FangalaramBato ifanarahana

2007-10-01 @ 16:08 in Politika

  Nataoko manokana mihitsy ity lahatsoratra ity na dia efa nisy aza ny fotoana efa nanatsidihako ny resaka fifidianana. Saiky mbola tsy androany aza no nikasako amoahana azy saingy noho ny fahitana ny vaovao navoakan’ny gazety dia tery ihany aho hamoaka azy. Tsy resaka na honohono fa ny zavatra hitako sy tsapako no lazaiko. Izaho izay teto Antananarivo, nanisa vato ary nanao sonia tamin’ny fanisam-bato no nahamarika izany ka tsy mahagaga raha mety hisy koa ny tany amin’ny faritra hafa azo lazaina hoe tany lavitra andriana sy tsy mahay mamaky teny koa aza.

  Somary averiko kely ny nolazain’ny gazety tamin’ny herinandro na talohan’izany aza. Efa soniavina avy hatrany (ny maraina) ny taratasim-panamarinana ny isambato…amin’io fotoana io dia ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana ihany no manasonia raha izay tokoa no izy fa tsy mbola eo ny an’ny mpanisa vato. Nanamarika ny tompon’andraikitra tany amin’io faritra io (Sava) fa efa fanao mahazatra any izany manasonia taratasy mialoha izany na dia tsy mbola nanomboka akory aza ny fanisam-bato.

 Avy amin’io fanasoniavana ny taratasy fanamarinana ny isambato io no fomba haingana indrindra hangalaram-bato ary mahatonga ny antsoina hoe vato nampifamadihana. Rehefa tsy te-hikajy lavitra manko no anton’izany vato mitsimbadika izany. Raha misy ihany koa ny fanaraha-maso ny lisitra ijerena ireo nandrotsa-bato dia tsotra kokoa ny fiarovan-tena na dia mety ho nisy tokoa aza ny fangalaram-bato.

 

 Dia hitantara izay nitranga tamin’ny harivan’ny fanisam-bato amin’izay aho. Efa nolazaiko teto ihany moa ny saiky hamonoana ny vaton’ny arema…efa tsy idirana lalina intsony ny amin’iny. Eo ampanisam-bato dia mijery tsara fotsiny ireo mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana sy ireo delege ary mpanara-maso ny fifidianana (marihiko indray fa tena tsy nisy mihitsy ny mpanaraka isam-bato ilay mihorakoraka ery aoriana ery…miaraka amin’ny taim-bava izany). Ny eo amin’ny tabilao ihany noho izany no mametraka tsipika kely hanisana izay azon’ny kandida tsirairay. Tsaroako tsara talohaloha tany fa miara-manipika ao anatin’ny taratasiny avy ny tsirairay ireo mameno ny taratasy fanamarinana ny fanisam-bato. Efa nisy fiovana fomba sahady aloha izay.

 

 Rehefa vita ny fanisana dia ampitoviana raha mitontona tokoa ny isan’ny mpifidy sy ny isan-tsafidy azon’ny kandida sy ny vato fotsy sy vato maty. Miverina kely aho. Mialoha ny famoahana ny bileta narotsaky ny tsirairay dia jerena raha mitovy ny isan’ny valopy sy ny isan’ny mpifidy nandrotsa-bato. Iny indray aloha tsy misy olana loatra ka izay no saiky tsy nanoratako azy. Nosoratako ihany mba tsy hiteraka ahiahy hafa eo amintsika mpamaky. Raha misy ny sanatria dia tsy maintsy isaina miaraka amin’izay ny azon’ny tsirairay. Eo no nisy olana tamiko (izaho moa no mpanonona tamin’io fotoana io). Apetraka fotsiny fa tsy nalahatra isaky ny kandida ny bileta. Izaho no niezaka manokana mba ho vato iray ihany no hipetraka eo raha misy vato roa mitovy avy any anaty valopy iray. Ny hafa manko mitady tsy hiraharaha fa manao hoe tsy maninona fa avelao ao ihany. Hisorohana ny sao dia misy isambato mihoatra na latsaka manko nonanaovako izany fepetra ahy manokana izany.

 

 Rehefa eken’ny rehetra manatrika ny vokatra eo amin’ny tabilao vao manomboka manoratra ao amin’ny taratasy fanamarinana avokoa ny rehetra. Ary dia fanasoniavana no atao voalohany indrindra. Eto Antananarivo renivohitra sady betsaka mpianatra amin’ny sekoly ambony no misy izany toe-javatra izany. Dia niteny tamin’ny rehetra teo aho hoe  ampanasoniavanareo taratasy fotsy tsy ahitana ny filazana isa azon’ny kandida amin’ny tarehimarika sy soratenenina aho izany? Tahaka ny manao sonia “cheque en blanc” anie aho izany e! Ny mpanisa vato mety ho maika hody no tsy hiandry izay fanoratana ataon’ny tsirairay amin’ireo miandraikitra taratasy fanamarinana efa ho enina raha kely indrindra no mety tsy hiraharaha izay hosoratana ao nefa eo indrindra ny fotoana ahafahana manatsimbadika ny isambaton’ireo kandida mifaninana amin’io fotoana io.

  Fitokisana an-jambany fotsiny noho izany raha mahita ny isa eo amin’ny tabilao dia lasa mody nefa ny taratasy alefa any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana sy ny minisiteran’ny atitany mety ho hafa mihitsy. Eo izany no fiarovana ny safidy nataon’ny tsirairay voalohany indrindra. Miainga eo amin’ny biraom-pifidianana ihany. Na bileta iray na bileta isaky ny kandida no atao rehefa eo no misy ny lesoka dia zava-poana avokoa ny fiarovana ny safidim-bahoaka hafa rehetra. Izany hoe raha hikendry ny hanafoana araka izay betsaka indrindra ny halabato dia mila isan’ny olona mitovy amin’ny isan’ny biraom-pifidianana farafahakeliny manamarina izay soratan’ny mpanoratra ny taratasy fanamarinana sy ny soratan’ny delegen’ny kandida. Ny lesoka tsy voasoroka eo amin’ny biraom-pifidianana no mety hahafaty ny safidin’ireo izay nazoto tao amin’io birao io.

  Etsy ankilan’izany, ireo izay nifidy raha tsy manaraka ny isam-bato sy izay soratan’ireo delege sy mpanisa vato ary mpanara-maso ny fifidianana dia tsy mahatsapa ny andraikiny fa tsy mijanona eo amin’ny fandrotsaham-bato akory ity fifidianana nataonao tamin’iny andro iny. Amiko ny tsy fanarahan’ireo nandrotsa-bato ny valim-pifidianana ao amin’ny birao nifidianany dia tahaka ny fanekena avy hatrany izay soratan’ireo mpampita ny isa any amin’ny tompon’andraikitra mahefa. Ny nahavariana ahy manko dia tsy nisy niteny ny delegen’ny kandida rehetra, ary tsy nametraka ny isa mialoha vao manome ny taratasy hosoniavina ihany koa. Izay zavatra hitako izay no nahatonga ahy hanao ny lohateny hoe fangalaram-bato ifanarahana izy ity ka miainga avy amin’ny mpifidy tsirairay mihitsy izany fifanarahana izany ary mipaka any amin’ireo mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana tsirairay avy ihany koa.

  Noho izany, amiko, tsy ho gaga loatra aho raha nahita ilay navandravandra tao amin’ny gazety Madagascar Tribune androany. Afaka manoratra izay tiany soratana ihany koa manko ny delege rehefa vita mialoha ny sonia, ary mino aho fa tahaka izany avokoa no natao manerana ny biraom-pifidianana manerana an’I Madagasikara.  

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2007 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox