Warning: Declaration of CachedTemplate::fetch($cacheId) should be compatible with Template::fetch($resource_name = NULL, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL, $display = false) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 41

Warning: Declaration of CachedTemplate::display($cacheId) should be compatible with Template::display($resource_name, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 75
Antso ho fampiroboroboana ny aterineto eto Madagasikara. | Hevitra MPANOHARIANA |

« | »

Antso ho fampiroboroboana ny aterineto eto Madagasikara.

2007-10-30 @ 17:00 in Kolontsaina

Alohan'ny hametrahana ity hafatra ity izay tsy aritro fa apetrako eto ihany dia any amin'ny Vaovao Iraisam-Pirenena no misy ny lahatsoratra momba ny hala-jaza sy ny halatra taova.


Efa imbetsaka no voaporofo fa kinga amin'ny fikirakirana haitao vaovao ny eto Madagasikara. Hibaribary aminao rehefa mitety faritra ianao fa tsy voatery natokana ho an'ny sarangan'olona ambony monina an-tanan-dehibe ihany io fampiasana haitao vaovao io. Tsikaritra aza fa maro ny olona mahay mampiasa finday, VCD na MP3, MP4 ary mitady ny fomba rehetra ahafahana mampandeha ireny fitaovana ireny any amin'ny faritra maro tsy tongan'ny herin'aratra akory.

Hita taratra ao anatin'izany haitao maro izany fa fitaovana iray azo antoka ho enti-mampandroso an’i Madagasikara ny fampiasana aterineto.


Volana vitsivitsy izay dia nahitam-pivoarana ny fifandraisana amin'ny aterineto, efa mihatakatry ny fahefa-mividy kokoa ny tolotra omen'ny orinasa misahana izany ary mihahaingana kokoa sady tsy miovaova loatra ny fikorianam-pifandraisana.

Noho ny fisian'ny cybercafés, ny halakim-pifandraisana ary ny fanovozan-tserasera amin'ny alalan'ny finday dia efa mihamora kokoa ny hidirana amin'ny aterineto. Mety ho tsinontsinona ihany izany fivoarana izany ho an'ny olona tsy mbola niditra aterineto. Mihevitra kosa anefa izahay fa tahaka ny nizaran'ny olona nihaino radio AM ka nanjary tia mihaino onjampeo FM  tamin'ny taona 1991 teto Madagasikara ity fivoarana atrehintsika etoana ity.

Fomba fiteny moa fa misy ny hantsana arak'isa ateraky ny tsy fitoviam-pahafahana mikirakira haitao arak'isa. Tsy azo lavina ny fahasahiranan'ny tsirairay hahazoana izany finday izany na solosaina na hampiasa izany aterineto izany, na izay zavatra rehetra sokajiana ho haitaon'ny fampahalalam-baovao sy ny serasera (TIC). Mety ho olana amin'ny olona ny vola, ny halaviran-tany na ny kolontsaina sy ny fomban-tany ihany koa.

Na eo aza izany dia mora dinganina kokoa noho ny sisintany iraisan'ny firenena roa io hantsana arak'isa io ary antony be dia be no ahafahana milaza fa azo tanterahina izany dingana izany. Mora kokoa ho an'ny tanora Malagasy mipetraka amin'ny tanandehibe antonontonony ny manovo fahalalana amin'ny alalan'ny fianarana an-tserasera noho ny handeha any amin'ny Oniversite eto an-toerana na any ampitan-dranomasina. Mora kokoa ho an'ny olona avy amin'ny toerana samihafa sy saranga tsy mitovy ny mifankafantatra sy miaramiasa amin'ny alalan'ny aterineto fa sarotra izany raha tsy misy aterineto.

Ny fisian'ny karazan'olona niandohan'ity lahatsoratra vakianao ity no ohatra velona maneho aminao ny fampifanatonan'ny aterineto ny olona. Ny masontsivana roa hany mba iraisanay manko dia noho izahay samy Malagasy na ny fonenana eto Madagasikara sy ny nampiasanay ny aterineto ihany.

Misy aminay no mivelona amin'ny haitaon'ny fampahalalam-baovao (fifandraisana no marina kokoa), ary misy aminay ihany koa no mpampiasa tsotra efa zatra na tsia ny aterineto. Misy aminay no mipetraka eto Madagasikara, ary misy aminay ihany koa ny avy any ampielezana any. Mbola tanora ny sasany aminay raha efa lehibe kokoa ny hafa. Efa mpikambana anatina fikambanana (tahaka ny namana serasera Dago na Foko Madagascar) ny sasany raha tsy mbola mpikambana na aiza na aiza kosa ny hafa. Misy ny efa mifankafantatra anaty fiaraha-monina saingy ny maro an'isa kosa dia tany amin'ny dinika (forum) na tany amin'ny bilaogy tany no nifankalala.

Mihevitra izahay fa afaka hampandrosoana an'i Madagasikara ny fitaovan-tserasera nampifanatona anay (aterineto) nefa mbola tsy nampiasaina loatra amin’ny tokony ho izy na tsy tsara trandraka.
 Maniry indrindra izahay ny hampiasan'ny olondrehetra tsy anavahana ny aterineto, ny hanitatra ny ambaindain'ny mpampiasa azy ary ny hitarihan-dalana koa ireo mba hanandrana hampiasa ny aterineto.

Maniry indrindra izahay mba ho maro kokoa ny Malagasy, tanora indrindra indrindra, hampiasa ny aterineto ho fitaovana hanamorana sy nahatsarana ny fiainana andavanandrony sy hampivelarany ny mahaolona. 

Maniry idrindra izahay mba ho afa-mampiasa aterineto ny sekoly miankina sy tsy miankina hatramin'ny sekoly ambony mba ahafahany manome fampianarana raitra, tsara sy mendrika kokoa.

Te-hisarika ireo izay efa mampiasa aterineto kosa izahay tsy hianona fotsiny amin'ny fampiasa hatramin'izay tahaka ny mailaka, ny karajia, ny tranokalam-pitadiavam-bady ary ny tranonkala hafa fa mba hivoatra hikaro-java-baovao, hahaleo tena amin'ny fikirakirana fitaovana hafa rehetra mety ampiasana ny aterineto.

Antenainay indrindra ny hiroboroboan'ny teny malagasy amin'ny aterineto sy ny mba hahitana ao ny hevitry ny Malagasy eto antoerana sy any ampitandranomasina.

Irinay indrindra mba ho fitaovam-panehoan-kevitra demokratika sy ho fitaovam-pampandrosoana tokoa eo amin'ny malagasy ny aterineto fa tsy ho fanaovana tora-po fotsiny.



Ireto avy no mety no hetsika novinavinainay ho azo atao: __ Fitetezana sekoly maromaro sy ampahafantarana azy ireo ny aterineto amin'ny alalan'ny fanazavana sy ny fizarana trakitra (na bokikely) ary manome fanofanana amin'ny fomba fampiasana aterineto.

__ Managona loharanom-baovao rehetra mety hahaliana ny Malagasy ary mametraka ny rohy amina bilaogy anankiray ary any aoriandriana any dia manokatra varavaram-ben-tserasera mirona amin'ny fanabeazana sy mifanaraka amin'ny zavamisy eto Madagasikara.

__ Manohana ireo vondrompampianarana an-tserasera tahaka ny tetikasa " schoolnet Africa"
__ Manome sehatra ho an'ny daholobe tsy anavahana taona sy saranga hanehoany hevitra amin'ny alalan'ny karazana kilalao ataon'ny tetikasa sahala amin'ny "sixmilliardsdautres".


Koa manasa anareo rehetra liana amin'ity raharaha ity sy ny manan-kevitra tsara handray anjara hiara-midinika aminay amin'ny antsipirihany ny asa hotanterahina:__ Amin'ny alalan'ny fivoriana hotanterahina ao amin'ny tranombokin'ny Firenena Mikambana (CINU) Antsahavola (afaka barazy Ambasady USA io ka izay manatrika indrindra) amin'ny alarobia 31 oktobra manomboka amin'ny dimy hariva.

_ Na hifandray amin'ny alalan'ny dinika ao amin'ny dinika serasera.org amin'ity lohahevitra ity ao amin'ny toerana voatokana hanaovana izany.

Hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox