Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Septambra 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Fandrobana isaky ny mahazo vahana ny TGV sy ny baraziny

2009-03-09 @ 22:53 in Andavanandro

Efa tsy takona afenina intsony. Vao nisy ny fiokoana miaramila milaza fa "miaraka amin'ny vahoaka" ka nampiseho ny talentany teny Ankadimbahoaka ny mpioko dia fandrobana ny score sy ny leader price avy hatrany no tao an-tsaiko omaly iny. Tsy te-hanoratra izay mihitsy aho omaly fandrao lazaina fa izaho no nampirisika, nitombina tanteraka ny ahiahiko fa ny Francepub sy ny Jumbo score ary ny courts mbamin'ny SFOI no tratra fa mba tsy vita kosa i Leader Price. Inona no nitranga? natsangana ny barazy hanakanana izay tsy fantatra fa ny tena tanjona voalohany dia ny hakana vola izay mandalo amin'ny fiara rehetra. Nanararaotra ny fisarahan'ny mpitandro ny filaminana ry zalahy dia nataony izay tiany. Mbola sahy mampirisika ny hananganana ny barazy ihany etsy ankilan'izany atoa Alain Ramaroson fa izany, hono, no antoka tokana hanakanana ny fandrobana... nefa moa efa lasa mivandravandra ho an'ny rehetra hoe avy amin'iza no tena mpamaky ny tranombarotra horobaina.

Koa satria tsy handray andraikitra ny mpitandro ny filaminana amin'izao fandrobana mahatsiravina, 26 janoary 2009-bis notontosaina androany 9 martsa 2009 izao, dia niantso ny mpanohana ny ara-dalàna sy tsy manaiky ny hisian'ny barazy arahina fandrobana ny tao amin'ny radio mada. Nolazaina ho nanomboka tamin'ny 11 moa ny antso, izay vao natao io hadiva ho atoandro io ka tampoka ihany dia nahazo olona ihany ny teny Mahamasina nanomboka tamin'ny 2 ora teo. Nahavariana moa fa tsy sahy nitsofoka lalina tany akaikikaiky tany ny mpanao gazety fa natahotra ny ho  voadaroka angamba. Ny an'ny mpanohana ny TGV kosa moa dia ilay efa araka ny nosoratako teo ihany, tsy misy  afa-tsy ny fanavoana barazy efa fitakiam-bola sy arahina fandrobana ihany no entiny hanoherana ny fandrobana. Samy manana ny heviny tokoa aloha.

Fa karazany tahaka ny ahoana ny tena nivorian'ny mpitady filaminana tetsy Mahamasina? toromarika ny teny ka tsy hitako loatra izay lazaina, na ny marina kokoa dia tsy afa-nankeny aho noho ny asako, ny vokany fotsiny no nisy henoko. Nandrava barazy teny Tsarafaritra Tsimbazaza ny mpanohana an-dRavalomanana araka ny filaza azy, nafana tokoa ny fifampitorahana, fa manana miaramila mitam-basy miaraka aminy ny mpanao barazy ary nalaza avy hatrany fa tamy ihany koa ny avy any amin'ny Capsat (mpioko) hanohitra an-kery ireto mpandrava barazy ireto. Dia lasa ny saiko... hiaro ny vahoaka tokoa ve? be loatra ve ny fampihorohoroana ny vahoaka? leon'ny fandatsahan-dra ve? toa tsy izany mihitsy no tsapako amin'ireto miaramila ireto. Samy mitsara koa ny tsirairay.

Na izany na tsy izany, lasa fakantahaka tampoka teo ny fokontany 67ha avaratra andrefana (aleo lazaina amin'izay fa efa nisy gazety nilaza tsinona) tsy manaiky na oviana na oviana izany barazy izany. Ka mahatonga ny faritra manodidina tsy ahitana izany barazy izany. Angamba tiana ny hampielezana ny "andrimasom-pokonolona tsy manaiky ny isiana barazy" manerana an'Antananarivo koa dia izay aloha no atao. Tsarovy anefa, ny eto aminay tsy misy idirana fanohanana olona fa tsy fanekena barazy fitakian'ny jiolahimboto vola no iraisana. Ataoko fa tsy mahavita ary tsy hanao izany ny mpanohana ny TGV satria handroba minisitera aza mety hatao raha vonona ny olony. Asa izay ho fipoaky ny ampitso aloha fa mihamafana ny toe-draharaha... tsy mahalala izay fahasahiranan'ny any ambony any fa fiarovana ny sisa mijoro tamin'ny fandalovan'ny rivodoza olombelona masiaka eto Antananarivo no nijoroan'ny teny Mahamasina.

Mialoha ny farany, na eo aza anefa izany fahavononana izany, samihafa ny mandeha an-tongotra sy ny mandeha fiara. Ny tany amin'ny score digue sy ny shoprite Talatamaty indray no novakian-dry lemaizina ny tolakandron'ity andro ity. Tena potehina Antananarivo sy ny toe-karenany e! Tsy azoko mihitsy indraindray ny mbola mahatonga ny hafa mbola mifikitra amin'ilay toe-tsaina te-handroba sy ny fanao mirona mandrakariva amin'ny fandrobana. Mbola aiza izany raha sanatria hitondra ny firenena?

Farany, faly aho fa maro tamin'ny sosokevitra nosoratako tany alohaloha tany no noraisin'ny fanapahan-kevitry ny fanelanelanana teny Ambohimanambola Le Hintsy ka ny roa tononiko tsara dia ny "Fiarovana an'i Andry Rajoelina" sy ny "Fanaovana fihaonambem-pirenena amin'ity volana martsa ity" ka hotanterahina indrindra izany amin'ny 12-14 martsa ho avy izao. Kisendrasendra ve sa nisy tamin'izy ireo ny namaky ny bolongako? Na izany na tsy izany, manana fifaliana anaty avy amin'izany fanapahan-kevitra izany aho.


jentilisa, alatsinainy 9 martsa 2009  amin'ny 23: 53

Verindrohy (trackback)