Fa vendrana ve ny Firantsay na dia fikirintsika mafy aza?

2008-07-31 @ 11:57 in Toekarena

Neritreritra lalina ny amin'ny fampianarana ho teny malagasy na ho teny firantsay ny zaza malagasy aho dia nahita ny tsoa-kevitra fa tsy any amin'ny teny ampianarana ny zaza velively ny olana fa any amin'ny zavatra ampianarina ny zaza Malagasy.

Fifaliana sy reharehantsika hatramin'izay ny fananana zanaka tafita amin'ny fianarana na lasa ambonimbony ihany vao mijanona nefa ny tontolon'ny asa miandry azy mampahonena. Dia raikitra amin'izay ny fiampangana ny teny ampianarana ho fototry ny olana. Dia lazaina fa hafa ny fampianarana taloha hoy ny ray aman-dreny efa antitra amin'izao fotoana izao. Ny tena maridrefy nitsapana ny fahaizana anefa tamin'izany fotoana izany dia ny fahaizana teny firantsay. Ny vitsy anisa toa anay indray dia mikikitra mafy fa nanana izay fahaizanay ihany koa izahay na dia ambanimbaniana fatratra aza ny fampianarana tamin'ny teny malagasy tamin'ny androny ary na dia tsy nety resy lahatra ihany koa aza ny mpampianatra anay tamin'izany fotoana izany.

Rehefa nifandrombahana ny ho mpiasam-panjakana ambony na ho mpifehy sy mpitantana amin'ny orinasa dia izay tena havanana amin'ny teny firantsay tokoa sy izay efa manana mpanohana mialoha. Ankehitriny aza dia mbola ampanofinofisana ny ampitsangatsangana any andafy ny mpianatra mpanala fanadinana. Nefa bebe ihany araka ny hitako tamin'ny manodidina ahy no manana izany baccalaureat nefa dia "agent de securité" sisa na "planton" no sahaza azy any amin'ny ankamaroan'ny orinasa. Dia inona izany no mahasamihafa ny nianatra sy ny tsy nianatra?

Zavatra iray nahatalanjona ny saiko mandraka ity androany ny hitako eto amin'ny tanàna misy ahy. Malaza amin'ny fisian'ny karazam-piaviana rehetra moa ny tanàna misy ahy. Ankehitriny dia feno karana sy vazaha ary indrindra indrindra ny shinoa sy ny kely maso eto amin'ny tanàna. Rehefa miresaka vazaha aloha dia tsy fantatra mihitsy izay fototr'asan-dry zalahy sy izay tena ataon-dry zalahy. Dia ny mitilitily vehivavy ihany no tena anton-dia nefa enga anie ho diso izany fanombanako izany. Rehefa miresaka karana indray dia tsy ilay mpivarotra entana Analakely tsy akory fa mpivarotra hanimasaka indray. Saiky izay daholo ny ataon-dry zalahy sy ry zavavy. Fa rehefa Shinoa indray na dia mijorojoro eo ambaravarana fotsny aza izy dia fividianam-bato avy hatrany no ao an-tsain'ny manodidina. Tsy misy soratra akory aza eo anoloan'ny trano fa mahita latabatra sy seza ary fandanjana fotsiny ianao dia fantatra avy hatrany fa hividy vato no ataony eo. Andro roa voalohany ihany izy no toa nijorojoro fa nanomboka ny andro fahatelo dia mitanjozotra avokoa ny gasy tsy ampoizina rehetra mitondra ny vatony. Izaho amin'io mivanàka fotsiny, misy aza ny fotoana fa mitety trano mihitsy na entin'ny mpanera ireo shinoa ireo hanao raharaham-bato aminy.

Teo aho dia nitodika tany amin'ny lasa indray ny saiko, Ilakaka no toa nahatongavana an-tsaina. Ilakaka manamorona ny lalam-pirenena izany hoe tena fandalovana tsy maintsy nisy fanamboaran-dalana... fa fandraofana vato nataon'ankizy no nahafantarana fa hay feno safira ity toerana ity. Dia tsy hitan'ny Firantsay tamin'ny nanamboarana ny lalana ve ny safira nikararana tamin'io toerana io? Sa tsy fantatry ny Firantsay ny lanjan'ny safira eo amin'ny tsena? Efa voatonona ao amin'ny baiboly hatry ny ela ny fisiany fa volamena ihany angamba no akora voajanahary fantatry ny Firantsay, dia izay ihany koa no niononantsika. Jerena fa feno vato i Madagasikara, vato be vidy. Iza no nahalala raha toa ka efa nandakandaka 10 000 000Ar teny an-dalana teny aho fa tsy nahalala ny sandan'ilay vato nodakadakana? Nefa iza no nampianatra antsika ny vato sy ny lanjany? raha nisy tamin'ny fotoana nianarako manontolo dia ora enina ihany angamba farafahabetsany. Ampy hahalalana inona moa izany?

Teo aho no lasa lavitra ny saiko: fa dia inona no tena nampianarina ahy sy nandaniako ny androm-pahazazana? Fianarana mba ho mpiasam-panjakana sa ho mpiasam-bazaha sa ho mpiasa fotsiny ihany? Firifiry ny olona no nahay tamin'ny fianarana nefa variana fa toa ny tsy nianatra indray no toa manam-bola sy nahay nihary kokoa noho izy ireny? Misy moa dia zavatra tsy mifandraika amin'ny fianarana norantovina mihitsy no natao rehefa miasa? Dia inona izany no mahasamihaf any nianatra sy ny tsy nianatra? Teo aho resy lahatra tanteraka fa ny zavatra nampianarina no tena olana fa tsy ny teny ampianarana velively! dia mbola hotohizana ve ny fampianarana ny taranja toa tsy misy ifandraisana amin'ny zavamisy Malagasy sy tena ampandrosoana an'i Madagasikara? Soratra nataotao foana tao anatin'ny 20 minitra ihany ity fa ho hita ihany izay fivoarany.

 

Resa-behivavy: Mihena ve ny fitiavana rehefa misy zaza?

2008-07-29 @ 21:23 in Ankapobeny

Fa angaha nihaino resa-behivavy i jentilisa no izany indray no taterina eto? Tsy resaka nifanatrehana akory izy ity fa karazana karajia ihany. Karajian'ny mpiara-miasa, karajian'ny saiky mifankafantatra avokoa saingy rehefa mifanoratra tsy afaka miresaka mivantana ry zareo fa tsy maintsy ampandalovina eo amin'ny lazaiko hoe serasera (server) ny hafatra. Ny serasera ihany no afaka manome toromarika ho an'ny rehetra miaraka, ny any amin'ny sampana rehetra any kosa, manerana an'i Madagasikara io, tsy afaka mifanoratra manokana fa tsy maintsy miangavy ny eo amin'ny serasera hampita ny hafatra.

Nahitana hevitra, vao tamin'ny faran'ity herinandro ity, anefa ny anaovan'ny rehetra karajia, sady miresaka no miasa, rehefa faran'ny herinandro iny indrindra. Ny anavahana azy eto dia vehivavy avokoa no mikarajia afa-tsy ny eo amin'ny serasera. Mampita ny hevitry ny avy any amin'ny sampana iray ho any amin'ny sampana hafa ihany no tena anjaran'ny serasera. Marihina fa ahitana ny toetra manavaka ny vehivavy ihany koa eto amin'ity mikarajia ity. Ny vehivavy afaka mitafa tsara no sady mandeha soa aman-tsara ny asa, ny lehilahy kosa tsy dia mahavita izany loatra amin'ny ankapobeny fa raha mifantoka amin'ny zavatra iray izy dia tavela kokoa ny zavatra faharoa hany ka mivandravandra eo anatrehan'ny vehivavy ny lehilahy iray manana adin-tsaina na fifaliana ao anatiny ao. Ny lehilahy kosa tsy mba mahamarika loatra izay manjò ny vehivavy eo akakiny afa-tsy raha hoe efa mifankazatra tsara nandritra ny fotoana elaela angaha ry zareo.

Mba ialana amin'ny fifanebahana anefa dia tsy misy anaran'ny mpandefa na ny solon'anarany ny mesazy tsirairay amin'ny karajia ifanaovan'izy ireo. Ny eo amin'ny serasera ihany no mahafantatra izay nandefa ny hafatra iray. Ny lohahevitra ary dia io efa voasoratra amin'ny lohateny io: Mihena ve ny fitiavana rehefa misy zaza? Marihina fa noho ny hafatra tsy maintsy afindra tanana (Ctrl+C sy Ctrl V avy eo) dia mety hisy fifandisoana madinidinika ny filaharan'ny fahatongavan'ny hafatra tsirairay. Faharoa manaraka izany, tsy maintsy ataoko teny ara-pitsipika avokoa ny teny rehetra izay lasa nohafohezina araka ny fomban'ny SMS. Mba entintsika itarafana ny vehivavy tsy mahalala ny karajian'ny namana serasera ihany koa ity resaka mifampita eto ambany ity:
Mitombona satria variana amin'ilay zaza//
Misy ny tsy mahavaha tena intsony ny vehivavy fa any amin'ilay zaza no andanianandro//
Misy ny mampitombina azy nefa azo ialana//
Tsy mitombina satria variana kely amin'ilay zaza ny vehivavy fa avy eo miverina ihany//
Mizara roa fotsiny//
Tsia,lainga izany//
Manokàna fotoana mba ho anareo 2 tahaka ny tsy mbola nisy zaza eee//
Mba anokanana fotoana ho an'ilay vady ohatra miaraka misakafo any amin'ny restaurant dia ianareo mitsama ihany eee tsy misy zaza io//
Hatry ny izay taloha foana re eee//
Aleo variana amin'ny zaza toy izay variana amin'ny ray maditra eee//( resaka lehilahy maditra manko no lohahevitra nialoha ity)
Inona no atao mba tsy hihena mihitsy ny fitiavana?
Tsy voatery mankany amin'ny resto fa na ao an-trano ihany aza//
Mifandamoro kely rehefa dôdô ny zaza eee//
Tsy ahena ny an'i dada fa atao ohatry ny taloha ihany//
Ilay cheri cheri ezahana mba ho misy foana eee//
ZAY DADA BE EEEEEE//TOKONY vao MAika MITOMBO ANIE NY FITIAVANA REFA MISy ZAZA//
Na miady aza ampihavanin'ny zazakely foana//
Mba manokàna fotoana sy fihetsika vaovao ho azy ianao, surprise eee//
atao izay iarahana matetika tsisy zaza: spectacle, resto, sns//
Ny lehilahy no tena mihena fitiavana satria mihamalalaka izany HONO ny vadiny//
 ha ha ha ha  tsy marina zany eee//
Aza mampihomehy eee//Elastique leitsy io a (misy ho'aho mihevitra foana fa izaho no mandefa  ilay hevitra taingina)//
Mba manova fihetsika kely isika fa tsy variana amin'ny zaza foana ka//
zay mintsy eee// ka io ange tsy hoe halalaka foana fa amin'ny voalohany ihany//
Fa inona amin'ny vadiny no mihamalalaka? Tsy azoko mihitsy ilay resaka eee//
Efa hita fa elasitika//tairo lanja basin'ny anglisy rangaha izy a!aiza ny tsy ho tamana eo//
 aza mody fanina kosa aloha eee//
Nataoko ihany ny tsy hiteny fa sao hiteniteny foana ianareo ireo (tsy nanoratra tokoa izy raha tsy teto)//
Essaie aussi d'être plus tendre qu'avant (tsy afa-miala fa nataony teny firantsay)//
Ka tsy efa nisara-bady izany ireny maro anaka ireny? hihihi//
Ianao no tena mampihomehy, ny sainy indray ve no hihamalalaka rehefa avy teraka?
ianao manontany io ve 12 ans raha tsy mahadiso fa toa tsy maharaka mihitsy eee?
(voatery nanoratra aho teto,lasa moderatera)aza fady eeeee//aza mifanebaka aloha fa manjary mivadika ny resaka eee//
NY fony eee//
Izaho ry reto mba mihantahanta kely amin'n'i dada dia mihatsara foana eee//
sao de olona mbola tsy niteraka io namaly io asaivo miteraka izy aloha dia fantany izay malalaka//
tsss, iny ary ve vao maika mampifankatia be tsy mbola nisy ohatran'izany eee// hihihihihieeeee//
Kolokoloina ilay fitiavana dia milay foana eee//
ny hikolokoloana azy ary eee//
Misy ny sasany toa tsy mahazomihantahanta koa//
Na mba miresaka kely ny taloha rehefa mba misakafo iny e mety anie zany e//
Tsy mampiasa zaza tsy ampy taona akia ny (orinasa) a!
Ny fiainan'ny vazaha anie mba misy azo ianarana ihany eee//
Ny fahaizanao mitia ny zanakao sy ny vadinao ihany io eee//
Karakarao tsary izy ireo dia milamina io eee, manomàna fialantsasatra//
ny  tsy  hisian'ny ady eee//
milay be ilay valinteny farany teo samy tina daholo//
raha tsy azo ihantana ary izy de ianao ihany no mahay izay hahafaly azy de milay fona amin'izay e//
Ny ady tsy maintsy misy raha mbola mpivady ny anaranareo//
Tsy adinoina ny BISOUS/ CHERI  SNS  ....//
ahoana ilay hoe fiainan'ny vazaha?
Ny asa atao fa tsiiiiiy//

Ary dia tapaka hatreo ny resaka, tsy nety nitohy intsony tamin'iny andro iny. Azonareo tohizana fa aleo ihany tsy mihoa-pefy. Variana aho, mbola misy ihany ny vehivavy efa manana dipilaoma mbola tsy mahalala ihany ny toe-tenany ka tsy atao mahagaga raha mbola be koa ny lehilahy diso eritreritra.Tsy manana ny halakin'ny karajia ireo resaka rehetra ireo fa mifanelanelana atsasa-minitra eo ho eo ny haingana indrindra. Marihina ihany fa samy mahavita ny asany ara-dalàna avokoa ireo mpikarajia rehetra ireo.
 

 

Fatiantoka lehibe ho an'ny Firenena ny vatsim-pianaran'ny Filoha Ravalomanana

2008-07-27 @ 19:58 in Kolontsaina

Hiditra tsikelikely amin'ny andian-dahatsoratra momba ny fampianarana aho ka hiainga amin'ity resaka vatsim-pianarana ity. Tsy ilay fandre fa ilay nankalazaina vao tsy ela akory izay. Ireo mpianatra nivoaka tany Etazonia tiana ho reharehan'ny mpitondra fanjakana. ABU na Abilene Christian University any Texas USA ny anaran'ny sekoly, Dipilaoma mitovy lenta amin'ny Maitrise izay ananan'ny mpianatra Malagasy anarivony maro dia maro nivoaka teto an-toerana ihany, fa tsy doctorat mba vitsy mpanana kokoa, nefa dia nandanian'ny fanjakana vola be tsy hita noanoa. Mety nahavotra mpianatra andeha mody atao hoe anjatony ihany izany... saingy izy angaha no tompon'ny fanapahan-kevitra! Ny mampahonena dia mikasa ny handefa mpianatra hafa indray ny fitondram-panjakana amin'izao fotoana izao.

Faharoa manaraka izany, vao nahita ny tany andafy ny ankizy dia miezaka ny hiverina any na dia tsy maintsy miserana kely eto amin'ny tanàna aseho vahoaka aza... fa hiserana fotsiny. Taratra sahady fa tsy hijanona eto Madagasikara mihitsy ireo mpianatra nandaniam-bola manokana ireo. Efa voalaza an-gazety sahady fa hiverina hitodi-doha hiasa any Etazonia sahady ny mpianatra lazaina fa nahay indrindra tamin'izy ireo amin'ny volana nôvambira ho avy io. Nahoana no niantohana vatsim-pianarana izy ireo, ary ny fitondram-panjakana malagasy no niantoka azy raha tsy hiasa eto madagasikara akory? sa mbola mitohy ihany gaboraraka tamin'ny repobilika faharoa izay nampanaovina taratasy ny mpianatra hiasa folo taona eto Madagasikara raha kely indrindra, nefa dia tsy misy manatanteraka izany afa-tsy izay tena misafidy ny hijanona eto sy ny tsy afa-manoatra na dia te-hiasa any ivelany mafy aza? Fandaniam-bola hangalaran'ny olona ny manampahaizana eto an-toerana fotsiny. Raha mpianatra nianto-tena na niantohan'ny ray aman-dreniny dia zavatra hafa indray satria izay no nokendren'ny ray aman-dreniny ho azy fa raha iantohan'ny fanjakana kosa tsy rariny amiko fa karazana fanodikodinam-bola ankolaka ihany. Hevitro ihany izany fa asa ianao raha hitovy hevitra amiko na tsia.

Tsy ho hitanao ao amin'ny Viva TV sy...

2008-07-26 @ 07:15 in Andavanandro

Ataoko fa efa fantatry ny rehetra ny fodiamandrin'ny ngezalahin'ny politika malagasy iray, Atoa Herizo Razafimahaleo, omaly Zoma maraina. Tsy dia fahafatesana tampoka akory io fa efa tsy salama ihany ny lehilahy nanditra ny roa volana farany niainany, araka ny loharanom-baovao iray azoko. Toa manamarina ity loharanombaovao ity ny filazan'ny vaovaon'ny TVplus nandritra ny invité de zoma omaly, fa efa indroa nasaina ny lehilahy saingy tsy afaka  hatrany tamin'ny volana jona. Nisy, araka ilay loharanom-baovao ihany, ny fotoana saika hodiovim-boa izy saingy noho ny fahasorenana tampoka nianjady taminy dia tsy azo notanterahina izany.

Andro maromaro taty aoriana indray dia tsy nahatsiaro tena tampoka izy ka voatery nampidirina tao amin'ny Espace Medicale, rehefa nihombo ny aretina dia nentina teny amin'ny Polyclinique Ilafy indray izy ary tany no tsy tana intsony ny ainy. Amin'ny alatsinainy izao araka ny re no entina midina any Ambositra ny nofony ary amin'ny alarobia kosa vao halevina. Araka ny fijeriko azy, ny mahatonga io fotoana somary taraiky io dia ho fiandrasana ireo havana aman-tsakaiza any ampitan-dranomasina. Nisy moa ny niteny hoe io izany no nolazain'ny mpahita tamin'ny volana janoary hoe hisy mpanao politika iray lehibe hodimandry amin'ity taona ity, nihevitra ny olona raha vao nahita ny lohateny lehibe fa ny goaika antitra efa nanana ny anjara toerany lehibe teo amin'ny fitondram-panjakana, aleo tsy milaza anarana sao lazaina fa manozona, izany lazain'ny mpahita izany kanjo... na izany na tsy izany dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany ny tenako.

Fa zavatra hafa tsy mifandraika amin'iny fodiamandry iny velively ary nanaovana ny lohateny rahateo dia ny olana nitranga omaly folakandro tetsy Soarano. Efa nolazaiko ihany tamin'ny alahady teo (Vavaka manova zavatra) ny fandraofan'ny mpiasan'ny Kaominina ny entan'ny mpivarotra amoron-dalana. Rehefa misy ny tahaka izany dia ny mpiasan'ny Kaominina no manenjika ny mpivarotra. Tamin'ity indray mitoraka ity dia nivadika ny rasa, ny mpivarotra indray no manenjika ny mpiasan'ny Kaominina ary izay tratrany dia voadaroka. Voatery nandositra niafina tao amin'ny Boriborintany (Firaisana io fa tsy paositry ny polisy) voalohany ho fiarovany ny ainy ireo mpiasan'ny Kaominina ireo. Horakoraka ny an'ny mpivarotra amorondalana tamin'io fotoana io. Voatery nambenan'ny polisy kaominaly nandritra ny atsasakadiny teo ho eo ny Biraon'ny Firaisam-pokontany mandra-piparitak'ireo nanenjika ny  mpiasan'ny Kaominina.

Inona moa no nahatonga ny toe-draharaha nampitroatra ireo mpivarotra amorondalana ireo? Atao hoe manararao-pahefana sady mangalatra ry zalahy rehefa mandraoka entana, araka ny filazan'ny mpivarotra amoron-dalana. Amin'ny fotoana tsotra rehefa tsy miserana eny ho eny ny delegen'ny Ben'ny tanàna dia hakan-dry zalahy 500Ar ireo mpivarotra ireo (araka ny filazan'ny mpivarotra izany) dia avelany mivarotra. Rehefa misy tompon'andraikitra miserana anefa dia raikitra amin'izay ny fandraofan'entana. Izay noraofina anefa dia tsy misy tafaverina intsony (fa ifampizaran-dry zalahy angamba) na dia manaiky ny handoa sazy aza ny mpivarotra.

Tahaka ny ahoana moa izany sazy izany? Rehefa te-haka ny entana voaraoka dia mandoa vola 10 000Ar amin'ny fahatrarana voalohany, 20 000Ar raha tratra fanindroany ary 30 000Ar raha tratra fanintelony. Vola ihany izany ho an'ny olona sahirana, vonona ny handoa ry zareo saingy ny entana no tsy hita nanjavonana intsony avy eo. Mijoro ho azy avy eo ny fanoherana. Amin'ity tranga ity moa dia manahirana ihany, mandreraka dia mandreraka ny voasakatsakan-dalana voatery midina an-dalana, lasa tsy matahotra fiara intsony, noho ny ataon-dry zareo; fa tsy mety ihany koa ny mangalatra ankitsirano manala baraka ny Ben'ny tanàna, ataon'ny sasany tia kely.

CUA: ezaka fanatsarana na misy aza ny lesoka

2008-07-24 @ 12:32 in Andavanandro

Tsy azo atao ny manao ambany maso tsy hita ka minia mikimpy eo anatrehan'ny ezaka ataon'ny mpitantana ny tanànan'Antananarivo ankehitriny. Ezahina manko amin'izao fotoana izao ny hanaovana tara ny morondalana ratsy voatra tamin'ny farany ka lasa nampiseho ny tany mena ka toy ireny hoe any ambanivohitra ireny ny tany itsahina. Toy izany koa ny nandrakofana tara ny tsenan'ny Pochard. Izay fitaovana tonga nolazain'ny gazety any no tsy fantatro aloha fa izay zavatra natao izay aloha no hitako. Angaha vitan'izany ihany, any amin'ny fandaminana koa dia taratra ny ezaka hamitana haingana ny raharahan'olona.

Nanan-javatra natao tampoka manko aho tao amin'ny Boriborintany voalohany etsy Soarano. Vao tafiditra ny lalantsara aho hiankavia dia gaga fa lasa efitrano iray lehibe tsy misy efitrefitra no novantanina. Ireo birao maro no milahatra mandray ny olona. Tamin'ny sivy ora sy sasany mahery aho no nandalo tao, tsy dia nahita filaharana loatra intsony aho. Ny birao tsirairay fotsiny no misy afisy manambara ny zavatra ataony. Dia nokarohiko izay nataoko, hitako avy hatrany. Dia noraisina ny taratasy, nasaina nankeo amin'ny fandoavambola eo akaikikaiky eo ihany, nandoa ny vola dia nafindra toerana farany miandry fiantsoana ny laharana. 30 segondra raha nisy dia efa voantso sahady ny anarana fa dia vita ny raharaha natao. Izaho indray no gaga hoe vita sahady ve? Tena tsara tokoa aloha izany.

Ny olana kely, teo amin'ny fandoavana vola (100Ar) dia tsy nisy tapakila fanamarinana. Noho ilay izy 100Ar ve ka manjary fandaniana taratasy fotsiny. Ny namako iray nitovy zavatra atao tamiko anefa dia nandoa 200Ar. Gaga aho tamin'iny ka manao hoe efa misy sanda raikitra isaky ny raharaha ve sa araka ny olona mitondra ny taratasy ilay izy. Samy tsy nisy tapakila fanamarinana io ka tsara jeren'ny Ben'ny tanàna na izay tompon'andraikitra mahefa io tranga io.

Manaraka izany dia momba ity olan'ny fitaterana mankany Moramanga ity. Rehefa dinihina dia ilay koperativa iray tokoa no tian'ny olona fa tsy misy te-handeha amin'ny hafa ry zareo. Vao tonga ny Kompima dia ifandrombahana fatratra raha vao hiditra ny gara fandraisana azy. Nosazian'ny mpitandro ny filaminana avy hatrany nefa ny olona no nanakana sy nifandrombaka niditra tsy nahafahan'ny saofera nihetsika. Enga anie mba ho hitan'ny mpiandraikitra ny tanàna ihany koa io olana io satria tsy nanaonao foana ny olona raha mifandrombaka amin'io fitaterana iray io. Io ihany manko no tena mikojakoja ny fiarany sy mahay mifanampy eny an-dalàna raha sanatria misy tsy fetezana eny an-dalana.

 

sarintavako

2008-07-22 @ 14:38 in Ankapobeny

Fa atao inona tokoa moa ilay sarintava raha tsy amoahana ny sarin'ny tava? Tsy mety mahazatra ny Malagasy loatra ny mampiseho ny sariny. Tia miafina ve sa fantatra ny tsininy sy ny lesoka aminy rehefa miseho endrika izy? Aleo rangahy avoakoako ny sarintavako a! Izay alehany alehany!

Naka sary aho dia natongilako ilay sary dia nalaiko sary indray ilay sary efa nalaina teo. Inona koa izao no dikan'izany? manala azy e! fa manala azy amim-pahamatorana. Nahoana moa no ry hery sy ry Tokinao ihany no hita endrika? aleo izahay mba hanaraka azy ireo e! mba misy zavatra tiana apetraka ihany koa. Tsy hiteniteny foana rehefa manoratra fa mandray andraikitra amin'izay soratana. Izay efa nahita ahy tamin'ny fiainana andavanandro dia hanaiky fa izaho tokoa io.Tsia! tsy izaho io fa ny sariko ihany. Heveriko fa mariky ny fahamatorana kokoa amin'izay soratana no antony namoahako ny sarintavako. Tsy hiteniteny foana rehefa mamoaka vaovao fa hamakafaka tsara.

Mety ho fiheverana manjaka amin'ny Malagasy ny mamoaka hevitra amin'itony serasera itony amim-piafenana, nefa rehefa tena zohin'ny mpitsikilo ny misy anao hitany foana. Koa raha ho fantatra ihany aleo fantatry ny rehetra toy izay fantatry ny vitsy mikaroka ny momba anao ka raha sanatria misy ny manjò anao tsy fantany akory hoe ianao anie ilay be tabataba any amin'ny serasera any. Fa izaho kosa aloha tsy mampirisika anao hamoaka ny sarintavanao e! safidinao ihany izany fa sao dia lazaina fa i jentilisa indray no nampijabaka, aza fady!

Vavaka manova zavatra (Misy hatsikana)

2008-07-20 @ 13:06 in Finoana

Alahady indray ny andro. Androm-pivavahana ho an'ny kristiana mahatsiaro ny andro alahady nitsanganan'i Jesoa Kristy avy amin'ny fahafatesana. Nandreseny ny fasana araka ny fiteny kristiana. Mba hitantara zavatra mifandraika amin'ny fivavahana aho amin'ity andro ity.

Tapa-bolana katroka izay dia izaho irery no tao an-trano. Lasa any amin'ny farintany avokoa ny fianakaviana rehetra. Izaho sisa karazany niambin-trano noho ny asa - miasa na dia alahady aza - miandry ny tolakandro. Raikitra indray ny hira tsinjatsinjaky ny trano somary ampitanay izay. Izaho amin'io mba te-hihaino hiram-panahy sy hiram-bavaka. Mazava loatra fa sorena aho. Isan'andro izao ny azy tsy mitsahatra mihitsy. Tahaka ny hoe izy irery no manana maneno. Izao amin'izay, hoy aho ny fotoana fanararaotra hanaovana izay nokasaiko hatry ny ela. Nalaiko ny radiô. Nataoko teo an-tokontany dia nokarohiko amin'izay ny maridrefy mandefa hiram-pivavahana fotsiny. MRE (Les Messagers Radio Evangelique) no nisy nifampitohy sady tsy nisy resaka firy. Nalefako mafy amin'izay. Izany hoe samy mitatatata izany ny anay roa tonta. Efa ela no niandrasako fotoana tahaka izao ka faly aho nanatontosa azy.

Nahagaga tamin'io fotoana io fa tena araka ny karazany tokoa ny hiram-pivavahana nandeha ary izay hira nandeha tery ampita toa vasoka hatrany raha miohatra noho izay nalefako. Nivoaka ireo ankizy tery ampita dia toa nivezivezy teo anoloan'ny trano teo. Te-hihaino ny hira nalefako ve? Nandeha amin'izay ilay hiram-pifohazana avy any Manolotrony mitondra ny lohateny hoe "Vavaka manova zavatra" iny. Ny ngadon'ny hiram-pifohazana sy ny hira zafindraony moa somary be itovizana izay nefa nahafinaritra io karazan-kira io. Atsasak'adiny na adiny iray latsaka fahefany teo ho eo no nifaninana hira izahay fa nahenany tsimoramora ny feo. Araka ny nampihenany ny azy no nampihenako ny feon'ny radioko ihany koa. Farany, tonga eo amin'ny tsy manorisory intsony ilay feo avy any. Nampidiriko ny radioko dia nalefako araka ny tokony ho izy ihany koa. Nanomboka tamin'io fotoana io (tapabolana izay) dia tsy nitabataba loatra intsony ny radion'io trano fivarotana nampiaiky ny manodidina io ny tabataban-kirany efa telo taona teo ho eo izao.

Hafa indray, matetika moa no mifanenjika ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo sy ny mpivarotra amoron-dalana. Ny mahatsikaiky dia mandraoka tokoa ry zalahy rehefa mandraoka entana izay, any anaty fiarabe avy hatrany avokoa fa ny an'ny mpivarotra baiboly ihany no tsy misy mikitika mihitsy. Manaja fivavahana angaha ry zalahy ka tsy sahy mikitika ireny mpivarotra baiboly ireny.

Farany, malaza dia malaza moa ny hiran'i Tsiliva mitondra ny lohateny hoe "oui, oui" iny. Misy ilay Jesoa manao karate amin'ny devoly iny. Tao amin'ny sekolim-pinoana iray teto Antananarivo no nisy boaikely roalahy nanao sarin'ady ka nampitangorina ny ankizy sy nampitabataba azy. Taitra ny surveillant ka lasa nankeny amin'ny ankizy hanasaraka sy haka azy ireo ho any amin'ny birao. Vantany vao tonga teny amin'ny ankizy anefa izy dia niala haingana izy roalahy nanao sarin'ady teo dia nitangorona nanodidina ilay surveillant dia nihorakorahan'ny ankizy sy nitehafany hoe "Jesosy, Jesosy" toy ilay amin'ny lahatsarin'i Tsiliva iny indrindra. Be volombava manko ranamana ka ataon'ny ankizy fa Rajesosy. Nampanantsoin'ny surveillant daholo ny ray aman-drenin'ny mpianatra rehetra...

Madagasikara: Vola sandoka manantsanda (be valera)

2008-07-19 @ 08:10 in Toekarena

Asa ianareo raha mahatsikaritra fa mbola manan-tsanda ihany (izany hoe misy valerany e!) ihany ny vola sandoka eto Madagasikara ary mino aho fa mbola betsaka noho ny dôlara tena izy Zimbaboeana ny sandan'ny vola sandoka ariary Malagasy.

Izao manko, any ambanivohitra lavitra any no tena fanakalozan-dry zalahy vola ariary sandoka amin'ny vola tena izy, mahazo ny atsasaky ny tena sanda ny vola sandoka rehefa voatakalo any ary indraindray mahatratra ny sanda mitovy mihitsy rehefa amin'ilay harivariva mahafitaka ny tsy mitandrina iny, na amin'ny fotoana mampikoropaka ny mpivarotra iny.

Fa ny tena manome sanda ambony ny vola sandoka malagasy dia ny mpanao gazety malagasy ihany. Miala tsiny raha mamely fantsy ny mpanao gazety amin'ity indray mitoraka ity satria fanitsiana fahazaran-dratsy ihany ity. Rehefa tratra manko ireny mitondra sy mampiasa vola sandoka ireny ka mitatitra ny mpanao gazety malagasy dia ilay sanda sandoka (tsy izy akory) no tena abaribary, vola sandoka 1.000.000 ariary no tratra tany amin-dranona... Vola sandoka ve dia hanana sanda sady amin'izay 1.000.000 ariary be izao? Azo ividianana inona io vola sandoka lazaina fa 1.000.000 ariary io? Fahitalavitra sa solosaina? Mba eritrereto ihany.Efa nahagaga ahy hatry ny ela manko io fanomezana sanda vola sandoka eto Madagasikara io ary efa tiako ahitsy fa tsy tadidy hahatery ahy hanoratra raha tsy nahatsikaritra ny fitateran'ny vahiny ny vaovao rehefa nisy nahatrarana vola sandoka. Ilay noeritreretiko mihitsy manko no nilazany azy: Ravi-taratasy 1000 natao vola sandoka no tratra tany amin-dranona... ary tsy nilaza sanda mihitsy izy satria taratasy tsotra nanaovana hosoka ihany no sandany. Marina fa tsy mandeha ny tsena raha tsy misy ny fanaitairana kely nefa anisan'ny filazana lainga ihany amiko raha omena sanda tsy azy akory ny vola sandoka. Sa tsy mety ny eritreritro?

Resaka vola ihany isika eto ka manararaotra kely hilaza ny amin'ity resaka lazaina fa fananganana ny sampan-draharaha miady amin'ny famotsiambola notokanana omaly ity aho (Samifin). Ny rehetra kosa hatramin'ny fitondram-panjakana no toroako eto. Araka ny hita moa dia ny tranon'i Sophie Ratsiraka, na nipetrahan'ny fianakaviana Ratsiraka, tao Faravohitra no misy ity sampan-draharaha vaovao ity. Filazana tsotra ny ahy fa tsy fantatro manko io na an'ny fanjakana na efa novidian'ny fianakaviana Ratsiraka. Aleo an'ny mpanadihady katraka no manao izay hamantarana ny tena tompon'ny trano.

Araka ny fahalalako manko dia eto Madagasikara no be vola maloto indrindra manerantany ka mila diovina maika ary beazina hanaja ny vola tsy ho simba sy haloto ny Malagasy. Tokony hisy lalàna mipetraka manafay izay tratra mandoto sy manimba ny vola malagasy mihitsy aza. Tsy io resaka vola simba sy maloto io tsy akory no tsy tian-dRavalomanana Marc, Filoham-pirenena Malagasy, iadiana ny famotsiana azy fa vola tsara tarehy sy madio nefa lazaina ho maloto noho ny teny frantsay manambara azy ho "argent sale" ka ilaina atao "blanchiment". Hita kosa eto ny fahasamihafan'ny kolontsaina frantsay lasa tahafin'ny teny malagasy nefa tsy mifanaraka fisaina sy fitenenana ary mahazatra malagasy.

Raha ny fomba fiteny mahazatra ny manampahaizana sy ny manampahefana Malagasy manko heverina dia toa vao maika hampirisika sarambambe malagasy hanimba sy handoto ny vola malagasy ny fomba filazana azy amin'ny teny Malagasy. Raha ny tokony ho fiteny sy izarana ny Malagasy rehetra dia ny fitenenana azy ho toy ny hoe fampiverenana ny vola azo tamin'ny tsy rariny sy tsy ara-dalàna (rongony, fanerena olona hivarotena, fivarotana olona,fitaovam-piadiana...) ho amin'ny tsenam-bola manara-penitra amin'ny fomba hafa. Lava tena lava izany filazana izany, azo atao fifaninanana ny itadiavana ny teny sy fomba filaza fohy, nefa tsy maintsy atao mba tsy hampifandiso ny fisainan'ny be sy ny maro mety tsy hahatakatra ity fomba vaovao manerantany ity. Fa angaha ity vola malagasy ity tadiavina hitoetra eny an-tsena mandrakariva e!

Valala mpiandry fasana

2008-07-17 @ 21:01 in Ankapobeny

Ataoko fa mazavazava avy hatrany izay tian-kambara raha izany teny izany no atsidika. Ilazana ireo olona mbola monina eny ambanivohitra, hitanao mandrakariva rehefa misy ny fotoan-dehibe na fotoana tsy azo ihodivirana. Tsy maintsy nankany ambanivohitra ny tena noho ny fodiamandrin'i Bebe ny alarobia teo.

Ny talata maraina izy no maty tany Antsirabe. Ny alarobia dia nentina avy hatrany taty "Imerina" hoy ny fitenin'itpkl dadabe izay rehefa manondro ny any Ambanivohitra izy mba hasitrika. Efa 90 taona latsaka i Dadabe no nody taona maromaro lasa izay ary 92 taona kosa i bebe izao nody izao. Olona efa voky andro avokoa.

Noho ny fihavanana mafy dia mafy teo amin'ny Ntaolo, na dia lavitra kokoa noho i Soamonina aza i Ambohitsararay Zafimbazaha Dilambato raha avy eo amin'ny tanindrazana misy anay dia niaraka tamin'Ambohitsararay izahay. Noho ny tsy fifankahazoana sady fitadiavan'ny sasany hibodo sy haka na farafaharatsiny tadiaviny hizara ny taninay kosa, nefa ny azy tsy tiany hokitiana raha tena hizara ny tany tokoa, dia lasa nisintaka tamin'io tanàna io izahay, noho ny fanapahan-kevitry dada araka ny fahalalako azy, ka any amin'ny fokontanin'i Soamonina indray no maka ny hetrantany. Tsy fantatro intsony raha mbola Zafimbazaha izahay amin'izany na tsy izy intsony. Ambohitsararay manko no atsinanana indrindra amin'ny faritry Zafimbazaha Dilambato araka ny fahalalako azy. Ny taratasy fampandrenesana anefa tsy mametraka intsony ny fokontanin'Ambohitsararay fa fokontanin'i Soamonina ho ao anaty lisitra.

Fa izany eo ihany, ny resaka Valala mpiandry fasana no tena tiako ambara. Ireo mamoha sy manidy ny fasana amin'ny fotoana tahaka itony. Na mino ny fombany ianao na tsy mino ny fombany rehefa mila azy dia arahina iny aloha. Ilay fomba na tsy ankasitrahana aza dia atao ihany noho ry zalahy. Tsy mahavita na inona na inona izy rehefa tsy misy ilay gasilahy... rehefa tsy hangady sy hamoha ilay varavarambato telo sosona ianao...ividiano izy. Alina foana eo ny andro na hanaraina akory aza fa tsy nisy zavabanona eo raha tsy misy io.

Ho sarotra anefa ny fihavanana raha toa mandingana ireo olona ireo fotsiny amin'izao ianao. Izay no mahatsara kokoa ho an'ny fiangonana tsy te-hanaraka izay fombafomba, mbola matanjaka dia matanjaka eo amin'ny Malagasy izay rehefa raharaham-paty no resahina, aleo manao fasana hafa mitokana mihitsy sady tsy maka ireo valala mpiandry fasana ireo. Adalanao raha toa ka mila ireo valala mpiandry fasana ireo ianao nefa tsy hanaiky hanome azy ny gasilahiny. Izay no mampamerina ahy mandrakariva izay kasaiko handorana ahy raha toa ka tonga koa ny andro hodiana. Tsy mila loatra ireo zavatra raiki-tapisaka amin'ny Malagasy ireo sady mandrava ihany koa ny mety hamadihana ny vovoko. Hajaiko ny azy nefa manana ny ahy koa aho.

Ny mety ho antom-pandroahana ny masoivoho frantsay eto Madagasikara

2008-07-14 @ 20:05 in Politika

Nanaitra tokoa ny nahita sy nandre ny kabarin'ny masoivoho frantsay nandritra ny lanonam-pankalazana ny fetim-pirenena frantsay androany. Tsy avelan'ny filohan'ny Repobilikan'i Madagasikara hanohy ny asa ananendren'ny filoha Frantsay ahy intsony aho. Raha ny fahafantarako azy tsy ho tonga hatrany amin'ny fanafohezana ny fotoam-piasan'ny masoivoho ny fanapahan-kevitry ny filoha raha tsy nisy zavatra goavana manahirana any ambadika any (zavatra mpitranga ihany izany indraindray). Eo amin'ny resaka dipilaomatika anefa dia azo atao tsara ny tsy milaza izay antony amin'ny sarambabem-bahoaka. Dimy volana monja izany no niasany teto Madagasikara raha roa taona mahery kosa ny an'ny teo alohany! telo taona anefa amin'ny ankapobeny ny fotoam-piasana manara-penitra araka ny fahalalako kely ity.

Lazaina amin'ny ankapobeny fa tsy olana eo amin'ny firenena sy firenena izao toe-javatra izao fa olana eo amina olona. Raha indroa misesy kosa (ny fahatelo tadidiko dia ilay masoivoho vavy fa teo alohan'ny teo aloha moa izy iny?) mampieritreritra ihany.Efa nanana ny lazany ihany izany filoha malagasy tsy mahazoazo loatra ny Frantsay izany ka manao fanahy iniana mirona kokoa amin'ny Rainiboto. Saina te-hiseho ve fa tsy mifampitambitamby amina firenena nanjanaka teo aloha?

Zavatra iray tsara marihina aloha, nihaino ny fampielezam-peo frantsay re manerana izao tontolo izao aho, ary milaza fa mpihaino azy saiky isan'andro mihitsy, fantatra fa nomen'ny filoha frantsay baiko ny masoivohony rehetra fa atao araka izay azo atao ny fitsitsiana. Maro noho izany ny zavatra fanao tany amin'ny faritra hafa tany no nofoanana fotsiny izao. Ny antsika eto Madagasikara anefa dia ireny hitantsika amin'ny gazety ireny fa asiana fandihizam-bahoaka ity fety ity... tahaka ireny hoe fetim-bahoaka mihitsy ilay fetim-pirenena frantsay (sao dia izay no nahaletra ny filoham-pirenena malagasy). Manaraka izany tsy nisy filazana ity fandehanan'ny masoivoho frantsay ity io radio frantsay efa diso fantatra io. Tsy fahasahiana hiteny ve sa efa mahalala ny antony ka aleo mangina sa miandry ny fotoanany ny zava-drehetra?

Kisendrasendra ihany koa ve? Vao nandika lahatsoratra tao amin'ny Globalvoices Online mihitsy aho androany ka zava-nisy teto madagasikara no nolazainy. Fitakiam-pamotsorankeloka any amin'ny filoham-pirenena sy ny Minisitry ny fitsarana ary fikambanana frantsay milaza ho sakaizan'ny vahoaka afrikana no nitondra izany tany. Mety ho antony iray nahatezitra ny filoha ihany koa ve? Tombatombana tsy voatery ho marina saingy raha amin'ny fomba fihevitra dia toy ny fametrahan-toerana ho mpitondra maoraly amin'ny mpitondra afrikana... ny filazana hoe sakaizan'ny vahoaka afrikana manko dia nampitamberina ny tamin'ny taona 2002 sy 2003. Raha nanao fiarahabana ny fetim-pirenena malagasy ny mpitondra frantsay tamin'izany fotoana izany dia tsy nivantana tamin'ny mpitondra solontenan'ny firenena malagasy mihitsy ny arahaba fa tany amin'ny vahoaka malagasy. Toy ny natao hifandona na hifanandrina ny vahoaka sy ny mpitondra amin'izany hafatra izany. Tantara niainana izany ka tsaroana tsara mihitsy. Koa raha manonontena ho sakaizan'ny vahoaka afrikana...noho ny tantara efa niainana...dia lasa mieritreritra koa etsy ankilany hoe fa mpanohitra ny mpitondra afrikana ve? tsy hiteny mihitsy aho hoe jadona sa tsia ilay mpitondra resahina fa lasa ahafa ihany ny eritreritra.

Tombatombana izany fa mahagaga ho'aho fa rehefa mieritreritra hamoaka lahatsoratra heveriko ho matotra aho (resaka fanagasiana ohatra) dia tsy mety tafavoako ilay izy noho ny fanahiana tsy hanam-potoana ho amin'izany ka izay no nahatonga ahy tsy nanoratra fotoana elaela izay. Ankehitriny nanery tena fotsiny hamoaka ity lahatsoratra ity fa raha hiandry izay tian-kosoratana rehetra toa lany andro am-pisainana fotsiny.

O ry jirama o! Mitombo izany vidinjiro izany aloako izany

2008-07-05 @ 09:11 in Toekarena

Marina fa misy vitsivitsy ihany ny mpiara-miasa amiko namako no miasa ao amin'ny Jirama. Tsy mikendry azy ireny aho na hanafintohina azy ireny velively. Efa nambara ombieny ombieny fa nahantona ny fampakarana ny vidinjiro saiky natao na hatao. Gaga anefa aho fa nitombo be ihany ny vola naloako. Inona ny antony?

Iray volana izany no nandrenesantsika fa nisy fitokonana nataon'ireo mpandray ny marikisan' ny jiro sy ny rano any an-tokantranon'ny tsirairay avy any. Mazava loatra fa misy fihemorana ny andro mahazatra fandalovany any an-trano. Efa nanamarika sahady ny gazety fa ny mpampiasa ny jiro sy ny rano (tsy tokony hoe mpanjifa satria tsy maintsy ilaina izany jiro sy rano izany amiko sady orinasa tokana no misy eto) no ho matiantoka amin'izany fitokonan'ny mpiasa mandray marikisa izany. Tsy te-hino aho satria efa nisy fitokonana enimbolana teto Madagasikara... fa noezahin'ny jirama ny nandamina azy mba ho toy ny fandoan'ny olona isam-bolana ihany no aloan'ny tsirairay. Nihevitra aho fa noho ny fahatarana folo andro dia hojeren'ny jirama io olana mety hianjady amin'ny mpampiasa io sady vola rahateo no resaka. Kanjo, diso hevitra aho.

Nataony tany amin'ny vaniny (toy ny hoe vanim-pary no tiako ilazana ny tranche izay azo atao hoe silaka koa?) faharoa daholo ny fahataran'ny fahatongavan'ny mpandray marikisa. Tsy niraharaha ny mpiasan'ny jirama... tsy niraharaha ihany koa ny fitantanana tao amin'ny jirama. Mazava loatra fa na tsy niakatra aza ny vidin-jiro, ny fahatarana tsy avy amin'ny mpampiasa ny jiro sy ny rano kosa dia fanasaziana anay voatonona farany. Vola no tadiviin'ny jirama dia nahazo vola fanampiny izany izy. Ny ahy manokana dia nanakaiky ny avo roa heny tamin'izany fandoako isambolana tamin'ity taona ity no lasa aloako raha maherin'ny telo heny noho izay naloako tamin'ny herintaona katroka izany (jona 2007).

Lasa ny eritreritro manoloana io toe-javatra mihatra amiko io. Lasa mieritreritra resaka ambadika eo amin'ny olona vitsivitsy tao amin'ny fitananana ny jirama sy ireo mpitokona aho. Lasa manao hoe nisy ny nitarika ny mpiasa hitokona hahatara ny fandraisana isa any an-tokantrano ka hampitombo izany ary dia hitombo be ny vola aloan'ny tsirairay (io no tena tanjona) rehefa tsy asondrotra ihany ny vidin-jiro. Dia mody mifampizizo ihany ny tsirairay... Tena tsy misy fikambanana mpiaro ny olotsotra iharan'izao fanondrotana ankolaka izao ve? Izao raha tany amin'ny faharoapolo ny volana no fandalovan'ny mpandray marikisa lasa aty amin'ny fanombohan'ny volana ry zareo vao mandalo ao an-trano.Eee! aza mba voany tahaka izao ihany e! fanitombo be ihany ilay miandry amin'ny iray volana nefa aho tsy mba nampiasa solosaina loatra nandritra iny volana lasa iny a! sa nandeha foana moa ny televiziona tao an-trano?

Ankafiziko mihoatra noho ny Pazzapa

2008-07-03 @ 03:44 in Kolontsaina

Tsy azoko lavina fa anisan’ny be mpanaraka hatramin’izay ny fandaharana Pazzapa ataon’ny rta na dia tsy fanarako loatra aza. Maro ihany ny fandaharana mifandraika na mitovy amin’ny ataon’ny televiziona hafa eto an-toerana fa tsy misy mahatoraka ary tsy mbola misy mahoraka noho ny azy. Na eo aza izany dia tsy kely ny tsikera toy ny fampanofisana ny tanora halaza vetivety amin’ny alalan’ny hira ka izay angamba no nahatonga azy ireo nandray fepetra tsy handray afa-tsy ny olona mahatratra ny faha-18 ny taonany tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy sasatra na dia izany aza ny televiziona hafa mikaroka fandaharana manana ny kanto sy tsara ho ankafizina satria mitandro ny mahamalagasy ihany. Asongadiko manokana amin’izany ny televiziona Malagasy Tvm.

Rehefa alarobia folakandro iny dia somary mifampitohy ny fandaharana vokarin’ny Malagasy sy mitodika manokana ho an’ny Malagasy na dia mety hahaliana ny vahiny ihany koa aza izany. Fandaharana famerenana ireo nefa dia tsy tian’ny mpanaraka azy ho adinoina ary tsy mankaleo aza ny mijery azy indray mandeha raha toa efa narahina izy tamin’ny faran’ny herinandro. Ny fandaharana Anim’Artista sy ny fandaharana J ‘jejo no tiako asongadina eto aloha.

Anim’artista, manasongadina ny kanto malagasy indrindra fa ny hira aloha amin’izao fotoana izao. Raha somary nibahan-toerana ny resadresaka tany aloha tany dia efa nampiana ho betsaka kokoa ny hira raha ho an’ny mpihira. Nefa tsinjoko etoana fa mety tsy hijanona intsony amin’ny lafiny hira ity fandarahana ity raha jerena ny voatendry ho mpitafa amin’izay vahiny nasaina. Nanjary nisy mpandihy na mpanao sarimihetsika manko tao ho ao nanentana, toy ny mampahatsiahy fa tsy ny mpihira ihany no artista fa mivelatra amin’ny fanolokoloana ny kanto rehetra izany.

J’Jejo, fandaharana tokony ho natokana ho an’ny vehivavy raha ny izy saingy mahafinaritra ahy ihany ny mahita tovovavy kanto maro ao anatiny milatro. Tsy anavahana volonkoditra sy fihaviana izany fa tsy mbola nahita mpilatro vazaha aho aloha tamin’ity fandaharana ity. Nahavariana aza tamin’ny fandaharana farany nojereko fa ny mpilatro iray dia tsy niverina fanindroany intsony nitondra fitafy hafa. Efa mihamaro ve ny mpilatro? Somary hafa nefa mifampitohy ny filatro ataon’ny vehivavy efa lehibe manao fandeha tsotra fa tsy amboarina tahaka ny ataon’ny mpilatro tanora, manasongadina kosa ny fahamendrehan’ny fitafin’olon-dehibe amin’zao fotoana izao ary tsy manao ho mampahamenatra ny habe efa vaventy avokoa.

Fa na eo aza ireo fandaharana roa navahako ireo dia manadino ny tena antom-panoratako aho raha izay ihany no lazaiko. Izaho angamba no tsy mahara-baovao intsony fa heveriko ho tsy mba misy mpilaza izy ity nefa tena manandratra ny hakantom-peo sy kolontsaina malagasy. Fantatrareo ve fa misy fifaninanana kabary hoan’ny sokajy rehetra hatramin’ny ankizy ka hatramin’ny efa katraka amin’izao fotoana izao mitety faritra maro? Raha tsy mahalala ianao dia efa nolazaiko anao ary izy ankehitriny.

Tamin’ny alatsinainy alina taorian’ny vaovao ary mialoha ny fandaharana kianja misahana ny fanatanjahantena no tsipalotro ny fandaharana kabary sompi-pahendrena. Mbola sokajy zandriny no naseho, tsy fantatro hoe rahoviana indray no misy manaraka fa rarakivy araka ny fiteny aho mahita ireto tanora herotrerony (mbola zaza ny iray) tafakatra amin’ny dingana manaraka mifaninana amin’izato fandaharam-pitenenana sy lantom-peo mahaliana ny mpitandro ny teny malagasy. Izaho manokana aloha tena mahatsiaro tena fa mbola tena ambany dia ambany amin’ny fitandroana ny teny malagasy miohatra amin’ireto ankizy (tsy ampy taona) ireto. Velona ho azy tanatiko tao ny hianatra kabary ary te-hahalala izay mpampianatra kabary mahay aho nahita azy ireto. Fifaninanana mila safidin’ny mpijery ihany koa izy ity ka manontanintania ihany ny ao amin’ny Tvm. Te-hiteny ny namana ao amin’ny telomiova ihany koa aho hoe asio fampianarana kabary ihany koa ao amin’ny vavahadin-tseraserantsika ao raha mbola tsy misy izany fa mety hanintona olona maro isika amin’izany.

Raha atao hoe dokambarotra ity lahatsoratro ity dia dokambarotra tsy nahazoako na dia ariary na dôlara iray na Eorô iray aza. Fantatro fa tsy hanambola ho amin’izany ny mpitandro ny teny sy ny kanto malagasy ary fantatro fa vitsy an’isa ny mpanambola hanohana izany fanandratana ny teny sy ny kanto malagasy izany ka izao no mba fandraisana anjara kely ataoko. Naleo koa miteny zavatra mahafinaritra hilana voly sy hampilendalenda izay mahatsiaro fa Malagasy rehetra e! 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox