Mpianatra...inona?

2007-05-14 @ 17:04 in Andavanandro

Niara-nigadona tao amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena ny mpianatra tavaratra. Tonga tamin’ny fiara fitaterana ry zareo. 487 no isan-dry zareo nifampiandry teo fa hihaona amin’ny « ray aman-dreny » araka ny nifanarahana. Ny teny hoe tavaratra dia efa milaza zavatra hafahafa ihany saingy mbola tsy nisy sahy nanameloka hatramin’izao. Efa fisainana fampisarahana manko no ao ambadika na dia fivondronam-be aza no fijery azy amboalohany. Impiry impiry manko ny resaka fifandirana any amin’ny sekoly ambony tany aloha tany no nisy resaka hoe tavaratra sy tatsimo fa notsinotsinoavina hatrany aloha izany. Fifampiarovana manoloana ny hafa no tena antony, ny hafa izay Malagasy ihany fa tsy vahiny tsy akory.

 Resaka samy varimbarina noho ny toaka no nihavian’ity raharaha ity voalohany. Dia nisy niady tamin’izany ka dimy lahy no namely iraika lahy. Naratra be ilay iraika lahy ary dia niantso namana hamonjy azy. Tsy namana fe namana fa ireo iray fikambanana aminy izay iray fihaviana aminy ihany koa. Ny zanaky ny atsimo atsinanana sy ny kintan’ny atsimo no nitaky tamin’ny zanak’avaratra ireo nidaroka ny iray fihaviana aminy. Milaza ho tsy mahalala ny tavaratra. Nanao takalon’aina (angaha fantatra intsony koa izay isa marina na folo na dimy e !) avy amin’ireo zanak’avaratra ny fivondronamben’ny tatsimo fa tsy maintsy fantatry ry zareo izay nidaroka ny namany. Tsy maintsy niditra an-tsehatra ny ray aman-dreny. Ny fitantarana no nilazana fa niaiky ireo avy amin’ny tavaratra fa nanam-pahadisoana ny zanany ka nanolotra omby dimy ho fampihavanana eo amin’ny roa tonta. Andro zoma maraina no nanaovana ny joro izay ambara amin’ny fomba mihaja hoe fomba malagasy.

 Manomboka tamin’io andro io no nifamahofaho tanteraka ny raharaha. Tsy fantatra intsony izay tsaho sy marina. Tsy maintsy nisy ny nandainga. Resaka roa samihafa no ambarako etoana : ny voalohany dia ny filazan’ireo mpianatra nankeny Tsimbazaza izay nalaina sary sy feo hitan’ny mpijery fa naheno hoe ry zareo fa mbola nanafika ihany ny andaniny ka namaky ny fitaovana tratran-dry zareo tao an-trano toy ny vilia, vilany, ny tele sy ny lecteur. Te-hiaro ny ain-dry zareo ry zareo dia naleony nody. Ny gazety kosa dia sady nanambara ny fahagagan’ny olona any Fianarantsoa, ny amin’ny nahatonga azy ireo nody tampotampoka no nandre hoe nisy nanely tsaho fa maty hoe ilay noratrain-dry zalahy dimy nidaroka iry. Dia nifamotoana teny Tsimbazaza iny ry zareo. Ry zareo mbola nanda hatramin’ny farany fa tsy nisy nidaroka izany ny bandy avy aminy (fa niezaka nanao teny avy any avaratra ireo nidaroka hoy ilay niantso an-telefonina izay). Na ahoana nefa na ahoana efa nalaza eo anatrehan’ny hafa ihany koa (ialana tsiny indrindra fa maharary ity) ny rehareha sy ny hetraketraky ny avy any avaratra sasantsasany (tsy manao safobemantsina mihitsy aho fa aleo aza teteniko hoe vitsy an’isa izy ireo).

 Ny mahavariana dia izao : Nanaiky ny mpitondra fanjakana fa hiantohana ny sara andehanan-dry zareo mody sy ny hiverenan-dry zareo mianatra indray rehefa milamina ny toe-draharaha. Dia efa tena mamono afo tokoa angaha no nataon’ny mpitondra fanjakana no dia nanaiky izay tolo-kevitra izay ry zareo. Ny hafa manko raha tratran’ny fandroahana na dia ankolaka aza samy miantoka ny tenany manao izay hialana eo amin’ny loza fa ry zareo kosa voatambitamby miaraka amin’ny fiara tsara tarehin’ny minisiteran’ny fampianarana. Mody toy ny vedety fa tsy mody toy ny nitsoaka. Ny ratsiratsy vava aza moa nanao hoe tsy mahazaka ry zareo ny atao hoe diso tamin’ny raharaha tamin’ny herinandro teo ka aleony mody sady manararaotra ity fitondrana efa manahy fatratra ny amin’ny resaka 13 may ity. Tsy izany tokoa manko fa nofoanana ilay fandaharana manokana momba ny 13 may 1972 saiky natao omaly alahady noho ny antony tsy fantatra (tsy fantatr’iza ?).

 Manaraka izany ihany koa, efa nitondra tsy fidiny ireo fiara fitaterana avy any Fianarantsoa matoa nahatonga ireo mpianatra ireo hatrany amin’ny lapan’ny antenimiera eny Tsimbazaza amin’ny andro atoandro. Amin’ny fotoana mahazatra dia tsy mahazo mitondra mpandeha eny ny fiara ary tsy avelan’ny polisy mihitsy, voararan’ny lalàna rahateo izany. Mety noho ry zareo nanao tohivakana angaha no mety ho nandeferan’ny mpitandro ny filaminana tamin’ity indray mitoraka ity. Na izany na tsy izany dia ity raharaha ity no maneho amin’izay mahiratra fa tsy tena mifankahazo ny samy Malagasy fa miara-monina fotsiny noho ny toerana iraisana dia i Madagasikara izany. Zavatra maro moa no tiana ambara saingy izay angaha no sahaza ny androany.   

Teritery ihany

2007-04-21 @ 10:03 in Andavanandro

Mahavariana ! zavatra niseho tokana monja dia nampitohana ny fifamoivoizana hatrany Tsimbazaza mandalo an’i Manakambahiny iny, mandalo an’Ambanidia ka mipaka hatrany Ampandrana ka mila hahatratra an’Antanimena. Tsy adino ny any Ambohitsoa sy ny manakaiky an’i Mandroseza amin’ny lalana ilany ary ny lalana mikatso mankany sy avy any Ambohipo ihany koa. Tsy mampino nefa dia nisy tokoa omaly Zoma 20 avrily 2007.

Nisy razana nentina am-piangonana teo amin’ny fiangonana kristiana iray ao Ambanidia alohan’ny andevenana azy any amin’ny fasan-drazany. Mba manana fametrahana fiarakodia ihany ny fiangonana fa tsy ampy izany noho ny hamaroan’ny fiara. Ankevitry ny ho olona manamanana matoa be fiara tahaka izao manaraka ity fianakaviana manamanjo ity. Rehefa manana toy izany indrindra anefa dia somary lavalava ny fotoana ao am-piangonana.

Izao anefa, rehefa tsy antonona ny fametrahana fiara ny tokotanim-piangonana (andeha atao hoe izay) dia mametraka ny fiara amin’ny ilan’ny arabe avokoa ireo manana fiara hafa rehetra. Tsy dia misy lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra loatra anefa amin’io faritra io hametrahana fiara koa dia eny amin’ny arabe ihany noho izany ny fiara ambiny tsy tafiditra an-tokontany no mijanona. Vokany lasa lala-tokana ilay lalana azo nifanenana teo. Manomboka misaritaka amin’izay ny fifamoivoizana.

Ny tena loza dia nanomboka mitaovovonana indrindra ny fotoana tao am-piangonana ka tsy nitsahatra raha tsy efa tamin’ny telo mahery tany ho any. Izany hoe tao anatin’ny fotoana firavana sy fidiran’ny mpiasa sy ny mpianatra indrindra no nampikatso ny fifamoivoizana. Tsy maintsy mifandimby mandeha ny andaniny sy ny ankilany mba hampirindra kokoa ny fifamoivoizana efa tery. Tsy misy afa-po ny rehetra ain’izany saingy aleo mikisaka toy izay tsy mandeha mihitsy. Ny mandeha an-tongotra indray no tonga aloha hatrany.

Dia lasa ny saina mahita ka manao hoe dia tsy misy vahaolana mihitsy ve eto amin’ity faritra ity ? Isak’izay misy manjo na mariazy ao amin’io fiangonana io dia mikatso hatrany ny lalana. Heveriko fa mba tokony hifanaraka amin’ny ivotoeram-pampianarana ambony katolika (izay Lycée français teo aloha) manana toera-malalaka azo lazaina fa lehibe ihany eo akaiky eo ry zareo amin’ny fametrahana fiara fa tsy hionona fotsiny amin’ny ilan’ny arabe izay hita mivandravandra fa mahasorena ny mpiara-monina ny fihetsika tahaka izany. Sa dia tena sarotra ve ny mifanaraka ?

Fanatsarana ny tanàna

2007-04-17 @ 07:16 in Andavanandro

Karazany aty indray moa no mitohy ny fitantarako tany amin’ny andavanandron’Iarivo tany. Efa kendreko ho iray ihany moa raha azo atao ny blaogy atorako na dia be dia be aza ny zavatra tiana ampitaina. Efa nolazaiko tany moa fa be ny ezaka ataon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao. Ankehitriny dia efa vita tsara ihany koa ny fanavaozana ny zaridaina nasolo ny Lapan’ny tanàna may eo Analakely.

Nohavaozina tokoa satria tsaratsara kokoa noho ny zaridaina voalohany ny endriny ao no sady fenofeno kokoa. Milahatra tsara ny voanio ambolena amin’ny andaniny sy ny ankilany. Fenofeno kokoa ny zaridaina no tena maitso aok’izany ny ahitra. Azo lazaina fa tena reharehan’ny tanàna tokoa ny mahita azy. Na izany aza dia nasiana fefy zavaboary ihany koa io zaridaina io. Raozy no natao fefy. Mbola tsy misy vonikazo moa ilay raozy ka tsy fantatro izay lokony fa ny tsilo miranirany aloha no efa hita. Miaiky aho fa tena karazana artista na mpanolokolo zaridaina mihitsy no nahavita io zaridaina io. Fa ilay fakantsary moa dia tsy ananako mihitsy sady tsy misy mampihena ny vesany koa na mahazo aza noho ny tsy fananana logiciel e ! 

Rehefa vita io zaridaina nasolo ny Lapan’ny tanàna io dia ny zaridaina eo Analakely indray izao no hasiam-panamboarana. Izany hoe ho an’izay mahalala ny tsangambaton-dRalaimongo dia manomboka eo ka hatreny amin’ny Carole fleuris na Librairie Saint-Paul no dingana hatsaraina eo afovoan-tanàna. Efa voafefy hazo mihitsy moa ireo zaridaina roa ireo. Mino sy manantena aho fa ho tsara sy hifanahaka amin’ny zaridaina hatao amin’ny ilany atsinanana amin’ny zaridaina mamakivaky an’Analakely iny. Na izany aza dia tsy ny afovoantanàna ihany tsy akory no karakaraina toy izany fa na dia ny sisiny ihany koa aza tsy adino velively. Amin’iny lalana anoloan’ny Cenam iny na ny andaniny na ny ankilany dia ho gaga hahita ny zava-maitso amin’iny faritra iny. Vita ny zaridaina na dia mbola endriky ny ahitra ihany aza no mandravaka azy (tahatahaka ny zaridaina voalohany teo amin’ny lapan’ny tanàna ihany). Ny hazo ihany ka moa milahatra tsara fa misy voanio ihany koa eny an ! sady tena zavaboary fa tsy nataon-tanàna toy ny taloha intsony. Ho an’izay mandeha mijerijery tanàna moa no tena mahatsikaritra izany fa izay variana amin’ny fahasahiranana moa ho jamba tsy hahita izany e ! Amboarina tahaka izany ihany koa moa ny sisin-dalana amin’iny Amboniloha miakatra ho any Ivandry iny. Mbola eo ampanombohana moa ny Kaominina ka aleo aloha ho hita tsara ny vokatra.

Calumet lasan’ny Magro 

Farany dia tsy mifandraika amin’izany fa tsikaritra kosa dia lasan’ny Magro izany ilay tany nanorenana ny toeram-pandihizana Le Calumet eo Antanimena. Efa vita ny trano mbola tsy reko ny amin’ny fitokanana ny trano. Raharaha be teto amin’ny tanàna moa ity Le Calumet ity ho an’izay nanara-baovao tany alohabe tany. Ny nanamelohana ny tompony dia tahaka izao: Ny vola malagasy ratsy efa tokony potehina no naodiny ka nanaovany zavatra hafa ka anisan’izany ny fananganana ny Le Calumet. Mino indray aho amin’izao fotoana izao fa tsy maintsy ho avy ny fanadihadian’ny mpanara-baovao te-hahalala ny fomba nahazoan’ny Tiko group ity toerana ity. Na izaho koa aza moa te-hahafantatra toraka izany koa.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox