Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Septambra 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

Mandrahona ny ho eny Ambohitsorohitra amin'ny Zoma 25 sept 2009 ny mersenera

2009-09-23 @ 23:07 in Ankapobeny

Ela ny ela fa mipoitra tsikelikely ihany ny marina. Toa tsy misy miresaka loatra ho'aho ity hotantaraiko manaraka ity eto an-tserasera nefa dia gazety malagasy no nahitako azy fa ny gazety taratra laharana 1693 nivoaka tamin'ny 23 septambra 2009 ihany no ampelatanana. Namoaka io gazety io ao amin'ny pejy faharoa fa "Mandrahona ny hilahatra eo Ambohitsorohitra" ny rezervista tanora, nitolona tamin'ny andron'ny TGV. hidina an-dalambe izy ireo hitondra sora-baventy satria tsy tanteraka ny fampanantenana natao tamin'izy ireo, toy ny hanomezana asa ho azy ireo tahaka ny hoe fampidirana azy ho miaramila ary hotsinjovina manokana ny rezervista nanohana ny tolona.

Lasa ny saiko, fotoana taiza ho aiza tokoa nandritra ny tolona moa izy ireo izany no nandray anjara tamin'izany tolona izany? Ary inona avy no anjara andraikiny nandritra ny tolona nataony. Asa raha mba tsikaritrareo fa miampanga tena ry zareo ireto no sady miampanga ny TGV ihany koa. Sao dia misy mieritreritra fampitahana amin'ny zana-dambo 2002 ary aloha ka aleo avahana tsara.

Tamin'ny 2002, rehefa tsy nety niditra an-tsehatra loatra ny tena miaramila dia nisy ny fiantsoana olona ampahibemaso sy tamin'ny alalan'ny haino aman-jery ho an'izay hanao raharahana miaramila. Tao Ambohitsorohitra ireo olona ireo no nantsoina ka nofanina avy eo hampandry tany. Mazava tsara fa ampahibemaso no niantsoana ireo olona ireo. Noho izy ireo notarihin'ny Jeneraly Razafindralambo, tamin'izany fotoana izany no nahazoan'izy ireo ny anarana hoe Zana-dambo. Ny iraka nampanaovina ireo Zana-dambo ireo dia ny hanafaka ny tanàna na faritany manodidina tsy ho eo am-pelatanan'ny filoha Ratsiraka intsony. Nianatsimo ny iraka voalohany indrindra, dia nianavaratra andrefana ary niafara tany atsinanan'i Madagasikara.

Tamin'ity taona 2009 ity kosa aho tsy nandre na oviana na oviana fa mandray rezervista ny TGV, handray fiadiana na fitaovam-piadiana. Noho izany tsy mahalala ny andraikitr'izy ireo sy ny iraka ampanaovina azy ireo. Marihina indray mandeha fa nolazaina hoe Tanora ireo rezervista ireo. Mahatadidy tsara kosa indray anefa aho fa tena manana paik'ady ara-miaramila sy tena Vonona tokoa ny tariky ny TGV nandritra ireny tolona tamim-bato nataony rehetra, toy ny nanafihany ny 1RM1 tamin'ny 16 febroary 2009 sy ny 4 marsa 2009 nandravana ny fihetsiketsehana teo amin'ny kianjan'ny 13 mey. Tsy adinoina ny andro nanafahana ny mpianatry ny Lisea frantsay Ambatobe tratra takalon'aina tsy fidiny tao amin'ny sekoly nianarany. Tena ady no nataon'izy ireo tamin'izany fotoana izany fa tsy nisy basy hita avy amin-dry zareo kosa. Kanjo hay nisy fampanantenana ny hampanaovana azy ireo ho miaramila raikitra, na asa hafa ho azy ireo raha mandray anjara mavitrika amin'ny ibaikoana azy izy ireo.

Nahatadidy tsara kosa anefa aho, fony vao nahazo ny fahefana i Andry Rajoelina fa vao jerena ireo "miaramila" miandry ny lalana andalovany handehanany mody dia tsikaritra ho tsy tena miaramila mihitsy izy ireo, na dia mitana basy aza, ary tsy vitsy no efa antitra na lava volo nefa tsy manamboninahitra (inay anie nalaiko sary izy ireny). Ny tao an-tsaiko avy hatrany raha vao nahita azy ireo aho dia hoe :"miaramilan-dRamaroson (Alain) angaha ireny?" Manao fanamiana sy mitana basy soa amantsara ry zalahy ireo tamin'izany fotoana izany.

Koa raha tsy nisy ny fiantsoana ampahibemaso ny rezervista sy fanomezana fitaovam-piadiana mahery vaika azy ireo, moa diso ve aho raha milaza mazava hoe mersenera ireo mandrahona ho eny Ambohitsorohitra amin'ny Zoma 25 septambra 2009 ireto fa tsy izany lazain'ny gazety hoe rezerista izany? Fanarontsaronana ny marina tsy hivandravandra loatra ka hanafintohina ny maro ny mody iantsoana azy hoe rezervista.



jentilisa, 23 septambra 2009 amin'ny 23:10

PS: raha misy ny hametraka hevitra: soraty amin'ny vakiraoka (na blocnote na notepad na...) aloha ny hevitra tianao apetraka. Rehefa vita izany vao ankotrihinao ny takelaka (actualiser) dia fenoinao ny banga rehetra eo amin'ny fametrahan-kevitra. Ataoko fa tsy ho very ny hevitrao amin'izay fotoana izay.

Hevitra

Haninona eny Ambohitsorohitra hono? [Valio]

Ho aiza indray hono ireo tsy misy fiheverana fa manao toa ny zaza kamboty tsy nandalo fanabeazana na ny pitiny ireo ê! Zavatra pôkaty - afa tsy vola ary basy ary natosiky ny BibyOlona Frantsay - no niaingan'ireto ao @ hetsika volomboasary. Ny lehibeny aza any ampita mbola miseho azy ho bandy be ihany ilay boy tsy misy atidoha... Ny tena mampatahotra no sady mampalahelo dia ity tany tsy misy lalàna mahefa. Enga anie mba tsy hisy fifamonoana ihany aloha mandrapahatongan'ny CPS ê! Midera anareo rehetra mihezaka sy mitrandraka ny vaovao marina rehetra aho, ary mahatsiaro ho mafy ara-tsaina sy mafana am-po mihaino ny resaka MARINA rehetra mipoitra tsikelikely etsy sy eroa: toa izany ny vao henonay alina tao @ radio Fahazavana!
Nampidirin'i HoAiza @ 05:21, 2009-09-24

Haninon en Ambohitsorohitr oe! [Valio]

Ho aiza indray hono ireo tsy misy fiheverana fa manao toa ny zaza kamboty tsy nandalo fanabeazana na ny pitiny ireo ê!
Zavatra pôkaty - afa tsy vola ary basy ary natosiky ny BibyOlona Frantsay - no niaingan'ireto ao @ hetsika volomboasary. Ny lehibeny aza any ampita mbola miseho azy ho bandy be ihany ilay boy tsy misy atidoha... Ny tena mampatahotra no sady mampalahelo dia ity tany tsy misy lalàna mahefa. Enga anie mba tsy hisy fifamonoana ihany aloha mandrapahatongan'ny CPS ê!
Midera anareo rehetra mihezaka sy mitrandraka ny vaovao marina rehetra aho, ary mahatsiaro ho mafy ara-tsaina sy mafana am-po mihaino ny resaka MARINA rehetra mipoitra tsikelikely etsy sy eroa: toa izany ny vao henonay alina tao @ radio Fahazavana!

Nampidirin'i HoAizaaaan? @ 05:31, 2009-09-24

[Valio]

ny tokony hatao anie dia ny manongana an'ireo eo e! aiza ka fiainana mba nandeha kely teo dia zao sisa no niafaràna, very asa, rakotra zoridira, lafo be zay tsy izy ny vidinjavatra sady ratsy, mitaintaina andro aman'alina sao robain'ny jiolahy zay mba fananana kely niariana, tsy mahazo maneho gevitra fa tonga dia voaambana basy, mbola hoa vy koa ny sazy raha mitohy io hatany tgv io , dia iza moa fa tsy isika no hizaka ny vokany eto? Tokoky mba hieritreritra isika rey olona e!
Nampidirin'i tss @ 15:31, 2009-09-24

Resa bola [Valio]

Rasa bola daholo ny mahatonga an'io krizy io e, ny miaramila no tena fosotra ary tena tafita ka raha toa ny olona tonga eo ka tsy mahavita ny sitrapony dia voaongana avokoa. Ianareo v mieritreritra oe ra tsy afaka miantsena any aminy grande surface intsony manomboka any amn CAPORAL tsy ande hamaky trano sy angalatra ireo??? tanana efa zatra nitsotra ka sarotrarotra ihany vo ivokona...

Nampidirin'i ilay malaelo ny mpiray tanindrazana @ 20:26, 2009-09-24
Hampiditra hevitra









 authimage