Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Septambra 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

Operation Prison Break sy mandika ny lalàny ny FFKM raha...

2009-01-06 @ 07:02 in Politika

Roa andro aty aorian'ny fahavakisan'ny fonja telo (Tsiafahy any Ambatofotsy Gara tamin'ny telo ora maraina sy Ambalatavoahangy any Toamasina tamin'ny telo ora maraina ary Betroka tamin'ny folo ora alina) tao anatin'ny alina iray monja (Asabotsy mifoha Alahady) dia miharesy lahatra ny maro fa tsy kisendrasendra intsony izao toe-javatra izao. Heverina ho misy ny atidoha nikotrika ny raharaha ary olona ivelan'ny voafonja ny atidoha, satria tsy tokony hanana finday na fitaovan-tserasera hafa ireo voafonja ireo handosirana tao anatin'ny indray alina. Tarataratra ho fitadiavana hanakorontanana ny firenena amin'ny alalan'ny tsy filaminana no tanjona na fanindriana ankolaka ny olona tsy hihetsika satria hanampy isa ireo olona natao hanakorontana fotsiny (A qui profite le crime?). Hisy raharaha ity volana Janoary sy ny tohiny ity izany koa!
sary nangalarina tamin'ny gazety Taratra  alatsinainy 05 janoary 2009

Zavatra faharoa, Nisy ny taratasy nalefan'ny Kaominina Antananarivo renivohitra tany amin'ny fiangonana maro samihafa tany. Nisy ny nilaza azy tamin'ny raharaham-piangonana, fa misy koa ny fiangonana tsy nilaza io velively. Taratasy fiantsoana ny fiangonana rehetra, hanatrika ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana hotontosaina eo amin'ny kianjan'ny demaokrasia Ambohijatovo ny alahady 11 Janoary 2009 folakandro (na any amin'ny tranompokonolona ve raha avy ny orana?). Manomboka eto no tsy mazava intsony: iza no mitarika ny fotoana? Raha ny FFKM dia mandika ny lalàna napetrany ihany izy. Noho ny fifandroritana politika be loatra nisy hatramin'izay manko dia nametraka arofanina ry zareo. Izao izany arofanina izany: Ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tarihin'ny FFKM eo anivon'ny firenena dia fotoana telo ihany ao anatin'ny taona. Efa voafaritra mialoha ihany koa ireo fotoana telo ireo.

Ny Fotoana voalohany dia ny herinandro fiaraha-mivavaka fanao isaky ny 18-25 janoary izay toa tsy fantatsika loatra intsony amin'izao fotoana izao. Mandritra ny herinandro no hanatontosana io fotoana io ka mifandimby mampiantrano ny fotoana ireo fiangonana mifanakaiky. Ny fotoana faharoa dia isaky ny fahatsiarovana ny 29 marsa 1947 izay atao isaky ny daty voalaza mazava loatra. Ary ny fotoana fahatelo farany, fotoam-pivavahana iraisam-pinoana eo amin'ny sehatry ny firenena, izany hoe rehefa mifandraindraika resaka politika ny fotoana, dia amin'ny fetim-pirenena isaky ny 26 jona. Ny ankoatra izay dia heverina ho fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tsy ara-dalàna mitady hanimba ny fiaraha-miasa.

Koa raha mpitarika ny fotoana ny FFKM amin'ny fotoam-pivavahana tarihin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra ho avy io dia tsy manara-dalàna, amin'ny fitsipika napetrany ihany, izy. Raha ny roa amin'ireo no mitarika dia tsy olana loatra izany, saingy tsy afaka milaza tena na misolo tena ny FFKM na oviana na oviana izy. Raha toa izany mitarika ny fotoana amin'io fotoana io ny Arshevekan'Antananarivo, na dia izy aza no filohan'ny FFKM amin'ity taona 2009 ity dia tsy afaka misolo tena ny FFKM ny lehilahy. Enga anie mba hazaa amin'ny maro tsara izay fanavahana izay.


jentilisa, talata 06 janoary 2009

Hevitra

[Valio]

Arahabaina ny namana trartry ny taona e ! Dia mahafinaritra fa niova akanjo koa ny blaogy e, misy ho tahafina ihany kay i Kdaombaramita ! Inona moa ry Jent ilay post-nao misy soratra kely ery ambany manoro ilay sita mampanao traduction raha tsy mahadisoa ?

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 07:53, 2009-01-06

[Valio]

Arahabaina ny namana trartry ny taona e ! Dia mahafinaritra fa niova akanjo koa ny blaogy e, misy ho tahafina ihany kay i Kdaombaramita ! Inona moa ry Jent ilay post-nao misy soratra kely ery ambany manoro ilay sita mampanao traduction raha tsy mahadisoa ?

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 07:54, 2009-01-06

Korio [Valio]

Efa nahiko daholo izao zava-mitranga izao.

Izaho manokana dia miaiky fa jadona ny fitondran'ny filoha ankehitriny, ary voafetra ny demokrasiany. Fantatsika anefa fa ny fampiharana ny demokrasia dia mila hery sy aro riaka. "Hery" afaka mandray andraikitra, ary "aro riaka" afaka manenjika izay olona miteniteny foana, na miteny ratsy olona iray amin'ny tsy antony (izany moa dia tsy demokrasia). Raha vantanina ny resaka dia ny "lalàna", ny "fitsaràna", ny pôlisy, ny zandary ary ny miaramila ireo hery sy aro riaka ireo. Raha tsy matanjaka ireo dia tsy ho voaaro ny demôkrasia, ary mila asiana aro riaka. Iarahantsika mahalala anefa ny tsy fahatomombanan'ireo "hery" sy "aro riaka"ntsika malagasy : ny fonja mora vakiana, ny raharaha eny @ fitsarana toa misy tsy mazava hatrany, ny bianco sadasada, sns
Koa ny tsirairay no mandinika.

Raha ny saina feno fitiavan-tanindrazana no entina itsarana ireo dia ny "hikatsaka" ny demokrasia hatrany no ao an-tsaina. Aza mini-tsy mijery ny eo ambany maso ihany anefa fa eritrereto hoe : mety ho tanteraka 100% eto Madagasikara ve izany raha mbola izaho sy ianao no fônksiônera (mpiambina fonja, pôlisy, zandary, miaramila), raha mbola mitohy ny tsy fampiharana ny lalàana manakery.

Ampatsiahiviko eto fa ny demokrasia tsy voafehy dia mitarika amin'ny ady an-trano : samy afaka milaza ny heviny izay te hilaza, hitombo ny "intox", ary farany dia hiady ny merina sy ny cotiers. Ho feno rà mandriaka eto Madagasikara. Mivantambantana ilay izy, anefa ataoko fa azonareo an-tsaina tsara izany satria efa kely foana no tsy hitrangan'izany isaky ny misy korontana. Tohizako hatrany : hody any @ toerany ny isam-poko, ary dia hikatso ny asam-panjakana rehetra (paositra, ministera,...), eny fa na dia ny varotra. Hisy ny krizy.

Afaka ataontsika koa anefa ny manohitra izany "jadon"ny fitondrana ankehitriny izany" : afaka mitokona isika, ary manongana an'i ravalomanana. Alaivo sary an-tsaina anefa ny zavatra rehetra mety hitranga :

Vao volana janoary dia : fonja telo vaky. Voalohany dia natao hanakorotanam-bahoaka io. Faharoa dia hery ho an'ny rangory fototry ny afo io. Ny gadra, hatraiza hatraiza, dia olona mangetahefa fahafahana, ary maro no vonona hanao izay rehetra ampanaovina azy raha afahana ao am-pigadràny.
- hizara roa ny kristiana : ny miaraka amin'ny fitondrana , sy ny mpanohitra. Ao ny hilaza hoe foanana ny fivavahana @ alahady fa hiara-mivavaka @ vahoakan'i tana. Lesoka sy zava-dratsy amintsika malagasy ity manafangaro fivavahana sy raharaha pôlitika ity. Mitady tohana @ fiangonana daholo izay maniry ho filoha. Mandaitra aloha io ka dia ampiharin'ny olona. Nefa ... tokony hararaotiny ve izany ?

Ity fanasan'ny kaominina ity dia fitsapan-kery ataon'ny mpanohitra. Tiany ho fantatra hoe betsaka ve ny mpomba azy?

Farany : amin'ity taona 2009 ity dia miha mahazo hery ireo rehetra mpanohitra. Efa tsinjotsinjotsika daholo izany. Koany fanontanana diany hoe : misy hahavita hanome antsika demokrasia tanteraka ve ireo? Ary iza no sahy manome toky fa hilamina isika malagasy raha atomboka ny filaharana an-dalam-be hanalàna an'i ravalomanana ?

Fanontaniana apetrako amin'i jentilisa (izay fantatro fa marina daholo ny zavatra tanterinao aminay eto, ary amin-kitsim-po no itanteranao azy) : fotoana tsara anoherana ny fitondrana ve izao ?

Nampidirin'i Korio @ 00:13, 2009-01-07

[Valio]

Ataoko fa ny fotoana rehetra dia azo hanoherana ny mpitondra foana! fa ny mahavariana dia hoe: ny fanoherana ve tsy mahalala afa-tsy fanonganana izany?

araka ny hanaovana ny tsy ara-dalàna no hahapotika ny demaokrasia tadiavina araka ny fijeriko

Nampidirin'i jentilisa @ 15:46, 2009-01-07

Korio [Valio]

Marina tokoa ny anao : tsy midika ho "fanonganana" ny "fanoherana". Raha hilatsaka an-dalam-be anefa isika mikasa hanohitra fotsiny, à qui profite le crime :) (tsy "crime " moa zany fa "hetsika" e :)). Iza no tonga hanampy isa anao eny @ 13mai, ary ho voafehinao ve ny kabary sy fanentanana ataony eny ?

Momba ilay hoe "araka ny hanaovana ny tsy ara-dalàna no hahapotika ny demaokrasia tadiavina". Tsy laviko mihitsy izany. Ary apetrako ny safidy manao hoe : iza no tsara ..."demokrasia potika", sa "fikorontam-bahoaka". Moa tsy ho sarotra ny hampijoro izany demokrasia izany raha misy ady an-trano eto Madagasikara?

Azo atao kabary tsy valiana ny resako raha mahakamo e!

Nampidirin'i Korio @ 20:16, 2009-01-07

[Valio]

Ny miresaka mihitsy aza no tadiaviko koa!

Nampidirin'i jentilisa @ 20:29, 2009-01-07

[Valio]

Ny miresaka mihitsy aza no tadiaviko koa!

Nampidirin'i jentilisa @ 20:30, 2009-01-07