Iza no tsy ho taitra tamin'izany fomba fitenin-dRavalomanana izany? Toa tsy raharahany akory fa tena hafa dia hafa ny fandraisan'ny mponina io fiteniny io raha mazava tsara ny fanontaniana hoe moa ve tsy midika fampitandremana ny latsabato nataon'Antananarivo farany teo. Mba mihainoa tsara Atoa filoha ary mba mahaiza mamaly fa ho afo eo anoloanao ireo nifidy anao tamin'ny androny ireo. Tsy manana fomba hampitana hafatra taminao manko ny vahoaka raha tsy tamin'ny alalan'ny fifidianana nefa dia "mbola tsy raharahanao ihany"?
Tsy adala akory ny Ntaolo raha efa nanana fomba fiteny hoe "ny vava tsy ambina no ahitandoza" ary aza manilaka fa ny mpanao gazety indray no diso fampita resaka tamin'ny tafa nataon'izy ireo taminao. Ambava homana, ampo mieritra, tompoko. (Toa ho vetivety ihany dia ho tafala ianao raha izao fomba fiteninao izao! mba sanatriavina anie)
Tsy hiditra amin’ny resaka faminaniana aho tsy akory fa mba famakafakana toy ny teo ihany no tohizako.Alohan’izany dia hiresaka zava-bitsivitsy aho aloha, ohatra: tapaka jiro aho teto am-panoratana. Tsy haiko intsony na delestazy na gafy fa efa nisy manko ny fahatapahana naharitra maherin’ny ora iray teo nefa dia mbola tapaka tampoka indray izany avy teo. Entiko anamarihako aminareo fa mbola mitohy soa aman-tsara ny delestazy eto Antananarivo fa tsy tapitra niaraka tamin’ny fotoam-pifidianana tsy akory. Ny fotoana tokana tsy nisian’izany delestazy izany taorian’ny fifidianana dia tamin’ny nisian’ny oram-batravatra tamin’ny alatsinainy ihany.
(tohiny)
Tsy hoe mpahay politika aho fa mba lasa saina ihany tamin’ity fifidianana iray teto Antananarivo ity. Noho izany dia hadihady tsotra sy famoahana ny tsikaritra ihany noataoko eto. Hojerena avokoa ny lafiny rehetra nahatonga ity antoko lehibe ity ho resy.
Efa be no no nametraka tamin’ny mpanadihady fa tsy mba fanaon’Antananarivo loatra izany mifidy ny antoko eo amin’ny fitondrana izany ka mbola hifidy ny Ben’ny tanàna avy amin’io antoko io ihany. Noho izany dia karazana singa naningana ihany ny nahalany an’Atoa Patrick Ramiaramanana ho Ben’ny tanàna. Ny matetika moa ny iantefan’ny safidin’Antananarivo dia na any amin’ny mpanohitra na any amin’ireo antoko miaradia amin’ny antokon’ny mpitondra fa tsy amin’ny antokon’ny filoha. Tsy dia ivaramparana lava loatra angaha ny amin’iny.
(tohiny)
Araka ny efa nampanantenaina dia hamoaka ny sary izay azoko aho. Tokana ny tena ka tsy ary ho tratra avokoa ny toerana rehetra. Ny teto amin’ny manodidina ahy ihany noho izany no tena nalehako.
Voalohany, na dia fifidianana aza ny andro ka natao ho andro tsy fiasana ny andro omaly nefa andraisan-karama dia nitombo kely aza ny habetsaky ny mpivarotra tety Ambodin’Isotry. Efa mananontanona tokoa angaha ny fetin’ny faran’ny taona ka manararaotra mivarotra anaty lalana indray aloha (efa milatsaka anaty lalana mihitsy tsinona fa tsy amorony intsony). Maro an’isa ihany ny tsy nifidy raha notombanana omaly ary mety hanamarina izany ny taham-pahavitrihana rehefa mivoaka amin’izay izy io. Noho ny fahasahiranana sa toetsaina mihitsy ? anjarantsika tsirairay ny mamaly. Tsikaritra ihany koa fa saiky nivoha avokoa ny tranombarotra Shinoa (mampiasa malagasy vitsivitsy ao aminy, toy ny orinasa ihany) teto amin'ny tanàna rehetra. Ahoana ny hevitry ny fanjakana momba an'io? avela hanjakazakana toy izao ve ny andron-tsafidy ananantsika Malagasy?
(tohiny)
Aty amin'ny cyber moa izao no manoratra ka tsy misy sary aloha ny androany mazava loatra. Tsy dia hanao resaka lava ihany koa na dia izany aza fa hampahafantatra anareo fohifohy ny zava-misy amin'izao fotoana izao aloha.
Tamin'ny maraina tamin'ny 9 ora sy sasany no tratra ny 10%n'ny mpifidy eto 67ha avaratra izay misy ahy. Nilahatra vao maraina manko ny olona, mbola tsy nisokatra akory aza raha ny eto an-tanàna no jerena. Ary tamin'ny 5 ora teo no nahatratra ny atsasa-manila ny birao fandatsaham-bato roa raha mbola 40% kosa ny ao amin'ny birao fandatsaham-bato iray. Tamin'ny atoandro kosa dia somary nangingina ny birao rehetra nandalovako noho ny hafanana angaha. Fa nisy niverina kosa ny filaharana rehefa tolaka ny andro.
Dia izay aloha ny amin'ny taham-pahavitrihana. Mino aho fa tsy hitsahatra amin'ny 6 ora ity fifidianana ity. Rahampitso ny sary sy ny vokatra sasantsasany (raha tsy ny manontolo angaha).
Amin'ny valo sy folo alina eto amin'ny toeram-patako. Nandresy teo ho eo amin'ny
57isanjato teo ny TGV. Na dia ao ambodin'isotry fonenan'ny kandida TIM aza dia tahaka izany ihany ny vokatra. o angamba no vokatry ny tsy nandraisana anjara tamin'ny adi-hevitra. Dia miarahaba an'i Andry TGV izany amin'izao fandreseny izao. Demokraty aho tsinona. Hikapa hahita ny tonony anie ianao ary handidy hahita ny vaniny. Ny dikan'izany dia vao fanombohana izao. Mbola ho mafy ny ady raha ny fihetsika mety hataon'ny fitondrana no heverina. Efa nilaza rahateo ny filohampirenena fa tsy hiariasa amin'izay TIM ary ny resaky ny olona niady hevitra koa no nahenoako fa tsy hiara-miasa na amin'iza na iza ary na amin'ny fitondrana ny TGV. Izany hoe tokony hivonona amin'ny tetibola azy amnokana ny TGV fa mety hangeja ny ny vola avy aminy ny fitondrana foibe.