Dimanjato ariary: Fa inona ny olana?
Loharanombaovao iray no nandrenesana fa telo volana izay ny Banky Foiben'i Madagasikara no tsy namoaka vola dimanjato ariary intsony. Na dia hoe faraparany aza voa nampiasaina izy dia hita ihany ny ilaàna azy amin'ny fifanakalozana sy ny varotra. Ao amin'ny fiangonana falehako matetika dia misy olona mpanolotena manakalo vola ratsy avy amin'ny olona soloina vaovao hahatsara endrika ny vola atao rakitra angaha fa tsy nahita dimanjato ariary teo ihany koa aho. Lasa ho azy ny saina eo anatrehan'io toe-javatra io. Izany hoe azo heverina fa ho ratsy endrika avokoa ny ravimbola dimanjato ariary afaka kelikely monja noho ny tsy fahaizan-dRamalagasy mikojakoja vola.
Ny ahiahy dia miantefa tamin'ny nanovana ny franc ho ariary. Mody narona tany amin'ny hoe anaram-bola malagasy ny sain'ny olona, hay izy ity hihena be dia be ny sandam-bola.Ilay sanda tamin'ny franc taloha iny no toy ny soloina ariary fotsiny eny amin'ny farany dia mitovy anie izany e! Izao indray manahy aho fandrao mampiakatra ankolaka ny vidin-javatra ity toe-javatra ity. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ny jirama sisa no mampiasa na manaiky ny ariary sy ariary roa ary ny ariary dimy fa ny ankamaroan'ny mpivaotra enta-madinika saiky mandà azy avokoa. Mbola miasa soa amna-tsara anefa izy ireny.

tsy ny gay ihany no voa fa izahay koa taty tratran'ny euro :-))
Nampidirin'i Rajiosy — 19 Mey 2008, 23:44
oadray ! tsy ny gay (araka ilay tatitra talohan'ity :-) fa ny gaSy !!!
Nampidirin'i Rajiosy — 19 Mey 2008, 23:45
marina mihitsy re izany ry jentilisa.
Ohatran'ilay "franc" fotsiny no nosoloina hoe "ariary" raha ny vidin-javatra taorianan'ny inflation no jerena.
Nampidirin'i lehilahytsyresy — 19 Mey 2008, 23:53
an3 ka, mety deflationiste ny fanahenana ny masse monetaire ngambany... zany hoe ny 500fotsiny no tsy avoakan'zala ka mety ho hampiakatra ny vidim-piainana araka ny teninao ilay izy, a moyen terme...
Ariary vs Fmg, rano raraka iny eee... tsy ilay fiovana no niteraka olana fa zavatra hafa mintsy... lasa omba ny lasa ozy, sa ahoana? :)
Nampidirin'i simp — 20 Mey 2008, 02:05
raha ny tokony ho izy rehefa kely ny vola eo amin'ny tsena dia mihena ny vidin-javatra satria vitsy ny mpividy...raha be loatra kosa anefa ny vola eo amin'ny tsena dia miakatra ny vidin-javatra satria be ny mpividy...mifanaraka amin'izay koa rehefa vitsy ny entana dia miakatra ny vidiny, ary rehefa mitobaka izy dia midina...
Madagasikara dia miankina amin'ny PETROLE... tadidiko fa "crise pétrolière" indroa nisesy no anisany nanimba zavatra tamin'ny fitondrana teo aloha...raha misy fisondrotam-piainana ato ho ato dia mety ny PETROLE no antony fa tsy ny fivoahan'ny 500
Nampidirin'i finoanaranoray — 21 Mey 2008, 13:13
Efa fiteny hatramin'izany ny ARIARY - hevitro manokana: ankasitrahako manokana iny fanafoanana ny FMG iny ... fanagasiana iny (nampihena ny fijalian'ny teny gasy)... tsy haiko na efa niova koa ny anaranantsamirery sasany izay misy karazan'ny maro, izay tokony atao tokana ohatran'ny ARIARY:
Diego Suarez sa Antsiranana?
Taolagnaro sa Fort Dauphin?
Toamasina sa Tamatavy?
Antananarivo sa Tana?
...
Nampidirin'i finoanaranoray — 21 Mey 2008, 13:25