Maimbo toaka,maimbo ampy, maimbo...

2008-03-27 @ 22:14 in Andavanandro

Afakafaka iny ny fetin’ny Paska, fety anisan’ny faratampony eo amin’ny kristiana saingy vitsy kokoa ny olona mankany ampiangonana amin’io fotoana io miohatra amin’ny fetin’ny krismasy na Noely. Na izany na tsy izany tsikaritra fa mihena kokoa ankehitriny ny olona mankany ampiangonana raha raha oharina amin’ny taloha (1980). Taloha manko raha voatery nampiasaina ny akany hipetrahan’ny olona dia efa maro kosa ankehitriny ny ao ampiangonana ihany aza dia fenon’ny mpiangona tsara. Ny isan’ny mponina anefa nitombo dia nitombo tokoa.

Hatramin’ny ela kosa dia miharihary fa ny alatsinain’ny paska no malaza eo anatrehan’ny olona noho ilay fety mihitsy, tahaka izany koa moa ny amin’ny pentekosta. Malaza satria fitsangatsanganan’ny be sy ny maro na mivoaka ivelan’ny tanàna izany na mamonjy ny zaridainan’ny tanàna ihany. Raha zatra ny fiainana teto an-tanàna dia ny fotoana toy itony no ahatsapana fa nitontongana tokoa ny fiainan’ny Malagasy amin’ny ankapobeny. Taloha manko dia ny mankany Antsirabe no nifandrombahan’ny maro, na manana na tsy manana havana ivantanana, na manana na tsy manana trano atoriana. Efa foana ny fiaradalamby nandehanana ho amin’izany ary asondrotry ny fiarakodia mpitatitra mankany ho avy roa na telo heny hatrany ny sarandalana hany ka tsy raharahan’ny olona intsony izany mankany Antsirabe izany. Ny eto an-tanàna sisa no iononan’ny rehetra. Izay no mahafeno ny toerana manodidina an’Antananarivo rehetra rehefa fotoana tahaka izao. Ny eto Antananarivo aloha no mahavantana ahy ka soratako.

Fa ny tsy dia misy mpiresaka firy ho’aho dia ny aoriana na ny alin’ny alatsinain’ny paska. Eo no tena ahitana ny havoretran’ny Malagasy, indrisy, toetra na fanao mila ahitsy. Raha ho an’ny olo-tsotra rehefa mihataka ny tanàna, ny toerana rehetra dia azo anatanterahana ilay fitenenana hoe “ny olombelo-tsy akoho” avokoa na dia ny iray metatra miala ny toerana isakafoanana aza ho an’ny sasany (vao nahita aho fa tsy hoe manitatra tsy akory). Tena mahatsiravina sy maharikoriko. Ny fikambanana na ny fiangonana no maro manokana toerana hanalana poritra fa mbola misy olona mamorona toeran-kafa ihany fa tsy manaiky hofehezina; na dia hoe maika noho ny maika aza ve dia...?

Fa ny teto an-tanàna no tena loza. Niserana teo anoloan’ny lapan’ny tanàna taloha eo Analakely aho fa voasinton’ny hamaroan’ny olona. Efa alimbe io. Ny hita voalohany dia ny hamaroan’ny latabatra eo. Latabatra izany rey olona! Ny karazany eo amboniny kosa dia telo ihany amin’ny ankapobeny. Ny voalohany dia ny karazan-toaka rehetra, efa mahazo mivarotra toaka avokoa moa ny olona amin’izao fotoana izao araka ny tetibolampanjakana 2008 fa dia mandoa ny haba ho an’ny fanjakana fotsiny. Ny eto Analakely no tsy fantatro hoe araky ny fanjakana ho mandoa ny haban’ny fivarotana toaka avokoa ve ireo mpivarotra rehetra ireo. Mafy mihitsy ity fitadiavan’ny fanjakana vola ity fa mahagaga hoe maninona no tsy ekeny mihitsy raha izany fivarotana toaka gasy? Vola ho azy koa anie ireny e! Sa misy tombotsoa manokana ho ana olona ambony sasany mba tsy handoavan’izy ireny haba? Sa rehefa tsy ara-dalàna ny fivarotana azy ireny vao tena mandeha ny tsena?

Ny karazan-javatra faharoa hita ambony latabatra kosa dia ny tsakitsaky miaraka amin’ny toaka. Tsy mirevy kosa manko raha tsy mba asiana tsakitsaky miaraka aminy e! Vao nandalovako atoandro ny toerana maro ireny fivarotana tsakitsaky ireny fa io tany nolokoina menamena ho an’izay mahatadidy io mivadika mainty toy ny feno tsikoko ireny ho’aho. Afon’arina kosa ve no ampiasaina! Tsakitsaky izany anie ka ny kiendiendy no tena ankafizina e! Ny karazan-javatra fahatelo indray moa dia ny fanaovan-doka. Maro anie izy izany e! Raha ampandoavin’ny fanjakana ny hetra mifanaraka amin’izany moa maninona fa mivandravandra hoe tsy mandoa izany ireo e! Ny haban-toerana ihany. Fa ny toera-mpilokana manana anaraka kosa aloha ataon’ny fanjakana mamay mihitsy. Ataony amin’ilay hoe te-hanao eo. Oadray hay moa izay fivarotana anaty trano rehetra no tratran’ny fanondrotana avo telo ka hatramin’ny folo heny avokoa, ary ny artista aza moa izao nampidirina handoa hetra ihany koa. Tsy olana anie ireny raha mazava ny fitantanana ary fantatra ny alehan’ny vola fa toa bakoavin-dry zalahy hilibany fotsiny anie no tena manahirana ka aiza no tsy hitsikasina amin’ny tany (scoop gazetyAvylavitra) rehefa tahaka izay, nefa enga anie mba ho toy ny fianjeran’ny olona sendra tsy nahadingana fotsiny io fa tsyhoe inona tsy akory.

Fa hatramin’izao tsy hitako ihany izay hifandraisan’ny voasoratra amin’ny lohateny. Eo indrindra isika izao. Tamin’izaho nizotra ho eny amin’ny lapan’ny tanàna tamin’io alina io ihany tsy ny hita ihany no tsikaritra fa ny heno ihany koa. Izaho moa hatraty amin’ny gara no miatsinanana. Arakaraky ny hanatonako ary no ahenoako karazam-pofona isan-karazany. Fofona mifaninana ny ho mahery indrindra. Roa no tena “favori” mifaninana dia ny antsoina hoe maimbo ampy sy ny antsoina hoe maimbo toaka. Noheveriko fa efa akaiky sahady ny “metro”, ny tonga tao an-tsaiko voalohany moa dia hoe heno hatraty ve ny fofon’i “metro”? Fa tsy manaiky resy koa ny fofon-toaka, izay no tena mahagravy azy. Fofona roa no tena miady ka tena resy tanteraka ny fofon’arina sy izay endasina na atono eo amboniny. Tsy maka lavitra koa moa ny olona fa rehefa poritra dia maka sisiny na maka miafina ambadika fotsiny dia lasa izao. Aiza tokoa moa ny toeram-pivoahana akaiky eto indrindra? Tena ilay ao Soarano ampitan’ny Boriborintany io marina, fa lavitra ihany ho an’izay poritra an! Tsy mety vita koa moa ilay eo amin’ny ilany avaratry ny zaridainan’ny lapan’ny tanàna io koa.

Fa ny tena mampiaiky ahy dia ny faharetan’ireto olona mirevy ireto? Zakan-dry zareo rehetra ireo ve izany fofona izany sa anatin’ny revy koa? Izaho izay mandalo fotsiny aza saiky nihoaka sa noho izaho tsy mpankafy ilay karazan-drevy mihitsy? Ny tena mampalahelo ahy amin’ity tantara ity dia ilay tanàna no ahiako hanana anaram-bositra amin’izao karazam-pofona izao. Ny mahavariana dia ny mbola hitondran’ny sasany zazakely (latsaky ny dimy taona) amin’izao alina izao koa. Tena tsy hitako izay antony fa dia mahery tokoa angaha ny fanintonan’ny revy ka rehefa tsy hita izay hametrahana azy dia aleo entina. Nefa dia tena fampijaliana azy ireny mihitsy ange izany e! Dia ahoana raha te-hatory ny ankizy? Teny andalana hody indray aho no nifanena tamina tovovavy vitsivitsy ka ny hafa mitazona ny namany izay varimbarina. Fa vao nifanehatra akaiky izahay dia fofona “maimbo olombelona” matanjaka be araka ny fitenin’Itrimobe no re. Nihorona ny hoditro iray manontolo. Teo aho no tena niaiky fa tarazo ratsy tsy afaka amin’ny Malagasy (indrindra fa ny avy eto Antananarivo sy ny manodidina ny havoretrana) fa raha tsy izany tsy nisy ilay fomba fitenenana fandre talohan’ny fanjanahantany manao hoe “maimbo olombelona maimbo olombelona lanin’Itrimobe i Fara”. Sady mbola maro rahateo ny Malagasy fady manorina kaboney hatramin’izao.

Rta sy ny mariky ny fivavahana amin’i Satana asandrany

2008-03-22 @ 08:22 in Finoana

Efa rentsika ihany angamba ny fiovana sarim-pamantarana nataon’ny vondrona haino aman-jery rta efa ho iray volana latsaka izay. Toa mariky ny finiavana hanam-piovana sy fivoarana ao anatiny io fiovana sarim-pamantarana atao amin’ny vondrona haino aman-jerin’ny rta io. Tafiditra ao anatin’io fiovana sarim-pamantarana avokoa na ny radio rta (102 fm) na ny tele rta ary ny radio tana (94.4 fm).

Tsy ny hanao dokambarotry ny rta loatra anefa no anoratako eto fa tsikaritra hanohintohina io vondrona haino aman-jery io aza. Ialako tsiny fa tsy hisorona aho amin’ity toe-draharaha iray ity. Izay hitako no holazaiko ka na hitory aza izy tsy mampaninona izany. Eto dia tsy hilaza ny an’ny tele rta sy ny radio tana aho satria tsy dia hitako loatra ny hokianina amin’ny sarim-pamantaran’ireo roa ireo fa izay hitrikitrihako kosa dia ny sarim-pamantaran’ny radio rta (102 fm).

Miala tsiny indrindra raha ho fanazavana antsoratra no atao. Antony roa no mahatonga izany: antony voalohany dia somary handany fotoana elaela ihany raha hampiditra sary amin’ity tosaka ambany eto Madagasikara ity, antony faharoa indray dia tsy izaho indray no hametraka azy amin’ny bolongako ihany koa. Hafahafa amiko manko raha hanameloka aho nefa dia asiako ny sarim-pamantarana melohiko eto.

Azo lazaina ho tsotsotra vinany ihany ilay sarim-pamantarana satria io 102 fm io ihany no somary nasiana haingony, indrindra fa ny 0 eo afovoany. Ny anaran’ny sarim-pamantarana moa dia nomena anarana hoe ‘ho anao too’ mifandraindraika amin’ny teny hoe ‘one o two’. Ao anatin’io 0 afovoany io no misy ilay sarim-pamantarana fivavahana na fanandratana ny devoly ry zareo. Famantarana izay mpanao rock manan-daza eto Madagasikara (Iary) ankehitriny ihany no nanazava azy tamin’ny kidaona maraina indray maraina. Nolazainy moa fa raha manatrika ny hanaovana ilay tanana manao V amin’ny fanondro sy ny ankihikely (fa tsy ny fanondro sy ny fanondroadala) dia famantarana fanandratana an’i Satana izany fa raha miamboho kosa dia an’i metal izay. Ny tanora malagasy anefa dia tsy miraharaha izay miamboho sy manatrika anao izany fa ataony daholo ireo.

Tian’ny vondrona rta rahateo ny manao karazam-pihantsiana mba hampalaza azy bebe kokoa fa eto kosa izy amiko manokana dia nihoatra ny fetra. Vao nivoaka ilay sary dia taitra aho. Niandry izay hetsika fanamelohana avy amin’ny fiangonana aho fa tsy nandre mihitsy hatramin’izao. Nolokoin’ny rta ho menamena sy maintimainty indray ilay izy vao tsy ela fa mbola matory na tsy mahalala zavatra angamba ny fiangonana na heveriny ho tsy andraikiny angamba ny mampitandrina ny ondriny indrindra fa ny tanora amin’ity tranga iray ity. Ny tena tsy laitrako dia ireo tanora herotrerony mpanentana ao amin’ny tele rta faly ery manao ny tanam-pamantarana ao anatin’ny fandaharana ho an’ny tanora.

Tsy hiteny intsony aho ny amin’ny malaza any amin’ny ray aman-dreny ny aterineto ho fikarohan’ny tanora malagasy (tsy ampy taona no betsaka) ny momba ny devoly sy ny fivavahana aminy ka tsy ahazoazony loatra ny ankizy hanentana ho amin’izany aterineto izany. Adidy sarotra ho antsika te-hampiroborobo ity sehatra aterineto ity ny handresy lahatra ireo ray aman-dreny ireo. Izay no antony anoratako ity tranga ity satria nipaka any amin’ny haino aman-jery malaza ny fampiroboroboana ny fanandratana ny devoly eto Madagasikara. Raisiko ho adidy izaho samirery ny manameloka io sarim-pamantarana ataon’ny rta io sy ny fanaovana azy ho lamaody any amin’ny sehatra ho an’ny tanora. Aleo izaho irery no hampisaintsaina ny tanora mamaky ity lahatsoratra ity handinika tsara vao hihaino izany rta izany. Izaho manokana dia mieritreritra tsara aho vao hihaino na hijery ny fandaharana atolotry ny vondrona rta rehetra. Raha hiara-dia amiko ho amin’ny fanamelohana ianareo dia aelezo ity lahatsoratra ity na manaova lahatsoratra hafa ihany koa.

Tsy miverina ilalana

2008-03-18 @ 05:17 in Spaoro

Efa ahafantarana ny fitondrana ka dia tohizany tokoa rehefa mandray fanapahan-kevitra ny tsy manenina fa dia fikiriny mandrakariva iny. Lohatenim-baovao voalohany nisongona ny valim-pifidianana ny nandraisan’ny minisitry ny fanatanjahantena n mpanao gazety nilazany indray fa tazoniny ny fandravana ny federasionan’ny baolina fandaka. Fanapahankevitra hany neken’ny mora an’isa mpankafy ny fanatanjahantena eto Madagasikara aloha amin’izao fotoana izao. Tsy araka ny fiahihiana ny mety haha anjorom-bala ny baolina fandaka malagasy fa aleon’ny mpankafy io fanapahankevitry ny Minisitra io toy izay fanohizan’ny federasiona ny asany izay tsy maintsy hoe ho lany indray raha ny fanohanan’ny ligy azy no jerena.

 

Dingana manaraka tokony hataon’ny minisitera indray ny fandravana ny ligy isankarazany amin’ity taranja baolina fandaka (kitra) ity indray satria ireo koa no fototry ny fanakanana ny fampandrosoana ity taranja iray ity. Izaho manokana moa dia ny fandaminana ny taranjam-panatanjahantena amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy ao indrindra fa ny fanomezana toerana sahaza azy ny mpijery (na dia ny tapakila tsy ampelatanan’ny mpijery intsony rehefa tafiditra ny valan’ny kianja aza dia zavatra tsy azo leferina nefa neken’ny maro an’isa hatramin’izay, nefea dia fototry ny tsy fahamatoran’ny fidiram-bola io).

 

Ankoatra izay ny vaovao hafa dia lasa mampihomehy valaka koa ny mahita ny mpitatibaovaon’ny fampielezan-tsary TVM faly ery manonona ny 100% azon’ny TIM tany amin’ny faritra maro tsy nananany mpifaninana nefa saiky tsy hitany mihitsy ny fandresen’ny tsy miankina tany Antsirabe I, ary ny antoko hafa tany Toamasina I sy Antsiranana I ohatra. Zavatra tokony hahamenatra indray ve ry zareo no ireharehana?

 

Antananarivo: Vitsy ny taham-pandraisana anjara!

2008-03-16 @ 18:04 in Politika

Araka ny tsinjo avy amin’ny tsy firaharahian’ny olona ity fifidianana izay ho mpanolontsainam-paritra ity dia vitsy dia vitsy ny olona nandeha nifidy androany alahady. Somary hanao azy karazana tantara aho. Ny maraina dia nampidirina hiteny avokoa ny solontenan’ny radio nanerana an’i Madagasikara. Nilaza ny fivohan’ny birao tamin’ny fito ora maraina avokoa izy rehetra. Dia nambara taorian’izay ny hatsaran’ny andro. Ny hany naningana dia ny filazan’ny solontenan’i Nosy Boraha (Sainte Marie) tamin’ny fitenenana fa mbola ny kara-pifidianana teo aloha ihany no nampiasaina satria tsy nifidy Ben’ny Tanàna izy ireo tamin’ny fifidianana farany iny.

 

Tonga ny atoandro dia niverina niteny solontenan’ny radio tamin’ny faritra sasany ankoatra ny nihainoana ny tenin’ny filoham-pirenena avy nifidy teny Faravohitra. Ny nitovizana dia ny nanadinoana ny taham-pandraisana anjara tany amin’ny faritra samihafa tany. Nidika avy hatrany io fa vitsy ny nandray anjara tamin’io fotoana io ary karazan’ny nahazo baiko ireo solontena ireo tsy hiteny io taha io mihitsy.

 

Ny hariva tamin’ny enina raha nanontany mpikambana tao amin’ny biraom-pifidianana ny solontenan’ny RNM dia namaly io fa eo ho eo amin’ny 30% eo ho eo io taham-pandraisana anjara io eto amin’ny fokontany misy ahy. Kapotandroka fotsiny izany fa raha birao telo no misy eto dia 19% no taha tamin’ny birao roa raha 17% kosa izany tamin’ny birao iray.

 

Mbola tantara hafa indray ny amin’ny fandresen’ny TIM izay tsy nisy mpifaninana satria tsy nisy akory ny biletan’i Malala Savaron tao amin’ny birao. Na izany aza dia nifaninana ihany ny vato fotsy sy ny TIM tamin’ity indray mitoraka ity na dia nanana tombony kely aza ny TIM. Raha natao fanentanana be izao ny vato fotsy no sady noraisina ho vato manankery dia mety ho hafa mihitsy ny fivoakan’io valim-pifidianana io. Raha manodidina ny 120 isaky ny birao manko ny vato azon’ny TIM dia manodidina ny 80 kosa ny vato fotsy madio mangarangarana.

 

Sambany aho no tsy nifidy mihitsy hatrizay nisian’ny fifidianana nananako zo hifidy izay. Tena tsy nazoto mihitsy aho, angamba noho ny fiavahany mba tsy nandehanako namonjy birao andro alahady. Tsy nisy lanjany tamiko mihitsy manko izany hifidy mpanolotsaina izany nefa ny lehiben’ny mpanantanteraka dia hotendren’ny fitondrana foibe. Hanao ahoana tokoa re raha hoe ny mpanolotsainan’ny filoha no hofidiana fa hanendry tena amin’ny fanohizana ny asa ny filoham-pirenena e?

 

Marihina indray mandeha fa efa ao amin’ny lahatsoratra talohan’ity ny filazalazana ny momba an’i jentilisa.

Tsara ho fantatra 7 momba an’i jentilisa

2008-03-15 @ 19:21 in Andavanandro

Mahaliana ny maro izany famoahana tsiambaratelo izany. Io araka ny fahalalako no niandohan’ity taga niely nanerana ny tontolombolongana malagasy (blaogasyfera) ity. Ny olana dia ny fivoahan’ny tsiambaratelonao tsy tianao ho fantatry ny hafa. Noho izany dia ho diso fanantenana indrindra izay mikaroka tsiambaratelo ato anatin’ity lahatsoratra ity. Tsy tsiambaratelo intsony rehefa mivoaka ho fantatry ny rehetra.

Na dia eo aza izany fandisoam-panantenana avy amiko izany dia mba manana izay momba ahy tiako ampitaina ihany aho ary eo ampikarohana ny hamenoana azy ho fito araka izay nifanarahan’ny nametraka ity taga ity tany ampiandohana.

Voalohany amin’izany ny anaram-bositra fahakely. Iray ihany ny anarambositra tadidiko nomena ahy fahakely ary ny boaikelin’ny tanàna no nametraka azy. Tsy dia hitako loatra ny handavana ilay anarambositra. RaColonel izany anarambositra izany. Tsy natao hoe Ramiaramila fa tonga dia nomena grady avy hatrany. Niely vetivety io anarambositra io araka ny fahalalako azy satria na dia mipetraka amin’ny toerana be mponina aza aho dia misy olona mahalala ahy amin’ny alalan’io anaram-bositra io hatrany amin’ny iray kilaometatra manodidina. Inona no mety ho anton’ny anarambositra?

Iray mety ho anton’izany ny fandeha: tsy mba tia mitaredretra fandeha izany aho ary tsy mba tia mivilivily ihany koa. Tsikaritry ny akama io ka dia jereny toy ny manao matso hatrany aho rehefa mandeha. Mety ho anton’izany ihany koa ny fifidianana fialamboly tiana tamin’izany fotoana. Nanao skoto aho ary tsy dia tiako loatra izany mivory tsy mitondra ny fitafiana voatokana. Azo hamarinina tamin’ny nanolorako tena hanao fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika ny fironako tamina fikambanana mitondra fitafy mifandraika amin’ny an’ny miaramila na dia afaka ny nanohy avy hatrany ny fianarana teny amin’ny ambaratonga ambony noho ny taonako aza aho.

Faharoa manaraka izany dia mihevitra ny maro ary ao anatin’izany ianareo mianakavy fa toy ny olon-drehetra tsara mihitsy aho. Manana kilema tsy hita maso mivantana anefa aho. Olona manam-pahasahiranana ara-pandrenesana aho indrindra fa amin’ny sofina havia. Fahakeliko (talohan’ny fahafolo taonako) aho dia ny sofina roa mihitsy no tsy naheno. Tamin’izany fotoana izany dia bedy hatrany aho rehefa mihaino radio satria efa madilo amin’ny ao an-trano ny feo nefa dia mbola tsy reko tsara foana hany ka nakariko hatrany ny haavom-peo.Raha misy ny olona ambadiko miantso ahy dia mety tsy ho henoko mihitsy hany ka noheverina ho mpanao bemarenina aho. Tsy fidiny ahy anefa izany.

Teo ho eo amin’ny faha-11 taonako teo aho no tratran’ny sery be ka nanisindelo matetika. Teo no nisy zavatra kely toa nipika tamin’ny sofiko havanana ka nandrenesako bebe kokoa nefa mbola tsy ampy noho fandren’ny olona amin’ny ankapobeny ihany io toe-javatra io. Efa nisy ny fivoarana saingy tsy maintsy manapa-kevitra ny handeha na hipetraka amin’ny ankavian’olona mandrakariva aho mba hanarahako tsara kokoa izay resaka mandeha. Raha izay hibitsibitsika amiko dia aleo mitondra ahy mihataka ny toerana fa ny olona hafa eo akaiky eo indray no mety hahare kokoa noho izaho. Ny nampihomehy dia mora mikoropaka aho na dia tsy mandre tsara aza.

Noho io fahasembanana io dia matanjaka be ny masoko. Mora mahatsikaritra zavatra aho ary azo lazaina ho mahiratra tokoa. Na izany aza tsy manana hery manokana hahita ao amin’ny maizina aho tsy akory.

Fahatelo manaraka izany dia betsaka ny zavatra tsy zakako: ohatra amin’izany ny akanjo “synthetique”, tsy mahazaka fofona solika ihany koa aho indrindra moa fa ny fofony ao anaty fiara fa dia midegaoba avy hatrany. Tsy ahazoako aina koa anaty fiara fitaterana ka mikatona avokoa ny fitaratra, aleoko aza tratran’ny tsio-drivotra maherihery. Be ihany koa ny zavatra iniako tsy kasihina toy ny sakay na zavatra hafa masiatsiaka, ny toaka ka anatin’izany ny labiera izay ananan’ny malagasy fiavahana aza eny fa na dia ny rano misy gaza aza dia tena tsindraindray noho ny hetaheta tsy mahita rano tsotra. Tsy mahafa-ketaheta ahy ihany koa izany ranom-boankazo izany fa na dia misotro aza aho dia tsy maintsy hitady rano tsotra hatrany koa aleoko rano tsotra avy hatrany no bobohina. Na izany aza dia sotroiko soa amantsara ny fanasan’ny Tompo. Ny zavatra tsy mety afaka amiko kosa dia ny sakafo somary bebe menaka efa dia laroiko lasary bebe vinaingitra no tena itiavako azy.

Fahaefatra, tsy afaka miafina intsony aho na tsy mahafina ahy intsony ny solon’anarana jentilisa. Efa mahafantatra ahy avokoa ny iray toeram-piasana amiko indrindra fa ireo lehibeko, efa nasehon-dry zareo ahy ankolaka izany. Heveriko ho tsy dia misy ny olana hatramin’izao satria tsy fanaoko loatra ny miresaka momba ny asako amin’ny bolongako (blaogiko). Tsy mety loatra manko izany raha eo ambany fahefan’ny hafa ary entina manavaka ihany koa fa ny zavatra ataoko na soratako dia tsy misy idiran’ny orinasa iasako mihitsy. Tsy ny ao amin’ny orinasa ihany no mahafantatra ahy fa na dia ny solontenam-panjakana aza. Anarany no niova toeram-piasana aho fa dia nisy manamboninahitra izay nitsidika tao amin’ny birao ka nitabataba ny solonanarako teo anatrehan’ny mpiara-miasa “vaovao” sy ny lehibeko: “ah! Jentilisa marina! Inona ny vaovao ry Jentilisa a?”. Mpiara-miasa (vehivavy) hafa indray no tezitra taminy ka nanao hoe:”tsy mety rangaha ny paikanao fa manaoainina olona fotsiny ianao a!”.

Manaraka izany indray, ny andiamboky vitako voalohany indrindra tadidiko dia ny gazety boky “Sekoly Alahady” misy ny tantara antsarin’ny baiboly nanomboka tamin’ny Fiandohana (Jenezy na Genesisy) ka hatramin’ny sarin-dabozia fiton’ny bokin’ny Apokalypsy ary tamin’ny teny Malagasy manontolo izany. Nandritra ny fialantsasatra lehibe tany Fianarantsoa no namitako io andiamboky nahatratra roa baoritra io. Ny andiamboky faharoa vitako indray dia ny andiantantaran’i Arsene Lupin nosoratan’i Maurice Leblanc iray manontolo. Tadidiko tsara mihitsy fa boky lehibe mahatratra 1300 pejy amin’ny endri-tsoratry ny baiboly na kelikely kokoa noho io aza no novitaiko tao anatin’ny tapabolana fa vita ho’aho. Taorian’izay dia lasa boky milaza na manambara ny olombeloona sy ny Saikolojiany sy ny toetrany, na izay rehetra manodidina ny fahaizana syny fahendrena no nahaliana ahy ka tsy latsaka amin’izany ny fanadihadiana momba ny finoana kristiana.

Farany dia sambany aho no namoaka lahatsoratra hatraty an-trano nefa dia tsoriko fa fahefak’adiny vao tafavoaka ny fametrahan-dahatsoratra ary tsy fantatro hoe haharitra hafiriana vao ho tafavoaka indray. Mba toroy hevitra aho ry zareo fa dia 9.6kilobips isantsegondra ve no mba fandraisana sy fandefasana azon’ny aterinetiko natao prepayé. Dia ho hita koa ny hevitrareo mianakavy e!Inona no tokony ho novidiako mba hoaradalana ny fahafahako mivoivoy amin'ny aterineto eto Madagasikara.

Tifiro! tifiro!

2008-03-05 @ 12:58 in Spaoro

Mety ho lahatsoratra faraparany mikasika baolina fandaka ity resaka ity taorian'ny faharesena an'isa manaporofo ny tsy fahaizantsika baolina izay. Na ahoana na ahoana amin'ny mahamalagasy dia manohana ny malagasy mandrakariva aho. Tsy manohana be fahantany fa manohana hampandroso io taranja io. Raha tsy mandray ny hevitra ny tompon'andraikitra dia anjarany izany fa dia hiteny ny lesoka lehibe aho.

Mba afaka nijery ny lalaon'ny Costa Do Sol sy ny Ajesaia aho ary mahita tsara hoe mbola aiza ny lalana lavitra dia lavitra diavin'ny malagasy amin'ny ankapobeny vao mety hahatratra ny hakitrokelin'ny any amin'ny firenenkafa isika.

Voalohany ny toetsaina, miala andraikitra ny malagasy amin'ny ankapobeny rehefa tarafina amin'ny lalaony. Deraderaina amin'ny fahaizana tranonkala (breziliana) ny malagasy nefa tsy misy dikany izany raha ny famerenambaolina ho any amin'ny fiarovana no betsaka. Misy ny olona (Sedera) izay tsy maintsy ampandalovina any aminy hatrany ny baolina. Mazava loatra fa dia tsotra kokoa ny fomba fiarovana rehefa izay no tanjon'ny mpanazatra na dia tsy mahay momba ny fanazarana aza aho.

Mivandravandra loatra manko ny fiaingana avy amin'ny vodilaharana havanana dia manavatsava (manao endrika S) mandrapahatongany ho any amin'ny lohalaharana havia. Tolotra olona 8 na 9 mihitsy aza vao tonga any amin'ny lohalaharana havia nefa tsy hitifitra mihitsy (2 ihany nandritra ny lalao iray manontolo ary tamin'ny fidirana voalohany aza). Baolina tsy tifitra velively fa 'video gag' ilay hany tokana tafiditra nandritra ny lalao.

Mitady hanatitra baolina fa tsy hitifi-baolina ny malagasy. Lesoka be taratry ny tsy fandrosoantsika Malagasy io. Ahoana ary ny tanjona apetrako izaho manokana?

Voalohany, raha manao tranonkala dia miafara amin'ny tifitra no kendrena. Tsara ametrahana tanjona hoe miaiinga amin'ny mpiandro ny tsatoby ka hatramin'ny mpitifitra dia tolotra dimy ihany raha be indrindra no manelanelana ireo. Ny fahadimy na fahaenina raha be indrindra dia manana adidy hitifitra na ho any na tsy ho any. Izany hoe na iza na iza indrindra ny mpanazatra dia mampiofana ny mpilalaony hitifitra hatrany na dia drodroka aza. Fizarana ihany izany. Zavabitika io nefa lesoka tsy ananan'ny malagasy tao anatin'ny 50 taona.

Antananarivo: Raikitra ny rotaka

2008-03-02 @ 16:50 in Spaoro

Vaovao mety tsy ampoizin'ny maro ny nisian'ny rotaka teto Antananarivo androany alahady 02 marsa 2008. Io rotaka io dia noho ny tsy nisian'ny baolina saiky hihaonan'ny Ajesaia sy ny Costa do Sol. Ny hany fantatro (satria tsy afa-mivoaka noho ny asa aho) dia ny poabasy no re ary ny tatitra no manambara fa potika tanteraka ny kianjaben'i Mahamasina. Resaka vola tokony ho averina no anton'io rotaka io. Ny tena nitrangan'ny raharaha dia tao Mahamasina. Amin'ny gazety rahampitso ho hahenoanareo ny antsipiriany fa dia fanairana ihany no ataoko eto. Misy milaza fa maro ny maratra ary misy fatiolona mihitsy saingy rehefa tsy mahita dia tsy afaka ny hitompo teny amin'izany resaka miely izany.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Martsa 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox