Veloma hatreo ny delestazy dia velona tokoa ny delestazy
Edrey izany kabarin'ny filoha Ravalomanana tamin'ity faran'ny herinandro ity. "Veloma hatreo ny delestazy" hoy ny teniny tamin'ny fanokanana ny gropy (velomina amin'ity solika efa mihalafo ity) izay ahafahana manome herinaratra 42 megawatts araka ny fitadidiako azy. Sendra izay andro ratsy anefa ity gropy ity fa dia noporofoin'ity andro ratsy mandalo ity fa tsy foana velively ny fahatapahanjiro fa tena "velona" tokoa.
Tapatapaka ny jiro eto Antananarivo amin'izao fotoana izao, na aiza io na aiza. Ny manodidina aloha dia mihafy amin'ny fahatapahana maharitra. Ny mahavariana ary izay no ampitahako aminy dia nototosaina soa aman-tsara ny lalao iraisam-pirenena nihaonan'ny AS Adema sy ny Young African androany ary teo Mahamasina izany. Tsy orambe akory no eto andrenivohitra fa erikerika miverimberina sy rivotra somary mafimafy...
Tena efa antitra tokoa angamba ny fitaovana sa inona indray re no mety ho fialantsiny manaraka e?

Toa miaran'Antananarivo avy any Avaratra ny rivomahery Ivan vao hivoaka aty Morondava ;) Mba tsy maty vonoina koa ra-Jentl izany delestazy-nareo izany !
Nampidirin'i tomavana — 17 Feb 2008, 21:55
jamais dire jamais ;-)
Nampidirin'i simp — 17 Feb 2008, 22:19
Marina ilay fiasan'ny voambolana Ra-Jentl a ! Veloma dia velona tokoa, sa velona ihany ôô.
Dia aoka kosa avahana ny delestazy noho ny tsy fahampian'ny herinaratra ka ifandimbiasan'ny isam-paritra ny fahazoana jiro sy ny hoe fahatapahana noho ny andro ratsy e ! Na dia gropy mpiandry raharaha azy ireny dia asa-tanan'olombelona ka tsy ahatohitra ny loza voajanahary !
Nampidirin'i Tsikisariaka — 18 Feb 2008, 09:45
Fomba firesaka niniako natao mihitsy io satria amin'izao fotoana izao dia misy ny faritra tsy mirehitra jiro na tsy nirehitra jiro nandritra ny tontolo maraina teto Antananarivo, hay ka nisy fahasimbana hoe ny barazin'Andekaleka. Loza...
Nampidirin'i jentilisa — 18 Feb 2008, 14:48
za zao dia tsy afaka miblaogy mht fa delesté tsary mht e!
tsy mba misy olombaventy ko ety @nay ety! ka dia izao no halehany!
Nampidirin'i news2dago — 19 Feb 2008, 12:23
Raha navaozina daholo aza ny centrales ngeza ( centrales hydrauliques lany daty, tsy voakarakara ) rehetra mamokatra herinaratra, enin-taona lasa izay, raha mbola tsy misy hezaka manala ny vokatrin'ny olana, mikasika ny antony fisian'ny fako, tapak'hazo, fotaka, manentsina ny lalandrano sy mapihena ny tobondrano, maniba ny masinina, toy ny ao Andekaleka ,dia hisy foana ny delesitazy na tsy fisian'ny herinaratra sy rano fisotro intsony . Ny fikolonkoloina ny tontolo iainana no tiako ambara akoatrany fitakiana ny anjaran'ny tsirairay aminy jiro sy rano laniny. Mety nahavonjy ny cetrale ao Mandoseza ( tetika efa taminy 2006) kenefa nosimban'i Fame ary izao indray i Ivan izay nampitombo ny olana ao Ilakalaka. Kitana
Nampidirin'i Kitana — 19 Feb 2008, 16:47