Vaovao Eto anTOerana.VETO

21 Des, 2007

Ra8: Hay ve dia efa tsy te-hahalala!

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 11:16

Iza no tsy ho taitra tamin'izany fomba fitenin-dRavalomanana izany? Toa tsy raharahany akory fa tena hafa dia hafa ny fandraisan'ny mponina io fiteniny io raha mazava tsara ny fanontaniana hoe moa ve tsy midika fampitandremana ny latsabato nataon'Antananarivo farany teo. Mba mihainoa tsara Atoa filoha ary mba mahaiza mamaly fa ho afo eo anoloanao ireo nifidy anao tamin'ny androny ireo. Tsy manana fomba hampitana hafatra taminao manko ny vahoaka raha tsy tamin'ny alalan'ny fifidianana nefa dia "mbola tsy raharahanao ihany"?

Tsy adala akory ny Ntaolo raha efa nanana fomba fiteny hoe "ny vava tsy ambina no ahitandoza" ary aza manilaka fa ny mpanao gazety indray no diso fampita resaka tamin'ny tafa nataon'izy ireo taminao. Ambava homana, ampo mieritra, tompoko. (Toa ho vetivety ihany dia ho tafala ianao raha izao fomba fiteninao izao! mba sanatriavina anie)


Hevitra

  1. Aleo izy ranga ho any fa ny mahasoa anareo jerena sady samy voadakan'ny omby hianiany anie é. sady ny fitsikerana koa anie mety manova zavatraé

    Nampidirin'i docum — 21 Des 2007, 13:12

  2. Mahery sy sahy aloha raha i Jentilisa amin'ny resaka am-pamoaka sy ny kiana toy izao e !

    Misy vaovao hafa nolazain'ny TELONOHOREFY koa tato ho ato, asa raha mba hitanareo. Izaho koa notantaraina ka tsy afa-mitompo teny fantatra e ! (resa-pianakavina hono!!! nefa hitan'ny gazety e e e)

    Nampidirin'i Tsikisariaka — 21 Des 2007, 13:35

  3. tsaroana foana ny tenin'ny Ntaolo hoe aleo halan'andriana toa izay halam-bahoaka !

    Nampidirin'i ikalamako — 21 Des 2007, 14:50

  4. Tokony manao dementi, manazava ny tena tiany ho lazaina izao ny mpitondra tenin'ny fiadidiana ny presidence @ zao.

    Izany no fomba sy fahendrena hoy aho. @ zao io tsy dia manin fa rehefa mitambatra ao ny lamba sy ankajo d mety hifafatra @ lery ihany @ propagandy manaraka :)

    Nampidirin'i simp — 21 Des 2007, 15:08

  5. ny nambarany tamin'io fotoana io dia hoe tsy izay mahafinaritra ny vahoaka no atao fa izay mahasoa azy. Izao no olana:

    ny hitan'ny olona toa manjakazaka no anaovany fampitandremana. Fitiavana ataon'Antananarivo tsy misy tahaka izany nefa dia toa tsinontsinoavina.

    Matoa misy ny fifidianana na inona na inona natao dia manana izay heveriny fa mahasoa ny mpitondra ihany koa ny vahoaka.

    Io izany no olana amin'ny mpitondra ankehitriny. Heveriny ho toy ny zaza hatrany ny vahoaka ka izy indray no mandidy amin'izay hahasoa ny "ankizy" (vahoaka). Izay izany no nahatsara ny hevitry ny jeneraly Ramakavelo Desiré Philippe manao hoe "mpitondra ray aman-dreny, vahoaka ray aman-dreny". Asa raha tadidinareo ny nanoratako io teny io, efa elaela izay.

    Nampidirin'i jentilisa — 21 Des 2007, 16:09

  6. ary tô nivadika njay jentilisa? t@ fampelezan-kevitsa manko toi tô tena tsy nino mintsy we mavita zava-masosotra ra8?
    tsetsatsetsa fotsiny ny ahy iny an! njao tezitsa eo

    Nampidirin'i pitchou — 21 Des 2007, 21:07

  7. Miha mahita tsara ny ezaka ataon'i jentilisa aho eto. Efa nanazava ihany izy tetsy sy teroa.

    Tys mivadika izany izy raha ny fijeriko azy fa mandefa nyzavamisy. Zo-ny koa anefa ny nijoro tamin'ny hevitra nitokisany tamin'ny fifidianana Maire teo.

    Koa dia hindrana ilay propagandy aho:

    TOHIZO NY ASA RA-J O!

    Misaotra

    Nampidirin'i Rolls — 22 Des 2007, 06:19

  8. Pitchou> ao anatin'ny tantaram-pitiavana ihany koa misy fibedesana rehefa misy zavatra tsy mety ataon'ny olona tianao fa raha tsy izany dia hibolila amin'izay alehany izy. Izany ve no atao hoe mivadika?

    Amin'ny olona henjana sahala amin'ny filoha dia mila fihenjanana ihany koa fa raha tsy izany dia mivaona izy.

    Ny hitako izao dia ny vadiny no tokony hiteny ampahibemaso handambolambo satria ny fianakaviany ihany anie no ifoteran'izay mety ho tsy fetezan-javatra eo e!

    Nampidirin'i jentilisa — 22 Des 2007, 08:31

  9. Mba tokony hahalala menatra Ra8 fa tsy ny mpanao gazety no tondroina molotra lava amin'izay tsy fahafehezana "vava".

    http://tomavana.wordpress.com/2007/07/19/ny-teny-toy-ny-atody-raha-foy-manana-elatra/

    Tsarovy ilay resaka nifanaovany tamin'ny Loholona teny Iavoloha tamin'ny Jolay 2007.

    Nampidirin'i tomavana — 22 Des 2007, 14:47

  10. Izay mamaky ny lahatsoratry Vanf androany sabotsy dia hahatsikaritra fa nifandaka tanteraka ny hevitray mirahalahy.

    Izy any amin'ny hevitra sy ny demokrasia no mifantoka moa izaho idray amin'ny fomba fiteny no tena nanafintohina ahy. Ny olona tokoa tsinona dia araka izay tokoa.

    Nampidirin'i jentilisa — 22 Des 2007, 15:51

  11. koa dia injao mibarareoka mamalan-kira miaraka amin-dRaVanf ny tenanay sady homehy valaka ihany : "tsy izay mahafinaritra ny vahoaka no atao fa izay mahasoa azy". Anjaran'izay mety ho mpitondra, na ray-aman-dreny ao an-tokantrano, na mpanabe ao an-tsekoly, na mpitondra fivavahana na mpitondra orinasa na fanjakana indrindra indrindra, no mihevitra tahaka izany. Adidin'i TGV vao nandray andraikaitra no misaina tahaka izany.

    Ny soa ho an-jaza mihanta no hikapohana azy. Hahalehibe azy. Mandrapahazoany ny anatra anefa aloha mety efa azon'ny mawashi eny ambava-fo ianao e :-)))

    Ny hanongoana ny maty tsy tiana ny handevim-belona. Sa ahoana Rajentl ?

    Nampidirin'i Rajiosy — 22 Des 2007, 18:10

  12. Tsy dia fantatro loatra izay tena notenenin'ny filoha tamin'io fa ny fantatro dia tsy izay rehetra hahafaly ny vahoaka no atao. Moa va tsy ianao ihany Ra-Jentilisa no nilaza hoe raha nandeha teny Ambodin'Isotry i Rafalimanana dia nisy Ramatoa nilaza hoe aza mifidy an'io fa tsy mamela antsika hivarotra eny amoron-dalana io (aza tsiny fa tsy ny tena nolazainao no aveirko eto fa ny hevitra ihany). Koa raha io izany no tsy maintsy hotanterahana satria mahafaly ny mpivarotra amoron-dalana dia ahoana? Avela hanao izay tiany atao izany ny olona? Tsy izany ve no atao hoe "anarchie"? Dia aiza no fetra?

    Nampidirin'i Su — 22 Des 2007, 22:20

  13. Ny tiako ahatongavana dia izao. Tsapan'ny filoha ve fa manana ny heviny ihany koa ny vahoaka? Toa tamim-pahatezerana manko no namaliany azy no sady tsy resaka fandaminana tanàna no nanontaniana azy fa resaka fifidianana farany teo.

    Izany hoe ny nandrasan'ny mpifidy taminy dia ilay fahatsapan-tenan'ny filoha tsy hirehareha loatra, na hanjakazaka loatra. Izaho koa manko manana ny hevitra manao hoe "ny vahoaka ny azy ny tiany tsy ilay efa manao zavatra fa ilay mbola vaovao mbola mampanantena zavatra, Antananarivo io".

    Manana ny tombony ny demokrasia ary manana ny kilemany toy ny rafitra rehetra ihany nefa tsy tokony ho ny mpifidy manontolo ny valiana boraingina fa ny ampaham-pifidy mety hanantena gaboraraka eto amin'ny tanàna.

    Nampidirin'i jentilisa — 24 Des 2007, 08:08

  14. Namalan-kira i VANF tamin'ny Sabotsy fa azo raisina ihany izay nolazainy satria somary nanazava nanadio izay izy.

    Izao anefa, ny azoko marihina hatramin'ny 2002 dia mafy loatra ny fomba fitenin'Ingahy Filoha. Ny voambolana tena hainy rahateo moa dia ny TSY MAINTSY. Ka tsy maintsy hanaiky izay lazainy ve ny olona ?

    Ny hoe Ramatoa vadiny no tokony hiteny ampahibemaso mba ho fitandremana ny ankohonany. Efa nahazo tamin-dRangahy io teo imasom-bahoaka koa anie Ramatoa e ! sinasina menatr'olona niala mora tsy afa-namaly, TSY MAHAZO MAMALY mantsy e !

    Marina fa hevi-bahoaka ny fifidianana fa dia ny TSY TE-HAHALALA no efa masaka an-tsain'Ingahy. Araka izany dia feo sy hevitra mivantana no mety hahatsara ny filazana aminy izay tokony tenenina fa tsy mihodina amin'ny zavatra hafa, fifidianana, peta-drindrina. Fantany tsara ilay izy fa tsy te-hahalala izy. Ny mpanolon-tsaina aza moa miteny foana, izy mihaino fa ny ataony ihany no ataony f'izay no fantany fa mety. Raha tena feom-bahoaka mivantana sy mitambatra angamba ho hafa kokoa ny fipetrany saingy AMIN'NY FOMBA AHOANA ?

    Nampidirin'i Tsiks — 26 Des 2007, 08:25

  15. ilay filoha mahery fiteny aloha dia efa tandra vadin-koditra e. ka rehefa tsy mahatanty ny vahoaka amin'iny dia inona moa fa tsy manao tanala very sampy, ny manova no mety. saingy tokony homanina sy hiomana mialoha izay hasolo fa tsy olona tsimpontsimponina mitsikitsiky eny amoron-dàlana fotsiny. raha toa moa ka tsy mahavoa izay hasolo dia mbola azo averina foana ingahy rainy. izay no nitranga tany Thaïlande farany teo : lany indray ny antokon'ingahy Thaksin Sinawatra izay novingavingaina enim-bolana lasa izay satria na dia mahalala fomba aza ny mpanongana dia tsy ni-tira t@ lafiny ara-toekarena. ka handroso ho faty sa hihemotra ho dorana ? tsy tokony ho voan'ny "battu moral" @ izany isika mianakavy fa lalam-piainana tsotra io.

    Nampidirin'i Rajiosy — 26 Des 2007, 13:57

  16. N'inon'inona hitranga, matoky tena be ilay Rangahy ko !

    Nampidirin'i Tsikisariaka — 28 Des 2007, 13:43

  17. ohatra ny latsaka avy any @ afobé teo @ toerana io

    Nampidirin'i merikasinina — 30 Des 2007, 00:56

  18. zahay aloo ry zareo d mijery sy mihaino fotsiny hatreto no vita. satri tsy mahalala ze zavamisy marina any dago any. otran ny nahita a teriy aloo oe. "tsy iara-iasa @ tsy tim ny fanjakana, d ny tgv koo tsy mraraa" (miala tsiny ra diso fandray).
    @ saina tsy miangatra, ny zavatra otrzany alo TSIZY sady tsy "posibla" ra resaka fampandrosoana no diniina.
    hatreto mbola fampisehoana anle fisainan'ol voazanaka iany no bobaka(kolonizE). fa maninn ra mba le fisainana gasy @zay no atao e."Adin ombalahin ny piralaa....."
    jereo ny any ivelany, na resy @ fifidianana ary tsy miady zany (na miady fa par si...any @ sisiny any). NY TANINDRAZANA ny toekarena no zava-debe. fa tsy ze hambo-ponze tsy lany.
    Ny tiko lazaina d ty. mbola le fisainana panjanatany tsy ti tanin-drazana iany no betsaka atreto: ti valifaty, te itsetsitra foana, t anjakazaka.
    Aiza le fisainana malagasy dradradraina any ivelany oe " firaisan-kina, fihavanana, ...fi....

    mbola tsy azon ny gasy panao politika (pitondra/panoiitra) mitsy atreto ny tena dikanle "TANINDRAZANA/FAHAFAHANA/......." d le farany mo ovaina @ze itiavana azy.
    mazava oazy ra tsy azony ny lanjany sy ny hasiny.

    za kloony sady kamo no dondrona fa ny faitako azy a, ra T afantatra oe ol maay ze mitondra eo(ts diploma a!), d tsotra fotsiny. jereo izy ra "maka ny toeran ny pjery alooan ny anaovany zavatra (oh:asa fampandrosoana)".

    zay loo sao d lava loatra...

    (hihihi..mbo afaka nteny iany..hihi... mety v lty...? /sssss ela v adalae! mbola misy maeno nge tsikaselaa @zao e...../ A???)

    Nampidirin'i iBado — 03 Jan 2008, 00:20

  19. zahay aloo ry zareo d mijery sy mihaino fotsiny hatreto no vita. satri tsy mahalala ze zavamisy marina any dago any. otran ny nahita a teriy aloo oe. "tsy iara-iasa @ tsy tim ny fanjakana, d ny tgv koo tsy mraraa" (miala tsiny ra diso fandray).
    @ saina tsy miangatra, ny zavatra otrzany alo TSIZY sady tsy "posibla" ra resaka fampandrosoana no diniina.
    hatreto mbola fampisehoana anle fisainan'ol voazanaka iany no bobaka(kolonizE). fa maninn ra mba le fisainana gasy @zay no atao e."Adin ombalahin ny piralaa....."
    jereo ny any ivelany, na resy @ fifidianana ary tsy miady zany (na miady fa par si...any @ sisiny any). NY TANINDRAZANA ny toekarena no zava-debe. fa tsy ze hambo-ponze tsy lany.
    Ny tiko lazaina d ty. mbola le fisainana panjanatany tsy ti tanin-drazana iany no betsaka atreto: ti valifaty, te itsetsitra foana, t anjakazaka.
    Aiza le fisainana malagasy dradradraina any ivelany oe " firaisan-kina, fihavanana, ...fi....

    mbola tsy azon ny gasy panao politika (pitondra/panoiitra) mitsy atreto ny tena dikanle "TANINDRAZANA/FAHAFAHANA/......." d le farany mo ovaina @ze itiavana azy.
    mazava oazy ra tsy azony ny lanjany sy ny hasiny.

    za kloony sady kamo no dondrona fa ny faitako azy a, ra T afantatra oe ol maay ze mitondra eo(ts diploma a!), d tsotra fotsiny. jereo izy ra "maka ny toeran ny pjery alooan ny anaovany zavatra (oh:asa fampandrosoana)".

    zay loo sao d lava loatra...

    (hihihi..mbo afaka nteny iany..hihi... mety v lty...? /sssss ela v adalae! mbola misy maeno nge tsikaselaa @zao e...../ A???)

    Nampidirin'i iBado — 03 Jan 2008, 00:20

  20. Tsara ihany manaraka akiky ny fandehan-javatra toy izany e ! Dia jerijereo foana itony blaogy manome vaovao masaka itony, sa tsy izay ry Jentl a !

    Nampidirin'i Tsiks — 03 Jan 2008, 15:24

  21. Misaotra amin'ny doka aloha e!

    Nampidirin'i jentilisa — 03 Jan 2008, 17:08

Powered by LifeType