Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Jolay 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

Aoka aloha, aoka aloha...toa mampivadika ati-doha

2008-09-30 @ 22:58 in Kolontsaina

Aoka aloha! karatra mena omena izay mitady hikiry hahazo fahafinaretana safononoka...(safononoka hono! hehehe!) amin'ny fotoana tsy mampazoto ny iray sa aloha loatra ny fotoana? Aoka aloha! Fiteny tian'ny mpanentana amin'ny ady amin'ny SIDA hataon'ny tanora amin'ny namany raha misy ny fandrisihana hiroboka sahady amin'ny fihirahirana ilay hiran'i Mahaleo manao hoe "Veloma ry fahazazana" Ka miarahaba ny hatanorana...atao daholo na ny fifohana na ny fisotroana na ny FIJANGAJANGANA. Sao voambolana diso toerana amin'ny hira aloha io hoe mijanganjanga io? Nefa matoa ny mpanoratra nametraka azy dia ao raha...

Adihevitra vao mafana tany ampiasana mihitsy manko izany hoe tsy misy intsony izany vehivavy miditra amin'ny fanambadiana mbola virijiny izany. Raha 14 taona (lalàna taloha izany babako!) no misy zazavavy akarina tokantrano no mety ahitana isanjato kelikely ihany izany hoe vehivavy virijiny no hiditra tokantrano... Fijerin'ny tambonivohitra izany fa asa manao ahoana tokoa re ny any ambanivohitra?

Fa aiza ihany ary no tena tian'ny mpanoratra holazaina amin'ny lohateny fa tsy azoko mihitsy? Raha natao ary mbola atao dokambarotra mafotaka aoka izany ny famiasana fimailo sy ny fandrindram-piterahana dia manaraka tsimoramora eny ihany ilay karatra mena misy soratra hoe "aoka aloha!". Indraindray aho mihomehy mahita ilay soratra amin'ny karatra mena ka tsy naharitra intsony aho fa nosoratako ihany androany ny antony. Lasa tsy fidiny ny vavako tany amin'ny "bord" Mahajanga indray alina nanao hoe: "f'angaha tsy misy aoka aoriana?". Notampenako haingana fa miteniteny foana... nefa sao mifono hevitra filozofika?

Ekeko tokoa fa ny hevitra tiana ampitaina amin'ny karatra mena dia hoe tsy izao no fotoana saingy raha azo atao naninona raha ialana mihitsy ny hevitra mety mivilana? Mahazo karatra mena amin'ny aloha ve fa mahazo ny karatra maitson'ny beantitra aoriana. Dia manome sosokevitra ihany aho na izany aza toy ny hoe "aoka mihitsy!" na ny hoe "Aoka izay!" ho fanapahana ny resaka mandrobo ataon'ny anankiray. Sa dia lasa lavitra loatra mihitsy izany hevitra izany? Tsy manao hatsikana tandrefana aho an!

Hevitra

[Valio]

zah koa ry jentl indray andro niteny irery hoe tsy tokony hoe "aoka itsy" ve no tokony ho izy fa tsy aoka aloha izany ? Mbola manome fanantenana ny mpanontany manko izany hoe rahampitso na afaka herinandro mety ho "eny" fa izao aloha non. Asa anefa.

Ahoana hoy ny Jeneraly raha teo izy niady hevitra taminareo tao am-piasana ? "18 taona ny ankizy taloha dia maotina avokoa, ankehitriny iray sisa virjiny"...

Nampidirin'i ikalamako @ 23:12, 2008-09-30

[Valio]

ka tsy maintsy ho tody any ihany tsinona, sa ?

Nampidirin'i Rajiosy @ 23:17, 2008-09-30

[Valio]

ny resaka no tapahina aloha rehefa mitady aspirine e!

Nampidirin'i jentilisa @ 23:41, 2008-09-30

Ok [Valio]

Iny nd1 no ts nampoiziko :-). Hoy ny gasy hoe : tsinjovy iany hono ny "aorian'ny" andro ho merika ;-).

Nampidirin'i Tokinao @ 23:57, 2008-09-30

[Valio]

zany hoe mety mbola misimisy ihany ny virja aoriana miditra tokatrano izany dia ilay aloha no anetanana ny maro hoe aoka aloha eee :)

mety efa kobon'ny ntaolo ngamba izany hoe any aoriana any mety ho otr'zao :-P

Nampidirin'i simp @ 00:57, 2008-10-01

[Valio]

:-D :-D

Nampidirin'i ikalamako @ 13:05, 2008-10-01

[Valio]

Ilay “aloha” dia midika hoe mbola hisy ny aoriana ! Ary io aoriana io dia ataoko fa midika fahamalinana, hoe diniho aloha, mila fanapaha-kevitra matotra io. Ary raha manan-tsaina izy dia tonga dia fantany hoe natao ho an’ilay ho vadiny io ! Koa raha hampiasa ilay teny hoe : “aoka mihitsy” indray dia midika hoe : “hanao toy ny môpera aho” ka mety hampitohina ilay fitiavana izay tokony nitsiry … misaraka, na mifankatia tokony hifampiandry ary. Izany hoe miandry aloha ianao vao mahazo miroso amin’io. Miandry inona ? Miandry ilay fanambadiana. Satria na ny andaniny na ny ankilany dia tokony hanaja io fotoana io daholo. Ataoko fa izay no dikan’ilay karatra mena. Izay efa lasa nialoha aloha dia afaka hatrany ny hiova toetra ka tsy hanaonao foana intsony any aoriana. “Ny toetra ratsy azo ovàna fa ny tarehy ratsy tsy azo ovàna”, izany hoe ny fiovana ara-batana dia tsy mety haverina intsony , fa ny fo, saina ary fanahy kosa dia azo ovana foana. Jeu de mots koa no tena betsaka amin’ilay ANDRASO ALOHA fa efa mahafantratra tsara ny tena dikany daholo.
Nampidirin'i tsy nitonona @ 14:33, 2008-10-01

[Valio]

Ilay “aloha” dia midika hoe mbola hisy ny aoriana ! Ary io aoriana io dia ataoko fa midika fahamalinana, hoe diniho aloha, mila fanapaha-kevitra matotra io. Ary raha manan-tsaina izy dia tonga dia fantany hoe natao ho an’ilay ho vadiny io ! Koa raha hampiasa ilay teny hoe : “aoka mihitsy” indray dia midika hoe : “hanao toy ny môpera aho” ka mety hampitohina ilay fitiavana izay tokony nitsiry … misaraka, na mifankatia tokony hifampiandry ary. Izany hoe miandry aloha ianao vao mahazo miroso amin’io. Miandry inona ? Miandry ilay fanambadiana. Satria na ny andaniny na ny ankilany dia tokony hanaja io fotoana io daholo. Ataoko fa izay no dikan’ilay karatra mena. Izay efa lasa nialoha aloha dia afaka hatrany ny hiova toetra ka tsy hanaonao foana intsony any aoriana. “Ny toetra ratsy azo ovàna fa ny tarehy ratsy tsy azo ovàna”, izany hoe ny fiovana ara-batana dia tsy mety haverina intsony , fa ny fo, saina ary fanahy kosa dia azo ovana foana. Jeu de mots koa no tena betsaka amin’ilay ANDRASO ALOHA fa efa mahafantratra tsara ny tena dikany daholo.

Nampidirin'i tsy nitonona @ 14:34, 2008-10-01

[Valio]

ka ny fahazoako ilay carte rouge io anie dia avoaka izy io raha sendra misy lehilahy mitady hi-harceler anao raha araka ity fanazavana ity http://www.lexpressmada.com/index.php?p=display&id=19502
fa tsy hoe aoka aloha any an-trokantrano ilay izy. Ka raha olona mifanena amiko eny an-dalana na ny mpiray birao amiko mitady handrabiraby ahy no hamoahako carton rouge dia manjary manome fanantenana azy aho hoe aoka aloha fa radem angamba mety homeko ihany. Izay no mampiteny ahy hoe aoka itsy = aza mikasikasika ahy an !

Nampidirin'i ikalamako @ 17:31, 2008-10-01

[Valio]

Eo indrindra isika, ny tanora mbola tsy manambady sady mety mbola tsy ampy taona aza no omena ny karatra mena hampiasainy!

Nampidirin'i jentilisa @ 18:14, 2008-10-01

[Valio]

mba tadidinareo ve ilay hira hoe "pilôvera mena" ?

Nampidirin'i Rajiosy @ 23:05, 2008-10-01

[Valio]

Toa efa henokenoko io pilovera mena io. Tahaka ny hira avy any avaratra ilay...sa ahoana? Inona no tian'ny mpamaky lazaina?

Nampidirin'i jentilisa @ 14:53, 2008-10-02

[Valio]

hiran'i Jaojoby io jentilisa a. "Nandeha zah nandeha hozy, tamin'ny place kabary, avy le vazaha...", dia tsy tadidiko fa mifangaro daholo,
sa ahoana moa rajiosy ?

Nampidirin'i ikalamako @ 15:44, 2008-10-02
Hampiditra hevitra









 authimage