Kaperinahomy

Fa inona koa angaha izany anarana izany? Tsena sy fiangonana... toerana heverin'ny tandrefana ho samy fitabatabana angaha ka andeha mody raisina araka izany ihany koa. Ho hitanao ato ilay tsenan'Asabotsy tsy mety vita sady tsy andalam-panamboarana akory ka manahy mafy aho fa tsy ho vita ao anatin'ny 20 taona izy ity. Io tsena namboarina io ilay nanaovana hoe may ny simenitra sy ny vy saiky nanamboarana azy. Dia eo ihany koa manodidina azy ireo mpivarotra nesorina tamin'ny tsena ka lasa nibahana arabe! Ny fiangonana indray heveriko fa sary mahafinaritra mila nampidirina. Tsy izy rehetra tsy akory na dia izany aza!

 

tsena 007.jpg

tsena 008.jpg

tsena 009.jpg

tsena 010.jpg

tsena 011.jpg
 
«Mialoha   1 2
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2024 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox