Tsy matotra izay be hevitra ary tsy manankevitra izay matotra

2007-10-31 @ 08:54 in Ankapobeny

Eto ampanombohana aloha dia somary mba nanaitra ahy ihany ilay hevitry Paul Valery, mpanoratra Frantsay sady Filozofa, ary io nataoko lohateny io, niteny hoe: “Un homme qui a des idées n’est jamais sérieux, Un homme sérieux n’a jamais d’idées”[Tsy matotra mihitsy ny olona manan-kevitra be dia be, Tsy manan-kevitra mihitsy ny olona matotra]. Izany hoe raha raisina ho marina io petra-kevitra io dia olona tsy matotra mihitsy aho izany satria fantatro ihany ny tenako fa manan-kevitra be dia be amin’ny lafin-javatra maro mahaliana ahy, nefa raha izany aleoko tsy matotra toy izay tsy manan-kevitra. Raha izany ihany koa manko dia tsy ho nanoratra ho anareo mihitsy aho fa miandry fotsiny izay soratan’ny hafa. Ary ianareo mba ahoana? (tohiny)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2007 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox