Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Septambra 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

Santiago toeram-pivoriana manaraka

2010-05-02 @ 17:11 in Ankapobeny

Raha miteny isika hoe Maputo, Addis Abeba, Pretoria dia manaraka ho azy ny Santiago (Tsy niady rima loatra ny toerana raha Johannesburg no nivoriana teo!). Tsy ny mouvances anefa no handeha amin'izany renivohitry ny Firenena Chiliana any Amerika atsimo izany fa ny olo-pirenena tia mitati-baovao anareo. Telo mianaka izahay ny malagasy ho any amin'izany toerana izany miainga avy eto an-tanindrazana fa misy koa ny Malagasy miainga avy any ampitan-dranomasina (Etazonia).

Hotontosaina ny 6 - 7 mey 2010 izany Vovonana karakarain'ny Global Voices izany ary tohizana avy hatrany amin'ny fivoriana anatin'ny mpitantana, mpanoratra, mpanitsy lahatsoratra ary mpandika lahatsoratra ho amin'ny fitenim-pirenena vitsivitsy an'i Global Voices ka anatin'izany ny teny malagasy. (Ny 8 - 9 mey 2010 no hanatontosana izany ao amin'ny Tranombokin'i Santiago).

Efa rentsika fa nisy horohorontany tany amin'io firenena iray io. Tsy nampihemotra na nanovana ny toeram-pivoriana iny toe-javatra iray iny fa lasa fijerena ihany koa aza ny fanorenana indray an'i Chili aza. Mazava loatra fa miompana amin'ny ho avin'ny Media Citoyen (fampitam-baovaon'olo-tsotra) sy ny fandraisany anjara mbamin'ny lanjany eo amin'ny sehatra iray ny resaka any. Manaraka izany, mifampitohy aminy dia efa hitantsika angamba ny fiovan-tavan'ny Global Voices amin'ny teny malagasy (Sy ny teny anglisy izay hadika teny koa mazava loatra) ... Endrika iray ho amin'ny fivoarana ihany koa ireny, ka irìna hiroborobo io sehatra teny malagasy io rehefa tonga avy any izahay sy rehefa maka aina vetivety kely monja.

Mazava loatra fa miserana kely ao Paris Charles de Gaulle ny tena ny tapakandron'ny alatsinainy 03 mey 2010 ( fa tsy mihevitra ny hivoaka ny seranana) sy ny tapakandron'ny talata 11 mey 2010 izahay. Asa raha tara loatra ny fanontaniako hoe mba manao ahoana moa ny fiantraikan'ny bolongana (mbamin'ny valantserasera isan-karazany) sy ny zavatra notantarainy taminareo, raha raisina ho ohatra ny zava-misy eto Madagasikara nandritra izay roa taona mahery izay. Raha toa tsy tafavoakanao eto ny hevitrao dia azonao atao ihany koa ny manoratra aty aminay amin'ny alalan'ny Imailaka izay azonao karohina ato.

Hiala kely ny rivotry Gasikara izany ny tena ka hody tsy hahalala ny zava-misy eto mandritra ny andro vitsivitsy fa ho mpanaraka tsotra ihany koa mandritra ny fotoana vitsy izay hanatrehana izany vovonana na fivoriana an-tampony izany.


Jentilisa, 02 mey 2010 17:13

Hevitra

Bye bye [Valio]

Dia inona moa izany fa dia soava dia e!!!Misaotra anareo amin'ny fanandratana avo ny teny Malagasy.Dia mba itondray voan-dalana avy Chili any e!!!
Atolotro ho anao ny Hira ao amin'ny Fihirana FFPM faha 731.

Nampidirin'i Mpakavato @ 17:31, 2010-05-02

soava dia [Valio]

Dia mahavità be e! Miandry voan-dàlana hoentinao izany

Nampidirin'i tolona/badoda @ 22:20, 2010-05-02

[Valio]

kiiiiiiii
dia ahoana ra voatendry minisitra elah @ talata kle :-)

eee atao ahoana moa fa izahay vahoaka majinika miandry an'A/tra tsy andrin'ny hafa eto ee... ianareo moa izany dia hitsoaka matanjaka nefa ny ady tena mafana eto @ firenena... kanefa mba hoe @ anaran'ny tolona anie ee
^:^

Nampidirin'i simp @ 00:18, 2010-05-03

[Valio]

vazivazy fa tsara mandroso, tsara miverina letsy a

Ny voandalana tsara entin'la moa izany ankoatry ny resaka GVO sy ny karazany dia ny hoe nahazaka latina tany aho ;-)
iray na 2 na mihoatra... ze mahasoa ataon'A/tra eee
^:^

Nampidirin'i simp @ 00:20, 2010-05-03

[Valio]

Ho tsara mandroso ho tsara miverina ary enga anie ka ho tontosa ny zavatra kasaina hatao.

Nampidirin'i Su @ 04:21, 2010-05-03

[Valio]

Lasa androany maraina tamin'ny 1 ora maraina tamin'ny sidina Tana -Paris ,ary handray ny sidina mankany Santiago(Chili) ry zareo avy eo.Izay hanaovana ny fivoriana GVO.

Nampidirin'i Andry @ 06:15, 2010-05-03

fanitsiana [Valio]

Azafady ra -jent'l fa nataoko Andry ilay anarana fa tsy tafiditra mihitsy i Mpakavato(Anarako raha teo io) teo

Nampidirin'i Mpakavato @ 06:18, 2010-05-03

[Valio]

Tiens bon la barre
tiens bon le vent
Hissez haut, Santiago
Si Dieu veut
Nous irons devant,
Nous irons jusqu'à San-Francisco

Tantarao zvt bdb zahay an !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 07:47, 2010-05-03

Sava dia [Valio]

Voalohany dia misaotra tamin'ireo vaovao sy fanadihadiana natan'i Jentilisa.
Mitana ny toerana amin'ny fivoaran'ny toe-draharaha tokoa ny blaogy toa izao, ka tsara raha tohizana !
Dia mazotoa eh !

Nampidirin'i Vonona @ 12:28, 2010-05-04

Misaotra anao MISY [Valio]

ary mitondra avo ny fanevan'i Gasikara! mana-namana tokoa manana anao ary toa akaiky ilay tanindrazana mahazo ny vaovao ampitainao koa dia mankasitraka sy mankatelina mandrakariva.
Dia soava dia ary matoky izahay fa ho henin-kaja sy voninahitra i Madagasikara manana anareo misolo tena any! Dia Andriamanitra anie hitsinjo sy hitahy anareo sy ny firenentsika mandrakariva!

Nampidirin'i gasi @ 17:35, 2010-05-04

[Valio]

Tonga soa amantsara eto Santiago izahay

Nampidirin'i jentilisa @ 19:53, 2010-05-04

mahafinaritra e [Valio]

Vaovao mahafinaritra zany ra jentl fa dia mirary soa momba ny zavatra atao rehetra any.

Asandrato ho avo hatrany ny tenintsika e!

Mankasitraka

Nampidirin'i Tokinao @ 18:50, 2010-05-06
Hampiditra hevitra









 authimage