Breaking News: May ny fonjan'Ambalatavoahangy (Toamasina) sy tohin'ny an'ny Andry Rajoelina
Fa inona moa ny zavamisy ao Ambalatavoahangy ao amin'izao fotoana izao. Misy trano amboarina manko ao amin'ity fonja ity, ka nanagorobahana ny rindrina ivelany ifamezivezen'ny fiarabe mitatitra ny fitaovana hanorenana ireo trano lehibe roa ireo. Ny mpijery manodidina dia efa niahiahy be ihany fa mora ny hanaovana fandosirana noho io rindrina nogorobahana io. Tsy fantatra hoe mpiasa tsotra ve no manamboatra ny trano sa ny voafonja ihany? Na ahoana manko na ahoana, hoy ny namana mpampita vaovao dia fakam-panahy lehibe ho an'izay migadra ny mahita izany rindrina mitanatana izany (eny fa na dia lazaina ho roa sosona aza ny rindrina).
Vaovao faharoa ampitaina aminareo ihany koa, nitsidika tampoka ny hopitalin'ny Befelatanana ny filoha Ravalomanana mba hijery ny zavamisy ao. Izay no filazana ofisialy fa ny tena marina dia hiresaka amin'ny mpanao gazety no tena tanjony, ka amin'ny maha-mpanao gazety ny mpanao gazety dia tsy maintsy nanontany ny filoha momba ny Ultimatum nataon'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo ry zareo. Io fanontaniana io no tena nandrasany. Toy izao ny sombin-dresaka nampitain'ny radio nasionaly malagasy momba ity raharaha ity:
Amin'ny fanombohan'ny taona tahaka izao dia tokony ho anjaran'ny zanaka no mitsidika ny ray aman-dreny. Misy anefa ny zanaka no tsy afaka mamangy ny ray aman-dreny noho ny tsy fahasalamana. Raha izay nanombohany niteny izay dia fantatra avy hatrany fa ny Ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra no nasiany voalohany satria salama tsy marofy ny lehilahy nefa tsy nitsidika ny ray aman-dreny. Raha manotany ny fanapahan-kevitry ny filoha sy ny fitondrana amin'ny Ultimatum ny filoha dia hoy ny navaliny: Ny olona mpaka takalon'aina no mpanao izany Ultimatum izany, ka matoa efa miditra amin'izany dia efa vonona ny hamita hatramin'ny farany, koa vitao ary. Raha hanontany izay tohiny ianareo dia anontanio izay nanao izany fa izy no mahalala ny tohiny. Efa niantso azy ihany aho tamin'ny zoma teo fa izy no tsy tonga.[...] Tsy fanao ireny Ultimatum ireny...
Ataoko fa ampy hieritreretantsika rehetra izay voalaza izay, vangivangio ihany eto fa mety hisy ny vaovao fanampiny atolotra anareo raha misy izany... mihamafana tokoa ry zareo ny toe-draharaha an!
jentilisa, 13 janoary 2009






Hevitra
[Valio]
mety hoe joincidence fotsiny izao fa ny ol fotsiny no sendaotra be...
asa ra hi-panique i ramose na hanao ahoana... en tt cas, mino marimarina aho fa tsy maintsy en alerte doly ny toby miaramila rehetra @ zao ora zao :)
dia aleo alefa aloha ilay hiran'i LSNT iny hoe ambalatavoangy iny ampiakatra an'le tena feeling ee :P
*stay tunned*
oki doki
[Valio]
araka ny re dia grevin'ny gadra no misy ao Ambalatavoahangy ao. Mitokona izy ireo satria tsy manaiky ny isavana ny entan'izy ireo.Efa hatramin'ny maraina izany fitokonana izany. tahaka ny tsy naneken'ny tany Tsiafahy notarihin'i Pety ihany koa izy ity.
mitohy ny raharaha sy ny fanangonam-baovao. Ny poa-basy kosa dia nentina nanaparitahana kosa ny olona manodidina mivorivory nahare ny mety ho horakoraka ataon'ny gadra! poabasy dimy aloha no re!
[Valio]
Vaovao reko io maraina io koa t@ radio.
Hanao valandresaka ny Ben'ny tanĂ na anio maraina @ 11:00 eny @ toeram-piasany eny Tsimbazaza ho tohin'ny ultimatum nataony.
Le utlimatum moa ve tsy mikasika ny TV VIVA, koa nahoana no eny Tsimbazaza no atao ny resaka fa tsy eny @ foiben-toeran'ny VIVA eny Ambodivona?
Ny fahitako azy, mamofompofona resaka MBS Anosipatrana ity resaka anio ity raha toa ka eny Tsimbazaza no atao.
Ho hita eo ihany moa e!
orobpedt [Valio]
lecesbgs [URL=http://chrsdlpo.com]sjvqxinq[/URL] kvyimkqe http://paxaghif.com qqeibwtm oitvpexd