Ny e-bit 12 tsy hitan'ny besinimaro

2008-10-18 @ 22:38 in Andavanandro

Malaza ihany ny e-bit amin'izao fotoana izao. Eo manko no ifaninanan'ny mpanome tolotra ny hiaka farany amin'ny sehatra misy azy tsirairay avy. Efa andro natokana ho an'ny besinimaro moa ny faran'ny herinandro ka ny fitaovana isankarazany no arantiranty mba hamidy. Ao amin'ny lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina moa no anatontosana ity hetsika ity.

Ny zoma teo kosa ny ahy no tantaraiko. Zoma, fotoana natokana hitsidihan'ny mpianatra madinika sy lehibe ity hetsika ity. Mazava loatra fa ny hijerijery no tena ataon'ny mpianatra fa tsy ny hividy loatra. Mety hifanindran-dalana amin'izany ny tsy iraharahian'ny mpivarotra ireto mpitsidika ireto. Tsy misy vola miditra loatra manko no dikan'izany. Ireo nandray anjara tamin'ny Barcamp teto Antananarivo tamin'ny 4 oktobra 2008 lasa teo kosa dia nomena toerana malalaka tany amin'ny efitra kelikely kokoa fanaovana fanazarantena an-trano io atsinanan'ny Lapaben'ny Kolontsaina io. Io andro zoma io ihany manko andro nandraisan'ny "Quartier Libre" (ireo nandray anjara mavitrika tamin'ny Barcamp teto Antananarivo) anjara tamin'ity hetsika ity. Hampiseho sy hanazava ary hanorotoro fa tsy hivarotra tahaka ny hafa rehetra sy zatra ny hetsika toa tsy misaraka amin'ny varotra.

Indreo ary ny tanora erotrerony maro avy amin'ny foko-madagascar (foko blog club) avy any amin'ny faritany, avy eto an-toerana ary avy any ampita no maro an'isa sy miavaka indrindra indrindra noho ny tee-shirt fotsy misy ny famantarana ary nomena ny andraikiny tsirairay avy tamin'ity hetsika ity. Toy ny olona tsy mahalala vizana mihitsy i Jogany mivezivezy etsy sy eroa mikaro-bahaolana noho ny toe-javatra tsy ampoizina isan-karazany. Tena deraiko manokana kosa izy tsy nitandro hasasarana sy nividy izay fitaovana rehetra mety ilaina eo noho eo hampahafatarana araka izay azo atao ny hetsika "Quartier libre" (foko, telomiova, c3lf, amul, Madagascar au temps TIC,...) izay sady tsy nampahafantarina ampahibemaso loatra no toa natao an-takonana tsy fantatry ny atsy amin'ny efitra lehibe akory ny fisiany, enga anie mba ho diso tanteraka ny hevitro eto.

Raha efa niomanana ny hanaovana videoprojecteur ho an'ny Quartier libre dia tsy nisy tampoka ny fanamafisam-peo itenenana. Raha tonga ary ny andiany voalohany tamin'ny mpianatra dia tsemboky ny niteny mafy avokoa ireo tokony ho mpanentana nefa toa tsy ren'ny ankizy loatra izany. Ny tena fotsiny no tsemboka, soa aloha fa voavaha ihany ny tamin'iny avy eo. Manaraka izany dia mifanila aminay moa ny Minisiteran'ny inona angaha (fahasalamana sa mponina sa fampianarana fa resaka ady amin'ny SIDA aloha no fototra). Nisy lahatsary fohy naseho ary dia nanontany ny mpianatra avy teo. Noho ny dokambarotra niseho tetsy sy teroa ary dia zavatra hafa ihany no voatazon'ny sain'ny ankizy. iray aloha mampiasà kapaoty (fimailo io). Toa nisy fanontaniana nipoitra tampoka nomena ny ankizy ary hoe fa firy taona dia efa mahazo manao firaisambatana. Nisy ny namaly hoe 16 taona, nanontaniana izay mitovy hevitra tamin'ilay namaly fa be no nanangatanana. Oay lehiretsy! nihomehy fotsiny ny olondehibe. Efa nilaza ny ao an-tsainy aloha ny ankizy e! dia hitanareo ny nosaininy tany anatiny tany!

Henoko tsara io satria gaga aho tamin'ny fanakanana ireo ankizy tsy hiampita tety amin'ny Quartier libre raha toa tsy nahaliana azy ny resaka. Tsy maintsy mihaino ny resaka fanasana tanana (andron'ny fanasana tanana amin'ny savony tokoa moa? atidoha hatramin'ny farany aloha ny mpianatra vao mahazo miala teo. Hitako tsy tratran'ny minisitera mihitsy ny tanjona satria tsy tafajanona ela teo intsony ny ankizy manaraka ary nony farany aza tamin'iny maraina iny dia nihanjahanja nampalahelo teo ny habaka lehibe nisy azy. Rehefa nandalo hitafa amin'ny mpanao gazety vetivety ny sekretera jeneraly no niangaviana izahay tsy hampiasa fanamafisam-peo aloha fa tsy mampihena ny fifantohan'izy ireo. Izahay anefa tsy nitabataba ahoana akory saingy nahatsiaro ho difotra ihany koa noho ny fanontanian'ny ankizy isankarazany sy ny fahamaroan'izy ireo.

Resaka fanentanana sy fanazavana izany ny tao amin'ny lapakely atsinanana fa tsy misy zavatra amidy. Mba hiavahanay tamin'ny besinimaro sy hanatonan'ny olona anay hiresahany aminay dia naka teeshirt foko ihany koa izahay (nanaronako ny teeshirt telomiova nanaovako) hanaovana hitovin'ny akanjon'ny mpanentana sy ny mpikatroka rehetra. Nisaotra hatrany an'i Jogany tsy sarotiny. Tsy maintsy noheverina manokana ny nametrahana afisy teo ambaravarana hamantaran'ny ivelany fa misy zavatra mety hahaliana azy ireo ihany koa tamin'ity e-bit ity fa tsy voatery ho CITIC nafindra toerana fotsiny ilay hetsika. Isaorana ihany ny mpikarakara nanome fotoana ho anay tamin'io andro io.
 
Ny maraina moa izahay no teo fa tsy maintsy namonjy ny lahasa andavanandro kosa ny tolakandro. Ny tolakandro indrindra anefa no tena misy ny fanentanana, ny atrikasa (ateliers) mety nahaliana ny besinimaro hiresaka zavabaovao amin'izy ireo. Tsy afaka milaza izay tsy natrehako no sady tsy nahazoako fitateram-baovao momba ny tolakandro aho. Marihina fa efa ady sy tolona (resaka sy fifandraharahana ary fifanazavana), miandry valiny mivory hatramin'ny folo alina ny alarobia, hatramin'ny valo sy sasany alina ny alakamisy vao nahazo io fotoana zoma io ny Quartier libre. Isaorana hatrany ireo rehetra avy amin'ny Quartier libre niady varotra mba hahazoana anjara toerana ho an'ity andro tokana ity.

Ny dina ifanaovana

2008-10-17 @ 22:11 in Kolontsaina

Tononkalo iray efa nosoratako tany amin'ny sehatra hafa nefa voafafa no averiko etoana. Efa voasoratra koa ny lohateniny. Eo anila moa dia misy soratra nataoko nanao hoe:"Noho ianao ve no nampiova ahy? Tsia, ny fisainako momba anao sy te-hanana anao". Tsy fantatro ny andro nanaovako io fanamarihana io fa ny tononkalo kosa hovakianareo etsy ambany ihany.

Ny dina ifanaovana

 

Raha amin'ny fiainako ety an-tany
Ianao irery ihany no aina
namelona indray fanahy saiky maina
nanome hery ilay fo nitaraina
nanaitra izato foko, nandrisika ny saina
Eny e! tsy hay faritana raha izany no lazaina

Ianao irery ihany anie ry Tiana
Ilay hany olo-tokana izay nofidiana
Tiako itantarana ny gejam-pahoriana
sy iaraha-manandratra ny hehin-kafaliana
Tsy misy olon-kafa afa-tsy ianao irery ihany
Ianao no fiononako raha toa aho mitomany

Tiako raha ny fontsika no miara-mitempo
miara-manina sy miara-misento
Eny, fantatrao
Tao aminao Rahavana
no nahitako fitia iriko tsy ho lany
Ka ny fandalovana ety hiarahantsika hatrany

Mety ho adala ny fihevitrao ahy
Tsy isalasalako izany ary tsy misy ahiahy
Eny efa fantatrao
Tsy voafehiko intsony izay tsy tokony atao
Tsy mampaninona raha izany
satria ny hiadaladalako ianao irery ihany

Ny foko mihitsy no manome toky
ny teny omeko tsy tenim-boloky
fa raha ny finoako
tsy hohelezin'ny rivo-mifofo
sady tsy hiova no tsy mety hiofo
ny dina ifanaovana tsy misy soloky

Jentilisa, 07 desambra 1992

 

 

Moa ve ho tafaray ny polisy sy zandary mpifandrafy any ambadika any?

2008-10-16 @ 20:31 in Politika

Baikon'ny filoha faratampon'ny foloalindahy ny hanambàrana ny polisy sy ny zandary ho deparitemanta iray. Ny antony araka ny filaza dia mba hahombiazana kokoa eo amin'ny asa fitandroana ny fandriampahalemana anatiny eto amin'ny firenena sy hamerenana ny hasin'ny mpitana fitaovam-piadiana ary ny hisian'ny fifampifehezana matotra kokoa.

Mpifanerasera amin'ireo vondron'asa mpitazona fitaovam-piadiana roa ireo ny tena. Mpitam-piadiana ny roa tonta ka manana ny heriny avy. Azo ambara aza fa samy miaro ny vondrona misy azy avy ny tsirairay ary mifanindry mihitsy aza, tafiditra koa eto ny miaramila. Politika napetraky ny mpitondra teo aloha nampanjaka ny zarazarao hanjakana ny nijoroan'izy ireo ho samy manana ny azy. Fiarovana ny sezany mahomby tokoa izany. Raha toa manko mitady hanongam-panjakana ny ao amin'ny polisy sanatrian'izany dia tsy maintsy hanao izay hanakanana izany ny ao amin'ny zandarimaria na ny mifamadika amin'izany. Izay no nahatonga ny hadihady hoe raha tafaray eo ny fanapahana sy ny fifehezana mety ho mora kokoa ny fanonganam-panjakana satria tsy misy hery mifandrafy loatra intsony.

Nahoana ary no najoro ny baraingo amin'izay ho fahombiazan'ny fampitambarana ny polisy sy ny zandary? Ohatra vitsivitsy: Any amin'ny polisy, araka ny tatitry ny zandary sasany, vao any ampiofanana dia efa masahina ao an-dohan'ireo mpianatra ho polisy ireo amin'ny taranja tantara fa ny zandary no namono ny polisy tamin'ny rotaka 1972 (fony FRS na Forces Republicaines de sécurité) sy tamin'ny 1975 (fony Groupe Mobile de Police na GMP) tamin'ny fiokona nataon'izy ireo tetsy Antanimora ka niampangana azy ireo ho namono ny filoham-panjakana. Avy amin'ny zandarimaria indrindra anefa tamin'io fotoana io ny filoha nitondra ny firenena. Noho izany efa nomanina ho hery mpifanandrina amin'ny zandary sahady ny polisy. Etsy ankilan'izay dia mirehareha amin'ny fiofanana vitany kosa ny zandary fa ny asan'ny polisy rehetra dia vitany raha ampanaovina azy fa ny polisy kosa ho be ny asa tsy ho vitany raha ampanaovina ny asan'ny zandary ireny. Ny vola fandrain'ny roa tonta anefa toa mifamadika amin'izany. Ny lasitra famolavolana ny roa tonta izany dia tsy mitovy velively. Sarotra ny hahombiazan'ny fampitambarana raha tsy ny toby fiofanana mihitsy aloha no raisina.

Ankoatra izay, mety tsy ho eken'ny eritreritry ny polisy velively ny ho baikon'ny zandary ary mihivingivin-doha tanteraka ny zandary ka hoe eo ambany fifehezana manamboninahitra polisy. Mifampihevitra ny ho sakamalaho sy havozo manko ka samy manana ny hanitra ho azy. Be ny mihevitra fa noho ny baikon'ny filoha dia manaiky ambava ny manamboninahitra avy amin'ny roa tonta fa any anaty any kosa mety ho efa mivonto ny fo.

Manaraka izany indray ny fipetraky ny rafitra an-tanan-tohatra. Ny avy amin'ny polisy dia mahita avy hatrany fa ny Praiminisitra no eo amin'ny faratampon'ny rafitra vaovao. Amin'izao fotoana izao anefa dia manamboninahitra jeneraly avy amin'ny zandary no mitazona izany toeran'ny praiminisitra izany. Singa eo amin-dry zareo izay hilazana fa tadiavin'ny zandarimaria atelina tanteraka ny polisy. Etsy ankilany indray anefa toa vitsy ihany miohatra amin'ny zandary ny polisy manana laharam-boninahitra ambony ka tsy misy isafidianana loatra hitana andraikitra ambony, hany ka na sanatria aza mety hisy ny tsy fahombiazana eo amin'iny olona iny dia tsy misy ihany na dia izany aza ny mahasolo azy.

Tohin-dresaka ihany dia maminavina aho ny amin'ny antony mahatonga izao fanapahan-kevitry ny filoha izao. Heveriko fa noho ny nataon-dRazafindrazaka Emmanuel fantatra amin'ny mampalaza azy hoe Bôlô izay manamboninahitra ambony ao amin'ny polisy no nandraisana ny fanapahan-kevitra hitelemana ny polisy ho zandary izao. Kely ihany ny herijikan'io vinavina io na dia izany aza. Be ny mihevitra fa ny deparitemanta ihany no ho iray fa samy hiolonolona amin'ny misy azy avy ny roa tonta. Tsorina fa fanahiana goavana amin'ny mety ho fipoahan-javatra tsy ampoizina no ho vokatry ny fanapahan-kevitry ny Filoha izao raha tsy mitandrina izy. Arakaraky ny seza very ao amin'ny manamboninahitra avy amin'ny roa tonta manko nomety hisian'ny fifanandrinana. Fa enga anie ny hamisavisana ny ratsy hiavian'ny soa na dia izany aza.

Farany, tsaroako tsara fahakely fa tena tiako mihitsy ny hanao izany asana zandary izany. Asa inona loatra angaha no nahatonga izany? Soa ihany fa sady keliray ny tena no kely endaka fa teo amin'ny fahaizana mitifitra ihany no tsy azo novazivaziana (tsy niraty tifitra aho fony izaho SN teny Langaina vao sambany nanao izany).

Omeo vehivavy hendry aho...

2008-10-15 @ 22:39 in Finoana

...hananganako firenena vanona. Noheveriko ho teny ao amin'ny baiboly izy io; kanjo diso hevitra aho. Tenin'olona tsotra izy io. Tsy nahita azy io tao amin'ny baiboly aho, na izaho no tsy nahay nikaroka azy...nefa nandany fotoana ihany hijery azy tao amin'ny kônkôrdansa. Amin'ny ankapobeny anefa dia nampidirina ho anisan'ny soatoavin'ny mpandala ny baiboly ny teny ary matetika no karazana atao ho lohahevitra mihitsy aza. Ekeko ny fahamarinan'ny teny sy ny lanjany. Tsy mba tahaka izany kosa anefa fa laviko kosa ny fanandratana ny teny hoe "Ampio ny tenanao dia hanampy anao ny lanitra"na ny "Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany". Fa mitady hivaona amin'ny resaka tiako fotorina aho izany.

Mametraka sahady fa ny vehivavy hendry no fototry ny firenena vanona. Ny vehivavy manko no miteraka ary mahatsapa ny vesatra sy ny fijalian'ny fiterahana. Rehefa tontosa anefa ny andro iterahana ka tonga ny zaza, iny no lasa mamy indrindra ho an'ilay niteraka azy. Mamy tena mamy raha zanaka niriana fa fanorisorenana kosa raha vohoka azo tsinahy noho ny fahafinaretana fotsiny ihany. Taonjato anjakan'ny fahafinaretana tokoa izao iainantsika izao nefa miara-dalana aminy ihany koa ny voninahitra. Matetika raha misy ny vohoka tsy nirina na ivelan'ny fanambadiana nefa mba manana ny hajany ihany ny ray aman-dreny no karohana mandrakariva izay hanalana iny zaza am-bohoka iny. Lasa ambany noho ny voninahitra na ny fahafinaretana ny aina. Ny aina izay sarobidy indrindra eo anatrehan'Andriamanitra. Te-hahalala anefa aho etsy ankilan'izay hoe firy isan-jaton'ireny nanala zaza ireny no nanenina tamin'izay nataony avy eo? Raha olona tsy mahalala afa-tsy ny fahafinaretana aloha mety tsy hanenina mihitsy, mitohy am-pilaminana indray manko ny revy. Fa raha olona notezaina ho olom-banona ihany na tonga amin'izay amin'ny faniriana hananjanaka amin'izay no lasa afa-jaza hatrany avy eo? Deraiko manokana noho izany ny vehivavy nisafidy ny hitazona ny zanany na dia nofitahin'ny sakaizany nanaovana filan-draha tsy mahita fotsiny aza. Tsy miresaka fandrindram-piterahana ivelan'ny voajanahary kosa indray aho.

Manaraka izany, eto ampanoratana aho no mahita fa toa mifandaka ny fahafinaretana sy ny fandraisana andraikitra hametraka fanorenana maharitra sy mitohy. Efa manjaka amin'ny Tandrefana sy ny mpandala faratampony ny kolontsainy miridana toa soavaly tapa-kofehy fa tsy maharitra velively izany fanambadiana izany. Resaka fahafinaretana ara-pananahana sy fianohana anaty vola aman-karena no heveriko ho fototr'izany. Ny tsapan'ny olon-dehibe ihany no lanjalanjainy, ny fitiavan-tenany hikaroka hatrany ny fahafinaretany no asandratra hany ka tsy noheverina velively tao anatiny ny ratram-po mahazo ny zanaka iharan'ny fisarahan'ny ray aman-dreny. Mizaka ny safidin'ny fitsarana amin'izay hitaiza ny zaza sisa no mba zon'ny ankizy.

Omeo vehivavy hendry aho hananganako firenena vanona. Toa mametraka fa andraikitry ny vehivavy ihany no hahavanona ny taranaka handrafitra ilay firenena rahampitso. Fahadisoan-kevitra izany: efa manamarika sahady ny fahavononan'ilay miteny heverina ho lehilahy mihevitra hanorina, hanangana, hanohy izay hahavanona ny firenena izany. Manambara fa tsy vitan'ny lehilahy irery ny manangana io firenena io fa tsy maintsy manana ny anjara toerany lehibe ny vehivavy. Tsy lehilahy sy lehilahy no hiandraikitra amin'ny fanorenana ilay ankohonana fototry ny firenena ary tsy vehivavy sy vehivavy ihany koa fa lehilahy sy vehivavy. Lehilahy iray sy vehivavy iray miara-mibanjina ny hoavy ho an'ny ampitsony sy ny taranany.

Mandrapahazoako fahana moov

2008-10-13 @ 14:48 in Toekarena

Amin'izao fotoana izao dia manana tolotra vaovao indray ny dts amin'ilay hoe moov yes. Araka ny haitao adsl araka ny filazany moa io tolotra io ka 200Mo ny vesatra ambony indrindra zakan'ny 49 000Ar. Mifanaraka amin'izany anefa dia tsy ahitana fahana intsony eny amin'ny fivarotana mahazatra amin'izao fotoana izao. Na dia efa nandalo tao amin'ny masoivoho tetsy Analakely aza aho dia mbola tsy nahazo fahafaham-po fa ny valiny dia hoe tokony hisy tonga androany fa mbola tsy hita. Tamin'ny herinandro io fandalovako tao io. Mikatso tanteraka izany ny zavatra ataoko amin'izao fotoana izao mandrapahazoako fahana vaovao. Nisy fetr'andro tokoa manko ny fahana teo aloha ka amin'ity volana ity no azo ampidirana azy farany. Dia miandry ny sitrapony izany izahay efa nifidy azy aloha.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox