Sarin'ny faradoboka maherin'ny 50
Dia ataoko misy fizarana valo ity raharaha ity noho ny habetsaky ny sary izay halahatra eto. Ity ny andiany voalohany.
Ny fizarana voalohany dia ny sarin'ny teny Mahamasina niaraka tamin'ny Tim na hery Rafalimanana ny maraina sy ny sary teo ivelany. Tokony ho tamin'ny 9 ora maraina teo ho eo aho no naka ny maraina. Ary ny sary roa farany kosa dia ny tolakandro tamin'ny 2 ora.
Tsindrio HRmaraive
Ny fizarana faharoa kosa dia ny sary filaharana sy fandrombahana ny tee-shirt teny Mahamasina ihany.
Tsindrio teeshirt
Ny fizarana fahatelo indray dia ny sary ny tolakandro tokony ho tamin'ny roa ora latsaka kely fotsiny. Mbola teny Mahamasina ihany. Ireto aloha raki-tsary maneho ny ankapobeny na tazan-davitra.
Tsindrio timtp
Ny fizarana fahaefatra kosa indray dia maneho ny eny amin'ny gradins sy ny tribunes io folakandro io ihany.
Tsindrio timtg
Ny fizarana fahadimy dia ny sarin'ireo teny ambony kianja na ny mpijery na ny mpanankanto.
Tsindrio timtt
Ny fizarana fahaenina sy fahafito ary fahavalo dia mifindra eny Antsonjobe indray isika. Tsy teny Alarobia indray manko ny faradoboky ny TGV fa niverina teny Antsonjobe ihany. HItanareo kosa angamba ny mahasamihafa azy tamin'ny efa nasehoko teto e!
Tsindrio tgva sy tgvm ary tgvf. Dia mazotoa mijery ary eto ihany mamoaka hevitra e! Androany 8 desambra 2007 avokoa ireo sary ireo.

Raha ny fahitako azy aloa dia vitsy noho ny t@ Alaroboa no tonga teny Antsonjobe.
Nampidirin'i Rasammy — 08 Des 2007, 19:10
o ry jentl a,
mba ataovy ngozangoza kosa ny sary sasany ranga fa tsy misy ankafizana azy tsara a :P
t@ firy ny sarin'i TGV?
misaotra betsaka @ sary sy VETO e :)
Nampidirin'i simp — 08 Des 2007, 20:27
toa tsy dia nisy sary firy ny an'i tgv zany sady toa tsy dia nisy kil...tssss...dommage...
Nampidirin'i Heri — 08 Des 2007, 21:15
Misaotra ra jentl a.
Tsy maty antoka ihany izany ny tim raha naka ny mediaconsulting hikarakara io tao Mahamasina io ko.
Azo eritreretina ihany koa anefa ny hoe akaiky mahamasina, ka raha hijery fety ihany dia aleo ao, @ izay tsy olana ny fodiana.
Nampidirin'i Kwasi — 09 Des 2007, 12:00
mankasitraka rajentl amin'ny toe-panahy : ity ny atsy atsimo ka ity koa ny avy atsy avaratra fa dia anjaran'ny tsirairay ny mitsara.
Nampidirin'i Rajiosy — 09 Des 2007, 12:13
mampiaky volana ahy ity resaka fizarana tee-shirt ity.
Tokony hovaina @ manaraka hoe tsy misy fizarazarana izany. Ary ny tena mpanohana akaiky no misalotra ilay tee-shirt
Nampidirin'i maintikely — 09 Des 2007, 13:43
merci jentilisa an!
tena en direct ny VETO e, milay mihitsy.
Fa rehefa vitsy² ny sary dia ataovy ngeza ihany fa tsy hita tsara tokoa nge e!
Nampidirin'i ikalakely — 09 Des 2007, 14:02
Aza fady fa somary niniako natao kely ilay izy sao misy gazety maka ny sariko eo nefa tsy naka alalana tamiko akory. Azonareo atao ny mangataka ny sary tianareo angezaina na Dia izany aza. Manaraka izany indray dia tamin'ny 10 sy sasany ka hatramin'ny 12 latsaka kely fotsiny no nakako ny sary tany amin'ny tgv. Tsy nisy fiovany loatra ny isan'ny niditra tao tamin'izany fotoana izany ka nihevitra aho hoe mety tsy hisy fiovany loatra intsony , kanjo hafa mihitsy rehefa mijery any amin'ny tele viva e!
Nampidirin'i jentilisa — 09 Des 2007, 14:22