Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Septambra 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

Ary raha... Viva TV dia avy eo Injet sy domaPub ?

2008-12-18 @ 23:36 in Politika

Dray! ...dray! ...dray!... dray! aza mikorapaka ianao fa resaka mody ataoko hanihany izy ity nefa mety nandalo tamin'ity ihany koa ny lalana an! Tena karazana fanalana azy kely no ataoko izany.

Izaho izany ilay mpanao politka tsy miraharaha afa-tsy ny tenako. Izaho izany ilay mikendry ny hamotika ny hafa! ilay hafa heverinao aloha mety ho tsy izy nefa mety ho izy ihany koa. Inona no ataoko?

Iza no tsy mahalala fa resaka dokambarotra no mampalaza an'i Andry TGV amin'izao fotoana izao? Fantatsika fa izy no tompon'ny Injet sy domaPub. Io no heriny ka dia eo ihany no amelezako azy. Tena ny eo amin'ny ain-dehibeny mihitsy no tohatra fiakarako hampahalaza ahy bebe kokoa noho izy. Nomeko ny dokambarotra aloha ny Viva TV, iny fa nihinana! vita ho'aho! nefa anie dokambarotra lava dia lava ary kasaina haverimberina e! Mibontsina amin'izay ry tompon'ny tele nakatona a! zay mihitsy! tena ao amin'ny ilavako azy ingahy. Hitan-drangahy tsara fa niakatra ny lazan'ingahy! Inona indray ny dingana manaraka?

Indreny ny sariko, fenoy ireny sariko ireny ny takela-bin'ingahy manerana an'Antananarivo. Ataovy ao ny hafatro fa mirary fety sambatra ho anareo vahoaka malagasy aho, handray ahy amim-pifaliana indray ianareo fa izaho no hanavotra anareo. Misy lalàna mandrara izany ve? Handray sa tsia? rehefa mandà ingahy dia fenoiko ao anatin'ny alina iray monja ny takelaka fanaovana dokambarotra rehetra na amin'ny sitrapon'ingahy na tsia, fa raha izaho ingahy raiso ihany ny volabe e! entina hanentsenana ny fatiantoky ny vola tsy tafiditra noho ny nanakatonana ny telen'ingahy anie izy ity e. Afaka miteny ingahy avy eo fa tsy ingahy no nametraka ireny fa nisy nisandoka nametraka ireny sary rehetra eran'Antananarivo ireny. Tsy ingahy no ifoteran'ny rambony amin'izay (na mety ho betsaka tampoka ny ho kivy amin'ingahy tsy fantatra izany) fa izay lazaina fa matahotra an'ingahy ihany.

Izy koa anie ka tena manambola be tsy misy toy izany e! mieritreritra avy hatrany ny olona fa ireny indray no nisandoka hanalana baraka an'ingahy, fa izaho indray aloha amin'izay fotoana izay no halaza noho ingahy e! Entanin'ingahy amin'izay ny vahoakan'Antananarivo hiambina ny takelaby fanaovana ny dokambarotr'ingahy betsaka sady mbola mahabetsaka ireny ihany. Tena mahavita izany mihitsy ny mponina'Antananarivo tahaka ny niambenana ny teny Faravohitra ka! aza manahy mihitsy ingahy. Ary aza matahotra fa tsy maintsy ho lasa filoham-pirenena ingahy ka! Fa aleo aloha izaho hitondra ka! Mbola tsy ampy taona hitondra ingahy tsinona!

Hevitra

[Valio]

lol
fa ra diso miainga aloha be loatra eo ingahy dia mety tsy ho olon-kafa no lasa prezida...
za alou mahatsapa mintsy fa izay no mahatonga ny mpanohitra tsy nisalasala fa tonga dia nanohana/nanantona an'i TGV.
Vue hoe ny experience t@ ra8 hoe mamonjy miaraka be aloha rehefa hanala olona 1 dia avy eo samy maka wazy... Manomboka leo an'zay ry zala. Ary izay no tena olan'ny mpanohitra hoe tsy hita izay lohany fa samy te hitarika doly.
Kinanjo tampoka teo samy namonjy nakao arinan'i TGV doly. Satria nahoana?
mbola tsy ampy taona ny boay kely ka afaka manana plan any @ sisiny... aleo aloha hoesorin'i ra8 dia refa mitady ho poinsa dia mamonjy miavaka @ zay :)

Nampidirin'i simp @ 00:54, 2008-12-19

[Valio]

ra tsy hoe atao misy grevy indray nga dia mety hoe averina na hoe @ efa feno 40 taona lery vao misy fifidianana...
very unlikely nefa zay :)

ra tsy hoe tena marina ny faminanian'i Maihol... auquel cas, lery no lasa prezida fa tsy i TGV ndray hahaha

sarotra be le jeux cooperatif kle. Tsy zakan'ny saiko :P

Nampidirin'i simp @ 00:56, 2008-12-19

lol [Valio]

Ahaha...I love it! Milay be!!! Bravo!
Nampidirin'i Mirana @ 03:18, 2008-12-19

[Valio]

Oadray! hosamborina hoe ny tenany eeee! mandeha hatrany izany ny manipulation amin'izao fotoana izao eee!

Nampidirin'i jentilisa @ 12:52, 2008-12-19

mboay kely [Valio]

TGV ah hoe TGV ombintsarety aza mbola mandeha mafy kokoa
Nampidirin'i @ 23:24, 2008-12-20

ingahy lé resahina [Valio]

aza dé mialona be loatra é,ny anao fialonana diso toerana loatra. sady miaraka @nofy.
za maita fa @lé oui daholo ny any io rangaha io.ny vahoaka anié ka efa leo tanteraka ny fitondrana ankahitriny e,mifampy andriandry fotsiny d lasa zao,fa zao é,tsy mahay mihaina oa lé rangaha ravalomanana io. sa ahoana

Nampidirin'i felana @ 13:30, 2009-01-12
Hampiditra hevitra









 authimage