Maharesaka.VETO

07 Sep, 2007

Ny fijaliana aiza no azo ihafiana kokoa?

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 11:34

Raha noeritreretina hampangina ny adi-hevitra ny filazana ofisialy fa fisolokiana ny tolotr’asa handeha ho any Bahamas dia vao maika nampanonja ny adi-hevitra sy ny fampisainana izany. 

 

Raha vao niandoha ity raharaha ity dia nisy ny nahasahy niteny avy hatrany fa mampiahiahy ny fandehan’ny raharaha (sahala amin’ny spam mpandeha amin’ny mailaka sy aterineto ihany). « Tsy matiko lolo » hoy ny rahalahiko izay. Nahoana tokoa moa no aty amin’ny analiny kilaometatra (Salay arivony) no itadiavana mpiasa nefa ny kaontinanta lehibe eo akaiky eo aza be no tsy manana asa ? Ankehitriny vao betsaka no nahasahy niteny fa teo aloha mbola nangina sao voampanga ho mpanatsatso eo. 

 

Ny tena namitaka ny nihazakazaka hitady asa kosa dia ny nampiasana ny biraon’ny fanaraha-maso ny asa (Inspection de travail) tetsy Antsahavola. Faharoa manaraka izany, ny nahitana ny solontenan’ny minisiteran’ny asa nandritra ny famelabelarana ny raharaha tamin’ny mpanao gazety tamin’ny voalohany. Singa tsy azo adinoina ireo satria nanampy be dia be tamin’ny fitaka. Hany ka na dia nivoaka tsikelikely aza nmarina mbola nisy ny nahasahy niteny fa aleony mijaly any an-tanin’olona fa tsy izy intsony ny fiainana eto. Mba efa nahita ilay firohotana be tany Sao Paulo ( Brezila) nataon’ny tanora analiny nanao lobaka sy kiravato milahatra ho mpandroaka fako ve io olona niteniteny foana io ? 

 

Eo no nampanontany tena hoe raha samy hijaly ihany ; mijaly eto an-tanindrazana no azo ihafiana kokoa sa ny mijaly any an-tanin’olona ? Nisy manko ireo nasiaka mihitsy hoe tena fadiranovana loatra ny malagasy eto an-tanindrazana ka izany no mampibabababa azy hitady lalana hivoaka. Moa ny fitaizana natao teto amintsika mihitsy no nampanao paradisa ny any ivelany hany ka be loatra ny manofinofy ny hivoaka na dia ireo tsy mahay teny vahiny akory aza.


Hevitra

  1. Mety tsy ilay fijaliana loatra no tiany hampitahaina fa ilay vokatry ny fijaliana.
    Inona no tombontsoan'ilay fijaliana aloha?
    Misy mantsy mijaly any an-tanin'olona (miasa mafy sns) kanefa misy vokany be kokoa (karama be, vola be), ary misy mijaly eo antanin'ny tena (miasa mafy) kanefa zara raha misy vokany azo (karama kely tsy mahavelombady amanjanaka)

    Dia io no mahatonga azy hiteny hoe aleo mijaly any antanin'olona

    Nampidirin'i Hery — 07 Sep 2007, 15:55

  2. Hoy ilay olona niteny:

    Tsy tokony hosakanana mihitsy ny olona raha te-handeha any Bahamas. Tsy raharahanay na andevozina any aza izahay fa tsy tantinay ilay mijaly eto. Tsy misy asa!

    Ny olana dia ity: mandoa vola aloha vao mety ho voaray, Ar100 000 ka misy mahatratra hatrany amin'ny Ar400 000. Voaloany izay! Ny tena nahavariana moa dia mpiasan'ny zone no tena lasibatra fa nisinisy ihany ireo niala tamin'ny asany. Zaran'ny tsy nanana asa aza tafiditra ary tsy noraisin'ireo mpampiasa azy intsony ireo niala faramparany noho i Bahamas.

    Ny tena nahamay dia ny handeha ho any andafy. Raha teny hoe aleo mihafy any andafy toy izay mihafy eto Madagasikara dia mety ho hafa indray ny resaka.

    Efa nisy ihany manko ny resaka "marine marchande", Canada, ary ny tena nalaza dia i Liban fa tsy araka ny karama nampanantenaina no nomena ny maro an'isa.

    Nampidirin'i jentilisa — 07 Sep 2007, 19:04

Powered by LifeType