Omeo teny gasy mihitsy

2007-05-31 @ 15:41 in Andavanandro

Nisy mpitondra fiarakodia niresaka fa dia tahaka ny manao mizana tsindrian’ila ihany ny mpitandro ny filaminana indrindra fa ireo misahana ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Raha manao fahadisoana ny malagasy dia mihazakazaka aoka izany ry zalahy amin’ny fanatonana ny mpamily ary mitaky ny taratasy sy ny manome sazy. Fa raha vahiny (ny hatsatra mazava loatra) na eo imasony eo aza no manao fahadisoana dia tsy sakanan-dry zalahy mihitsy fa tazaniny tahaka ny flaorà jeren’ny omby fotsiny.

 Misy ny fitaratra ijerena any aoriana no faohin’ilay fiara, ilay mpamily miresaka amin’ny finday ao anatin’izany ary tsy mahalala ny hijanona mihitsy na dia hitany izao aza ny nifaohany ny fitaratry ny olona. Fantany manko fa tsy sahy hanakana azy ireo polisy ireo. Tezitra ny Malagasy mahita izany dia mivazavaza amin-dry zalahy hoe jereo ny zavatra nataony dia nojerenareo fotsiny. Amin’io dia ry zalahy indray no manangam-bovona amin’ny tsy fanajana manam-pahefana. Rehefa tsy manaiky hanome ny taratasy mihitsy ilay saofera Malagasy dia miezaka ny mandamina amin’ny hoe efa hitantsika iny ny fiara dia efa hitantsika ny nomeraony dia tsy hitako intsony izay olana fa azo antsoina hatrany ireny. Tsy manaiky izany valinteny izany ilay mpamily Malagasy ka niteny izy fa hakariny ho amin’ny sehatra ambonimbony kokoa ity raharaha ity.

 Inona no azo tsoahina amin’izany ? Azo heverina fa mihevitra ny tenany ho manan-danja afaka manao izay tiany hatao aloha ilay vahiny. Manana andraikitra ambonimbony any amin’izay misy azy angaha ka heveriny ho antsojay ataon’ny malagasy aminy mampihemotra mpandraharaha raha vao miseho hanembatsembana azy. Mety ho manana olona ambony fantany hanavotra azy ihany koa amin’ny raharaha « tsy dia misy dikany » sahala amin’izay notantaraiko teo. Tombatombana azo disoina ihany ireo noheveriko voalohany ireo fa mety ho zavatra hafa no tena antony. Io zavatra hafa io dia manakana ny fifandraisana eo amin’ny vahiny sy ny teratany. Ny olana dia tsy ny vahiny eto no miezaka hahay ny tenin’ny teratany fa ny mifamadika amin’izay no mpiseho. Ny antony dia efa nisy fotoana nanjanahan’ny vahiny antsika Malagasy. Ry zalahy manampahefana misolo tena ny malagasy anefa mety ho tsy havanana loatra amin’ilay teny vahiny ka tsy te-hanala-bara-tena amin’ny fibadabadana eny. Dia aleony manao izay tiany atao eny ireny vahiny ireny. Ireo mahay teny vahiny ihany no hahasahy hanakana an-dry zalahy fa vitsy ihany izany araka ny fahitako azy aloha. Mihevi-tena ho toy ny ambany manko raha tsy mahay ilay teny vahiny (afa-tsy oui m’sé).

 Dia lasa ny eritreritro manao hoe f’angaha dia tsy maintsy ny teniny no iresahana eto amin’ity tanàna ity ? angaha koa ianao any amin’ny biraony ka matahotra ny hiresaka na hibetroka azy mihitsy aza ? Raha menatra ny hiteny vahiny aminy (izany hoe haja ve izany ny miteny vahiny aminy sa tsy mahatonga azy ho kamo hianatra ny teny malagasy ?) maninona raha mibetroka azy amin’ny teny gasy fotsiny amin’izao. Izay ilay hoe omena teny gasy izy. Aleo izy indray no hihanahana fa raha mitaky permis aminy dia ny teny hoe permis ihany no atao teny vahiny fa ny ambiny rehetra atao amin’ny teny malagasy. Dia mety hiteny isika hoe ka teny ofisialy eto anie ny teny frantsay sy teny anglisy e ! dia valiako hoe marina izany fa tsy manakana ny malagasy hiteny malagasy izany. Avelao hisy mandika teny ho avy e ! f’angaha dia ny hamalifaly azy izao foana no hatao ? Ianao angaha raha any aminy ekeny izay teny malagasinao fa ny teniny ihany no iresahany aminao dia mba toy izany ihany koa e ! Toa isika indray no hisahirana aminy nefa izy ary mandika lalàna…

Iza no nahita "ny hafatry ny pentekosta"?

2007-05-30 @ 12:20 in Finoana

Mbola resaka pentekosta ihany na dia zavatra hafa indray aza. Efa fantatry ny mpanara-baovao tsara fa namoaka ny hafatry ny pentekosta ny filohan’ny fiangonana efatra mandrafitra ny ffkm. Tamin’ny alarobia (heriny) na alakamisy dia efa nambaran’ny gazety ambangovangony izany. Saingy iza moa no tena nahita na nahare ny votoatiny manontolo ?

 Raha vao nahatonga izany any amin’ny tonian’ny fanoratana any amin’ny fampahalalam-baovao isan-karazany ny gazety dia misintona izay azony tsoahina avy ao amin’ny hafatra. Tsy namoaka manontolo ny hafatra kosa ry zareo satria tsy nividy pejy manokana ho amin’izany i Vohipiraisana (ny foiben’ny ffpm natao ho foiben’ny ffkm vonjimaika ihany koa aloha). Izay no nampahafantarana ny vaovao fa tsy namakiana na nametrahana azy manontolo. Manaraka izany indray dia tsy novakiana tao am-piangonana nandehanako tamin’iny alahady ihany koa ilay hafatra avy amin’ny filoham-piangonana efatra mirahalahy. Tena nandrasana mihitsy tamin’ny filazan-draharahan’ny fiangonana fa niandry vasoka fotsiny. Eto Antananarivo ve dia mbola tsy naharay ny hafatra ihany koa ? gaga ihany ny tena amin’izany.

 Nanontaniana ny olom-pantatra raha naheno fa na tsy tandriny na tsy nalefa ihany koa ny tany aminy. Ny tao amin’ny fjkm Ambavahadimitafo ihany no reko fa namaky ilay hafatra. Vaka ny saina manoloana izany toe-javatra izany. Inona ny antony tsy namakiana ilay hafatra tany amin’ny fiangonana sasany ary namakiana azy kosa tany amin’ny fiangonana sasany. Nizara ve ny hevitra manoloana ilay fanambarana ? Fampiraisana no tena tanjona ka toa fisarahana no hita !

Androm-bavaka manera-tany

2007-05-29 @ 08:14 in Finoana

Efa rere tao ho ao ny momba ity teny hoe androm-bavaka manerantany ity(Global Day of prayer). Lazaina ombieny ombieny fa niainga tany Capetown ity fihetsiketsehana ity. Izany moa no lazainy ao amin’ny transformation africa ao. Raha ny marina anefa araka ny testamenta kristiana dia tany amin’ny andron’ny Apostoly mihitsy no efa nisy izany vavaka isan’andro nialoha ny tamin’ny alahady iny.

 Folo andro no niomanan’ireo mpikarakara tany amin’ny toerana samihafa (ary anisan’izany ny fiangonana loterana malagasy ao Ambatovinaky) teto an-tanàna. Nisy ny fotoam-bavaka maraina (tena maraina tokoa satria mbola mazavaratsy mihitsy) ary nisy ihany koa ny fotoana hariva samy adiny roa avy. Folo andro no nanatanterahana ny fikarakarana isam-paritra. Ny lohahevitra nobanjinina nandritra izany fotoana izany dia ny ao amin’ny 2 tantara 7 andininy faha-14 ao izay manomboka amin’ny teny hoe raha ny olona izay antsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka…

 Rehefa amin’ny filazana fa fiangonana maro no miara-misalahy amin’ity raharaha ity dia tsy miditra loatra ny fiangonana katolika. Ny somary mahagaga ahy aza noheveriko fa ny fiangonana pentekotista no tena lohalaharana amin’ity fihetsiketsehana ity. Mifanandrify amin’ny anarana pentekosta ihany manko ny anaram-piangonana. Ny teto Madagasikara anefa dia ny sasatsasany tamin’ireo lohandohan’ny fiangonana loterana ny fjkm (ary mavitrika ao amin’ny ffkm eto Antananarivo ihany koa) no tena nafana fo tamin’ny fikarakarana azy sy tamin’ny fanentanana ny mpiangona tao aminy. Azo heverina avy hatrany fa noho ny fifandraisana eo amin’ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny mpitarika eo anivon’ny fikambanana mpiara-mamaky ny baiboly sy ny fikambanana mampiely baiboly Malagasy no singa iray niteraka izany. Ireo fikambanana roa ireo tokoa manko no mpikarakara voalohany ity hetsika ity eto Madagasikara.

 Ireo fikambanana roa ireo ihany koa no tetezana ifandraisan’ny fiangonana ara-tantara sy ny fikambanam-pivavahana kristiana vaovao tsy manava-tena. Efa nanana fahazarana amin’ny fanaon’ny mpiara-mamaky ny baiboly ihany aho ka fantatro fahatsoran’ny fomba araka izay azo atao. Mora ho an’ireo fikambanana roa tsy hain’ny maro avahana ireo ny manatona ny andaniny sy ny ankilany avy.

 Ny andron’ny pentekosta tolakandro ary dia tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no nanatanterahana ilay androm-bavaka maneratany anjaran’Antananarivo. Toerana tsy antonona intsony ny habetsaky  ny olona tonga tao saingy tsy nahazo ny toerana lehibebe kokoa manko. Nefa toerana sahala amin’ireny ihany no eken’ny rehetra fa tsy fiangonana lehibe izay manavahiny izay tsy mpiangona ao. Amin’izany maha androm-bavaka maneratany azy izany dia tena ny vavaka tokoa no nibahan-toerana.

 Tsy ny toriteny na ny filazan-draharaha no betsaka, ary tsy ny hira ihany koa aza fa dia ny fanandratana an’Andriamanitra sy ny fiantorahana taminy tamin’ny endrim-pivavahana rehetra. Koa taorian’ny toriteny fohifohy nalaina avy tao amin’ny Romana 14 :1 – 14 izay manambara amin’ny ankapobeny ny tsy tokony hifampihafahafana na dia samihafa fomba aza ary tsy ifampitsaratsarana foana dia nanomboka ny endrim-bavaka mety ho fantatra rehetra.

Voalohany tamin’izany ny vavaka ifamaliana izay heveriko fa mitovy avokoa amin’ireo firenena mahatratra 200 lazaina ho miara-manatontosa ity Global Day of Prayer ity fa ny teny no natao tamin’ny teny malagasy. Ny vavaka ifamaliana moa dia vavaka tononon’ny mpitarika sy valian’ny mpanatrika rehetra. Ny any amin’ny Katolika sy ny loterana ary ny anglikana no tena mahazo azy ity fa raha any amin’ny hafa dia mitovitovy karazana amin’ny famakiana ny salamo ifandimbiasan’ny mpitarika sy ny vahoaka ihany izany. Azoko lazaina fa tsy tsara dika ilay vavaka na tsy tafiditra loatra ilay fanandratana amin’ny mahagasy fa azo tsara ny tian-kambara ao anatiny. Nifandimby nitarika moa teto ny ankamaroan’ireo mpitari-pivavahana nanana solontena tonga tao.

 Efa izay dia lasa indray ny vavaka ho an’ireo sokajin-taona rehetra ka  samy nomena ny anjarany ny ankizy, ny tanora ny vehivavy ary ny lehilahy. Samy manana ny solontenany ireo sokajintaona ireo. Amin’ny ankapobeny moa rehefa tahaka ireny dia vavaka fifonana hatrany no manjaka. Ireo solontena moa dia misy ireo nanao vavaka novakiana ary misy kosa ny nivavaka tora-po. Asa fa noho ny mpanentana saiky lehilahy avokoa angaha ka mba naka toerana lavalava ny mpitarika nanana anjara ho an’ny vehivavy (Pst Rebeka izay ananana rohim-pihavanana ihany), nanao fanazavana aloha ny anao alohan’ny anaovana ny vavaka ary indroa miantoana ny nanaovany ny vavaka.

 Ary nenti-namaranana azy dia samy nivavaka avokoa ny rehetra nanatrika ka nanao faribolana kely nifamory isaky ny olona telo ka hatramin’ny olona enina teo ho eo. Efa nisy rahateo ny antom-bavaka napetraka dia ny hampazoto ny malagasy hivavaka sy hitodika amin’Andriamanitra, ny vavaka hanalana ny herin’i Satana tsy hanjaka amin’ny fon’ny olona ary ny mba handrosoan’i Madagasikara ara-toe-karena. Io lohahevitra farany io dia be ihany no tsy nankasitraka azy. Nibahana tao an-tsain’ny maro angaha ny teny hoe ny fivavahana tsy natao ho filan-karena ka tsy nisy loatra ny nivavaka ho amin’izany, ny ananan’ny malagasy fiadanana sy fahasambarana tsy voatery ho amin’ny alalan’ny vola no nihoraran’ny olona kokoa. Tsapa manko izany firoanan’ny nanatrika izany rehefa nomena ny fitenenana ny solombavam-bahoaka tonga teo niteny hoe tsy ilaina loatra fandrosoana tsy misy fanahy sy anjakan’ny faharatsiana ka nitehaka avokoa izy ireo (talohan’izay anefa dia tsy nisy tehaka loatra). 

Fehiny, tena ireo olona vontom-pinoana tokoa no nanatrika tao raha vavaka no nanjaka nefa dia roa ora sy sasany no nanaovana azy. Tsy nisy vidim-pidirana tahaka ny hitako tany amin’ny firenena sasany ny teto Madagasikara sady tsy hanisy vidim-pidirana mihitsy. Lesoka ihany koa ny nanadinoana mba hisian’ny solontenan’ny vahiny tsy mahazo loatra ny teny malagasy izay maromaro ihany ny nanatrika tao hanana anajara vavaka ihany koa. Eny fa na teny anglisy aza no nanaovany izany inona moa no tokony ho olana ? Nisy Japoney tonga koa anie tao e ! Amin'ny 11 mey 2008 indray izany ny androm-bavaka manerantany manaraka.

Adim-poko: nitonona anarana ry zalahy

2007-05-25 @ 09:50 in Andavanandro

Nanonona ny anarany sy nanonona ny laharan’ny finday mihitsy aza araka an’i Taratra ireo nilaza ho nanaparitaka ny taratasy kely nandranitra adim-poko teto Antananarivo. Ny anarana notononiny moa dia Rasolojaona Arthur ary ny namany dia Andrianjafy. Afaka ho hitanareo rahateo ao amin’ny Madagate mikasika ny fifanenjanana eo amin’ny mpitondra katolika sy ny mpitondra ny firenena moa ny sarin’ilay taratasy fihantsiana sy ny votoatiny efa tsy tiako nadika teto mihitsy.

 Tsy vitan’izany fa mbola niantso tamin’ny fandaharana karajia ihany koa izy, izany hoe henon’ny mpihaino rehetra ny teniny sy ny fomba fiteniny. Mahavariana ilay izy. Manahy mafy aho nefa sarotra ny mitsaratsara olona avy hatrany. Ny fomba fiteny sy ny angola dia manamarika fa tsy zatra ny fiteny eto Antananarivo izy. Ny nahavariana ahy manko dia ny fomba fanompana ny merina hatramin’izay no nanompana ireo hafa indray. Nahagaga ahy io. Lasa ny eritreritro nanao hoe fihaikana io sa fanaingana amin’ny fomba ankolaka hanairana ny maro an’isa avy amin’ireny faritra tena ifampiseraseran’ny samy Malagasy ireny.

 Ny teniny moa dia manamafy ny voasoratra amin’ny fandroahana hatrany sady notononiny avokoa ny teny 67ha, Ambohipo, Ankatso, Ambolokandrina ary mandroseza. Nahatezitra ny maro avy hatrany moa ny taratasy fa tsy nisy namaly loatra ny teniny tao amin'ny mpikarajia isan’andro. Efa resaka fandranaitana eo amin’ny fivavahana indray moa izao no misy mivoy mafy dia mafy.

 Etsy ankilan’izay dia mivory hatrany ny vondron’ny mpanao tsia fa tsy mety milaza hatrany izay votoatim-pivoriana. Ao anatin’ny tetik’ady indrindra angamba izy ireo amin’izao fotoana izao.

Zavanisy nahatsikaiky vitsivitsy

2007-05-24 @ 16:13 in Kolontsaina

Ao anatin’ny fotoana mampihenjakenjana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena izao dia tsara angaha raha mba asiana fihomehezana kely indray na dia tsy mahay mampihomehy aza ny tenako. 

  • Asa angaha izay nahataitra ity ramose nampitady ohabolana malagasy misy teny hoe servieta. Tsy nisy nahita mihitsy ny mpianatra fa dia nionona tamin’ity ohabolana iray ity ihany : Servietan’anamalaho ve ka hamonoana vatotr’akoho.
 
  • Nisy olona mpiray ombon’antoka amin’ny orinasa iasan’ny tena ka mba misy mifanolo ihany avy amin-dry zareo any. Indray mandeha dia tahaka ny feno fofona famonoa-moka atifitifitra tampoka izany ny trano. Gaga aho ka saiky hitabataba hanontany hoe iza koa no nitifitra famonoa-moka amin’ny fotoana tsy misy moka ato ? Kanjo tadidiko tampoka fa ilay ramatoa hanatontosa ny adidiny tamin’io andro io no nahenoako ilay fofona. Andraso aloha rofiko akaiky fandrao manala baraka olona, hoy aho. Inona tokoa ! tena ny ranomanitr’ilay olona mihitsy angamba no…sa dia diso fiheverana ve izy hoe fomonoa-moka anie ity ataony famonoana fofona ity ?
 
  • Tamin’ity taona ity dia nisy zanaka mpitandrina tsy maintsy nalefa tany ivelany hotsaboina haingana. Tsy mba manana vola ampy ho amin’izany rangahy ka dia niantso vonjy tamin’ny mpiray sinoda. Dia tonom-bola no natao tao amin’ny fiangonana misy ahy. Tamin’io andro io dia 666.000 fmg no voangona rehefa natotaly. Avy hatrany dia nanampy vola Ar200 avy hatrany ilay mpaka tonombola fa mahakamo be ny mandre ilay isa (666). Tahotra sa ?
 
  • Tany Antsirabe indray, teo amin’ny manodidina io tsena lehibe mbola tsy vita io (ny tsenan’Asabotsy) dia nampipipy ny zafikeliny poritra ity ramatoa iray. Hitan’ilay mpangarom-paosy toa mibananaka angaha ny paosiny ka dia noharoniny tsy amim-pisalasalana. Henon-dramatoa tsara izany ary tadidiny fa mosoara maloto ihany no tao amin’io paosy noharonina io. Tsy taitra akory ramatoa na dia reny aza ilay tanana nangarona. Vao lasa teo amin’ny roa metatra ranamana dia niantso amin’izay ramatoa hoe : ento any fa tsy maninona dia sasao rehefa tonga any an-trano e ! Hitan-dranamana fa tsy nisy vola tao anaty mosoara (fanaon’ny any tokoa moa ny mampirina vola anaty mosoara ?) dia nariany ilay mosoara.
 
  • Fiarabe iray no maty no nibahan-dalana tao anatin’ny minitra maromaro. Antony lany gazoala ilay fiara nefa izy mpitatitra lasantsy ary feno ny « citerne » entiny. Tsy izany ve no atao hoe mangetaheta ambony lakana ?
 
  • Dia variana aho fa tsy mba tezitra amin’ny fanoherana loatra ny olona. Ny fanohanana ihany no tena mahatezitra ny maro ka dia hoy aho hoe tsy mba mety va raha miteny hoe « aza mahasoso-contre eo fa inona-contre no tsy aritr’itena-contre amiko ? ». Mifona aho raha nahatezitra anareo ny nosoratako.

Misy mandranitra koa eto Iarivo

2007-05-23 @ 09:36 in Andavanandro

Fantatrareo avy hatrany angamba ny tiako lazaina na dia izay lohateny izay ihany aza no apetrako. Faritra iray be « tanindrana » eto Antananarivo sady anisan’ny be mponina no nahitako trakitra miparitaka eran’ny lalana sy ny elakelan-trano. Ny haben’ny taratasy dia tsy natao ho fametaka amin’ny rindrina hovakian’ny be sy ny maro fa natao ho fanitrika isan-trano ambanin’ny varavarana. Iny taratasy manana habe A4 (21X29.7cm) iny no zaraina fito.

 Tsy azo soratana ny votoatin’izany singa-taratasy nameno ny faritra izany satria tsy natao ho fandranitana velively ihany koa eto na dia malalaka amin’izay soratako aza aho. Ny fifanajana sy ny fifampitsimbinana tsy maintsy tandrovina hatrany. Ny azo ambara dia taratasy fandroahana ilay izy mazava loatra sady miharo fanambaniana rahateo. Ny zatra mipetraka eto anefa dia mahalala fa sarotra ihany ny hampiady olona eto Antananarivo renivohitra eto.

 Tamin’ny herinandro nisian’ny saritaky ny tavaratra sy ny tatsimo iny ihany no nahatarafana karazana somary vandravandra teo amin’ny andaniny sy ankilany. Nisy andiana tanora avy any Sofia manko nitabataba vao maraina sahala amin’ireny hoe nisy nanafika vao maraina ireny. Maromaro samy mamo na ny lahy na ny vavy. Ny andro vao maraina tamin’ny enina ora tamin’izany fotoana izany nefa faran’ny herinandro. Ny efa nipetraka ela indray (izay atsimo atsinanana no betsaka) no nihatakataka. Notairiny tamin’ny torimaso avokoa anefa ny manodidina rehetra tamin’izay fotoana izay.

 Raha dinihina dia tena misy antoko politika mivoy mafy azy ity mihitsy. Nahagaga, tsy tandrin’ny mpnao gazetin’ny Tvplus angamba tamin’ny fanambaran’ny eveka omaly ny fanamelohana natao momba ny fandranitana adim-poko. Tsy novakian’ny mpilaza vaovao anefa io fa ny bala nalefa ho an’ny mpitondra fanjakana ihany no novakiany. Ny Mbs sy ny radiom-panjakana moa dia nody tsy nahalala ny fisian’ny fanambarana mihitsy. Azo lazaina izany fa tena mitongilana daholo ny mpilaza vaovao hitako hatreto. Tamin’ny lohatenin’ny gazety rahateo moa dia samy nisintona izay tiany nosintonina fotsiny ry zareo. Iza re no mety namoaka manontolo ny fanambarana e ?

Ny fanambaran'ny evekan'i Madagasikara

2007-05-22 @ 13:28 in Finoana

Ny mpanara-baovao finoana indrindra indrindra dia mahafantatra ny nametrahana amin’ny fomba manetriketrika ny evekan’i Miarinarivo tamin’ny alahady teo. Amin’ireny fotoana ireny moa dia tonga manatrika eo avokoa ny eveka namany manerana an’i Madagasikara. Efa nampoizin’ny maro fa tsy maintsy hisy ny fivoriana manokana hataon’ireo eveka ireo indrindra fa ao anatin’izao toe-draharaha mafampana izao. Dia nivory tokoa ny fivondronamben’ny eveka teto Madagasikara ny tontolo andron’ny alatsinainy 21 mey teo.

 Niandry ny fehin’izany aho fa androany maraina no nandeha tao amin’ny radio don bosco izany. Tsy tratra anefa tamin’io fotoana io noho ny zavatra mbola nanahirana ka ny atoandro aho vao nandre azy. Tsy nandray naoty anefa aho ka izay tadidiko ihany no averiko etoana. Noho izany dia marihiko etoana fa mety ho tsy feno izay soratako etoana fa izay nanaitra ahy ihany no soratako.

 Voalohany : Voaporofo izao tamin’ny fitsapana ny hevi-bahoaka farany teo ny tsy fahavitrihan’ny olona nanefa ny adidiny. Nirotoroto ny fanjakana nefa ny olona tsy mahalala akory izay votoatim-panovana na dia niezahana nohazavaina aza izany. Mbola anaty fahasahiranana ny olona moa ny rivodoza sy ny loza voajanahary hafa mbola namely ka izay hohaniny sy ialofany ihany no nahamay ny olona. Tsy nataony ho zavadehibe ny referandaoma.

 Faharoa : Tsy ankasitrahana ny fampiasana ny herisetra sy ny fanaovana amboletra na avy amin’iza na avy amin’iza. Tsy vahaolana velively tsy akory izany manoloana ny delestazy sy ny olana hafa mampisavorovoro ny mpianatra sy ny any amin’ny faritra. Tokony ho efa notsinjovina mialoha ny hamahana ny olana fa tsy avela hihatra amin’ny olona vao ikaroham-bahaolana.

 Manaraka : Manameloka ihany koa ny fandranitana adim-poko izay mihamahazo vahana amin’izao fotoana izao. Tsy vahaolana amin’ny mianjady amin’ny mponina ihany koa io.

 Tohiny : Momba ny raharahan’ny misionera kosa. Nantsoina ny misionera hitory ny evanjely amin’ny olona rehetra. Ilaina ny fahafantarana ny fiaimpiainan’ireo itoriana ny evanjely ho fampivoarana azy rahateo. Koa raha misy ny zavatra tsy mety, mahaporitra na fanaporetana sy fanitsakitsahana ny zon’ny madinika dia adidin’ny (tsy maintsy miteny ny )misionera ny miteny na malagasy izy na vahiny. Ao anatin’ny lalam-pitoriana rahateo izany ary ny fiangonana katolika dia tsy maintsy eo ankilan’ny madinika mandrakariva hiaro ny zony tsy ho voahosihosy.

 Fahadimy : Momba ny raharaha Sylvain Urfer,sj kosa indray dia heverin’ny katolika ho fanalam-baraka azy ireny toe-javatra niseho ireny. Tsy azo natao ve ny nifampidinika mialoha tamin’ny ambaratongam-pitondrana katolika rehetra mialoha ny nandroahana azy ? Toy ny tsy fanajana ny zon’olombelona ihany koa iny fandroahana iny eo amin’ny fiangonana katolika (tsarovy fa ny fivondronam-ben’ny eveka mihitsy no misolo tena ny fiangonana sy hany afaka miteny amin’ny anaran’ny fiangonana eo amin’ny firenena misy azy araka ny fahazoako azy).

 Ary fahaenina : Momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny fiangonana katolika sy ny fanjakana kosa indray dia vonona amin’izany ny fiangonana katolika. Saingy maniry indrindra ny hampiharana azy tokoa fa toa mbola resaka fotsiny ilay izy hatramin’ny androany. Ao anatin’ity fanambarana ity anefa dia toy ny mametraka ihany koa ny fiangonana katolika hahazo ny fanazavana momba ny nandroahana ny mompera vao hiditra amin’izany. Izay ny fahazoako azy. Tatitra ihany ity nataoko ity saingy tsy ofisialy. Ho hitan’ny be sy ny maro ihany ny votoaty ofisialy satria mino aho fa io no ho lohatenin’ny gazety rahampitso rehetra. Tsy namoaka ity fanambarana ity ny radio sy ny televizionam-panjakana hatramin’ny atoandro teo. Asa ny rahariva…(tsy misy ny fomba fijeriko mihitsy io fanambarana io)

Nivory miafina ny mpanohitra sy diplaomaty vahiny?

2007-05-22 @ 08:05 in Politika

Gaga aho namaky  ny gazety le quotidien omaly raha nilaza izy fa nisy fihaonana nifanaovan’ny mpanohitra sasany miseho ho mpiaradia akaiky ny firenena tandrefana sy diplaomaty vahiny sasantsasany. Tsy nanondro mivantana moa izy fa nolazainy fotsiny fa tamin’ny Zoma lasa teo izany tao amin’ny Hilton Madagascar. Izy irery no namoaka io lahatsoratra io omaly. Dia nieritreritra aho hoe tsaho tiana aely ve izy ity sa ahoana ?

 Nanapa-kevitra aho hiantso ny Hilton Madagascar sy ny gazety le quotidien androany maraina momba io raharaha iray io. Najanoko anefa izany rehefa nataon’ny gazety « Ao raha » teo amin’ny voalohan’ny pejy no sady nataony vaventy ny lohateny. Rehefa novakiana ny tao anatiny dia tena pejy iray manontolo mihitsy no nanokanany azy. Tafiditra tsara ao amin’ny asan’ny mpanao gazety rahateo ny manadihady rehefa sendra ny vaovao fohy toy ny tsipalotra fotsiny tao amin’ny gazety voalohany nolazaiko.

 Nanamarina ary ny gazety faharoa nolazaiko ary nanampy fa tamin’ny telo ora tolakandro no nanatanterahana ny fivoriana tao. Ny komity mpanohana ny tsia ireo nivory niaraka tamin’ny masoivoho ireo ka tao anatin’izany ny frantsay sy ny amerikana. Nisy koa solontena hafa izay tsy notononin’ny mpanao gazety ary io no nilaza fa tsy anjarany ny manao tatitra amin’izay fivoriana natao tao fa an’ireo mpanohitra izay nihaona taminy.

 Ny mpanohitra kosa anefa izay fantatry ny rehetra satria filohan’antoko sady nirotsaka hofidiana ho filoha teo ny roa (iza ary izany fa tsy Herizo Razafimahaleo sy Lahiniriko Jean ?) samy nanda sy milaza ho tsy mahafantatra ny fisian’izany fivoriana izany avokoa. Dia mody gaga fa tany amin’ny gazety no nahitany ilay filazana fivoriana natao ny zoma tolakandro tamin’ny telo ora tolakandro izany. Raha nanao fivoriana miafina izahay, hoy ny filoham-boninahitry ny Leader Fanilo dia tsy ho any amin’ny hitam-bahoaka any velively.

 Hitanareo moa fa mbola anatin’ny fanolokoloana ny tranonkalan’ny le quotidien ary tsy heveriko fa tsy mandeha amin’ny aterineto ny lahatsoratra mivoaka ao amin’ny « Ao raha ». izay no amoahako azy etoana ka asakasakareo amin’ny finoana ireo gazety roa samihafa roa ireo ihany. Toy ny voankazo an’ala hoy ny fitenenana izay io lahatsoratra napetrako io.

Fifidianana sefom-pokontany hoe?

2007-05-21 @ 08:16 in Politika

Samy manana ny fanonona tiany avokoa moa ny mpitondra rehetra rehefa manondro asa iray izy ka mifampiankina amin’ny fampandehanana ny asam-panjakana izany. Asa inona angaha no tsy nitiavany ny teny hoe filoham-pokontany ? Naleony angamba natao hoe sefo ilay izy fa tiany ho azy irery ny anarana hoe filoha. Raha nahatadidy ny teto an-tanàna dia efa saiky nosoloany teny hoe kartie ihany koa io teny hoe fokontany io, tahaka ny efa nanariany ny teny hoe firaisampokontany sy ny fivondronampokontany izay ny jeneraly Ratsimandrava no nametraka ny teny voalohany.

 Tsy any moa no tena idirana fa ny amin’ny fifidianana ity sefom-pokontany ity. Mahavariana amin’izy ity dia ny tsy fanatanterahana ny fifidianana azy amin’ny fotoana tokana. Samy manana ny androm-pifidianany ny distrika tsirairay, na kaominina tsirairay na fokontany tsirairay. Tsy misy fotoana raikitra fa dia araka izay mahavonona ny tompon’andraikitra any an-toerana angaha. Dia tahaka ny hoe samy manao izay tiany atao ny tsirairay. Fifidianana sahala amin’izao ve no hametrahana ny fototry ny fampandrosoana ?

 Manaraka izany indray dia samy manana ny fomba fifidianany ihany koa ny fokontany tsirairay, na kaominina tsirairay, na distrika tsirairay. Ny iraisana dia tsy misy ny lisitra avy amin’ny minisiteran’ny atitany fa izay lisitra ao amin’ny fokontany ihany no hanatanterahana ny fifidianana. Ny teto Antananarivo moa dia ny karam-pokontany no niasa (tamin’ny taona 2003 na 2004 izy iny fa tsy mbola nifidy sefom-pokontany ny eto tamin’ity taona ity).

 Tao anaty fivoriambem-pokonolona moa no nanatanterahana ny fifidianana ary silatsilaka taratasy no hanaovana ny safidy. Alohan’izany aloha dia asaina manolo-tena ny olona izay hirotsaka. Tsy misy mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko fa amin’ny anaran’ny tenan’ny tsirairay avy ihany no hirotsahana. Rehefa izany dia omena laharana ireo olona ireo ary asaina milahatra eo anoloan’ny biraom-pifidianana. Mitazona baoritra misy ny laharany avokoa ny kandida tamin’izany fotoana izany. Tsy ny anaran’ilay olona no apetaka ao anaty taratasy fa ny laharana mipetaka eo amin’ny baoritra. Tsy nisy vata manokana ihany koa fa satroka (tsy mandainga aho na mivazivazy fa tena izany mihitsy tamin’ny taona nolazaiko teo io) no nandrotsahana ny vato.

 Amin’ny mahafivoriambem-pokonolona azy dia fotoana fohy ihany no nanatanterahana ny fifidianana. Izay efa eo no manatanteraka azy. Io angaha no nahatonga ilay filazana hoe rehefa tsy mahatratra ny atasa-manilan’ny olona ampy taona ny olona nifidy dia tsy manankery ny fifidianana ka miantso fivoriambe manaraka indray ka any amin’ny fivoriambe fahatelo dia ekena hatrany ny latsabato na dia tsy mahatratra ny fetr’isa aza. Izay ny tamin’izany fotoana izany. Tsy fantatra moa hoe maharitra hafiriana ny fepotoam-piasan’ny sefom-pokotany fa ny fahalalako fotsiny no milaza azy ho telo taona, ny voafaritry ny lalàna mbola hofantariko aloha.

 Fa ny tany Toamasina nampitain’ny namana iray no nahavariana ihany koa. Vao omaly manko no notanterahina ny tany. Ny taratasy fiantsoana no nentina nifidy. Talohan’izay dia nanontaniana hoe misy olona firy ny ampy taona ato…dia soratana iny. Dia tsy nisy lisistra araka izay nolazaiko teo ny fifidianana fa iny taratasy fiantsoana iny no karazana kara-pifidianana. Raha izany aho no nanao dikantsary iny taratasy iny izany dia nomeko ny namako dia afa-nifidy koa izy araka ny nambarany. Fa izany eo ihany fa dia nopetakana ranomainty sarobonoina ihany ny ankihibe rehefa vita ny fifidianana. Inona ary ity voraboraka hentitrentitra ity ? Dia ara-dalàna ve izany ity fifidianana ity ? Ahiako tsy mandalo Fitsarana avo momba ny Lalam-panorenana ihany koa manko ! Sa andeha atao hoe ara-panjakana na dia mety ho tsy ara-dalàna aza.

Akon'ny tenin'ny filoha teny Ivato omaly

2007-05-19 @ 10:42 in Politika

Niteny ireo olona akaiky azy ny filoha hiantso ny mpanaogazety rehetra na avy amin’ny mpanohana na avy amin’ny mpanohitra ny fitondrana. Olona tezitra araka ny fitantaran’ny mpanao gazety azy no hita tamin’ny endriny : Nivoara-mena tahaka ny kravato nanaovany mihitsy ny filoha, hoy ny tao amin’ny gazety « Ao raha ». Amin’ny teny malagasy manontolo rahateo ny resany fa tsy tamin’ny teny frantsay tsy akory.

 Rehefa avy nanao tatitra fohy momba ny diany avy tany Shangai Shina izy dia lasa amin’izay ny fantsy ho any mpitondra fivavahana : « Mbola mitambesatra loatra aminay ny vesatry ny fanjanahan-tany ka matahotra izahay, tsy sahy izahay koa ampaherezo izahay rehefa tratran’izany tahotra izany. Ankehitriny isika efa miezaka ny hitandro ny fiandrianam-pirenentsika. Manomboka izao dia miantso ny vahoaka Malagasy aho ho sahy amin’izay, hiara-mientana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy misy hambahamba intsony…

 Ianareo izay hanao mission aty na hanao asa soa dia ny iraka nampanaovina anareo atao fa aza mitsofoka amin’ny raharaham-pirenena malagasy indrindra fa ny politika. Tsy manome fotoana fohy akory aho handehananareo mody. Sahiko ny miteny izay. Taloha izahay no tsy maintsy naka hevitra tany aminareo sy ni-rendre compte taminareo fa amin’izao fotoana izao efa tsy izany intsony. Efa manana ny fiandrianam-pirenenay izahay.

 Ho anareo Masoivoho vahiny mihevitra ny tenany hametraka fanontaniana na hanotanintany. Tsy tokony hitsabatsabaka amin’ny raharahan-tokantranonay aty ianareo amin’ny resaka politika. Rehefa tsy hainareo ny mipetraka dia ahorony ny entanareo dia mandehana mody. Ny masoivohonay angaha any aminareo mba mitsabatsabaka amin’ny raharahan-tokatranonareo any aminareo any ? Mipetraka tsara izy ireny any.

 Momba ny mompera Sylvain Urfer indray efa fantatro tsara izy. Tamin’ny naha-Maire ahy, asaivo manontany ny tenany izy ary anontanio ny fikambanana katolika hoe iza no nibahana ny lalana sy ny tsenan’Anosibe tsy ho amboarina tamin’izany fotoana izany ? ». Hatreo dia tsy nanda mihitsy izany ny filoha fa avy aminy izany ny baiko nandroahana ny mompera. Toa vao maika aza nanamarina ny tenin’ny mompera izy tamin’io lafin-javatra hafa io.

Nanao ahoana kosa ary ny ako voalohany ?

 Tena nizara tokoa ny olona fa maro an’isa kokoa ireo nanohana ny nataon’ny filoha. Toy izao kosa ny hevitra fanoherana sasantsasany niboraka avy tamin’ny karajia androany : Manao teny an’avona mihitsy ny filoha, Olona avy natory tao anaty fiaramanidina ve ny tairina amin’ny fisesehan’ny fanontaniana tsy ho teny maneho fahatezerana toy ireny no hivoaka ? Tamin’ny taona 2000 na 1999 dia natao interview tao amin’ny tv5 ny mompera Pedro(Opeka), nanakiana mafy ny fitondrana tamin’izany fotoana izany izy nefa dia mbola afa-niditra soa aman-tsara teto amin’ny firenena ihany. Tamin’ny taona 2002 dia mbola nantsoin’ny tv5 ihany izy ka nanasohaso ny fitondrana fotsiny no nataony nefa dia mbola tafiditra teto Madagasikara ihany ny tenany.

 Ireto ihany koa ny hevitra hafa : tamin’ny taona 2002 ireny dia nisy teratany frantsay nilahatra teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Moa tsy tonga dia nalefa nody avy hatrany ireny olona ireny raha nanao izany ny fitondrana tamin’izany fotoana izany ? Ny masoivoho anglisy tamin’ny nitondran’ny filoha dia nanasohaso fatratra ny fitondrana tamin’izany fotoana izany. Inona ny vokany ? nasaina nody ilay masoivoho dia foana teo ny Masoivoho anglisy teto Madagasikara. Tsy nandroaka ilay olona ny Malagasy fa ny tany Angletera mihitsy no nampody ilay olona nanasohaso be ny fitondrana teo. Inona no nataon’ilay olona avy eo ? Niverina teto Madagasikara izy dia nanangana ONG (ny marina dia nitantana ny tahirim-bolan’ny prezidansa ny lehilahy). Ny tsikera mampihomehy moa dia hoe manao mizana tsindrian’ila ny fitondrana fa izay manasohaso tsy mba roahiny fa ny mitsikera ihany no roahiny…zavatra mazava be tsy mila hazavaina akory ! 

Soloky mihamahazo laka

2007-05-18 @ 17:08 in Andavanandro

Resaka andavanandro eto Iarivo ihany ity lazaiko etoana ity. Maro karazana ny soloky fandre sy fahitantsika fa misy endrika mbola tsy fandreko loatra no holazaiko eto izao. Ity dia tsy maintsy misy namana ny mpanao azy ary ny mpivarotra ihany no tena asiany voalohany.

 Eto amintsika moa dia atao hoe tsy ampy loatra ny vola madinika hany ka any am-pivarotana no manakalo vola ny sarambambem-bahoaka. Eo amin’izay no idiran-dry zalahy amin’ny solokiny. Mody manakalo vola tokoa ry zalahy. Amin’ny ankapobeny dia vola vaventy hatrany no entina. Ny tena fanaony aza moa dia ny Ar10.000 no tiany atakalo ho roa fotsiny izany hoe Ar5000 roa no tadiaviny. Matetika dia tsy manome olana amin’izany loatra ny mpivarotra rehefa hitany fa tena vola io vola atakalo io.

 Fa eo indrindra no ivoahan’ny haratsian-dohany. Olona roa hatrany no mifanakaiky eo, ny iray no mitondra ny vola atakalo moa ny iray tahaka ireny olona tsy fantany ireny na manao zavatra hafa « donendrinendrina » mitakisikisina amin’ilay namany eny. Raha vao manakalo (na mamerimbola be ihany koa !) ilay mpivarotra dia vetivety ny vaventy iray dia ifanakalozan’izy mirahalahy eo (efa nianarana mihitsy !). Tonga dia miteny ilay ranamana manakalo vola avy eo hoe mbola tsy ampy ity vola nomenao ity. Raha tsy efa mailo na efa tratra indray mandeha tsy mahita ny fanaovana azy.

 Fanaon’ny efa zatra ny miteny hatrany hoe Ar10.000 ity volanareo ity an ! sady mipetraka eo ambony latabatra ifanatrehana ihany ny vola. Dia miteny indray avy eo hoe ireto Ar5000 roa ary takalony. Tsy mahita holazaina ry zareo amin’izay fotoana izay. Izay ny traikefa mahazatra fa mety mbola hitohy ny raharaha amin’ny sasany.

 Mody miamboho kely ny mpivarotra indray izy. Eo anelanelan’izay fotoana izay indray efa niova vola sandoka mandehandeha be eto amin’ny tanàna ny iray amin’ny vola vao natakalo teo. Dia mody mitodika indray izy manao hoe aleo atao tokana ihany fa manahirana izy izany…amin’io fotoana io dia tsy mandray ny vola intsony ny mpivarotra fa mamaly hoe rehefa nanakalo ianareo dia tsy misy averina izany intsony fa ento any iny. Raha mandray manko ka miteny ny mpivarotra avy eo hoe tsy izy ity vola ity dia hamaly izy hoe iny ihany ny vola nomenao teo koa inona indray. Mety ho sarotra ho an’ny mpivarotra ny hamaly azy amin’izay fotoana izay ka ny tsy manaiky ny hamerenana ihany no fanafodiny.

 Zavatra mety ho tsotsotra ihany izay nambarako izay nefa noho ny fahitako ilay mpangataka isan’alahady eo ambavahadim-piangonana mamolava izay lasa naman-dry zalahy mpisoloky ireto no nanoratako azy etoana. Mety ho lamaody manko ny fanaovana ity soloky mbola tsy fandre loatra ity izay mety ho efa tany an-tsain’ny mpanao ilay fandaharana « Aleo hihomehezana fotsiny » ( inona ary izany?) amin’ny teny frantsay izay mamandrika any Quebec matetika afaka kelikely eo !

Viva e!

2007-05-17 @ 09:35 in Kolontsaina

Asa raha tadidinareo ilay fanaovam-pahatsiarovana an’i Ravinala iny. Asa na fifanandrifian-javatra na mpamaky ity blaogy ity ny mpitantana ao fa vao nanoratra iny aho, ny ampitso ihany dia nanjary nisy soratra hoe « bientôt chez vous » teo amin’ny fijerena azy teo aloha. Omaly raha tonga tao an-trano aho dia nandefa horonantsarimihetsika indray  izy sady misy soratra hoe J-10. Azo heverina avy hatrany fa afaka folo andro omaly no handeha indray ilay haino aman-jery. 

 

Tsy mbola nilaza ny anarany izy ao fa taiza kosa no nahitako ny anarany ? Dokambarotra eny amin’ny arabe amin’ireny tabilao lehibe ireny : Sarina tranoavo alaina sary avy aty ambany ka toy ny fotony ny sary tanana maromaro toy ireny mankalaza amin’ny fivavahana ireny. Mampahatsiahy sary avy hatrany rehefa mpamaky ny bokin’ny antokom-pivavahana sasany : Mankalaza an’i Babela ve ? Babela ilay malaza ao amin’ny baiboly ho nananganan’ny olona tilikambo avo manambara ny asan’olombelona sy fitadiavany rehareha.

Nefa sary nitsipelika tao anaty fotsiny iny fa tsy inona tsy akory. Viva no anarana lehibe napetrany teo ambony miaraka amin’ny tarigetra manao hoe « vivez l’evenement chez vous » ! Ra-vina-la izany no lasa Viva Amin’ny 26 mey izany mijery na tonga tokoa izy na tsia !

Tsy tokony idiran'ny frantsay

2007-05-16 @ 15:14 in Politika

Efa saiky omaly moa izy ity no navoakako saingy ninia nihaino ny hevitry ny hafa ihany koa aho aloha. Efa hitan’ny rehetra satria natao lohatenim-baovao sy ngeza tokoa teo amin’ny pejy voalohany ny alahelon’ny fitondrana frantsay nanoloana ny fandroahana ilay mompera Zezoita hiala teto Madagasikara. Nanaitra ny hambom-pon’ny maro teto antanindrazana ilay filazana ofisialy nataon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny frantsay.

 Raha nieritreritra ny mpanao gazety nametraka ny vaovaony ho tena matoany dia hafa dia hafa kosa ny nandraisan’ny mpamaky ilay vaovao. Ny mpanao gazety no mety hanao hoe hanimba ny fifandraisana amin’ny roa tonta io ary matoa ny frantsay miteny tahaka izay dia tena zavatra tsy rariny ilay fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana malagasy. Toy ny nametraka moa ry zareo fa noho ny famoahan-kevitra nataon’ilay teratany frantsay no nahatonga ny fandroahana azy. Eo dia tahaka ny hoe mahazo miteny sy mitsikera ny ataon’ny eto nefa mipetraka eto an-toerana ny teratany vahiny.

 Ny mpanara-baovao kosa dia nametraka avy hatrany fa raha fandroahana amin’ny mahamisionera azy no natao taminy dia ny any Vatikana aza no tokony hiteny sy hilaza ny alahelony ary hanontany ny antony fa tsy ny frantsay na oviana na oviana. Ny hitory ny evanjely no tokony andehanany aty fa tsy ny hitsabaka amin’ny raharaha politika malagasy afa-tsy hoe mangataka izany ny manam-pahefana eto an-toerana. Vatikana araka ny heviny (izaho moa protestanta ka tsy tena mahalala ny ba sy bi…ny) no naniraka io olona io ho tonga teto Madagasikara. Tsy i Frantsa no tokony haneho ampahibemaso tahaka izao ny heviny manoloana ity raharaha ity.

 Ny tsara marihana dia izao : tampoka no nandefasana ilay teratany frantsay ka azo eritreretina ihany fa noho ny hamehana sy zavatra tampoka izany no nandefasana ilay olona. Tamin’ny nandefasana ny mpiambina manokana ny filoha (JMK) iny dia ny laza fa nandona olona teny Talatamaty ny soavaliviny no nisy ihany koa fahatratrarana karazana soavalivy mitovy amin’ny azy teny amin’ireo olona mpaka takalon’aina nalaza tamin’izany fotoana (Lama sy Mahandry). Roa andro raha be indrindra dia tsy maintsy niala ny faritry Madagasikara ranamana raha vao niandoha ny fanadihadiana. Amin’izao fotoana izao moa dia efa mipetraka eto an-tanindrazana indray ranamana io na dia tsy miambina ny filoha aza.

 Rehefa tsy nety nolazaina manko ny antony dia tonga daholo izao karazana tsahotsaho rehetra izao. Tsy fantatra intsony izay marina sy tsia fa misy moa ny resaka heno tena ratsy dia ratsy tokoa nefa tsy mendrika ny hosoratana eto izany. Anjaran’ny fitondram-panjakana ny mamoaka izany raha te-hamoaka izy fa angamba metimety kokoa raha mifampitony ny rehetra amin’ny zavatra tsy hahazoam-baliny intsony araka ny fahitako azy hatramin’izao.  

Fianakaviana...ankohonana

2007-05-15 @ 16:55 in Ankapobeny

Mba hiova filamatra kely amin’ity andro ity. Andro iraisam-pirenena momba ny fianakaviana manko ity andro ity. Ny fianakaviana tiana ho lazaina amin’ny fijery tandrefana dia ankohonana no izy kokoa amin’ny teny malagasy. Ny filazan’ny fanjakana moa dia fianakaviana fa izaho kosa hanoratra azy hoe ankohonana. Ny ray, ny reny ary ny zanaka no mandrafitra ny ankohonana. Io no rafitra kely indrindra eo amin’ny fiaraha-monina nefa io ihany koa no fotony na fehizorony.

 Nahatsapa ny firenena mikambana fa raha io ankohonana io no tsizarizary na ratsy fototra dia ny fiaraha-monina avy hatrany no potika. Ny fifandraisana eo amin’ny mpiara-belona avy hatrany no simba. Mety hanam-pandrosoana ny firenena fa tsy hisy antoka na oviana na oviana fa hilamina io firenena io. Izany no nahatonga azy nametraka andro iray ho amin’io ankohonana io. Ny ray dia lahy, ny reny dia vavy ary ny zanaka misy lahy sy vavy. Ny fitaizan’ny lahy iray sy ny vavy iray ny zaza iray no hany antoka mahavanona ny fitaizana ny zanaka. Ankehitriny manko dia efa betsaka ny olona no ny iray ihany no mitaiza ny zaza ( ny lahy matetika no mandositra adidy). Na inona na inona fitiavana, na inona na inona fiezahana dia hisy fahabangana hatrany ny fitaizana io zanaka io. Ny lahy sy ny vavy manko dia natao hifameno fa tsy misy feno avy hatrany avy amin’ny lahy na avy amin’ny vavy. Dia tahaka izany no tsy dia mahaampy ny fitaizan’olona mihevitra ny hanangana fanambadiana eo amin’ny samy lahy na samy vavy ka maniry ny hitaiza zaza.

 Raha ny ankohonana ary no fototra mampijoro ny fiaraha-monina rehetra dia tsara indrindra raha ara-dalàna io ankohonana io izany hoe manaja ny lalàna hiarovana ny tsirairay ao anatiny. Fenitra ny tsy handravana fahatany io ankohonana io ho toy ny kilalaon’ankizy ka azo ravana na manorina hafa indray. Ny fitaizana mitohy sy maharitra ihany no antoka tsara indrindra mahavanona ny fitaizana ny zanaka. Izany hoe ny ankohonana ihany no fototra mampijoro tsara ny firenena ho vanona sy hanana ny ho aviny. Eto Madagasikara dia betsaka ireo any ambanivolo any no tsy miditra amin’ny sehatry ny fisoratana eny amin’ny lapan’ny tanàna. Samy manana ny antony tsy andehanany eny fa heverin-dry zareo fa ny fomban-drazana dia efa ampy, sady  ny fiaraha-monina rahateo dia efa vavolombelona avokoa. Amin’ny ankapobeny anefa dia lasa tsy manana kopia, antotan-taratasy ahafahana mianatra ny zaza teraka tao anatin’ny fomban-drazana tsy misy soratra. Mbola asa goavana no miandry ny mpiadidy amin’ity sehatra hahatonga ny olona nisora-panambadiana ity. Ny fiangonana kristiana rahateo tsy afa-manamasina na mitso-drano ny fanambadiana mbola tsy vita soratra raha tsy te-ho tratran’ny famaizan’ny lalàna.

 Ny any ivelany indray indrindra fa ny any amin’ny tany mandroso dia efa tsy raharahiana ihany koa ny hasin’izany fanambadiana izany. Lamaody antitra sy fanerena nataon’ny fiangonana ihany izany araka ny fiheviny. Toy ny zavatra tsy misy dikany fa fiainana mandeha ho azy ny fanambadiana ary mifandraika amin’izany dia azo ovaovana ny vady. Izay tiany tokoa io ka tsy misy azo ferana amin’izany. Saingy mamotika tanteraka ny fisainan’ny ankizy nateraka izany ary mieritreritra aza ny maro amin’izy ireny fa noho ny nataony no nahatonga ny ray sy ny reny hisaraka. Rehefa lehibe koa ireny zaza ireny dia hanana fiheverana sahala amin’ny rainy sy ny reniny ihany koa. 

Noho ireo tranga roa nambara ireo fotsiny dia kely dia kely ny tahan’izany olona anaty ankohonana feno izany. Lasa karazana idealy io ankohonana io fa tsy voatery tratrarina na fiatombohan’ny fiainana vaovao eo amin’ny olona iray. Misy mpitoriteny malagasy iray tsy mitsahatra ny mamerimberina fa ao an-tokantrano no tena mahakristiana ny kristiana iray fa tsy any ampiangonana. Any ampiangonana misy miseho ho masina nefa rehefa ao an-trano tena manahirana ny milaza ny toetrany amin’ny fampijaliana vady na zanaka sy amin’ny fitiavan-tena diso tafahoatra fotsiny. Moa tsy izany rahateo no antony nampisy ny fisafidianana izay olona hitondra ny fiangonana amin’ny alalan’ny fitarafana ny fiainan-tokatranon’ireo olona mitolo-tena ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ?Jerena avy amin'izany ny hoe manana vady firy izy ary manao ahoana ny fitondrany ny zanany.

Mpianatra...inona?

2007-05-14 @ 17:04 in Andavanandro

Niara-nigadona tao amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena ny mpianatra tavaratra. Tonga tamin’ny fiara fitaterana ry zareo. 487 no isan-dry zareo nifampiandry teo fa hihaona amin’ny « ray aman-dreny » araka ny nifanarahana. Ny teny hoe tavaratra dia efa milaza zavatra hafahafa ihany saingy mbola tsy nisy sahy nanameloka hatramin’izao. Efa fisainana fampisarahana manko no ao ambadika na dia fivondronam-be aza no fijery azy amboalohany. Impiry impiry manko ny resaka fifandirana any amin’ny sekoly ambony tany aloha tany no nisy resaka hoe tavaratra sy tatsimo fa notsinotsinoavina hatrany aloha izany. Fifampiarovana manoloana ny hafa no tena antony, ny hafa izay Malagasy ihany fa tsy vahiny tsy akory.

 Resaka samy varimbarina noho ny toaka no nihavian’ity raharaha ity voalohany. Dia nisy niady tamin’izany ka dimy lahy no namely iraika lahy. Naratra be ilay iraika lahy ary dia niantso namana hamonjy azy. Tsy namana fe namana fa ireo iray fikambanana aminy izay iray fihaviana aminy ihany koa. Ny zanaky ny atsimo atsinanana sy ny kintan’ny atsimo no nitaky tamin’ny zanak’avaratra ireo nidaroka ny iray fihaviana aminy. Milaza ho tsy mahalala ny tavaratra. Nanao takalon’aina (angaha fantatra intsony koa izay isa marina na folo na dimy e !) avy amin’ireo zanak’avaratra ny fivondronamben’ny tatsimo fa tsy maintsy fantatry ry zareo izay nidaroka ny namany. Tsy maintsy niditra an-tsehatra ny ray aman-dreny. Ny fitantarana no nilazana fa niaiky ireo avy amin’ny tavaratra fa nanam-pahadisoana ny zanany ka nanolotra omby dimy ho fampihavanana eo amin’ny roa tonta. Andro zoma maraina no nanaovana ny joro izay ambara amin’ny fomba mihaja hoe fomba malagasy.

 Manomboka tamin’io andro io no nifamahofaho tanteraka ny raharaha. Tsy fantatra intsony izay tsaho sy marina. Tsy maintsy nisy ny nandainga. Resaka roa samihafa no ambarako etoana : ny voalohany dia ny filazan’ireo mpianatra nankeny Tsimbazaza izay nalaina sary sy feo hitan’ny mpijery fa naheno hoe ry zareo fa mbola nanafika ihany ny andaniny ka namaky ny fitaovana tratran-dry zareo tao an-trano toy ny vilia, vilany, ny tele sy ny lecteur. Te-hiaro ny ain-dry zareo ry zareo dia naleony nody. Ny gazety kosa dia sady nanambara ny fahagagan’ny olona any Fianarantsoa, ny amin’ny nahatonga azy ireo nody tampotampoka no nandre hoe nisy nanely tsaho fa maty hoe ilay noratrain-dry zalahy dimy nidaroka iry. Dia nifamotoana teny Tsimbazaza iny ry zareo. Ry zareo mbola nanda hatramin’ny farany fa tsy nisy nidaroka izany ny bandy avy aminy (fa niezaka nanao teny avy any avaratra ireo nidaroka hoy ilay niantso an-telefonina izay). Na ahoana nefa na ahoana efa nalaza eo anatrehan’ny hafa ihany koa (ialana tsiny indrindra fa maharary ity) ny rehareha sy ny hetraketraky ny avy any avaratra sasantsasany (tsy manao safobemantsina mihitsy aho fa aleo aza teteniko hoe vitsy an’isa izy ireo).

 Ny mahavariana dia izao : Nanaiky ny mpitondra fanjakana fa hiantohana ny sara andehanan-dry zareo mody sy ny hiverenan-dry zareo mianatra indray rehefa milamina ny toe-draharaha. Dia efa tena mamono afo tokoa angaha no nataon’ny mpitondra fanjakana no dia nanaiky izay tolo-kevitra izay ry zareo. Ny hafa manko raha tratran’ny fandroahana na dia ankolaka aza samy miantoka ny tenany manao izay hialana eo amin’ny loza fa ry zareo kosa voatambitamby miaraka amin’ny fiara tsara tarehin’ny minisiteran’ny fampianarana. Mody toy ny vedety fa tsy mody toy ny nitsoaka. Ny ratsiratsy vava aza moa nanao hoe tsy mahazaka ry zareo ny atao hoe diso tamin’ny raharaha tamin’ny herinandro teo ka aleony mody sady manararaotra ity fitondrana efa manahy fatratra ny amin’ny resaka 13 may ity. Tsy izany tokoa manko fa nofoanana ilay fandaharana manokana momba ny 13 may 1972 saiky natao omaly alahady noho ny antony tsy fantatra (tsy fantatr’iza ?).

 Manaraka izany ihany koa, efa nitondra tsy fidiny ireo fiara fitaterana avy any Fianarantsoa matoa nahatonga ireo mpianatra ireo hatrany amin’ny lapan’ny antenimiera eny Tsimbazaza amin’ny andro atoandro. Amin’ny fotoana mahazatra dia tsy mahazo mitondra mpandeha eny ny fiara ary tsy avelan’ny polisy mihitsy, voararan’ny lalàna rahateo izany. Mety noho ry zareo nanao tohivakana angaha no mety ho nandeferan’ny mpitandro ny filaminana tamin’ity indray mitoraka ity. Na izany na tsy izany dia ity raharaha ity no maneho amin’izay mahiratra fa tsy tena mifankahazo ny samy Malagasy fa miara-monina fotsiny noho ny toerana iraisana dia i Madagasikara izany. Zavatra maro moa no tiana ambara saingy izay angaha no sahaza ny androany.   

Maninona moa raha voaroaka?

2007-05-12 @ 12:32 in Finoana

Mbola resaka Sylvain Urfer, sj ihany ity fanontaniana mety hahatezitra ny maro ity. Nandalo izay ny fihetseham-po. Fantatsika fa tsy namaly ny avy any amin’ny fitondram-panjakana. Misy moa miteny hoe zon’ny fanjakana ny tsy mamaly izay antony tahaka ny tsy amalian’ny Frantsay ihany koa ny antom-pandavana fangatahana miditra any Frantsa. Fiarovana ny tenany no ataony. Dia mihevitra ihany koa ny fitondram-panjakana fa miaro ny tenany ihany koa izy. Marihina moa fa efa nosoratako tao amin’ny lahatsoratra talohan’ity ny antony efa voasoratra nomena ny gazety « Ny vaovaontsika ».

 Dia lasa ihany ny saina na dia izany aza. Sarotra ny handresy lahatra amin’ny filazana tsotra hoe fanohintohinana ny filaminam-bahoaka. Tokony holazaina mazava tsara manko ilay karazana fanohintohinam-bahoaka fa tsy atao manajavozavo be sahala amin’izany. Nefa raha tonga tokoa moa ilay fanazavana ary mipetrapetraka tokoa. Dia iza no manana ny fahafaham-baraka kokoa ? saingy eritreritra ihany manko no soratana ankehitriny. Mba te-hitazona ny antony ho azy ny mpitondra tsy hanala baraka olona ? ny fandroahana azy tampotampoka dia efa ao anatin’ny fanetrena ny hajany ihany. Loza kokoa aza fa tena ao anatin’ny mampafana ny toe-draharaha eto antoerana ankatok’ity andro malazan’ny 13 mey ity no nandroahana azy. Efa olana ny amin’ny delestazy dia mbola ho olana ihany koa ny fifandraisana eo amin’ny mpira-belona sy ny mpitondra fanjakana.

 Raha amin’ny fomba fijery tsotra dia ambara fa tsy mahafehy ny fitondrana intsony ireo eo amin’ny toerany. Saingy izao manko : tsy tena mazava ny antony handroahana azy hatramin’izao. Raha teratany Malagasy ny lehilahy dia efa notazonina amponja ihany koa izy izay. Teratany vahiny izy ka dia fandrohana ihany no natao taminy. Fa izao ihany koa efa nisy mpitondra fivavahana katolika anie nogadraina tamin’ny andron’ny Amiraly Didier Ratsiraka ( Mompera Jean Noel nitondra an’Ambatonilita) fa toa tsy nandrenensam-peo loatra ny rafitra katolika raha ny fitadidiako azy. Ny antony nanagadrana io mpitondra fivavahana io dia hoe fikasana handatsa-baratra ny filoha. Tsy azo natao tokoa angaha ny naneho fahatezerana ny mpitondra tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny dia fandroahana no misy fa tena mavaivay ny toe-draharaha.

 Teratany frantsay efa nipetraka maharitra teto Madagasikara ny lehilahy. Dia mamerina ny filazana ireo fandroahana ireo teratany vahiny efatra tao anatin’ny fotoana nitondran-dRavalomanana ny haino aman-jery. Teratany Frantsay ny telo ary hafa kosa ny iray saingy io hafa io dia afa-niverina teto Madagasikara ihany (Jean Marc Koumba). Ireo teratany frantsay kosa dia mbola tsy tafaverina aloha. Dia lasa ny saina, sao dia ny fitsabahana be loatra ny raharaha eto Madagasikara ny tena antony ? sao dia mbola mihevitra ry zareo fa afa-miteny izay tiany tenenina nefa vahiny monina ihany. Mety hilefitra tokoa ve ny fitondrana frantsay raha misy mpitondra fivavahana malagasy (ary misy mpitondra fivavahana malagasy tokoa any Frantsa) mitsikera mivantana ny mpitondra any an-toerana ? Tsy monina any moa ny tena ka tsy hahalala mihitsy izay tena valinteny marina. Isika Malagasy rahateo mitandrina ihany amin’ny teny izay tokony hotenenina. 

Voaroaka ny RP Sylvain Urfer, sj

2007-05-11 @ 17:18 in Finoana

Kay kay kay kay…vay vay vay vay an-kandrina sady maharary no mahamenatra. Fa loza inona ity ? ny fihavanana efa ratsiratsy eo amin’ny fiaraham-monina katolika sy ny fanjakana ity mbola nampiana fandroahana mompera indray sady izay indray momera Frantsay. Raha ny vahoaka kristiana amin’ny ankapobeny ary ny katolika indrindra indrindra dia farafaharatsiny efa nandre ny anarany avokoa.

 Nalaza teo amin’ny fampianarana na ankapobeny ho an’ny tanora(Saint-Michel sy Saint-Antoine) na eo amin’ny sehatra ambony ihany koa ka mampianatra politika sy filozofia ary teolojia (Institut Catholique de Madagascar ?). Tsy zoviana ihany koa teo amin’ny fanoratana ka namoaka boky roa tena fantatry ny mpamaky azy « tantely amam-bahona » (Le doux et l’amer) sy L’espoir et la doute izay miresaka ny tontolo ao Anosibe Antananarivo indrindra indrindra ary voalaza koa moa tonian’ny famoaham-boky Justice et Paix izany hoe tena ao amin’ny angadiny tsara raha ny resaka famoaham-boky.

 Eo anilan’izany dia mitondra ny Paroasy ao Anosibe ihany koa ny tenany. Faritra azo lazaina ho nanana ny hafanany tamin’ny fotoan’androny. Singa iray no hosinganiko dia ny nanoherany mavaivay ny olona nipetraka nanoloana ny arabe sy tao anaty tsena tamin’ny andro nanamboarana ny lalana sy ny tsenan’Anosibe. Tsy nekeny mihitsy ny fanalana tsotra ireo olona tao raha tsy mahazo antoka tsara fa ho tafaverina tamin’ny toerany avokoa ireo olona nipetraka sy nivarotra teo amin’ny toerana nisy azy tao Anosibe tao.

 Na izany aza dia henjam-pitondrana teo amin’ny sahany ihany koa ny tenany. Tsy nekeny hijanona tao ampiangonana fa asainy miverina misolo akanjo ireo tovovavy indrindra indrindra ka somary fohy sy zipony na manara-tena loatra ny akanjony. Teneniny ampahibemaso hody mihitsy raha mbola midrikina hiditra ampiangonana ihany amin’ny fitafy tsy maotona. Indray aho (sa indroa moa ?) no nivavaka tao amin’io fiangonana io (f’angaha moa aho katolika indray ? Tsia Loterana aho ka fa ny fanasana amin’ny batemy sy ny karazany ve dia ho lavina ?) ka niezaka nihaino ny toriteniny. Ny azoko ambara dia tsy naheno tsara aho ka tsy haiko na ny fanamafisam-peo no somary ambany na izy no miteny mora na izaho no lalodalovana rahateo.

 Ankoatra izay dia mpikambana mavitrika ao amin’ny Sehatra Fanarahamaso ny Fifidianana izy. Mety ho antony iray namelezana azy io satria izy irery no tsy mizaka zom-pirenena malagasy amin’ireo rehetra mpikambana ao. Toy ny heverin’ny ao amin’ny fitondrana ho mitsabaka ny raharaham-pirenen’ny tsy azy manko izy manambara tsy mihambatra ny heviny na dia mihevi-tena ho toy ny malagasy aza ny tenany. Izay lazainy rahateo tsy natao hampifalifaly ny mpitondra rahateo.

 Tao ho ao moa aho somary teritery ny fotoako nefa miezaka hatrany aho ny nikaroka araka izay azo natao. Raha mitady ny antony avy amin’ny fanjakana moa dia tsy maintsy avy amin’ny haino aman-jery akaiky azy ihany no hihainoana azy. Tsy nandre mihitsy aho ny halina aloha afa-tsy ny tao amin’ny Matv. Rehefa tonga ny maraina dia ny vaovaontsika gazety teny malagasin’ny le quotidien no novakiako ka nahitako fa fanapahan-kevitra laharana 069/mininter/sg/die/selr no nanafoana (fa tsy hoe tsy nanampy intsony) ny fahazoan-dalana hipetraka maharitra eto Madagasikara. Voalaza ao ihany koa fa fanohintohinana ny filaminam-bahoaka no ahiana hotanterahiny rehefa narahi-maso izy.

 Marihina moa ho an’izay mbola mety tsy hahalala fa tsy maintsy misy mpitsikilo avokoa ny ankamaroan’ny fiangonana indrindra ireo fiangonan-dehibe rehetra na aiza io na aiza rehefa eto Madagasikara. Ny karazam-piangonana rehetra ihany koa dia voara-maso avokoa na lehibe izy na madinika. Noho izany ny toriteny sy ny teny rehetra ao dia efa araky ny mpitondra fanjakana avokoa. Tsy afaka mitompo-teny aho saingy azo heverina fa misy teny mety ho maherihery nataony ampahibemaso matoa haingana dia haingana toy izao ny fanapahan-kevitra

Ilay tetika saiky namonoana ny filoha

2007-05-09 @ 16:49 in Politika

Efa manomboka mivoatra tsikelikely ihany ny fanadihadiana momba ilay fanonganam-panjakana saiky notontosain’ny sasany tamin’ny alina mialoha indrindra ny fitsapa-kevi-bahoaka farany teo iny. Isika mahatadidy fa folo andro taorian’ny andro saika hanaovana ny hetsika indrindra no nilazan’ny praiminisitra io raharaha iray io. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy nino ny ankamaroan’ny olona. Noheverina ho « sarimihetsika » nambara fotsiny izy io hanodinana ny resaka izay somary efa nihamafana tamin’izany fotoana izany. Moa ilay andro koa Zoma faha-13n’ny volana. Nanomana hamoaka fanambarana indrindra ny mpanohitra tamin’izay fotoana izay.

 Avy eo ny gazety iray amin’ny teny malagasy no nahitana ny paik’ady saiky natao tamin’io fotoana io. Ny nambara moa dia hoe saiky hotifirina ny tafondro hatrety ampita (Ambatovinaky) ny trano misy ny filoha Ravalomanana. Izaho manokana dia tsy nino io fomba fitantara io. Ny lafintrano aiza moa no tena kendrena amin’ny tafondro ? azo itokiana ve fa tena ao tokoa ny filoha Ravalomanana amin’ny ora hanapoahana izany tafondro izany ? Heverina anefa fa tetika hivoahan’ny marina avy tamin’ny gazety taratra ihany io fitantarana somary kinanga io. Na izany aza dia misy ny lafiny azo heverina ho marina tao anatin’ny lahatsoratra dia ny filazana fa tsy nitovy ny vola raisin’ny tsirairay tao anatin’ny fanomanana fa ny tena miasa mafy indray no kely vola raisina indrindra. Nanindry bokotra fotsiny manko ny hafa nefa te-hisilaka vola bebe kokoa noho ny hafa. Io fitiavan-tena diso tafahoatra io rahateo no mety ho nampandamoka ny tetika rehetra.

 Manana loharanom-baovao ihany koa aho, saingy mbola anjarantsika ihany koa ny mamakafaka na izy ilay tantaraiko etoana na tsy izy ihany koa. Efa ela no nahazoako azy ity saingy tsy te-hamoaka azy mihitsy aho noho ny fanadihadiana mbola mitohy. Na izany aza efa fotoanany angamba izao hamoahana ny tetika nomanina.

 Ny mpandray anjara dia miaramila avokoa ary azo heverina fa ao amin’ny vondro-tafika mpiaro manokana ny filoha ihany na manana fifandraisana akaiky amin’ny vondro-tafika miaro ny filoha. Ny fotoana dia amin’ny alina mazava loatra ary mandritra ny fotoana fisafoana ireo mpiambina ny filoha. Tsy amin’ny alalan’ny fidirana amboletra, araka izay efa naely ombieny ombieny, fa tena amin’ny fomba tsotra mihitsy. Tonga eo amin’ny vavahady dia miarahaba ny mpiambina sy manatsafa. Mazava loatra fa tsy maintsy misy manamboninahitra ambony ao anatin’izany mpisafo izany. Avy eo milaza fa hisafo ny tanàna manontolo sy hijery ny manodidina. Amin’io izany dia ny lehibe no tena miresaka. Manana olom-pehezina manaraka azy ireo lehibe ireo na dia izany aza. Amin’izany fotoana izany tsy misy fandrarana hoe tsy mahazo mitondra fitaovam-piadiana satria sady miaramila ireo no mpisafo rahateo.

 Rehefa tafiditra anatiny tsara dia anjaran’ny olom-pehezina sisa no mampiasa ny basiny indrindra fa rehefa akaiky ny filoha ka tsy afaka ny hiraty ny tifitra mihitsy (eto aho dia mieritreritra hoe raha tena nitifitra tokoa ranamana na ry zalahy dia ilay na ireo lehibeny nitarika azy ihany no nitifitra azy na azy ireo voalohany ). Teo indrindra no mety ho mailo tampoka ireto olom-pehezina no tsy nanatontosa ny andraikiny intsony. Ny baiko moana mety ho nisy fa ny hiteny ny baiko tsy ho azon’ireo lehibe natao mihitsy. Mety ho nifampiandry kendri-tohina ry zalahy samy « mpanafika » dia samy tsy nahavanona. Tsy ho andraikitry ny lehibe mihitsy manko ny hitifitra avy hatrany ny filoha fa ry zalahy olom-pehezina ihany no tokony ho nanao izany. Iretsy anefa tsy nety nanatanteraka ny baiko efa nifanarahana mialoha. Farany, andao andeha hivoaka sisa no vita. Rava maina teo ny tamin’iny.

 Tezitra iretsy lehibe ka nampihorohoro an-dry zalahy madinika moa ireto farany matahotra ny ainy sy ny an’ny vady aman-janany koa naleony nitono-tena tamin’ny manampahefana sady nitantara ny tetika rehetra. Izany hoe nety dia nety ny tetika fa zavatra roa no mety nampiahotra ny mpanatontosa farany. Na dia tena resaka ara-bola araka ny nambara tokoa na tsy natoky tampoka ny amin’ny fomba ivoahana ny toerana tsy maninon-tsy maninona ry zareo. Mety ho misy koa antony hafa, mbola tao ny Fanahy Masina hoy ny mpivavaka kristiana, saingy tsy mahita intsony aloha izaho manokana. Marihiko farany fa io ny an’ny loharano azoko. Tsy voatery ho diso io nefa tsy voatery ho marina ihany koa. Ilay fizotry ny tetika sy antony mety ho nampandamoka azy ihany ireo nambarako ireo.

Bye Bye Ravinala sy fanendrena vaovao

2007-05-08 @ 07:24 in Politika

Izay vao tena tsy hita nanjavonana intsony. Raha vao resy tamin’ny fifidianana ny kandidà Ratsirahonana Norbert Lala dia namidiny ny radio televiziona ravinala. Nalaza moa fa ilay mpanomana fampisehoana « Live » izay fantatra amin’ny anarana hoe Andry TGV (Andry Rajoelina no anarany feno) no nividy azy. Dia nihevitra ny maro fa hifaninana amin’ny rta izy io amin’ny famokarana fandaharana miompana be dia be amin’ny kolontsaina.

 Raha mbola ravinala ny ravinala dia tao no tena nahenoana sy nahitana adi-hevitra isan-karazany. Na radio na televiziona dia afa-niditra sy nandray anjara hatrany na ny mpanohitra na ny mpanohana. Azo heverina fa ny mpanohitra aza no nahazo vahana kokoa amin’ny fahazoana fitenenana. Raha somary mikatona kokoa ny mbs dia tao amin’ny radio tele ravinala kosa no nahenoana ny hevitra maro na avy amin’ny mpanohana na avy amin’ny mpanohitra. Karazandrazan’ny nanana fahafaham-po noho izany izay mpanaraka adi-hevitra indrindra fa misahana ny politika.

 Noesorina avy hatrany ny anarana hoe ravinala sy ny famantarana ny radio tele ravinala fa nisolo halavan’onjam-peo sy sary fotsiny rehefa nandray an-tanana azy ny mpitantana vaovao. Niandry ny maro amin’ny fivoarana mety ho entin’ity mpitantana vaovao ity saingy sarimihetsika sy hirahira ihany no tena mifandimby. Foana avokoa ireo adi-hevitra isankarazany. Tsy maheno ireo karaza-kevitra loatra intsony izay liana ny amin’izany eto Madagasikara. Noheverina ho tetezamita ihany anefa izay tsy fahenoana fandaharana miompana amin’ny adi-hevitra politika izay mandra-pahavita ny fandaminana vaovao.

 Herinandro anefa izay dia tsy nandeha intsony ilay televiziona vao novidiana. Dia re ihany koa fa lasan’ny groupe PREY ny rta ( ny groupe REY no fantatro fa tsy io PREY nosoratan’ny gazety io, Razafindravaha Edgar Yvon ilay REY, avy any Imerinkasinina ihany koa araka ny tsiliantsofina). Saingy tsy any amin’ny rta moa ny resaka izao fa ilay tele tsy mandeha intsony. Tsy rta no tsy mandeha intsony fa ny ravinala teo aloha. Nandrasana ny faran’ny herinandro fa tsy nisy na inona na inona intsony. Izay izany no izy amin’ny resaka sy adi-hevitra politika.

 Ny karajia sisa no tena fanehoan-kevitra. Ny kidaona maraina manko an-dry zalahy mpanentana ihany ny tena famoahan-kevitra fa vazivazian-dry zalahy raha vao somary matotra ilay resaka hany ka tsy tia miditra amin’io intsony ny mpiady hevitra. Tokana sisa no tena misahana politika eo amin’ny samy mpihaino. Misy ihany ny « invité du Zoma » sy ny isan’alahady ao amin’ny tvplus saingy tsy ampy, ny savaravina ao amin’ny rnm moa dia olona tsy mahazo 1% matetika no mahazo laka ao ka tsy manintona ny mpihaino loatra. Noho izany, ho banga dia banga eo amin’ny mpanara-baovao sy mpanaraka adihevitra politika ny fanjavonan’ny radio tele ravinala izay be fandaharana politika (sy sosialy) tamin’ny androny. Tsiaro azy sisa no antony hanoratana ho azy etoana.

 Fanendrena vaovao

 Nisy filankevitry ny minisitra moa omaly alatsinainy maraina. Ny tena nanaitra ny olona indrindra dia ny fanomezana tambiny Ar100.000.000 izay olona na vondron’olona manome vaovao ahazoana misambotra an’Atoa Pety Rakotoniaina Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha. Fa ny tena lava tao amin’ny tatitra dia fanendrena mpiasam-panjakana ambony eto amin’ny firenena. Nahatratra 33 izany fanendrena izany ka 19 amin’ireo no lehilahy ary ny 14 kosa no vehivavy. Mbola tsy tena nitovy tsara noho izany ny isan’ny lehilahy sy ny isan’ny vehivavy notendrena.

 Na izany aza dia 2 amin’ny fanendrena filohan’ny faritra 2 vaovao dia vehivavy avokoa. Ary raha velarina dia 3 amin’ny fanendrena olona 4 ao amin’ny Minisitera ao amin’ny Fiadidiana ny repoblika miandraikitra ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany no vehivavy. Ny 10 amin’ny fanendrena 22 vaovao ao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana sy ny fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana no vehivavy. 1 amin’ny fanendrena 2 vaovao ao amin’ny Minisiteran’ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy no vehivavy. Ireo minisitera ireo no betsaka nanendrena vehivavy ho mpiasam-panjakana ambony.

 Ireto manaraka ireto kosa indray no tsy nahitana vehivavy notendrena na dia tsirairay aza ny fanendrena tao anatiny : Ny minisiteran’ny fitsarana, Ny minisiteran’ny toekarena, ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ary ny minisiteran’ny fifandraisan-davitra.

Maresaky ny 050507(tohiny)

2007-05-05 @ 16:39 in Ankapobeny

Rehefa te-hampita zavatra maro dia matetika no misy hatrany ny adino indrindra fa tsy mba mandray naoty fa izay mitamberina an-tsaina fotsiny no soratana. Dia manatratra izay tsy voasoratra aho eto.

  • Antananarivo : dia nalaza indray ilay lazaina ho fandrobana teny amin’ny fakana hetra mivantana etsy Mandrosoa (mbola anaty faritra Ambohijatovo ampitan’ny fiangonana Advantista).

 Izany hoe araka ny fiheverana dia efa fantatr’ireo hanafika ny fotoana hivoahan’ny mpanatitra vola ho any amin’ny banky foibe araka ny fantatra.

Sarotra be ny hino fa tena fanafihana avy aty ivelan’ireo mpiasa ao anatiny ihany io « fanafihana » io. Ny mpikirakira volabe rehetra (ny tsy miankina angaha no tena fantatro) dia mahalala avy hatrany fa tsy azo atao kinanga mihitsy io resa-bola io indrindra rehefa afindra toerana. Tsy hadalana tsy akory raha misy ny orinasa manokana mpitondra vola afindra toerana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mifandraika amin’izany. Alohan’ny ivoahan’ny tena mpitondra vola dia tsy maintsy misy mpiambina mivoaka mijery ny manodidina aloha ary izy no manome toromarika hoe mahazo mivoaka amin’izay ny mpitondra vola.

Ny mpandinika avy amin’ny mpitandro ny filaminana zatra ny toe-javatra ihany koa dia mahamarika fa mora loatra ny nahazoana ny vola raha eto Antananarivo io fitrangan-javatra io no resahina. Ny lazaina ho vola very ihany koa dia samihafa be ihany ka tsy ahitana izay tena sandany marina (hamarino amin’ny gazety rehetra). Noho izany dia be ny miombo-kevitra fa fihetsiketsehana anaty sarimihetsika namboamboarina fotsiny io lazaina fa fanafihana tamin’ny Zoma io fa ao anatin’ny (mody atao hoe) departemanta notafihana ihany no misy ny ati-dohan’ny fangalarana. 
  • Antananarivo ihany : Efa milaza azy ho fetsy mihitsy ny sasany amin’ny fanafenana tapakila, na lalao iraisam-pirenena io na fampisehoana atao eto Antananarivo.

 Mazava loatra fa tsy maintsy ny ao anatiny ihany no tena mpanao azy fa ny hafa ivelany dia izay sombitsombiny ihany no azony.

Heveriko fa malaza amin’ny resaka kolontsaina tamin’ny faran’ny herinandro indray ny fampisehoana nataon’ny tarika Mahaleo tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ny Zoma alina teo. Nanomboka tamin’ny 7 hariva ny fampisehoana ary tsy nijanona izany raha tsy efa nipaika ny tamin’ny 3 ora maraina. Hira 75 no natao nandritra izany 8 ora ngarangidina izany. Tena leo mihitsy izahay, hoy ny mpanatrika iray izay. Tsy dia tomombana loatra ny fanamafisam-peo nandritra ny andiany voalohany ka samy tsy tafiditra anaty revy loatra ny na ny mpihira na ny mpanatrika. Niezaka nanao izay azony natao ihany anefa na dia izany aza. Izany rehetra izany no miseho amin’ny aty ivelany.

Fa mety ho tsy dia misy mpilaza loatra ny nitranga tao anatiny izany hoe ny lafy ratsiny izany ka nahatery ahy hanoratra indrindra indrindra. Nandritra ny andro maromaro dia nifampitadiavana hatrany ny tapakila. Vitsy ihany no tena nahazo tamin’ny vidiny 6.000 Ar fa ny ankamaroan’ny mpividy dia nionona tamin’ny 16.000 Ar na 20.000 Ar izay risoriso mazava loatra. Ny ao amin’ny mpikarakara ihany no tena manararaotra ka minia manafina ny sasany amin’ny tapakila tokony amidy. Teny ampivarotana azy manko raha mbola milahatra ny olona dia lazain’ny mpamoaka tapakila fa lany tsy misy intsony eo aminy. Ny lehibe anefa vao niteny ny marainan’iny fa mbola betsaka tsara ny azovidiana ka tsy misy loatra ny ahiana. Teo no noraisina ny mpankafy maro. Efa tsara asiana anarana mihitsy angamba ny tapakila hisian’ny fanaraha-maso henjana amin’izay ho sarotra kokoa ny hanaovana risoriso ity tapakila ity.

  • Adihevitra ankapobeny indray : Nandritra ny antso ifanaovana anaty adihevitra dia maro ani’isa tokoa ireo tsy manaiky na oviana na oviana ny hiprivatizena ny jirama satria izay indrindra no andrasan’ny sasany ( iza koa ary izany sasany izany ?). Aleon’ny maro kokoa ampihimamban’ny fanjakana toy izay ampihimamban’ny tsy miankina ity orinasa iray ity. Adidin’ny fanjakana ny mamelona azy fa raha olo-tsotra tsy maintsy ny tombotsoany aloha no tadiaviny ka vao maika mety hanome fahasahiranana ny maro ny hitantanan’ny olo-tsotra azy.

Nisy ihany moa ny nanohitra hoe rehefa tantanin’ny olo-tsotra izy no mety handroso kokoa ary jereo amin’ny banky mameno ny tanàna izany. Izaho moa tsy mba tafiditra mihitsy fa saiky hiteny aho hoe : ny an’ny banky jereo fa tereny ankolaka ny olona hampiasa karatry ny banky nefa sady efa andoavam-bola betsaka iny no mbola milahatra ihany ianao na dia efa manana karatra aza. Tsy fanatro hoe mifanaraka haka vola daholo ve ireto olona ireto sa ahoana fa na gasy na vazaha dia milahatra aby.

Mamarana azy eto dia tsinjotsinjo indray fa ny menaka indray no ho raharaha mafana atsy ho atsy. Tsy dia misy loatra manko izy amin’izao fotoana izao eny amin’ny mpivarotra ary efa mahatratra Ar 3.000 na Ar3.500 izy izao eny amin’ny mpivarotra eto Antananarivo eny amin’izay ahitana. Efa tokana ihany koa moa sisa ny manapariaka ity menaka ity eto Madagasikara ka izay no mety mahatonga ny olana.

Vaovao androany 050507

2007-05-05 @ 11:38 in Politika

Mahavariana ny eto an-tanàna amin’izao fotoana izao ry zareo. Fantatra moa fa mihamangatsiaka ny toetr’andro fa misy somary mampihomehy ihany. Amin’ny maraina dia misy hafanana ihany. Amin’ny atoandro indray no lasa mitady akanjo mafana (mety ho ao indrindra ny rivotra mangatsiaka) nefa rehefa tolakandro dia miverina mafana indray ny andro ary voatery esorina indray ilay akanjo mafana nanaovana teo. Tena tsikaritra mihitsy io toe-javatra io hatramin’ny alarobia indrindra indrindra. Lasa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy mihitsy ilay toetr’andro sa ririnindasa tsy tsaroana sahady ? 

  • Eto Antananarivo ihany, miasa mafy indray ny mpampitandro ny fifamoivoizana androany maraina (izay efa namaky ny andavanandron’iarivo moa mahalala ny antsoina hoe Soanagaly iray sy fahefany !)

 dia lasa avy hatrany ny eritreritra hoe hivoaka aiza eto Antananarivo indray ary ny filoha Ravalomanana izany ? Hay tokoa moa anio no manomboka ilay herinandro ikarakaran’ny Advantista ilay fitoriana ny filazantsara lehibe eo amin’ny kianjaben’ny Mahamasina.

Io fitoriana io moa dia nampitondraina ny lohahevitra hoe Asandrato i Kristy (ka ny  t dia natao sarina lakroa somary mifehy ny sarin’i Madagasikara izay, loza indray ity tsy manana fakantsary ity). Ny filohan’ny fiangonana Advantista amin’ny faritra atsimon’i Afrika sy ny Oseana Indiana sady filoha lefitry ny fiangonana Advantista manerantany Atoa Paul Ratsarasaotra, pastora izay hita avy hatrany fa Malagasy no hanao ny famelabelarana isankariva ao amin’io kianjabe io.  

Nanasa olom-panjakana ambony ry zareo amin’ity fanokafana ity. Ireto avy izany nasaina izany : Ny filoham-pirenena Atoa Marc Ravalomanana, ny filohan’ny Antenimieran-doholona Atoa Rajemison Rakotomaharo, ny filohan’ny antenimieram-pirenena Atoa Mahafaritsy Samuel Razakanirina, ny praiminisitra Atoa Charles Rabemananjara ary ny minisitry ny fahasalamana Atoa Robinson Louis. Raha jerena ireo olona rehetra ireo dia tsy misy mivoaka avy ao amin’ilay fiangonana.

Tsy dia mahazatra loatra aloha ny hahitana izany ireo tompon’andraikitra ambony ireo hiaraka amina fiangonana tsy ao anatin’ny ffkm ka asa raha ho tonga daholo izy rehetra anio. Efa azo vinaniana avy hatrany kosa fa ho avy ny filoha hanatrika izany fotoam-panokafana izany. Tsy navela handehanan’ny fiara intsony manko ny lalana mankany amin’ny kianjaben’i Mahamasina androany maraina (mandra-pahavitan’ny lanonana ka efa lasa « nody » ny filoha mazava ho azy).

 Izay efa zatra ny fiainana eto Antananarivo indrindra amin’ny fitaterana dia mahalala fa izay fiara fitaterana mankany Mahamasina avy aty andrefana dia tsy manana zo hijanona eo amin’ny fiantsonana eo Anosy intsony. Noho izany dia voatery teny anoloan’ny tany malalaka Antanimbarinandriana mifanatrika amin’ny ranon’Anosy ihany no fiantsonana vonjimaika. Ny fandehanan’ny mpandeha an-tongotra mazava loatra no lasa iakaran’ny fiarabe. Rehefa lalao goavana eo Mahamasina anefa dia afaka mijanona eo ampitan’ny Kaomisaria ihany ireo fiara fitarerana ireo. 

  • Toliary indray : Zavatra adinoko ny nanoratra azy omaly dia ilay tsy fitenenana momba ilay arina antony faharoa nampikorontana ny mponina ihany koa.

 Nalaza manko fa norarana tsy hahazo miditra tao an-tanàna ny arina. Isika rehetra dia mahafantatra fa eto Madagasikara dia mbola io aloha no fandrehitry ny Malagasy rehefa hahandro hanina. Izay nandre dia nihevitra avy hatrany fa nisy famelomana korontana mihitsy izany fandrarana ny arina tsy hiditra an-tanàna izany. Izay ihany no tena natao mahoraka eran’ny vazantany.

Kanjo olona avy amin’ny mpanohitra ihany no namoaka teny kely (mino aho fa tsy tandrina io teny io ary tsy tao anatin’ny paikam-pandaingana amin’ny alalan’ny tsy fitenenana ny zavatra rehetra) manao hoe nanery ny olona hividy ny arintany (arina avy any Sakoa !) ny mpitondra fanjakana tao an-toerana. Io karazan’arina io izany no hany navela hiditra ny tanàna mba hanajanonana ny fanaovana ny voamboana (io moa no palissandre ?) tsy hatao kitay intsony. Mahalala ny hasarobidin’ny voamboana angamba isika rehetra.

Tsy neken’ny be sy ny maro io arintany io fa lafo loatra. Arivo ariary ny kilao ka tsy takatry ny fari-pananana loatra. Izany hoe niniana nampanginina ny fisian’ity arina tsy misy mpividy ity fa ny saribao avy amin’ny hazo vidiana mora ihany no tadiavin’ny rehetra. Amin’izao fotoana izao moa dia efa nilefitra ny tompon’andraikitra ka navela hiditra avokoa ny arina rehetra. 

  • Toliary ihany ary mbola nohadinoiko ihany koa. Tsy ireo mpandroba loatra no voalaza fa  niteny hoe mandehana mody fa ny tao amin’ny Toby miaramila mihitsy no nanome hevitra ireo nialokaloka tao hoe

 tsaratsara kokoa aminareo raha mody any Antananarivo mihitsy ianareo mandra-pilamin’ny raharaha. Izany hoe na ny tao aza dia mbola mihevitra ny hafa ho « mpiavy » ihany koa. Ny tena zava-doza amin’ity teny ity anefa dia mitady hirona amin’ilay fampiheverana efa nataon’ny mpanjanatany tamin’ny androny ihany fa tsy Malagasy ny ny merina sy ny betsileo ihany koa  « mpiavy » fa avy any amin’ny firenenkafa mihitsy nanafika ireo Malagasy efa nonina teto. Izany hoe araka ireo mpiandraikitra ny toby ireo dia tahaka ny hoe ny fisian’ireo olona ireo mihitsy no olana any an-tanàna. (Dia mahasahia indray miteny fa mpanavakavaka izay mahasahy miteny tahaka izao sy hanameloka ilay fomba fiheverana misisika ambadika ihany).

Dia nisy moa ny nanameloka hoe nahoana ny nambenana mafy ny magro fa ny hafa indray tsy noraharahiana loatra. Dia nisy namaly izany fa ao amin’ny lalam-panorenana mihitsy (hatramin’ny lalam-panorenana teo aloha izany) no milaza mazava fa anjaran’ny fanjakana malagasy ny miaro ny filoha sy ny ankohonany ary ny fananany. Isika anefa mahafantatra fa fananan’ny filoha indrindra ny magro. Izany akory tsy milaza hoe tsy raharahiana ny fananan’ny hafa, tsia ananana adidy avokoa ny fananan’ny olona rehetra. 

  • Mahajanga indray, nikasa hamory vahoaka omaly sy anio ny Komity mpanohana ny Tsia tamin’ny fitsapa-kevi-bahoaka tamin’ny iray volana lasa iny

 hanao fampielezan-kevitra amin’ny tsy mahamety ity lalam-panorenana kasaina hampiharina eto amin’ny firenena ity. Tena tsy vazivazy ka kisangisangy ity lazaiko ity fa izany mihitsy no marina. Malahelo moa ry zareo fa tsy nomena alalana hamory vahoaka ry zareo. Ny tenin’ny tompon’andraikitry ny tanàna no nanao hoe hisorohana ny korontana no tsy namelana azy ireo hamory vahoaka any amin’ny toerana efa mahazatra ho famoriana vahoaka (izay efa tany Mahajanga izany dia tokony hahalala izany toerana izany : mbola tsy tany manko aho). Nihevitra moa ireo Komity Mpanohana ny Tsia ireo fa tsy maintsy hamory vahoaka ry zareo na ho inona na ho inona mitranga. 

  • Any Antsiranana indray dia voatery nody taty amin’ny ray aman-dreniny taty Antananarivo ny mpianatra miisa 50 eo  ho eo noho izy ireo tsy mety mandray anjara amin’ny fitokonan’ny mpianatra any.

Nifanaraka manko ireo mpitokona fa hodorana avokoa ny trano sy ny fananan’ireo mpianatra tsy nety nitokona. Izany hoe amiko dia sahala amin’ny hoe fananan’ireo mpianatra ireo ny trano ipetrahany fa tsy an’ny Oniversite velively. Azo lazaina hoe mitovitovy amin’ny efa nolazaiko momba ny tany Sambava ihany no anton’ity antery voatery nody taty amin’ny ray aman-dreniny aty Antananarivo ity.

Mazava loatra fa tsy maintsy ho nisy ny mpianatra tsy manana sara hodiana. Nifanaraka tamin’ny mpanao fitaterana izy ireo fa rehefa tonga aty dia miantso olona amin’ny alalan’ny finday hitondra ny vola saran’izy ireo. Mpianatra nody avy tany no nanatona ny mpanao gazety ary ny radio don bosco no loharanom-baovaoko amin’ity. Marihina fa tao anaty vaovao mihitsy no namoahana ity vaovao ity fa tsy antso antsofindavitra tsy akory. 

  • Mbola any Antsiranana ihany dia malaza ny tsaho any an-toerana fa misy olona mpaka ankeriny indrindra fa vehivavy mandeha any an-tanàna any amin’ny alina.

Noho izany toe-javatra izany dia tsy misy loatra intsony ny mahasahy mivoaka amin’ny alina nefa fahazaran’ny olona any mihitsy ny mivoaka harivariva, hoy ny tatitra. NIfandraindraika tamin’ilay fakana viavy ankeriny tany amin’ny faritra Sava koa moa ity tsaho ity ka tena nandaitra tokoa. Mangina ny tanàna. Voambin’ny mpianatra tsara ihany koa ny Oniversite ka sarotra ny hidirana any.

  Karazany fehiny ihany dia nampahatsiahy ny mpanara-baovao iray fa efa nampiomana anie ny antoko mpanohitra amin’ny hihetsehany tsy ho ela iray na roa volana lasa izay. Aminy dia efa nomanina ireo toe-javatra hita amin’izao fotoana ireo.

Tohin'ny hafanana anaty

2007-05-04 @ 07:47 in Politika

Dia mitohy indray ity vaovao ity ary ampitaina araka izay tratra hatrany. Ny tena anton’ny rehetra moa dia ny fanakaikezan’ny daty malaza 13 mey (izay nitontona alahady tamin’ity taona ity fa tsy zoma izay misy heviny hafa mihitsy ihany koa moa). Na izany na tsy izany dia isaorana hatrany ny mpampita vaovao rehetra sy ireo mpilaza ny heviny amin’ny haino aman-jery ahafahana mampiseho ny fomba fitenenan’ny Ntaolo ho mbola marina manao hoe : « Ny hevitry ny maro mahataka-davitra ». 

  • Boriziny : Lesona ho an’ireo tompo-menakely mitady hanjakazaka any amin’ny faritra any mba tsy hanaonao foana fa olona misaina ny malagasy. Amin’ny ankapobeny manko dia manjary amin’ny alalan’ny herisetra no anehoan’ny olona lavitra ny foibe ny heviny mba hitodihan’ny mpitondra any aminy.
 
  • Toliary : Ambara matetika amin’ny radio hatrany ny tenin’ny mpitondra any amin’ny faritra na distrika miangavy ireo izay nandositra niala tany an-tanàna fa efa milamina ny any an-tanàna amin’izao fotoana izao.

Mpiantso iray kosa no nanambara fa tsy mbola tena miverina amin’ny laoniny ny toe-draharaha any na dia mihamilamindamina hatrany aza. Nitantara ary izy (filazan’olona niantso ity ka azonao inoana na tsia) fa tamin’ny fotoana tsy namakian’ny olona ny an’ny karana sy ny an’ny filoha Ravalomanana (magro) dia tsara ambina ireo toerana ireo ary tena miasa ny mpiaro ny toerana. Ny an’ny olona hafa kosa dia efa nilaza ny hiaro ny « tompon-tanàna » mba tsy hisy handroba ny entan’ny mpifanolo vodirindrina aminy. Tonga anefa ny mpitondro filaminana avy ao an-toerana hilaza hiaro ny toerana ka dia natoky ireo olona milaza hiambina ny toerana ary dia niala ny fiambenana.

 Kanjo, rehefa tonga ny mpandroba dia nijery fotsiny no nataon’ireo polisy avy ao an-toerana ireo. Tsy nivonona ny hiaro mihitsy izy ireo. Samy nahatsiaro ho voafitaka na ny tompon’ny toerana fivarotana na ny mponina niambina natoky ireo mpitandro ny filaminana nijery sinema ireo fotsiny.Mpitandro ny filaminana misahana manokana momba ny hotakotaka avy taty an-toerana (G6) no tena nandray andraikitra vao tsy sahy mikitikitika loatra ireo mpanararaotra. 
  • Sambava : Nanana ny akony tamin’ny mpamaky gazety maromaro ny tenina mpitarika politika tany amin’ity toerana ity manery ny merina (dia lasa miverimberina moa ity teny ity na dia heverina ho fankahalana aza na dia ny manonona io teny io fotsiny aza) hanaraka ny heviny sy hiaraka aminy fa raha tsy izany dia tokony hody any amin’ny misy azy any.
Ny fanaon’ny olona amin’ny ankapobeny rehefa any amin’ny faritra hafa izy dia miala amin’ny adi-hevitra politika mety hampisara-bazana araka ny mahazatra moa. Samy manana ny heviny manko nefa mbola be loatra ny tsy mahazaka ny hevitry ny olona tsy mitovy amin’ny azy. Noho izany dia tsy ho hita loatra amin’ny fanohanana an’izatsy na izaroa ny olo-tsotra na dia manana ny heviny aza. Ity nataona mpitarika politika ity kosa dia ny manery ny olona hiaraka hivory hiaraka aminy fa raha tsy izany…(efa voasoratra kosa e !). Heverina avy hatrany manko fa rehefa tsy mety hiaraka amin-dry zareo dia tena mpiray petsapetsa amin’ny mpitondra izay. Nanasaro-draharaha ny fihetsika sahala amin’izany.

Tapa-baovao 020507

2007-05-03 @ 12:45 in Politika

Maro loatra angaha ny vaovao tiana hampitaina ka manjary tsy hitako intsony indray izay ampitaina. Niezaka manko aho mba ho iray isan’andro no avoaka nefa mihazakazaka ny toe-draharaha. Noho izany dia atao endrika tapa-baovao no avoaka eto aloha na dia manambara ny hevitro eny antsefatsefany eny aza aho. 

  • Tao Boriziny (Port-Bergé) dia nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teo ampivoriana ny filohan’ny fikambanan’ny mpanjifa nikonokonona fitokonana momba ny fahasahiranana azo amin’ny jirama amin’izao fotoana izao. Nilahatra ary ny fokonolona (izay mihitsy no nampitain’ny mpanao gazetin’ny Rnm tany an-toerana tao amin’ny fandaharana ampitampitao) nitaky ny hamoahana io mpitari-tolona io avy hatrany. Nankeny amin’ny tobin’ny zandarimaria ry zareo nanao izany fitakiana izany. Tsy nisy ny fifampiraharahana ka dia tezitra ry zareo ka namonjy ny trano fandraisana olo-mana-kaja an’ny Distrika. Navoakan-dry zareo avokoa ny entana tao sady nopotehiny. Nodorany hatramin’ny trano mihitsy aza.
 Avy eo dia nankany amin’ny fandoavam-bolan’ny jirama ary dia nopotehiny toy izany koa izay hitany tao. Nisy fitoeran-tsolika mahazaka 10.000 litatra tao fa nopotehiny ihany koa io, nolazain’ny tompon’andraikitra tao moa fa mbola nisy solika 5.000 litatra tao anatiny (zavatra very koa ve moa hisy azo anamarinana izany intsony !). Nilaza moa ireo izay nanapotika ny zavatra rehetra tao amin’ny jirama fa aleony tsy misy mihitsy toy izay misy nefa sady tsy mahafapo no asaina mandoa vola hatrany. Vokatr’ireo fihetsehana mahery vaika ireo moa dia navoaka ihany ny lehiben’ny fikambanan’ny mpanjifa tao an-toerana. Nilefitra teo anatrehan’ny herisetra mahery vaika izany ny mpitondra. 
  • Teto Antananarivo kosa dia niara-nientana ny mpiasan’ny jirama ho fiarahana amin’ny mpiasan’ny jirama ao anatin’ny fanenjehana sy ny fikasihan-tanana mihitsy aza. Ankoatra ny fitakiana ny fanondrotana ny karama efa nifanarahan’ny gem sy ny sim io mbamin’ireo fitakiana hafa ihany koa. Efa saiky voavaly amin’ny mahafa-po azy moa ireo fitakiana ireo dia ny fanomezana ny tambi-karama tsy voaloha hatramin’ny volana janoary ny mankaty.
 
  • Efa hitan’ny mpamaky ihany koa ny faneriterena ny mpanao gazety tsy ho afa-manao tsara ny asany any Antsiranana any. Tsy ny mpitondra fanjakana no manao ity faneriterena ity fa ny ankolafin’ny mpanohitra milaza ny teneny ho mpianatra nefa hitrikitrihan’ny mpanao gazety maro fa efa tsy mpianatra intsony ireo. Nisy aza moa ny fakana an-keriny mpanao gazety iray lazain-dry zareo ho mamoaka vaovao tsy marina.
 Fony nandre ity vaovao ity ny maro dia nihevitra avy hatrany fa an’ny mbs ity mpanao gazety ity, kanjo hay an’ny Les nouvelles. Nanao ny asany soa man-tsara indray ny mpanao gazety no tezitra ry zalahy. Rehefa nojerena dia tsy noho ny vaovao loatra no nisamboran-dry zalahy ilay mpanao gazety fa amin’ny mahamerina azy indrindra. Miala tsiny fa nitovitovy ihany ny vaovao navoakan’ny rehetra avy any nefa dia ity iray ity no tena nahatezitra an-dry zalahy. Ny an’ny mbs manko olona tena avy tao ihany no solontenany. Amin’izao fotoana izao moa dia raràny tsy hamoaka vaovao intsony ireo mpanao gazety rehetra any an-toerana. 
  • Eo ihany koa ilay namoahan’ny minisitry ny vola hoe lasan’ny praiminisitra teo aloha ihany ny volabe efa nosakanan’ny fanjakana malagasy mipetraka amin’ny banky soisa iray. Efa azon’ilay olon’ny fitondrana teo aloha tamin’ny volana marsa moa io vola io. Ny zavatra ti’ny minisitra ampitaiina ao ambadika dia tiany ampifanohizana amin’ny toe-draharaha eto an-toerana lasa mikorontana ity nahazon’ny praiminisitra Tantely Andrianarivo ity vola ity. Asa tokoa aloha izay tena fahamariniany any ambadika any.
  

Akon'ny 1 mey

2007-05-01 @ 16:14 in Ankapobeny

Raha ny tokony ho izy dia tsy iasana nefa andraisan-karama ity andro voalohany volana mey ity. Izay no fihevitra voalohany saingy azo atao hoe fanomezana malalaka ny mpiasa hanao ny fitakiany koa ity andro ity. Lasa ihany anefa ny saina mahita ny zava-miseho amin’izao fotoana izao indrindra fa ny eto Madagasikara.

 Miala sasatra any an-trano amin’ny fikarakarana na mitsangatsangana no tena ataon’ny maro amin’ny mpiasa eto Antananarivo fa tsy hihevitra ny momba ny fari-piainany velively. Efa leo nosoavalian’ny mpanao politika ( fa tsy nosoavalian’ny mpamosavy !) amin’ny fitakiana tokoa angaha ka aleo mionona amin’izao. Ny eto Madagasikara rahateo moa tsy maintsy maka alalana amin’ny Prefet (inona tokoa re izao no teny malagasy mahalaza azy ity ? Mpiadidy ?) raha hilahatra an-dalam-be na dia amin’ity andro natokana ho amin’ny fitakiana ity aza. Tsy afaka nanao ny azy manokana noho izany ny Sekrima saiky hanao ny azy teny Behoririka. Ny an’ny Sendika hafa moa dia voalaza fa niainga tao amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha dia nizotra ho eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Io ihany no filaharana nahazo alalana fa ny ankoatra izay teto Antananarivo dia tsy azo nekena. Fa vitsy dia vitsy ny olona nanatrika izany fotoana izany. Midika ve izany fa tsy manana zavatra hotakiana ny mpiasa malagasy ? Fijeriko fotsiny no manao hoe toy ny manaiky ny toe-java-misy amin’izao izy satria hisy hijapy hatrany izay rehetra mety ho tsara raha fantany fa hahazoany seza iny fitakiana iny. Indrisy ry politika, potikao ny hetahetan’ny mpiasa.

 Fa nifanindry tamin’ny fetin’ny mpiasa koa ny fanomboan’ny fotoam-piasan’ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona. Talata voalohany amin’ny volana mey manko ny fotoam-piasana voalohany isan-taona. Mitontona anio indrindra izany amin’ity taona ity 2007 ity. Tsy nahita izay tany amin’ny antenimieram-pirenena aho aloha fa ny tao amin’ny antenimieran-doholona no nisy tsipalotro. Tsy toy ny mahazatra manko fa nisy nihira tao amin’ilay lanonam-panokafana ka ny filohan’ny antenimiera Rajemison Rakotomaharo no nanolotra ireo mpihira ireo. Ny hitako moa dia ny antoko mpihiran’ny antenimieran-doholona sy tarika iray avy any amin’ny faritra Boeny any. Mba niova filamatra koa ry zareo izany, hoy aho. Iza koa ary no nanana ity hevitra ity ?

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2007 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox