Pin's, bokotra ary insigne

2009-09-30 @ 11:14 in Andavanandro

Tany ampita andrefan'ny manodidina an'Alaotra iny ny tena, noho ny raharaham-pianakaviana, nanomboka ny zoma 25 septambra ka hatramin'ny alatsinainy 28 septambra koa aza tsiny indrindra raha heverinao ho elaela aho no tsy namaham-bolongana. Toa hafa ihany no nahazoana ny fandehan'ny raharaha tao amin'ny Firenena Mikambana (Misy lahatsoratra Global Voices teny anglisy nadikako ho teny malagasy rahateo ato) nandritra ny tontolon'ny Alakamisy sy ny Zoma tany lavitra tany.

Nanontany vaovao tamin'ny olona taty Antananarivo ny tena ny alin'ny Sabotsy, nanontany ny fandehan'ny raharaha, ary dia nitombina ny ahiahiko fa tsy hisy fivoriana vanona izany ao Mahamasina ao, fa mbola fandrika navelatra ihany iny. Natatatatako ho fanodikodinana ny sain'ny olona tsy hieritreritra izay hivory ao Ankorondrano Magro ireny toe-javatra ireny, sady izany rahateo no eritreritry ny nanatrika magro tamin'ny alakamisy nilaza ny tsy tokony ivoahana ny toerana intsony nihorakora-panoherana izany handeha toeran-kafa izany ny andro Sabotsy (Efa fisarahan-kevitra aloha izany!). Azo heverina ho nanaiky tsy sazoka fotsiny ny mpanatrika rehefa nanizingizina ny mpitarika fa efa ampelatanana ny taratasy fanekena hanaovana ilay fivoriana.

Nitantara ihany koa ilay olona nanontaniana fa henjana tokoa izao tenin'ny solontenan'i Kôngô tao amin'ny Firenena Mikambana izao nilaza ny solontena malagasy ho "sans qualité". Noheveriko fa tamin'ny alakamisy ihany no nisy tantara, hay hafa mihitsy ny tantaran'ny andro zoma ka tsy azoko ny resaka raha tsy tonga teto Antananarivo mihitsy aho. Ho tahaka ny ahoana re izany ny fahazoan'ny sarambambe Malagasy any ambanivohitra rehetra any raha izaho izay mpanaraka tsy tapaka ny vaovao aza no niala kely fotsiny dia very tanteraka?

Izay no ela fa hitodika any amin'ny lohatenin'ny lahatsoratra aho. Tohin'ilay fanentanana nataoko tamin'ny herinandroihany izy ity. Fomba iray hanehoana ampahibemaso sy an-dalambe ary any amin'ny birao sy ny toerana rehetra misy ahy ny fanoherako ny fanonganam-panjakana misy eto Madagasikara. Namakafaka hatrany izay tokony hatao ny tena hany ka nahita ity hevitra manaraka ity. Nanomboka ny talata 29-09-2009 aho dia mitondra pin's kely hatrany mipetaka amin'ny ankavian'ny akanjoko. Tsy maninona ilay pin's na maneho inona na maneho inona fa ny ao an'eritreritro raha mitondra io amin'ny toerana rehetra aho dia "manambara sy maneho amin'ny rehetra aho fa manohitra ny fanonganam- panjakana misy eto Madagasikara ary manohitra ihany koa ny herisetra amin'ny lafiny rehetra". Hevitro ahy manokana izay, koa raha resy lahatra ianao dia manaova toa ahy ihany koa. Rehefa pin's na insigne tsy voatery miresaka politika io fa mety no pin's an'ny orinasanao aza no atao amin'ny ankavian'ny akanjonao dia entinao maneho amin'ny manodidina anao io fa manohitra ny fanonganam-panjakana ianao ary miray fo amin'ireo izay mitolona isan'andro saingy mamita ny adidinao eo amin'ny fiainana an-davanandro.

Raha mbola mahamenatra anao kosa  ny fanaovana io dia tsy hitako intsony izay azo atao ho anao fa aleo mitsotra hoe efa mety amiko ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao. Rehefa tsy manana pin's na insigne (toy ireny apetaka any ampiangonana ataon'ny sampana fitadiavam-bola ireny) dia ataovy bokotra tsotra izao zairina eo. Ampitampitao amin'ny namana sy ny mpitarika mihitsy aza izao hevitro izao fa tsy mahafantatra aloha aho hoe voarara an-dalambe ny fanaovana pin's e! Araho maso aho ary bedeso raha toa hitanao fa tsy mitondra pin's rehefa mifanena aminao.


jentilisa, 30 septambra 2009

P-S: 30 septambra 1895 : nitsangana ny saina fotsy teo Manjakamiadana. Resy ny tafika malagasy... koa hanangana ny saina fotsy ve ianao sa menatra ve ianao raha tsy mahasahy maneho ampahibemaso amin'ny fomba bitika dia bitika ny tsy fankasitrahanao ny fanonganam-panjakana?


Mandrahona ny ho eny Ambohitsorohitra amin'ny Zoma 25 sept 2009 ny mersenera

2009-09-23 @ 21:07 in Ankapobeny

Ela ny ela fa mipoitra tsikelikely ihany ny marina. Toa tsy misy miresaka loatra ho'aho ity hotantaraiko manaraka ity eto an-tserasera nefa dia gazety malagasy no nahitako azy fa ny gazety taratra laharana 1693 nivoaka tamin'ny 23 septambra 2009 ihany no ampelatanana. Namoaka io gazety io ao amin'ny pejy faharoa fa "Mandrahona ny hilahatra eo Ambohitsorohitra" ny rezervista tanora, nitolona tamin'ny andron'ny TGV. hidina an-dalambe izy ireo hitondra sora-baventy satria tsy tanteraka ny fampanantenana natao tamin'izy ireo, toy ny hanomezana asa ho azy ireo tahaka ny hoe fampidirana azy ho miaramila ary hotsinjovina manokana ny rezervista nanohana ny tolona.

Lasa ny saiko, fotoana taiza ho aiza tokoa nandritra ny tolona moa izy ireo izany no nandray anjara tamin'izany tolona izany? Ary inona avy no anjara andraikiny nandritra ny tolona nataony. Asa raha mba tsikaritrareo fa miampanga tena ry zareo ireto no sady miampanga ny TGV ihany koa. Sao dia misy mieritreritra fampitahana amin'ny zana-dambo 2002 ary aloha ka aleo avahana tsara.

Tamin'ny 2002, rehefa tsy nety niditra an-tsehatra loatra ny tena miaramila dia nisy ny fiantsoana olona ampahibemaso sy tamin'ny alalan'ny haino aman-jery ho an'izay hanao raharahana miaramila. Tao Ambohitsorohitra ireo olona ireo no nantsoina ka nofanina avy eo hampandry tany. Mazava tsara fa ampahibemaso no niantsoana ireo olona ireo. Noho izy ireo notarihin'ny Jeneraly Razafindralambo, tamin'izany fotoana izany no nahazoan'izy ireo ny anarana hoe Zana-dambo. Ny iraka nampanaovina ireo Zana-dambo ireo dia ny hanafaka ny tanàna na faritany manodidina tsy ho eo am-pelatanan'ny filoha Ratsiraka intsony. Nianatsimo ny iraka voalohany indrindra, dia nianavaratra andrefana ary niafara tany atsinanan'i Madagasikara.

Tamin'ity taona 2009 ity kosa aho tsy nandre na oviana na oviana fa mandray rezervista ny TGV, handray fiadiana na fitaovam-piadiana. Noho izany tsy mahalala ny andraikitr'izy ireo sy ny iraka ampanaovina azy ireo. Marihina indray mandeha fa nolazaina hoe Tanora ireo rezervista ireo. Mahatadidy tsara kosa indray anefa aho fa tena manana paik'ady ara-miaramila sy tena Vonona tokoa ny tariky ny TGV nandritra ireny tolona tamim-bato nataony rehetra, toy ny nanafihany ny 1RM1 tamin'ny 16 febroary 2009 sy ny 4 marsa 2009 nandravana ny fihetsiketsehana teo amin'ny kianjan'ny 13 mey. Tsy adinoina ny andro nanafahana ny mpianatry ny Lisea frantsay Ambatobe tratra takalon'aina tsy fidiny tao amin'ny sekoly nianarany. Tena ady no nataon'izy ireo tamin'izany fotoana izany fa tsy nisy basy hita avy amin-dry zareo kosa. Kanjo hay nisy fampanantenana ny hampanaovana azy ireo ho miaramila raikitra, na asa hafa ho azy ireo raha mandray anjara mavitrika amin'ny ibaikoana azy izy ireo.

Nahatadidy tsara kosa anefa aho, fony vao nahazo ny fahefana i Andry Rajoelina fa vao jerena ireo "miaramila" miandry ny lalana andalovany handehanany mody dia tsikaritra ho tsy tena miaramila mihitsy izy ireo, na dia mitana basy aza, ary tsy vitsy no efa antitra na lava volo nefa tsy manamboninahitra (inay anie nalaiko sary izy ireny). Ny tao an-tsaiko avy hatrany raha vao nahita azy ireo aho dia hoe :"miaramilan-dRamaroson (Alain) angaha ireny?" Manao fanamiana sy mitana basy soa amantsara ry zalahy ireo tamin'izany fotoana izany.

Koa raha tsy nisy ny fiantsoana ampahibemaso ny rezervista sy fanomezana fitaovam-piadiana mahery vaika azy ireo, moa diso ve aho raha milaza mazava hoe mersenera ireo mandrahona ho eny Ambohitsorohitra amin'ny Zoma 25 septambra 2009 ireto fa tsy izany lazain'ny gazety hoe rezerista izany? Fanarontsaronana ny marina tsy hivandravandra loatra ka hanafintohina ny maro ny mody iantsoana azy hoe rezervista.



jentilisa, 23 septambra 2009 amin'ny 23:10

PS: raha misy ny hametraka hevitra: soraty amin'ny vakiraoka (na blocnote na notepad na...) aloha ny hevitra tianao apetraka. Rehefa vita izany vao ankotrihinao ny takelaka (actualiser) dia fenoinao ny banga rehetra eo amin'ny fametrahan-kevitra. Ataoko fa tsy ho very ny hevitrao amin'izay fotoana izay.

Madagasikara: Hetsika lehibe amin'ny Asabotsy 3 oktobra 2009

2009-09-22 @ 10:46 in Politika

Antsoina ny Malagasy rehetra mpanara-dalàna sy mandà hatramin'ny farany ny fanonganam-panjakana eto Madagasikara sy manerantany hanomana ny fanehoan-keviny talaky masoandro amin'ny Sabotsy 3 oktobra 2009 ho avy izao indrindra indrindra. Ny fihaonana dia hanomboka amin'ny 11 ora atoandro ary hofaranana amin'ny 2 ora folakandro raha ela indrindra na mety ho fotoan-gasy aza ny fanombohan'ny fotoana. Entina amin'izany fotoana izany ny sainam-pirenena malagasy. Fotoam-pivavahana ho an'ny firenena no hanombohana ny fotoana, tsy atao betsaka ny kabary fa ny fanentanana isan-karazany no tena andravahana ny fotoana.

Ho an'ny eto Madagasikara manokana dia entanina avokoa ny isan-tanàna. Ny eto Antananarivo sy ny manodidina ary ireo izay manam-pahafahana ho tonga aty Antananarivo hanao ny fihaonana ao amin'ny Magro, na kianjan'ny ara-dalàna Ankorondrano. Entano ny namana sy ny tapaka rehetra fantatrao ho tonga amin'io fotoan-dehibe io satria iankinan'ny fiainam-pirenena mandrakariva ny fahatongavanao. Tsy hihoatra ny vala isika fa hanamafy kosa ny hampiharana satan'ny tetezamita notontosaina tany Maputo. Asehontsika fa tsy vondrona na antoko be tsy andraofana tsara hakana hevitra fa ny vahoaka malagasy iray manontolo.

Miala tsiny aho raha manao io lohateny sy io lahatsoratra io. Tsy fikambanana na ny hetsika mpanohana ny ara-dalàna na ny antoko ao aminy no miantso io hetsika io fa izaho izay manoratra. Ao anatin'ny teti-panorona isika koa dia manetsika vato aho hiasan'ny rehetra ao anatin'izao toe-draharaha politika eto Madagasikara izao ka na tokony ho soso-kevitra aza izy io dia lasa fanerena mihitsy. Amin'io fotoana lazaiko io no fotoana heveriko fa mety hisehoan'ny mpitarika rehetra izay voatery miafina miseho eo anatrehan'ny olona, ary tsy tokony hatahotra ny hosamborina indrindra indrindra. Raharinaivo Randrianatoandro irery ihany no nandray ny andraikiny (nifafa ny kihony)  tamin'izay nataony na dia ny mpitarika legalista rehetra aza no voafandrika tamin'ny 11 septambra 2009 lasa teo. Anaovana ramatahora ny hosamborina hatrany ve dia nilefitra tokoa? Olana eo amin'ny ankolafy Ravalomanana ny tsy fananana olona sahy miatrika nefa tsy manao herisetra na mampirona ho amin'ny herisetra. Hitako ihany ny mpitarika sasantsasany tamin'iny 11 septambra 2009 iny, teo anoloan'ny kianjan'ny 13 mey teo, be hevitra amin'ny hoe "tokony hanao tahaka izao na tahaka itsy" ireo andian-jatovo teo anoloan'ny Hotel Glacier, nefa tsy olonao akory ireo ary efa feno mpitsikilo mpampirisika manodidina anao. Ny tena mpitarika dia eo alohan'ny rehetra, mahafehy ny miara-dia aminy ary mahasahy manohitra sy misambotra ihany koa ireo mpitoratoraka sy mpanakorontana fa tsy manao tazandavitra fotsiny. Ataovy ho ohatra indray eto i Malcom X.

Eo ankilany ihany koa ny fandambolamboana avy amin'ny ankolafy hafa tsy hanao fihetsiketsehana intsony mandra-pahatongan'ny 6 oktobra hiheverana ny momba an'i Madagasikara hotontosaina eto Antananarivo, hanaporofoana eo amin'ny vahiny mandalo amin'io fotoana io fa efa manaiky ny FAT, na nilefitra eo anatrehan'ny FAT avokoa ny vahoaka rehetra. Mbola hanaiky hofitahina fanindroany amin'ny fitaritan'ny hafa indray ve? Sa rehefa tsy manohy ny hetsika ampahibemaso intsony mandra-pahatongan'io 6 oktobra io dia deraina hoe "hendry"? Fa rehefa tsy hanao na inona na inona kosa aloha amin'io fotoana io dia efa filavoana lefona ankitsirano tsotra izao izany. Tsy aleo ve isika miala nenina amin'ny fanaovana fihetsiketsehana amim-pilaminana mba hisorohana ny fihetsika famoizam-po izay mety hitranga amin'ny olona?

Mandra-pahatongan'izany fotoana izany kosa indray dia entanina ny be sy ny maro hifehy tapa-damba manga tanora ( lokondanitra atoandro), na hisalotra akanjo manga rehefa miantsena, handeha hianatra, handeha hiasa, hitsangantsangana na ho aiza na ho aiza ho mari-mpifankafantarana sy ho fanehoana fa manohitra ny jadona sy ny fanaovana herisetra isika. Raisiko etoana ny soso-kevitr'i Pov amin'ny hanaovana izay mari-pamantarana izay. Raha misy ny manana soso-kevitra tsara amin'ity zavatra iray ity dia raisina an-tanandroa izany. Manomboka ny alatsinainy 28 septambra kosa indray no anaovana ity mari-pamantarana ity. Ilazao ihany koa ny namana sy ny sakaiza rehetra. Soso-kevitra avokoa izay rehetra nosoratako izay fa anjaran'ny tsirairay indray no mieritreritra sy mifampidinika.


jentilisa, Antananarivo 22 septambra 2009 amin'ny 12: 50 atoandro

Teti-panorona diabolika

2009-09-21 @ 04:51 in Toekarena

Lalao malagasy mampiasa saina ny fanorona, satria mampiasa saina dia misy tetika ao anatiny mba handresena ny mpifanandrina amin'ny tena ao anatin'ny lalao. Nanoratra ny teny hoe diabolika indray aho rehefa tsy hitako izay ilazana azy amin'ny teny malagasy fohy na voambolana malagasy tokana. Amin'ny lalaontsaina Japoney sudoku, izay lalaontsaina mahafinaritra ahy indrindra amin'izao fotoana izao na dia tsy manam-potoana loatra ialana voly aza aho, dia misy dingana efatra : Misy ny lalao ho an'izay vao mianatra (mora), misy ny ho an'ny eo ho eo ihany (antonony), misy ny ho an'ny efa mahay (sarotra) ary misy ny antsoina hoe diabolika (feno fandrika). Ny lalao diabolika izany dia lalao tena sarotra dia sarotra tokoa, mody maneho endrika mora izany ilay izy kanjo tena feno fampisafidianana ka raha kamokamo maika hahavita dia eo ianao no raisina. Tahaka izany indrindra ny paipaika misy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Miasa dia miasa ny teti-panorona diabolika hampandresena ny mitondra ankehitriny.

Diabolika satria rehefa mitodika eny amin'ny mpanohana ny FAT ny legalista dia ny "fozaorana" no tena eritreretiny bebe kokoa fa tsy ny mpibaiko ao ambadik'izy ireny. Toa minia mijery volonkoditra sy saranga, lazaina ho ambany na ivelan'ny seha-pihariana tsy mandoa ny hetra sy ny haba rehetra amin'ny fitondrana fa jamba kosa tsy mieritreritra fa misy ireo mpanankarena na olona tsongoinolombolo eo amin'ny fiaraha-monina mitango hatrany ny harem-pirenena.

Diabolika rehefa ny olona rehetra heverinao ho manana ny lanjany sy ny anjara toerany teto amin'ny firenena no mamerimberina mandrakariva fa tsy hita loatra ny heloky ny boaikely, na avelao aloha hitondra izay efa eo ahitana izay vitany, nefa ny lalana alehany aza mivarina mankany amin'ny hatsana fa tsy vitan'ny hoe misisika mankao amin'ny kizo. Olona nipetraka tsy tamin'ny alalan'ny safidim-bahoaka ve no avela hitondra, ary hita mivandravandra izao fa lasa manjaka dia manjaka tokoa ny andian-jiolahy?

Diabolika rehefa misy mampilalao ny fivondronan'ny "telo tonta" nitondra teo aloha ny mety tsy ho ao anatiny akory. Ohatra nivandravandra tamin'izany ny "hetsika lehibe" nodradradradraina ho tamin'ny 19 septambra 2009. Rehefa nitambatra ny telo tonta dia lasa ny ankolafy Zafy Albert avokoa no filoha isam-paritra. Ny maro amin'ny mpitarika legalista kosa anefa dia voatery niafina noho ny "raharaha 11 sy 12 septambra". Mampanontany tena ihany hoe tena mivondrona tokoa ve ny telo tonta na dia vonjimaika fotsiny aza? Tsy mahita olona manana ny antsoina hoe "charisme" rahateo aho ao amin'ny ankolafy legalista izay tena toavin'ny mpitolona. Efa nivelatra rahateo ny fandrika amin'izay hisian'ny andian-jatovo teo amin'ny vavahadin'ny magro hitoratoraka fiara mandalo raha nanao fivoriana tao Ankorondrano teo ny legalista.

Diabolika raha mbola misy ny minia fa tsy misy vondron'olona mahay stratejia goavana, mety karamaina na navondrona firenena goavana iray, ao ambadik'izao teti-panorona diabolika izao. Tsy manao na inona na inona fa mitazana kosa anefa ny firenena goavana hafa eo ankilan'izany. Na inona na inona filaza, tena midona any amin'ny sarambambe hatrany ilay hoe "lasa any New York i Andry Rajoelina". Misy fifandraisana diplaomatika goavana dia goavana miasa ao ambadika ao matoa tonga amin'izao sehatra izao ihany ry zareo. Aiza ho aiza kosa ny fivondronan'ny olona stratejy ankilany hilalao izao fanorona diabolika izao? Toa ny mandeha singatsingany no tena betsaka, nefa ny akanga maro tsy vakin'amboa!

Diabolika satria tsy maintsy ampiasaina ny faharetana "endurance", tsy maintsy ikipiana ny fahasahiranana ara-bola mihatra amin'ny isam-pianakaviana izay mahakivy ny maro tsy hanoratra loatra intsony amin'izao fotoana izao, raha tiana ny handresy na farafaharatsiny hifandanja amin-dry zareo eo amin'ity fanorona politika, mora mankaleo ny malagasy ity. Diabolika izay eritreritra milaza ho leo politika izay satria ho entin'ny olona amin'izay tiany anaovany anao foana ianao raha izay no ataonao. Mbola ho aiza, hoy i Kaina? Anjaran'ny tsirairay no manohy na mamakafaka.



jentilisa, 21 septambra 2009 amin'ny 06:53

Tsy henatra ny maka bahana!

2009-09-18 @ 10:02 in Politika

Efa tokony ho tamin'ny alatsinainy 14 septambra 2009 no efa niverina teny amin'ny kianjan'ny ara-dalàna avy hatrany ny mpanohana an-dRavalomanana rehefa hita fa sarotra ny idirana an'Ambohijatovo sy ny kianjan'ny 13 mey. Ninia aho ny nangina tamin'ny resaka tolona rehefa nolazaina avy hatrany fa hananika an'Ambohijatovo hiaraka amin'ny mpitarika sasantsasany ao amin'ny ankolafy Zafy Albert ny mpitarika ny tolona mahazatra eny amin'ny kianjan'Ankorondrano.

Hitantsika fa tsy fantatra be ihany izay tena marina amin'ny hoe "hiaraka hankeny Ambohijatovo ny telo tonta" tamin'iny andron'ny zoma 11 septambra iny. Natokitoky olona befahantany ny mpitarika ary dia noheveriko fa voafandrika raha tsy nisy ny teti-panorona mazava. Nametraka ny tenako ho mpitati-baovao tsotra aho ary niniako natao ho lohateny mibedy ankolaka ny mpitolona hamerenana ny ara-dalàna ny lohateny hoe "izao izany no atao hoe manao action?" Efa tsapako ihany manko fa fandrika natao tamin'ny legalista ihany ilay fanaitairana ho eny Ambohijatovo nefa ny fanomanana stratejika hiatrika ny zava-drehetra ho amin'izany fidinana an-dalambe izany tsy mbola vonona akory. Efa teo ampanoratana tskelikely ireny mihitsy aho no nisy ireny toe-javatra tamin'ny faran'ny herinandro ireny, mbola tsy tena fotoanany tamin'iny araka ny fijeriko. Mba misy fotoanany avokoa manko ny tetika rehetra.

Na misy aza ny esoeson'ny sasany, ny mampiavaka ny tolona ankehitriny dia ny fitandroana hatrany ny soatoavin'ny baiboly. Tsy hain'ny mpanao politika ny manetry tena fa hain'ny mpandala ny ara-dalàna izany raha ny tokony ho izy. Noho izany, ny fiverenana mankeny amin'ny kianjan'ny ara-dalàna tsy fihemorana velively fa fakana bahana handrosoany amin'ny tolona araka ny tokony ho izy. Deraina manokana Atoa Fetison Rakoto Andrianirina tamin'ny nandraisany fanapahan-kevitra hametraka iny fanarambaran'ny ankolafy Marc Ravalomanana iny. Mbola tsy mipetraka tsara ny fiangaviako mba ho amin'ny 12 ora sy sasany farafahatarany no hanombohan'ny fotoana saingy efa zava-dehibe amiko ny fitodiana eo amin'ny kianja fanoherana ny herisetra amin'ny lafiny rehetra.

Ny fanohizana ny tolona rehetra dia tsy maintsy miankina be dia be amin'ny fifampiarovan'ny mpitolona sy ny fahasahiana mitory ny mpanakorontana hampadio ny tolona. Toa lesoka ihany manko ny fiatahana fotsiny ireny olona ireny fa tsy ny mahasahy manandrina azy ireny, koa tsy mahagaga raha raisin'ny sasany bambaray ny mpitolona sy ny mpanakorontana. Nahita ny toe-javatra nitranga tamin'ny faran'ny herinandro ireny aho ka mba mahita ihany ny fandehan'ny raharaha tamin'ireny fotoana ireny.

Vaovao an-kelika

Tsy miteny hoe vaovao an-tselika aho fa vaovao ankelika no soratako ary dia raiso tsara araka izany ny tiako soratana. Nisy ny nampita ity vaovao ity ka ampitaiko etoana fandrao mba misy ihany ny ilàna azy. Vaovao fampitandremana ilay izy, ka mampita fotsiny aho eto na dia somary avadiko amin'ny fomba fanoratro aza ilay izy indraindray hanakonana ny mpanome ny vaovao:

Tsy nahomby aloha ny famelomana ny adim-poko teto Madagasikara ary dia tetika hafa indray no naroson'ny Frantsay. Akorontany amin'ny fomba hafa indray ny firenena amin'ny fanasamatsamahana ny firenena tahaka ny any Afghanistan (Sy Somalia araka ny filazan'ny "Filohan'ny tetezamita vaovao" Monja Roindefo). Ny anton'izany dia ny hitavanana manontolo tsy amin'ahiahy ny harenan'ny firenena. Ny tetika hanaovana azy kosa dia ny hampiroboroboana ny fanaovana heloka bevava, toy ny miaramila mitam-piadiana mahasahy mitifitra sy mamono avy hatrany. Ny fitaovam- piadiana ampiasaina dia izay efa naondran'ny Mafiosi Okrainiana eto Madagasikara. Nisy aza fitaovam-piadiana vita Isiraeliana mahatody lavitra sady mahatingina tsara izay kendrena (Laser) novidian'ny Frantsay, ka rehefa narahan'ny Mossad (sampam-pitsikilovana Isiraeliana) ny toerana nandehanany dia teto Madagasikara no niafarany fa tsy fantatra kosa ny antoko-tafika hampiasa azy ireo. Ary farany (sady fototry ny hafatra) nampitandrina ny mpanome ny vaovao an-kelika taty amiko fa misy koa ny tetika hitifirana ireo mpitarika ny fampanajana ny fifanarahana tany Maputo (ny ankolafy telo). Ny tena nahasosotra ny Frantsay moa dia ny fitoriana napetraky ny ankolafy Ravalomanana tany amin'ny Firenena Mikambana momba ireo nosy manodidina an'i Madagasikara izay bodoiny hatramin'izao fotoana izao. Hatreo ny mesazy.

Farany, ampahatsiahivo ahy ny fivondronam-ben'ny mpanendaka etsy Ambodifilao fa tena maro dia maro tokoa ry zareo. Mbola misy dia haleha indray ny tena. Manontany ihany aloha aho hoe: "Tsy maintsy handehanana ve ny hidina eny an-dalambe ny sabotsy 19 septambra 2009 raha tsy ampy ny fiomanana.


jentilisa, Antananarivo 18 septambra 2009, amin'ny 12:04

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox