Kianjan'ny demaokrasia: hotokonana foana io na inona na inona nitranga!

2009-01-15 @ 06:35 in Politika

saritatra gazety Ao raha 14 janoary 2009
 

Na nosokafana na tsia ny VIVA TV, efa niomana ny hitokana ny kianjan'ny demaokrasia hatrany ny eo amin'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo Renivohitra. Lalana efa noraisina iny (fanapahan-kevitra efa noraisina) ka inoana fa hotohizany ny fanarahana azy! Artista manandaza maro no nalaina mba hanafana izany fitokanana ny kianjan'ny demaokrasia hotontosaina ny Asabotsy 17 janoary 2009 izany. Io sisa no fomba mahomby eo ampelatanan'ny fiadidiana ny tanàna hanangonana olona maro, efa nataony manko io tamin'ny famalifaliana faran'ny taona teo amin'io kianja io ihany. Ny sisa mampanontany tena dia hoe ho tonga hanatrika fety ve ny olona rehefa ampiarahina ny hira sy ny politika (na rehefa manahy ny hisian'ny savorovoro kosa ny olona)?

saritatra gazety Taratra 14 janoary 2009
Nanandrana hatrany hamantatra izay hanara-dia azy hatramin'ny farany ny ao amin'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo teo ho eo. Raha ny olona tonga no jerena, jereo ny vohikala ofisialin'ny tanàna, tamin'ny nitokanana ny kianjan'Andohalo dia vitsy tsy araka ny nantenainy ny sarambamben'ny olona tonga nanatrika teny. Raha nitohy izany ny alahady nataony fiaraha-mivavaka ho an'ny firenena sy ny mponin'Antananarivo, na dia hita ho maro jerena aza ireo olona tonga ireo, dia mbola vitsy tsy araka ny nantenainy... sy araka ny fijerin'ny filoha Ravalomanana ihany koa nahasahy niteny ireny hoe mpampihorohoro sy mpaka takalon'aina ireny. Omaly indray dia ninia nanely tsaho ny avy amin'ny fiadidiana ny tanàna na ny mpanara-dia azy fa ho avy hanakatona ny radio VIVA ny mpitondra fanjakana amin'ny alalan'ny zandary sy miaramila, saingy tanora 20 raha be indrindra no namaly ny antso, tanora TGV mazava loatra vonona hiaro an'Ambodivona (foiben'i VIVA). Tena tadiavina mandrakariva ny handrangitana ny vahoaka e!

sary zaridainan'Analakely faran'ny taona 2008 fony tapabolana tsy nisy orana teto

Fa inona no nitranga raha nosokafana ny VIVA TV? Vao maika hieboebo ny Ben'ny tanàna fa mahomby hatrany amin'ny zavatra takiany ka hotohizany ny fananganana marina tokoa ny demaokrasia. Mbola misy anefa ny radio hafa mikatona (any Toamasina izay nisy nalaza tamin'ny fampiroboroboana ny fankahalana Merina) ka mitohy ny tolona amin'ny fitokanana ny kianjan'ny demaokrasia. Ny Malagasy indray anie tia mirevy foana ka rehefa mahazo olona amin'io sabotsy io dia hahazo toky tsara amin'izay. Lasa tombony sy fitaovam-pifanandrinana lehibe eo ampelatanan'ny TGV izany ny fahitalavitra raha nisokatra satria ny sary no manintona indrindra. Mbola fatiantoka amin'ny mpitantana ny tanàna noho izany ny tsy fisokafan'io VIVA TV io. Azo lazaina noho izany fa tena mahay milalao fanorona politika ny mpitondra fanjakana raha fantatra fa tsy hanokatra velively io fahitalavitra io!

sangisangy gazety inona ny vaovao 14 janoary 2009

Fa mismisy ihany ny manana alahelo amin'ny fanaovana an'Ambohijatovo ho kianjan'ny demaokrasia, satria eo no fialan-tsasatry ny mpianatra sy mpiasa maro lavi-podiana rehefa atoandro, ka manahy ry zareo hikatokato-poana ny toeram-pialantsasatra sisa afovoan-tanàna ho an-dry zareo.

 

jentilisa, 15 janoary 2009

 

Breaking News: May ny fonjan'Ambalatavoahangy (Toamasina) sy tohin'ny an'ny Andry Rajoelina

2009-01-13 @ 11:12 in Politika

Vaovao vao mipoaka mihitsy ity atolotra anareo ity. May ny fonjan'Ambalatavoahangy, anisan'ny fonja fonja vaky tamin'ity volana janoary ity, any Toamasina izany. Setroka tsy ifankahitana no ao amin'izao fotoana izao, araka ny tatitra nalefan'ny namana mpampita vaovao tamiko amin'izao fotoana anoratana izao. Nisy poa-basy mihitsy ren'ny manodidina ka afaka fotoana fohy isika mahita ny tohin'ny tantara avy amin'ny karazana mpampita vaovao samihafa eto Madagasikara.

Fa inona moa ny zavamisy ao Ambalatavoahangy ao amin'izao fotoana izao. Misy trano amboarina manko ao amin'ity fonja ity, ka nanagorobahana ny rindrina ivelany ifamezivezen'ny fiarabe mitatitra ny fitaovana hanorenana ireo trano lehibe roa ireo. Ny mpijery manodidina dia efa niahiahy be ihany fa mora ny hanaovana fandosirana noho io rindrina nogorobahana io. Tsy fantatra hoe mpiasa tsotra ve no manamboatra ny trano sa ny voafonja ihany? Na ahoana manko na ahoana, hoy ny namana mpampita vaovao dia fakam-panahy lehibe ho an'izay migadra ny mahita izany rindrina mitanatana izany (eny fa na dia lazaina ho roa sosona aza ny rindrina).

Vaovao faharoa ampitaina aminareo ihany koa, nitsidika tampoka ny hopitalin'ny Befelatanana ny filoha Ravalomanana mba hijery ny zavamisy ao. Izay no filazana ofisialy fa ny tena marina dia hiresaka amin'ny mpanao gazety no tena tanjony, ka amin'ny maha-mpanao gazety ny mpanao gazety dia tsy maintsy nanontany ny filoha momba ny Ultimatum nataon'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo ry zareo. Io fanontaniana io no tena nandrasany. Toy izao ny sombin-dresaka nampitain'ny radio nasionaly malagasy momba ity raharaha ity:

Amin'ny fanombohan'ny taona tahaka izao dia tokony ho anjaran'ny zanaka no mitsidika ny ray aman-dreny. Misy anefa ny zanaka no tsy afaka mamangy ny ray aman-dreny noho ny tsy fahasalamana. Raha izay nanombohany niteny izay dia fantatra avy hatrany fa ny Ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra no nasiany voalohany satria salama tsy marofy ny lehilahy nefa tsy nitsidika ny ray aman-dreny. Raha manotany ny fanapahan-kevitry ny filoha sy ny fitondrana amin'ny Ultimatum ny filoha dia hoy ny navaliny: Ny olona mpaka takalon'aina no mpanao izany Ultimatum izany, ka matoa efa miditra amin'izany dia efa vonona ny hamita hatramin'ny farany, koa vitao ary. Raha hanontany izay tohiny ianareo dia anontanio izay nanao izany fa izy no mahalala ny tohiny. Efa niantso azy ihany aho tamin'ny zoma teo fa izy no tsy tonga.[...] Tsy fanao ireny Ultimatum ireny...

Ataoko fa ampy hieritreretantsika rehetra izay voalaza izay, vangivangio ihany eto fa mety hisy ny vaovao fanampiny atolotra anareo raha misy izany... mihamafana tokoa ry zareo ny toe-draharaha an!



jentilisa, 13 janoary 2009

Andry TGV: Sao Vavaka fihatsarambelatsihy? (updated at 23:45 Antananarivo)

2009-01-11 @ 09:16 in Finoana

Mety ho maro no ho tezitra fa dia izay no fijeriko azy. Niniako nosoratana talohan'ny fotoam-pivavahana (jereo ny afisy) hotontosaina raha tolakandro alahady 11 janoary 2009 izy ity fandrao raha mahita ny hamaroan'ny olona aho dia hihemotra indray amin'ny fanehoako hevitra. Mananjo hatrany anefa aho haneho ny hevitro na dia tondroina ho fahavalom-bahoaka aza matetika, na mpanakatsakana no filaza azy ankehitriny. Nahoana ary no lazaiko fa vavaka fihatsarambelatsihy no ataon'i Andry Rajoelina sy ny tariny rahariva?  
 

Sary nangalarina tamin'ny gazety Ao raha nivoaka ny sabotsy 10 janoary 2009 teo mba ho hitanareo any ivelan'i Madagasikara.

Voalohany, tratran'ny fihatsarambelatsihy aloha ny Ben'ny tanànan'Antananarivo raha namindra ny fifampiarahabana saiky hotontosaina ny alarobia teo hifanontona amin'ny fifampiarahabana izay fanaon'ny eny Iavoloha isaky ny Zoma voalohany na faharoa amin'ny taona ho fialana sirika. Tsy nihatsaravelatsihy izy raha nataony alarobia ihany ny fifampiarahabana teo amin'ny mpiara-miasa aminy ka tsy tonga fotsiny izao, tahaka ny fanaon'ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert, tsy manana antony manokana afa-tsy ny tsy fitiavana ho any izy ny zoma 09 janoary 2009 lasa teo. Efa fanehoana fahalemena sahady iny fomba nialana iny nefa ianao hilaza hanatontosa fotoam-pivavahana ho an'ny Firenena sy ny tanànan'Antananarivo ny alahady 11 janoary 2009.

Mazava tsara anefa ny lazain'ny baiboly raha misy ny toe-javatra tahaka izao ka heverina fa manana olana amin'ny fitondram-panjakana foibe ianao, noho ny faneriterena sy ny fanakatsakanana isan-karazany; Baiboly ao amin'ny bokin'i Matio toko faha-5 adininy 23 sy 24: "Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina vao atero ny fanatitrao." Hanomana fotoam-pivavahana ianao, nefa tsy nanana fanajana ny mpitondra anao tamin'ny famaliana ny fanasana... eny fa na dia tsy mifankahazo aza ianareo... dia efa fahadisoana lehibe eo anoloan'ny vavaka izay kasainao hatao. Misy soratra ao amin'ny Baiboly misy ny taratasy voalohany nosoratan'i Jaona toko faha-4 andininy 20 sy 21: "Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa ataony ahoana no fitia an'Andriamanitra izay tsy hitany raha mankahala ny rahalahiny izay hitany izy? Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa." Heveriko noho izany fa na notoroana hevitra diso ny Ben'ny tanànan'Antananarivo hijabaka any amin'ny tsy tokony alehany na tena zavatra hafa mihitsy no nokendrena hatry ny ela.
 
 Sary afisy nopihana tamina toerana tsy azo ametahana afisy tahaka ny nalain'ny mbs tamin'ny rindrin'ny kianjan'i Mahamasina sady tsy azo ametahana afisy no voarara ihany koa ny fanoratsoratana azy. indrisy!

 
Manaraka izany, sao lasa mivadika ho toriteny izy ity, dia misy zavatra azo tsoahina ihany koa ny votoatin'ny afisy: Soratra voalohany indrindra ery ambony ery: Antananarivo mijoro... Nahoana no tsy natao hoe Antananarivo mivavaka ohatra? Toa hafa avy hatrany ny ao ambadiky ny teny: Antananarivo manohitra, manohitra ny fangejana ataon'ny mpitondra azy? Sa mijoro manakory tsara moa izy ity? Fa angaha moa tsy fotoam-pivavahana izy ity no asiana tarigetra toa tsy mifanaraka akory amin'ny zavatra izay kasaina hatao? Dia eo ihany koa ny hoe hitondrana am-bavaka ny firenena sy ny mponin'Antananarivo renivohitra. Ny ankamaroan'ny fiangonana dia efa manana fotoana iraisana isaky ny 29 marsa sy ny fetin'ny fahaleovantena hanaovana izany fitondrana ambavaka ny firenena izany... ny hoe ny mponin'Antananarivo renivohitra indray aloha tsy mbola misy nandraikitra izany manokana... saingy mazava fa tsy vonjy tavan'andro no tokony hanaovana zavatra tahaka izao fa fotoana raikitra mandrakariva... noho izany, tokony ho efa nahalala ny fotoana fanaovana izany fitondrana am-bavaka ny firenena fanaon'ny maro amin'ny fiangonana izany ny ekipan'ny Ben'ny tanàna ankehitriny ka mba nahay niandry izany afa-tsy hoe manan-javatra hafa hokendrena (manao ho fitaovana politika ny fivavahana), na tsy mahalala ireo fotoana ireo akory... ka dia nampiharihary amin'ny hafa ny tsy fahalalany akory ny fivavahana izay hataony.

Farany, tsy atao ho olana velively ny fanentanana ny olona hiakanjo fotsy amin'io fotoana io, fa mba fanao ihany izany, saingy araka ny fijeriko toa tsy ho amina fanompoam-pivavahana velively no handehanan'izay rehetra hankeny amin'ny Kianja mitafon'i Mahamasina fa ho endrim-panohanana fotsiny ny Ben'ny tanàna. Mampiahiahy ahy ihany koa fa tsy tena ilay fotoam-pivavahana no tanjon'ny mpikarakara fa hijery na hanombana ny hamaroan'izay mety hanohina raha avy ny fotoana hihetsiketsika ry zareo hanohitra ny jadona sy ny fanakatsakanana ny fahalalaham-pitenenana... Ka hirosoana na hiatoana amin'ny dingana manaraka... ary dia mbola endrika fanahy tsy madio ihany koa izany. Dia ho inona daholo ary izany raha marina tokoa fa tsy endrika vavaka fihatsarambelatsihy fotsiny?
 
Fanampiny rehefa vita elaela ny fotoana!

Nizotra tsy nisy sakatsakana ny fandaharana rehetra notontosain'ny ffkm Antananarivo renivohitra araka ny filazana azy nandritra ity folakandron'ny 11 janoary ity (efa alina kosa aho no manoratra ho vaovao sy fanehoan-kevitra ho anareo). Tsy nahay naka sary tsara ve ny tao amin'ny iarivo-town satria tsy hita tsara ny sarin'ireo mpitondra fivavahana nitarika ny fotoana sa lavitra loatra ny alitara (ôtely)? Olona roa amin'ireto voatonona manaraka ireto no fantatro endrika tsara saingy toa manjavozavo mampisalasala izy ireo amin'ny sary (ireo anaty fononteny):

Mitarika : Révérend Père Rakotondrasoa Jean Thimoté
Mitoriteny : Pasteur Rakotobe Rajaomanjato (Fjkm Ziona Ambohipo)
Vavaka : Pasteur Ranaivoharivony Herimalala
Soratra Masina : Pasteur Rakotomahandry Ivola (Flm Ambatovinaky)
Tonombavaka : Pasteur Ramaroson Oelinirina
Teny Fisaorana : Ben’ny Tanànan’Antananarivo

Ao amin'ny iarivo-town ny sary: Samy manana ny fijeriny ny tsirairay, mety noho ny fahalalana fa tsy ho tafiditra anaty trano no nahakamo ny sasany... nefa fanehoan-kery no tanjona hahitana ny hamaroan'ny olona hanaraka. Izaho kosa milaza hoe: pour un début, c'était déjà bon!

Tsy nahalala nitatitra ny teny rehetra ankoatra ny an'ny Ben'ny tanàna ny mpanao gazety (satria ny fankalazana ny Ben'ny tanàna angaha no tanjona?) koa dia omena anareo ihany ny teny voasoratra ao amin'ny fandaharam-potoana (marihina fa tsy teny aho noho ny asa aman-draharaha alahady ka namana nahangom-baovao tampoka no nampita tamiko):

Vakiteny 1: Jeremia 31: 1 - 6, Isaia 41: 1 - 4
Vakiteny 2: I Korintiana 13: 4 - 13
Vakiteny 3: Jaona 15: 9 - 16

Araka ny notaterin'ny radio france international androany 11 janoary 2009 tamin'ny folo ora sy sasany alina (ora Antananarivo, Madagasikara) dia ampolo arivony (diso ihany izany raha ny sary no jerena!) indrindra fa ny tanora no tonga nanatrika ny fotoana. Mazava rahateo ny tian'ny rfi nampitaina na izay notsongaina tamin'ireo noraisiny feo:

Ny iray nanambara fa tonga eo izy ho fanombohana fotsiny ihany fa mbola miandry ny manaraka ihany koa izy... izany hoe ny tiany lazaina raha ny fahazoako azy dia efa vonona izy ny hilahatra sy hitokona raha miantso ny Ben'ny tanàna. Ny iray hafa manambara fa tsy tena hivavaka no andehanany tao fa hanohina ny antson'ny Ben'ny tanàna, fa raha hivavaka izy dia efa vitany ny maraina tany am-piangonana izany. Ny iray milaza fa Miozolmana izy ka mandray anjara ao ihany koa amin'ny maha-mizaka ny zom-pirenena azy. Ary ny farany dia manohana ny Ben'ny tanàna izy amin'ny maha-tanora azy satria ilaina mifanampy ny tanora...hehehe.

Ny zavatra hafa voamarika ihany koa dia ny fisian'ny tehaka nandritra ny toriteny satria nahafinaritra dia nahafinaritra tokoa hoe ny toriteny [mahay mitoriteny kosa aloha ny Pasitera Rajaomanjato e!], tsy dia fanao manko izany, indrindra fa ho an'ny protestanta saingy dia nierimberina hoe ny tehaka. Raha manam-potoana hamakiana ireto andinin-tSoratra Masina ireo ianareo dia tahaka ny misy finiavana ho amina hetsika mesianika ny resaka [mesia vaovao tokoa moa ny Ben'ny tanàna? fanaon'ny olona hatrany izany rehefa tena manantena iny olona iny izy, ny Mesia andrandraina koa moa matetika sady fahefana politika iny no fivavahana]



Jentilisa, alahady 11 janoary 2009

Lasan'ny TGV angaha ny jirama? sy ekena ny 11 janoary saingy...

2009-01-08 @ 11:27 in Andavanandro

Gaga aho raha nandray ny faktioran'ny Jirama androany fa ny lokony no nanaitra ahy voalohany. Jereo anie:

Tsy fahotana velively na lasany aza, mety ho izay koa no mba tian'ny mpitondra. Fa mahavariana ihany na dia izany aza amin'izao toe-draharaha heverina ho mafana izao. Ny loko mavokely no loko namantarana ny Jirama hatrizay. Hiova ho manga antitra ve izy sa hampiaraka ny manga antitra sy ny mavokely izay loko famantarana ny fikambanana TGV rahateo? Ny ho avy no hanambara azy.

Vaovao hafa ankoatra izany, nanambara ny lehiben'ny faritra Analamanga sy ny Prefen'Antananarivo renivohitra amin'ny fotoam-pivavahana tian'ny Kaominina Antananarivo renivohitra hotontosaina fa ekeny no hanaovana izany, saingy anaty trano... mba hahamora ny fandaminana sy hisamborana ireo gadra nandositra izay mety hanakorontana anaty vahoaka amin'ireny fivoriana ankalamanjana ireny. Efa mananontanona ho'aho ny fifandonana.

Zavatra iray hafa ihany koa, nifanontona ny fifampiarahabana nahatratra ny taona eny Iavoloha sy ny karakarain'ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin'ny zoma (rahampitso) 9 janoary 2009 ho avy izao ka ahiana ny tsy hahatongavan'ny Ben'ny tanàna any Iavoloha indray. Gazety hafa anefa no nanambara fa saiky notontosaina omaly io fifampiarahabana tao amin'ny Kaominina Antananarivo io fa (izaho indray no manohy) mba ho fialana bala tsy hahatongavan'i Andry Rajoelina any Iavoloha dia aleo hahemotra rahampitso izy io. Tena tokony hosolàna ilay Ben'ny tanànanay fa ahiako misy mitondra amin'ny sangany!

Farany, ompa nataona mpihaino iray tao amin'ny kidaona maraina androany alakamisy 8 janoary 2009 ihany: Be dongidongy tamin'ny mpanjaka, hono, ity zanak'andriana (tsy iray fianakaviana amin'ny mpanjaka) iray nifehy tanàna somary lehibebe ihany ka niteny azy ny mpanjaka hoe: Fa inona no tadiavinao amin'ity be dongidongy ity e? Namaly, hono, ilay zanak'andriana hoe: Tsy mitady na inona na inona aho fa ny tadiaviko dia ny mandiky eo amin'ny seza fiandriananao! Eny ary, hoy ny mpanjaka, fa izao: mahazo mandiky soa aman-tsara eo amin'ny seza fiandrianako ianao fa tsy mahazo mivalandrano... koa ataovy ary!

Operation Prison Break sy mandika ny lalàny ny FFKM raha...

2009-01-06 @ 06:02 in Politika

Roa andro aty aorian'ny fahavakisan'ny fonja telo (Tsiafahy any Ambatofotsy Gara tamin'ny telo ora maraina sy Ambalatavoahangy any Toamasina tamin'ny telo ora maraina ary Betroka tamin'ny folo ora alina) tao anatin'ny alina iray monja (Asabotsy mifoha Alahady) dia miharesy lahatra ny maro fa tsy kisendrasendra intsony izao toe-javatra izao. Heverina ho misy ny atidoha nikotrika ny raharaha ary olona ivelan'ny voafonja ny atidoha, satria tsy tokony hanana finday na fitaovan-tserasera hafa ireo voafonja ireo handosirana tao anatin'ny indray alina. Tarataratra ho fitadiavana hanakorontanana ny firenena amin'ny alalan'ny tsy filaminana no tanjona na fanindriana ankolaka ny olona tsy hihetsika satria hanampy isa ireo olona natao hanakorontana fotsiny (A qui profite le crime?). Hisy raharaha ity volana Janoary sy ny tohiny ity izany koa!
sary nangalarina tamin'ny gazety Taratra  alatsinainy 05 janoary 2009

Zavatra faharoa, Nisy ny taratasy nalefan'ny Kaominina Antananarivo renivohitra tany amin'ny fiangonana maro samihafa tany. Nisy ny nilaza azy tamin'ny raharaham-piangonana, fa misy koa ny fiangonana tsy nilaza io velively. Taratasy fiantsoana ny fiangonana rehetra, hanatrika ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana hotontosaina eo amin'ny kianjan'ny demaokrasia Ambohijatovo ny alahady 11 Janoary 2009 folakandro (na any amin'ny tranompokonolona ve raha avy ny orana?). Manomboka eto no tsy mazava intsony: iza no mitarika ny fotoana? Raha ny FFKM dia mandika ny lalàna napetrany ihany izy. Noho ny fifandroritana politika be loatra nisy hatramin'izay manko dia nametraka arofanina ry zareo. Izao izany arofanina izany: Ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tarihin'ny FFKM eo anivon'ny firenena dia fotoana telo ihany ao anatin'ny taona. Efa voafaritra mialoha ihany koa ireo fotoana telo ireo.

Ny Fotoana voalohany dia ny herinandro fiaraha-mivavaka fanao isaky ny 18-25 janoary izay toa tsy fantatsika loatra intsony amin'izao fotoana izao. Mandritra ny herinandro no hanatontosana io fotoana io ka mifandimby mampiantrano ny fotoana ireo fiangonana mifanakaiky. Ny fotoana faharoa dia isaky ny fahatsiarovana ny 29 marsa 1947 izay atao isaky ny daty voalaza mazava loatra. Ary ny fotoana fahatelo farany, fotoam-pivavahana iraisam-pinoana eo amin'ny sehatry ny firenena, izany hoe rehefa mifandraindraika resaka politika ny fotoana, dia amin'ny fetim-pirenena isaky ny 26 jona. Ny ankoatra izay dia heverina ho fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tsy ara-dalàna mitady hanimba ny fiaraha-miasa.

Koa raha mpitarika ny fotoana ny FFKM amin'ny fotoam-pivavahana tarihin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra ho avy io dia tsy manara-dalàna, amin'ny fitsipika napetrany ihany, izy. Raha ny roa amin'ireo no mitarika dia tsy olana loatra izany, saingy tsy afaka milaza tena na misolo tena ny FFKM na oviana na oviana izy. Raha toa izany mitarika ny fotoana amin'io fotoana io ny Arshevekan'Antananarivo, na dia izy aza no filohan'ny FFKM amin'ity taona 2009 ity dia tsy afaka misolo tena ny FFKM ny lehilahy. Enga anie mba hazaa amin'ny maro tsara izay fanavahana izay.


jentilisa, talata 06 janoary 2009

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox