Warning: Declaration of CachedTemplate::fetch($cacheId) should be compatible with Template::fetch($resource_name = NULL, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL, $display = false) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 41

Warning: Declaration of CachedTemplate::display($cacheId) should be compatible with Template::display($resource_name, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 75
TGV - TIM: Ireo ho diso fanantenana sy tsy ho diso fanantenana | Hevitra MPANOHARIANA |


Warning: preg_replace(): The /e modifier is no longer supported, use preg_replace_callback instead in /home/blaogycom/public_html/class/data/textfilter.class.php on line 234

Warning: preg_replace(): The /e modifier is no longer supported, use preg_replace_callback instead in /home/blaogycom/public_html/class/data/textfilter.class.php on line 235

Warning: preg_replace(): The /e modifier is no longer supported, use preg_replace_callback instead in /home/blaogycom/public_html/class/data/textfilter.class.php on line 234

Warning: preg_replace(): The /e modifier is no longer supported, use preg_replace_callback instead in /home/blaogycom/public_html/class/data/textfilter.class.php on line 235
« | »

TGV - TIM: Ireo ho diso fanantenana sy tsy ho diso fanantenana

2007-12-20 @ 06:44 in Politika

Tsy hiditra amin’ny resaka faminaniana aho tsy akory fa mba famakafakana toy ny teo ihany no tohizako.Alohan’izany dia hiresaka zava-bitsivitsy aho aloha, ohatra: tapaka jiro aho teto am-panoratana. Tsy haiko intsony na delestazy na gafy fa efa nisy manko ny fahatapahana naharitra maherin’ny ora iray teo nefa dia mbola tapaka tampoka indray izany avy teo. Entiko anamarihako aminareo fa mbola mitohy soa aman-tsara ny delestazy eto Antananarivo fa tsy tapitra niaraka tamin’ny fotoam-pifidianana tsy akory. Ny fotoana tokana tsy nisian’izany delestazy izany taorian’ny fifidianana dia tamin’ny nisian’ny oram-batravatra tamin’ny alatsinainy ihany.


Manaraka izany dia tena nanempotra tokoa ny setroka teto Antananarivo ny talata lasa teo. Efa nisy nanamarika moa io tamin’ny bolongan’ny namana tany ho any. Ny tena nahavariana mano dia vao avy ny orana ny omalin’io nefa dia tena difotry ny setroka Antananarivo ny talata. Hevitrevero amin’izany ny hafanana 35° sy ny setroka miaraka aminy. Tsy mahagaga raha manjaka hatrany ny aretina mpitranga noho ny fahalemen’ny fitaovam-pisefoana. Somary lefy io setroka io ny alarobia fa ny hafanana kosa dia tsy mihena velively ny heriny.


Ny alarobia ihany koa no navoaka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fitsarana amin’ny ady amin’ny fanjakana sy toekarena teo Anosy ny didim-pitsarana manendry ireo Ben’ny tanàna vaovao sy mpanolotsaina miaraka aminy eto amin’ny fari-piadidian’Antananarivo (farintany teo aloha). Mazava fa nandresy tamin’ny 63,27% i Andry TGV sy ny tariny. Vao fiandohan-draharaha fotsiny izany fa hisedra zavatra betsaka izy raha toa ka hitantana an’Antananarivo tokoa no tanjony ary haharitra aman-taonany izany afa-tsy raha hoe mbola manohy ny fahotany ihany ny mpitondra ankehitriny amin’izao izy (Ravalomanana) mora fandrihana izao.


Voalohany amin’izany ny fanararaotana ataon’ny mpivarotra amoron-dalana efa lasa anaty lalana mihitsy amin’izao fotoana izao. Efa mihoatra ny loha matoa efa milaza io ny gazety rehetra eto andrenivohitra tamin’ity herinandro ity. Fanararaotana, hoy aho, satria voalohany dia hiova ny mpitantana ny tanàna nefa ny andro dia vanim-potoanan’ny fety indrindra. Nitaky moa ny gazety mba ho ny mpitantana ankehitriny ihany no miezaka aloha voalohany indrindra manala ireo “vahoaka madinika” ireo saingy efa maty hasiny ireo noho ny voka-tsafidy teo. Tsy maintsy ny mpitantana vaovao nahazo ny roatokom-bato teto Antananarivo no manala ireo karazan’olona ireo ary mampiverina azy ho amin’ny ara-dalàna. Tsy maintsy mandray andraikitra momba io raharaha io ny TGV satria izy izao no masi-mandidy. Nefa na inona na inona fanapaha-keviny momba ity raharaha iray loha ity dia tsy maintsy hisy sahady ny ho diso fanantenana. Nahoana?


Tamin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra farany teo teny Isotry (Ambodin’Isotry tanàna malaza) raha nandalo teny ny kandidà sy ny mpanentana TIM dia nisy mpivarotra iray avo vava nidradradradra hoe “Aza mifidy an’iny r’ireto fa ireny ihany no hanala antsika eto raha vao lany izy a!”, “Marina izany e!” hoy ny maro sady nihoraka avokoa izy rehetra, dia nisy nanampy hoe: “Aleo mifidy TGV e!” dia tehaka sy horaka no valin’izany teny faharoa izany. Ho diso fanantenana ve ireto olona ireto sa tsia? Marihina manko fa efa saiky niendaka teny amoron-dalana nisy azy ireto olona ireto fa natsahatry Rafaly ihany ilay fanapahan-kevitra. Fahadisoan-kevitra lehibe ho azy iny amiko na dia nialoha ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra aza ny fotoana nampiatoana ilay fanalana mpivarotra amoron-dalana. Nefa koa mety ho vondron’ny 55% tsy nifidy ihany koa ireto vondrona ireto.


Amin’ity raharaha iray loha ity ihany. Fony aho andalam-podiana ny talata teo dia nisy eloben’ny mpivarotra iray izay nanivaka teo afovoan’ny arabe teo. Nakisako hamonjy sisiny io elobe io satria manelingelina ny fiara loatra (izaho izay tsy manam-piara). Saiky hisy hanakisaka hamerina teo afovoany ilay elo fa niherika aho ka nijanona tamin’ny nataony ilay ramatoa. Voatery niandry kelikely aho ary avy eo nanao tazan-davitra ihany koa, saingy lobaka fotsy moa no nanaovako ka mora hita na dia anaty aizina aza fa mino aho fa naveriny teo afovoan’ny arabe io elo io kelikely taorian’ny nanalako azy. (Saro-po loatra amin’ny fandaminana angamba aho ka tsy mahatanty hoe elo iray ve no abahana arabe?). Fa nony tonga ny alarobia alina fa tsy nisy nanala ny elony sy ny vy fananganana tsena ny mpivarotra rehetra tafovoan’io arabe io. Indrisy! Firaisan-kina mahamenatra, izay angamba no mahatonga ny “association de malfaiteurs” ho heloka hafa ihany koa sa izao no atao hoe fiokoana? Iza no ho diso fanantenana? Gaga ihany aho ny maraina fa tafala tafovoan’ny arabe avokoa ireo nibahabahana rehetra ary azo izoran’ny fiara soa aman-tsara ny arabe.


Faharoa, mbola resaka tanàna ihany. Tena mitondra fako izaitratra mihitsy koa ny tsena ary tsy maharaka intsony ny mpaka fako. Ny tena loza dia asisiky ny maro any anaty tatatra sy lakandrano ny karazam-pako toy ny plastika izay saro-devonina sy ny zavatra hafa ihany koa, hany ka tsy mahagaga raha difotra avy hatrany ny faritra maro raha vao indray fotsiny no avy ny orana. Tsy voatery ho tsy fiasan’ny fivondronana manko no mahatonga ny loto hiely fa noho ny tsy fahatsiarovan-tenan’ny sasany andeha mody atao hoe “tsy maro an’isa” ary tsy voatery ho “vahoaka madinika” koa.


Fa tamin’ny fifidianana teo dia efa misy manosika ambadika sahady ny mpandresy eto Antananarivo hanao izay hanalana ny mpitondra ankehitriny. Ataoko fa tsy ho amin’izany no kendren’ny TGV afa-tsy hoe hitany ho lava loatra aminy angaha ny valo taona (efa-taona indroa) mety hitondrany an’Antananarivo ary tena tanjona hafa tokoa no kendreny fa tsy hitantana an’Antananarivo loatra. Azo heverina manko ny hanaovany fanambarana hoe “ho fanehoana amin’ny mpitondra ny tsy fetezana ataony no tena nirotsahako teo fa fantatro fa tsy hamela mora ny hitondrako ny tanàna ny fitondrana ankehitriny, hasehoko amin’ny mpitondra kosa fa ao ambadiko ny maro an’isa raha manao ny tsy mety amiko izy” saingy mety ho diso fanantenana amin’izany aho raha izany no andrasako avy aminy.


Ny mpitondra fanjakana ambony mihitsy no tokony hieritreritra tsy haneritery ity mpitantana vaovao ity mba tsy ho afaka hiala bala ny TGV fa noteriterena (aleo halalaka ny fifaninanana raha tena sahy) tamin’ny asany. Alalaho ny sehatra hiasany tsara raha tsy te-ho menatra amin’ny Fivoriambe Afrikana kasaina hotontosaina eto amin'ny 2009 sy ny fivoriamben’ny mpiteny frantsay toa ekena hatao eto Antananarivo amin’ny taona 2010 ihany koa. Antananarivo ihany koa tsy azo teriterena fa dia ho diso fanantenana aminy tokoa raha hilaza anaty any hoe ‘sakoa izay rehefa tsy nifidy izay natolotro anareo’. Izay izy vao hivadika tanteraka fa tsy hijanona tamin’ilay fampitandremana fotsiny teo intsony. 


Marihina fa samy misy tsy ho diso fanantenana tamin’ny safidiny kosa na tamin’ny andaniny na tamin’ny ankilany. Ny andaniny maro an’isa dia tsy ho diso fanantenana tamin’ny safidiny velively ireo nanao fampitandremana ny mpitondra satria efa tontosany ny adidiny tamin’ny filoha sy ny tariny. Raha mahay mamaly ny mpitondra dia mbola azony antenainy hifidy azy ihany ny maro amin’ireo nanao ity karazan-tsafidy ity fa raha tsy izany kosa dia tsy hahazo ny fony intsony mandrakizay ary amin’izay fotoana izay dia volana avy hatrany sisa isaina ipetrahana eo amin’ny fitondrana. Tiako hatrany ny manamarika fa tsy hanantena ny TGV hahavita zavatra betsaka noho ny teo aloha mihitsy ireo sokajin’olona ireo fa izay fihetsiky ny mpitondra foibe ihany no tena arahiny ka asakasak’izay andrasam-pihetsika amin’izao fotoana izao. Tsy ho diso fanantenana ihany koa ireo maromaro ihany nifidy araka ny fanao amin’ny pazzapa ka izay bogosy na manja kokoa no ifidianany azy afa-tsy hoe tratran’ny voina angaha ka simba ny tarehy na ny bika nananana teo.


Tsy menatra tamin’ny safidiny mandraka ity androany kosa ireo izay nifidy ny filohan’ny delegasiona manokana teo, na dia tsy nifidy ny lisitra TIM toa ahy ( fa AME ny ahy no nofidiako tamin’ny mpanolo-tsaina), fa nataony mavesatra kokoa noho ny fampitandremana tahaka ny nataon’ny maro an’isa indrindra tamin’ny nisafidy TGV ny nisafidy noho ny zavabitan’ilay olona mihitsy na dia vitsy an’isa kokoa aza izahay (miaraka tamin’ny nisafidy ny lisitra TIM kosa eto). Aleo manko marihina ho anareo any ampitan-dranomasina any fa betsaka tsy araka ny fahavitan’ny propagandy ny mbola mitondra tee-shirt Hery Rafalimanana (sy Marc Ravalomanana ihany koa) mbola madio sy kajiana fa tsy hoe entina matory. Nefa tsy vitsy ihany koa ireo mitondra ny tee-shirt TGV saingy…aleo ajanona hatreo ny fitantarako azy fa sao dia lazaina fa dia efa fankahalana kosa ny ahy. Fa misy dia misy ny mitondra akanjo madio an! Amin’ny alahady anie jereo tsara!


Miresaka Alahady ihany moa dia tsy tokony hanantena be loatra amin’izay fahabetsahan’ny olona ho avy ny TGV noho ny vanim-potoanan’ny fety indrindra fa krismasy (Noely) no atrehina. Efa nanandrana nanao toa io koa manko ny filoha ankehitriny tamin’ny taona 2001 raha mahatadidy isika ary nataony hoe Noelim-pandresena ny anarany tamin’izay fotoana izay nefa dia vitsy ny olona tonga nanatrika tamin’izany fotoana izany. Ny mahasamihafa azy kosa aloha dia andro Sabotsy (raha tsy diso aho) no nanaovan’ny filoha ny Noelim-pandreseny ka mbola somebiseby miantsena ny olona fa ny an’ny TGV kosa ity alahady fialan-tsasatra ho an’ny maro na dia ankatoky ny fety koa aza sady efa andro tsy fiasana rahateo ny andro alatsinainy ho an’ny maro (izaho moa ao anatin’ny vitsy izay miasa soa aman-tsara!). Hanao fety ho fankasitrahana ny safidin’ny maro manko ny TGV amin’ny alahady izao raha tsy misy ny fiovan-javatra.

Hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox