Warning: Declaration of CachedTemplate::fetch($cacheId) should be compatible with Template::fetch($resource_name = NULL, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL, $display = false) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 41

Warning: Declaration of CachedTemplate::display($cacheId) should be compatible with Template::display($resource_name, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 75
Jacques Sylla Hugues indray izany e! | Hevitra MPANOHARIANA |

« | »

Jacques Sylla Hugues indray izany e!

2007-10-24 @ 07:10 in Politika

Ataoko fa hitantsika amin’ny haino aman-jery ary an-tsoratra ny nahalanian’ny mpisolo vava J.H. Sylla, Praiminisitra teo aloha, ho filohan’ny Antenimieram-pirenena vaovao handimby an’Atoa Mahafaritse Samuel ilay nanoloana an’Atoa jean Lahiniriko noho ny finoana sy ny fihaviana misy itovizan’izy mirahalahy farany ireto (samy loterana sy samy avy any atsimo). Ankehitriny izany dia Katolika avy any atsinanana indray no lohan’ny fahefana mpanao lalàna efi-bahoaka. Marina fa raha eo amin’ny fihevitr’olona efa zatra miady hevitra dia tsy tokony ho kaonty intsony, na tsy resahina mivantana intsony izany resaka fihaviana sy finoana izany. Nisy lalana tsinjotsinjo ihany anefa raha tonga amin’izao tanjona izao ny lehilahy.

Fony vao nanomboka fotsiny ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka dia efa nisy nanamarika fa tsy maintsy ny lehilahy indray no ho filohan’ny Antenimieram-pirenena. Raha nojerena ihany koa ny kandidà rehetra dia tsaratsara toerana ihany Atoa jacques Sylla amin’ny hahatafiditra azy avy hatrany ho depiote. Vitsy ihany manko ny isan’ny mpifidy any amin’ny fari-pifidianana misy azy ary mijery Olobe ihany koa ny olona fa tsy voatery ho antoko amin’ny ankapobeny.

Raha nojerena indray ny fivoriana nataon’ny depiote TIM tao amin’ny magro (foiben’ny antoko) ny alatsinainy teo dia voalaza fa mbola tsy fantatra mihitsy izay hatolotry ny antokoben’ny fitondrana. Nihevitra ny mpanara-baovao fa miandry ny baiko avy any Ambohitsorohitra amin’ity fanapahan-kevitra ity fa sarotra ho an’ny antoko ny hanapaka izay hitondra ny antenimiera. Efa nojerena mialoha ny volavola hatolotra rehetra mikasika ny fandaminana anatiny fa tsy nokasihana kosa, araka ny gazety ihany ny resaka tombotsoan’ny depiote. Raha mijabaka miditra amin’izany ihany koa dia mety hiharan’ny fahatezeran’ny filoham-pirenena avy hatrany. Dia tombatombana sisa no nataon’ny gazety rehetra.

Fony mbola tsy nivaly tamin’ny fomba ofisialy ny fifidianana ho solombavambahoaka dia nanao lohateny lehibe ny la Gazette fa mety ho tafiditra anaty pataloha tery ihany ny praiminisitra teo aloha, izany hoe mety tsy ho lany avy hatrany izy fa mety haverina ny fifidianana any aminy. Noheverin’ity gazety ity izany fa nisy zavatra tsy nety izany nataony tany amin’ny fari-pifidianana nisy azy. Izaho kosa niteny anankampo hoe tsy maintsy tafiditra ho depiote izy fa raha tsy izany efa nisy tabataba be aloha natao ho re taty Antananarivo. Efa nahare tsilian-tsofina ve ny gazety tamin’io fotoana io ? Ny gazety hafa indray moa tao ho ao dia nanombana fa iray amin’I Razoharimihaja Solofonantenaina filohan’ny TIM teo aloha sy Randriasandratriniony Yvan Minisitra (tokana) eo amin’ny fiadidiana ny Repoblika no isafidianana izay ho filohan’ny Antenimiera.

Tsy noeritreretin’ny gazety mihitsy noho izany ny hahalany an’Atoa Jacques Sylla. Ny antony dia noho ny tsy filazana ny toerany ao amin’ny birao politika mihitsy. Nanditra ny fivoriana nahalany an’Atoa Randriasandratriniony ho filohan’ny TIM dia tsy nisy resaka mihitsy ny amin’ny birao politika hafa ankoatra ny fanalana ny ankoatra ny fanalana ny filohan’ny faripiadidiana Mahajanga sy Antseranana izay karazany nisintaka nanangana ny CrTIM(Comite de reflexion de tanindrazantsika I Madagasikara). Ny nahavariana tamin’io fivoriana io moa dia tsy nisy resaka ny amin’Atoa ranjivason Theodore… sa tsy birao politika moa ny tenany?

Tao ho ao kosa anefa dia nisisika tsimoramora tamin’ny karajia ny hevitra hampidirana an’Atoa Jacques Sylla ho filohan’ny Antenimieram-pirenena. Tamin’ny voalohany dia nasisika tamin’ny resaka katolika sy tsy katolika ny resaka. Nisy ary ny nampiditra fa noho ny mahabetsaka indrindra ny katolika eto Madagasikara dia rariny raha omena Katolika indray ny toeran’ny filohan’ny Antenimiera ary tonga amin’ny filazana aza moa fa tokony hitaky izany ny EKAR amin’ny mahamaro an’isa azy indrindra. Be avy hatrany ireo nanitsy fa mpiara-miombon’antoka amin’ny fanjakana hatrany ny Fiangonana na dia tsy mitondra mivantana aza amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona. Tao moa ny namily ny resaka hoe fa avy amin’ny fiangonana inona moa no misy ny Minisitry ny angovo syny Minisitry ny harena ankibon’ny tany izay ahazoana tsikera indrindra amin’izao fotoana izao. Manaraka izany dia tsy ny katolika mihitsy no maro an’isa indrindra eto Madagasikara fa ny mpandala nentin-drazana. Tsy ny mpanara-baovao no manamarika izany fa izaho manoratra mihitsy.

Mifanindran-dalana amin’io resaka finoana io ihany koa ny resaka fihaviana. Nisy ary ny nampahatsiahy fa saiky avy eto anivontany avokoa ireo mpitantana ambony eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao (ankoatra ny mahaprotestanta azy) ka mba hisian’ny fifandanjam-paritra dia tokony haka tanindrana hitantana ny Antenimieram-pirenena. Mampahatsiahy avy hatrany ny politikan’ny zarazarao anjakana napetraky ny mpanjanatany teo aloha ilay resaka, na dia tena mbola izay mihitsy aloha no lasitra iresahana politika hatramin’izao fotoana izao. Ny Protestanta Merina no nampifandrafiana tamin’ny Katolika Tanindrana tamin’izany fotoana izany. Toy ny lalàna tsy voasoratra aza ny nametrahana fa tsy maintsy Katolika Tanindrana no atao filohan’ny Repoblika. Ny tsy mba voalaza dia izao, tamin’ny Repoblika voalohany anie ka saiky tanindrana avokoa ny nitantana ny fahefana rehetra nisy tamin’izany. Ny hany naningana dia Atoa Ravoahangy izay minisitry ny fahasalamana aloha dia avy eo minisitra tsy manana minisitera hotantanina mihitsy fa tsy nahitako adi-hevitra loatra ny zava-nitranga.Sa andeha atao hoe tsy niaina izany fotoana izany aho ka tsy fantaro ny tena zavanisy. Tsy tafiditra aloha ireo hevitra roa voaloany ireo kanefa hita kosa fa efa fanomanantsaina ihany no natao.

Niova indray ny tetika avy eo. Izay vao tena niditra tamin’ny sehatra ekonomika sy politika. Dia nolazaina indray fa metimety raha olona efa manana haizatra tao amin’ny governemanta no atao ho filohan’ny Antenimiera mba ahafahana manara-maso tsara ny asan’ny governemanta. Nisy moa ny niteny hoe ka ny Antenimiera anie ka mpananga-tanana fotsiny fa tsy maharaka izay tena ao anaty vilanin’ny fahefana mpanatanteraka ao. Dia niposaka amin’izay ny hevitra (efa nisy taloha ihany) fa tsara ary raha mba manampahaizana mihitsy no nofidian’ny olona ary mpahay lalàna indrindra indrindra satria ireny no tena maharaka ny lalàna ary mamorona lalàna amin’izay misy lesoka. Tsy ireo rehetra tafiditra ho depiote anefa no manana izany fahaizana izany ka tsara raha olona mahay lalàna no mitondra azy. Iza avy ao amin’ny Antenimieram-pirenena ary no mahafeno izany fepetra nasisika tsikelikely izany? Tsapan’ny tao amin’ny Antoko Arema misy an’Atoa Vaovao Benjamin angamba io teti-panorona io ka ny fanambarana manohitra an’Atoa Jacques Sylla mba tsy ho arotsaka ho filohan’ny Antenimieram-pirenena avy hatrany no nataony (jereo l’express de Madagascar n° 3837 talata 23 oktobra 2007 pejy fahatelo). Izany hoe ny antoko politika indray no natsilo kokoa noho ny mpanao gazety tamin’ny fanombanana izay ho filohan’ny Antenimieram-pirenena. Na izany na tsy izany dia mankasitraka ny hitantanany io Andrimpanjakana io ihany ny maro tamin’izay noresahiko na tsy manana tsikera atao loatra momba ny nahalany azy.

Fanamarihana: rehefa hametraka hevitra ianao dia tsara raha ankotrihina aloha ny lahatsoratra dia izay vao mametraka hevitra fa raha tsy izany dia mety tsy avelany hipoitra ny hevitrao.

Hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox