Vaovao Eto anTOerana.VETO

17 Des, 2007

Antananarivo : Nahoana no resy ny TIM ?

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 07:39
Tsy hoe mpahay politika aho fa mba lasa saina ihany tamin’ity fifidianana iray teto Antananarivo ity. Noho izany dia hadihady tsotra sy famoahana ny tsikaritra ihany noataoko eto. Hojerena avokoa ny lafiny rehetra nahatonga ity antoko lehibe ity ho resy.


Efa be no no nametraka tamin’ny mpanadihady fa tsy mba fanaon’Antananarivo loatra izany mifidy ny antoko eo amin’ny fitondrana izany ka mbola hifidy ny Ben’ny tanàna avy amin’io antoko io ihany. Noho izany dia karazana singa naningana ihany ny nahalany an’Atoa Patrick Ramiaramanana ho Ben’ny tanàna. Ny matetika moa ny iantefan’ny safidin’Antananarivo dia na any amin’ny mpanohitra na any amin’ireo antoko miaradia amin’ny antokon’ny mpitondra fa tsy amin’ny antokon’ny filoha. Tsy dia ivaramparana lava loatra angaha ny amin’iny.


Manaraka izany indray dia noho ny fihetsika nataon’ny mpitondra ny tanàna ihany. Nanana ny lazany ny nanalana ny takelabin’ny Injet teo Antanimena tamin’ny taona 2003. Ny antony tamin’izany fotoana izany moa dia hoe tsy manara-penitra ilay takelaby fa lehibe loatra. Efa nampisy resabe teto amin’ny tanàna io fanalana takelaby io tamin’izany fotoana izany ary efa nahatonga ny hadrohadron’ny olona hoe eo afovoana takelaby roa misy ny vokatra tiko (hatramin’izao fotoana anoratana izao) no nahatonga io fanalana takelaby io. Kanjo dia mbola niverina indray io fanalana takelaby io nandritra ny enimbolana farany tamin’ity taona ity. Efa tena karazam-pihatsiana mihitsy izany. Fahadisoana lehibe (ataoko hoe fingana ihany koa) io fihetsika efa nahazoana tsikera io efa-taona lasa izay nefa dia naverina indray tao anatin’ny taona anomanana fifidianana ho Ben’ny tanàna indrindra. Hafahafa ihany!


Antananarivo dia mpijery ny tranga tahaka ireny. Halan’Antananarivo ny fanjakazakana sy ny fihoaram-pahefana. Efa niditra tsikelikely tamin’izany fihetsika izany ny sasany (ataoko hoe sasany) ao amin’ny antokoben’ny fitondrana. Mihevitena manko ny sasany fa rehefa ao anatin’ny antoko dia tsimatimanota, ary misy mpiaro hatrany na inona na inona ataony. Mety ho nitarika izany fomba fisainana izany ny nanjo ny Ben’ny tanànan’i Toamasina sy Fianarantsoa izay nandalo ny fonja sy mbola any amponja amin’izao fotoana izao satria tsy ao anatin’ny TIM nefa nisy koa ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga izay TIM kosa voampanga ho nanodikodim-bola nefa dia mialokaloka any ivelan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Manao arofanina mandrakariva i Antananarivo. Misy olona niezaka io miaramiaiina aminy nefa dia “iharan’ny tsy rariny”, olona tratran’ny tsindry hazo lena ataon’ny sasany. Ny TIM ihany noho izany no namolavola ny olona “hanohitra” azy nefa rehefa tonga tokoa ny fotoana itsaran’ny vahoaka dia nahazo ny fon’ny olona kokoa noho izy ilay novolavolainy ho “mpifaninana” aminy.


Fahatelo manaraka izany indray dia ny safidy kandidà narotsaka. Tsy tao anatin’ny fanomanana ve fa mety ho olona manam-pahaizana manokana momba ny serasera no hifaninana aminy ka olona votsa vava no narotsaka? Laviko aloha ny fitenenana hoe olona tsy mahavoa (incapable) ilay nirotsaka. Na dia valo volana fotsiny aza no nitantanany an’Antananarivo dia nahavita zavatra betsaka izy. Sarotra aza ny mahita olona hafa nahavita kokoa noho izay vitany teo amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo. Fa ny lesoka teo aminy kosa dia ilay fahaiza-miteny mihitsy raha ny fanombanana azy. Tsy olona tsara amin’ny fanaovana politika izy raha amin’izay lafiny izay nefa mety ho azo navadika io lesoka teo aminy io raha nanana manam-pahaizana hafa momba ny serasera ihany koa ny tao amin’ny antokoben’ny fitondrana.


Raiso ho ohatra ilay tarigetra napetraky ny Pisodia tamin’ny androny. Malama vava be ny mpanohitra azy (izay Ben’ny tanànan’Antananarivo tanora hafa ihany koa). Ny mpanohitra no nametraka ilay eson’anarana PSD ho Pisodia nefa dia noraisiny ho rehareha indray aza ka nahatonga ilay hira nanana ny lazany manao hoe “Pisodia izahay mandra-pahafatinay”. Napetraka ho tarigetran’Antoko amin’izay ny teny manao hoe “Asa fa tsy kabary”. Inona moa ny tiako ahatongavana? Naleo notsorina tamin’ny rehetra fa tsy mahay mandahateny mpandresy lahatra ny kandidà rehefa izay ny momba azy. Navoitra amin’izay fa noho ny fahaizany miasa sy mitarika ny hafa hiasa no nandrotsahana azy ho Ben’ny tanàna fa tsy nijery ny masontsivan’ny fahaiza-mandaha-teny ireo izay nisafidy azy harotsaka amin’io toerana io. Koa raha tamin’izay lesoka izay no niaingan’ny kandidà na dia tamin’ny adihevitra nandrarana azy aza dia ho tsara kokoa ny isan-jato azony fa tsy io isanjato hitan’ny rehetra io. Nampihemotra izay mety ho nifidy azy manko ilay fandrarana azy (tadidio fa mbola latsaky ny atsasamanila ny tsy nifidy na dia nazoto dia nazoto aza ny tanora) tsy hiady hevitra iny.


Fahaefatra indray dia ireo olona ambony nanodidina azy ka nanarona ny mahaizy azy ilay kandidà ary niheveran’ny maro fa saribakoly fotsiny io kandidàn’ny TIM io. Raha tombanana dia toy ny nibaiko ny kandidà mihitsy ireo olona nanodidina azy akaiky ireo. Ny talen’ny fampielezan-kevitra sady mbola filohan’ny antenimeran-doholona moa no nanasonia ilay fialantsiny tamin’ny tsy nahatongavana tany amin’ny adihevitra. Toy ny miampanga sahady ny tsy fitokisana ilay kandidà iny. Ny fahazotoan’ny minisitra mpiahy an’Analamanga, izay minisitry ny raharaham-bahiny indray dia nanana rahalahy nalaza tamin’ny fanodikodinam-bola tamin’ny banky foiben’i Manakara nefa tafandositra tany ivelany io rahalahiny io dia vao maika nanaratsy endrika ilay kandidà notohanany fa tsy nanampy tosika azy velively. Heverin’ny mpijery avy hatrany fa miaro ny rambony tsy ho tapaka fotsiny no tena ataony fa tsy dia ilay fanohanana loatra no nampazoto azy. Ny hafatra tsy nambara am-bava no tonga voalohany tany amin’ny olona fa tsy ny kabariny velively. Ambiny fotsiny ny teny tafahoatra nataony sy nataon’ireo hafa niara-dia taminy toy ny ny Minisitry ny fanatanjahantena izay Ben’ny tanàna teo aloha nilaza fa ho-“ecraser”-na ny mpifaninana aminy, ary dia “ecrasé” tokoa ny kandidà TIM. Toa fanaratsiana ny hafa indray no votoatin-dresaka fa tsy fanohanana ny an’ny tena. Noho izany tsy nanampy ny kandidà mihitsy ny nataon’ireo olona ireo fa nanaratsy azy imason’ny mpifidy aza.


Ary ny fahadimy izay holazaiko eto dia ny ngeza indrindra. Raha ny serasera sy ny fifandraisana no antoka iray lehibe indrindra nahazoan’ny mpifaninana tamin’ny TIM fandresena miezinezina dia ny nifandaka tanteraka tamin’izany kosa ny an’ny antokoben’ny fitondrana. Toy ny tsy misy faharesen-dahatra mihitsy tao amin’ny komity mikarakara ity serasera sy ny fanentanana ity fa tefy manta avokoa no fijery ny zavatra nataony. Ohatra ny teo amin’ny hira. Raha nahaforona hira manentana ny tany amin’ny TGV dia hira efa nisy novana tonony kosa ny an’ny TIM. Ratsy karakara aloha iny lafiny iray iny. Faharoa manarakaraka an’izay noho ny fanilikilihana ny hafa angamba dia tsy noraharahiana mihitsy ny tolotanana nataona mpanentana toa an’i Didier Rakotoarisoa ohatra. Na dia nivonona ho amin’izany aza ny lehilahy dia tsy navela hanao izany. Noho izy efa tany amin’ny Crtim angamba ny tena antony lehibe. Nefa dia tsy maintsy lazaiko ity tranga tao amin’ny Coum tamin’ny alahady heriny ity. 


Matanjaka moa ny fanamafisam-peo nampiasaina ka heno tany amin’ny misy ahy hoe misy fanentanana mandeha izany. Izao anefa no re voalohany, olona mitretrena no miteny fa tsy olona manentana. Gaga tanteraka aho, izany ve no mpanentana noraisina? Mampandositra tanteraka ny zavatra nataony fa tsy manintona velively. Tonga tany an-toerana aho hijery ity mpanentana hafakelin’ny tao amin’ny antokoben’ny fitondrana ity. Nojereko ka toy ny entin’ny fahamamoana no fijery azy ka izay angamba no mahatonga azy hitretrena tahaka io. Tena manohina ny fo ny nihaino azy ka nahalasa ahy hieriteritra hoe tsy tsapan’ireo olon-kafa mpanohana manodidina ve ny ataon-dranamana ity fa maninona raha esorina any io?


Eto ampamaranana dia mba nanintona ny masoko ity hitako tao amin’ny vaovaon’ny rta nandeha alahady ity. Naseho tao manko ilay hoe valopy efa nisy vaton’ny TIM 25 mialoha tao amin’ny birao fandatsaham-bato tao Manakambahiny. Nanana ny lazany moa ity zavatra ity na dia naningana aza teto an-drenivohitra. Tsy manana ny sary aho fa afaka maka izany ao amin’ny rta na izay manana sary hafa misy io tranga io ho anao mpanao gazety raha te-hanamarina ianao (fantatro tsara fa misy mpanao gazety mamaky ity bolongako ity na dia tsy miteny amiko mihitsy aza izy). Dia naboraka tokoa ary ireo bileta tanaty valopy ireo. Indreo tokoa fa nisy bileta TIM tao anatiny fa… tsy biletan’ny TIM ilay izy! Na ny marina kokoa angaha dia tsy ny biletan’ny TIM tamin’ity fifidianana ity ireo hita tao ireo. Mety ho biletan’ny TIM ireo nefa tsy mitovy endrika velively tamin’izay nandrotsahana safidy tamin’ity fifidianana ho Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ity. Hamarino amin’ny sary fa ilay bileta hita tao Manakambahiny dia bileta misy ny loko manga sy maitso ahafantarana ny TIM sy ny sarin’i Madagasikara miloko mavo ranioray sy sarin’ny vokatra vokarin’i Madagasikara eo anilany. Ny bileta napetraka tany amin’ny biraom-pifidianana dia sarin’i Madagasikara maroloko manavaka ny faritra ka misy ny soratra hoe “TIM Tiako i Madagasikara” ary tsy misy ny sarin’ny vokatra teto Madagasikara. Ny tao anaty valopy tany Manakambahiny kosa dia soratra hoe “Tiako i Madagasikara” ihany ny soratra teo fa tsy misy ilay fanafohezana TIM. Mampieritreritra ahy koa io tranga iray io ka manahy aho fa nisy “sabotazy” tany ananonanona tany.


Hevitra

  1. mbola tsy nahita izay lahatsoratra an-gazety aho nanoratra ity bolongana ity

    Nampidirin'i jentilisa — 17 Des 2007, 07:50

  2. Ity koa misy zavatra iray tsy tsinjon'ny mpitondra araka ny fahitako azy. Manana lanja lehibe eo amin'ny politika an-drenivohitra ny haino aman-jery, kanefa tsy ampy ny fananana orinasan-tserasera fa mila kalitaony ihany koa ireny, ary kalitao amin'ny votoatiny indrindra indrindra. Fony vao nisokatra ny MBS dia nahafinaritra an'Iarivo ny nanaraka azy. Toa tao no nahitana ny vaovao tsy nodisoina. Vao lasan'ny TIM ihany koa ny TVM dia maro no mpanaraka an'ireo tele ireo. Ankehitriny anefa dia monamonaina amin'ny vaovaon'ireo tele ireo ny mponin'Iarivo satria lasa mitovy @ vaovaon'ny TVM fony andron-dRatsiraka sisa: fitantarana ny dian'ny filoha, resaba momba ny map, ... Ny vahoaka liam-baovao dia any @ TV Plus izao no mitady vaovao marim-pototra, ary tena miezaka ny ho objectif mihitsy io tele iray io taorian'ny nandaozan-dRatsiraka an'Antananarivo, tamin'ny 2002. Porofon'izany ny dokam-barotra ao anaty vaovao izay tsy mitsaha-mitombo. Ny fananana MBS izany dia tsy ianteheran'ny olona hijerena vaovao fa atao fialam-boly fotsiny (fandaharana Randrana, Infosport, fedelamoro, ...). Ny atoroko ny mpitondra dia tokony tsy atao an'ilay style sovietika be ny fampahalalam-baovao an'ny MBS sy TVM/RNM fa tokony hapetraka ny objectivité. Rehefa miharihary be fa voasivana ny vaovao any dia hiezaka hitady vaovao tsy voasivana indray ny olona.

    Nampidirin'i DotMG — 17 Des 2007, 10:52

  3. ny nahavariana dia hoe efa natokana iretsy valopy nisy bileta tao anatiny. Izany hoe efa nisy mpikarakara izany nahatsikaritra hoe misy tsy fetezan-javatra tao ary naka ny fepetra hoe atokana ireo valopy ireo mba tsy hifangaro amin'ny hafa intsony ary indrindra mba hitohizan'ny fifidianana ara-dalàna.
    Adisoana ny nametraka ireo teo ambony latabatra niseho teo, dia avy eo nasitrika. Io fihetsika io no nanjary niampangàna nefa efa hita fa fisorohana ny tsy mety ny efa nanatokanana ireo valopy ireo.
    Ka dia tratran'ny mpanatavy resaka ilay fihetsika dia iny nivadika hoe fangalaram-bato iny nefa tsy fantatra mazava akory na ny tompon'ny bileta no nanao ireo hetsika ireo na ny mpanohitra ny kandida tompon'ny bileta.

    Nampidirin'i zety — 17 Des 2007, 13:59

  4. Farafaharatsiny mba nafohezina ireny fandaharana nataony lavabe anaty vaovao ireny fa manao vaovao manokana amin'ny alimbe fotsiny izy raha tsapany fa tena tadiavin'ny olona iny lohahevitra iny.

    Io moa araka ny tonian'ny famoaham-baovao ihany!

    Nampidirin'i jentilisa — 17 Des 2007, 15:36

  5. Asa koa hoa ry zalahy ireny raha misy manao sondage aloha sy mandritra ny fampielezan-kevitra e

    Nampidirin'i lap — 17 Des 2007, 17:27

  6. ny tsy voalazanareo kanefa manana ny lanjany koa dia i Andry TGV mihitsy no hoe sady tsalokely bôgosy fotsifotsy be sori-bilana no sady manja ny vadiny izay naderadera rahateo.

    dia eo koa ny hoe efa niomana ranamana tamin'ny nividianany an'i TV Ravinala lasa Viva izay fitaovana mahery vaika...

    dia eo koa hoe sady tanora no bôgosy no manana no... be detanty no nahay nampanantena lanitra vaovao sy tany vaovao tahaka an'i... Ravalomanana tamin'ny 1999 sy 2002.

    Ka hoy aho hoe mbola tsy lasa i Radama III dia efa ity i Radama IV :-)))) adray marina !

    kanefa aloha dia mifalia fa hiravona avokoa ny fahasahiranana rehetra rehefa tonga ny mesia. Hoy mantsy ny hira katôlika hoe "mesia sy mpamonjy tongava faingana aminay", tonga amin'ny TGV io an !!! dia hoy koa ny hira fjkm hoe "faingana ry mpanjaka handray ny lovanao, faingana re mba haka ny tany ho anao" i Radama IV indray io :-)))

    sangisangy zary tenany, aza tezitra ianao fa somonga ny ahy eeee

    Nampidirin'i Rajiosy — 17 Des 2007, 19:18

  7. Ary nanao signe de mains iray izay foana Andry TGV mivady nandritra ny fampielezankevitra.Fa inona marina ary moa no tena dikan'iny hoy aho mba mitazana.Izay aho vao nijery tamin'ny langue des gestes sy langue des signes moana marenina fa V iny: Victoire ve izany!

    Nampidirin'i agoago — 18 Des 2007, 14:09

  8. Amin'ny tanana havia!

    Nampidirin'i jentilisa — 18 Des 2007, 16:51

  9. Tena io voalazan'i Rajiosy io mihitsy no nahalàny ity candidat iray ity, môlamôla sy taratara taminy daholo ny sipa kely ary ny bandy moa dia tara tamin'i Mialy daholo koa

    Nampidirin'i marie — 19 Des 2007, 07:53

  10. Resy ny TIM satria niova famindra Iarivo.
    Resy ny TIM satria nahita lamasinina vaovao Iarivo.
    Resy ny TIM satria.... Resy.

    Nampidirin'i Tsikisariaka — 19 Des 2007, 12:13

  11. Hay marina hoy i Marie,

    Resy ny TIM satria bôgôsy i TGV dia nifidy azy daholo ny sipakely rehetra, ny sasany aza nihazakazaka nanao CIN ary niady fo nampiditra ny anarany ho ao ami'ny lisi-pifidianana e e e e

    Nampidirin'i Tsikisariaka — 19 Des 2007, 13:16

  12. Fatra-pirehareha loatra kosa ny Tim tao ho ao ka mila fanetre-tena goavana avy aminy. Vitany ve nefa izany?

    Mariho fa eny an-dalana dia mbola betsaka ny miakanjo Ravalomanana (toa lasa lamaody indray ve?) sy Rafalimanana... ary tsy mba akanjo maloto no anaovan'izy ireo fa hajaina tsara mihitsy! Midika inona moa izany raha ny fiheveranareo azy?

    Nampidirin'i jentilisa — 19 Des 2007, 16:20

  13. mamaly ny fanontaniana napetrak'i Jentilisa : - fahalalahana aloha no voalohany ; tsisy harakaraka na tsy lany aza ny kandida tim. - tsy ny Fanjakana no tsy ekena na tsy ankatoavina, fa ao amin'io antoko tim io no misy tsy mazava ka tsy zakan'ny olona. - mifanojo amin'ny hetahetam-bahoaka ny Fanjakana tarihin-dRavalomanana ; ekeny ihany koa ny fitantanana nataon'i Rafalimanana. Fa saingy io antoko tim io mihitsy no misy rahoraho.

    Nampidirin'i M. — 19 Des 2007, 16:37

  14. ié, io antoko io mihitsy no manana olana sy manimba olona e !

    Nampidirin'i Tsiks — 26 Des 2007, 15:06

Powered by LifeType