tao Goshena ka feno azy nanerana ny firenena, natahotra ny herin'ireo mponina tao ingahy Farao na ilay mpanjaka egyptiana. Manahy izy, na izay no paika entiny hamotehina ireo olona ireo, fa raha miray amin'ny tafika vahiny ireo dia ho resy tosika ny fanjakany. Inona no nataony? Naveriny ho amin'ny fanandevozana indray ireo olona tonga tamin'ny nahimpony tao amin'ity firenena ity. Atao hoe fanandevozana satria noterena hanao ny asa mety ho tsy ankasitrahany. Omena ny asa mafy indrindra ihany koa. Atao tsy mahatsiaro afa-tsy ny asa mba hahareraka azy dia hihena ny taranany, kanjo izay vao maika nampitombo ny zanak'Isiraely bebe kokoa. Nalefa indray ny tetika hamerana ny isan-jaza, ka raha vavy no teraka dia velomina fa raha lahy kosa dia vonoina... amin'izay levona ny anaran-dray. Nefa dia mbola nisy ihany mpampivelona nanao tsara ny asany ka namelona ny lahy hatrany. Hatraiza ny halalin'ny fankahalàna? Soa fa niasa hatrany ny fitiavana, jiro kely mitsilopilopy anatin'ny aizi-kitroka manarona ny firenena. Nandevozina an-tanin'olona ireo.

Ankehitriny, ho'aho, nanararaotra ny krizy manerantany sy teto amin'ny firenena manokana ny maro amin'ny orinasa maro ka manao izay hangejana ny mpiasa tsy hiompana afa-tsy amin'ny asa ny atao rehetra. Tena misy ny orinasa tsy afa-manoatra ka tsy maintsy manala ny mpiasa ao aminy fa misy dia misy ho'aho ireo orinasa no manala mpiasa Malagasy mba hampidirana mpiasa Frantsay eto amin'ny firenena misy ahy. Ny karama anefa tsy mitovy velively ka tsy maintsy mpiasa Malagasy maromaro no asolo vazaha iray. Misy idiran'ny krizy ve izany? Sao dia saina manga, fotsy, mena amin'izay no atsangana amin'ny fetim-pirenena fa tsy fotsy, mena, maitso ry zareo? Dia ahemotra 18 andro monja ihany koa ny fankalazana ilay fetim-pirenentsika? Angaha izay ihany! Mba hitsinjovana tsy handroahana ny maro an'isa sy tsy hanakatonana ny orinasa dia miara-mihafy ny rehetra (izany hoe ny mpiasa ankoatra ny tale isan-karazany) ka mifandimby miato amin'ny asany sady tsy miasa no tsy mandray vola araka ny andro tsy iasana. Dia mikaonty ao anatiny ihany koa ny alahady... Oadray, fa angaha lasa karama isan'andro ilay isam-bolana teo? Ary raha ao anatin'ny andro iasanao ianao no marary tampoka na misy voina na sampona hafa dia mitady olona hisolo anao ianao, ka ianareo no mifanaraka amin'ny karamany, izany hoe ianao no manome karama io olona io fa raha tsy izany dia voaroaka ianao satria nandao ny asanao. Orinasa frantsay izany! iza avy moa ireo miteny hoe aleo ihany zanatany Frantsay? Santionany ary io e! Indrisy fa andevozina eto amin'ny fireneny.

Fa inona indray no idiran'i Babylona amin'ity resaka ity? Fa inona no nampiavaka ity firenena ity? Nobaboiny ny maro tamin'ny zanak'Isiraely. Nampiasainy ho amin'ny tombotsoany. Tian'ilay fanjakana nandresy raha mba adinon'ireo babo avokoa ny mombamomba azy tany amin'ny tany nihaviany tany, nisy ny notambatambazana ka nomena hanina avy tamin'ny anjaran'ny mpanjaka. Nomena anarana Babyloniana ka iny anarana iny no ampiasaina fa tsy ilay anarana ihaviana intsony. Nokolokoloiny tamin'ny kolontsainy sy ny fombafombany hany ka tsy mahagaga loatra raha nisy ny famelana ireo olona hiverina an-tanindrazany amin'izay no betsaka ireo nisafidy ny hijanona any ihany. Efa zatra tsinona, nahazo tambitamby sady tsy dia nisy loatra ny famoretana ary tsy nisy loatra ihany koa ny fitarainana avy tamin'ny maro nandritra ny fahababoana ka inona no mahory? Dia inona no mahatonga ny sasany mbola nody ihany? Ny ao amin'ny baiboly nanao hoe mba hanangana indray ilay tempoly ao Jerosalema izay any Jodia. Toy ny manao hoe mba hanangana indray ny firenen'i Jodia (na Isiraely). Ny tempoly no maha-Isiraely an'Isiraely tamin'izany fotoana izany koa na eo aza ny mety ho fiadanana nianohona aleo ihany manangana izay manavaka ny tena sy mampamirapiratra ny tena.

Fa iza ianareo no tsy mbola nampitsiriritin'ny firenena matanjaka ny zavatra tsara any aminy ka toy ny anehoany hoe any aminy no misy ny antsoina hoe fiadanana? Iza ianareo no hahasahy tsy hanome anarana tandrefana mihitsy ny zanakareo? Fa iza ianareo no mbola handany fotoana hilazalaza sy hanazatra ny zanakareo izay manavaka ny fahendrena malagasy ankoatra ny fanovozany ny fahalalana tandrefana sy ny fahalalam-pomba tandrefana indrindra indrindra any an-tsekoly na foiben-kolontsaina? Iza ianareo no tsy mahatsiaro ho kevoka raha mba mizaka ny zom-pirenena matanjaka iray? Dia nahoana no mbola mahatsiaro fa Malagasy ihany? Fa raha mahatsiaro fa Malagasy ihany dia tokony hifanampy amin'ilay fananganana ny rava rehetra, tahaka izany ny fiandrianam-pirenena, tafiditra ihany koa ny kolontsaina manara-penitra eo amin'ny lafiny fampandrosoana, izany hoe fanajana ny maha-olona sy ny tontolo iainana. Izaho ry zareo amin'ireo tranga roa ireo dia mahatsiaro ny tenako ho any Egypta kokoa ka aza tsiniana raha herinandro aty aoriana indray vao manoratra. Mandany fotoana manokana mihitsy.


Fa manantena inona amin'ny Amerikana isika?

Indraindray misy lafiny mahatsikaiky ihany ny tolona hamerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara. Toa tadiavina ahindrahindra koa ny Amerikana enti-manohitra ny ataon'ny Frantsay mova tsy niverina tamin'ny androny 1947 indray? Fa ny tolona 29 marsa tokoa naompan'ny sasany tamin'ny fiandrandrana ny mety hihavian'ny tafika amerikana, izay tsy mahalala na inona na inona amin'izany, kanjo hay ny miaramila frantsay sasany ihany no manao fanamiana amerikana ka nony injay faly mahita iny ny olona dia aripany na baboiny tampoka. Izaho koa dia tsy sasatra ny mamerimberina fa tsy nankasitrahan'ny Amerikana loatra ny fifanarahan'ny Malagasy sy ny Koreana tamin'ny resaka fambolena katsaka satria simba ny varotra katsaka amerikana amin'izany. Rehefa Malagasy dia Malagasy fa tsy mitsiriritra ho Egypta na Babylona (Babylona Frantsay na Babylona Amerikana).


Fa naninona indray no niala tao amin'ny Magro?

Efa mba nisy ihany ny karazana fifanarahana fa tsy mila mifampitambitamby amin'izay toerana anaovana omeko tsy omeko dia taitra tampoka ny tena raha nahita tamn'ny gazety fa hankeny Ambohijatovo indray ny mpandàla ny ara-dalàna. Efa nomarihiko mazava tsara fa kely noho ny eny amin'ny magro Ankorondrano ny eny Ambohijatovo ka tsy hitako loatra izay mbola hakana ny toerana kelikely kokoa indray. Etsy ankilany indray anefa, vao nisy nanadrohadro ankolaka ihany tamin'izay niresaka tamiko fa olona vitsy no ao Ankorondrano ka ireny ho ahitany fa diso hevitra izy niteny izany. Mbola latsaky ny roatokon'ny tamin'ny sabotsy 6 jona 2009 (manakaiky ny atsasany aza) anefa ireny olona nizotra nankeny Ambohijatovo ireny. Koa aza atao mahagaga raha tsy atonona ny toeram-pivoriana teny.

Fa nisy zava-mahagaga ahy ihany iny tamin'ny alakamisy iny ka tsara ny mitantara azy. Niserana teny Ankorondrano aho tamin'ny atoandro ka nahita ny hamaroan'ny olona tao... akoban'andro anefa io ka tsy maro noho ny tamin'ny Sabotsy mazava loatra. Niserana teny amin'ny zaridainan'Analakely manoloana ny gara iny aho avy eo hitarataratra ny zavamisy eny. Efa hita tamin'ny gazety Madagascar-Laza manko fa hankeny Ambohijatovo indray ny tolona. Hitako fa feno vato miparitadritaka eny ambony bozaky ny zaridaina. Ratsy avy hatrany ny saiko fa ho entina itorahana olona ireo vato ireo satria betsabetsaka ihany koa ry zalahy tsisy atao no matoritory sy milalao eny ambony bozaka toa miandry zavatra. Amin'ny iray ora sy folo minitra atoandro izany... Nisento aho rehefa nandre fa tsy nisy na inona na inona loatra nitranga teny an-dalana. Ataoko fa nisy herimbavaka tao.

Mba fantatrareo moa? Andro fahatelo misesy amin'ny fivavahana fibebahana ny Sabotsy 13 jona 2009 io ka nampahatsiahy ny tenin'i Mosesy tamin'i Farao hoe : Alefaso ny olona hanao andro firavoravoana ho ahy any an'efitra, lalan-kateloana (telo andro) ny toerana hanaovanay izany andro firavoravoana izany... Niniana nampitoviana ve ka ny andro manaraka ilay telo andro naompana amin'ny fivavahana manontolo no hihavian'ny "fahafahana"? Ny fantatra aloha amin'izao fotoana izao dia resy lahatra tanteraka ny miaramila amin'izao fotoana izao fa tsy maintsy ho avy ilay niteny fa ho avy na dia sarotra dia sarotra aza ny mino izany.  Eny, tarataratro fa hiakatra ambonimbony kokoa indray ny dingana amin'ny herinandro ho avy iny.




jentilisa, sabotsy 13 jona amin'ny 01:31


Namaky ady ny antso am-pinday nataon-d Ravalomanana Marc androany 28 mey 2009

2009-05-28 @ 13:21 in Politika

Indro indray omena anareo ny antso nataon'ny filoha Marc Ravalomanana androany alakamisy 28 mey 2009 tao amin'ny radiô fahazavana.

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana izay mijoro sy mitaky ny ara-dalàna. Kely sisa dia olona afaka indray ny vahoaka malagasy. Midika izany fa  ireo izay nisafidy nandika lalàna tamin'ny endrika maro dia hofaizina araka izany rehefa tafaverina ny ara-dalàna sy ny filaminana eto amin'ny tany sy ny fanjakana malagasy. Hotsaraina ihany koa ireo miaramila sy zandary ary polisy izay mbola manampy sy manohana an'i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany amin'ny fandikan-dalàna rehetra ataony raha vao manapa-kevitra ny fianakaviambe iraisampirenena, tonga ny fotoana hamerenana ny fitondrana ara-dalàna sy ny filaminana ary ny fandriampahelamana eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara.

Miantso ireo miaramila, zandary, pôlisy rehetra tia sy filaminana sy fandriampahalemana aho ary manao ny asany amin'ny fiarovana ny aina sy ny fananan'ny vahoaka hametra-piadiana avy hatrany rehefa tonga ny fotoana asaina hanaovany an'izany. Iharan'ny sazy faran'izay henjana izay tsy manaiky an'izany.

Ireo olom-pirenena tsotra izay niharan'ny asan-jiolahy sy ny tsy rariny nataon'i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany dia iangaviana tsy hanelingelina ny asan'ireo mpampandry tany. Manampy antsika izy ireo hamerina ny ara-dalàna koa avelao hanao ny asany ary omeo tanana raha misy ilàna izany. Miantso ireo olom-pirenena tsotra aho, izay niharan'ny asan-jiolahy sy ny tsy rariny nataon'i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany. Aoka tsy hisolo ny asan'ny Fitsarana. Fantaro tsara ary tadiavo ireo nanao asan-jiolahy. Rehefa tafaverina ny ara-dalàna dia manaova fitoriana eny amin'ny manampahefana. Hosamborina izy ireo ary hotsaraina sy ho faizina araka ny lalàna.

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana mijoro, mitaky ny ara-dalàna : Ampaherezo ny tapaka sy ny namana, ny fianakaviana, ireo mpiara-mitolona amin'izao fitsapana mamaivay diavin'ny firenentsika izao. Sahia mijoro hatrany ao anatin'ny firaisankina. Hifandray aminareo tsy tapaka aho, hilazako aminareo ny fandroson'ny tolona ataontsika ho an'ity tanindrazana malalantsika ity. Mahereza, manàna finoana, momba antsika mandrakariva Andriamanitra.

Ravalomanana Marc, 28 mey 2009


Henjana dia henjana izao kabary izao. Tena fitsapana mahamay tokoa. Nisy ny fomba fitenanana iray manao hoe mora ny manomboka ady fa sarotra kosa ny mamarana azy. Dia tsy maintsy ho tonga amin'izany ady izany ve ity tanindrazana malalantsika ity? Samia ary mieritreritra!



jentilisa, 28 mey 2009

Tsy feon-dRavalomanana ilay antso teny amin'ny Auditorium?

2009-05-27 @ 00:32 in Politika

Resaka roa samihafa no lazaina fa nataon'ny filoha Ravalomanana ny andron'ny alarobia 26 mey 2009. Ny voalohany dia nalefan'ny radio fahazavana ny maraina, mazava tsara ilay feo fa tena ny filoha Ravalomanana. Ny faharoa kosa dia ny resaka nandritra ny fihaonan'ny mpandala ny ara-dalàna teny amin'ny Auditorium Ankorondrano ny atoandro fa nampisalasala ahy tanteraka ilay feo. Tsy matoky io faharoa io aho saingy avoakoako ihany aloha :

Ny kabary ny maraina tao amin'ny radio fahazavana

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana ary mitaky sy miady ny famerenana ny ara-dalàna, miarahaba anareo aho.

Ankehitriny i Madagasikara dia tarihin'ireo antokon-jiolahy manana tetika maizina sy miafina, tarihan’i Andry Rajoelina ary tohanan’ny frantsay sy ny firongony. Ny tanjon’izy ireo dia hanjanaka indray an’i Madagasikara, ary ny hanandevozana ny Vahoaka malagasy. Ny tetika feno fitaka vaovao ataon'ny frantsay amin'izao fotoana izao mba ialana amin’io savorovoro naterany, dia ny fampiharana ny fifanarahana vaovao ataony amin’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy manohana azy. Ny zavatra kendren’izy ireo dia ny hisian’ny adim-poko eto amin'ny firenentsika.

Ny mpitondra an’i Madagasikara ankehitriny dia saribakolin’ny frantsay. Miasa miaraka akaiky amin’ny frantsay izy ireo, ka ampiasainy ny fomba rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny fampihorohoroana, ny fanenjehana, ny fanagadrana, ny famonoana ny vahoaka malagasy izay hita fa mijoro sy sahy mitaky ny ara-dalàna amin'ny ra-dalàna mba hahafahan’izy ireo mifikitra eo amin’ny fitondrana izay tarihiny. Mihevitra izy ireo fa izany fihetsika sy herisetra, fahefana izany no manome zo azy handika lalàna. Tsy izany velively anefa ny safidin’ny Vahoaka malagasy.
Tsy tian’ny frantsay handroso mihitsy i Madagasikara. Izy ihany no tiany hahazo tombotsoa. Avelany hanapotika ny fotodrafitrasa sy hanimba ny fananan'ny olona ireo olona baikony sy karamainy ireo mba tsy hampandrosoana an’I Madagasikara tsy hampivoatra ny fari-piainan’ny Vahoaka malagasy. Ireo andian-jiolahy tarihan’I rajoelina dia tsy manam-pikasana hafa, afa-tsy ny hanapotika ny fandrosoan’ny toe-karena Malagasy amin’izay dia mahantra ny Vahoaka Malagasy.Hahatongavany amin’izany dia efa  notafihany ireo fananam-panjakana sy ny fananan’olon-tsotra toy ny fangalana vola tao amin’ny Banky Foibe, tao amin'ny “Assurances”, izay fananan’ny firenena Malagasy.

Amin’izao fotoana izao dia miezaka i Andry Rajoelina, ampian’ny frantsay, handresy lahatra ny firenena miteny frantsay rehetra. Ny tanjon’izy ireo dia mba hahazony ny fankatoavana sy ny fanohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, amin’ny fandikan-dalàna izay ataony. Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, manana fahasahiana sy mijoro manohana ny ara-dalàna, hanao izay tratry ny heriko aho,ary hampiasa fahefako sy ny fahaizako handrodanana haingana io fanjakan’ny baroa tarihin’I Andry Rajoelina sy ny mpanara-dia azy io mba hamerenana indray ny ara-dalàna eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Hahatongavana amin’izany anefa dia tsy maintsy nitety ireo firenena maro, nanazava ary nangataka fanampiana. Nanaiky daholo ireo firenena ireo hanampy antsika. Ho hambarako aminareo atsy ho atsy ny mikasika izany. Koa ambarao amin’ny Malagasy mpiray tanindrazana amintsika izao resaka ataoko aminareo izao. Ary mahereza fa mahatsiaro anareo mandrakariva am-bavaka aho.

Momba antsika mandrakariva Andriamanitra!

Ny antso nandritra ny fihaonana teny amin'ny Auditorium
 
Ny antso nandritra ny fihaonana teny amin'ny Auditorium kosa dia ilay kabary mampisalasala, satria badalela izany ilay feo, kentsokentsona ary misy fiangolam-piteny tsy fantatro ho avy aminy velively. Enga anie mba ho fanafainganana oronam-peo no nahatonga ny fiovam-peo tsapako satria tahaka ny haingam-piteny loatra ilay olona no niteny nefa tsy tezitra (Tsoriko aloha fa feon'i Raharinaivo Andrianatoandro kokoa no fahenoako ity kabary ity fa tsy an-dRavalomanana velively), mampisalasala ihany koa ny fiatoam-piteniny, Misy ihany anefa ny marika toa ilazana fa izy no miteny. Indro ampitaiko ihany na dia izany aza:

Miarahaba anareo vahoaka marobe tonga eto amin'ity toerana ity aho. Manahoana daholo ianareo e!

Mahatsiaro aho ary mankasitraka mandrakariva ny fitiavana ao anatinareo ao, ny fandaminanareo rehetra... izay hihaonantsika tsy ho ela, minoa ahy ianareo fa tsy maintsy hotanterahintsika izany. Mahatoky aho, mahatoky aho fa mahalala ny tokony ataony ny vahoaka Malagasy ary ho saro-piaro amin'ny fitiavan-tanindrazana ka dia enga anie izao fihetsika ataontsika rehetra izao, izao fikarohana vahaolana izao mba ho tanteraka hatramin'ny farany ary tsy matahotra isika satria momba antsika Andriamanitra. Ny zavatra anakiray tokony homarihina sy ampahafantarina anareo dia izao: Tsy hamelantsika mihitsy raha tsy miverina amin'ny laoniny ny filaminana ary ny lalampanorenana tsy maintsy hajaina toy ny anakandriamaso ary indrindra indrindra ny tany tan-dalàna.

Ary Mampahahelo dia mampalahelo ny mahita ny fijalian'ny vahoaka malagasy ankehitriny; miafina, mandositra, tsy mba manana izany zo maha-olona azy izany. Tena mangirifiry ny fiainana ankehitriny ka hoy aho ry vahoaka malagasy : Samia manao araka izay azo atao mba hiarovana ny ara-dalàna. Ny zavatra tiako ampitaina farany : Aoka mba samby hitovy ny fomba fijerintsika ary hiara-hientana isika handresy an'izao hetsika sy fandrobana ataon'ny sasany izao, fandrobam-pahefana, ary indrindra indrindra ny fiadiavan'ny sasany hanasarahana iindray ny firenentsika, tsy manaiky an'izany mihitsy isika Malagasy, tsy manaiky an'izany isika.

Ny hafatra tiako apetraka aminareo ary dia samia, samia hoy aho aminareo manana ilay faharetana sy ilay finiavana manao zavatra. Satria izay ihany no ahafahantsika manatanteraka ireo ilay finoana ananantsika, indrindra indrindra ny fijoroantsika, ny fitiavana, izany entanin'ny fitiavana izany dia mahavita zavatra.

Izao hetsika ataonareo izao dia (...)  amin'ny firenen-drehetra, ary miara-miasa amintsika ny firenen-drehetra dia mba manohana, ny firenena izay(?)  toy ny firenena afrikana, ny eoropeana, ny aziatika manohana antsika avokoa, koa matokisa fa tsy maintsy hanampy antsika izy ireo. Holazaiko amainareo atsy ho atsy ny vokatr'izany fiaraha-miasa izany ka dia manantena isika, mino isika fa momba antsika Andriamanitra.

Mandrapihaona indray ary ry vahoaka Malagasy!

Hatreo ilay antso, rehefa mihaino aho dia tahaka ny mieritrritra fa misy tenin-dRaalomanana atsofotsofoka any anatiny any ka any amin'ny fehezanteny mampiahiahy mihitsy ny feony no toa misy fampirisihana ankolaka ny hoe tsy maninona ny mifampidinika toy ilay teny manao hoe "enga anie izao fihetsika ataontsika rehetra izao, izao fikarohana vahaolana izao mba ho tanteraka hatramin'ny farany ary tsy matahotra isika satria momba antsika Andriamanitra." Miharihary anefa fa ny tanjona tokan'ity fifampidinihana eny amin'ny Carlton amin'izao fotoana izao ity dia ny hampaneken'ny Firenena ivelany ny fitondran'ny mpanongam-panjakana. Izay no fahitako azy. Azo atao ihany koa ny maka ny antsipiriany toy ny hoe "miara-miasa" tsy fitenin-dRavalomanana fa miasa miaraka no fiteniny.

Amiko : Namadika ny tolona ny mpitarika ny mpandala ny ara-dalàna teto an-toerana.

Fa na izany na tsy izany dia tsy ekeko mihitsy ny dinika ataon-dry zalahy milaza ho misolo tena an-dRavalomanana amin'izao fotoana izao. Raha ny hitako tamin'ny fahitalavitra dia nolazainy fa resaka momba ny famotsora-keloka mihitsy no hfampidnihana. Ny mivoaka amin'ny vaovao anefa avy eo dia vita ny fizaran-tseza eo amin'ny efa-tonta nifampidinika. Hatreto dia tsy hita akory ny resaka fanafahana ireo mpitolona mpandala ny ara-dalàna nalaina an-keriny rehetra. Tsy tezitra tahaka ny talata 26 mey 2009 indray aho satria maika ny hifampizara seza no hitako ataon-dry zalahy rehetra tao. Raha izaho manokana dia tsy manaiky izay famadihana nataon'ny solontenan'ny mpandala ny ara-dalàna izao aho. Tsy maintsy lazaina isan'andro ve izy ireo fa tsy ilaina ny fifampidinihana amin'izao endriny izao? Ny hitako ihany koa dia maro amin'ny mpanaraka azy (izay nijery tvplus) no tezitra tamin'izay nilaza ho solontenan'ny fironana notohanany avy. Samy miteny avokoa moa ny rehetra fa tsy fitiavan-tanindrazana mihitsy no taratra tao fa fitiavan-tseza mibaribary! Efa mba nampitandrina ihany ny tena fa tsy noraharahiana!

Na izany aza mahavelombolo ny mahita fa mety hihetsika hanohitra ny fahatongavan'i Dada eto Madagasikara ny tarik'i Alain Ramaroson amin'ny Sabotsy ho avy izao. Mahaelombolo satria hampiakatra ny hafanampon'ny mpadala ny ara-dalàna samy haneho ny hamaroany fa enga anie tsy hihaona na ho tafahoana an-dalana kosa. Raha izaho, tsy mampaninona ny mifanena amin'izy ireo fa tsy tsy fahazakana ny hevitry ny hafa mankamin'ny fanaovana herisetra eo amin'ny samy sivily kosa no tsy laitra. Mahavelombolo satria ny mpikambana ao amin'ny HAT ihany koa izany no hanatontosa hetsika politika izay raràn'ny ao amin'ny FAT amin'izao fotoana izao. Efa fahitana fikoropahana eo amin-dryzareo ihany izany aloha amiko. Na izany aza, ny hatao amin'ireto mpitarika ny tolona namadika ireto no mety tsy hahitako tory amin'ity alina ity nefa efa miverina any Babylona tsy mahalala andro fialan-tsasatra indray ny tena amin'izao fotoana izao.


jentilisa, 27 mey 2009 amin'ny 00:33

[nampiana] Ry mpitari-tolona isany ô! Aza simbàna re ny tolona e!

2009-05-23 @ 23:15 in Politika

Dieny mbola Asabotsy alina izao, ary mbola misy ny alahady ahafahana mifampita hafatra tsara, dia ampitaina amin'ny rehetra ny hafatra napetraky ny filoha Ravalomanana, ka ampitaina tsara amin'ireo mpitari-tolona ho fantany tsara fandrao diso fihaino na tsy nandre tsara ny tenin'ny filoha Ravalomanana nanoloana ny mpanohana azy sy ireo mpandala ny ara-dalàna teny amin'ny Auditorium io sabotsy 23 mey io ry zareo. Nandaniako fotoana mihitsy ny namadika azy an-tsoratra ary mety misy ny fomba ahafahanareo mpamaky eto an-tserasera mihaino azy koa; dia tsakotsakoy tsara izay voambara fa aza ahodikodina intsony ny resaka.

Ny kabarin'ny filoha Ravalomanana

Ry vahoaka marobe tokoa, miarahaba anareo amin'ny foko manontolo mihitsy aho. Tsy ho ela intsony dia ho tonga eto Madagasikara aho fa aza matahotra ianareo. Ny zavatra anankiray tiako horesahina sy lazaina aminareo dia izao : iarahantsika mahita tsara ireo mampiady sy sy manankorontana ary mampivahavaha ny fifampatokisana, fa minoa ianareo ahy fa ny zavatra resahiko sy ny zavatra ataontsika tsy maintsy mipetraka amin'ny fifampatokisana tanteraka, noho izany rehefa misy mitady hampizarazara ny tolona ataontsika, aza manaiky izany ianareo fa izay teneniko anareo fa tena manohana sy miady hatramin'ny farany ary amin'ny fo manontolo, io ihany no marina.

Maika dia maika ny ezaka ataontsika sy ny tolona ataontsika ary ny fitakiantsika ny ara-dalàna dia Miantso anareo aho, ary milaza aminareo mba hiray hina tsara, ary ho hita ihany ny olona mivadika palitao... (tsy heno tsara fa lasa tombandresaka na teny manakainy ny anaty fononteny: ho hita ihany ireo olona nivadi-dela hatramin'izay)...Matokia ianareo ahy. Matoky ireo solombavambahoaka izay miaraka amintsika sy manao araka izay azo atao sy ireo mpitolona miaraka amintsika rehetra aho, matoky an'izy ireo aho.

Ny zavatra tiako horesahina ho henon'ireo vahoaka marobe ireo, ianareo milaza sy mandeha mankany amin'izay hoe négociation : Tsy mila mi-négocier amin'izany hoe tsy mifanaraka amin'ny zavatra takiana vahoaka. (Fa ny zavatra tokony hifanaraka dia hoe) ahoana no ahatongavana  haingana miverina aty Madagasikara ahafahako mitarika sy mampandroso ny firenentsika, miaro ny vahoaka amin'izao fampihorohoroana izao. Tena maha-te-hidera sy mahavaky vava ny olona rehetra erantany ny fitiavan-tanindrazana asehonareo amin'izao fahatongavanareo isan'andro isan'andro izao. Tohizo, tohizo hoy aho aminareo, [tsy heno tsara eto: ireo firenen-drehetra] (...) izay manampy sy manohana antsika hatramin'ny farany mba hiverenan'ny ara-dalàna; ka aza manaiky hosaratsarahina na ravaravan'ny sasany fotsiny fa misy ny mihatsaravelatsihy, misy ny mivadibadika, ary misy dia misy tokoa ireo mila [ranondranony angamba ny saiky holazainy fa niova tampoka ny fitohizanteny] fitiavantena, ireo tia kely ka tsy hijery afa-tsy ny azy ihany.

Henoy tsara ny kabary nataoko ho ren-tany ren-danitra tamin'ny teny anglisy, teny frantsay ary teny malagasy fa mitaky ny hamerenana ny ara-dalàna ny vahoaka malagasy ary mitaky tsy misy hatak'andro ny hamoahana ireo mpiara-mitolona amintsika satria tsy ara-drariny ny hanagadrana azy. Ary mitaky indrindra indrindra ny fahafahana maneho hevitra na oviana na aiza na aiza ny toerana hanaovana izany. Ry vahoaka Malagasy, firenena manana ny maha-izy azy ny firenentsika, manana ny fiandrianany ary indrindra indrindra manana ny Lalampanorenany. Tsy maintsy ataontsika, antsoina izao tontolo izao hanampy antsika hiverenako eto Madagasikara. Minoa ianareo ahy fa tsy adala ireto vahoaka ireto (tapaky ny horaka:)  Amin'izao iresahako mivantana amin'ny vahoaka izao, ho anareo mpanao hoe négociation ireo : tsy ilaina ny ifampiraharahana izay olona tsy hita izay nataony [Aza mankany fa miala maina any] fa aoka izay! lany andro fotsiny. Ahoana ny mbola hanekentsika ny hanohizana ny fifampiraharahana nefa ireo namantsika gadraina, ireo olona samborina, ary indrindra indrindra ny iverenako any mbola sakanan-dry zareo. Inona no tokony ifampiraharahana amin'ireo? Ho hitantsika vahoaka izay azo atao mba hihaonana indray fa minoa ianareo ry vahoaka, matokia ianareo fa tsy maintsy manao izay rehetra azoko atao aty miaraka amin'ny firenen-drehetra aho, ny SADC, ny African Union mba hahatonga antsika hihaona indray mba hametraka amin'ny toerana maha-izy azy an' i Madagasikara. Fa dia faly aho afaka milaza aminareo androany, faly aho afaka mitafa sy midinika aminareo, ary indrindra indrindra faly aho mahita anareo tonga marobe toy izao. Fitiavan-tanindrazana izao ary horaiketin'ny tantara rahatrizay. Koa dia minoa ianareo fa tsy mamela antsika ho irery Andriamanitra fa manampy antsika.

Koa dia mahereza, manàna faharetana fa ho avy i dada. (horaka tsy ifandrenesana tohizan'ny olona hoe : Any amin'i dada ny lakile). Ary amin'izao fotoana izao mbola milaza ihany aho, satria ireo mitarika sy milaza fa hoe manankevitra ny hisian'ny hivoaran'izao fahasahiranana ara-politika eto Madagasikara izao. Raha mbola tsy manampy amin'ny famerenana an'i Madagasikara [ho any amin'ny ara-dalàna angambany tokony ho tohiny] izy ireo dia ho lany andro fotsiny, satria ny anton'ny nahatonga ny olona hivory isan'andro isan'andro eto amin'ny Magro sy amin'ny toeran-kafa dia mitaky ny hiverenako, hamerenana ny ara-dalàna manaraka ny Lalampanorenana, ka ireo olona tsy momba an'izany dia tsy namantsika izany. Ka dia hoy aho aminareo hoe : Fantatra ary miseho ireo olona izay tia tena mitady seza fotsiny ary hita eny ihany koa ireo olona tsy matahotra ary tsy mieritreritra mihitsy ny ain'ny sasany, ny fijalian'ny hafa, fa dia mbola mpitahorina sy rahonana. Alaina ny fananany any an-tokantrano. Atao izay hampijaliana azy amin'ny alalan'ny vady aman-janany na amin'ny alalan'ny tenany. Takiantsika aloha ny amoahana ny praiminisitra miaraka amin'ireo parlemantera, Takiantsika ny ahafahana milaza an-kalalahana ny safidin'ny vahoaka. Takiantsika ny hiverenako haingana sy maika any Madagasikara. Minoa ry vahoaka Malgasy, minoa ahy ianareo fa tsy ho ela ho'aho isika manao izany, ary homba antsika mandrakariva Andriamanitra. Ka dia mametraka ny veloma, Mandra-pihaona indray fa mbola hiresaka aminareo aho amin'ny manaraka indray, fa manaova foana ny hetsika ataonareo  ... Samia ho tahian'Andriamanitra.

Ny nanohizan'ny depiote Yves Aimé Rakotoarisoa (Mémé) azy

Notohizan'i Meme izay tapaka kabary noho ny antson'i filoha ny resaka ary nanao karazana famintinana sy manambara izay tokony hataon'ny delegasiona manaraka indray izy: Eny ary, Mazava izany ny tenenin'ny prezidà izay filoha mpitarika antsika teo fa raha tsy ny fiverenany, ny famoahana ireo namantsika izay nosamborina (dia) tsy misy dinika intsony fa miala an-databatra. Izahay koa dia efa ela no saiky haka izay fanapahan-kevitra hoe hiala ambony latabatra, ka dia izao : ny fifamotoana napetraka taminay talohan'ny nitenenko teo izay notenenin'ny prezidà ho mitohy ny fisamborana sy anona dia izay izany no tenin-dry zareo, ka ny angatahinay koa dia ry zareo nametraka ny hoe tsy azo atao ny mamoaka ivelan'ity efitrano ity ny dinika, ka izay no itenenako amintsika hoe miala eto dia tsy manao tatitra mihitsy fa dia hanatanteraka ny fitakian'ny vahoaka sy ny hafatry ny filoha Ravalomanana ka araka ny nambara teo dia efa izy tenany no niteny. Ny voalohany izany vao miditra ny efitrano dia efa tenenina ny hoe: Hampiverina an'i dada ve ianareo sa tsy hampiverina? Dia raha mandeha ny adihevitra ka tsy miroso mankany amin'ny tenin'ny filoha teo dia tsy mankeo an-databatra intsony izahay. Iray izay.

Faharoa, dia hoe ahoana ny amin'ireo namanay izay migadra? Satria ny teneninareo teo dia hoe ny aty ivelany no tsy samborina intsony sy tsy kitikitihina fa hoe ahoana ireo efa any? Dia avoaka koa izany ireny fa raha tsy izay, tanterahina araka ny teniny teo ihany satria teo dia nilaza ny prezidà Ravalomanana dia manao marche arriere koa izahay, miala eo ambony latabatra.

Eo anatrehan'izay anefa, araka ny hafatro tamin'ny voalohany... dia miatrika izay amim-pahamalinana isika ary miatrika izany koa amim-pahamendrehana. Tapitra hatreto ny teniny noraisiko.

Fanamarihana avy amiko mpamaham-bolongana

Efa nilaza ihany ny filoha hoe tsy misy ny dinika atao raha tsy efa tonga eto an-toerana ny tenany. Gaga ihany anefa ny tena raha nahita fa mbola nandehanana ihany ilay dinika efa noraràna tsy ho aleha. Namboamboarin'ny depiote Andrianatoandro Raharinaivo moa ny resaka ka nataony hoe: tsy dinika no ataonay fa "dinika savaranonando". Na inona na inona filaza azy efa misy teny hoe dinika ihany ao, ary efa fantatra ihany ny hafetsifetsen'ny sasany sasany ka andrao voafandrika any, araka izay efa nosoratako teto omaly ihany ka mamily ny resaka sahady vao eny ampanombohan-dresaka. Efa nambaran'ny filoha Marc Ravalomanana ny tsy tokony andehanana midinika tamin'ny zoma heriny (15 mey 2009) nefa dia hitantsika moa ny tohiny fa nisy naditra tao.

Ny antony mbola tsy ilàna ny dinika dia noho ireo olona mbola voasambotra noho ny antony politika mazava be. Raha mandeha ny dinika nefa ireny tazonina any dia toa tsy firaharahiana azy ireo izany. Misy amin'izy ireny manko ny tokony hisolo tena amin'izay dinika tokony atao nefa sakanana. Ankoatra izany, mbola misy koa ireo olona voatery miafina noho ny fandrahonan'ny miaramila azy ireo, nefa mety misy tokony hisolo tena ny mpanaja ny ara-dalàna amin'izay dinika tokony atao koa izany. Misy izany ireo tokony hisolo tena no alombona ankolaka ny vavany. Tsy mampitombina loatra ny fifampidinihana izany.

Notenenin'ny filoha mazava tsara tamin'ity sabotsy 23 mey ity, na dia somary takon'ny horaky ny olona aza ka izay no amerenako azy an-tsoratra, fa tsy mila mankany amin'ny fifampidinihina mihitsy ny solontena. Izany hoe tsy ilaina akory ny miditra ny efitrano hanaovana ny fifampidinihana ka mangataka fepetra na manontany ireo hafa ao amin'io efitrano io fa miandry am-pilaminana miaraka amin'ny mpanao fihetsiketsehana ny mpitari-tolona sy ny solontena rehetra tokony ho any. Koa miangavy re! ampitampitao any amin'ny rehetra any ny hafatry ny filoha, ry mpanohana ny ara-dalàna. Aoka tsy hanatrika izany fifampidinihana izany mihitsy ianareo fa maro ny tokony ho solontenantsika amin'izay mety ho dinika no mbola tsy tafiditra eto Madagasikara, mbola notazonina any am-ponja, ary mbola miafina noho ny fandrahonana isamborana azy. Nandray ny andraikitro aho tsy hanimba ny tolontsika mpandala ny ara-dalàna ka izay manana fifandraisana amin'ireo solontena amin'izao fotoana izao aoka hampita aminy izao hafatra izao ary hihaino tsara ny antson'ny filoha Ravalomanana.

Efa hita ihany koa fa nanome baiko ny solontenany ny filoha Ratsiraka tsy hanatrika intsony ny dinika tokony hitohy amin'ny alatsinainy ka ny antsika indray ve no mitady hadi-doha amin'izay resaka mety tsy ho vanona sahady... dinika mandany andro hoy ny filoha izay eo ambony eo?

Araka ny hitantsika any amin'ny forum any dia miala any koa ny karazana fanimbana ny tolona tsy hisy intsony. Velombelomina fatratra ny teny hoe "rehefa tsy avotsotra ny gadra" dia amboarina amin'ny fanaovana azy ny "Savonnérie tropicale". Tena famadihana ny tolona sy familiana lalana azy tanteraka izany fidirana amin'ny faimban-javatra izany. Fandrika mivelatra ataon'ireo tsy mataho-tody sy te-hamadika ny tolon'ny mpanaja ny ara-dalàna izany.

Aoka koa hodradradradraina eny amin'ny Auditorium Ankorondrano amin'ny alatsinainy 25 mey 2009 fa tsy mila manimba zavatra izany isika, koa raha misy, na iza na iza manao izany fanimban-javatra sy fandoroana trano izany, tsy avy amintsika ireny ka raha misy ny manao izany dia sambory fa tsy ny avy eto amin'ny Auditorium mihitsy no manao izany. Tetika fanimbana ny tolona izany. Io karazana herisetra io no nampihemotra ny maro tamin'ny mpankasitraka ny TGV izay nihemotra. Koa aza fady : Melohy avy hatrany ireo rehetra mitady hanao izany fikasana mamoafady izany. Tsy amin'ny fanaovan-dratsy velively no hamaliana ny mpanao ratsy fa mampietry anao ho mpanao ratsy izany. Tsy azo entina amin'ny fo velively ny tolona fa ireny fandoroana tamin'ny 26 janoary 2009 ireny dia tetika efa maty paika hatrany amin'ny miaramila, fampielezam-peo maro, mpamonjy voina (afo), izany hoe tamim-pisainana fa tsy noho ny fo rano mandroatra velively. Adala ianao raha resy lahatra amin'izany fandoroana izany.

Ny fanentanana mivily lalana tahaka izao indrindra no nahapotika ny MDRM tamin'ny 1947, ny olona hafa araka ny fiheviny no manangana ady tsy ampy fitaovam-piadiana hamelezana ny fahavalo (Jiny) dia ny mpikambana tsotra amin'ny MDRM tsy nanao na inona na inona no nogadraina sy novonoina ary nampangaina ho izatsy sy izary. Efa mihamanatona indray ve ny fandresena vao hanao hadalàna e!

nampiana tamin'ny alahady 24 mey 2009



jentilisa, 23 mey 2009 amin'ny 23: 16
 

1 2 3 ... 27 28 29  Manaraka»