Tapa-baovao 020507
Maro loatra angaha ny vaovao tiana hampitaina ka manjary tsy hitako intsony indray izay ampitaina. Niezaka manko aho mba ho iray isan’andro no avoaka nefa mihazakazaka ny toe-draharaha. Noho izany dia atao endrika tapa-baovao no avoaka eto aloha na dia manambara ny hevitro eny antsefatsefany eny aza aho.
- Tao Boriziny (Port-Bergé) dia nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teo ampivoriana ny filohan’ny fikambanan’ny mpanjifa nikonokonona fitokonana momba ny fahasahiranana azo amin’ny jirama amin’izao fotoana izao. Nilahatra ary ny fokonolona (izay mihitsy no nampitain’ny mpanao gazetin’ny Rnm tany an-toerana tao amin’ny fandaharana ampitampitao) nitaky ny hamoahana io mpitari-tolona io avy hatrany. Nankeny amin’ny tobin’ny zandarimaria ry zareo nanao izany fitakiana izany. Tsy nisy ny fifampiraharahana ka dia tezitra ry zareo ka namonjy ny trano fandraisana olo-mana-kaja an’ny Distrika. Navoakan-dry zareo avokoa ny entana tao sady nopotehiny. Nodorany hatramin’ny trano mihitsy aza.
- Teto Antananarivo kosa dia niara-nientana ny mpiasan’ny jirama ho fiarahana amin’ny mpiasan’ny jirama ao anatin’ny fanenjehana sy ny fikasihan-tanana mihitsy aza. Ankoatra ny fitakiana ny fanondrotana ny karama efa nifanarahan’ny gem sy ny sim io mbamin’ireo fitakiana hafa ihany koa. Efa saiky voavaly amin’ny mahafa-po azy moa ireo fitakiana ireo dia ny fanomezana ny tambi-karama tsy voaloha hatramin’ny volana janoary ny mankaty.
- Efa hitan’ny mpamaky ihany koa ny faneriterena ny mpanao gazety tsy ho afa-manao tsara ny asany any Antsiranana any. Tsy ny mpitondra fanjakana no manao ity faneriterena ity fa ny ankolafin’ny mpanohitra milaza ny teneny ho mpianatra nefa hitrikitrihan’ny mpanao gazety maro fa efa tsy mpianatra intsony ireo. Nisy aza moa ny fakana an-keriny mpanao gazety iray lazain-dry zareo ho mamoaka vaovao tsy marina.
- Eo ihany koa ilay namoahan’ny minisitry ny vola hoe lasan’ny praiminisitra teo aloha ihany ny volabe efa nosakanan’ny fanjakana malagasy mipetraka amin’ny banky soisa iray. Efa azon’ilay olon’ny fitondrana teo aloha tamin’ny volana marsa moa io vola io. Ny zavatra ti’ny minisitra ampitaiina ao ambadika dia tiany ampifanohizana amin’ny toe-draharaha eto an-toerana lasa mikorontana ity nahazon’ny praiminisitra Tantely Andrianarivo ity vola ity. Asa tokoa aloha izay tena fahamariniany any ambadika any.