Miova haingana

2007-10-15 @ 07:30 in Toekarena

Faly tena faly aho satria fantatro fa misy mpamaky ary tsy olonolom-poana no mamaky fa misy tompon’andraikitra ambony mihitsy araka ny fandiniko azy. Na sendra taraiky tamin’ny fanoratana aho fa efa teo ampikarakarana ny mpiandraikitra indrindra izay zavatra nosoratako. 

Ny holazaiko voalohany dia ny momba ny dokambarotra rehefa niteny aho hoe misy fitetehana avy amin’ny mpitondra ve fa saiky tany amin’ny gazety mpiteny frantsay ihany no amoahany lahatsoratra? Ireny manko sady misy teny malagasy no misy teny frantsay, izany hoe teny ofisialy roa no voafaokany. Ny filankevitra voalohany nanaraka io soratra nataoko io dia indroa namoaka fanambarana mandoa vola tamin’ny teny malagasy ny tao amin’ny fitondrana. Any amin’ny gazety miteny frantsay kosa indray no misy izay amin’ny teny frantsay… ny teny anglisy moa mbola tsy namoahana izay vokatry ny filan-kevitry ny minisitra ny governemanta izany. Tsara izany, hoy aho faly! 

Angaha vitan’izany ihany, hoy ianao? Namoahan’ Andry TGV efa notantaraiko ao amin’ny 10 oktobra nitondra ny lohateny hoe “Ry fitaratra O. iza no tsara noho izaho” ny gazety rehetra ankoatra ny an’ny filoham-pirenena mazava loatra. Tsy nanavaka izy na teny malagasy na teny vahiny no namoahana ilay fanambarana nataony saingy tamin’ny teny frantsay moa no nanoratany. Azo heverina fa fantatry ny mpanao dokambarotra fa ho vetivety kokoa, izany hoe fantany ihany ny herin’ny mpiteny malagasy, ny fielezan’ny fanambarana navoakany tamin’ny gazety miteny malagasy. 

Dia, nampihomehy ahy indray ity, avy koa ny dokambarotra avy amin’ny mpanome angovon’aratra malagasy (batterie) Virio namoaka dokambarotra pejy iray manontolo tamin’ny gazety taratra, sady ahitam-baovao betsaka indrindra no ahitana hatsikana hatrany koa ao aminy isan’andro. Fa ny tena nampihomehy dia maro dia maro tokoa ny soratra no najanona tamin’ny teny frantsay ihany na dia niezaka nandika tamin’ny teny malagasy aza ireo ao amin’ny sampana dokambarotra sy serasera ao aminy. Nieritreritra kosa aho fa diso toerana ihany ny dokambarotra nataony. Hadisoana voalohany araka ny eritreritro dia tsy mpamaky itony gazety itony loatra ny mpanana fiara eto Andrenivohitra ny ny tanàna hivarotany izany mpanome angovon’aratra izany. Faharoa izay mitohy amin’ny voalohany ihany dia azo heverina hoe izay no ahazoan’ny maro an’isa mpanana fiara azy saingy naleo ary natao teny frantsay manontolo ny lahatsoratra navoaka. Sady mora mahatezitra mpandala teny malagasy manko ny teny mifangaro loatra no ahiana tsy hahavaky hatramin’ny farany izay nosoratana amin’ny teny malagasy ny zatra mamaky amin’ny teny frantsay; mety ho diso aho nefa izay no iheverako azy. 

Ny manaraka izany indray dia ny resaka delestazy. Nampihomehy tamin’ny andro namoahako iny lahatsoratra iny. Vao tafavoaka indrindra ny lahatsoratra no maty atsasakadiny ny jiro tany amin’ny toera-mpiasana nisy ahy. Roa andro taorian’ny nanoratako raha ela indrindra dia tapitra hatreo ny delestazy taty amin’ny tanàna no sady tsy nahenoheno azy loatra aho. Fifanandrifian-javatra ve sa…? Izao manko, namoaka fanambarana ireo vahiny fa maintsy akarina ny vidin-jiro, nanamafy ny Minisitra avy eo ary nanaiky ihany koa ny filoham-pirenena no sady nilaza fa efa tompon’andraikitra amin’izay no minisitra raha mbola misy ny delestazy. Dia tonga ny fahagagana fa ny teto an-drenivohitra aloha tsy nahenoaka fitarainana loatra intsony, ny any amin’ny faritany indray  tany lavitra andriana ka tsy ahafantarana na inona na inona aloha.

Ny mbola tsy re ary andrasan'ny maro kosa hatramin'izao dia ny valin'ny fanadihadiana momba ilay berila emeraoda. Lasa vakansy ve ny mpandinika sa vita tany amin'ny mangigina ny resaka?  Dia izay aloha ny amin’iny raharaha iny fa rahampitso indray isika mihaona eto…raha sitrapon’Andriamanitra.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2007 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox