Tsara ho fantatra 7 momba an’i jentilisa
Mahaliana ny maro izany famoahana tsiambaratelo izany. Io araka ny fahalalako no niandohan’ity taga niely nanerana ny tontolombolongana malagasy (blaogasyfera) ity. Ny olana dia ny fivoahan’ny tsiambaratelonao tsy tianao ho fantatry ny hafa. Noho izany dia ho diso fanantenana indrindra izay mikaroka tsiambaratelo ato anatin’ity lahatsoratra ity. Tsy tsiambaratelo intsony rehefa mivoaka ho fantatry ny rehetra.
Na dia eo aza izany fandisoam-panantenana avy amiko izany dia mba manana izay momba ahy tiako ampitaina ihany aho ary eo ampikarohana ny hamenoana azy ho fito araka izay nifanarahan’ny nametraka ity taga ity tany ampiandohana.
Voalohany amin’izany ny anaram-bositra fahakely. Iray ihany ny anarambositra tadidiko nomena ahy fahakely ary ny boaikelin’ny tanàna no nametraka azy. Tsy dia hitako loatra ny handavana ilay anarambositra. RaColonel izany anarambositra izany. Tsy natao hoe Ramiaramila fa tonga dia nomena grady avy hatrany. Niely vetivety io anarambositra io araka ny fahalalako azy satria na dia mipetraka amin’ny toerana be mponina aza aho dia misy olona mahalala ahy amin’ny alalan’io anaram-bositra io hatrany amin’ny iray kilaometatra manodidina. Inona no mety ho anton’ny anarambositra?
Iray mety ho anton’izany ny fandeha: tsy mba tia mitaredretra fandeha izany aho ary tsy mba tia mivilivily ihany koa. Tsikaritry ny akama io ka dia jereny toy ny manao matso hatrany aho rehefa mandeha. Mety ho anton’izany ihany koa ny fifidianana fialamboly tiana tamin’izany fotoana. Nanao skoto aho ary tsy dia tiako loatra izany mivory tsy mitondra ny fitafiana voatokana. Azo hamarinina tamin’ny nanolorako tena hanao fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika ny fironako tamina fikambanana mitondra fitafy mifandraika amin’ny an’ny miaramila na dia afaka ny nanohy avy hatrany ny fianarana teny amin’ny ambaratonga ambony noho ny taonako aza aho.
Faharoa manaraka izany dia mihevitra ny maro ary ao anatin’izany ianareo mianakavy fa toy ny olon-drehetra tsara mihitsy aho. Manana kilema tsy hita maso mivantana anefa aho. Olona manam-pahasahiranana ara-pandrenesana aho indrindra fa amin’ny sofina havia. Fahakeliko (talohan’ny fahafolo taonako) aho dia ny sofina roa mihitsy no tsy naheno. Tamin’izany fotoana izany dia bedy hatrany aho rehefa mihaino radio satria efa madilo amin’ny ao an-trano ny feo nefa dia mbola tsy reko tsara foana hany ka nakariko hatrany ny haavom-peo.Raha misy ny olona ambadiko miantso ahy dia mety tsy ho henoko mihitsy hany ka noheverina ho mpanao bemarenina aho. Tsy fidiny ahy anefa izany.
Teo ho eo amin’ny faha-11 taonako teo aho no tratran’ny sery be ka nanisindelo matetika. Teo no nisy zavatra kely toa nipika tamin’ny sofiko havanana ka nandrenesako bebe kokoa nefa mbola tsy ampy noho fandren’ny olona amin’ny ankapobeny ihany io toe-javatra io. Efa nisy ny fivoarana saingy tsy maintsy manapa-kevitra ny handeha na hipetraka amin’ny ankavian’olona mandrakariva aho mba hanarahako tsara kokoa izay resaka mandeha. Raha izay hibitsibitsika amiko dia aleo mitondra ahy mihataka ny toerana fa ny olona hafa eo akaiky eo indray no mety hahare kokoa noho izaho. Ny nampihomehy dia mora mikoropaka aho na dia tsy mandre tsara aza.
Noho io fahasembanana io dia matanjaka be ny masoko. Mora mahatsikaritra zavatra aho ary azo lazaina ho mahiratra tokoa. Na izany aza tsy manana hery manokana hahita ao amin’ny maizina aho tsy akory.
Fahatelo manaraka izany dia betsaka ny zavatra tsy zakako: ohatra amin’izany ny akanjo “synthetique”, tsy mahazaka fofona solika ihany koa aho indrindra moa fa ny fofony ao anaty fiara fa dia midegaoba avy hatrany. Tsy ahazoako aina koa anaty fiara fitaterana ka mikatona avokoa ny fitaratra, aleoko aza tratran’ny tsio-drivotra maherihery. Be ihany koa ny zavatra iniako tsy kasihina toy ny sakay na zavatra hafa masiatsiaka, ny toaka ka anatin’izany ny labiera izay ananan’ny malagasy fiavahana aza eny fa na dia ny rano misy gaza aza dia tena tsindraindray noho ny hetaheta tsy mahita rano tsotra. Tsy mahafa-ketaheta ahy ihany koa izany ranom-boankazo izany fa na dia misotro aza aho dia tsy maintsy hitady rano tsotra hatrany koa aleoko rano tsotra avy hatrany no bobohina. Na izany aza dia sotroiko soa amantsara ny fanasan’ny Tompo. Ny zavatra tsy mety afaka amiko kosa dia ny sakafo somary bebe menaka efa dia laroiko lasary bebe vinaingitra no tena itiavako azy.
Fahaefatra, tsy afaka miafina intsony aho na tsy mahafina ahy intsony ny solon’anarana jentilisa. Efa mahafantatra ahy avokoa ny iray toeram-piasana amiko indrindra fa ireo lehibeko, efa nasehon-dry zareo ahy ankolaka izany. Heveriko ho tsy dia misy ny olana hatramin’izao satria tsy fanaoko loatra ny miresaka momba ny asako amin’ny bolongako (blaogiko). Tsy mety loatra manko izany raha eo ambany fahefan’ny hafa ary entina manavaka ihany koa fa ny zavatra ataoko na soratako dia tsy misy idiran’ny orinasa iasako mihitsy. Tsy ny ao amin’ny orinasa ihany no mahafantatra ahy fa na dia ny solontenam-panjakana aza. Anarany no niova toeram-piasana aho fa dia nisy manamboninahitra izay nitsidika tao amin’ny birao ka nitabataba ny solonanarako teo anatrehan’ny mpiara-miasa “vaovao” sy ny lehibeko: “ah! Jentilisa marina! Inona ny vaovao ry Jentilisa a?”. Mpiara-miasa (vehivavy) hafa indray no tezitra taminy ka nanao hoe:”tsy mety rangaha ny paikanao fa manaoainina olona fotsiny ianao a!”.
Manaraka izany indray, ny andiamboky vitako voalohany indrindra tadidiko dia ny gazety boky “Sekoly Alahady” misy ny tantara antsarin’ny baiboly nanomboka tamin’ny Fiandohana (Jenezy na Genesisy) ka hatramin’ny sarin-dabozia fiton’ny bokin’ny Apokalypsy ary tamin’ny teny Malagasy manontolo izany. Nandritra ny fialantsasatra lehibe tany Fianarantsoa no namitako io andiamboky nahatratra roa baoritra io. Ny andiamboky faharoa vitako indray dia ny andiantantaran’i Arsene Lupin nosoratan’i Maurice Leblanc iray manontolo. Tadidiko tsara mihitsy fa boky lehibe mahatratra 1300 pejy amin’ny endri-tsoratry ny baiboly na kelikely kokoa noho io aza no novitaiko tao anatin’ny tapabolana fa vita ho’aho. Taorian’izay dia lasa boky milaza na manambara ny olombeloona sy ny Saikolojiany sy ny toetrany, na izay rehetra manodidina ny fahaizana syny fahendrena no nahaliana ahy ka tsy latsaka amin’izany ny fanadihadiana momba ny finoana kristiana.
Farany dia sambany aho no namoaka lahatsoratra hatraty an-trano nefa dia tsoriko fa fahefak’adiny vao tafavoaka ny fametrahan-dahatsoratra ary tsy fantatro hoe haharitra hafiriana vao ho tafavoaka indray. Mba toroy hevitra aho ry zareo fa dia 9.6kilobips isantsegondra ve no mba fandraisana sy fandefasana azon’ny aterinetiko natao prepayé. Dia ho hita koa ny hevitrareo mianakavy e!Inona no tokony ho novidiako mba hoaradalana ny fahafahako mivoivoy amin'ny aterineto eto Madagasikara.
Hevitra