Mbola hiresaka politika ihany ve?

2011-05-15 @ 23:45 in Politika

Raha nisy ny olona nilaza azy ho tsy leo politika dia tsy manaiky lembenana ny aty ary azo heverina ho karazany nahavery ny maro tamin'ny mpamakiko fahiny aza izany nironako tamin'ny politika izany. Ankehitriny asa raha mbola hanana fahazotoana ho amin'izany aho na tsia. Tsia, tsy mety leo politika aho fa tsy te-hiresaka izany an-tserasera intsony. Kamo aho ny hanohy hanoratra momba izany hatrany. Izay angamba no tsy nanoratako fotoana lavalava izay ankoatra ny fahasahiranana ahy manokana. 


Nosoratako tamin'ny lahatsoratra teo aloha fa misy ny zavatra saiky havoakako dia niova lohahevitra vetivety aho. Manahy ankehitriny fa mety tsy ho tafaverina hanoratra izany intsony ny tena. Nahoana? Herinandro vitsivitsy lasa izay dia nisy olona fanta-daza niantso ny tena mba hanaitra ny mpamaham-bolongana malagasy hanana anjara biriky amin'ny famahana ny olana mangeja ny firenena ankehitriny. Nantsoina ny mpamaham-bolongana satria manana tambajotra matanjaka afaka manaparitaka ny vaovao ao anatin'ny fotoana fohy. Tsy avela hogejain'ny mpanao politika avy amin'ny ankolafy rehetra misy intsony ny fiainam-pirenena fa mba manana ny lanjany ihany koa ny firaisa-monim-pirenena. Nampitaiko tamin'ny namana rehetra izany filazana izany ka indroa aho no namonjy ny fivoriana fanomanana. Tsy afaka intsony ny andro manaraka noho ny antony manokana.


Niezaka ny nandresy lahatra ny hafa rehetra tany ambadimbadika tany ny tena, fa nihatakataka avokoa ny rehetra. Na dia niantso hatrany aza ny tao amin'ny komity mpanomana ilay fivoriambe hamoahan'ny firaisa-monim-pirenena ny fivondronany tsy anavahana fironana ary na namerimberina ny antso hatrany tamin'ny hafa aza aho dia antso an'efitra avokoa izany. Niantso olona manokana aza aho hisolo tena ahy amin'ny fotoana rehetra tsy ahafahako saingy herim-po very maina izany. Mbola variana amin'ny TEDxTNR koa angaha, sady iny tsy miresaka politika loatra dia aleo tsy midikiditra amin'ny resaka fiainam-pirenena.


Ankehitriny, izaho manokana dia tena menatra tokoa. Nandraraka ilo mby an-doha manko, nomena avara-patana kanefa tsy nahay nandray ny voninahitra natolotra ny tena sy ny tontolom-bolongana. Nantsoina, fa nandà. Tsy hitako loatra izay itabatabana politika amin'ny sehatra toy itony raha antsoina mba ho "mpitsara" no mandositra. Tokony ho tonga saina ihany ny hafa raha misy mpamaham-bolongana politika sady mpanao gazety miharihary fironana no manao fampitandremana fandrao tratran'ny "manipulation" ny bilaogera ary faly ery rehefa mahita mpamaham-bolongana manoratra fa tsy te-hiditra "resaka politika". Isika toa mba manan-kevitra ery rehefa manoratra saingy rehefa tonga ny tokoa, mbola miafina hatrany. Eny mety hoe sao fandrika tokoa angaha ka aleo tsy mipoitra hatrany saingy tsy maintsy hotsarain'ny tantara avokoa isika rehetra. 


Mbola hanana fahazotoana hiresaka politika ve aho? tsy haiko intsony! averiko indray fa tsy leo aho raha resaka politika fa lasa kamo aho ankehitriny raha mbola hilazalaza izay hevitro amin'izao. Dia nanjary nipololotra ho azy ilay tononkalo nanana ny lazany nosoratan'i Rado manao hoe Boboka aho ry Tanindrazako. Aleo aho angamba hiala sasatra amin'izay raha resaka politika satria tsy mahatarika olona handray andraikitra eo anivon'ny fiainam-pirenena akory :)


Jentilisa 16 mey 2011 amin'ny 01:45

Ps: raha ilay resaka moov madagascar sy ny bilaogera dia azonao jerena ato ny tohiny.

Fitoriana Voalohany azona Bilaogera Malagasy Hotsaraina

2011-05-03 @ 22:20 in Ankapobeny

Na dia saiky zavatra hafa aza aloha no nosoratana dia tsy maintsy manao ity adidy ity ny tena ho fiarovana ny fahalalaham-pitenenana. Tafiditra ho tantara izany fa nisy ny fitoriana voalohany eny amin'ny Fitsarana ny Bilaogera Malagasy Iray eto Madagasikara. Samsoudine manana ny solon'anarana SSD-Dago no nahazo ny loka voalohany notoriana noho ny zavatra nosoratany tamin'ny aterineto. Ary tao amin'ny vondrona Facebook LES INSATISFAITS DE MOOV-ORANGE-BLUELINE ET CIE (PROVIDERS INTERNET) no namoahany izany vaovao izany. Ny mpitory dia ny Moov.


Marihina tokoa fa somary henjakenjana ny teny navoakan'ny namana tao amin'ny bolongany saingy raha ny hatezerana niarahan'ny rehetra nanana tamin'io fotoana io dia mety ho tonga amin'izany mihitsy ny fitenenana. Ny fahatapahana ela dia ela nataon'ny moov nanomboka ny 12 mars 2011 kanefa tsy nisy fampihenam-bidy ny fotoana tsy nahafahana niserasera dia azo lazaina ho karazana halatra ihany izany raha ny fijeriko azy aloha. Ny vahaolana nataon'ilay orinasa moa izany dia ny nitory an-dranamana mba hanana ny lazany kokoa angaha ny MOOV. Ny fotoam-pitsarana moa dia amin'ny zoma 6 mey 2011 amin'ny valo ora maraina ao amin'ny efitra faharoa. Manentana ny mpamaky sy ny "iray asa" ary ireo rehetra tsy faly tamin'iny fahatapahan'ny aterineto iny ho tonga maro amin'io fotoana io. Ary handinika ihany koa izay rehetra azo atao mialoha.

 



Jentilisa 4 mey 2011, amin'ny 00:20

 

Fandrahonana sy Fanekena?

2011-05-01 @ 12:12 in Ankapobeny

Feno 80 taona tamin'ny 29 Aprily lasa teo ny Radio Nasionaly Malagasy rehefa nanomboka tamin'ny anarana hoe Radio Tananarive ka nampiely ny feo hatreo Antaninarenina, nandalo ny Radio Madagasikara ary efa nisy fotoana nanana ny fitaovana raitra indrindra teo amin'ny faritra Osena Indiana saingy noho ny sotasotan'ny sasany moa dia miveriina ho tsizarizary fitaovana indray amin'izao fotoana izao. Tsy mazava amiko tsara intsony moa hoe iza marina no tena anarany amin'izao ora anoratana izao fa apetrako ho Radio Nasionaly Malagasy na RNM aloha. Miarahaba azy indrindra nahatratra izany tsingerin-taona izany na dia mbola tsy tafarina tsara indray aza.


Ny mampalahelo anefa dia tamin'io fotoana io indrindra no nilazana fa harahi-maso akaiky ny famoaham-baovao an-tserasera Malagasy. Tsy mazava hatreto hoe hampidiriny ao anatin'izany ve ny bolongana sahala amin'itony na dia an'olo-tsotra aza sa manakory tsara. Raha miteny ny hoe hanara-maso manko dia tsy toy ny zavatra tsara no ilazany azy fa toy ny fandrahonana anay izay niezaka hatrany ny nampahalala izay niniana na nosakanana tsy nampahalalaina tamin'ny alalan'ny haino aman-jery mahazatra. Inona tokoa no tena anton'ny filazana? Noho ny fanisana indray ny isan'ny mpanao gazety ve ka horarana tsy mahazo mamoaka vaovao intsony izay tsy mahazo karatra? Fandrao dia tiana hosamborina satria 'piraty' izay hafa mbola mamoaka vaovao avy eo ve? Toa fanekena ihany izany, amiko, fa nanana anjara toerana lehibe ny aterineto tao anatin'ny roa taona ka tiana hofehezina nefa fandikana ny fahalalahana haneho hevitra izany, afa-tsy hoe tsy voasoratra ao anaty Lalampanorenana intsony angamba io fahalalaham-pitenenana io.


Mifanindran-dalana amin'izany koa anefa dia misy ny fikambanana na sehatra ivondronan'ny Fikambanana te-hametraka ny anjara toeran'ny mpamaham-bolongana eo anivon'ny fiaraha-monina sy ny fahafahana manapa-kevitra anivon'ny Firaisa-monim-pirenena. Tsorina fa tsy tena mahalala tsara ny momba ny bolongana na bilaogy ry zareo saingy mba te-hahafantatra bebe kokoa. Na tiana na tsy tiana noho izany dia hiditra dingana vaovao ny tontolom-bolongana malagasy mpiresaka fiainam-pirenena. Noho ny fotoana dia tsy afa-namelatra loatra momba ity lazaiko ity aho nefa iriako ho voazavako tsy ho ela ny momba io.

 


Jentilisa, 01 mey 2011 amin'ny 14:10

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2011 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox