Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Septambra 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Ny antso avon-d Raveloson Constant taorian'ny fisamborana an'i Manandafy Rakotonirina

2009-04-30 @ 00:36 in Politika

Ataoko fa efa novakian'ny mpiserasera Malagasy manara-baovao politika rehetra fa nisy mpitari-tolona maromaro no nosamborina tao amin'ny Carlton Madagascar ny andron'ny Alarobia 29 avrily 2009 fiandohan'ny alina maizim-pito teto Antananarivo. Anisan'ny voasambotra tamin'izany ihany koa Rtoa Ihanta Andriamandranto mpitarika ao amin'ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna eto Madagasikara. Efa nendahan-dry zalahy hatramin'ny nisamborana azy avokoa ny akanjon'ireo nosamborina ankoatra ny an'i Manandafy ny Ihanta. Efa tsy zoviana intsony fa ny Komandà Charles Randrianasoavina no nitarika ny miaramila hisambotra ireto mpitari-tolona ireto.  Io Komand io no nitazona tamin'ny vozon'akanjony ny praiminisitra Manandafy sady niedinedina hatrany niteny hoe : "Ahy ialahy manomboka androany! Ahy ialahy manomboka androany!". Teo anatrehan'izany dia nanao antso avo ho an'ny mpitolona Raveloson Constant mpitondra tenin'i Manandafy sady mpitari-tolona efa fantatry ny mpanaraka ny ara-dalàna rahateo. Indro omena antsika eto ny voalaza nandritra ny antso avo naverimberina tao amin'ny radio fahazavana ity ny alin'ny alarobia 29 avrily taorian'ny fisamborana :

...tamin'ny nanaovan'ny miaramila (ny fisamborana) ny praiminisitra Manandafy sy ireo mpiaraka aminy, miara-miasa sy miaro azy tamin'ny nanaovana habibiana, naboridana, novelesina teo imason'ny filazam-baovao sy ny sary aman-jery ary efa hitan'izao tontolo izao sahady amin'izao isika miteny izao. Ary tany amin'ny toerana nitondrana azy moa dia noterena hitelefonina hanotany amiko ny toerana misy ahy sady arahina ompa sy teny ratsy. Izay rehetra izay no lazaina amintsika dia hanehoana amintsika fa efa tena tonga amin'ny tsotsori-mamaba hisarahana tanteraka amin'ity fitondrana nanongam-panjakana ity isika izay misora-tena ho "Haute Autorité" na HAT. Ny zavatra tiana apetraka sy iantsoana antsika vahoaka rehetra rehetra: Raha izahay no voasambotra, dia tokony hisy folo, zato, arivo ohatra anay indray hitsangana.

Koa manomboka izao ny fiadiana amin'ny fanjakana sy ireto toa miaramila kanefa mianao habibiana amin'ny mpitady ny ara-dalana ireto. Antso avo tsy misy hatak'andro ho antsika, tsy hijanona intsony ny fihetsiketsehana raha tsy miala izao fitondrana manao habibiana tsy roa aman-tany izao. Antso avo hanara-maso akaiky ny nanjò ireo namanareo satria izao sahady dia efa misy feo (teny) milaza fa nisy nitifitra namono ny praiminisitra Manandafy. Asa ny fahamarinan'izany, anjaran-dry zareo nisambotra sy nangalatra azy no mampiseho fa tsy nisy tohina na kely aza ny PM sy ireo olona miaraka aminy.

Mieritrereta ianao ry ingahy Rajoelina satria avy aminao no nahatongavan'izao rehetra izao. Ny hambom-po diso toerana, ary ny fiheverana fa afaka manao ho mpanjaka eto Madagasikara ianao. Tonga ny fotoana hiheveranao amin'ny vokatry ny fanapahan-kevitrao, mbola ianao ve no  nampanao an'izao zavatra izao? Anjaranao ny miteny,mitsara anao ny vahoaka. Ny anay kosa efa fantatra ny zavatra miandry anay, efa nambaran'ny miaramila anay izany ka tsy maintsy mitohy ny hetsika ary tsy hahatapitra ny vahoaka Malagasy akory ianareo. Tsy maintsy mitohy ny hetsika ary ny ... amin'ny fitakiana raha tsy miverina ny ara-dalàna eto amin'ny tany sy ny firenena iarahamanana. Ny Fahendrena dia ny amin'ny manao ny fifandaminana mba hisian'ny firenena afaka mandroso. Tsy maintsy avoaka eto ihany ny vaovao araka ny fitohizany, manaramaso izao ny namana erantany, ny depiote. Efa niantso ny tany amin'ny International Liberal izao ary dia ho hitantsika eo ny fivoaran-draharaha. Samia manomana ny toromarika sy ny baiko fa tsy maintsy hitantsika ny fomba hanohizana ny tolona. Misaotra tompoko.

Vita izay antso izay dia nitsahatra ihany koa ny radio fahazavana nanomboka tamin'ny 11 sy sasany mahery teo tamin'ity alina ity. Hitantsika fa tsy voafaritra mazava ny tokony hataon'ny tsirairay. Ny hevitro manokana moa dia hoe tsy mety loatra intsony ny fidinana an-dalambe raha mbola matahotra ny maro hanohitra ireto herim-pamoretana ireto. Tsy maintsy miainga any amin'ny isam-batan'olona hatrany anefa ny fanapahan-kevitra manoloana izao fisamborana ny mpitarika izao. Efa niainana ny fahanginan'ny lehibe raha olon-tsotra no nanainga ity tolona nitsipahana ny fanjakana nalaina tamin-kery ity... miverina hatrany indray isika amin'izao fotoana izao, dia ny fijoroan'ny olon-tsotra mahasahy mijoro. Hampitombo ny lonilony efa voatahiry any amin'ny maro any izao fihetsika ataon'ny miaramila mitam-basy mampihorohoro olon-tsotra izao. Aleo samy hieritreritra ny tsirairay manolonaa izao zava-misy izao.



jentilisa, 30 avrily 2009 amin'ny 00:37

Verindrohy (trackback)